Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
EZRA
Up
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10
Chapter 1
Ezra Mg1865 1:1  Ary tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, dia notairin’ i Jehovah ny fanahin’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, mba hanatanteraka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Jeremia, ka dia nandefa teny eran’ ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
Ezra Mg1865 1:2  Izao no lazain’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany dia efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda.
Ezra Mg1865 1:3  Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.
Ezra Mg1865 1:4  Ary na iza na iza sisa tratra, dia aoka ny tompon-tany ao amin’ izay ivahiniany hanome azy volafotsy sy volamena sy fanaka ary biby fiompy mbamin’ ny fanati-tsitrapo ho an’ ny tranon’ Andriamanitra, izay any Jerosalema.
Ezra Mg1865 1:5  Dia niainga ny lohan’ ny firenen’ i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra efa namporisihin’ Andriamanitra hiakatra hanao ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.
Ezra Mg1865 1:6  Ary izay rehetra manodidina dia nampahery ny tànan’ ireo tamin’ ny fanaka volafotsy sy volamena sy fanaka hafa sy biby fiompy ary zava-tsoa mbamin’ izay rehetra nateriny tamin’ ny sitrapo.
Ezra Mg1865 1:7  Dia navoak’ i Kyrosy mpanjaka ny fanaky ny tranon’ i Jehovah, izay efa nalain’ i Nebokadnezara tany Jerosalema ka efa nataony tao an-tranon’ ireo andriamaniny.
Ezra Mg1865 1:8  Ary Mitredata, mpitahiry ny haren’ ny fanjakana, dia nasain’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia; namoaka ireny, ka nisainy sady natolony an’ i Sesbazara, lehiben’ ny firenen’ i Joda.
Ezra Mg1865 1:9  Ary izao no isany: Lovia volamena telo-polo, lovia volafotsy arivo, antsy sivy amby roa-polo,
Ezra Mg1865 1:10  kapoaka volamena misarona telo-polo, lovia volafotsy manarakaraka folo amby efa-jato, ary lovia hafa koa arivo;
Ezra Mg1865 1:11  efa-jato amby dimy arivo no isan’ ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra. Ireo rehetra ireo dia nentin’ i Sesbazara niaraka nankany Jerosalema tamin’ ny babo izay niverina avy tany Babylona.
Chapter 2
Ezra Mg1865 2:1  Ary izao no olona amin’ izany tany izany izay niakatra avy amin’ ny fahababoana, izay nobaboin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ka nentiny ho any Babylona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy,
Ezra Mg1865 2:2  dia ny olona izay niaraka tamin’ i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Seraia sy Relaia sy Mordekay sy Bilsana sy Mispara sy Bigvay sy Rehoma ary Bana. Ary ny isan’ ny lehilahy tamin’ ny Isiraely dia izao:
Ezra Mg1865 2:3  Ny taranak’ i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo;
Ezra Mg1865 2:4  ny taranak’ i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato;
Ezra Mg1865 2:5  ny taranak’ i Ara dia dimy amby fito-polo amby fiton-jato;
Ezra Mg1865 2:6  ny taranak’ i Pahatamoaba, avy tamin’ ny zanak’ i Jesoa sy Joaba, dia roa ambin’ ny folo amby valon-jato sy roa arivo;
Ezra Mg1865 2:7  ny taranak’ i Eliama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
Ezra Mg1865 2:8  ny taranak’ i Zato dia dimy amby efa-polo amby sivin-jato;
Ezra Mg1865 2:9  ny taranak’ i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;
Ezra Mg1865 2:10  ny taranak’ i Bany dia roa amby efa-polo amby enin-jato;
Ezra Mg1865 2:11  ny taranak’ i Bebay dia telo amby roa-polo amby enin-jato;
Ezra Mg1865 2:12  ny taranak’ i Azgada dia roa amby roa-polo amby roan-jato sy arivo;
Ezra Mg1865 2:13  ny taranak’ i Adonikama dia enina amby enim-polo amby enin-jato;
Ezra Mg1865 2:14  ny taranak’ i Bigvay dia enina amby dimam-polo sy roa arivo;
Ezra Mg1865 2:15  ny taranak’ i Adina dia efatra amby dimam-polo amby efa-jato;
Ezra Mg1865 2:16  ny taranak’ i Atera, avy tamin’ i Hezekia, dia valo amby sivi-folo;
Ezra Mg1865 2:17  ny taranak’ i Bezay dia telo amby roa-polo amby telon-jato;
Ezra Mg1865 2:18  ny taranak’ i Jora dia roa ambin’ ny folo amby zato;
Ezra Mg1865 2:19  ny taranak’ i Hasoma dia telo amby roa-polo amby roan-jato;
Ezra Mg1865 2:21  ny zanak’ i Betlehema dia telo amby roa-polo amby zato;
Ezra Mg1865 2:22  ny mponina tany Netofa dia enina amby dimam-polo;
Ezra Mg1865 2:23  ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato;
Ezra Mg1865 2:25  ny zanak’ i Kiriat-arima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;
Ezra Mg1865 2:26  ny zanak’ i Rama sy Gaba dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;
Ezra Mg1865 2:27  ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;
Ezra Mg1865 2:28  ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby roan-jato;
Ezra Mg1865 2:30  ny taranak i Magbisy dia enina amby dimam-polo amby zato;
Ezra Mg1865 2:31  ny zanak’ ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
Ezra Mg1865 2:32  ny taranak’ i Harima dia roa-polo amby telon-jato;
Ezra Mg1865 2:33  ny zanak’ i Loda sy Hadida ary Ono dia dimy amby roa-polo amby fiton-jato;
Ezra Mg1865 2:34  ny zanak’ i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato;
Ezra Mg1865 2:35  ny zanak’ i Sena dia telo-polo amby enin-jato sy telo arivo.
Ezra Mg1865 2:36  Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak’ i Jedaia, avy tamin’ ny mpianakavin’ i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato;
Ezra Mg1865 2:37  ny taranak’ Imera dia roa amby dimam-polo sy arivo;
Ezra Mg1865 2:38  ny taranak’ i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo;
Ezra Mg1865 2:39  ny taranak’ i Harima dia fito ambin’ ny folo sy arivo.
Ezra Mg1865 2:40  Ary ny Levita koa dia izao: Ny taranak’ i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin’ ny taranak’ i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.
Ezra Mg1865 2:41  Ary ny mpihira koa dia izao; Ny taranak’ i Asafa dia valo amby roa-polo amby zato.
Ezra Mg1865 2:42  Ary ny taranaky ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak’ i Saloma, ny taranak’ i Atera, ny taranak’ i Talmona, ny taranak’ i Akoba, ny taranak’ i Hatita, ny taranak’ i Sobay, dia sivy amby telo-polo amby zato izy rehetra.
Ezra Mg1865 2:43  Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak’ i Ziha, ny taranak’ i Hasofa, ny taranak’ i Tabaota,
Ezra Mg1865 2:44  ny taranak’ i Kerosa, ny taranak’ i Siaha, ny taranak’ i Padona,
Ezra Mg1865 2:45  ny taranak’ i Lebana, ny taranak’ i Hagabaha, ny taranak’ i Akoba,
Ezra Mg1865 2:46  ny taranak’ i Hagaba, ny taranak’ i Salmay, ny taranak’ i Hanana,
Ezra Mg1865 2:47  ny taranak’ i Gidela, ny taranak’ i Gahara, ny taranak’ i Reaia,
Ezra Mg1865 2:48  ny taranak’ i Rezina, ny taranak’ i Nekoda, ny taranak’ i Gazama,
Ezra Mg1865 2:49  ny taranak’ i Oza, ny taranak’ i Pasea, ny taranak’ i Besay,
Ezra Mg1865 2:50  ny taranak’ i Asna, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita,
Ezra Mg1865 2:51  ny taranak’ i Bakboka, ny taranak’ i Hakofa, ny taranak’ i Harora,
Ezra Mg1865 2:52  ny taranak’ i Bazlota, ny taranak’ i Mehida, ny taranak’ i Harsa,
Ezra Mg1865 2:53  ny taranak’ i Barkosa, ny taranak’ i Sisera, ny taranak’ i Tema,
Ezra Mg1865 2:55  Ary ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona koa dia izao: Ny taranak’ i Sotahy, ny taranak’ i Sofereta, ny taranak’ i Peroda,
Ezra Mg1865 2:56  ny taranak’ i Jala, ny taranak’ i Darkona, ny taranak’ i Gidela,
Ezra Mg1865 2:57  ny taranak’ i Sefatia, ny taranak’ i Hatila, ny taranak’ i Pokereta-hazebaima, ny taranak’ i Amy.
Ezra Mg1865 2:58  Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato.
Ezra Mg1865 2:59  Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Keroba sy Adana ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany izy, na avy tamin’ ny Isiraely, na tsia):
Ezra Mg1865 2:60  ny taranak’ i Delaia, ny taranak’ i Tobia, ny taranak’ i Nekoda, dia roa amby dimam-polo amby enin-jato.
Ezra Mg1865 2:61  Ary ny avy tamin’ ny taranaky ny mpisorona dia izao: Ny taranak’ i Habaia, ny taranak’ i Hakoza, ny taranak’ i Barzilay; nampaka-bady avy tamin’ ny zanakavavin’ i Barzilay Gileadita io, ka dia notononina araka ny anarany.
Ezra Mg1865 2:62  Ireo no nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin’ ny fisoronana.
Ezra Mg1865 2:63  Ary ny governora nilaza taminy fa tsy mahazo mihinana ny zavatra masìna indrindra izy mandra-pitsangan’ izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.
Ezra Mg1865 2:64  Ny tontalin’ ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,
Ezra Mg1865 2:65  afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nisy mpihiralahy sy mpihiravavy roan-jato teo aminy;
Ezra Mg1865 2:66  ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato;
Ezra Mg1865 2:67  ny ramevany dia dimy amby telo-polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo.
Ezra Mg1865 2:68  Ary ny sasany tamin’ ny lohan’ ny fianakaviana, rehefa tonga tao an-tranon’ i Jehovah tany Jerosalema, dia nanatitra tamin’ ny sitrapo hananganana ny tranon’ Andriamanitra eo amin’ ilay efa niorenany.
Ezra Mg1865 2:69  Nanome araka izay nananany avy izy hanampy ny vola voavory hanaovana ny asa, dia darika volamena arivo sy enina alina ary mane volafotsy dimy arivo ary akanjo-mpisorona zato.
Ezra Mg1865 2:70  Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny sasany tamin’ ny vahoaka sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra samy tao an-tanànany avy.
Chapter 3
Ezra Mg1865 3:1  Ary nony tonga ny volana fahafito, rehefa tafapetraka teny amin’ ny tanànany avy ny Zanak’ Isiraely, dia nivory tany Jerosalema toy ny olona iray izy.
Ezra Mg1865 3:2  Dia nitsangana Jesoa, zanak’ i Jozadaka, sy ny mpisorona rahalahiny ary Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran’ Andriamanitry ny Isiraely hanaterana fanatitra dorana eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra.
Ezra Mg1865 3:3  Dia naoriny teo amin’ ilay efa niorenany ihany ny alitara, satria natahotra ny tompon-tany izy, ary nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an’ i Jehovah izy, dia ny fanatitra dorana marain-tsy hariva.
Ezra Mg1865 3:4  Ary nitandrina ny andro firavoravoana fitoerana ao amin’ ny trano rantsan-kazo koa izy, araka ny voasoratra, sy ny amin’ ny fanatitra dorana isan’ andro araka ny isany avy, tahaka ny fanao, araka izay voatendry hatao isan’ andro avy.
Ezra Mg1865 3:5  Ary rehefa afaka izany, dia nanatitra ny fanatitra dorana mandrakariva izy sy ilay fanao amin’ ny voaloham-bolana sy amin’ ny fotoam-pivavahana nohamasinina rehetra izay voatendrin’ i Jehovah ary ny avy amin’ izay rehetra nanatitra fanati-tsitrapo ho an’ i Jehovah.
Ezra Mg1865 3:6  Tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafito no niantomboka nanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah izy. Nefa tsy mbola natao ny fanorenan’ ny tempolin’ i Jehovah.
Ezra Mg1865 3:7  Ary nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra, ary ny any Tyro sy ny any Sidona dia nomeny zavatra hohanina sy hosotroina sy diloilo mba hitondrany hazo sedera avy any Libanona hatramin’ ny ranomasina any Jopa, araka ny teny efa azony tamin’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia.
Ezra Mg1865 3:8  Ary tamin’ ny volana faharoa tamin’ ny taona faharoa taorian’ ny nahatongavany tany amin’ ny tranon’ Andriamanitra tany Jerosalema dia niantomboka Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Jesoa, zanak’ i Jozadaka, mbamin’ ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin’ ny fahababoana, ka nanendry ny Levita izay hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra izy ho tonian’ ny asa amin’ ny tranon’ i Jehovah.
Ezra Mg1865 3:9  Dia niara-nitsangana Jesoa sy ny zanany ary ny rahalahiny, ary Kadmiela sy ny zanany, zanak’ i Joda, ho tonian’ ny mpiasa tamin’ ny tranon’ Andriamanitra, ary ny zanak’ i Henadada koa mbamin’ ny zanany sy ny Levita rahalahiny.
Ezra Mg1865 3:10  Ary rehefa naorin’ ny mpiasa ny tempolin’ i Jehovah, dia nasainy hidera an’ i Jehovah ny mpisorona, sady niakanjo ny akanjony sy nitondra trompetra, ary ny Levita, zanak’ i Asafa, kosa nitondra kipantsona, araka ny nandidian’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely.
Ezra Mg1865 3:11  Dia nanao hira nifamalivaly nidera sy nisaotra an’ i Jehovah izy, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony amin’ ny Isiraely. Dia nihoby mafy ny olona rehetra, raha nidera an’ i Jehovah, satria vita ny fanorenan’ ny tranon’ i Jehovah.
Ezra Mg1865 3:12  Nefa maro ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan’ ny fianakaviana, dia ny antitra izay efa nahita ny trano voalohany, no nitomany mafy dia mafy, nony naorina teo imasony izany trano izany; nefa maro kosa no nanandratra ny feony nihoby sy nifaly;
Ezra Mg1865 3:13  ka dia tsy fantatry ny olona izay fifaliana na izay fitomaniana noho izany horakoraka be izany, fa nihoby mafy ny olona, ka re lavitra ny horakoraka.
Chapter 4
Ezra Mg1865 4:1  Ary nony ren’ ny fahavalon’ ny Joda sy ny Benjamina fa ireo efa nody avy tamin’ ny fahababoana dia efa manao tempoly ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
Ezra Mg1865 4:2  dia nanatona an’ i Zerobabela sy ny lohan’ ny fianakaviana izy ka nanao taminy hoe: Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa mitady an’ Andriamanitrareo tahaka anareo ihany koa izahay, ary ho Azy no namonoanay zavatra hatao fanatitra hatramin’ ny andron’ i Esara-hadona, mpanjakan’ i Asyria, izay efa nampakatra anay ho atỳ.
Ezra Mg1865 4:3  Fa Zerobabela sy Jesoa mbamin’ ny namany lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Isiraely namaly azy hoe: Tsy misy raharaha hikambananareo aminay amin’ ny hanaovana trano ho an’ Andriamanitray; fa izahay ihany no hanao trano ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, araka izay efa nandidian’ itompokolahy Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, anay.
Ezra Mg1865 4:4  Ary ny tompon-tany nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sy nandevilevy azy mba tsy hanao ny trano
Ezra Mg1865 4:5  sady nanamby olona hanome hevitra hanohitra azy hahafoana ny heviny hatramin’ ny andro nanjakan’ i Kyrosy tany Persia ka hatramin’ ny nanjakan’ i Dariosy, mpanjakan’ i Persia.
Ezra Mg1865 4:6  Ary raha vao nanjaka Ahasoerosy, dia nanoratra ho any aminy ireo hanendrikendrika ny mponina tany Joda sy Jerosalema.
Ezra Mg1865 4:7  Ary tamin’ ny andron’ i Artaksersesy no nanoratan’ i Bislama sy Mitredata sy Tabela mbamin’ ny namany sisa ho any amin’ i Artaksersesy, mpanjakan’ i Persia; ary ny soratra tamin’ ny taratasy dia nataony tarehin-tsoratra Syriana sady nataony teny Syriana koa.
Ezra Mg1865 4:8  Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra dia nanoratra taratasy ho any amin’ i Artaksersesy mpanjaka hanendrikendrika an’ i Jerosalema toy izao:
Ezra Mg1865 4:9  Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra ary ny namany sisa, dia ny Dinaïta, ny Afarsatkita, ny Tarpelita, ny Afarsaïta, ny Arkevita, ny Babyloniana, ny Sosanita, ny Dehavita sy ny Elamita,
Ezra Mg1865 4:10  mbamin’ ny firenena sisa izay nentin’ i Asnapara lehibe sady malaza ho babo, ka namponeniny tany an-tanàna Samaria sy tany amin’ ny tany sasany etỳ an-dafin’ ny ony etỳ ......
Ezra Mg1865 4:11  Izao no teny amin’ ny taratasy nampitondrainy ho any amin’ i Artaksersesy mpanjaka: Ny lehilahy mpanomponao etỳ an-dafin’ ny ony etỳ ......
Ezra Mg1865 4:12  Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa ny Jiosy, izay niakatra avy tany aminao hankatỳ aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka manamboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy, dia mahavita ny mandany izy izao ary manamboatra ny fanorenany koa.
Ezra Mg1865 4:13  Koa aoka ho fantatry ny mpanjaka fa raha hatao io tanàna io, ka hatsangana indray ny mandany, dia tsy hety handoa hetra, na haba, na sara, izy; ka dia hahatonga fatiantoka ho an’ ny fanjakana izany any aoriana.
Ezra Mg1865 4:14  Koa satria mahazo ny fivelomanay avy amin’ ny lapan’ ny mpanjaka izahay, dia tsy mety raha odianay tsy hita ny fatiantoky ny fanjakana, ka dia efa naniraka hampahafantatra ny mpanjaka izany izahay,
Ezra Mg1865 4:15  mba hizahana ny boky tantaran’ ny razanao; dia ho hitanao eo amin’ ny boky tantara, ka ho fantatrao fa tanàna fikomiana io tanàna io ka naha-fatiantoka ny mpanjaka sy ny tany maro, sady efa nisy fikomiana niseho tao hatrizay ela izay; koa izany no nandravana io tanàna io.
Ezra Mg1865 4:16  Ary mampahafantatra ny mpanjaka izahay fa raha hamboarina io tanàna io, ka vita ny mandany, dia tsy hanana fanjakana amin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ intsony ianao.
Ezra Mg1865 4:17  Dia nampitondrain’ ny mpanjaka ny valiny ho any amin-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin’ ny namany sisa izay nonina tany Samaria sy tany amin’ ny tanàna sasany an-dafin’ ny ony, nanao hoe: Fiadanana ......
Ezra Mg1865 4:18  Ny taratasy izay nampitondrainareo ho atỳ aminay dia efa voavaky tsara teo anatrehako;
Ezra Mg1865 4:19  ary izaho nandidy, ka nasaiko nizahana, dia hita fa nanandra-tena nikomy tamin’ ny mpanjaka maro hatrizay ela izay tokoa io tanàna io, ka nisy fikomiana sy fihodinana niseho teo.
Ezra Mg1865 4:20  Ary efa nisy mpanjaka mahery izay nanjaka tany Jerosalema nanapaka ny tany rehetra any an-dafin’ ny ony ka nandoavana hetra sy haba ary sara.
Ezra Mg1865 4:21  Koa dia manaova didy hampitsahatra ireo olona ireo, mba tsy hamboarina io tanàna io, raha tsy mahazo teny avy atỳ amiko.
Ezra Mg1865 4:22  Ary tandremo tsara, fandrao misy tsy vitanareo izany; fa nahoana no havela handroso ny ratsy ka hahatonga fatiantoka ho an’ ny fanjakana?
Ezra Mg1865 4:23  Ary rehefa voavaky teo anatrehan-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin’ ny namany ny taratasin’ i Artaksersesy mpanjaka, dia niakatra faingana ho any Jerosalema ho any amin’ ny Jiosy izy ka nampitsahatra azy an-keriny.
Ezra Mg1865 4:24  Dia natsahatra tsy natao ny tranon’ Andriamanitra, izay tany Jerosalema; ary mbola nitsahatra ihany izany hatramin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosy, mpanjakan’ i Persia.
Chapter 5
Ezra Mg1865 5:1  Ary ny mpaminany, dia Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak’ Ido, naminany tamin’ ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema tamin’ ny anaran’ Andriamanitry ny Isiraely izay tao aminy.
Ezra Mg1865 5:2  Dia nitsangana Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Jesoa, zanak’ i Jozadaka, ka nanomboka nanao ny tranon’ Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo mpaminanin’ Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy.
Ezra Mg1865 5:3  Ary tamin’ izany andro izany ihany koa dia nankany amin’ ireo Tatenay, governoran’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ, sy Setara-bozenay mbamin’ ny namany; ka izao no nataony taminy: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hahavita io manda io?
Ezra Mg1865 5:4  Ary izao koa no nataonay taminy Iza avy no anaran’ izay lehilahy manao io trano io?
Ezra Mg1865 5:5  Nefa ny mason’ Andriamaniny nitsinjo ny loholon’ ny Joda, ka tsy nahasakana azy ireo, mandra-pahatongan’ ny teny ho any amin’ i Dariosy sy ny nahazoany ny valiny ny amin’ izany raharaha izany.
Ezra Mg1865 5:6  Ny tenin’ ny taratasy izay nampitondrain’ i Tatenay, governoran’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ, sy Setara-bozenay ary ny Afarsekita namany, izay amin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ; ho any amin’ i Dariosy mpanjaka;
Ezra Mg1865 5:7  eny, nampitondrainy ho any aminy ny taratasy izay nisy teny toy izao: Ho an’ i Dariosy mpanjaka anie ny fiadanana be.
Ezra Mg1865 5:8  Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa nankany amin’ ny tany Joda izahay ho any an-tranon’ Andriamanitra lehibe, izay atao amin’ ny vato vaventy, sady misy hazo alatsaka amin’ ny rindrin-trano, ary mandroso tsara izany asa izany sady ambinina eo an-tànany.
Ezra Mg1865 5:9  Dia nanontany ireo loholona ireo izahay nanao hoe: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hanangana io manda io?
Ezra Mg1865 5:10  Nanontany ny anarany avy koa izahay mba hampahafantarinay anao sy hosoratanay ny anaran’ ny olona izay lohany;
Ezra Mg1865 5:11  ka izao no teny navaliny anay: Izahay dia mpanompon’ Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ka manamboatra ny trano izay efa vita ela, fa ny mpanjaka lehibe anankiray tamin’ ny Isiraely no nanao sy nahavita azy.
Ezra Mg1865 5:12  Fa noho ny nampahatezeran’ ny razanay an’ Andriamanitry ny lanitra, dia natolony izy ho eo an-tànan’ i Nebokadnezara Kaldeana, mpanjakan’ i Babylona, izay efa nandrava io trano io ka nitondra ny olona ho babo tany Babylona.
Ezra Mg1865 5:13  Fa tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Babylona, kosa dia nanao didy Kyrosy mpanjaka, mba hatao indray io tranon’ Andriamanitra io.
Ezra Mg1865 5:14  Ary ny fanaka volamena sy volafotsy momba ny tranon’ Andriamanitra, izay efa nalain’ i Nebokadnezara tao amin’ ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any amin’ ny tempoly any Babylona, dia nalain’ i Kyrosy mpanjaka tao amin’ ny tempoly any Babylona ka natolotra tamin’ ny anankiray atao hoe Sesbazara, izay efa notendreny ho governora;
Ezra Mg1865 5:15  ary hoy izy taminy: Raiso ireo fanaka ireo, ka andeha, apetraho ao amin’ ny tempoly izay any Jerosalema; ary aoka ny tranon’ Andriamanitra hatsangana eo amin’ ilay efa niorenany ihany.
Ezra Mg1865 5:16  Dia avy Sesbazara ka nanao ny fanorenan’ ny tranon’ Andriamanitra any Jerosalema; ary hatramin’ izany andro izany ka mandraka ankehitriny dia efa natao ihany izy, saingy tsy mbola vita.
Ezra Mg1865 5:17  Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hizahana ny trano firaketan’ ny mpanjaka, izay any Babylona, na misy didy nataon’ i Kyrosy mpanjaka hanaovana io tranon’ Andriamanitra any Jerosalema io, na tsia; ary aoka ny sitrapon’ ny mpanjaka hambarany aminay ny amin’ izany zavatra izany.
Chapter 6
Ezra Mg1865 6:1  Ary tamin’ izany Dariosy mpanjaka dia nandidy, ka nizahana ny trano fitehirizan-taratasy, izay nitehirizana ny rakitra tany Babylona.
Ezra Mg1865 6:2  Dia tao Akmeta, tao an-dapa izay any amin’ ny tanin’ ny Mediana, no nahitana horonan-taratasy anankiray, ka voasoratra teo izao tantara izao:
Ezra Mg1865 6:3  Tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy dia nandidy izy nanao hoe: Ny amin’ ny tranon’ Andriamanitra any Jerosalema, dia aoka hatao mihitsy izany ho fanateran’ ny olona fanatitra, ary aoka hatao mafy ny fanorenany, ka enim-polo hakiho ny hahavony, ary enim-polo hakiho koa ny sakany,
Ezra Mg1865 6:4  dia vato vaventy telo an-dalana sy hazo vaovao iray an-dalana; ary aoka haloa avy amin’ ny tranon’ ny mpanjaka izay lany;
Ezra Mg1865 6:5  ary ny fanaky ny tranon’ Andriamanitra, na ny volamena na ny volafotsy, izay nalain’ i Nebokadnezara tao amin’ ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any Babylona, dia aoka haverina ho any amin’ ny tempoly any Jerosalema indray ireo, samy ho amin’ ny fitoerany avy, ka aoka hapetraka ao an-tranon’ Andriamanitra avokoa.
Ezra Mg1865 6:6  Koa amin’ izany, ry Tatenay, governora any an-dafin’ ny ony, sy ry Setara-bozenay mbamin’ ny Afarsakita namanareo, izay any an-dafin’ ny ony, mihataha ianareo.
Ezra Mg1865 6:7  Aza misakana ny fanaovana io tranon’ Andriamanitra io; aoka ny mpanapaka ny Jiosy sy ny loholon’ ny Jiosy hanao io tranon’ Andriamanitra io eo amin’ ilay efa niorenany ihany.
Ezra Mg1865 6:8  Ary izaho manao didy ny amin’ ny hataonareo amin’ ny loholon’ ireo Jiosy ireo hanaovany izany tranon’ Andriamanitra izany: aoka ny haren’ ny mpanjaka, dia ny hetra avy amin’ ny any an-dafin’ ny ony, no handoavana marina izay lany ho an’ ireo lehilahy ireo, mba tsy ho azon-tsampona izy.
Ezra Mg1865 6:9  Ary izay zavatra ilainy, na zanak’ omby, na ondrilahy, na zanak’ ondry, ho fanatitra dorana ho an’ Andriamanitry ny lanitra, na vary tritika na sira, na divay sy diloilo, araka izay andidian’ ny mpisorona any Jerosalema, dia aoka homena azy isan’ andro isan’ andro tsy tapaka izany,
Ezra Mg1865 6:10  mba hanaterany fanatitra ho hanitra ankasitrahana ho an’ Andriamanitry ny lanitra sy hivavahany mba ho ela velona ny mpanjaka mbamin’ ny zanany.
Ezra Mg1865 6:11  Ary izaho manao didy fa na iza na iza no mandika izao teny izao, dia aoka hangalana hazo avy amin’ ny tranony, ary haorina, dia hahantona eo ny tenany; ary aoka hatao firinga ny tranony noho izany.
Ezra Mg1865 6:12  Ary Andriamanitra, Izay efa nampitoetra ny anarany teo, anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra, izay maninjitra ny tanany handika ny didiko ka handrava izany tranon’ Andriamanitra any Jerosalema izany. Izaho Dariosy no nanao ny didy; aoka hotovina marina tokoa izany.
Ezra Mg1865 6:13  Ary tamin’ izany Tatenay, governora amin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ, sy Setarabozenay mbamin’ ny namany dia nankato marina izany teny efa nampitondrain’ i Dariosy ho any aminy izany.
Ezra Mg1865 6:14  Dia nanao ny trano ny loholon’ ny Jiosy ka nambinina noho ny faminanian’ i Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak’ Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin’ Andriamanitry ny Isiraely sy araka ny didin’ i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy, mpanjakan’ i Persia.
Ezra Mg1865 6:15  Dia vita io trano io tamin’ ny andro fahatelo tamin’ ny volana Adara tamin’ ny taona fahenina nanjakan’ i Dariosy mpanjaka.
Ezra Mg1865 6:16  Ary ny Zanak’ Isiraely, na ny mpisorona, na ny Levita, na ny olona sisa izay nody avy tamin’ ny fahababoana, dia nitokana io tranon’ Andriamanitra io tamin’ ny fifaliana;
Ezra Mg1865 6:17  ary ny nateriny hitokanana io tranon’ Andriamanitra io dia omby zato sy ondrilahy roan-jato sy zanak’ ondry efa-jato; ary ny ho fanatitra noho ny ota kosa ho an’ ny Isiraely rehetra dia osilahy roa ambin ny folo, araka ny isan’ ny firenen’ Isiraely.
Ezra Mg1865 6:18  Dia nanendry ny mpisorona ho amin’ ny firazanany avy sy ny Levita ho amin’ ny antokony avy izy, hanao ny fanompoana an’ Andriamanitra izay any Jerosalema, araka izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ i Mosesy.
Ezra Mg1865 6:19  Ary ny olona izay efa nody avy tamin’ ny fahababoana dia nitandrina ny Paska tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany;
Ezra Mg1865 6:20  fa ny mpisorona sy ny Levita samy efa nanadio ny tenany rahateo, dia nadio izy rehetra ka namono ny Paska ho an’ izay rehetra efa nody avy tamin’ ny fahababoana sy ho an’ ny mpisorona rahalahiny ary ho an’ ny tenany,
Ezra Mg1865 6:21  Dia nihinana izany ny Zanak’ Isiraely izay efa nody avy tamin’ ny fahababoana mbamin’ izay rehetra niavaka ho namany ka niala tamin’ ny fahalotoan’ ny firenena tompon-tany hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
Ezra Mg1865 6:22  ka dia nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira hafitoana tamin’ ny fifaliana izy; fa Jehovah efa nampifaly azy ary efa nampiova ny fon’ ny mpanjakan’ i Asyria hamindra fo aminy ka hampahery ny tànany tamin’ ny nanaovany ny tranon’ Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Isiraely.
Chapter 7
Ezra Mg1865 7:1  Ary rehefa afaka izany, tamin’ ny nanjakan’ i Artaksersesy, mpanjakan’ i Persia, dia niakatra Ezra, zanak’ i Seraia, zanak’ i Azaria, zanak’ i Hilklay
Ezra Mg1865 7:2  zanak’ i Saloma, zanak’ i Zadoka, zanak’ i Ahitoba,
Ezra Mg1865 7:3  zanak’ i Amaria, zanak’ i Azaria, zanak’ i Meraiota,
Ezra Mg1865 7:4  zanak’ i Zerahia, zanak’ i Ozy, zanak’ i Boky,
Ezra Mg1865 7:5  zanak’ i Abisoa, zanak’ i Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisoronabe;
Ezra Mg1865 7:6  io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn’ i Mosesy, izay efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen’ ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban’ ny tànan’ i Jehovah Andriamaniny azy.
Ezra Mg1865 7:7  Ary niakatra koa ny sasany amin’ ny Zanak’ Isiraely sy ny sasany amin’ ny mpisorona mbamin’ ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema tamin’ ny taona fahafito nanjakan’ i Artaksersesy mpanjaka.
Ezra Mg1865 7:8  Ary tonga tany Jerosalema Ezra tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahafito nanjakan’ ny mpanjaka.
Ezra Mg1865 7:9  Fa tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babylona; ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon’ ny tànan’ Andriamaniny taminy.
Ezra Mg1865 7:10  Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn’ i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.
Ezra Mg1865 7:11  Ary izao no tenin’ ny taratasy izay nomen’ i Artaksersesy mpanjaka an’ i Ezra mpisorona, ilay mpanora-dalàna mahay ny tenin’ ny lalàn’ i Jehovah sy ny didiny tamin’ ny Isiraely:
Ezra Mg1865 7:12  Artaksersesy, mpanjakan’ ny mpanjaka, ho an’ i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay tsara ny lalàn’ Andriamanitry ny lanitra.
Ezra Mg1865 7:13  Izaho manao didy fa na iza na iza eto amin’ ny fanjakako amin’ ny olona Isiraely sy ny mpisorony ary ny Levita no te-hiaraka aminao hankany Jerosalema, dia mahazo mandeha izy.
Ezra Mg1865 7:14  Fa ianao efa nirahin’ ny mpanjaka sy izy fito lahy mpanolo-tsainy handinika ny toetran’ i Joda sy Jerosalema araka ny lalàn’ Andriamanitrao izay eny an-tananao;
Ezra Mg1865 7:15  ary hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa naterin’ ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsaina tamin’ ny sitrapo ho an’ Andriamanitry ny Isiraely, Izay monina any Jerosalema;
Ezra Mg1865 7:16  ary ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao eran’ ny tany Babylona sy ny fanati-tsitrapo aterin’ ny olona sy ny mpisorona, dia izay ateriny amin’ ny sitrapo hanaovany ny tranon’ Andriamaniny, izay any Jerosalema.
Ezra Mg1865 7:17  Koa amin’ izany dia ividiano omby sy ondrilahy sy zanak’ ondry mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy amin’ io vola io araka izay marina, ka atero eo ambonin’ ny alitara ao an-tranon’ Andriamanitrareo izay any Jerosalema ireny.
Ezra Mg1865 7:18  Ary izay rehetra sitrakao sy ny rahalahinao hatao amin’ ny volafotsy sy ny volamena sisa, dia ataovy izany araka ny sitrapon’ Andriamanitrareo.
Ezra Mg1865 7:19  Ary ny fanaka izay nomena anao hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitrao dia atolory eo anatrehan’ Andriamanitra any Jerosalema.
Ezra Mg1865 7:20  Ary izay rehetra mbola hilainao koa ka tsy maintsy haloanao ho an’ ny tranon’ Andriamanitrao dia alao ao amin’ ny trano firaketan’ ny mpanjaka.
Ezra Mg1865 7:21  Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin’ ny mpitahiry ny haren’ ny fanjakana rehetra izay any an-dafin’ ny ony, fa na inona na inona no ilain’ i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny lalàn’ Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany,
Ezra Mg1865 7:22  na hatramin’ ny talenta volafotsy zato sy ny vary tritika zato kora sy ny divay zato bata sy ny diloilo zato bata ary ny sira tsy misy fatrany aza.
Ezra Mg1865 7:23  Na inona na inona andidian’ Andriamanitry ny lanitra dia aoka hataonao tanteraka avokoa ho an’ ny tranon’ Andriamanitry ny lanitra; fa nahoana no havela hisy fahatezerana hihatra amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka sy ny zanany?
Ezra Mg1865 7:24  Ary mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra sy ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana sy ny Netinima ary ny mpanompo amin’ io tranon’ Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara.
Ezra Mg1865 7:25  Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren’ Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin’ ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lalàn’ Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.
Ezra Mg1865 7:26  Ary na iza na iza tsy mety mankatò ny lalan’ Andriamanitrao sy ny lalàn’ ny mpanjaka, dia aoka hotsaraina marina izy na hovonoina, na horoahina, na hosazina, na hafatotra.
Ezra Mg1865 7:27  Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon’ ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.
Ezra Mg1865 7:28  sady efa nampahazo ahy famindram-po teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin’ ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban’ ny tanan’ i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin’ ny Isiraely mba hiara-miakatra amiko.
Chapter 8
Ezra Mg1865 8:1  Ary izao no lohan’ ny fianakaviana sy filazana ny firazanan’ ny olona izay niara-niakatra tamiko avy tany Babylona tamin’ ny nanjakan’ i Artaksersesy mpanjaka:
Ezra Mg1865 8:2  Gersoma, avy tamin’ ny taranak’ i Finehasa; Daniela, avy tamin’ ny taranak’ Itamara; Hatosy, avy tamin’ ny taranak’ i Davida;
Ezra Mg1865 8:3  Zakaria, avy tamin’ ny taranak’ i Sekania (avy tamin’ ny zanak’ i Parosy), mbamin’ ny namany dimam-polo amby zato lahy voasoratra araka ny firazanany;
Ezra Mg1865 8:4  Elihoenay, zanak’ i Zerahia, avy tamin’ ny taranak’ i Pahata-moaba, mbamin’ ny namany roan-jato lahy;
Ezra Mg1865 8:5  ny zanak’ i Jahaziela, avy tamin’ ny taranak’ i Sekania, mbamin’ ny namany telon-jato lahy;
Ezra Mg1865 8:6  Ebeda, zanak’ i Jonatana, avy tamin’ ny taranak’ i Adina, mbamin’ ny namany dimam-polo lahy;
Ezra Mg1865 8:7  Jesaia, zanak’ i Atalia, avy tamin’ ny taranak’ i Elama, mbamin’ ny namany fito-polo lahy;
Ezra Mg1865 8:8  Zebadia, zanak’ i Mikaela, avy tamin’ ny taranak’ i Sefatia, mbamin’ ny namany valo-polo lahy;
Ezra Mg1865 8:9  Obadia, zanak’ i Jehiela, avy tamin’ ny taranak’ i Joaba, mbamin’ ny namany valo ambin’ ny folo amby roan-jato lahy;
Ezra Mg1865 8:10  ny zanak’ i Josifia, avy tamin’ ny taranak’ i Selomita, mbamin’ ny namany enim-polo amby zato lahy;
Ezra Mg1865 8:11  Zakaria, zanak’ i Bebay, avy tamin’ ny taranak’ i Bebay, mbamin’ ny namany valo amby roa-polo lahy,
Ezra Mg1865 8:12  Johanana, zanak’ i Hakatana, avy tamin’ ny taranak’ i Azgada, mbamin’ ny namany folo amby zato lahy;
Ezra Mg1865 8:13  ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Adonikama, zandriny taoriana ireo, ary izao no anarany: Elifeleta sy Jeiela sy Semaia mbamin’ ny namany enim-polo lahy,
Ezra Mg1865 8:14  Otahy sy Zaboda, avy tamin’ ny taranak’ i Bigvay, mbamin’ ny namany fito-polo lahy.
Ezra Mg1865 8:15  Ary novoriko teo amoron’ ny ony mankany Ahava izy, ka nilasy teo hateloana izahay; ary nony nandinika ny olona sy ny mpisorona aho, dia nahita fa tsy nisy taranak’ i Levy teo na dia iray akory aza.
Ezra Mg1865 8:16  Ka dia nirahiko Eliezera sy Ariela sy Semaia sy Elnatana sy Jariba sy Elnatana sy Natana sy Zakaria sy Mesolama (samy loholona ireo) ary Joariba sy Elnatana (samy mpampianatra ireo).
Ezra Mg1865 8:17  Ary nampitondraiko teny ho any amin’ Ido, loholona any Kasifia, ireo, ka nambarako azy izay teny holazainy amin’ Ido sy ny Netinima rahalahiny any Kasifia, mba ho entiny any aminay izay ho mpanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon’ Andriamanitray.
Ezra Mg1865 8:18  Ary araka ny soa nataon’ ny tànan’ Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry anankiray ho any aminay avy tamin’ ny taranak’ i Maly, zanak’ i Levy, zanak’ Isiraely, ary Serebia, sy ny zanany mbamin’ ny rahalahiny, valo ambin’ ny folo lahy,
Ezra Mg1865 8:19  ary Hasabia sy Jesaia, avy tamin’ ny taranak’ i Merary, mbamin’ ny rahalahiny ary ny zanany roa-polo lahy;
Ezra Mg1865 8:20  ary avy tamin’ ny Netinima, izay notendren’ i Davida sy ny mpanapaka hanompo ny Levita, dia roa-polo amby roan-jato lahy; notononina anarana avokoa ireo.
Ezra Mg1865 8:21  Dia niantso andro fifadian-kanina aho teo amoron’ ny ony Ahava hampahorianay tena eo anatrehan’ Andriamanitray, mba hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an’ ny vady aman-janakay ary ny biby fiompinay rehetra.
Ezra Mg1865 8:22  Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin’ ny mpanjaka hiaro anay amin’ ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin’ ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Sy tànan’ Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy.
Ezra Mg1865 8:23  Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin’ Andriamanitray, dia nihaino anay Izy.
Ezra Mg1865 8:24  Ary nanokana roa ambin’ ny folo lahy tamin’ ny lohan’ ny mpisorona aho, dia Serebia sy Hasabia ary rahalahiny folo lahy ho namany,
Ezra Mg1865 8:25  ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin’ ny fanaka, dia ny fanatitra ho ao an-tranon’ Andriamanitray, izay efa naterin’ ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainy sy ireo mpanapaka ary ny Isiraely rehetra izay vory teo;
Ezra Mg1865 8:26  eny, nolanjaiko hatolotra azy ny talenta volafotsy dimam-polo amby enin-jato sy fanaka volafotsy, lanjan’ ny talenta zato, ary talenta volamena zato
Ezra Mg1865 8:27  sy kapoaka volamena misarona roa-polo, lanjan’ ny darika arivo, ary fanaka varahina roa manganohano, tsara toy ny volamena.
Ezra Mg1865 8:28  Ary hoy izaho taminy: Hianareo dia masìna ho an’ i Jehovah, sady masìna koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo.
Ezra Mg1865 8:29  Koa miambena ianareo, ka tandremo ireny mandra-pandanianareo azy indray eo anatrehan’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny Isiraely any Jerosalema, dia amin’ ny efi-trano ao an-tranon’ i Jehovah.
Ezra Mg1865 8:30  Dia noraisin’ ny mpisorona sy ny Levita izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany mba ho entiny ho any Jerosalema ho ao an-tranon’ Andriamanitray.
Ezra Mg1865 8:31  Dia niala teo amin’ ny ony Ahava izahay tamin’ ny andro faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany mba hankany Jerosalema; ary ny tànan’ Andriamanitray nomba anay, ka Izy no namonjy anay tamin’ ny tanan’ ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.
Ezra Mg1865 8:32  Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nijanona hateloana aloha.
Ezra Mg1865 8:33  Ary tamin’ ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tànan’ i Meremota, zanak’ i Oria mpisorona, tao an-tranon’ Andriamanitray; ary teo aminy koa Eleazara, zanak’ i Finehasa; ary teo amin’ izy roa lahy koa Jozabada, zanak’ i Jesoa, sy Noadia, zanak’ i Binoy; Levita izy roa lahy ireo;
Ezra Mg1865 8:34  an-isany sy an-danjany izany rehetra izany; ary voasoratra tamin’ izany andro izany ny lanjany rehetra.
Ezra Mg1865 8:35  Ary ny olona izay niverina avy tamin’ ny fahababoana dia nanatitra fanatitra dorana ho an’ Andriamanitry ny Isiraely, dia vantotr’ ombilahy roa ambin’ ny folo ho an’ ny Isiraely rehetra sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak’ ondry fito amby fito-polo ary osilahy roa ambin’ ny folo ho fanatitra noho ny ota: fanatitra dorana ho an’ i Jehovah ireo rehetra ireo.
Ezra Mg1865 8:36  Ary ny didin’ ny mpanjaka dia natolony tamin’ ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon’ Andriamanitra.
Chapter 9
Ezra Mg1865 9:1  Ary rehefa vita izany rehetra izany, dia nanatona ahy ny mpanapaka ka nanao hoe: Ny Isiraely sy ny mpisorona ary ny Levita dia tsy mbola miavaka amin’ ny olona tompon-tany, fa manao araka ny fahavetavetan’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Jebosita sy ny Amonita sy ny Moabita sy ny Egyptiana ary ny Amorita ihany izy.
Ezra Mg1865 9:2  Fa efa naka tamin’ ny zanakavavin’ ireo ho vadiny sy ho vadin’ ny zananilahy izy, ka efa miharoharo amin’ ny olona tompon-tany ny taranaka masìna; eny, ny lehibe sy ny mpanapaka aza no nitari-dalana tamin’ izany fahadisoana izany.
Ezra Mg1865 9:3  Ary nony nandre izany zavatra izany aho, dia nandriatra ny lambako sy ny akanjoko sady nandrompotra ny volon-dohako sy ny somotro, dia nipetraka tahaka ilay torana iny aho.
Ezra Mg1865 9:4  Dia nivory teo amiko izay rehetra nangovitra noho ny tenin’ Andriamanitry ny Isiraely ny amin’ ny fahadisoan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana; ary izaho mbola nipetraka tahaka ilay torana iny ihany hatramin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva.
Ezra Mg1865 9:5  Ary nony tamin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva dia nody ny aiko, ka nitsangana aho, sady nandriatra ny lambako sy ny akanjoko indray, dia nandohalika nanandratra ny tanako ho amin’ i Jehovah Andriamanitro aho
Ezra Mg1865 9:6  ka nanao hoe: Andriamanitro ô, menatra sy mangaihay aho, raha miandrandra aminao, ry Andriamanitro ô; fa efa nihamaro mihoatra ny lohanay ny helokay, ary ny fahotanay dia lehibe manakatra ny lanitra;
Ezra Mg1865 9:7  fa hatramin’ ny andron’ ny razanay ka mandraka androany dia lehibe ny helokay; ary ny helokay no nanolorana anay sy ny mpanjakanay ary ny mpisoronay ho eo an-tànan’ ny mpanjakan’ ny tany hafa, hovonoin-tsabatra sy ho babo sy ho voaroba ary hangaihay tahaka ny amin’ izao anio izao.
Ezra Mg1865 9:8  Koa ankehitriny vao niseho vetivety ny fahasoavana avy tamin’ i Jehovah Andriamanitray tamin’ ny namelany anay ho nisy sisa afaka sy tamin’ ny nanomezany anay fihantonana eo amin’ ny fitoerany masìna, mba hohazavain’ Andriamanitray ny masonay ka homena famelombelomana kely amin’ ny fahandevozanay izahay.
Ezra Mg1865 9:9  Fa andevo izahay, nefa tsy nafoin’ Andriamanitray, na dia tamin’ ny fahandevozanay aza, fa nataony nahazo famindram-po eto imason’ ireo mpanjakan’ i Persia ihany hanomezany anay famelombelomana, hanangananay ny tranon’ Andriamanitray sy hanamboaranay ny rava eo, ary hanomezany anay manda any Joda sy Jerosalema.
Ezra Mg1865 9:10  Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, ahoana no holazainay amin’ izany? Fa efa nahafoy ny didinao izahay,
Ezra Mg1865 9:11  dia ilay nampilazainao ny mpaminany mpanomponao hoe: Ny tany izay efa hidiranareo holovana dia tany maloto noho ny fahalotoan’ ny tompon-tany sy ny fahavetavetany, izay efa nataony manenika azy noho ny fahalotoany;
Ezra Mg1865 9:12  koa aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin’ ny zananilahy, na maka ny zananivavy ho vadin’ ny zanakareo-lahy; aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy mandrakizay, mba hahery ianareo ka hihinana ny soa avy amin’ ny tany, dia hamela izany ho lovan’ ny taranakareo mandrakizay.
Ezra Mg1865 9:13  Ary na dia efa nanjo anay aza izany rehetra izany noho ny asa ratsinay sy ny fahadisoanay betsaka, dia tsy nampijaly anay araka ny helokay Hianao Andriamanitray, fa efa namela anay ho nisy sisa afaka toy izao ihany,
Ezra Mg1865 9:14  fa raha handika ny didinao indray izahay ka hifanambady amin’ ireny olom-betaveta ireny, moa tsy ho tezitra aminay mandra-pahalany ritranay va Hianao, ka tsy hisy sisa afaka akory?
Ezra Mg1865 9:15  Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, marina Hianao, fa izahay no hany sisa afaka tahaka ny amin’ izao anio izao; indreto izahay eto anatrehanao amin’ ny fahadisoanay, fa noho izany dia tsy mahajanona eto anatrehanao izahay.
Chapter 10
Ezra Mg1865 10:1  Ary raha mbola nivavaka sy nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan’ ny tranon’ Andriamanitra, dia nivory teo aminy ny olona maro be avy tamin’ ny Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin’ ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona.
Ezra Mg1865 10:2  Dia namaly Sekania, zanak’ i Jehiela, isan’ ny taranak’ i Elama, ka nanao tamin’ i Ezra hoe: Izahay efa nanao izay mahadiso amin’ Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena avy tamin’ ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an’ ny Isiraely ny amin’ izany zavatra izany.
Ezra Mg1865 10:3  Koa aoka izahay hanao fanekena amin’ Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny didin’ Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.
Ezra Mg1865 10:4  Mitsangàna, fa adidinao izany; ary indreto koa izahay eto aminao; dia matokia tsara, ka ataovy izany.
Ezra Mg1865 10:5  Dia nitsangana Ezra ka nampianiana ny lohan’ ny mpisorona sy ny Levita ary ny Isiraely rehetra hanao araka izany teny izany; dia nianiana ireo.
Ezra Mg1865 10:6  Dia nitsangana niala teo anoloan’ ny tranon’ Andriamanitra Ezra ka nankany amin’ ny efi-trano nitoeran’ i Johanana, zanak’ i Eliasiba; ary nony tafiditra tao izy, dia tsy mba nihinan-kanina na nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana.
Ezra Mg1865 10:7  Dia nandefa teny eran’ i Joda sy Jerosalema ireo ho any amin’ ny olona rehetra izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana mba hivory any Jerosalema;
Ezra Mg1865 10:8  ary na iza na iza no tsy tonga amin’ ny hateloana araka ny tenin’ ny mpanapaka sy ny loholona, dia horobaina ny fananany rehetra, ary hesorina amin’ ny fiangonan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana izy.
Ezra Mg1865 10:9  Ary nony tamin’ ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin’ ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin’ ny andro faharoa-polo tamin’ ny volana fahasivy; ary nipetraka teo an-kalalahana akaikin’ ny tranon’ Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be.
Ezra Mg1865 10:10  Dia nitsangana Ezra mpisorona ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nanao izay mahadiso, satria naka vehivavy hafa firenena ho vadinareo ka nampitombo ny fahadisoan’ ny Isiraely.
Ezra Mg1865 10:11  Koa mitsora amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ka ataovy ny sitrapony; ary misaraha amin’ ny olona tompon-tany sy ny vehivavy hafa firenena.
Ezra Mg1865 10:12  Dia namaly ny fiangonana rehetra ka niredona mafy hoe: Izay lazainao dia tsy maintsy hataonay;
Ezra Mg1865 10:13  nefa maro ny olona, ary fahavaratra ny andro, ka tsy mahatoetra etỳ ala-trano izahay, sady raharaha tsy vita indray andro na indroa andro aza izao, fa maro izahay no efa nanota tamin’ izany zavatra izany;
Ezra Mg1865 10:14  koa aoka ny mpanapaka anay no hitoetra eto ho solon’ ny fiangonana rehetra, ary ny olona rehetra any amin’ ny tanànantsika avy izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny no aoka hankatỳ amin’ izay fotoan’ andro hatao, ary hiaraka aminy koa ny loholony isan-tanàna sy ny mpitsara ao, mandra-pahavitan’ izany raharaha izany sy ny hialan’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ Andriamanitsika amintsika.
Ezra Mg1865 10:15  Jonatana, zanak’ i Asahela, sy Jahaza, zanak’ i Tikva, ihany no nanohitra izany; ary Mesolama sy Sabetahy Levita niandany taminy koa.
Ezra Mg1865 10:16  Fa ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana kosa dia nanaraka izany; ary voatokana Ezra mpisorona sy ny sasany amin’ ny lohan’ ny fianakaviana, araka ny fianakaviany avy, sady samy efa notononina anarana, dia nipetraka handinika Izany raharaha izany tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafolo.
Ezra Mg1865 10:17  Ary nony tonga ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany dia vitany ny raharaha ny amin’ ny lehilahy rehetra Izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny.
Ezra Mg1865 10:18  Ary ny hita teo amin’ ny taranaky ny mpisorona izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny dia izao: Ny teo amin’ ny taranak’ i Jesoa, zanak’ i Jozadaka, sy ny rahalahiny dia Mahaseia sy Eliezera sy Jariba ary Gedalia;
Ezra Mg1865 10:19  dia nanola-tanana nanaiky hisaotra ny vadiny izy ireo sy handoa ondriny iray avy ho fanati-panonerany.
Ezra Mg1865 10:20  Ary ny avy tamin’ ny taranak’ Imera dia Hanany sy Zebedia;
Ezra Mg1865 10:21  ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Harima dia Mahaseia sy Elia sy Semaia sy Jehiela ary Ozia;
Ezra Mg1865 10:22  ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Pasora dia Elioenay sy Mahaseia sy Isimaela sy Netanela sy Jozabada ary Elasa.
Ezra Mg1865 10:23  Ary ny avy tamin’ ny Levita dia Jozabada sy Simey sy Kelaia (Kelita izany) sy Petahia sy Joda ary Eliezera:
Ezra Mg1865 10:24  ary ny avy tamin’ ny mpihira dia Eliasiba; ary ny avy tamin’ ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Talema ary Ory.
Ezra Mg1865 10:25  Ary ny avy tamin’ ny Isiraely koa: ny avy tamin’ ny taranak’ i Parosy dia Ramia sy Jizia sy Malkia sy Miamina sy Eleazara sy Malkia ary Benaia;
Ezra Mg1865 10:26  ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Elema dia Matania sy Zakaria sy Jehiela sy Abdia sy Jeremota ary Elia;
Ezra Mg1865 10:27  ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Zato dia Elioenay sy Eliasiba sy Matania sy Jeremota sy Zabada ary Aziza;
Ezra Mg1865 10:28  ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Bebay dia Johanana sy Hanania sy Zabay sy Atlay;
Ezra Mg1865 10:29  ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Bany dia Mesolama sy Maloka sy Adaia sy Jasoba sy Seala ary Ramota;
Ezra Mg1865 10:30  ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Pahata-moaba dia Adna sy Kelala sy Benaia sy Mahaseia sy Matania sy Bezalila sy Binoy ary Manase;
Ezra Mg1865 10:31  ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Harima dia Eliezera sy Jisia sy Malkia sy Semaia sy Simeona
Ezra Mg1865 10:33  ny avy tamin’ ny taranak’ i Hasoma dia Matenay sy Matata sy Zabada sy Elifeleta sy Jeremay sy Manase ary Simey;
Ezra Mg1865 10:34  ny avy tamin’ ny taranak’ i Bany dia Maday sy Amrama sy Oela
Ezra Mg1865 10:43  ny avy tamin’ ny taranak’ i Nebo dia Jeiela sy Matitia sy Zabada sy Zebina sy Jadao sy Joela ary Benaia.
Ezra Mg1865 10:44  Ireny rehetra ireny no samy efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny avokoa, sady efa niteraka ny vehivavy sasany tamin’ ireny