Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 94
Psal Mg1865 94:1  Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata.
Psal Mg1865 94:2  Misandrata, ry Mpitsara ny tany, ô; Mamalia ny mpiavonavona.
Psal Mg1865 94:3  Mandra-pahoviana re ny ratsy fanahy, Jehovah ô, Mandra-pahoviana re no mbola hifalifaly ny ratsy fanahy?
Psal Mg1865 94:4  Mirezadrezatra sy miteny sahisahy izy; Mirehareha ny mpanao ratsy rehetra.
Psal Mg1865 94:5  Ny olonao, Jehovah ô, torotoroiny, Ary ny lovanao ampahoriny;
Psal Mg1865 94:6  Ny mpitondratena sy ny vahiny vonoiny, Ary ny kamboty dia matiny
Psal Mg1865 94:7  Fa hoy izy: Tsy mijery Jehovah, Ary tsy mandinika Andriamanitr’ i Jakoba.
Psal Mg1865 94:8  Mahalalà ianareo olona ketrina; Ary ianareo adala, rahoviana re no mba ho hendry ianareo?
Psal Mg1865 94:9  Ny Mpanao ny sofina va tsy handre? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita?
Psal Mg1865 94:10  Ny Mpampianatra ny jentilisa va tsy hananatra, Dia Izay mampianatra fahalalana ny olona?
Psal Mg1865 94:11  Jehovah no mahalala ny hevitry ny olona, Fa zava-poana izany.
Psal Mg1865 94:12  Sambatra izay olona anarinao, Jehovah ô, Sady ampianarinao avy amin’ ny lalanao,
Psal Mg1865 94:13  Mba homenao fitsaharana amin’ ny andro fahoriana izy, Mandra-pihady lavaka ho an’ ny ratsy fanahy.
Psal Mg1865 94:14  Fa Jehovah tsy mba hanary ny olony, Ary ny lovany tsy hafoiny.
Psal Mg1865 94:15  Fa ny fitsarana hiverina ho amin’ ny fahamarinana, Ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra
Psal Mg1865 94:16  Iza no hitsangana ho ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao meloka?
Psal Mg1865 94:17  Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin’ ny mangingina ny fanahiko.
Psal Mg1865 94:18  Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy.
Psal Mg1865 94:19  Raha be ny ahiahy ato anatiko Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.
Psal Mg1865 94:20  Hikambana aminao va ny seza fiandrianan’ ny ratsy, Izay misaina fampahoriana manohitra ny lalàna?
Psal Mg1865 94:21  Manao andiany hamely ny fanahin’ ny marina ireo Ka manameloka ny rà marina.
Psal Mg1865 94:22  Fa tonga fiarovana avo ho ahy Jehovah; Ary vatolampy fialofako Andriamanitro.
Psal Mg1865 94:23  Dia ampanodiaviny azy ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; Eny, aringan’ i Jehovah Andriamanitsika izy.