Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 109
Psal Mg1865 109:1  Ry Andriamanitra fidèrako ô, aza mangìna Hianao,
Psal Mg1865 109:2  Fa nisoka-bava ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka hamely ahy; Niteny ahy tamin’ ny lela mandainga izy.
Psal Mg1865 109:3  Teny fankahalana no nanodidinany ahy; Ary niady tamiko tsy ahoan-tsy ahoana izy.
Psal Mg1865 109:4  Ny fitiavako dia valiany fandrafiana; Fa izaho kosa dia mivavaka.
Psal Mg1865 109:5  Ny soa nataoko novaliany ratsy, Ary ny fitiavako novaliany fankahalana.
Psal Mg1865 109:6  Anendreo olona ratsy fanahy hanapaka azy; Ary aoka hisy mpanohitra hitsangana eo an-kavanany.
Psal Mg1865 109:7  Raha hotsaraina izy, dia aoka ho meloka, Ary aoka ny fivavahany ho tonga fahotana.
Psal Mg1865 109:8  Aoka ho vitsy ny androny; Ary aoka ho lasan’ olon-kafa ny anjara raharahany.
Psal Mg1865 109:9  Aoka ho kamboty ny zanany; Ary aoka ho mpitondratena ny vadiny
Psal Mg1865 109:10  Aoka hirenireny mangataka ny zanany, Ary aoka hiremby lavitra ny tranony efa rava izy.
Psal Mg1865 109:11  Aoka ny mpampanàna vola hamandrika izay rehetra ananany; Ary aoka ny olon-kafa hifaoka ny vokatry ny asany.
Psal Mg1865 109:12  Aoka tsy hisy haharitra hamindra fo aminy, Na hiantra ny zanany kamboty.
Psal Mg1865 109:13  Aoka ho fongora ny taranany; Ary aoka hovonoina amin’ ny taranaka mandimby ny anarany.
Psal Mg1865 109:14  Aoka hotsarovan’ i Jehovah ny helo-drainy; Ary aoka tsy hovonoina ny helo-dreniny.
Psal Mg1865 109:15  Aoka ho eo anatrehan’ i Jehovah mandrakariva izany, Ary hofoanany tsy ho eo ambonin’ ny tany anie ny fahatsiarovana azy.
Psal Mg1865 109:16  Satria tsy mba nahatsiaro hamindra fo izy, Fa nanenjika ny ory sy ny malahelo Ary ny reraka am-po mba hahafaty azy;
Psal Mg1865 109:17  Tia ozona izy, ka nanody azy izany; Tsy tia indrafo izy, ka nanalavitra azy izany.
Psal Mg1865 109:18  Nitafy ozona tahaka ny lambany izy, Ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany, Ary tao amin’ ny taolany tahaka ny diloilo;
Psal Mg1865 109:19  Dia aoka ho tahaka ny lamba itafiany izany, Ary ho fisikinana isikinany mandrakariva.
Psal Mg1865 109:20  Izany no famaliana avy amin’ i Jehovah ho an’ ny mpanohitra ahy, Dia izay manendrikendrika ahy.
Psal Mg1865 109:21  Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, miasà ho ahy noho ny anaranao; Vonjeo aho, fa tsara ny famindram-ponao.
Psal Mg1865 109:22  Fa mahantra sy malahelo aho, Ary ny foko dia voatsindrona ato anatiko.
Psal Mg1865 109:23  Lasa tahaka ny aloka mihelina aho; Roahina tahaka ny valala aho.
Psal Mg1865 109:24  Efa malemy ny lohaliko noho ny fifadian-kanina; Ary efa mihena ny hatavin’ ny nofoko.
Psal Mg1865 109:25  Ary izaho dia tonga fandatsan’ ireny; Mijery ahy izy ka mihifikifi-doha.
Psal Mg1865 109:26  Ampio aho Jehovah Andriamanitro ô; Vonjeo araka ny famindram-ponao aho;
Psal Mg1865 109:27  Ary aoka ho fantany fa tananao izany; Hianao, Jehovah ô, no nanao izany.
Psal Mg1865 109:28  Manozona izy ireo, fa Hianao kosa mitahy; Mitsanga-menatra izy, fa mifaly kosa ny mpanomponao.
Psal Mg1865 109:29  Mitafy henatra ny fahavaloko Ka misaron-kenatra tahaka ny lamba.
Psal Mg1865 109:30  Hidera an’ i Jehovah indrindra amin’ ny vavako aho; Eny, eo amin’ ny olona maro no hiderako Azy.
Psal Mg1865 109:31  Fa mitsangana eo ankavanan’ ny malahelo Izy Mba hamonjy azy amin’ izay manameloka ny fanahiny.