Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 73
Psal Mg1865 73:1  Andriamanitra mahasoa ny Isiraely tokoa, dia ny madio fo.
Psal Mg1865 73:2  Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako,
Psal Mg1865 73:3  Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ ny ratsy fanahy.
Psal Mg1865 73:4  Fa tsy misy fanaintainana amin’ ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny.
Psal Mg1865 73:5  Tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy.
Psal Mg1865 73:6  Dia izany no iambozonany rehareha toy ny rojo, sy itafiany fahalozàna tahaka ny lamba.
Psal Mg1865 73:7  Bongon-tavy ny masony; miloatra ny hevitry ny fony.
Psal Mg1865 73:8  Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana an-dolom-po; avo vava izy.
Psal Mg1865 73:9  Manao vava manakatra ny lanitra izy, ary ny lelany mandeha mitety ny tany.
Psal Mg1865 73:10  Izany no itodihan’ ny olony hankany aminy; ary rano be no gohin’ ireny;
Psal Mg1865 73:11  Ka hoy izy: Hataon’ Andriamanitra ahoana no fahalala? ary manam-pahalalana va ny Avo Indrindra?
Psal Mg1865 73:12  Indro, ireny dia olona ratsy fanahy; miadana mandrakariva izy ka mitombo harena.
Psal Mg1865 73:13  Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasàko ny tanako tamin’ ny fahamarinana.
Psal Mg1865 73:14  Azom-pahoriana mandritra ny andro aho, ary faizana isa-maraina.
Psal Mg1865 73:15  Raha tahìny aho nanao hoe: Hiteny izany aho, dia ho namitaka ireo zanakao.
Psal Mg1865 73:16  Dia nieritreritra ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany.
Psal Mg1865 73:17  Mandra-piditro tao amin’ ny fitoera-masin’ Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany.
Psal Mg1865 73:18  Eo amin’ izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy.
Psal Mg1865 73:19  Hià! rava indray mipi-maso izy! levona izy, matin-java-mahatahotra izy!
Psal Mg1865 73:20  Tahaka ny anaovan’ ny olona ny nofiny ho tsinontsinona, dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik’ ireny ho tsinontsinona, raha mifoha Hianao.
Psal Mg1865 73:22  Dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby teo anatrehanao aho.
Psal Mg1865 73:23  Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao.
Psal Mg1865 73:24  Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin’ ny voninahitra aho.
Psal Mg1865 73:25  Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy etỳ ambonin’ ny tany iriko tahaka Anao.
Psal Mg1865 73:26  Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin’ ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.
Psal Mg1865 73:27  Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao.
Psal Mg1865 73:28  Fa, izaho, dia ny ho akaikin’ Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.