Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JAMES
Up
1 2 3 4 5
Chapter 1
Jame Mg1865 1:1  Jakoba, mpanompon’ Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin’ ny folo monina any am-pielezana.
Jame Mg1865 1:2  Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ ny fakam-panahy samy hafa ianareo,
Jame Mg1865 1:3  satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.
Jame Mg1865 1:4  Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.
Jame Mg1865 1:5  Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.
Jame Mg1865 1:6  Nefa aoka hangataka amin’ ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ ny rivotra ka atopatopany.
Jame Mg1865 1:7  Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ ny Tompo izany olona izany:
Jame Mg1865 1:8  olona miroa saina izy, miovaova amin’ ny alehany rehetra.
Jame Mg1865 1:9  Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany;
Jame Mg1865 1:10  fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin’ ny ahitra izy.
Jame Mg1865 1:11  Fa miposaka ny masoandro mbamin’ ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon’ ny manan-karena amin’ ny alehany.
Jame Mg1865 1:12  Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain’ ny Tompo homena izay tia Azy.
Jame Mg1865 1:13  Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon’ ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy;
Jame Mg1865 1:14  fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ ny filany sy fitahiny izy.
Jame Mg1865 1:15  Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
Jame Mg1865 1:16  Aza mety hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako.
Jame Mg1865 1:17  Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midìna avy amin’ ny Rain’ ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ ny fihodinana.
Jame Mg1865 1:18  Tamin’ ny sitrapony no niterahany antsika tamin’ ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.
Jame Mg1865 1:19  Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;
Jame Mg1865 1:20  fa ny fahatezeran’ ny olona tsy ahefana izay marina eo imason’ Andriamanitra.
Jame Mg1865 1:21  Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin’ ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Jame Mg1865 1:22  Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
Jame Mg1865 1:23  Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ ny fitaratra izy;
Jame Mg1865 1:24  fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin’ izay dia hadinony ny tarehiny.
Jame Mg1865 1:25  Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ ny fahafahana, ka maharitra amin’ izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ ny asany izany olona izany.
Jame Mg1865 1:26  Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’ izany olona izany.
Jame Mg1865 1:27  Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’ Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’ izao tontolo izao.
Chapter 2
Jame Mg1865 2:1  Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana fizahan-tavan’ olona ny finoanareo ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon’ ny voninahitra.
Jame Mg1865 2:2  Fa raha misy olona miditra eo amin’ ny synagoganareo misy peratra volamena amin’ ny rantsan-tànany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona malahelo miakanjo ratsy,
Jame Mg1865 2:3  koa mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin’ ny fitoerana aloha ianao; ary manao amin’ ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa ianao, na: Mipetraha etsy amin’ ny fitoeran-tongotro,―
Jame Mg1865 2:4  moa tsy miangatra va ianareo amin’ izany ka efa mpitsara manan-kevi-dratsy?
Jame Mg1865 2:5  Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin’ Andriamanitra va ny malahelo amin’ izao fiainana izao ho mpanankarena amin’ ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy?
Jame Mg1865 2:6  Fa ianareo efa nanala-baraka ny malahelo. Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo? Ary tsy izy va no mitarika anareo ho eo amin’ ny fitsarana?
Jame Mg1865 2:7  Tsy izy koa va no miteny ratsy ny anarana tsara izay niantsoana anareo?
Jame Mg1865 2:8  Kanefa raha mankatò ilay didy ambony indrindra ianareo, araka ny Soratra Masìna hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”, dia manao tsara ianareo.
Jame Mg1865 2:9  Fa raha mizaha tavan’ olona kosa ianareo, dia manota ka helohin’ ny lalàna ho mpanota.
Jame Mg1865 2:10  Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin’ ny iray loha dia meloka amin’ izy rehetra.
Jame Mg1865 2:11  Fa Ilay nanao hoe: “Aza mijangajanga” no nanao hoe koa: “Aza mamono olona”. Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao.
Jame Mg1865 2:12  Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain’ ny lalàn’ ny fahafahana.
Jame Mg1865 2:13  Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’ izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.
Jame Mg1865 2:14  Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy?
Jame Mg1865 2:15  Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan’ andro,
Jame Mg1865 2:16  ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin’ ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an’ ny tenany, inona moa no soa azo amin’ izany?
Jame Mg1865 2:17  Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.
Jame Mg1865 2:18  Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin’ ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ ny asako.
Jame Mg1865 2:19  Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,― ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra.
Jame Mg1865 2:20  Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?
Jame Mg1865 2:21  Tsy nohamarinina tamin’ ny asa va Abrahama razantsika tamin’ ny nanaterany an’ isaka zanany teo ambonin’ ny alitara?
Jame Mg1865 2:22  Hitanao fa niara-niasa tamin’ ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ ny asa;
Jame Mg1865 2:23  ary tanteraka ny Soratra Masìna manao hoe: “Ary Abrahama nino an’ Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany”, ary natao hoe “Sakaizan’ Andriamanitra” izy.
Jame Mg1865 2:24  Koa dia hitanareo fa hamarinina amin’ ny asa ny olona, fa tsy amin’ ny finoana ihany.
Jame Mg1865 2:25  Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin’ ny asa va izy tamin’ ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin’ ny lalan-kafa?
Jame Mg1865 2:26  Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.
Chapter 3
Jame Mg1865 3:1  Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany ianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anay mpampianatra.
Jame Mg1865 3:2  Fa tafintohina amin’ ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.
Jame Mg1865 3:3  Ary raha asiantsika lamboridy amin’ ny vavan’ ny soavaly mba hanarahany antsika, dia mitondra ny tenany rehetra isika.
Jame Mg1865 3:4  Indreo koa ny sambo, na dia lehibe aza ireny ka entin’ ny rivotra mahery, dia ahodin’ ny familiana kely foana izy ho any amin’ izay tian’ ny mpitondra.
Jame Mg1865 3:5  Dia toy izany koa ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon’ ny antontan-kazo arehitry ny afo kely!
Jame Mg1865 3:6  Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin’ ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo izy;
Jame Mg1865 3:7  Fa folaka avokoa ny karazan’ ny bibi-dia rehetra sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka mbamin’ ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny;
Jame Mg1865 3:8  fa tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty.
Jame Mg1865 3:9  Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik’ Andriamanitra.
Jame Mg1865 3:10  Ny vava iray ihany no ivoahan’ ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.
Jame Mg1865 3:11  Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin’ ny vavany iray ihany?
Jame Mg1865 3:12  Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan’ oliva, na ny voaloboka mamoa voan’ aviavy? Toy izany ny rano masirasira tsy mba ivoahan’ ny mamy.
Jame Mg1865 3:13  Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ ny fitondran-tena tsara ny asany amin’ ny fahalemem-panahin’ ny fahendrena.
Jame Mg1865 3:14  Fa raha misy fialonana mirehitra sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina.
Jame Mg1865 3:15  Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an’ ny demonia.
Jame Mg1865 3:16  Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra.
Jame Mg1865 3:17  Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy.
Jame Mg1865 3:18  Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin’ ny fihavanana ho an’ izay mampandroso ny fihavanana.
Chapter 4
Jame Mg1865 4:1  Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin’ ny momba ny tenanareo?
Jame Mg1865 4:2  Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka.
Jame Mg1865 4:3  Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin’ ny filanareo.
Jame Mg1865 4:4  Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’ Andriamanitra ny fisakaizana amin’ izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’ izao tontolo izao, dia fahavalon’ Andriamanitra izy.
Jame Mg1865 4:5  Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masìna? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika dia iriny amin’ ny fahasaro-piaro.
Jame Mg1865 4:6  Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ ny manetry tena”.
Jame Mg1865 4:7  Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.
Jame Mg1865 4:8  Manatòna an’ Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.
Jame Mg1865 4:9  Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo.
Jame Mg1865 4:10  Manetre tena eo anatrehan’ ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.
Jame Mg1865 4:11  Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao, dia tsy mpankatò ny lalàna, fa mpitsara.
Jame Mg1865 4:12  Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao, no mitsara ny namanao?
Jame Mg1865 4:13  He! ianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra,
Jame Mg1865 4:14  kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona.
Jame Mg1865 4:15  Fa aleo manao izao: Raha sitrapon’ ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany.
Jame Mg1865 4:16  Fa izao dia mirehareha amin’ ny fahasahianareo ianareo; ratsy ny fireharehana rehetra toy izany.
Jame Mg1865 4:17  Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany.
Chapter 5
Jame Mg1865 5:1  He! ianareo manan-karena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay efa manjo anareo.
Jame Mg1865 5:2  Ny harenareo efa simba, ary ny fitafianareo efa lanin’ ny kalalao.
Jame Mg1865 5:3  Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina; ary ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo tahaka ny afo. Efa namory harena amin’ ny andro farany ianareo.
Jame Mg1865 5:4  Indro, ny karaman’ ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny fitarainan’ ny mpijinja dia efa tafiditra amin’ ny sofin’ ny Tompon’ ny maro.
Jame Mg1865 5:5  Efa velona tamin’ ny fy tetỳ ambonin’ ny tany ianareo sady nanaram-po tamin’ ny fahafinaretana; efa namahy ny fonareo tamin’ ny andro hamonoana ianareo.
Jame Mg1865 5:6  Efa nanameloka namono ny marina ianareo; fa tsy manohitra anareo izy.
Jame Mg1865 5:7  Ary amin’ izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin’ ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin’ ny tany ka maharitra amin’ izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
Jame Mg1865 5:8  Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian’ ny Tompo.
Jame Mg1865 5:9  Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; Indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan’ ny varavarana.
Jame Mg1865 5:10  Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin’ ny anaran’ ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana.
Jame Mg1865 5:11  Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan’ i Joba ary efa hitanareo ny faran’ ny nataon’ ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po.
Jame Mg1865 5:12  Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin’ ny lanitra, na amin’ ny tany, na amin’ izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho “Eny”, ary ny fandànareo ho “Tsia”, fandrao hiharan’ ny fitsarana ianareo.
Jame Mg1865 5:13  Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana.
Jame Mg1865 5:14  Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ ny anaran’ ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy;
Jame Mg1865 5:15  ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.
Jame Mg1865 5:16  Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan’ ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.
Jame Mg1865 5:17  Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan’ ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin’ ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana.
Jame Mg1865 5:18  Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.
Jame Mg1865 5:19  Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin’ ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy,
Jame Mg1865 5:20  aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ ny lalan’ ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.