Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
ROMANS
Up
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16
Chapter 1
Roma Mg1865 1:1  Paoly, mpanompon’ i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin’ ny filazantsaran’ Andriamanitra,
Roma Mg1865 1:2  izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin’ ny Soratra Masìna,
Roma Mg1865 1:3  ny amin’ ny Zanany, Izay nateraka avy tamin’ ny taranak’ i Davida araka ny nofo,
Roma Mg1865 1:4  ary naseho tamin-kery ho Zanak’ Andriamanitra araka ny fahamasinana tamin’ ny fitsanganany tamin’ ny maty, ― dia Jesosy Kristy Tompontsika,
Roma Mg1865 1:5  Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah’ Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin’ ny jentilisa rehetra;
Roma Mg1865 1:6  ary ianareo koa, izay isan’ ireny, dia voantso ho an’ i Jesosy Kristy, ―
Roma Mg1865 1:7  ho an’ izay rehetra any Roma, malalan’ Andriamanitra sady voantso ho masìna; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
Roma Mg1865 1:8  Voalohany, misaotra an’ Andriamanitro amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re eran’ izao tontolo izao ny lazan’ ny finoanareo.
Roma Mg1865 1:9  Fa Andriamanitra, Izay tompoin’ ny fanahiko amin’ ny filazantsaran’ ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho,
Roma Mg1865 1:10  dia mangataka fandrao mba hisy hahafahako amin’ izao ho tonga aminareo, raha sitrapon’ Andriamanitra.
Roma Mg1865 1:11  Fa maniry hahita anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina ianareo,
Roma Mg1865 1:12  izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin’ ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.
Roma Mg1865 1:13  Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankatỳ aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin’ ny jentilisa sasany.
Roma Mg1865 1:14  Ananan’ ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho;
Roma Mg1865 1:15  koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho.
Roma Mg1865 1:16  Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ ny Jiosy aloha, dia vao amin’ ny jentilisa koa.
Roma Mg1865 1:17  Fa amin’ izany no anehoana fahamarinana avy amin’ Andriamanitra avy amin’ ny finoana sy ho amin’ ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin’ ny finoana no ho velona.
Roma Mg1865 1:18  Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan’ ny olona izay misakana ny fahamarinana amin’ ny fanaovan-dratsy,
Roma Mg1865 1:19  satria izay fantatra ny amin’ Andriamanitra dia miseho ao am-pon’ ireny, fa nasehon’ Andriamanitra taminy.
Roma Mg1865 1:20  Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’ Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo;
Roma Mg1865 1:21  fa na dia nahalala an’ Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an’ Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin’ ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.
Roma Mg1865 1:23  koa ny voninahitr’ Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka.
Roma Mg1865 1:24  Ary izany no nanoloran’ Andriamanitra azy tamin’ ny filan’ ny fony ho amin’ ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin’ ny tenany avy;
Roma Mg1865 1:25  ary ny fahamarinan’ Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena.
Roma Mg1865 1:26  Izany no nanoloran’ Andriamanitra azy ho amin’ ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’ izay tsy fanaony;
Roma Mg1865 1:27  ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ ny vehivavy izy ka maimay tamin’ ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
Roma Mg1865 1:28  Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an’ Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran’ Andriamanitra azy ho amin’ ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao,
Roma Mg1865 1:29  ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo,― feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po,―
Roma Mg1865 1:30  mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan’ Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny,
Roma Mg1865 1:31  tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra;
Roma Mg1865 1:32  dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen’ Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.
Chapter 2
Roma Mg1865 2:1  Koa amin’ izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa.
Roma Mg1865 2:2  Nefa fantatsika fa ny fitsaran’ Andriamanitra dia araka ny marina amin’ izay manao toy izany.
Roma Mg1865 2:3  Ary ianao, ralehilahy, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran’ Andriamanitra ianao?
Roma Mg1865 2:4  Sa hamavoinao ny haren’ ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?
Roma Mg1865 2:5  Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no irakatenao fahatezerana ho anao amin’ ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’ Andriamanitra,
Roma Mg1865 2:6  Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:
Roma Mg1865 2:7  ho an’ izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay;
Roma Mg1865 2:8  fa ho an’ izay mitady ny ho an’ ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana,
Roma Mg1865 2:9  eny, fahoriana sy fahantrana ho an’ ny fanahin’ ny olona rehetra izay manao ratsy, amin’ ny Jiosy aloha, dia vao amin’ ny jentilisa koa;
Roma Mg1865 2:10  fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an’ ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin’ ny Jiosy aloha, dia vao amin’ ny jentilisa koa.
Roma Mg1865 2:11  Fa tsy misy fizahan-tavan’ olona amin’ Andriamanitra.
Roma Mg1865 2:12  Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.
Roma Mg1865 2:13  Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan’ Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina;
Roma Mg1865 2:14  fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian’ ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany;
Roma Mg1865 2:15  fa ireo maneho ny asan’ ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza,―
Roma Mg1865 2:16  amin’ ny andro izay hitsaran’ Andriamanitra ny zavatra takona ataon’ ny olona, araka ny filazantsarako amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.
Roma Mg1865 2:17  Fa raha saingy atao hoe Jiosy ianao ka mitoky amin’ ny lalàna sy manao an’ Andriamanitra ho reharehanao
Roma Mg1865 2:18  ary mahalala ny sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra, satria efa nampianarina ny lalàna ianao
Roma Mg1865 2:19  ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin’ ny maizina,
Roma Mg1865 2:20  mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria ianao manana ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana:
Roma Mg1865 2:21  ka moa ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao?
Roma Mg1865 2:22  Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Hianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va ianao?
Roma Mg1865 2:23  Hianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an’ Andriamanitra ihany va ianao amin’ ny andikanao ny lalàna?
Roma Mg1865 2:24  Fa araka ny voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy ny anaran’ Andriamanitra any amin’ ny jentilisa.
Roma Mg1865 2:25  Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa ianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza.
Roma Mg1865 2:26  Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan’ ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza?
Roma Mg1865 2:27  Ary tsy hohelohin’ ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va ianao, izay mpandika ny lalàna, na dia manana ny soratra sy ny famorana aza ianao?
Roma Mg1865 2:28  Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin’ ny nofo no famorana;
Roma Mg1865 2:29  fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin’ ny fo, amin’ ny fanahy, fa tsy amin’ ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin’ ny olona, fa avy amin’ Andriamanitra.
Chapter 3
Roma Mg1865 3:1  Koa inona ary no tombony ananan’ ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin’ ny famorana?
Roma Mg1865 3:2  Be ihany amin’ ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin’ Andriamanitra ho adidiny.
Roma Mg1865 3:3  Fa ahoana kosa ary? Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsi-finoanay va hahafoana ny fahamarinan’ Andriamanitra?
Roma Mg1865 3:4  Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin’ ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana ady.
Roma Mg1865 3:5  Fa raha ny tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan’ Andriamanitra, ahoana ary no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany! ― miteny araka ny fanaon’ ny olona aho ―
Roma Mg1865 3:6  Sanatria izany! Fa raha izany, hataon’ Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao?
Roma Mg1865 3:7  Fa raha ny fahamarinan’ Andriamanitra kosa no nitombo tamin’ ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray?
Roma Mg1865 3:8  Ary nahoana no tsy hanao ratsy hihavian’ ny soa isika,― araka ny anendrikendrehana anay sy ny filazan’ ny sasany anay. Marina ny fanamelohana ireny.
Roma Mg1865 3:9  Ahoana ary? Manan-kavaly va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa;
Roma Mg1865 3:10  araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza;
Roma Mg1865 3:11  Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an’ Andriamanitra.
Roma Mg1865 3:12  Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza.
Roma Mg1865 3:13  Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka; Ny poizin’ ny menarana no ao ambanin’ ny molony;
Roma Mg1865 3:16  Fandravana sy fandringanana no eo amin’ ny alehany;
Roma Mg1865 3:18  Tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra eo anoloan’ ny masony.
Roma Mg1865 3:19  Ary fantatsika fa izay zavatra lazain’ ny lalàna dia lazainy amin’ izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan’ ny fitsaran’ Andriamanitra izao tontolo izao,
Roma Mg1865 3:20  satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ ny ota.
Roma Mg1865 3:21  Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra, tsy amin’ ny lalàna anefa, fa ambaran’ ny lalàna sy ny mpaminany,
Roma Mg1865 3:22  dia ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra amin’ ny finoana an’ i Jesosy Kristy ho an’ izay rehetra mino; fa tsy misy hafa,
Roma Mg1865 3:23  fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra,
Roma Mg1865 3:24  nefa hamarinina maimaimpoana amin’ ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’ i Kristy Jesosy,
Roma Mg1865 3:25  Izay nasehon’ Andriamanitra tamin’ ny ràny ho fanavotana amin’ ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin’ ny tsy namalian’ Andriamanitra ny fahotana lasa tamin’ ny nandeferany,
Roma Mg1865 3:26  mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’ i Jesosy.
Roma Mg1865 3:27  Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin’ ny lalàna manao ahoana? amin’ ny lalàn’ ny asa va? Tsia; fa amin’ ny lalàn’ ny finoana.
Roma Mg1865 3:28  Koa amin’ izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ ny lalàna.
Roma Mg1865 3:29  Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an’ ny jentilisa koa? Eny, an’ ny jentilisa koa;
Roma Mg1865 3:30  fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin’ ny finoana.
Roma Mg1865 3:31  Koa mahafoana ny lalàna amin’ ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika.
Chapter 4
Roma Mg1865 4:1  Inona ary no holazaintsika ho efa azon’ i Abrahama, razantsika araka ny nofo?
Roma Mg1865 4:2  Fa raha asa no nanamarinana an’ i Abrahama, dia misy hireharehany ihany, nefa tsy amin’ Andriamanitra.
Roma Mg1865 4:3  Fa ahoana hoy ny Soratra Masìna? Ary Abrahama nino an’ Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany.
Roma Mg1865 4:4  Ary ho an’ izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa.
Roma Mg1865 4:5  Fa ho an’ izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.
Roma Mg1865 4:6  Dia araka izany koa no ilazan’ i Davida fa sambatra ny olona izay isain’ Andriamanitra fahamarinana tsy amin’ ny asa, hoe:
Roma Mg1865 4:7  Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
Roma Mg1865 4:8  Sambatra izay olona tsy hisain’ i Jehovah heloka.
Roma Mg1865 4:9  Koa izany fahasambarana izany moa an’ ny voafora ihany va, sa an’ ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan’ i Abrahama.
Roma Mg1865 4:10  Ary ahoana no nanisana izany? Tamin’ izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin’ izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora.
Roma Mg1865 4:11  Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen’ ny fahamarinana amin’ ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain’ ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an’ ireny ny fahamarinana,
Roma Mg1865 4:12  ary ho rain’ ny voafora, dia tsy izay voafora ihany, fa izay mandeha araka ny dian’ ny finoan’ i Abrahama razantsika koa, izay nananany fony izy tsy mbola voafora.
Roma Mg1865 4:13  Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin’ ny finoana, no nahazoan’ i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy.
Roma Mg1865 4:14  Fa raha izay amin’ ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny teny fikasana;
Roma Mg1865 4:15  fa ny lalàna mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna.
Roma Mg1865 4:16  Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an’ ny taranaka rehetra,― tsy ho an’ izay amin’ ny lalàna ihany, fa ho an’ izay amin’ ny finoan’ i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra ―
Roma Mg1865 4:17  araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain’ ny firenena maro ianao ― teo anatrehan’ izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy.
Roma Mg1865 4:18  Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain’ ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao.
Roma Mg1865 4:19  Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan’ ny kibon’ i Saraha,
Roma Mg1865 4:20  ary tsy niahanahana ny amin’ ny teny fikasan’ Andriamanitra tamin’ ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin’ ny finoana ka nanome voninahitra an’ Andriamanitra
Roma Mg1865 4:21  ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa.
Roma Mg1865 4:23  Nefa tsy ho azy ihany no nanoratana fa nisaina ho azy izany,
Roma Mg1865 4:24  fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an’ i Jesosy Tompontsika tamin’ ny maty,
Roma Mg1865 4:25  Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika.
Chapter 5
Roma Mg1865 5:1  Koa amin’ izany, satria efa nohamarinina tamin’ ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
Roma Mg1865 5:2  Tamin’ ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin’ ny finoana ho amin’ izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin’ ny fanantenana ny voninahitr’ Andriamanitra.
Roma Mg1865 5:3  Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin’ ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana;
Roma Mg1865 5:4  ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana;
Roma Mg1865 5:5  ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masìna, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’ Andriamanitra ho ao am-pontsika.
Roma Mg1865 5:6  Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin’ ny fotoan’ andro hamonjy ny ratsy fanahy.
Roma Mg1865 5:7  Fa saiky tsy misy olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; fa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty asa hamonjy ny manao soa.
Roma Mg1865 5:8  Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.
Roma Mg1865 5:9  Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin’ ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin’ ny ràny isika.
Roma Mg1865 5:10  Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’ Andriamanitra tamin’ ny nahafatesan’ ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina.
Roma Mg1865 5:11  Ary tsy izany ihany koa, fa mifaly amin’ Andriamanitra isika amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.
Roma Mg1865 5:12  Koa izany dia tahaka ny nidiran’ ny ota avy tamin’ ny olona iray ho amin’ izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra;
Roma Mg1865 5:13  fa hatrany alohan’ ny lalàna aza dia nisy ota tamin’ izao tontolo izao; nefa tsy isaina ny ota, raha tsy misy lalàna;
Roma Mg1865 5:14  fa ny fahafatesana nanjaka hatramin’ i Adama ka hatramin’ i Mosesy, na dia tamin’ izay tsy nanota tahaka ny nanotan’ i Adama aza, izay tandindon’ ilay ho avy.
Roma Mg1865 5:15  Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan’ ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an’ ny maro, mainka ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ny fanomezana amin’ ny fahasoavan’ ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an’ ny maro kosa.
Roma Mg1865 5:16  Ary tsy tahaka ny avy amin’ ny anankiray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon’ ny anankiray no nisehoan’ ny fitsarana ho fanamelohana, fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisehoan’ ny fanomezam-pahasoavana ho fanamarinana.
Roma Mg1865 5:17  Fa raha ny fahadisoan’ ny olona anankiray no nanjakan’ ny fahafatesana noho ny nataon’ ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben’ ny fahasoavana sy ny fanomezan’ ny fahamarinana no hanjaka amin’ ny fiainana noho ny nataon’ ny Anankiray, dia Jesosy Kristy.
Roma Mg1865 5:18  Koa tahaka ny nahatongavan’ ny fanamelohana ho an’ ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ ny fanamarinana ho amin’ ny fiainana kosa ho an’ ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray.
Roma Mg1865 5:19  Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan’ ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ ny Anankiray.
Roma Mg1865 5:20  Ary ny lalàna dia niditra koa hahabe ny fahadisoana. Nefa teo amin’ izay nihabiazan’ ny ota no nihoaran’ ny fahasoavana be lavitra,
Roma Mg1865 5:21  mba ho tahaka ny nanjakan’ ny ota tao amin’ ny fahafatesana no hanjakan’ ny fahasoavana kosa amin’ ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
Chapter 6
Roma Mg1865 6:1  Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin’ ny ota ihany va isika hitomboan’ ny fahasoavana?
Roma Mg1865 6:2  Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin’ ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?
Roma Mg1865 6:3  Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’ i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ ny fahafatesany?
Roma Mg1865 6:4  Koa niara-nalevina taminy tamin’ ny batisa ho amin’ ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’ i Kristy tamin’ ny maty tamin’ ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ ny fiainam-baovao.
Roma Mg1865 6:5  Fa raha nampiraisina taminy tamin’ ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ ny fitsanganany;
Roma Mg1865 6:6  fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan’ ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.
Roma Mg1865 6:8  Ary raha niara-maty tamin’ i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika;
Roma Mg1865 6:9  ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin’ ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
Roma Mg1865 6:10  Fa ny amin’ ny nahafatesany, dia maty ny amin’ ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin’ ny ahavelomany kosa, dia velona ho an’ Andriamanitra Izy.
Roma Mg1865 6:11  Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ ny ota, fa velona ho an’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy.
Roma Mg1865 6:12  Koa aza avela ny ota hanjaka amin’ ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany;
Roma Mg1865 6:13  ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin’ ny ota ho fiadian’ ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an’ Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ ny fahamarinana ho an’ Andriamanitra.
Roma Mg1865 6:14  Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin’ ny lalàna ianareo, fa ambanin’ ny fahasoavana.
Roma Mg1865 6:15  Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin’ ny lalàna, fa ambanin’ ny fahasoavana? Sanatria izany!
Roma Mg1865 6:16  Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo ianareo na ho an’ iza na ho an’ iza, dia mpanompon’ izay arahinareo ianareo, na ny ota ho amin’ ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin’ ny fahamarinana?
Roma Mg1865 6:17  Ary isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon’ ny ota aza ianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban’ ny fampianarana izay nanolorana anareo;
Roma Mg1865 6:18  ary rehefa natao afaka tamin’ ny ota ianareo, dia tonga mpanompon’ ny fahamarinana.
Roma Mg1865 6:19  Miteny araka ny fanaon’ ny olona aho noho ny fahalemen’ ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon’ ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon’ ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.
Roma Mg1865 6:20  Fa fony mpanompon’ ny ota ianareo, dia afaka tamin’ ny fahamarinana.
Roma Mg1865 6:21  Inona ary no vokatra azonareo fahiny tamin’ izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa fahafatesana no hiafaran’ izany zavatra izany.
Roma Mg1865 6:22  Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin’ ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon’ Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin’ ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.
Roma Mg1865 6:23  Fa fahafatesana no tambin’ ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika.
Chapter 7
Roma Mg1865 7:1  Tsy fantatrareo, va, ry rahalahy (fa miteny amin’ izay mahalala ny lalàna aho), fa ny lalàna dia manapaka ny olona, raha mbola velona izy?
Roma Mg1865 7:2  Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin’ ny lalàna ho an’ ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin’ ny lalàn’ ny lahy izy.
Roma Mg1865 7:3  Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin’ izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza.
Roma Mg1865 7:4  Ary amin’ izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin’ ny lalàna noho ny tenan’ i Kristy, mba ho vadin’ ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin’ ny maty, mba hahavokarantsika ho an’ Andriamanitra.
Roma Mg1865 7:5  Fa fony tao amin’ ny nofo isika, dia ny filan’ ny ota, izay nohetsehin’ ny lalàna, no niasa tao amin’ ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin’ ny fahafatesana.
Roma Mg1865 7:6  Fa ankehitriny dia efa afaka tamin’ ny lalàna isika, satria maty ny amin’ izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin’ ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin’ ny hahelan-tsoratra.
Roma Mg1865 7:7  Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin’ ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra.
Roma Mg1865 7:8  Fa io didy io dia nentin’ ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy lalàna.
Roma Mg1865 7:9  Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho.
Roma Mg1865 7:10  Ary ny didy izay natao hahazoana fiainana, dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa.
Roma Mg1865 7:11  Fa io didy io dia nentin’ ny ota namitaka sy nahafaty ahy.
Roma Mg1865 7:12  Ka dia masìna tokoa ny lalàna, ary masìna ny didy sady marina no tsara.
Roma Mg1865 7:13  Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon’ ny lalàna.
Roma Mg1865 7:14  Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon’ ny ota.
Roma Mg1865 7:15  Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko.
Roma Mg1865 7:16  Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna.
Roma Mg1865 7:17  Ary amin’ izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.
Roma Mg1865 7:18  Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.
Roma Mg1865 7:19  Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.
Roma Mg1865 7:20  Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko.
Roma Mg1865 7:21  Koa hitako izao lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho, dia ato amiko ihany ny ratsy.
Roma Mg1865 7:22  Fa mankasitraka ny lalàn’ Andriamanitra aho araka ny toetra anaty;
Roma Mg1865 7:23  nefa mahita lalàna hafa amin’ ny momba ny tenako aho, miady amin’ ny lalàn’ ny saiko ka mamabo ahy ho an’ ny lalàn’ ny ota izay ao amin’ ny momba ny tenako.
Roma Mg1865 7:24  Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ ny tenan’ ity fahafatesana ity?
Roma Mg1865 7:25  Misaotra an’ Andriamanitra aho amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatò ny lalàn’ Andriamanitra aho amin’ ny saiko, fa ny lalàn’ ny ota kosa amin’ ny nofoko.
Chapter 8
Roma Mg1865 8:1  Ary amin’ izany dia tsy misy fanamelohana ho an’ izay ao amin’ i Kristy Jesosy.
Roma Mg1865 8:2  Fa ao amin’ i Kristy Jesosy ny lalàn’ ny Fanahin’ aina no nahafaka ahy tamin’ ny lalàn’ ny fahotana sy ny fahafatesana.
Roma Mg1865 8:3  Fa izay tsy hain’ ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan’ Andriamanitra tamin’ izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin’ ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin’ ny nofo,
Roma Mg1865 8:4  mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain’ ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy.
Roma Mg1865 8:5  Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy.
Roma Mg1865 8:6  Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana
Roma Mg1865 8:7  satria fandrafiana an’ Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn’ Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany.
Roma Mg1865 8:8  Ary izay ao amin’ ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon’ Andriamanitra.
Roma Mg1865 8:9  Fa ianareo tsy ao amin’ ny nofo, fa ao amin’ ny Fanahy, raha ny Fanahin’ Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’ i Kristy, dia tsy Azy izy.
Roma Mg1865 8:10  Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana.
Roma Mg1865 8:11  Ary raha ny Fanahin’ izay nanangana an’ i Jesosy tamin’ ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’ i Kristy Jesosy tamin’ ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.
Roma Mg1865 8:12  Ary amin’ izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika ― tsy amin’ ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo.
Roma Mg1865 8:13  Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan’ ny tena dia ho velona ianareo.
Roma Mg1865 8:14  Fa izay tarihin’ ny Fanahin’ Andriamanitra no zanak’ Andriamanitra.
Roma Mg1865 8:15  Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin’ ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.
Roma Mg1865 8:16  Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ ny fanahintsika fa zanak’ Andriamanitra isika.
Roma Mg1865 8:17  Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’ i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.
Roma Mg1865 8:18  Fa ataoko fa ny fahoriana amin’ izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin’ ny voninahitra izay haseho amintsika.
Roma Mg1865 8:19  Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak’ Andriamanitra;
Roma Mg1865 8:20  fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy,
Roma Mg1865 8:21  sady nahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ ireo zanak’ Andriamanitra.
Roma Mg1865 8:22  Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny;
Roma Mg1865 8:23  ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan’ anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika.
Roma Mg1865 8:24  Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan’ ny olona izay efa hitany?
Roma Mg1865 8:25  Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin’ ny faharetana.
Roma Mg1865 8:26  Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin’ ny fitarainana tsy azo tononina.
Roma Mg1865 8:27  Ary Izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an’ Andriamanitra ny fifonany ho an’ ny olona masìna.
Roma Mg1865 8:28  Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.
Roma Mg1865 8:29  satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin’ ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ ny rahalahy maro Izy.
Roma Mg1865 8:30  Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.
Roma Mg1865 8:31  Inona ary no holazaintsika ny amin’ izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Roma Mg1865 8:32  Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
Roma Mg1865 8:33  Iza no hiampanga ny olom-boafidin’ Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy.
Roma Mg1865 8:34  Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ ny maty koa ka mitoetra eo amin’ ny tanana ankavanan’ Andriamanitra ary mifona ho antsika.
Roma Mg1865 8:35  Iza no hahasaraka antsika amin’ ny fitiavan’ i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?
Roma Mg1865 8:36  Araka ny voasoratra hoe: Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; Toy ny ondry hovonoina no fijery anay.
Roma Mg1865 8:37  Kanefa amin’ izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ ny alalan’ ilay tia antsika.
Roma Mg1865 8:38  Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,
Roma Mg1865 8:39  na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’ izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra izay ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika.
Chapter 9
Roma Mg1865 9:1  Milaza ny marina ao amin’ i Kristy aho, fa tsy mandainga, sady miara-milaza amiko ao amin’ ny Fanahy Masìna koa ny fieritreretako,
Roma Mg1865 9:2  fa mafy ny alaheloko, ka tsy mety mitsahatra ny fahorian’ ny foko.
Roma Mg1865 9:3  Fa efa saiky niriko aza ho voaozona ho afaka tamin’ i Kristy ny tenako mba hahavonjeko ny rahalahiko, havako araka ny nofo,
Roma Mg1865 9:4  izay Isiraelita sady manana ny fananganan’ anaka sy ny voninahitra sy ny fanekena sy ny fanomezana ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny teny fikasana;
Roma Mg1865 9:5  azy koa ny razana, sady avy taminy araka ny nofo Kristy, Izay ambonin’ izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amena.
Roma Mg1865 9:6  Kanefa tsy lazaiko fa foana ny tenin’ Andriamanitra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy amin’ ny Isiraely no Isiraely.
Roma Mg1865 9:7  Ary na dia taranak’ i Abrahama aza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; fa avy amin’ isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
Roma Mg1865 9:8  Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak’ Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.
Roma Mg1865 9:9  Fa izao no filàzan’ ny teny fikasana: Raha avy ny taona toy izao, dia ho avy Aho, ary hanana zazalahy Saraha.
Roma Mg1865 9:10  Ary tsy izany ihany, fa Rebeka koa dia nanan’ anaka tamin’ ny anankiray, dia tamin’ isaka razantsika;
Roma Mg1865 9:11  fa raha tsy mbola teraka ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy (mba hitoeran’ ny fikasan’ Andriamanitra araka ny fifidianana, tsy avy amin’ ny asa, fa avy amin’ izay miantso),
Roma Mg1865 9:12  dia nolazaina tamin-dravehivavy hoe: Ny zokiny hanompo ny zandriny;
Roma Mg1865 9:13  araka ny voasoratra hoe: Jakoba no tiako, fa Esao no halako.
Roma Mg1865 9:14  Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin’ Andriamanitra? Sanatria izany!
Roma Mg1865 9:15  Fa hoy Izy tamin’ i Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin’ izay hamindrako fo.
Roma Mg1865 9:16  Koa dia tsy avy amin’ izay maniry na amin’ izay mihazakazaka izany, fa avy amin’ Andriamanitra Izay miantra.
Roma Mg1865 9:17  Fa hoy ny Soratra Masìna tamin’ i Farao: Izany no nanandratako anao, mba ho entiko mampiseho ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako any amin’ ny tany rehetra.
Roma Mg1865 9:18  Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo no hamafiny fo.
Roma Mg1865 9:19  Hianao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony?
Roma Mg1865 9:20  Tsia, ralehilahy, fa iza moa ianao, no mamaly an’ Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin’ izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao?
Roma Mg1865 9:21  Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin’ ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona?
Roma Mg1865 9:22  Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin’ izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana,
Roma Mg1865 9:23  mba hampahafantarina koa ny haren’ ny voninahiny amin’ izay fanaky ny famindram-po, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra,
Roma Mg1865 9:24  dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin’ ny Jiosy ihany, fa ny avy amin’ ny jentilisa koa,
Roma Mg1865 9:25  araka izay lazainy eo amin’ i Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala hoe malala;
Roma Mg1865 9:26  Ary any amin’ ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, Dia any no hiantsoana azy hoe zanak’ Andriamanitra velona.
Roma Mg1865 9:27  Ary Isaia milaza ny amin’ ny Isiraely hoe: Na dia toy ny fasika any amin’ ny ranomasina aza ny isan’ ny Zanak’ isiraely, dia izay sisa ihany no hovonjena;
Roma Mg1865 9:28  fa amin’ ny fahatanterahana faingana no hanefan’ i Jehovah ny teniny ambonin’ ny tany;
Roma Mg1865 9:29  ary araka izay nolazain’ Isaia fahiny hoe: Raha tsy Jehovah, Tompon’ ny maro, no namela taranaka ho antsika, Dia efa tonga tahaka an’ i Sodoma sy tonga tahaka an’ i Gomora isika.
Roma Mg1865 9:30  Ahoana ary no holazaintsika? Ny jentilisa, izay tsy nitady fahamarinana, no nahazo fahamarinana, nefa fahamarinana izay avy amin’ ny finoana?
Roma Mg1865 9:31  fa ny Isiraely, izay nitady lalàn’ ny fahamarinana kosa, dia tsy nahatratra izany lalàna izany.
Roma Mg1865 9:32  Nahoana moa? Satria tsy tamin’ ny finoana, fa toa tamin’ ny asa, ka tafintohina tamin’ ny vato mahatafintohina izy;
Roma Mg1865 9:33  araka ny voasoratra hoe: Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona; Ary izay mino Azy tsy ho menatra.
Chapter 10
Roma Mg1865 10:1  Ry rahalahy, ny irin’ ny foko sy ny angatahiko amin’ Andriamanitra ho an’ ireny dia famonjena.
Roma Mg1865 10:2  Fa vavolombelon’ ireny aho fa mazoto ho an’ Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana.
Roma Mg1865 10:3  Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra.
Roma Mg1865 10:4  Fa Kristy no faran’ ny lalàna ho fahamarinana ho an’ izay rehetra mino.
Roma Mg1865 10:5  Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin’ ny lalàna no ho velona amin’ izany.
Roma Mg1865 10:6  Fa ny fahamarinana izay avy amin’ ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an’ i Kristy izany,)
Roma Mg1865 10:7  na: Iza no hidina any amin’ ny lalina? (dia ny hampiakatra an’ i Kristy avy any amin’ ny maty izany.)
Roma Mg1865 10:8  Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, dia ny teny ny amin’ ny finoana, izay torinay;
Roma Mg1865 10:9  satria raha manaiky an’ i Jesosy ho Tompo amin’ ny vavanao ianao ary mino amin’ ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ ny maty, dia hovonjena ianao.
Roma Mg1865 10:10  Fa amin’ ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ ny vava no anekena hahazoana famonjena.
Roma Mg1865 10:11  Fa hoy ny Soratra Masìna: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy.
Roma Mg1865 10:12  Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon’ izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy.
Roma Mg1865 10:13  Fa izay rehetra miantso ny anaran’ ny Tompo no hovonjena.
Roma Mg1865 10:14  Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?
Roma Mg1865 10:15  Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran’ ny tongotr’ iry mitondra teny soa mahafaly!.
Roma Mg1865 10:16  Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay?
Roma Mg1865 10:17  Koa ny finoana dia avy amin’ ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin’ ny tenin’ i Kristy.
Roma Mg1865 10:18  Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin’ ny tany rehetra ny feony, Ary izay mino Ary tsy ho menatra, Ary ny teniny hatramin’ ny faran’ izao rehetra izao.
Roma Mg1865 10:19  Fa hoy izaho: Sao tsy nahalala ny Isiraely? Voalohany, Mosesy manao hoe: Izaho hampialona anareo amin’ izay tsy firenena, Dia amin’ ny firenena adala no hampahasosorako anareo.
Roma Mg1865 10:20  Fa sahy mihitsy Isaia ka manao hoe: Hitan’ izay tsy nitady Ahy Aho, Ary niseho tamin’ izay tsy nanontany Ahy.
Roma Mg1865 10:21  Fa ny amin’ ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako tamin’ izay firenena sady tsy manaraka no mandà.
Chapter 11
Roma Mg1865 11:1  Dia hoy izaho: Sao narian’ Andriamanitra anie ny olony? Sanatria izany! fa izaho koa mba Isiraelita’ taranak’ i Abrahama ihany, avy amin’ ny firenen’ i Benjamina.
Roma Mg1865 11:2  Andriamanitra tsy nanary ny olony izay efa fantany rahateo; sa tsy fantatrareo izay lazain’ ny Soratra Masìna eo amin’ ny tantaran’ i Elia, dia ilay fitarainany tamin’ Andriamanitra nentiny namely ny Isiraely hoe:
Roma Mg1865 11:3  Jehovah ô, efa namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy: ary izaho irery ihany no sisa, ka mitady ny aiko koa izy?.
Roma Mg1865 11:4  Fa ahoana no navalin’ Andriamanitra azy? Izaho efa niaro fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy mba nandohalika tamin’ i Bala.
Roma Mg1865 11:5  Dia toy izany koa amin’ izao andro ankehitriny izao misy sisa ihany araka ny fifidianana amin’ ny fahasoavana.
Roma Mg1865 11:6  Ary raha avy amin’ ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin’ ny asa intsony; fa raha izany, dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana.
Roma Mg1865 11:7  Ahoana ary? Izay notadiavin’ ny Isiraely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany, fa nohamafìna ny fon’ ny sisa;
Roma Mg1865 11:8  araka ny voasoratra hoe: Andriamanitra efa nanome azy fanahy sondrian-tory sy maso tsy hahita, ary sofina tsy hahare, mandraka androany
Roma Mg1865 11:9  Ary hoy Davida: Aoka ny latabany ho fandrika sy ho tonta Ary ho fahatafintohinana sy ho famaliana azy;
Roma Mg1865 11:10  Aoka ny masony ho jamba tsy hahita, Ary aoka hamokoka mandrakariva izy.
Roma Mg1865 11:11  Dia hoy izaho: Sao dia tafintohina ho lavo anie ny Isiraely? Sanatria izany! fa ny fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an’ ny jentilisa mba hampialona azy.
Roma Mg1865 11:12  Ary raha ny fahatafintohinany no tonga haren’ izao tontolo izao, ary ny nihenany no tonga haren’ ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany.
Roma Mg1865 11:13  Fa ianareo jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin’ ny jentilisa aho, dia mankalaza ny fanompoako,
Roma Mg1865 11:14  raha mba misy hahazoako hampialona ireo mifanapa-tsinay amiko, mba hamonjeko ny sasany aminy.
Roma Mg1865 11:15  Fa raha ny fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana amin’ ny maty ny fandraisana azy?
Roma Mg1865 11:16  Ary koa, raha masìna ny santatra, dia masìna koa ny vongany; ary raha masìna ny fakany, dia masìna koa ny sampany.
Roma Mg1865 11:17  Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan’ ny menaky ny hazo oliva
Roma Mg1865 11:18  dia aza mirehareha amin’ ny sampany; fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao.
Roma Mg1865 11:19  Ary ianao dia hanao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy.
Roma Mg1865 11:20  Marina ihany izany; ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora;
Roma Mg1865 11:21  fa raha ny tena sampana aza tsy navelan’ Andriamanitra, dia tsy havelany koa ianao.
Roma Mg1865 11:22  Koa indro ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra sy ny fahasaro-pony: amin’ izay lavo dia fahasaro-po; fa aminao kosa dia fahamoram-panahin’ Andriamanitra, raha maharitra ao amin’ ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany, dia hotapahina koa ianao.
Roma Mg1865 11:23  Ary ireny kosa, raha tsy mikikitra eo amin’ ny tsi-finoana, dia hatsofoka ihany; fa azon’ Andriamanitra atsofoka indray izy.
Roma Mg1865 11:24  Fa raha notapahina tamin’ ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin’ ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin’ ny hazo oliva nanapahana azy.
Roma Mg1865 11:25  Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan’ ny jentilisa;
Roma Mg1865 11:26  ary amin’ izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, ― araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin’ i Jakoba Izy;
Roma Mg1865 11:27  Ary izao no fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho.
Roma Mg1865 11:28  Raha ny amin’ ny filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha ny amin’ ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny amin’ ny razana.
Roma Mg1865 11:29  Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’ Andriamanitra dia tsy misy hanenenany.
Roma Mg1865 11:30  Fa tahaka anareo tsy nanaiky an’ Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken’ ireny no nahazoanareo famindram-po,
Roma Mg1865 11:31  dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo.
Roma Mg1865 11:32  Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin’ ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin’ izy rehetra.
Roma Mg1865 11:33  Endrey ny halalin’ ny haren’ Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina!
Roma Mg1865 11:34  Fa iza no nahalala ny sain’ i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy?
Roma Mg1865 11:35  Na iza no nanome Azy aloha hamaliana azy indray?
Roma Mg1865 11:36  Fa Izy no nihavian’ izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.
Chapter 12
Roma Mg1865 12:1  Koa amin’ izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’ Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masìna, sitrak’ Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.
Roma Mg1865 12:2  Ary aza manaraka ny fanaon’ izao tontolo izao; fa miovà amin’ ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’ Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.
Roma Mg1865 12:3  Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin’ ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’ Andriamanitra ho anareo avy.
Roma Mg1865 12:4  Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena,
Roma Mg1865 12:5  dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’ i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
Roma Mg1865 12:6  Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;
Roma Mg1865 12:7  raha fanompoana amin’ ny fiangonana, dia aoka ho amin’ ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin’ ny fampianarana;
Roma Mg1865 12:8  raha mananatra, dia aoka ho amin’ ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin’ ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin’ ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin’ ny fifaliana.
Roma Mg1865 12:9  Aoka ny fitiavana ho amin’ ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ ny tsara.
Roma Mg1865 12:10  Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ ny fifanomezam-boninahitra.
Roma Mg1865 12:11  Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ ny fanompoana ny Tompo.
Roma Mg1865 12:12  Mifalia amin’ ny fanantenana; miareta amin’ ny fahoriana; mahareta amin’ ny fivavahana.
Roma Mg1865 12:13  Miantrà ny olona masìna araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.
Roma Mg1865 12:14  Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.
Roma Mg1865 12:15  Miaraha mifaly amin’ izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’ izay mitomany.
Roma Mg1865 12:16  Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin’ ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.
Roma Mg1865 12:17  Aza mamaly ratsy na amin’ iza na amin’ iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason’ ny olona rehetra.
Roma Mg1865 12:18  Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ ny olona rehetra.
Roma Mg1865 12:19  Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah.
Roma Mg1865 12:20  Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany.
Roma Mg1865 12:21  Aza mety ho resin’ ny ratsy ianao, fa reseo amin’ ny soa ny ratsy.
Chapter 13
Roma Mg1865 13:1  Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’ Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin’ Andriamanitra.
Roma Mg1865 13:2  Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin’ Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana.
Roma Mg1865 13:3  Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy ianao;
Roma Mg1865 13:4  fa mpanompon’ Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora’ fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon’ Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin’ izay manao ratsy.
Roma Mg1865 13:5  Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny fieritreretana koa.
Roma Mg1865 13:6  Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon’ Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny.
Roma Mg1865 13:7  Mandoava amin’ izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an’ izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an’ izay tokony handoavana fadin-tseranana’ tahotra ho an’ izay tokony hatahorana, haja ho an’ izay tokony hohajaina.
Roma Mg1865 13:8  Aza avela hisy tsy voaloa na amin’ iza na amin’ iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
Roma Mg1865 13:9  Fa ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr’ olona, mbamin’ izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin’ izao teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Roma Mg1865 13:10  Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.
Roma Mg1865 13:11  Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ ny andro vao ninoantsika.
Roma Mg1865 13:12  Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian’ ny mazava.
Roma Mg1865 13:13  Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ ny andro; tsy amin’ ny filalaovan-dratsy, na amin’ ny fahamamoana, tsy amin’ ny fijangajangana, na amin’ ny fijejojejoana, tsy amin’ ny fifandirana, na amin’ ny fialonana.
Roma Mg1865 13:14  Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ ny nofo hahatanteraka ny filany.
Chapter 14
Roma Mg1865 14:1  Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza, mandray azy hitsaranareo ny eritreriny.
Roma Mg1865 14:2  Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehatra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany.
Roma Mg1865 14:3  Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray ary.
Roma Mg1865 14:4  Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon’ ny hafa? Amin’ ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo.
Roma Mg1865 14:5  Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin’ ny sainy avy izy.
Roma Mg1865 14:6  Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an’ ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an’ ny Tompo, satria misaotra an’ Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an’ ny Tompo, sady misaotra an’ Andriamanitra koa izy.
Roma Mg1865 14:7  Fa tsy misy velon-ko an’ ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an’ ny tenany.
Roma Mg1865 14:8  Fa raha velona isika, dia velona ho an’ ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an’ ny Tompo; koa amin’ izany, na velona na maty isika, dia an’ ny Tompo ihany.
Roma Mg1865 14:9  Fa izany no nahafatesan’ i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon’ ny maty sy ny velona Izy.
Roma Mg1865 14:10  Fa nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan’ ny fitsaran’ Andriamanitra isika rehetra.
Roma Mg1865 14:11  Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an’ Andriamanitra.
Roma Mg1865 14:12  Koa samy hampamoahin’ Andriamanitra ny amin’ ny tenany avy isika rehetra.
Roma Mg1865 14:13  Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ ny rahalahy.
Roma Mg1865 14:14  Mahalala sady matoky ao amin’ i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany.
Roma Mg1865 14:15  Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy.
Roma Mg1865 14:16  Aoka ary tsy mba hotenenina ratsy ny fahasoavana azonareo.
Roma Mg1865 14:17  Fa ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy amin’ ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ ny Fanahy Masìna.
Roma Mg1865 14:18  Fa izay manompo an’ i Kristy amin’ izany zavatra izany no sitrak’ Andriamanitra sy eken’ ny olona fa tsara.
Roma Mg1865 14:19  Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.
Roma Mg1865 14:20  Aza izay hanina no andravanao ny asan’ Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an’ ny olona izay mihinana amin’ ny fahatafintohinana.
Roma Mg1865 14:21  Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao.
Roma Mg1865 14:22  Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan’ Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin’ izay zavatra ekeny.
Roma Mg1865 14:23  Fa izay miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin’ ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin’ ny finoana.
Chapter 15
Roma Mg1865 15:1  Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.
Roma Mg1865 15:2  Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’ izay hahasoa sy hampandroso azy.
Roma Mg1865 15:3  Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsa nataon’ izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko.
Roma Mg1865 15:4  Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ ny Soratra Masìna.
Roma Mg1865 15:5  Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’ i Kristy Jesosy,
Roma Mg1865 15:6  mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’ Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
Roma Mg1865 15:7  Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan’ i Kristy anareo koa ho voninahitr’ Andriamanitra.
Roma Mg1865 15:8  Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon’ ny voafora noho ny fahamarinan’ Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin’ ny razana,
Roma Mg1865 15:9  mba hankalazan’ ny jentilisa an’ Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin’ ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao.
Roma Mg1865 15:10  Ary hoy koa Izy: Miravoravoa, ry jentilisa, mbamin’ ny olony.
Roma Mg1865 15:11  Ary koa: Midera’ an’ i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra.
Roma Mg1865 15:12  Ary hoy koa Isaia: Hisy Solofon’ i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no hitokian’ ny jentilisa.
Roma Mg1865 15:13  Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ ny fanantenana noho ny herin’ ny Fanahy Masìna.
Roma Mg1865 15:14  Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa.
Roma Mg1865 15:15  Kanefa amin’ ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen’ Andriamanitra ahy,
Roma Mg1865 15:16  mba ho mpanompon’ i Kristy Jesosy ho an’ ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin’ ny itoriako ny filazantsaran’ Andriamanitra, mba horaisina amin’ ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin’ ny Fanahy Masìna.
Roma Mg1865 15:17  Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin’ i Kristy Jesosy aho noho ny amin’ Andriamanitra.
Roma Mg1865 15:18  Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin’ i Kristy ahy, na tamin’ ny teny, na tamin’ ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa,
Roma Mg1865 15:19  dia tamin’ ny herin’ ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin’ ny herin’ ny Fanahy Masìna, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran’ i Kristy.
Roma Mg1865 15:20  Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin’ izay efa niantsoana an’ i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin’ izay efa naorin’ ny sasany aho;
Roma Mg1865 15:21  fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no hahafantatra.
Roma Mg1865 15:22  Ary izany no nahasampona ahy matetika tsy hankany aminareo.
Roma Mg1865 15:23  Fa ankehitriny, satria tsy misy antony intsony ny itoerako amin’ ireto tany ireto sady efa naniry hatramin’ ny taona maro hankany aminareo aho,
Roma Mg1865 15:24  raha mankany Spania; fa manantena hahita anareo amin’ ny alehako aho ka haterinareo ho any, rehefa afakafaka ny alaheloko anareo.
Roma Mg1865 15:25  Fa ankehitriny dia efa hankany Jerosalema aho hanompo ny olona masìna.
Roma Mg1865 15:26  Fa efa sitrapon’ Makedonia sy Akaia ny hamory vola hiantrana ny malahelo amin’ ny olona masìna any Jerosalema.
Roma Mg1865 15:27  Eny, sitrapony izany, sady mpitrosa aminy izy. Fa raha ny jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy, dia tokony hanompo azy kosa amin’ ny zavatra momba ny nofo izy.
Roma Mg1865 15:28  Ary rehefa vitako izany, ka voatolotro azy soa aman-tsara izany vokatra izany, dia hihazo any aminareo aho, raha mankany Spania.
Roma Mg1865 15:29  Ary fantatro fa raha mankany aminareo aho, dia homba ahy ny fahafenoan’ ny fitahian’ i Kristy.
Roma Mg1865 15:30  Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin’ i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin’ ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin’ ny fivavahanareo amin’ Andriamanitra ho ahy,
Roma Mg1865 15:31  mba ho voavonjy amin’ ny tsy mino any Jodia aho, ary mba hankasitrahan’ ny ny olona masìna izay fanompoana hataoko any Jerosalema,
Roma Mg1865 15:32  mba hankanesako any aminareo amin’ ny fifaliana, raha sitrapon’ Andriamanitra, ka samy ho velombelona ny fontsika.
Roma Mg1865 15:33  Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena.
Chapter 16
Roma Mg1865 16:1  Indry, Foiby anabavintsika, diakon’ ny fiangonana atỳ Kenkrea, lazaiko tsara aminareo,
Roma Mg1865 16:2  mba horaisinareo ao amin’ ny Tompo izy, toy izay miendrika ny olona masìna, ary mba hampianareo izy amin’ izay raharaha ilany anareo; fa izy dia mpiahy ny maro mbamin’ ny tenako koa.
Roma Mg1865 16:3  Veloma amin’ i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin’ i Kristy Jesosy;
Roma Mg1865 16:4  izy mivady dia nanolotra ny tendany hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny fiangonana rehetra any amin’ ny jentilisa koa.
Roma Mg1865 16:5  Ary veloma amin’ ny fiangonana izay ao an-tranony. Veloma amin’ i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr’ i Asia ho an’ i Kristy.
Roma Mg1865 16:6  Veloma amin’ i Maria, izay nikely aina fatratra ho anareo.
Roma Mg1865 16:7  Veloma amin’ i Androniko sy Jonia, havako sy namako niara-nifatotra tamiko, izay malaza eo amin’ ny Apostoly sady tao amin’ i Kristy talohako.
Roma Mg1865 16:8  Veloma amin’ i Ampliato, malalako ao amin’ ny Tompo.
Roma Mg1865 16:9  Veloma amin’ i Orbano, mpiara-miasa aminay ao amin’ i Kristy, sy Staky malalako.
Roma Mg1865 16:10  Veloma amin’ i Apela, ilay efa voazaha toetra ao amin’ i Kristy. Veloma amin’ ny ankohonan’ i Aristobolo.
Roma Mg1865 16:11  Veloma amin’ i Herodiona havako. Veloma amin’ ny ankohonan’ i Narkisa, izay ao amin’ ny Tompo.
Roma Mg1865 16:12  Veloma amin’ i Tryfena sy Tryfosa, izay mikely aina ao amin’ ny Tompo. Veloma amin’ i Perysa malala, izay nikely aina fatratra ao amin’ ny Tompo.
Roma Mg1865 16:13  Veloma amin’ i Rofosy, ilay voafidy ao amin’ ny Tompo, ary amin’ ny reniny sy reniko.
Roma Mg1865 16:14  Veloma amin’ i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, mbamin’ ny rahalahy ao aminy.
Roma Mg1865 16:15  Veloma amin’ i Filologo sy Jolia, Nerea sy ny anabaviny, sy Olympa ary ny olona masìna rehetra izay ao aminy.
Roma Mg1865 16:16  Mifanaova veloma amin’ ny fanorohana masìna. Ny fiangonana rehetra an’ i Kristy manao veloma anareo.
Roma Mg1865 16:17  Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin’ izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin’ ireny olona ireny.
Roma Mg1865 16:18  Fa izy ireny tsy mba manompo an’ i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon’ ny tsy ary saina.
Roma Mg1865 16:19  Fa efa niely any amin’ ny olona rehetra ny lazan’ ny fanarahanareo. Ary faly aho noho ny aminareo; satria tiako ho hendry amin’ izay tsara ianareo, ary tsy hiharo amin’ izay ratsy.
Roma Mg1865 16:20  Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’ i Satana faingana eo ambanin’ ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
Roma Mg1865 16:21  Manao veloma anareo Timoty, mpiara-miasa amiko, sy Losio sy Jasona ary Sosipatro havako.
Roma Mg1865 16:22  Izaho, Tertio, izay manoratra ity epistily ity, manao veloma anareo ao amin’ ny Tompo.
Roma Mg1865 16:23  Gaio, ilay itoeranay sy ny fiangonana rehetra, manao veloma anareo. Erasto, mpitahiry ny volam-panjakana ato an-tanàna, sy Koarto rahalahy manao veloma anareo.
Roma Mg1865 16:25  Ary ho an’ izay mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an’ i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina, izay voàfina hatry ny fony fahagola,
Roma Mg1865 16:26  fa efa naseho ankehitriny tamin’ izay soratry ny mpaminany, araka ny didin’ Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin’ ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana,
Roma Mg1865 16:27  ho an’ Andriamanitra tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay. Amena.