Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
HOSEA
Up
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14
Chapter 1
Hose Mg1865 1:1  Ny tenin’ i Jehovah, izay tonga tamin’ i Hosea, zanak’ i Bery, tamin’ ny andro nanjakan’ i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, sy tamin’ ny andron’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely.
Hose Mg1865 1:2  Tamin’ ny niandohan’ ny nitenenan’ i Jehovah tamin’ i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin’ i Jehovah ny tany.
Hose Mg1865 1:3  Dia lasa izy naka an’ i Gomera, zanakavavin’ i Diblaima; ary dia nanan’ anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy.
Hose Mg1865 1:4  Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa vetivety dia hovaliako ny taranak’ i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan’ ny taranak’ Isiraely.
Hose Mg1865 1:5  Ary amin’ izany andro izany dia hotapahiko ao amin’ ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan’ Isiraely.
Hose Mg1865 1:6  Ary nanan’ anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy Jehovah taminy: Ataovy Lò-rohama no anarany; fa tsy hamindra fo amin’ ny taranak’ Isiraely intsony Aho, eny, tsy havelako mihitsy ny helony.
Hose Mg1865 1:7  Fa ny taranak’ i Joda no hamindrako fo, ary Izaho Jehovah Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin’ ny tsipìka, na amin’ ny sabatra, na amin’ ny ady, na amin’ ny soavaly, na amin’ ny mpitaingin-tsoavaly.
Hose Mg1865 1:8  Ary rehefa notazana Lò-rohama, dia nanan’ anaka indray reniny ka nitera-dahy.
Hose Mg1865 1:9  Dia hoy Jehovah: Ataovy Lò-amy no anarany; fa ianareo tsy oloko, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo.
Chapter 2
Hose Mg1865 2:1  Kanefa, na dia izany aza, ny isan’ ny Zanak’ Isiraely dia ho betsaka toy ny fasika amin’ ny ranomasina, izay tsy azo afatra sady tsy tambo isaina; ary any amin’ ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hanaovana aminy hoe: Zanak’ Andriamanitra velona ianareo.
Hose Mg1865 2:2  Dia hiara-mivory ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ Isiraely ka hifidy anankiray ho lohany izy, dia hiakatra hiala amin’ ny tany, fa ho lehibe ny andron’ i Jezirda.
Hose Mg1865 2:3  Manaova amin’ ny rahalahinareo hoe: Amy, ary amin’ ny anabavinareo hoe: Rohama.
Hose Mg1865 2:4  Mifandahara amin-dreninareo, eny, mifandahara fa izy tsy vadiko, ary Izaho tsy vadiny, ary aoka hesoriny ny fijejojejoany hiala eo amin’ ny tavany sy ny fijangajangany tsy ho eo an-tratrany;
Hose Mg1865 2:5  Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin’ ny andro nahaterahany, ary hataoko toy ny efitra sy ny tany karankaina izy, eny, hataoko matin-ketaheta izy.
Hose Mg1865 2:6  Ary tsy hamindrako fo ny zanany, Satria zanaky ny fijangajangana ireny.
Hose Mg1865 2:7  Fa efa nijangajanga ny reniny, eny, ilay torontoronina azy efa nanao izay mahamenatra; Fa hoy izy: Hanaraka ireo lehilahiko ihany aho, Izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko, sy ny volon’ ondriko sy ny rongoniko sy ny diloiloko ary ny fisotroko.
Hose Mg1865 2:8  Koa, indro, hotampenako tsilo ny lalanao sady hasiako fefy, ary tsy hahita izay lalan-kalehany izy.
Hose Mg1865 2:9  Ary hiezaka hanenjika ireo lehilahiny izy, nefa tsy hahatratra azy; Eny, hitady ireo izy, nefa tsy hahita; Dia hanao hoe izy: Handeha hody amin’ ny vadiko taloha aho; Fa niadana aho tamin’ izay noho ny ankehitriny.
Hose Mg1865 2:10  Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany, izay nolaniny ho an’ i Bala,
Hose Mg1865 2:11  Koa dia halaiko indray ny variko amin’ ny androny sy ny ranom-boaloboko amin’ ny taonany, ary haoriko ny volon’ ondriko sy ny rongoniko, izay nomena hasarony ny fitanjahany.
Hose Mg1865 2:12  Ary ankehitriny hasehoko eo imason’ ireo lehilahiny ny fahamenarany, ka tsy hisy hahafaka azy amin’ ny tanako.
Hose Mg1865 2:13  Ary hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany, eny, ny fotoam-pivavahany rehetra.
Hose Mg1865 2:14  Ary hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny, izay nataony hoe: Tangiko avy tamin’ ireo lehilahiko ireto, ary hataoko ho tonga ala ireny ka hohanin’ ny bibidia.
Hose Mg1865 2:15  Ary hovaliako izy noho ny andron’ ireo Bala, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny kaviny sy ny firavany, ka nanaraka ireo lehilahiny izy; Fa Izaho kosa nohadinoiny, hoy Jehovah.
Hose Mg1865 2:16  Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.
Hose Mg1865 2:17  Ary hatrany dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no hamaliany toy ny tamin’ ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin’ ny andro niakarany avy tany amin’ ny tany Egypta.
Hose Mg1865 2:18  Ary raha mby amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia hataonao hoe Aho Vadiko, fa tsy hataonao intsony hoe Balako.
Hose Mg1865 2:19  Fa hesoriko amin’ ny vavany ny anaran’ ireo Bala, ka tsy hotsarovana amin’ ny anarany intsony ireo.
Hose Mg1865 2:20  Ary raha mby amin’ izany andro izany, Izaho dia hanao fanekena ho azy amin’ ny bibidia sy amin’ ny voro-manidina ary amin’ ny biby mandady sy mikisaka amin’ ny tany; Ary hotapatapahiko tsy hisy amin’ ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny fiadiana, dia hataoko mandry fahizay izy;
Hose Mg1865 2:21  Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, eny, hofofoiko ho vadiko amin’ ny rariny sy ny hitsiny ary amin’ ny fitiavana sy ny indrafo ianao;
Hose Mg1865 2:22  Eny, hofofoiko ho vadiko amin’ ny fahamarinana ianao. Ka dia hahalala an’ i Jehovah.
Hose Mg1865 2:23  Ary amin’ izany andro izany dia hihaino Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany;
Hose Mg1865 2:24  Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo; Ary ireo kosa dia hihaino an’ i Jezirela,
Hose Mg1865 2:25  Dia hafafiko ho Ahy amin’ ny tany izy; Ary hamindra fo amin’ i Lò-rohama Aho sady hanao amin’ i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.
Chapter 3
Hose Mg1865 3:1  Dia hoy Jehovah tamiko: Mandehana indray, tiava vehivavy izay tian’ ny vadiny nefa mijangajanga, dia tahaka ny fitiavan’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, nefa ireo kosa dia mihodìna ho amin’ izay andriamani-kafa sady tia ampempam-boaloboka.
Hose Mg1865 3:2  Ka dia novidiko sekely volafotsy dimy ambin’ ny folo sy vary hordea homera iray sy tapany izy.
Hose Mg1865 3:3  Ary hoy izaho taminy: Andro maro no hitoeranao miandry ahy; fa tsy havela hijangajanga na hanambady olon-kafa ianao; ary izaho koa dia ho toy izany aminao.
Hose Mg1865 3:4  Fa andro maro no hitoeran’ ny Zanak’ Isiraely tsy hanana mpanjaka, na mpanapaka, na fanatitra, na tsangam-bato, na efoda, na terafima.
Hose Mg1865 3:5  Rehefa afaka izany, dia hiverina ny Zanak’ Isiraely ka hitady an’ i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany; ary nandeha amin-kovitra hanatona an’ i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any am-parany.
Chapter 4
Hose Mg1865 4:1  Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ianareo Zanak’ Isiraely! Fa Jehovah manana ady amin’ ny mponina amin’ ny tany, satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an’ Andriamanitra eo amin’ ny tany,
Hose Mg1865 4:2  Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy ka mifanontona ny fandatsahan-drà.
Hose Mg1865 4:3  Ary noho izany dia mitomany ny tany ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy, dia ny bibi-dia sy ny voro-manidina; Eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa.
Hose Mg1865 4:4  Kanefa aza misy mandahatra, na mananatra; Fa ny oloko dia efa tahaka ny mifanditra amin’ ny mpisorona.
Hose Mg1865 4:5  Ka dia ho tafintohina antoandro ianao, ary ny mpaminany hiara-tafintohina aminao koa amin’ ny alina, ary hovonoiko ny reninao.
Hose Mg1865 4:6  Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian’ ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan’ Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao.
Hose Mg1865 4:7  Araka ny nitomboany no nanotany tamiko, ka dia hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.
Hose Mg1865 4:8  Ny fanatitra noho ny ota izay aterin’ ny oloko dia haniny ka satriny ihany ny ho diso ireny.
Hose Mg1865 4:9  Ary ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; Dia hovaliako izy noho ny lalany, ary ny ataony dia hatsingeriko aminy.
Hose Mg1865 4:10  Ka dia hihinana izy, nefa tsy ho voky, hijangajanga izy, nefa tsy hihabetsaka, satria Jehovah efa tsy nahoany intsony.
Hose Mg1865 4:11  Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka no mahalasa ny saina.
Hose Mg1865 4:12  Ny oloko dia mila saina amin’ ny tapa-kazony, ary ny tehiny no manambara aminy; Fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy, ary lasan-ko janga izy ka tsy manaiky an’ Andriamaniny.
Hose Mg1865 4:13  Eny an-tampon’ ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary eny amin’ ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin’ ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, satria tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan’ ny zanakavavinareo sy ijangajangan’ ny vinantovavinareo.
Hose Mg1865 4:14  Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy; Fa ny tenanareo aza dia miavaka hankamin’ ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin’ ireo vehivavy mpanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina.
Hose Mg1865 4:15  Na dia mijangajanga aza ianao, ry Isiraely. Aoka ny Joda tsy mba hanota; Ary aza mankany Gilgala na miakatra any Betavena ianareo; Ary aza mianiana hoe: Raha velona koa Jehovah!
Hose Mg1865 4:16  Fa ny Isiraely dia maditra toy ny vantotr’ ombivavy maditra; Ankehitriny dia handrasan’ i Jehovah toy ny zanak’ ondry eny amin’ ny malalaka izy.
Hose Mg1865 4:17  Tafaraikitra amin’ ny sampy Efraima; Aoka izy ho eo.
Hose Mg1865 4:18  Efa lefy ny divainy; Mahery mijangajanga izy; Fatra-pitia henatra ireo mpanapaka azy.
Hose Mg1865 4:19  Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra.
Chapter 5
Hose Mg1865 5:1  Henoinareo izao, ry mpisorona, ary mandrenesa, ry taranak’ Isiraely; Ary atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin’ ny mpanjaka; Fa ianareo no hihiran’ ny fitsarana, satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo sy fandrika harato voavelatra ao Tabara.
Hose Mg1865 5:2  Ny mpivadika dia fatra-pamono; Fa Izaho kosa famaizana azy rehetra.
Hose Mg1865 5:3  Izaho mahalala an’ i Efraima, ary Isiraely tsy takona amiko; Ankehitriny dia tonga mpijangajanga ianao, ry Efraima, voaloto Isiraely.
Hose Mg1865 5:4  Tsy avelan’ ny ataony hiverina amin’ Andriamanitra izy; Fa ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny, ary Jehovah tsy fantany.
Hose Mg1865 5:5  Ary ny avonavon’ Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Ary Isiraely indrindra fa Efraima, ho lavon-keloka; Joda hiara-davo aminy koa.
Hose Mg1865 5:6  Hitondra ny ombiny aman’ ondriny izy ka handeha hitady an’ i Jehovah. Nefa tsy hahita Azy; Jehovah efa niala taminy.
Hose Mg1865 5:7  Nivadika tamin’ i Jehovah izy, fa niteraka zaza sary; Ankehitriny dia ho levon’ ny voaloham-bolana izy mbamin’ ny zara-lovany.
Hose Mg1865 5:8  Tsofy ao Gibea ny anjomara ary ny trompetra ao Rama! Miantsoa mafy ao Betavena! Inay! misy manenjika anao, ry Benjamina!
Hose Mg1865 5:9  Ho lao Efraima, raha mby amin’ ny andro fanamelohana; Izay tsy maintsy ho tò no nambarako tao amin’ ny firenen’ Isiraely.
Hose Mg1865 5:10  Ny mpanapaka ny Joda dia efa tonga toy izay mamindra faritany, ka dia ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny fampidina rano.
Hose Mg1865 5:11  Ampahorina Efraima sady voatorotoron’ ny fitsarana, satria ninia nanaraka didin’ olombelona izy,
Hose Mg1865 5:12  Koa amin’ i Efraima dia tahaka ny kalalao Aho ary amin’ ny taranak’ i Joda dia toy ny fositra.
Hose Mg1865 5:13  Rehefa hitan’ i Efraima ny aretiny, ary Joda ny feriny, dia nantany amin’ ny Asyriana Efraima, eny, naniraka ho any amin’ i Jareba mpanjaka izy; Nefa izy tsy mahasitrana anareo, na mampanaritra ny ferinareo.
Hose Mg1865 5:14  Fa amin’ i Efraima dia tahaka ny liona Aho, ary amin’ ny taranak’ i Joda dia tahaka ny liona tanora: Izaho dia Izaho no mamiravira, dia lasa mandeha; Mahalasa Aho, ka tsy misy mahavonjy.
Hose Mg1865 5:15  Handeha hody any amin’ ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana izy, dia hitady Ahy fatratra.
Chapter 6
Hose Mg1865 6:1  Andeha hiverina ho amin’ i Jehovah isika; Fa Izy no namiravira, ary Izy ihany no hahasitrana antsika; Izy no namely, ary Izy no hamehy ny ferintsika.
Hose Mg1865 6:2  Rehefa afaka indroa andro, dia hovelominy indray isika; Ary amin’ ny andro fahatelo, dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika
Hose Mg1865 6:3  Dia aoka hahalala, eny, aoka hiezaka hahalala an’ i Jehovah isika; Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, dia ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy, sy toy ny fara orana izay mahavonto ny tany.
Hose Mg1865 6:4  Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima? Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda? Fa toy ny rahona maraina ny fitiavanareo sy tahaka ny ando izay levona, raha vao maraina ny andro.
Hose Mg1865 6:5  Ary noho izany ny mpaminany no nentiko nikapa azy, ny tenin’ ny vavako no nentiko namono azy; Ary ny fitsarana anao dia hiposaka toy ny mazava.
Hose Mg1865 6:6  Fa famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, ary fahalalana an’ Andriamanitra noho ny fanatitra dorana.
Hose Mg1865 6:7  Fa ireny dia nivadika ny fanekena tahaka an’ i Adama, tao no nivadihany nahafoizany Ahy.
Hose Mg1865 6:8  Gileada dia tanànan’ ny mpanao ratsy sady voaloton’ ny rà.
Hose Mg1865 6:9  Ary toy ny fanotriky ny jiolahy no fikamban’ ny mpisorona: Mamono eny an-dalambe mankany Sekema izy, eny, efa nanao fahavetavetana koa izy.
Hose Mg1865 6:10  Tao amin’ ny taranak’ Isiraely no nahitako zavatra mahatsiravina: ao ny fijangajangan’ i Efraima, voaloto Isiraely.
Hose Mg1865 6:11  Ny aminao, ry Joda, dia voatendry koa ny andro hijinjana anao, rehefa ampodiko avy amin’ ny fahababoana ny oloko.
Chapter 7
Hose Mg1865 7:1  Raha ta-hanasitrana ny Isiraely Aho, dia miseho ny helok’ i Efraima sy ny faharatsian’ i Samaria, fa manao fitaka izy; Miditra ny mpangalatra, ary ny jiolahy manao andiany dia mandehandeha eny ivelany.
Hose Mg1865 7:2  Ary tsy heveriny ao am-po fa tsarovako ny faharatsiany rehetra; Ankehitriny dia gejan’ ny nataony izy, efa tonga eo anatrehako izany.
Hose Mg1865 7:3  Amin’ ny faharatsiany no ampifaliany ny mpanjaka, ary amin’ ny laingany ny mpanapaka.
Hose Mg1865 7:4  Samy mpaka vadin’ olona avokoa izy rehetra ka toy ny fatana voafanan’ ny mpanendy mofo, izay mitsahatra tsy misorona afo hatramin’ ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony.
Hose Mg1865 7:5  Tamin’ ny andron’ ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin’ ny fanafanan’ ny herin’ ny divay ny mpanapaka; Nifandray tanana tamin’ ny mpaniratsira ny mpanjaka.
Hose Mg1865 7:6  Fa entin’ ireo ho ao am-panotrehana ny fony, toy ny ho ao amin’ ny fatana; Mandritra ny alina dia matory ihany ny mpanendy azy, ary nony maraina dia toy ny lelafo mirehitra ny fatana.
Hose Mg1865 7:7  Samy mahamay toy ny fatana izy rehetra ka mandevona ny andriambaventiny; Efa lavo avokoa, ny mpanjakany, tsy misy miantso Ahy izy rehetra.
Hose Mg1865 7:8  Efraima dia miharoharo amin’ ireo firenena; Efraima dia efa tonga ampempa tsy voavadika.
Hose Mg1865 7:9  Lanin’ ny vahiny ny heriny, nefa tsy fantany akory izany; Eny, efa mipi-bolo ihany izy, saingy tsy fantany.
Hose Mg1865 7:10  Ary ny avonavon’ Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Nefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy miverina amin’ i Jehovah Andriamaniny ihany izy, na mitady Azy.
Hose Mg1865 7:11  Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an’ i Egypta izy ary efa mankany Asyria.
Hose Mg1865 7:12  Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, ka hampidiniko ao toy ny voro-manidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin’ ny fiangonany.
Hose Mg1865 7:13  Lozan’ ireny! satria nandositra Ahy izy, haringana izy! satria niodina tamiko; Izaho ta-hanavotra azy, fa izy kosa dia lainga no entiny milaza Ahy.
Hose Mg1865 7:14  Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko.
Hose Mg1865 7:15  Ary Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy,
Hose Mg1865 7:16  Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin’ ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin’ ny tany Egypta.
Chapter 8
Hose Mg1865 8:1  Ataovy eo am-bavanao ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon’ i Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalàko ireo.
Hose Mg1865 8:2  Izaho dia hitarainany hoe: Andriamanitro ô, izahay Isiraely mahalala Anao.
Hose Mg1865 8:3  Ataon’ ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa; Ny fahavalo no hanenjika azy.
Hose Mg1865 8:4  Ireny dia nanangana mpanjaka nefa tsy avy tamiko; Nifidy mpanapaka izy, nefa tsy fantatro; Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampiny mba hamongorana azy.
Hose Mg1865 8:5  Maharikoriko ilay ombilahy kelinao, ry Samaria; Mirehitra aminareo ny fahatezerako; Mandra-pahoviana no tsy ho tohanareo ny fahadiovana?
Hose Mg1865 8:6  Fa avy tamin’ ny Isiraely koa izany; Ny mpiasa no nanao azy, ka dia tsy Andriamanitra izy, fa ho torotoro ilay ombilahy kelin’ i Samaria.
Hose Mg1865 8:7  Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany; Tsy misy vary mitsangana, ny salohiny tsy hisy ventiny; Ary raha tàhiny hisy aza, dia ny olona hafa firenena no hihinana azy.
Hose Mg1865 8:8  Voatelina Isiraely; Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin’ ny jentilisa.
Hose Mg1865 8:9  Fa niakatra ho any Asyria izy Toy ny borikidia mandeha irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny
Hose Mg1865 8:10  Ary na dia nanangy tany amin’ ny jentilisa aza izy, dia hovoriko ankehitriny; Ary hihavitsy izy noho ny entan’ ny mpanjakan’ ireo mpanapaka.
Hose Mg1865 8:11  Fa Efraima nanao alitara maro hanotana, eny, efa nahazo alitara hanotana izy.
Hose Mg1865 8:12  Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin’ ny lalàko aza, dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany.
Hose Mg1865 8:13  Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan’ izany, nefa tsy sitrak’ i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta.
Hose Mg1865 8:14  Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin’ izany ny trano vaventiny.
Chapter 9
Hose Mg1865 9:1  Aza dia fatra-pifaly loatra, toy ny firenena hafa, ry Isiraely; Fa ianao efa nijangajanga niala tamin’ Andriamanitrao sady efa tia tangy teny am-pamoloana rehetra;
Hose Mg1865 9:2  Ny famoloana sy ny fanantazana tsy hahavelona azy, ary hahadiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.
Hose Mg1865 9:3  Tsy honina ao amin’ ny tanin’ i Jehovah izy; Fa Efraima hiverina ho any Egypta ary hihinana zava-padina any Asyria.
Hose Mg1865 9:4  Tsy hanidina divay ho fanatitra ho an’ i Jehovah izy, ary tsy hankasitrahany; Ny zavatra vonoiny hatao fanatitra dia ho toy ny fahan-kanina ho an’ ny mpisaona aminy: Izay rehetra homana izany dia voaloto; Fa ny haniny dia ho an’ ny tenany ihany, fa tsy ho tafiditra ao an-tranon’ i Jehovah.
Hose Mg1865 9:5  Hanao ahoana kosa re ianareo, raha mby amin’ ny fotoam-pivavahana sy amin’ ny andro firavoravoana voatendrin’ i Jehovah?
Hose Mg1865 9:6  Fa he! lasa izy noho ny fandringanana; Egypta no hanangona azy, Memfisa no handevina azy; Ny fana-bolafotsiny mahafinaritra dia ho lasan’ ny amiana, tsilo no ho ao an-dainy.
Hose Mg1865 9:7  Tonga ireo andro famaliana, tonga ireo andro fanodiavana Ho fantatr’ Isiraely fa adala ny mpaminany, ary very saina ny olona tsindriam-panahy noho ny hamaroan’ ny helokao sy ny habetsahan’ ny fanoherana.
Hose Mg1865 9:8  Efraima dia mizaha, nefa tsy avy amin’ Andriamanitro; Ny mpaminany dia fandriky ny mpamandri-borona eny amin’ ny alehany rehetra sy fanoherana ao an-tranon’ Andriamaniny.
Hose Mg1865 9:9  Fatra-panao ratsy toy ny tamin’ ny andro tany Gibea izy; Ka dia hotsarovana ny helony, ary hovaliana ny fahotany.
Hose Mg1865 9:10  Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin’ ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an’ ilay tiany ihany izy.
Hose Mg1865 9:11  Ny amin’ i Efraima, hihelina toy ny voro-manidina ny voninahiny, ka tsy hisy hiteraka, na hanan’ anaka, na ho torontoronina.
Hose Mg1865 9:12  Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hofoanako ihany ireny, ka tsy hisy miangana; Eny, hahita loza koa izy amin’ ny handaozako azy!
Hose Mg1865 9:13  Efraima, raha araka ny hitako, dia voavoly ao amin’ ny tany mahafinaritra tahaka an’ i Tyro, nefa tsy maintsy mamoaka ny zanany ho amin’ ny mpamono izy.
Hose Mg1865 9:14  Jehovah ô, omeo azy ― inona no homenao azy? Omeo azy ny kibo tsy mahazo zaza sy ny nono ritra.
Hose Mg1865 9:15  Ao Gilgala ny fahotany rehetra, eny, tao no vao nankahalako azy; Noho ny faharatsian’ ny ataony dia horoahiko hiala ao an-tranoko izy; Tsy ho tia azy intsony Aho, mpiodina avokoa ny mpanapaka azy.
Hose Mg1865 9:16  Voaratra Efraima, maina ny fakany, ka tsy hamoa izy; Eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny zanany mahafinaritra azy.
Hose Mg1865 9:17  Harian’ Andriamanitro izy, satria tsy nihaino Azy; Ka dia ho tonga mpirenireny any amin’ ny jentilisa izy.
Chapter 10
Hose Mg1865 10:1  Voaloboka misandrahaka Isiraely, mamoa ho azy izy; Araka ny habetsahan’ ny voany no nanaovany alitara betsaka, araka ny hatsaran’ ny taniny no nanaovany tsangam-baton-tsampy tsara tarehy.
Hose Mg1865 10:2  Mamitaka ny fony, koa dia hovaliana izy izao noho ny helony; Jehovah no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangam-baton-tsampiny
Hose Mg1865 10:3  Amin’ izany dia hiteny izy hoe: Tsy mana-mpanjaka isika; Fa tsy natahorantsika Jehovah, koa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?
Hose Mg1865 10:4  Niteniteny foana izy tamin’ ny nianianany tsy tò sy ny nanaovany fanekena; Ka nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bavasa eny an-tsaha ny rariny.
Hose Mg1865 10:5  Ny mponina any Samaria matahotra noho ny amin’ ny ombivavy kely ao Betavena; Fa ny olony mitomany azy,
Hose Mg1865 10:6  Iny koa ho entina any Asyria ho fanomezana ho an’ i Jareba mpanjaka; Ho afa-baraka Efraima, eny, hangaihay Isiraely noho ny saina nataony.
Hose Mg1865 10:7  Ho rava Samaria, ny mpanjakany dia ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin’ ny rano.
Hose Mg1865 10:8  Ary ho rava koa ny fitoerana avo ho Avena, izay anotan’ Isiraely; Ho rakotry ny tsilo sy ny ahitra ratsy ny alitarany; Ary izy hanao amin’ ny tendrombohitra hoe: sarony izahay, ary amin’ ny havoana hoe: Mianjerà aminay.
Hose Mg1865 10:9  Hatramin’ ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana.
Hose Mg1865 10:10  Araka ny sitrako no hamaizako azy; Ary hovorina hamely azy ny firenena, amin’ ny hamatorana azy noho ny helony roa loha.
Hose Mg1865 10:11  Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka ka faly hively vary; Ary hasiako zioga ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko Efraima; Joda hiasa tany, ary Jakoba handravona.
Hose Mg1865 10:12  Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; Fa izao no andro hitadiavana an’ i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo.
Hose Mg1865 10:13  Niasa faharatsiana ianareo, ka fahadisoana no nojinjanareo; Nihinana ny vokatry ny lainga ianareo fa nitoky tamin’ ny alehanareo sy ny habetsahan’ ny lehilahy maherinareo ianareo.
Hose Mg1865 10:14  Dia hisy tabataba hamelezana ny olonareo, ka horavana ny tanànareo mimanda rehetra, toy ny nandravan’ i Salamana an’ i Bet-arbela tamin’ ny andro niadiana, ka torotoro avokoa ny reniny mbamin’ ny zanany.
Hose Mg1865 10:15  Toy izany no hataon’ i Betela aminareo, noho ny haben’ ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny mpanjakan’ ny Isiraely.
Chapter 11
Hose Mg1865 11:1  Fony mbola zaza Isiraely, dia tiako izy, ary nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako.
Hose Mg1865 11:2  Nony nisy niantso azy, dia vao mainka nandositra ireny izy; Ho an’ ireo Bala kosa no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary ho an’ ny sarin-javatra voasokitra no andoroany ditin-kazo manitra.
Hose Mg1865 11:3  Fa Izaho no nampianatra an’ i Efraima handeha. Eny, notrotroiko tamin’ ny sandriko aza izy. Nefa tsy fantany fa Izaho no nahasitrana azy.
Hose Mg1865 11:4  Tamin’ ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin’ ny mahazakan’ ny fitiavana; Ary efa toy izay manainga ny fehim-bava eo ambonin’ ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora.
Hose Mg1865 11:5  Tsy hiverina ho any amin’ ny tany Egypta izy, fa Asyria no ho mpanjakany, satria tsy nety nibebaka izy.
Hose Mg1865 11:6  Ary noho ny fisainany dia hisy sabatra hantsodina ao an-tanànany ka handrava sy handevona ny hidiny.
Hose Mg1865 11:7  Minia miodina amiko ny oloko; Ary na dia antsoiny ho amin’ ny Avo aza izy, samy tsy mety miainga akory.
Hose Mg1865 11:8  Hataoko ahoana e no fahafoy anao, ry Efraima, na ho fanolotra anao, ry Isiraely! Hataoko ahoana e no fanao anao ho tahaka an’ i Adma! Hataoko ahoana e no fametraka anao ho tahaka an’ i Zeboïma! Onena ny foko, mafy loatra ny alaheloko.
Hose Mg1865 11:9  Tsy hanontolo fo Aho, na handringana an’ i Efraima intsony; Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olona, dia ny Iray Masìna ao aminao, ka dia tsy ho avy amim-pahatezerana mirehitra Aho.
Hose Mg1865 11:10  Harahin’ ireny Jehovah, hierona toy ny liona Izy; Eny, Izy no hierona, dia hanatona amin-kovitra avy any andrefana ny zanaka.
Hose Mg1865 11:11  Hanatona amin-kovitra avy any Egypta toy ny voronkely izy, ary avy any amin’ ny tany Asyria toy ny voromailala; Ka dia hampitoeriko ao an-tranony izy, hoy Jehovah.
Chapter 12
Hose Mg1865 12:1  Efraima manodidina Ahy amin’ ny lainga, ary ny taranak’ Isiraely amin’ ny fitaka; Ary Joda mbola mikarenjy tsy manatona an’ Andriamanitra, dia ny Iray Masìna sy Mahatoky.
Hose Mg1865 12:2  Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana; Manao fanekena amin’ ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta.
Hose Mg1865 12:3  Manana ady amin’ i Joda koa Jehovah ary tsy maintsy mamaly an’ i Jakoba araka ny alehany, ka hatsingeriny aminy ny nataony.
Hose Mg1865 12:4  Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin’ Andriamanitra;
Hose Mg1865 12:5  Eny, nitolona tamin’ Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika;
Hose Mg1865 12:6  Jehovah, Andriamanitry ny maro, Jehovah no hahatsiarovana Azy.
Hose Mg1865 12:7  Koa miverena amin’ Andriamanitrao ianao; Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an’ Andriamanitrao mandrakariva.
Hose Mg1865 12:8  Kanana eny an-tànany misy mizana miangatra, ny manambaka no tiany.
Hose Mg1865 12:9  Fa hoy Efraima: Fiharian-karena ihany no efa nataoko, nahazo fananana aho; Ny asako rehetra tsy misy hahatonga fahotana na heloka amiko.
Hose Mg1865 12:10  Nefa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin’ ny tany Egypta; Ary mbola hampiditra anao an-day indray Aho tahaka ny tamin’ ny fotoam-pivavahana.
Hose Mg1865 12:11  Efa niteny tamin’ ny mpaminany koa Aho, sady Izaho no nahabetsaka ny fahitana, ary ny mpaminany dia nampilazaiko ohatra.
Hose Mg1865 12:12  Raha tena heloka Gileada, dia ho tonga zava-poana tokoa izy; Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra, koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bavasa any an-tsaha.
Hose Mg1865 12:13  Jakoba nandositra ho any amin’ ny tany Syria, Isiraely nanompo hahazoany vady, eny, ny hahazoany vady no niandrasany ondry aman’ osy.
Hose Mg1865 12:14  Mpaminany no nentin’ i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina niahy azy
Hose Mg1865 12:15  Nanao izay nahatezitra indrindra Efraima, ka dia havelan’ ny Tompony ho eo aminy ny ràny, ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony.
Chapter 13
Hose Mg1865 13:1  Raha niteny Efraima, dia nampangorohoro, ka nisandratra tao amin’ ny Isiraely izy. Dia nanota ny amin’ i Bala izy ka maty;
Hose Mg1865 13:2  Ary ankehitriny dia mandroso manota izy, fa ny volafotsiny no anaovany sarin-javatra an-idina ho azy, dia sampy araka ny fahaizany, izay asan’ ny mpiasa avokoa; Ireny dia lazainy hoe: Aoka hanoroka ny ombilahy kely izay olona mamono zavatra hatao fanatitra.
Hose Mg1865 13:3  Koa ho toy ny rahona maraina izy sy ho toy ny ando izay levona, raha mbola maraina ny andro, sy ho toy ny akofa izay paohin’ ny rivotra hiala amin’ ny fa noloana, ary ho toy ny setroka avy amin’ ny varavarana makarakara.
Hose Mg1865 13:4  Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin’ ny tany Egypta, ary tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao, sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
Hose Mg1865 13:5  Izaho dia nahalala anao tany an-efitra, dia tany amin’ ny tany mampangetaheta.
Hose Mg1865 13:6  Araka ny ahitra teny aminy no nahavoky azy; Eny, voky izy, ka niavonavona ny fony; Koa izany no nanadinoany Ahy.
Hose Mg1865 13:7  Ka dia tonga toy ny liona aminy Aho, toy ny leoparda amoron-dalana no famitsako.
Hose Mg1865 13:8  Mamely azy toy ny famelin’ ny bera very anaka Aho, ka mandriatra ny sarom-pony, eny, any no andrapahako azy toy ny fandrapaky sy liom-bavy; Ny bibi-dia no hamiravira azy.
Hose Mg1865 13:9  Izao no maharingana anao, ry Isiraely ô; Manohitra Ahy Izay famonjena anao ianao.
Hose Mg1865 13:10  Aiza ary izay mpanjakanao, Mba hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra? Ary aiza ireo andriambaventinao, izay nantsoinao hoe: Omeo mpanjaka sy mpanapaka aho?
Hose Mg1865 13:11  Nomeko mpanjaka ianao tamin’ ny fahatezerako, ary nesoriko izy tamin’ ny fahavinirako.
Hose Mg1865 13:12  Voafehy ny helok’ i Efraima, voatahiry ny fahotany.
Hose Mg1865 13:13  Fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka no mahazo azy; Zazalahy tsy hendry izy, fa raha tonga ny fotoana, dia tsy mba mandroso ho eo amin’ ny fiterahan-jaza izy.
Hose Mg1865 13:14  Havotako tsy ho azon’ ny herin’ ny fiainan-tsi-hita izy; Hovonjeko ho afaka amin’ ny fahafatesana Izy; Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô, aiza ny fandringananao? Afenina tsy ho hitan’ ny masoko ny nenina.
Hose Mg1865 13:15  Fa Efraima dia hahavokatra eo amin’ ny rahalahy; Nefa ho avy ny rivotra avy any atsinanana, dia ny rivotr’ i Jehovah miakatra avy any an-efitra, ka dia ho ritra ny loharanony, ary ho tankina ny fantsakany; Hobaboina ny rakitra, dia ny fanaka tsara rehetra.
Chapter 14
Hose Mg1865 14:1  Hovaliana Samaria noho ny helony, Fa niodina tamin’ Andriamaniny izy; Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika hotorotoroina, ary izay bevohoka eo aminy hotatahana.
Hose Mg1865 14:2  Ry Isiraely ô, miverena amin’ i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao.
Hose Mg1865 14:3  Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin’ i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay ho fanatitra ny molotray.
Hose Mg1865 14:4  Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin’ ny asan’ ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan’ ny kamboty famindram-po.
Hose Mg1865 14:5  Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako.
Hose Mg1865 14:6  Ho tahaka ny ando Aho amin’ ny Isiraely; Hamony tahaka ny lilia izy, ary hamaka tahaka an’ i Libanona.
Hose Mg1865 14:7  Hisandrahaka ny rantsany, ho tahaka ny an’ ny hazo oliva ny hatsaran-tarehiny, ary ho tahaka ny an’ i Libanona ny hanitra avy aminy.
Hose Mg1865 14:8  Izay mipetraka ao ambanin’ ny alokalony dia hampahavokatra vary indray, ary haniry tahaka ny voaloboka izy; Ny lazany ho tahaka ny an’ ny divay avy any Libanona.
Hose Mg1865 14:9  Ry Efraima ô, hataoko inona intsony izay sampy? Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao; Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho, avy amiko no hahazoana ny vokatrao.
Hose Mg1865 14:10  Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan’ i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.