Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 74
Psal Mg1865 74:1  Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay Hianao, sady manetroka amin’ ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao?
Psal Mg1865 74:2  Tsarovy ny fiangonanao izay efa azonao fahiny, ilay navotanao ho firenena lovanao, dia ny tendrom-bohitra Ziona izay nonenanao.
Psal Mg1865 74:3  Aingao ny tongotrao, ka miakara ho amin’ ny voarava mandrakizay; ny zavatra rehetra tao amin’ ny fitoerana masìna dia simban’ ny fahavalo avokoa.
Psal Mg1865 74:4  Nierona tao anatin’ ny fiangonanao ny mpandrafy anao; nanangana ny sainany ho famantarana izy.
Psal Mg1865 74:5  Ny fijery azy dia tahaka ny olona manainga famaky hijinja ny ala mikitroka;
Psal Mg1865 74:6  Ary amin’ izao ny rafitra misoratra rehetra ao dia asiany ny famaky sy ny kanonta.
Psal Mg1865 74:7  Efa nandoro ny fitoeranao masìna tamin’ ny afo izy; nolotoiny sy nazerany tamin’ ny tany ny fonenan’ ny anaranao.
Psal Mg1865 74:8  Hoy izy tam-pony: aoka hampahorintsika avokoa izy. Efa nandoro ny tranon’ Andriamanitra eran’ ny tany rehetra izy.
Psal Mg1865 74:9  Tsy hitanay ny famantaranay tsy misy mpaminany intsony ary tsy misy aminay mahalala izay mbola haharetan’ izao.
Psal Mg1865 74:10  Mandra-pahoviana, Andriamanitra ô, no hanaratsian’ ny mpandrafy? Hanamavo ny anaranao mandrakizay va ny fahavalo?
Psal Mg1865 74:11  Nahoana no mampihemotra ny tananao, dia ny tananao ankavanana, Hianao? mampialà azy amin’ ny tratranao, ka mandringàna.
Psal Mg1865 74:12  Fa Andriamanitra no Mpanjakako hatrizay hatrizay; manao famonjena eny amin’ ny tany Izy.
Psal Mg1865 74:13  Nampisaraka ny ranomasina tamin’ ny herinao Hianao; efa namakivaky ny lohan’ ny dragona tao anaty rano Hianao.
Psal Mg1865 74:14  Hianao nanorotoro ny lohan’ ny mamba ka nanome azy hohanin’ izay firenena any an-efitra.
Psal Mg1865 74:15  Hianao namaky ny vatolampy hamoaka loharano sy ony; Hianao nahatankina ny ony tsy mety ritra.
Psal Mg1865 74:16  Anao ny andro, Anao koa ny alina; Hianao namboatra ny fanazavana, indrindra fa ny masoandro.
Psal Mg1865 74:17  Hianao nametra ny faritry ny tany rehetra; ny fahavaratra sy ny ririnina, dia Hianao no nanao azy.
Psal Mg1865 74:18  Tsarovy izao: Manaratsy an’ i Jehovah ny fahavalo, ary ny olona adala manamavo ny anaranao.
Psal Mg1865 74:19  Aza manolotra ny ain’ ny voromailalanao ho an’ ny bibi-dia; ary aza manadino mandrakizay ny ain’ ny olo-mahantranao.
Psal Mg1865 74:20  Hevero ny fanekena; fa feno fonenan’ ny fandozana ny fitoera-maizina amin’ ny tany.
Psal Mg1865 74:21  Aoka tsy hiverina amin-kenatra ny mahantra; aoka ny ory sy ny malahelo hidera ny anaranao.
Psal Mg1865 74:22  Mitsangàna, Andriamanitra ô, efao ny adinao; tsarovy ny fanaratsian’ ny adala Anao isan’ andro.
Psal Mg1865 74:23  Aza manadino ny feon’ ny rafinao, dia ny fitabataban’ ny mpanohitra Anao, izay miakatra mandrakariva.