Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 22
Psal Mg1865 22:2  Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin’ ny fitarainako.
Psal Mg1865 22:3  Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.
Psal Mg1865 22:4  Kanefa masìna Hianao, Ry mipetraka eo ambonin’ ny fideran’ ny Isiraely.
Psal Mg1865 22:5  Hianao no nitokian’ ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao.
Psal Mg1865 22:6  Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.
Psal Mg1865 22:7  Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan’ olona sy fanevatevam-bahoaka.
Psal Mg1865 22:8  Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:
Psal Mg1865 22:9  Ankino amin’ i Jehovah, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.
Psal Mg1865 22:10  Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin’ ny reniko;
Psal Mg1865 22:11  Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao.
Psal Mg1865 22:12  Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.
Psal Mg1865 22:13  Mitangorona amiko ireo ombilahy be, ny maherin’ i Basana manemitra ahy.
Psal Mg1865 22:14  Misanasana vava amiko izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy.
Psal Mg1865 22:15  Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy.
Psal Mg1865 22:16  Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin’ ny lanilaniko; ao amin’ ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.
Psal Mg1865 22:17  Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan’ ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy
Psal Mg1865 22:18  Mahisa ny taolako rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.
Psal Mg1865 22:19  Mizara ny fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny.
Psal Mg1865 22:20  Fa Hianao, Jehovah ô, aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy.
Psal Mg1865 22:21  Vonjeo amin’ ny sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin’ ny herin’ ny amboa.
Psal Mg1865 22:22  Vonjeo amin’ ny vavan’ ny liona aho; ary valio ho afaka amin’ ny tandroky ny ombimanga.
Psal Mg1865 22:23  Hitory ny anaranao amin’ ny rahalahiko aho; eo amin’ ny fiangonana no hideràko Anao.
Psal Mg1865 22:24  Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, miderà Azy; ry taranak’ i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak’ Isiraely rehetra.
Psal Mg1865 22:25  Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon’ ny fahorian’ ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.
Psal Mg1865 22:26  Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin’ ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan’ izay matahotra an’ i Jehovah.
Psal Mg1865 22:27  Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an’ i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
Psal Mg1865 22:28  Hahatsiaro ka hiverina ho amin’ i Jehovah ny faran’ ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon’ ny firenen-tsamy hafa.
Psal Mg1865 22:29  Fa an’ i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin’ ny firenen-tsamy hafa Izy.
Psal Mg1865 22:30  Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo rehetra ambonin’ ny tany, eo anatrehany no hiondrehan’ izay rehetra efa hidina any amin’ ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.
Psal Mg1865 22:31  Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin’ ny taranaka ho avy.
Psal Mg1865 22:32  Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin’ ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.