Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 118
Psal Mg1865 118:1  Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
Psal Mg1865 118:2  Aoka ny Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
Psal Mg1865 118:3  Aoka ny taranak’ i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
Psal Mg1865 118:4  Aoka izay matahotra an’ i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
Psal Mg1865 118:5  Tao an-katerena no niantsoako an’ i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.
Psal Mg1865 118:6  Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ ny olona atao amiko?
Psal Mg1865 118:7  Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin’ izay mankahala ahy.
Psal Mg1865 118:8  Tsara ny mialoka amin’ i Jehovah Noho ny mialoka amin’ ny olona.
Psal Mg1865 118:9  Tsara ny matoky an’ i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka.
Psal Mg1865 118:10  Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa;
Psal Mg1865 118:11  Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa.
Psal Mg1865 118:12  Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa.
Psal Mg1865 118:13  Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy.
Psal Mg1865 118:14  Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy.
Psal Mg1865 118:15  Ao an-dain’ ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery;
Psal Mg1865 118:16  Ny tanana ankavanan’ i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery.
Psal Mg1865 118:17  Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan’ i Jehovah.
Psal Mg1865 118:18  Nofaizan’ i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin’ ny fahafatesana.
Psal Mg1865 118:19  Vohay ny vavahadin’ ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an’ i Jehovah.
Psal Mg1865 118:20  Ity no vavahadin’ i Jehovah; Ny marina no hiditra eo.
Psal Mg1865 118:21  Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy.
Psal Mg1865 118:22  Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra.
Psal Mg1865 118:23  Avy tamin’ i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika.
Psal Mg1865 118:24  Ity no andro nataon’ i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin’ izao isika.
Psal Mg1865 118:25  Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è!
Psal Mg1865 118:26  Hotahina anie izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah; Avy ao an-tranon’ i Jehovah no itsofanay rano anareo.
Psal Mg1865 118:27  Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin’ ny tandroky ny alitara aza.
Psal Mg1865 118:28  Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho.
Psal Mg1865 118:29  Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.