Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 55
Psal Mg1865 55:2  Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin’ ny fitarainako.
Psal Mg1865 55:3  Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho,
Psal Mg1865 55:4  Noho ny feon’ ny fahavalo sy ny fampahorian’ ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin’ ny fahatezerana no ankahalany ahy.
Psal Mg1865 55:5  Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana.
Psal Mg1865 55:6  Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro.
Psal Mg1865 55:7  Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako;
Psal Mg1865 55:8  Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any an-efitra. [Sela.]
Psal Mg1865 55:9  Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon’ ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra.
Psal Mg1865 55:10  Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho.
Psal Mg1865 55:11  Hodidininy andro aman’ alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy;
Psal Mg1865 55:12  Ratsy no ao anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin’ ny lalàmbeny.
Psal Mg1865 55:13  Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,― fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho;
Psal Mg1865 55:14  Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra,
Psal Mg1865 55:15  Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin’ ny maro ho ao an-tranon’ Andriamanitra.
Psal Mg1865 55:16  Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. Aoka hidina velona any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy; fa ratsy no ao amin’ ny fonenany, dia ao afovoany.
Psal Mg1865 55:17  Raha izaho, dia Andriamanitra no hantsoiko; ary Jehovah no hamonjy ahy.
Psal Mg1865 55:18  Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy,
Psal Mg1865 55:19  Ka hanavotra ny fanahiko ho amin’ ny fiadanana hahafahako amin’ ny adin’ ireny amiko, fa maro no miady amiko.
Psal Mg1865 55:20  Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin’ ny taloha, [Sela.] ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra an’ Andriamanitra.
Psal Mg1865 55:21  Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy.
Psal Mg1865 55:22  Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny.
Psal Mg1865 55:23  Apetraho amin’ i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
Psal Mg1865 55:24  Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao.