Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 37
Psal Mg1865 37:1  Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka;
Psal Mg1865 37:2  Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.
Psal Mg1865 37:3  Matokia an’ i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin’ ny tany ianao ka ho faly amin’ ny fahamarinana.
Psal Mg1865 37:4  Ary miravoravoa amin’ i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin’ ny fonao.
Psal Mg1865 37:5  Ankino amin’ i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.
Psal Mg1865 37:6  Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.
Psal Mg1865 37:7  Miantombena tsara miandry an’ i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin’ izay ambinina amin’ ny lalany dia amin’ izay olona manao sain-dratsy.
Psal Mg1865 37:8  Mitsahara amin’ ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran’ izany.
Psal Mg1865 37:9  Fa ny mpanao ratsy hofongoro-na; Ary izay miandry an’ i Jehovah no handova ny tany.
Psal Mg1865 37:10  Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; Handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy.
Psal Mg1865 37:11  Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ ny haben’ ny fiadanana.
Psal Mg1865 37:12  Ny ratsy fanahy manao hevi-dratsy hamelezana ny maraina ka mihidy vazana aminy.
Psal Mg1865 37:13  Ny tompo mihomehy azy, satria hitany fa ho tonga ny androny.
Psal Mg1865 37:14  Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana.
Psal Mg1865 37:15  Ny sabany hitsatoka amin’ ny fony ihany, ary ny tsipìkany ho tapatapaka.
Psal Mg1865 37:16  Tsara lavitra ny kely ananan’ ny ratsy fanahy maro.
Psal Mg1865 37:17  Fa ny sandrin’ ny ratsy fanahy ho tapatapaka; Fa Jehovah manohana ny marina.
Psal Mg1865 37:18  Fantatr’ i Jehovah ny andron’ ny mahitsy; Ary ny lovany ho mandrakizay.
Psal Mg1865 37:19  Tsy mba ho menatra amin’ ny andro fahoriana ireny; ary amin’ ny taona mosarena dia ho voky izy.
Psal Mg1865 37:20  Fa ny ratsy fanahy haringana, ary ny fahavalon’ i Jehovah ho tahaka ny voninahitry ny saha; Ho levona izy, eny, ho levon-ko setroka izy.
Psal Mg1865 37:21  Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra; Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome.
Psal Mg1865 37:22  Fa izay tahìny no handova ny tany; Ary izay ozoniny kosa no hofongorana.
Psal Mg1865 37:23  Avy amin’ i Jehovah no mahalavorary ny dian’ ny olona, ka Izy no mankasitraka ny lalany.
Psal Mg1865 37:24  Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy.
Psal Mg1865 37:25  Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; Fa tsy mbola hitako mangataka hanina.
Psal Mg1865 37:26  Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra; ary ny taranany hotahina.
Psal Mg1865 37:27  Halaviro ny ratsy, ka manaova soa. Dia honina mandrakizay ianao.
Psal Mg1865 37:28  Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masìna; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana,
Psal Mg1865 37:29  Ny marina handova ny tany Ka honina ao aminy mandrakizay
Psal Mg1865 37:30  Ny vavan’ ny marina miresaka fahendrena, Ary ny lelany manambara ny rariny.
Psal Mg1865 37:31  Ny lalàn’ Andriamaniny no ao am-pony; Tsy mba ho solafaka ny diany.
Psal Mg1865 37:32  Mitsikilo ny marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy.
Psal Mg1865 37:33  Jehovah tsy hahafoy azy eo an-tanany. Na hanameloka azy, raha tsaraina izy.
Psal Mg1865 37:34  Miandrasa an’ i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao.
Psal Mg1865 37:35  Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy;
Psal Mg1865 37:36  Kanjo nandalo izy ka, indro, tsy teo intsony; Ary nitady azy ka, tsy hita izy.
Psal Mg1865 37:37  Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; Fa misy farany ho an’ ny olona tia fihavanana.
Psal Mg1865 37:38  Fa ny mpanota haringana avokoa; Ny hihafaran’ ny ratsy fanahy ho fongotra.
Psal Mg1865 37:39  Fa ny famonjena ny marina dia avy amin’ i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin’ ny andro fahoriana Izy.
Psal Mg1865 37:40  Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin’ ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.