Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
MATTHEW
Prev Up Next
Chapter 26
Matt Mg1865 26:1  Ary rehefa vitan’ i Jesosy izany teny rehetra izany, dia nilaza tamin’ ny mpianany hoe Izy:
Matt Mg1865 26:2  Fantatrareo fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak’ olona dia hatolotra hohomboana amin’ ny hazo fijaliana.
Matt Mg1865 26:3  Ary tamin’ izany dia nivory ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona tao an-kianjan’ ny tranon’ ny mpisoronabe atao hoe Kaiafa.
Matt Mg1865 26:4  Ary niara-nihevitra izy hisambotra an’ i Jesosy amin’ ny fitaka ka hamono Azy;
Matt Mg1865 26:5  kanefa hoy izy: Tsy amin’ ny andro firavoravoana, fandrao hisy tabataba amin’ ny olona.
Matt Mg1865 26:6  Ary nony tany Betania Jesosy, tao an-tranon’ i Simona boka,
Matt Mg1865 26:7  dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny tamin’ ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy.
Matt Mg1865 26:8  Fa nony nahita izany ny mpianatra, dia tezitra ka nanao hoe: Inona no anton’ izao fandaniam-poana izao?
Matt Mg1865 26:9  Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo.
Matt Mg1865 26:10  Ary fantatr’ i Jesosy izay nataon’ ireo, ka dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony tamiko.
Matt Mg1865 26:11  Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
Matt Mg1865 26:12  Fa izy no nampidina izany menaka manitra izany tamin’ ny tenako, dia ny hamboatra Ahy halevina no nanaovany izany.
Matt Mg1865 26:13  Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’ izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.
Matt Mg1865 26:14  Ary ny anankiray tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy, atao hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin’ ny lohan’ ny mpisorona
Matt Mg1865 26:15  ka nanao hoe: Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy nandanja sekely volafotsy telo-polo homena azy.
Matt Mg1865 26:16  Ary hatramin’ izay no nitadiavany izay andro hahazoany mamadika Azy.
Matt Mg1865 26:17  Ary tamin’ ny voalohan’ ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin’ i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?
Matt Mg1865 26:18  Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.
Matt Mg1865 26:19  Ary ny mpianatra dia nanao araka ny nasain’ i Jesosy nataony ka namboatra ny Paska.
Matt Mg1865 26:20  Ary nony hariva ny andro, dia nipetraka nihinana Izy mbamin’ ny mpianatra roa ambin’ ny folo lahy.
Matt Mg1865 26:21  Ary raha mbola nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.
Matt Mg1865 26:22  Dia nalahelo indrindra izy rehetra, ka samy nanontany Azy hoe: Moa izaho va izany, Tompoko?
Matt Mg1865 26:23  Ary Izy namaly ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao anatin’ ny lovia, izy no hamadika Ahy.
Matt Mg1865 26:24  Ny Zanak’ olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan’ izay olona hahazoana ny Zanak’ olona hatolotra! tsara ho an’ izany olona izany raha tsy ary akory.
Matt Mg1865 26:25  Ary Jodasy, izay namadika Azy, dia namaly ka nanao hoe: Izaho va izany, Raby ô? Dia hoy Izy taminy: Voalazanao.
Matt Mg1865 26:26  Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako.
Matt Mg1865 26:27  Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;
Matt Mg1865 26:28  fa ity no rako, dia ny amin’ ny fanekena, izay alatsaka ho an’ ny maro ho famelan-keloka.
Matt Mg1865 26:29  Ary lazaiko aminareo fa hatramin’ izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin’ ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin’ ny fanjakan’ ny Raiko.
Matt Mg1865 26:30  Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany amin’ ny tendrombohitra Oliva.
Matt Mg1865 26:31  Ary tamin’ izany dia hoy Jesosy taminy: Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana.
Matt Mg1865 26:32  Fa rehefa atsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.
Matt Mg1865 26:33  Fa Petera namaly ka nanao taminy hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay.
Matt Mg1865 26:34  Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao.
Matt Mg1865 26:35  Hoy Petera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain’ ny mpianatra rehetra.
Matt Mg1865 26:36  Ary Jesosy mbamin’ ny mpianany dia tonga tao amin’ ny saha anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin’ ny mpianany: Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho.
Matt Mg1865 26:37  Ary nitondra an’ i Petera mbamin’ izy roa lahy zanak’ i Zebedio Izy, dia nalahelo am-po sy ory indrindra.
Matt Mg1865 26:38  Dia hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko.
Matt Mg1865 26:39  Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
Matt Mg1865 26:40  Ary nankeo amin’ ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin’ i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo!
Matt Mg1865 26:41  Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
Matt Mg1865 26:42  Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao.
Matt Mg1865 26:43  Ary nony tonga Izy, dia nahita azy matory indray; fa efa nilondolondo ny masony.
Matt Mg1865 26:44  Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany.
Matt Mg1865 26:45  Dia nankeo amin’ ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak’ olona hatolotra eo an-tànan’ ny mpanota.
Matt Mg1865 26:46  Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
Matt Mg1865 26:47  Ary raha mbola niteny Jesosy, indro, avy Jodasy, izay isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy, mbamin’ ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona.
Matt Mg1865 26:48  Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy.
Matt Mg1865 26:49  Ary niaraka tamin’ izay dia nanatona an’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy.
Matt Mg1865 26:50  Fa hoy Jesosy taminy: Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto. Dia nanatona ny olona ka nisambotra an’ i Jesosy ary nitana Azy.
Matt Mg1865 26:51  Ary, indro, ny anankiray tamin’ izay nomba an’ i Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon’ ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny.
Matt Mg1865 26:52  Fa hoy Jesosy taminy: Ampidiro amin’ ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ ny sabatra.
Matt Mg1865 26:53  Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?
Matt Mg1865 26:54  Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masìna, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?
Matt Mg1865 26:55  Ary tamin’ izany ora izany dia niteny tamin’ ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isan’ andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.
Matt Mg1865 26:56  Fa izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany. Ary tamin’ izany dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.
Matt Mg1865 26:57  Ary izay efa nisambotra an’ i Jesosy dia nitondra Azy ho any amin’ i Kaiafa mpisoronabe, izay nivorian’ ny mpanora-dalàna sy ny loholona.
Matt Mg1865 26:58  Ary Petera nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin’ ny kianjan’ ny tranon’ ny mpisoronabe; ary niditra izy, dia niara-nipetraka tao amin’ ny mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany.
Matt Mg1865 26:59  Ary ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampanga lainga an’ i Jesosy mba hamonoany Azy;
Matt Mg1865 26:60  fa tsy nahita izy, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Ary nony farany dia nisy roa lahy tonga teo, izay nanao hoe:
Matt Mg1865 26:61  Ilehity nanao hoe: Mahay mandrava ny tempolin’ Andriamanitra Aho sy manangana azy amin’ ny hateloana.
Matt Mg1865 26:62  Dia nitsangana ny mpisoronabe ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan’ ireto Anao?
Matt Mg1865 26:63  Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin’ Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra.
Matt Mg1865 26:64  Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin’ izao dia ho hitanareo ny Zanak’ olona mipetraka eo amin’ ny tanana ankavanan’ ny Hery sy avy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra.
Matt Mg1865 26:65  Ary tamin’ izany ny mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny ratsy Izy; ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy izao.
Matt Mg1865 26:66  Ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Miendrika hohelohina ho faty Izy.
Matt Mg1865 26:67  Dia nororany ny tavany, ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany namely tahamaina Azy.
Matt Mg1865 26:68  ka nanao hoe: Maminania aminay, ry Kristy, iza no namely Anao?
Matt Mg1865 26:69  Ary Petera nipetraka teo ivelany, teo an-kianja, dia nanatona azy ny ankizivavy anankiray ka nanao hoe: Hianao koa nomba an’ i Jesosy, ilay Galiliana.
Matt Mg1865 26:70  Fa izy nandà teo anatrehan’ izy rehetra ka nanao hoe: Tsy azoko izay lazainao.
Matt Mg1865 26:71  Ary nony niala ho eo am-bavahady izy, dia nahita azy ny ankizivavy anankiray koa ka nilaza tamin’ izay teo hoe: Ity koa nomba an’ i Jesosy avy any Nazareta.
Matt Mg1865 26:72  Ary nandà indray tamin’ ny fianianana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany.
Matt Mg1865 26:73  Ary nony afaka kelikely, dia nanatona izay nijanona teo ka nanao tamin’ i Petera hoe: Marina tokoa fa naman’ ireny ianao; fa ny fiteninao miampanga anao.
Matt Mg1865 26:74  Dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary niaraka tamin’ izay dia nisy akoho naneno.
Matt Mg1865 26:75  Ary Petera nahatsiaro ny tenin’ i Jesosy, izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra.