Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PROVERBS
Up
Toggle notes
Chapter 1
Prov Mg1865 1:1  Ny Ohabolan’ i Solomona, zanak’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely:
Prov Mg1865 1:2  Hahalalana fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana ny tenin’ ny fahalalana;
Prov Mg1865 1:3  Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana;
Prov Mg1865 1:4  Hanomezam-pahendrena ho an’ ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an’ ny zatovo.
Prov Mg1865 1:5  Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara;
Prov Mg1865 1:6  Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin’ ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.
Prov Mg1865 1:7  Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin’ ny mpanao ratsy.
Prov Mg1865 1:8  Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao;
Prov Mg1865 1:9  Fa fehiloha tsara tarehy amin’ ny lohanao izany, Ary rado amin’ ny vozonao.
Prov Mg1865 1:10  Anaka, raha taomin’ ny mpanota ianao, Aza manaiky.
Prov Mg1865 1:11  Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny;
Prov Mg1865 1:12  Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin’ ny fiainan-tsi-hita Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka;
Prov Mg1865 1:13  Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika;
Prov Mg1865 1:14  Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra:
Prov Mg1865 1:15  Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin’ ny alehany;
Prov Mg1865 1:16  Fa ny tongony mihazakazaka ho amin’ ny ratsy Sady faingana handatsa-drà.
Prov Mg1865 1:17  Fa velarim-poana ny fandrika, Raha hitan’ ny vorona.
Prov Mg1865 1:18  Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran’ ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy.
Prov Mg1865 1:19  Toy izany no iafaran’ izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain’ izay fatra-pila azy izany.
Prov Mg1865 1:20  Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy;
Prov Mg1865 1:21  Mitory ao amin’ izay fivorian’ ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan’ ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe:
Prov Mg1865 1:22  Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian’ ny mpaniratsira amin’ ny faniratsirana, Ary hankahalan’ ny adala ny fahalalana?
Prov Mg1865 1:23  Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.
Prov Mg1865 1:24  Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina;
Prov Mg1865 1:25  Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo:
Prov Mg1865 1:26  Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo.
Prov Mg1865 1:27  Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana,
Prov Mg1865 1:28  Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho.
Prov Mg1865 1:29  Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an’ i Jehovah,
Prov Mg1865 1:30  Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra,
Prov Mg1865 1:31  Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny.
Prov Mg1865 1:32  Fa ny fihemoran’ ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan’ ny adala handringana azy.
Prov Mg1865 1:33  Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.
Chapter 2
Prov Mg1865 2:1  Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko,
Prov Mg1865 2:2  Ka atongilanao amin’ ny fahendrena ny sofinao, Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao;
Prov Mg1865 2:3  Eny, raha miantso ny fahalalana ianao Ary manandratra ny feonao hahazo saina,
Prov Mg1865 2:4  Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina:
Prov Mg1865 2:5  Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’ i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an’ Andriamanitra.
Prov Mg1865 2:6  Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin’ ny vavany no ihavian’ ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.
Prov Mg1865 2:7  Izy mitahiry fanambinanaho an’ ny mahitsy Sady ampingan’ izay mandeha tsy misy tsiny;
Prov Mg1865 2:8  Ka dia mitandrina ny lalan’ ny fahamarinana Izy Ary miambina ny lalan’ ny olony masìna.
Prov Mg1865 2:9  Ary amin’ izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.
Prov Mg1865 2:10  Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, Ary mamin’ ny fanahinao ny fahalalana,
Prov Mg1865 2:11  Dia hiaro anao ny fisainana mazava, Ary hiambina anao ny fahalalana,
Prov Mg1865 2:12  Ka hamonjy anao amin’ ny lalan-dratsy Sy amin’ ny lehilahy izay miteny fitaka,
Prov Mg1865 2:13  Izay mahafoy ny lalan’ ny fahamarinana Mba hizorany amin’ ny lalan’ ny fahamaizinana,
Prov Mg1865 2:14  Dia izay faly hanao ratsy Sy finaritra amin’ ny fitaky ny ratsy,
Prov Mg1865 2:15  Dia izay melo-dalana Sy maniasia amin’ ny alehany;
Prov Mg1865 2:16  Ary hamonjy anao amin’ ny vehivavy jejo koa izany, Dia amin’ ny vahiny janga izay mandrobo amin’ ny teniny,
Prov Mg1865 2:17  Izay mahafoy ny vadin’ ny fahatanorany Sy manadino ny fanekeny teo amin’ Andriamaniny.
Prov Mg1865 2:18  Fa ny tranony milentika ho amin’ ny fahafatesana, Ary ny alehany mankany amin’ ny maty.
Prov Mg1865 2:19  Tsy misy afa-miverina izay mankany aminy, Na mihazo amin’ ny lalan’ aina,
Prov Mg1865 2:20  Handehananao amin’ ny lalan’ ny tsara fanahy Sy hitandremanao ny alehan’ ny marina.
Prov Mg1865 2:21  Fa ny olona mahitsy no honina amin’ ny tany, Ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao;
Prov Mg1865 2:22  Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ ny tany, Ary ny mpivadika hongotana.
Chapter 3
Prov Mg1865 3:1  Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
Prov Mg1865 3:2  Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao.
Prov Mg1865 3:3  Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin’ ny fonao tahaka ny amin’ ny vato fisaka,
Prov Mg1865 3:4  Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny olona ianao.
Prov Mg1865 3:5  Matokia an’ i Jehovah amin’ ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ ny fahalalanao;
Prov Mg1865 3:6  Maneke Azy amin’ ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao,
Prov Mg1865 3:7  Aza manao anao ho hendry; Matahora an’ i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
Prov Mg1865 3:8  Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.
Prov Mg1865 3:9  Mankalazà an’ i Jehovah amin’ ny fanananao Sy amin’ izay voaloham-bokatrao rehetra;
Prov Mg1865 3:10  Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin’ ny vata fanantazanao.
Prov Mg1865 3:11  Anaka, aza manamavo ny famaizan’ i Jehovah, Ary aza tofoka amin’ ny fananarany;
Prov Mg1865 3:12  Fa izay tian’ i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon’ ny ray amin’ ny zanaka tiany.
Prov Mg1865 3:13  Sambatra izay olona mahita fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana.
Prov Mg1865 3:14  Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara.
Prov Mg1865 3:15  Sarobidy noho ny voahangy izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.
Prov Mg1865 3:16  Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia.
Prov Mg1865 3:17  Làlana mahafinaritra ny lalany, Ary fiadanana ny alehany rehetra.
Prov Mg1865 3:18  Hazon’ aina ho an’ izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.
Prov Mg1865 3:19  Fahendrena no nanorenan’ i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
Prov Mg1865 3:20  Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin’ ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin’ ny rahona.
Prov Mg1865 3:21  Anaka, aoka tsy hiala amin’ ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava,
Prov Mg1865 3:22  Ka dia ho ain’ ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao,
Prov Mg1865 3:23  Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.
Prov Mg1865 3:24  Tsy hatahotra ianao, raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.
Prov Mg1865 3:25  Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany;
Prov Mg1865 3:26  Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.
Prov Mg1865 3:27  Aza mamihina ny soa amin’ izay tokony homena azy, Raha azon’ ny tananao atao ihany;
Prov Mg1865 3:28  Aza manao amin’ ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao.
Prov Mg1865 3:29  Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.
Prov Mg1865 3:30  Aza miady amin’ olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.
Prov Mg1865 3:31  Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory,
Prov Mg1865 3:32  Satria fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin’ ny marina kosa ny fisakaizany.
Prov Mg1865 3:33  Ny ozon’ i Jehovah dia ao an-tranon’ ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan’ ny marina dia tahìny kosa.
Prov Mg1865 3:34  Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra.
Prov Mg1865 3:35  Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran’ ny adala.
Chapter 4
Prov Mg1865 4:1  Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.
Prov Mg1865 4:2  Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.
Prov Mg1865 4:3  Fa zanak’ ikaky aho, Sady tiana no hany malala teo imason’ ineny.
Prov Mg1865 4:4  Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.
Prov Mg1865 4:5  Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.
Prov Mg1865 4:6  Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao.
Prov Mg1865 4:7  Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.
Prov Mg1865 4:8  Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao.
Prov Mg1865 4:9  Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao.
Prov Mg1865 4:10  Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.
Prov Mg1865 4:11  Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin’ ny lalana mahitsy aho.
Prov Mg1865 4:12  Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.
Prov Mg1865 4:13  Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.
Prov Mg1865 4:14  Aza mankany amin’ ny alehan’ ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin’ ny lalan’ ny ratsy.
Prov Mg1865 4:15  Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora.
Prov Mg1865 4:16  Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.
Prov Mg1865 4:17  Fa mihinana ny mofon’ ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain’ ny fahalozàna.
Prov Mg1865 4:18  Fa ny lalan’ ny marina dia toy ny fipoak’ andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ ny andro.
Prov Mg1865 4:19  Ny alehan’ ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.
Prov Mg1865 4:20  Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.
Prov Mg1865 4:21  Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.
Prov Mg1865 4:22  Fa aina ho an’ ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an’ ny nofony rehetra.
Prov Mg1865 4:23  Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian’ ny aina.
Prov Mg1865 4:24  Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.
Prov Mg1865 4:25  Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.
Prov Mg1865 4:26  Ataovy marina ny alehan’ ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra;
Prov Mg1865 4:27  Aza mivily, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia; Esory amin’ ny ratsy ny tongotrao.
Chapter 5
Prov Mg1865 5:1  Anaka, tandremo ny fahendreko, Ary atongilano ny sofinao ho amin’ ny fahalalako,
Prov Mg1865 5:2  Hiheveranao tsara ny fisainana mazava Sy hitandreman’ ny molotrao ny fahalalana.
Prov Mg1865 5:3  Fa ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin’ ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo;
Prov Mg1865 5:4  Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.
Prov Mg1865 5:5  Ny tongony midìna ho any amin’ ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita.
Prov Mg1865 5:6  Tsy mahazo mandia ny lalan’ aina mihitsy izy, Fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay halehany.
Prov Mg1865 5:7  Koa mihainoa ahy, ry zanaka, Ary aza miala amin’ ny teny aloaky ny vavako.
Prov Mg1865 5:8  Ampanalaviro azy ny alehanao, Ary aza manakaiky ny varavaran’ ny tranony;
Prov Mg1865 5:9  Fandrao omenao ho an’ ny sasany ny voninahitrao, Ary ny taonanao ho an’ izay lozabe;
Prov Mg1865 5:10  Fandrao hivokisan’ ny vahiny ny fanananao; Ary izay nisasaranao ho tonga ao an-tranon’ ny vahiny;
Prov Mg1865 5:11  Ka dia hitoloko ianao any am-parany, Raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao;
Prov Mg1865 5:12  Dia hanao hoe ianao: Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira fanaranana ny foko,
Prov Mg1865 5:13  Ka tsy nihaino ny tenin’ ny mpanoro hevitra ahy, Ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy?
Prov Mg1865 5:14  Efa saiky azon’ ny ratsy rehetra aho Tao amin’ ny fiangonana sy ny fivoriana.
Prov Mg1865 5:15  Misotroa rano avy amin’ ny lavaka famorian-dranonao ihany Sy rano miboiboika avy amin’ ny fantsakanao.
Prov Mg1865 5:16  Hipasaka eny ivelany va ny rano avy amin’ ny loharanonao, Ary eny an-dalambe ny rano velonao?
Prov Mg1865 5:17  Aoka ho anao irery ihany izany, Fa aza iombonana amin’ ny hafa.
Prov Mg1865 5:18  Aoka hotahina ny loharanonao, Ary mifalia amin’ ny vadin’ ny fahatanoranao.
Prov Mg1865 5:19  Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, Dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin’ ny fitiavany ianao.
Prov Mg1865 5:20  Nahoana ianao, anaka, no ho renoka amin’ ny fitiavana vehivavy jejo Ka hanohona ny tratran’ ny vahiny janga?
Prov Mg1865 5:21  Fa eo imason’ i Jehovah ny alehan’ ny olona, Ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa.
Prov Mg1865 5:22  Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin’ ny fahotany no itanana azy
Prov Mg1865 5:23  Maty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben’ ny fahadalany.
Chapter 6
Prov Mg1865 6:1  Anaka, raha niantoka ny namanao ianao Ary nandray tanana hiantoka ny hafa,
Prov Mg1865 6:2  Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao,
Prov Mg1865 6:3  Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan’ ny namanao ianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin’ ny namanao.
Prov Mg1865 6:4  Aza avela hatory akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao.
Prov Mg1865 6:5  Afaho ny tenanao toy ny gazela miala amin’ izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala amin’ ny tanan’ ny mpamandrika.
Prov Mg1865 6:6  Mandehana any amin’ ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre;
Prov Mg1865 6:7  Tsy manana komandy ireny, Na mpifehy, na mpanapaka,
Prov Mg1865 6:8  Nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, Ary manangona ny fihinany amin’ ny fararano.
Prov Mg1865 6:9  Mandra-pahoviana no mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin’ ny torimasonao ianao?
Prov Mg1865 6:10  Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tanana kely hatory,
Prov Mg1865 6:11  Dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
Prov Mg1865 6:12  Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy,
Prov Mg1865 6:13  Izay mami-maso sy manao famantarana amin’ ny tongony Ary manao baiko amin’ ny rantsan-tànany;
Prov Mg1865 6:14  Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady.
Prov Mg1865 6:15  Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana.
Prov Mg1865 6:16  Izao enina izao no halan’ i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana:
Prov Mg1865 6:17  Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina,
Prov Mg1865 6:18  Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,
Prov Mg1865 6:19  Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin’ ny rahalahy.
Prov Mg1865 6:20  Anaka, tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.
Prov Mg1865 6:21  Afatory amin’ ny fonao mandrakariva ireo, Ary afehezo eo am-bozonao,
Prov Mg1865 6:22  Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; Raha mandry ianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao.
Prov Mg1865 6:23  Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan’ aina ny anatra famaizana,
Prov Mg1865 6:24  Hiarovana anao amin’ ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin’ ny fandroboan’ ny lelan’ ny vahiny janga.
Prov Mg1865 6:25  Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin’ ny hodimasony izy.
Prov Mg1865 6:26  Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan’ ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin’ ny vadin’ ny olona no mihaza ny aina soa.
Prov Mg1865 6:27  Mahatondra afo ao an-tratran’ akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony?
Prov Mg1865 6:28  Misy mahadia vain’ afo va, Ka tsy ho may ny tongony?
Prov Mg1865 6:29  Dia toy izany izay mankamin’ ny vadin’ ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy.
Prov Mg1865 6:30  Tsy avelan’ ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza;
Prov Mg1865 6:31  Fa raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony.
Prov Mg1865 6:32  Izay mijangajanga amin’ ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany.
Prov Mg1865 6:33  Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin’ ny tondro-molotra.
Prov Mg1865 6:34  Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin’ ny andro hamaliany.
Prov Mg1865 6:35  Tsy handray vola ho enti-manalady akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza.
Chapter 7
Prov Mg1865 7:1  Anaka, tandremo ny teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko.
Prov Mg1865 7:2  Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko.
Prov Mg1865 7:3  Afehezo eo amin’ ny rantsan-tananao izy, Soraty ao amin’ ny fonao tahaka ny amin’ ny vato fisaka izy.
Prov Mg1865 7:4  Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko ianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra ianao;
Prov Mg1865 7:5  Mba hiarovana anao amin’ ny vehivavy jejo, Dia amin’ ny vahiny janga izay manao teny mandrobo.
Prov Mg1865 7:6  Fa teo amin’ ny varavarankelin’ ny tranoko, Dia teo amin’ ny makarakara, no nitsirihako,
Prov Mg1865 7:7  Ka nahita anankiray tamin’ ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina,
Prov Mg1865 7:8  Izay nandeha tamin’ ny lalana akaikin’ ny zoron-tranon’ ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony,
Prov Mg1865 7:9  Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin’ ny alina efa maizina dia maizina.
Prov Mg1865 7:10  Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin’ ny janga no mifetsy am-po,
Prov Mg1865 7:11  Sady vavàna no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony;
Prov Mg1865 7:12  Fa vetivety mby eny an-dalam-be izy, ary vetivety mby eny an-tsena, Ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy.
Prov Mg1865 7:13  Ka dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy Sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe:
Prov Mg1865 7:14  Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary androany no nanefako ny voadiko.
Prov Mg1865 7:15  Koa dia nivoaka hitsena anao aho, Mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa.
Prov Mg1865 7:16  Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta.
Prov Mg1865 7:17  Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy hazomanitra ary havozo manitra.
Prov Mg1865 7:18  Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain’ ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin’ ny fitiavana isika.
Prov Mg1865 7:19  Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, Fa lasa nivahiny lavitra izy;
Prov Mg1865 7:20  Ny kitampom-bola dia nentiny any an-tànany, Ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon’ ny volana.
Prov Mg1865 7:21  Tamin’ ny teny maro no nampanekeny azy, Tamin’ ny fandroboan’ ny molony no nitaomany azy,
Prov Mg1865 7:22  Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin’ izay ilay zatovo, Tahaka ny omby entina hovonoina, Ary tahaka ny adala hogadrana,
Prov Mg1865 7:23  Ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin’ ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.
Prov Mg1865 7:24  Koa mihainoa ahy ianareo, anaka, Ary tandremo ny teny aloaky ny vavako.
Prov Mg1865 7:25  Aoka tsy hivily ho any amin’ ny lalany ny fonareo, Ary aza mania ho amin’ ny alehany.
Prov Mg1865 7:26  Fa betsaka no naripany ka maty; Ary maro be no efa matiny.
Prov Mg1865 7:27  Ny tranony dia lalana mankany amin’ ny fiainan-tsi-hita, Eny, midìna ho any amin’ ny efi-tranon’ ny fahafatesana.
Chapter 8
Prov Mg1865 8:1  Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana?
Prov Mg1865 8:2  Eo an-tampon’ ny fitoerana avo amoron-dalana Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany.
Prov Mg1865 8:3  Eo anilan’ ny vavahady, amin’ ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany maty hoe:
Prov Mg1865 8:4  Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin’ ny zanak’ olombelona.
Prov Mg1865 8:5  Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala.
Prov Mg1865 8:6  Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan’ ny molotro.
Prov Mg1865 8:7  Fa ny marina ihany no holazain’ ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin’ ny molotro.
Prov Mg1865 8:8  Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.
Prov Mg1865 8:9  Miharihary avokoa izy, raha amin’ ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin’ ny efa nahazo fahalalana.
Prov Mg1865 8:10  Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina.
Prov Mg1865 8:11  Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.
Prov Mg1865 8:12  Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan’ ny fahalalako ny fisainana mazava.
Prov Mg1865 8:13  Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’ i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.
Prov Mg1865 8:14  Ahy ny fisainana sy ny fanambinana; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery;
Prov Mg1865 8:15  Izaho no anjakan’ ny mpanjaka Sy andidian’ ny mpanapaka araka ny rariny;
Prov Mg1865 8:16  Izaho no anapahan’ ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin’ ny tany.
Prov Mg1865 8:17  Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.
Prov Mg1865 8:18  Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana.
Prov Mg1865 8:19  Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan’ ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina.
Prov Mg1865 8:20  Amin’ ny alehan’ ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin’ ny lalan’ ny fitsarana marina,
Prov Mg1865 8:21  Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.
Prov Mg1865 8:22  Jehovah nahary ahy ho fiandohan’ ny alehany, Ho voalohany amin’ ny asany hatramin’ ny taloha.
Prov Mg1865 8:23  Izaho notendreny hatramin’ ny fahagola, Eny, hatramin’ ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.
Prov Mg1865 8:24  Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be,
Prov Mg1865 8:25  Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho,
Prov Mg1865 8:26  Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan’ ny vovo-tany ambonin’ izao rehetra izao.
Prov Mg1865 8:27  Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin’ ny lalina Izy,
Prov Mg1865 8:28  Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon’ ny lalina,
Prov Mg1865 8:29  Raha nanisy faritra ho an’ ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan’ ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin’ ny fanorenan’ ny tany,
Prov Mg1865 8:30  Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan’ andro isan’ andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;
Prov Mg1865 8:31  Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak’ olombelona.
Prov Mg1865 8:32  Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;
Prov Mg1865 8:34  Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin’ ny tolam-baravarako.
Prov Mg1865 8:35  Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin’ i Jehovah;
Prov Mg1865 8:36  Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin’ ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.
Chapter 9
Prov Mg1865 9:1  Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy;
Prov Mg1865 9:2  Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa;
Prov Mg1865 9:3  Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon’ ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe:
Prov Mg1865 9:4  Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin’ izany tsy ampy saina dia hoy izy:
Prov Mg1865 9:5  Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko.
Prov Mg1865 9:6  Ilaozy ny kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin’ ny lalan’ ny fahalalana.
Prov Mg1865 9:7  Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.
Prov Mg1865 9:8  Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.
Prov Mg1865 9:9  Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.
Prov Mg1865 9:10  Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masìna no fahazavan-tsaina.
Prov Mg1865 9:11  Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.
Prov Mg1865 9:12  Raha hendry ianao, dia hendry ho an’ ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan’ izany.
Prov Mg1865 9:13  Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.
Prov Mg1865 9:14  Fa mipetraka eo am-baravaran’ ny tranony izy, Ary amin’ ny seza eny amin’ ny fitoerana avo eo an-tanàna,
Prov Mg1865 9:15  Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin’ ny alehany, ka manao hoe:
Prov Mg1865 9:16  Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin’ izay tsy ampy saina dia hoy izy:
Prov Mg1865 9:17  Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin’ ny fiafenana,
Prov Mg1865 9:18  Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin’ ny halalin’ ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy.
Chapter 10
Prov Mg1865 10:1  Ohabolan’ i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
Prov Mg1865 10:2  Ny harena azo amin’ ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin’ ny fahafatesana.
Prov Mg1865 10:3  Tsy avelan’ i Jehovah ho mosarena ny fanahin’ ny marina; Fa foanany ny fanirian’ ny ratsy fanahy.
Prov Mg1865 10:4  Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin’ ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan’ ny mazoto.
Prov Mg1865 10:5  Izay manangona amin’ ny fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin’ ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra.
Prov Mg1865 10:6  Fitahiana no ho ao amin’ ny lohan’ ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan’ ny ratsy fanahy.
Prov Mg1865 10:7  Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran’ ny ratsy fanahy.
Prov Mg1865 10:8  Izay hendry am-po no handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava.
Prov Mg1865 10:9  Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin’ ny alehany dia fantatra.
Prov Mg1865 10:10  Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava.
Prov Mg1865 10:11  Loharanon’ aina ny vavan’ ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan’ ny ratsy fanahy.
Prov Mg1865 10:12  Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.
Prov Mg1865 10:13  Amin’ ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin’ ny lamosin’ ny tsy ampy saina.
Prov Mg1865 10:14  Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan’ ny adala eo akaikin’ ny fandringanana.
Prov Mg1865 10:15  Ny haren’ ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan’ ny ory no fandringanana azy.
Prov Mg1865 10:16  Ho fiainana ny asan’ ny marina; Fa ho ota ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy.
Prov Mg1865 10:17  Izay mino anatra dia ho tonga eo amin’ ny lalan’ ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra.
Prov Mg1865 10:18  Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala.
Prov Mg1865 10:19  Ny teny maro tsy ilaozan’ izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.
Prov Mg1865 10:20  Volafotsy voafantina ny lelan’ ny marina; Fa ny fon’ ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.
Prov Mg1865 10:21  Ny molotry ny marina mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana.
Prov Mg1865 10:22  Ny fitahian’ i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon’ ny fisasarana ampiana izany.
Prov Mg1865 10:23  Toa laolaon’ ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa.
Prov Mg1865 10:24  Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin’ ny marina no homena azy.
Prov Mg1865 10:25  Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay.
Prov Mg1865 10:26  Toy ny vinaingitra amin’ ny nify sy ny setroka amin’ ny maso. Dia mba toy izany koa ny malaina amin’ izay maniraka azy.
Prov Mg1865 10:27  Ny fahatahorana an’ i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan’ ny ratsy fanahy hohafohezina.
Prov Mg1865 10:28  Ny fanantenan’ ny marina dia fifaliana; Fa ny fanantenan’ ny ratsy fanahy ho foana.
Prov Mg1865 10:29  Ny lalan’ i Jehovah dia fiarovana mafy ho an’ izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an’ ny mpanao ratsy.
Prov Mg1865 10:30  Ny marina tsy hangozohozo mandrakizay; Fa ny ratsy fanahy tsy honina amin’ ny tany.
Prov Mg1865 10:31  Eo amin’ ny vavan’ ny marina no itsimohan’ ny fahendrena; Fa ny lela fandainga hofongorana.
Prov Mg1865 10:32  Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy dia feno fitaka.
Chapter 11
Prov Mg1865 11:1  Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany.
Prov Mg1865 11:2  Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; Fa ao amin’ ny manetry tena no misy fahendrena.
Prov Mg1865 11:3  Ny fahitsian’ ny mahitsy no mitarika azy; Fa ny faharatsian’ ny mpivadika mahatonga fandringanana amin’ ny tenany.
Prov Mg1865 11:4  Ny harena dia tsy mahasoa amin’ ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon’ ny fahafatesana.
Prov Mg1865 11:5  Ny fahamarinan’ ny marina mandamina ny alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon’ ny haratsiany ihany.
Prov Mg1865 11:6  Ny fahamarinan’ ny mahitsy mamonjy azy; Fa ny mpivadika dia voafandriky ny filàny.
Prov Mg1865 11:7  Raha maty ny ratsy fanahy, dia foana ny fanantenany, Eny, foana ny fanantenan’ ny mpanao ratsy.
Prov Mg1865 11:8  Ny marina dia vonjena amin’ ny fahoriana; Fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy.
Prov Mg1865 11:9  Ny vavan’ ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany; Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.
Prov Mg1865 11:10  Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; Fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby.
Prov Mg1865 11:11  Ny fisaoran’ ny marina no isandratan’ ny tanàna; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy no aharavany.
Prov Mg1865 11:12  Tsy ampy saina izay manamavo ny namany; Fa izay hendry dia mangìna.
Prov Mg1865 11:13  Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.
Prov Mg1865 11:14  Raha tsy misy mpitondra, dia rava ny firenena; Fa handry fahizay, raha maro ny mpanolo-tsaina.
Prov Mg1865 11:15  Hahita loza tokoa ny mianto-bahiny: Fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka.
Prov Mg1865 11:16  Ny vehivavy tsara tarehy mahazo dera; Ary ny mpanao an-keriny mahazo harena.
Prov Mg1865 11:17  Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an’ ny tenany; Fa ny lozabe dia todin’ ny halozany.
Prov Mg1865 11:18  Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa; Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa.
Prov Mg1865 11:19  Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin’ ny fiainana; Fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan’ ny fahafatesana.
Prov Mg1865 11:20  Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny meloka am-po; Fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny.
Prov Mg1865 11:21  Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy; Fa ny taranaky ny marina no hovonjena.
Prov Mg1865 11:22  Toy ny kavim-bolamena eo amin’ ny oron-kisoa Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena.
Prov Mg1865 11:23  Ny soa ihany no irin’ ny marina; Fa fahatezerana no fanantenan’ ny ratsy fanahy.
Prov Mg1865 11:24  Misy mahafoy, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany.
Prov Mg1865 11:25  Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa.
Prov Mg1865 11:26  Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin’ ny olona; Fa saotra no ho amin’ ny lohan’ izay mivarotra.
Prov Mg1865 11:27  Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra; Fa izay mitady ny ratsy dia hiharan’ izany.
Prov Mg1865 11:28  Izay matoky ny hareny dia ho lavo; Fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso.
Prov Mg1865 11:29  Izay mampidi-doza amin’ ny ankohonany dia mandova ny rivotra; Ary ny adala dia tonga mpanompon’ ny hendry.
Prov Mg1865 11:30  Ny vokatry ny marina dia hazon’ aina, Ary ny hendry dia mahataona olona.
Prov Mg1865 11:31  Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!
Chapter 12
Prov Mg1865 12:1  Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby.
Prov Mg1865 12:2  Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin’ i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny.
Prov Mg1865 12:3  Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan’ ny marina tsy mba hihetsika.
Prov Mg1865 12:4  Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin’ ny taolana.
Prov Mg1865 12:5  Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan’ ny ratsy fanahy.
Prov Mg1865 12:6  Ny tenin’ ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan’ ny marina hamonjy azy.
Prov Mg1865 12:7  Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; Fa ny mpianakavin’ ny marina haharitra.
Prov Mg1865 12:8  Araka ny fahendren’ ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona.
Prov Mg1865 12:9  Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory.
Prov Mg1865 12:10  Ny marina mitsimbina ny ain’ ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindram-pon’ ny ratsy fanahy;
Prov Mg1865 12:11  Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana dia tsy ampy saina.
Prov Mg1865 12:12  Ny mpanota maniry ny hazan’ ny ratsy fanahy; Fa ny fakan’ ny marina mitrebona.
Prov Mg1865 12:13  Amin’ ny fahotan’ ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin’ ny fahoriana.
Prov Mg1865 12:14  Ny vokatry ny vavan’ ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan’ ny tànany hitsingerina aminy.
Prov Mg1865 12:15  Ny lalan’ ny adala dia mahitsy eo imasony; Fa izay mino anatra no hendry.
Prov Mg1865 12:16  Ny fahasosoran’ ny adala dia fantatra miaraka amin’ izay; Fa izay mahatsindry fo amin’ ny fanalam-baraka no hendry.
Prov Mg1865 12:17  Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka.
Prov Mg1865 12:18  Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ ny sabatra; Fa ny lelan’ ny marina dia fanasitranana kosa.
Prov Mg1865 12:19  Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja.
Prov Mg1865 12:20  Fitaka no ao am-pon’ izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin’ izay misaina fiadanana.
Prov Mg1865 12:21  Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza ny ratsy fanahy.
Prov Mg1865 12:22  Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.
Prov Mg1865 12:23  Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; Fa ny fon’ ny adala mamoaka fahadalana.
Prov Mg1865 12:24  Ny tanan’ ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina.
Prov Mg1865 12:25  Ny alahelo ao am-pon’ ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy.
Prov Mg1865 12:26  Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan’ ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.
Prov Mg1865 12:27  Ny kamo tsy mety mihaza; Fa fananana soa ho an’ ny olona ny zoto.
Prov Mg1865 12:28  Amin’ ny lalan’ ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.
Chapter 13
Prov Mg1865 13:1  Ny zanaka hendry mihaino ny fananaran-drainy; Fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina mafy aza.
Prov Mg1865 13:2  Ny vokatry ny vavan’ ny olona no ahazoany soa; Fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika.
Prov Mg1865 13:3  Izay mahambim-bava no miaro ny ainy; Fa izay vavàna dia haringana.
Prov Mg1865 13:4  Ny fanahin’ ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin’ ny mazoto hohatavezina.
Prov Mg1865 13:5  Ny lainga dia halan’ ny marina; Fa ny ratsy fanahy manao izay maharikoriko sy mahamenatra.
Prov Mg1865 13:6  Ny fahamarinana miaro izay mandeha tsy misy tsiny; Fa ny haratsiana mamotraka ny mpanota.
Prov Mg1865 13:7  Misy mihambo ho manan-karena, nefa tsy manana na inona na inona; Misy kosa mody malahelo, nefa manana harena be.
Prov Mg1865 13:8  Ny haren’ ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory.
Prov Mg1865 13:9  Ny fahazavan’ ny marina dia tsara firehitra; Fa ny jiron’ ny ratsy fanahy ho faty.
Prov Mg1865 13:10  Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin’ ny mino anatra no misy fahendrena.
Prov Mg1865 13:11  Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.
Prov Mg1865 13:12  Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; Fa hazon’ aina ny faniriana tanteraka.
Prov Mg1865 13:13  Izay manamavo ny teny ho voasingony; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.
Prov Mg1865 13:14  Ny fampianaran’ ny hendry dia loharanon’ aina Ka mampivily tsy ho ao amin’ ny fandriky ny fahafatesana.
Prov Mg1865 13:15  Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lalan’ ny mpivadika.
Prov Mg1865 13:16  Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin’ ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana;
Prov Mg1865 13:17  Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana.
Prov Mg1865 13:18  Fahalahelovana sy henatra no ho an’ izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra.
Prov Mg1865 13:19  Mamin’ ny fo ny faniriana tanteraka; Fa fahavetavetana eo imason’ ny adala ny hiala amin’ ny ratsy.
Prov Mg1865 13:20  Izay miara-dia amin’ ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin’ ny adala dia hidiran-doza.
Prov Mg1865 13:21  Ny mpanota dia enjehin’ ny loza: Fa hovalian-tsoa ny marina.
Prov Mg1865 13:22  Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny, Fa ny haren’ ny mpanota kosa voatahiry ho an’ ny marina.
Prov Mg1865 13:23  Ny tanin’ ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovan’ izay tsy rariny.
Prov Mg1865 13:24  Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.
Prov Mg1865 13:25  Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon’ ny ratsy fanahy.
Chapter 14
Prov Mg1865 14:1  Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony; Fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin’ ny tànany.
Prov Mg1865 14:2  Mandeha mahitsy izay matahotra an’ i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy.
Prov Mg1865 14:3  Eo am-bavan’ ny adala misy tsorakazon’ ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.
Prov Mg1865 14:4  Raha tsy misy omby, dia foana ny fihinanam-bilona; Fa be ny fitomboan-karena azo amin’ ny herin’ ny omby.
Prov Mg1865 14:5  Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga; Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky.
Prov Mg1865 14:6  Ny mpaniratsira mba mitady fahendrena, fa tsy mahita; Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.
Prov Mg1865 14:7  Mialà eo anatrehan’ ny olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.
Prov Mg1865 14:8  Ny mitandrina ny alehany no fahendren’ ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan’ ny adala.
Prov Mg1865 14:9  Ny adala ihomehezan’ ny fanati-panonerana; Fa ao amin’ ny marina no misy fankasitrahana.
Prov Mg1865 14:10  Ny fo no mahalala ny fangidian’ ny alahelony; Ary tsy raharahan’ ny olon-kafa ny hafaliany.
Prov Mg1865 14:11  Ravana ny tranon’ ny ratsy fanahy; Fa ambinina ny lain’ ny marina.
Prov Mg1865 14:12  Misy lalana ataon’ ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin’ ny fahafatesana no iafarany.
Prov Mg1865 14:13  Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, Ary ny faran’ ny hafaliana dia alahelo.
Prov Mg1865 14:14  Ny mihemotra am-po dia ho voky ny alehany; Fa ny tsara fanahy kosa ho voky ny azy ihany.
Prov Mg1865 14:15  Ny kely saina mino ny teny rehetra; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.
Prov Mg1865 14:16  Ny hendry matahotra ka mivily tsy ho amin’ ny ratsy; Fa ny adala fatra-pirehareha ka matokitoky foana.
Prov Mg1865 14:17  Izay malaky tezitra dia manao adaladala; Ary ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina.
Prov Mg1865 14:18  Ny kely saina dia handova fahadalana; Fa ny mahira-tsaina mahazo ny fahalalana ho satro-boninahiny.
Prov Mg1865 14:19  Ny ratsy fanahy miondrika eo anatrehan’ ny tsara fanahy, Ary ny meloka dia eo am-bavahadin’ ny marina.
Prov Mg1865 14:20  Ny malahelo dia halan’ ny havany aza; Fa ny manan-karena no tian’ ny maro.
Prov Mg1865 14:21  Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; Fa endrey ny fahasambaran’ izay mamindra fo amin’ ny ory!
Prov Mg1865 14:22  Tsy mivily va izay manao asa ratsy? Fa famindram-po sy fahamarinana no ho an’ izay manao asa tsara.
Prov Mg1865 14:23  Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona.
Prov Mg1865 14:24  Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan’ ny adala dia fahadalana ihany.
Prov Mg1865 14:25  Ny vavolombelona marina mamonjy ain’ olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka.
Prov Mg1865 14:26  Ny fahatahorana an’ i Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana.
Prov Mg1865 14:27  Ny fahatahorana an’ i Jehovah no loharanon’ aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
Prov Mg1865 14:28  Ny fahabetsahan’ ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; Fa ny havitsiany kosa no fietreny.
Prov Mg1865 14:29  Be saina izay mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.
Prov Mg1865 14:30  Ny fo mionona no fiainan’ ny nofo; Fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalò ny taolana.
Prov Mg1865 14:31  Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.
Prov Mg1865 14:32  Ny ratsy fanahy azera noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin’ ny fahafatesana aza.
Prov Mg1865 14:33  Mandry tsara ao am-pon’ ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny an’ ny adala kosa dia miharihary.
Prov Mg1865 14:34  Ny fahamarinana manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin’ ny olona
Prov Mg1865 14:35  Ny fankasitrahan’ ny mpanjaka dia amin’ ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin’ ny manao izay mahamenatra.
Chapter 15
Prov Mg1865 15:1  Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.
Prov Mg1865 15:2  Ny lelan’ ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan’ ny adala miboiboika fahadalana.
Prov Mg1865 15:3  Ny mason’ i Jehovah amin’ izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
Prov Mg1865 15:4  Ny teny malemy dia hazon’ aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.
Prov Mg1865 15:5  Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
Prov Mg1865 15:6  Ao an-tranon’ ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy dia misy loza.
Prov Mg1865 15:7  Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon’ ny adala.
Prov Mg1865 15:8  Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.
Prov Mg1865 15:9  Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny lalan’ ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany.
Prov Mg1865 15:10  Famaizana mafy no hihatra amin’ izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty.
Prov Mg1865 15:11  Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan’ i Jehovah, Koa mainka ny fon’ ny zanak’ olombelona!
Prov Mg1865 15:12  Tsy tian’ ny mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy.
Prov Mg1865 15:13  Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon’ ny fo mahareraka ny fanahy.
Prov Mg1865 15:14  Ny fon’ ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan’ ny adala mankamamy ny fahadalana.
Prov Mg1865 15:15  Ratsy avokoa ny andron’ ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.
Prov Mg1865 15:16  Aleo ny kely misy ny fahatahorana an’ i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy.
Prov Mg1865 15:17  Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra Toy izay omby mifahy asian-dromoromo.
Prov Mg1865 15:18  Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.
Prov Mg1865 15:19  Ny lalan’ ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben’ ny marina dia voalamina tsara.
Prov Mg1865 15:20  Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny.
Prov Mg1865 15:21  Ny fahadalana dia fifalian’ ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy
Prov Mg1865 15:22  Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.
Prov Mg1865 15:23  Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran’ ny teny atao amin’ izay andro mahamety azy!
Prov Mg1865 15:24  Làlan’ aina ho any ambony no alehan’ ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita any ambany,
Prov Mg1865 15:25  Ravan’ i Jehovah ny tranon’ ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin’ ny mpitondra-tena aoriny mafy.
Prov Mg1865 15:26  Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny teny mahafinaritra.
Prov Mg1865 15:27  Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin’ ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
Prov Mg1865 15:28  Ny fon’ ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana.
Prov Mg1865 15:29  Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny.
Prov Mg1865 15:30  Ny tarehy miramirana mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.
Prov Mg1865 15:31  Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin’ ny hendry.
Prov Mg1865 15:32  Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana.
Prov Mg1865 15:33  Ny fahatahorana an’ i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.
Chapter 16
Prov Mg1865 16:1  Ny fikasan’ ny fo no amin’ ny olona; Fa ny famalian’ ny lela dia avy amin’ i Jehovah.
Prov Mg1865 16:2  Ataon’ ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy.
Prov Mg1865 16:3  Ankino amin’ i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.
Prov Mg1865 16:4  Ny zavatra rehetra nataon’ i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin’ ny andro hahitan-doza.
Prov Mg1865 16:5  Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina izy.
Prov Mg1865 16:6  Ny famindram-po sy ny fahamarinana no avotra amin’ ny heloka; Ary ny fahatahorana an’ i Jehovah no analavirana ny ratsy.
Prov Mg1865 16:7  Raha sitrak’ i Jehovah ny alehan’ ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.
Prov Mg1865 16:8  Aleo ny kely omban’ ny fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin’ ny tsy rariny.
Prov Mg1865 16:9  Ny fon’ ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.
Prov Mg1865 16:10  Ny teny marina dia eo amin’ ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara.
Prov Mg1865 16:11  An’ i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy avokoa ireo vato rehetra an-kitapo.
Prov Mg1865 16:12  Fahavetavetana eo imason’ ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan’ ny seza fiandrianana.
Prov Mg1865 16:13  Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, Ary izay miteny mahitsy no tiany.
Prov Mg1865 16:14  Ny fahatezeran’ ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany.
Prov Mg1865 16:15  Amin’ ny fahamiramiranan’ ny tarehin’ ny mpanjaka dia misy fiainana, Ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin’ ny fararano.
Prov Mg1865 16:16  Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.
Prov Mg1865 16:17  Ny manalavitra ny ratsy no lalamben’ ny marina, Ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.
Prov Mg1865 16:18  Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.
Prov Mg1865 16:19  Tsara ny malemy fanahy ao amin’ izay manetry tena Noho ny mizara babo amin’ izay miavonavona.
Prov Mg1865 16:20  Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an’ i Jehovah no ho sambatra.
Prov Mg1865 16:21  Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina, Ary ny hamamian’ ny molotra mampandroso fahendrena.
Prov Mg1865 16:22  Loharanon’ aina ny fahazavan-tsaina amin’ izay manana izany; Fa ny famaizana ataon’ ny adala dia fahadalana ihany.
Prov Mg1865 16:23  Ny fon’ ny hendry mahahendry ny vavany Sady manampy fahendrena eo amin’ ny molony.
Prov Mg1865 16:24  Toho-tantely ny teny mahafinaritra, Ka sady mamin’ ny fanahy no mahatsara ny taolana.
Prov Mg1865 16:25  Misy lalana ataon’ ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin’ ny fahafatesana no iafarany.
Prov Mg1865 16:26  Ny fahanoanan’ ny mpiasa dia mampiasa azy, Fa ny tendany no manesika azy.
Prov Mg1865 16:27  Ny ratsy fanahy mihady lavaka fanimbana, Sady misy toy ny afo mahamay eo amin’ ny molony.
Prov Mg1865 16:28  Ny mpivadibadika mamafy ady; Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza.
Prov Mg1865 16:29  Ny lozabe mitaona ny namany Ka mitarika azy amin’ ny lalana tsy tsara.
Prov Mg1865 16:30  Izay manakimpy ny masony hieritreritra ny ratsy Sady manaikitraiki-molotra dia efa mikasa hanao ratsy.
Prov Mg1865 16:31  Satroboninahitra tsara tarehy ny volofotsy, Ao amin’ ny lalan’ ny fahamarinana no ahazoana azy.
Prov Mg1865 16:32  Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.
Prov Mg1865 16:33  Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin’ i Jehovah ihany no isehoan’ ny fitsarany.
Chapter 17
Prov Mg1865 17:1  Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana Noho ny trano feno hena misy fifandirana.
Prov Mg1865 17:2  Ny mpanompo hendry dia hanapaka ny zanaka manao izay mahamenatra Sady hizara lova amin’ ny mpirahalahy.
Prov Mg1865 17:3  Ny memy ho an’ ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an’ ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo.
Prov Mg1865 17:4  Ny mpanao ratsy mampandry sofina amin’ ny molotra mandainga; Ary ny mpandainga mihaino ny lela mampidi-doza.
Prov Mg1865 17:5  Izay mihomehy ny malahelo manala baraka ny Mpanao azy; Ary izay faly amin’ ny fahorian’ ny sasany dia tsy maintsy hampijalina.
Prov Mg1865 17:6  Satroboninahitry ny antitra ny zafiny; Ary voninahitry ny zanaka ny rainy.
Prov Mg1865 17:7  Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala, Koa mainka fa tsy tokony ho an’ ny zanak’ andriana ny molotra mandainga.
Prov Mg1865 17:8  Ny kolikoly dia toy ny vato soa eo imason’ izay mahazo azy, Ka na aiza na aiza alehany dia ambinina ihany.
Prov Mg1865 17:9  Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza.
Prov Mg1865 17:10  Ny anatra dia manan-kery kokoa amin’ ny hendry Noho ny kapoka injato amin’ ny adala.
Prov Mg1865 17:11  Ny maditra dia fatra-pitady ny ratsy, Ka dia iraka lozabe no irahina hamely azy.
Prov Mg1865 17:12  Aleo mifanena amin’ ny bera very anaka Toy izay amin’ ny adala feno hadalana.
Prov Mg1865 17:13  Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony.
Prov Mg1865 17:14  Ny fiandohan’ ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.
Prov Mg1865 17:15  Izay manamarina ny meloka, na izay manameloka ny marina, Dia samy fahavetavetana eo imason’ i Jehovah.
Prov Mg1865 17:16  Hatao inona re ity vola an-tànan’ ny adala? Hamidy fahendrena va? tsy manan-tsaina izy.
Prov Mg1865 17:17  Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ ny andro rehetra, Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ ny fahoriana.
Prov Mg1865 17:18  Olona tsy ampy saina izay mifandray tanana Hiantoka eo anatrehan’ ny sakaizany.
Prov Mg1865 17:19  Izay tia ady dia tia heloka; Ary izay manao vavahady avo mitady fahasimbana.
Prov Mg1865 17:20  Izay madi-po tsy hahita soa; Ary izay manana lela mandainga hivarina any amin’ ny loza.
Prov Mg1865 17:21  Izay miteraka adala hahazo alahelo; Ary ny rain’ ny adala tsy ho faly.
Prov Mg1865 17:22  Ny fo ravoravo mahasalama tsara; Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.
Prov Mg1865 17:23  Ny ratsy fanahy mandray kolikoly avy any anaty lamba Ho entiny mamadika ny rariny.
Prov Mg1865 17:24  Eo anoloan’ ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny mason’ ny adala dia mibirioka any amin’ ny faran’ ny tany.
Prov Mg1865 17:25  Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy Sady fahoriana mangidy amin’ ny reniny niteraka azy.
Prov Mg1865 17:26  Tsy mety raha mampijaly ny marina, Na mamely ny manan-kaja noho ny fahamarinany.
Prov Mg1865 17:27  Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; Ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina.
Prov Mg1865 17:28  Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry, Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina.
Chapter 18
Prov Mg1865 18:1  Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, Misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.
Prov Mg1865 18:2  Ny adala tsy mba finaritra amin’ ny fahalalana, Fa ta-haneho izay ao am-pony.
Prov Mg1865 18:3  Raha avy ny ratsy fanahy, dia avy ny fanamavoana; Ary miaraka amin’ ny fahafaham-baraka ny henatra.
Prov Mg1865 18:4  Rano lalina ny teny aloaky ny vavan’ ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanon’ ny fahendrena,
Prov Mg1865 18:5  Tsy mety raha manohana ny ratsy fanahy Handresy ny marina amin’ ny fitsarana.
Prov Mg1865 18:6  Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana, Ary ny vavany mihantsy kapoka.
Prov Mg1865 18:7  Ny vavan’ ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny.
Prov Mg1865 18:8  Ny tenin’ ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
Prov Mg1865 18:9  Ary izay malaina amin’ ny asany Dia rahalahin’ ny mpanimba.
Prov Mg1865 18:10  Ny anaran’ i Jehovah dia tilikambo mafy; Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.
Prov Mg1865 18:11  Ny haren’ ny manan-karena no vohiny mafy, Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany.
Prov Mg1865 18:12  Ny fireharehan’ ny fon’ ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
Prov Mg1865 18:13  Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany.
Prov Mg1865 18:14  Ny faharariany dia zakan’ ny fanahin’ ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?
Prov Mg1865 18:15  Ny fon’ ny manan-tsaina mahazo fahalalana; Ary ny sofin’ ny hendry mitady izany.
Prov Mg1865 18:16  Ny fanomezan’ ny olona dia mahalalaka ny alehany, Hahatonga azy eo anatrehan’ ny lehibe.
Prov Mg1865 18:17  Izay mandahatra aloha no toa marina; Fa nony avy kosa ny an-daniny, dia mamaly ny teniny.
Prov Mg1865 18:18  Ny filokana mampitsahatra ady Ary mampisaraka ny samy mahery.
Prov Mg1865 18:19  Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, Ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin’ ny lapan’ ny mpanjaka.
Prov Mg1865 18:20  Ny vokatry ny vavan’ ny olona no mahavoky soa azy; Eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy.
Prov Mg1865 18:21  Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain’ ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.
Prov Mg1865 18:22  Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa Sady mahita sitraka amin’ i Jehovah.
Prov Mg1865 18:23  Fitarainana no ataon’ ny malahelo; Nefa ny manan-karena kosa dia mamaly mahery.
Prov Mg1865 18:24  Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana; Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.
Chapter 19
Prov Mg1865 19:1  Tsara ny malahelo mandeha tsy misy tsiny Noho izay mandainga amin’ ny molony sady adala.
Prov Mg1865 19:2  Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso lalana.
Prov Mg1865 19:3  Ny fahadalan’ ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin’ i Jehovah no sosotra ny fony.
Prov Mg1865 19:4  Ny harena mahamaro sakaiza; Fa ny malahelo afoin’ ny sakaizany.
Prov Mg1865 19:5  Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala.
Prov Mg1865 19:6  Maro no mandambolambo andriana; Ary ny olona rehetra samy misakaiza amin’ izay mpanome zavatra.
Prov Mg1865 19:7  Ny malahelo dia halan’ ny rahalahiny rehetra, Koa mainka fa ny sakaizany tsy hanalavitra azy va? Manandrandra amin’ ny teny tsy misy izy.
Prov Mg1865 19:8  Izay mihary fahendrena no tia ny tenany, Ary izay mitandrina fahalalana hahita soa.
Prov Mg1865 19:9  Ny vavolombelona mandainga tsy maintsy hampijalina, Ary ny miteny lainga ho very.
Prov Mg1865 19:10  Ny ho velona amin’ ny fahafinaretana dia tsy tandrifiny ho an’ ny adala, Koa mainka izay hanapahan’ ny mpanompo ny zanak’ andriana.
Prov Mg1865 19:11  Ny fahendren’ ny olona manindry ny fahatezerany, Ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.
Prov Mg1865 19:12  Ny fahatezeran’ ny mpanjaka dia toy ny fieron’ ny liona tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando amin’ ny ahitra.
Prov Mg1865 19:13  Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy; Ary ny ady ataon’ ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva.
Prov Mg1865 19:14  Trano sy harena no lova avy amin’ ny ray; Fa ny vady hendry kosa dia avy amin’ i Jehovah.
Prov Mg1865 19:15  Ny hakamoana mahasondrian-tory, Ary ho mosarena ny olona malaina.
Prov Mg1865 19:16  Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy; Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty.
Prov Mg1865 19:17  Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’ i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa.
Prov Mg1865 19:18  Faizo ny zanakao, fa mbola misy azo antenaina ihany, Nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy.
Prov Mg1865 19:19  Ny lozabe tsy maintsy hampijalina; Ary na dia vonjenao aza izy, dia mbola hanahirana anao ihany indray.
Prov Mg1865 19:20  Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, Mba ho hendry ianao amin’ izay hiafaranao.
Prov Mg1865 19:21  Maro ny hevitra ao am-pon’ ny olona; Fa ny fisainan’ i Jehovah no haharitra.
Prov Mg1865 19:22  Fifaliana amin’ ny olona ny manisy soa; Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga.
Prov Mg1865 19:23  Ny fahatahorana an’ i Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza.
Prov Mg1865 19:24  Ny malaina dia mangarona ny eo an-dovia amin’ ny tànany, Nefa ny mampakatra azy ho amin’ ny vavany dia tsy zakany.
Prov Mg1865 19:25  Kapohy ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary anaro ny manan-tsaina, dia hahalala fahendrena izy.
Prov Mg1865 19:26  Izay mitohatoha amin-drainy sy mandroaka ny reniny Dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka.
Prov Mg1865 19:27  Anaka, mitsahara tsy hihaino anatra Izay mampanalavitra anao ny tenin’ ny fahalalana.
Prov Mg1865 19:28  Ny vavolombelona ratsy maniratsira ny fitsarana; Ary ny vavan’ ny ratsy fanahy mitelina ny ratsy.
Prov Mg1865 19:29  Vonona ho amin’ ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin’ ny lamosin’ ny adala.
Chapter 20
Prov Mg1865 20:1  Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon’ izany dia tsy hendry.
Prov Mg1865 20:2  Ny fampitahoran’ ny mpanjaka dia toy ny fieron’ ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza hihatra amin’ ny ainy,
Prov Mg1865 20:3  Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala rehetra kosa misafoaka.
Prov Mg1865 20:4  Ny malaina tsy mety miasa amin’ ny ririnina, Ka dia hangataka izy raha fararano, fa tsy hahazo.
Prov Mg1865 20:5  Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ ny olona; Fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany,
Prov Mg1865 20:6  Maro ny olona samy midera ny soa ataon’ ny tenany avy; Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy?
Prov Mg1865 20:7  Izay olona marina mandeha amin’ ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy.
Prov Mg1865 20:8  Mipetraka eo amin’ ny seza fitsarana ny mpanjaka, Ka mikororoka manaisotra ny ratsy rehetra ny masony.
Prov Mg1865 20:9  Iza no mahazo manao hoe: Efa nahadio ny foko aho Ka madio tsy manana ota?
Prov Mg1865 20:10  Ny vato mizana samy hafa sy ny vata famarana samy hafa Dia samy fahavetavetana eo imason’ i Jehovah.
Prov Mg1865 20:11  Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin’ ny fanaony Na madio sy mahitsy ny fitondran-tenany.
Prov Mg1865 20:12  Ny sofina mandre sy ny maso mahita Dia samy nataon’ i Jehovah avokoa.
Prov Mg1865 20:13  Aza tia torimaso ianao, fandrao tonga malahelo; Ahirato ny masonao, dia ho voky hanina ianao.
Prov Mg1865 20:14  Ratsy! ratsy! hoy ny mpividy; Kanjo nony lasa izy, dia mandoka tena.
Prov Mg1865 20:15  Ao ihany ny volamena sy ny voahangy betsaka; Fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa.
Prov Mg1865 20:16  Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon’ ny vahiny niantohany.
Prov Mg1865 20:17  Mamin’ ny olona ny hanina azo amin’ ny fitaka; Kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany.
Prov Mg1865 20:18  Ny hevitra rehetra dia aorin’ ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady.
Prov Mg1865 20:19  Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina, Koa aza miraharaha amin’ izay mibedibedy foana.
Prov Mg1865 20:20  Izay manozona ny rainy na ny reniny, Dia ho faty ao amin’ ny alim-pito ny jirony.
Prov Mg1865 20:21  Ny harena malaky azo foana eo am-boalohany Dia tsy hotahina any am-parany.
Prov Mg1865 20:22  Aza manao hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho; Fa andraso Jehovah, fa Izy no hamonjy anao.
Prov Mg1865 20:23  Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny vato samy hafa, Ary ny mizana mandainga dia tsy tsara.
Prov Mg1865 20:24  Avy amin’ i Jehovah ny dian’ ny olona, Ary hataon’ izay olombelona ahoana no hahafantatra ny lalany?
Prov Mg1865 20:25  Fandrika amin’ ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masìna ity; Ka nony vita ny voady, vao mamototra.
Prov Mg1865 20:26  Ny mpanjaka hendry mikororoka manaisotra ny ratsy fanahy Sady mitarika ny kodia fivelezana eo amboniny.
Prov Mg1865 20:27  Jiron’ i Jehovah ny fanahin’ ny olona, Itsilovana ny efitrefitra rehetra ao am-po.
Prov Mg1865 20:28  Famindram-po sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka, Ary ampitoeriny amin’ ny famindram-po ny seza fiandrianany.
Prov Mg1865 20:29  Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany, Ary ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy.
Prov Mg1865 20:30  Ny fampangirifiriana dia mahafaka ny faharatsiana, Ary ny kapoka mahadio ny efitrefitra ao an-kibo.
Chapter 21
Prov Mg1865 21:1  Rano velona eo an-tànan’ i Jehovah ny fon’ ny mpanjaka, Ka tarihiny amin’ izay tiany.
Prov Mg1865 21:2  Ataon’ ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.
Prov Mg1865 21:3  Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak’ i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.
Prov Mg1865 21:4  Ny fiandranandran’ ny maso sy ny fiavonavon’ ny fo Izay jiron’ ny ratsy fanahy dia ota.
Prov Mg1865 21:5  Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.
Prov Mg1865 21:6  Ny fahazoan-karena amin’ ny lela mandainga Dia fofonaina mihelina ho an’ izay mitady fahafatesana.
Prov Mg1865 21:7  Ny fitohatohan’ ny ratsy fanahy hamongotra azy, Satria mandà tsy hanao izay marina izy.
Prov Mg1865 21:8  Miolikolika ny lalan’ ny mavesa-keloka; Fa mahitsy ny ataon’ ny madio.
Prov Mg1865 21:9  Aleo mitoetra eo an-joron’ ny tampon-trano Toy izay hiray trano amin’ ny vehivavy tia ady.
Prov Mg1865 21:10  Ny fanahin’ ny ratsy fanahy maniry ny ratsy, Ka na dia ny havany aza tsy mahita fitia eo imasony.
Prov Mg1865 21:11  Raha ampijalina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary raha toroan-kevitra ny hendry, dia hahazo fahalalana izy.
Prov Mg1865 21:12  Ny Iray Marina no mandinika ny tranon’ ny ratsy fanahy Ka mamarina azy ho amin’ ny loza.
Prov Mg1865 21:13  Izay manentsin-tadiny amin’ ny fitarainan’ ny malahelo, Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina.
Prov Mg1865 21:14  Ny fanomezana mangingina mampionona ny fahatezerana, Ary ny kolikoly amin’ ny takona mampitsahatra ny fahavinirana mafy.
Prov Mg1865 21:15  Fifalian’ ny marina ny hanao araka ny rariny; Fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany.
Prov Mg1865 21:16  Ny olona izay mivily miala amin’ ny lalan’ ny fahendrena Dia hitoetra ao amin’ ny fivorian’ ny fanahin’ ny maty.
Prov Mg1865 21:17  Izay tia fanaranam-po dia olona halahelo, Eny, izay tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena.
Prov Mg1865 21:18  Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina, Ary ny mpivadika ho solon’ ny mahitsy.
Prov Mg1865 21:19  Aleo mitoetra any an-efitra Toy izay amin’ ny vehivavy tia ady sady foizina.
Prov Mg1865 21:20  Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin’ ny tranon’ ny hendry; Fa ny adala mandany azy.
Prov Mg1865 21:21  Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.
Prov Mg1865 21:22  Ny hendry mananika ny vohitry ny mahery Ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany.
Prov Mg1865 21:23  Izay miambina ny vavany sy ny lelany Dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana.
Prov Mg1865 21:24  Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira, Dia izay olona fatra-piavonavona.
Prov Mg1865 21:25  Ny fanirian’ ny malaina hahafaty azy, Satria ny tànany tsy mety miasa tsinona;
Prov Mg1865 21:26  Maniry fatratra mandritra ny andro izy; Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra.
Prov Mg1865 21:27  Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin’ ny sain-dratsy no itondrany azy.
Prov Mg1865 21:28  Ho faty ny vavolombelona mandainga; Fa izay mihaino dia hiteny mandrakariva.
Prov Mg1865 21:29  Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin’ ny tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany.
Prov Mg1865 21:30  Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an’ i Jehovah.
Prov Mg1865 21:31  Voaomana ny soavaly ho amin’ ny andro iadiana; Fa an’ i Jehovah ihany ny fandresena.
Chapter 22
Prov Mg1865 22:1  Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.
Prov Mg1865 22:2  Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta.
Prov Mg1865 22:3  Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
Prov Mg1865 22:4  Ny valin’ ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’ i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana.
Prov Mg1865 22:5  Tsilo sy fandrika no amin’ ny alehan’ ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany.
Prov Mg1865 22:6  Zaro amin’ izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’ izany.
Prov Mg1865 22:7  Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon’ ny mampisambotra.
Prov Mg1865 22:8  Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, Ary ho levona ny tsorakazon’ ny fahatezerany.
Prov Mg1865 22:9  Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an’ ny malahelo ny haniny.
Prov Mg1865 22:10  Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.
Prov Mg1865 22:11  Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan’ ny mpanjaka izy.
Prov Mg1865 22:12  Ny mason’ i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin’ ny mpivadika dia foanany.
Prov Mg1865 22:13  Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; Ho fatin’ ny sasany any an-dalambe aho.
Prov Mg1865 22:14  Ny vavan’ ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon’ i Jehovah no ho latsaka ao.
Prov Mg1865 22:15  Miraikitra amin’ ny fon’ ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.
Prov Mg1865 22:16  Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an’ ny manana kosa dia mampihena ny hareny.
Prov Mg1865 22:17  Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin’ ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao;
Prov Mg1865 22:18  Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin’ ny molotrao.
Prov Mg1865 22:19  Hianao dia ianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin’ i Jehovah.
Prov Mg1865 22:20  Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho, Izay misy hevitra tsara sy fahalalana,
Prov Mg1865 22:21  Mba hampahafantariko ny fahamarinan’ ny teny mahatoky ianao, Sy hahazoanao teny holazaina amin’ izay naniraka anao?
Prov Mg1865 22:22  Aza manosihosy ny malahelo, saingy malahelo izy; Ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady;
Prov Mg1865 22:23  Fa Jehovah anie ka hisolo vava azy amin’ ny adiny. Ary hanimba ny ain’ izay manimba azy.
Prov Mg1865 22:24  Aza misakaiza amin’ ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin’ ny olona foizina,
Prov Mg1865 22:25  Fandrao ianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an’ ny ainao.
Prov Mg1865 22:26  Aza mety ho isan’ ny mifandray tanana, Na izay mianto-trosa;
Prov Mg1865 22:27  Raha tsy manan-kaloa ianao, Nahoana no dia halainy ny lafika andrianao?
Prov Mg1865 22:28  Aza manakisaka ny fari-tany ela, Izay naorin’ ny razanao.
Prov Mg1865 22:29  Mahita olona mailaka amin’ ny raharahany va ianao? Eo anatrehan’ ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan’ ny olona ambany izy.
Chapter 23
Prov Mg1865 23:1  Raha mipetraka hiara-komana amin’ ny mpanapaka ianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao,
Prov Mg1865 23:2  Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra ianao.
Prov Mg1865 23:3  Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany.
Prov Mg1865 23:4  Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin’ izany ny fahendrenao.
Prov Mg1865 23:5  Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ ny lanitra.
Prov Mg1865 23:6  Aza homana ny mofon’ izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;
Prov Mg1865 23:7  Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany ianao.
Prov Mg1865 23:8  Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.
Prov Mg1865 23:9  Aza miteny amin’ny adala; Fa hohamavoiny foana ny fahendren’ ny teninao.
Prov Mg1865 23:10  Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin’ ny sahan’ ny kamboty;
Prov Mg1865 23:11  Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin’ ny adiny aminao.
Prov Mg1865 23:12  Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.
Prov Mg1865 23:13  Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza;
Prov Mg1865 23:14  Raha mamely azy amin’ ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny.
Prov Mg1865 23:15  Anaka, raha hendry ny fonao, Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko;
Prov Mg1865 23:16  Eny, ho ravoravo ny fanahiko, Raha miteny marina ny molotrao.
Prov Mg1865 23:17  Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an’ i Jehovah mandritra ny andro;
Prov Mg1865 23:18  Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao.
Prov Mg1865 23:19  Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin’ ny lalana ny fonao.
Prov Mg1865 23:20  Aza misakaiza amin’ izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena;
Prov Mg1865 23:21  Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.
Prov Mg1865 23:22  Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.
Prov Mg1865 23:23  Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
Prov Mg1865 23:24  Hifaly dia hifaly ny rain’ ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy.
Prov Mg1865 23:25  Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.
Prov Mg1865 23:26  Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako;
Prov Mg1865 23:27  Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ;
Prov Mg1865 23:28  Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.
Prov Mg1865 23:29  An’ iza ny Indrisy? An’ iza ny Endrey? An’ iza ny fifandirana? An’ iza ny fitolokoana? An’ iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An’ iza ny maso mivoara-mena?
Prov Mg1865 23:30  An’ izay mikikitra amin’ ny divay, Eny, an’ izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.
Prov Mg1865 23:31  Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy Ary ny fikoriany mahafinaritra;
Prov Mg1865 23:32  Fa amin’ ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana.
Prov Mg1865 23:33  Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, Ary ny fonao hieritreri-dratsy.
Prov Mg1865 23:34  Eny, ho sahala amin’ izay mandry ao amin’ ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ ny andrin-tsambo.
Prov Mg1865 23:35  Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?
Chapter 24
Prov Mg1865 24:1  Aza mialona ny olona ratsy fanahy, Na maniry ho namany;
Prov Mg1865 24:2  Fa fandravana no saintsainin’ ny fony, Ary fampahoriana notenenin’ ny molony.
Prov Mg1865 24:3  Fahendrena no anaovana trano; Ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy;
Prov Mg1865 24:4  Sady fahalalana no hamenoana ny efi-trano Amin’ izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.
Prov Mg1865 24:5  Be hery ny lehilahy hendry, Eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana;
Prov Mg1865 24:6  Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena.
Prov Mg1865 24:7  Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena, Tsy mba mahaloa-bava eo am-bavahady izy.
Prov Mg1865 24:8  Izay misaintsaina hanao ratsy Dia atao hoe mpamoron-tsain-dratsy.
Prov Mg1865 24:9  Ota ny fikasan’ ny hadalana; Ary fahavetavetana eo imason’ ny olona ny mpaniratsira.
Prov Mg1865 24:10  Raha reraka amin’ ny andro fahoriana ianao, Dia kely ny herinao.
Prov Mg1865 24:11  Vonjeo izay entina hovonoina, Ary enga anie ka mba harovanao izay mangozohozo efa ho mby eo am-pamonoana!
Prov Mg1865 24:12  Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany izahay, Moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va? Ary Izay mandinika ny fanahinao tsy hahalala izany va? Eny, hovaliany araka ny ataony avy ny olona rehetra.
Prov Mg1865 24:13  Anaka, homàna tantely, fa tsara izany, Ary ny toho-tantely, fa ho mamy eo am-bavanao;
Prov Mg1865 24:14  Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho an’ ny fanahinao; Fa raha azonao izany, dia hisy hiafarana, Ka tsy ho foana ny fanantenanao.
Prov Mg1865 24:15  Aza manotrika ao akaikin’ ny tranon’ ny marina ianao, ry ilay ratsy, Aza ravanao ny fonenany;
Prov Mg1865 24:16  Fa potraka im-pito ny marina, nefa tafarina ihany; Ary ny ratsy fanahy kosa solafaka, raha azom-pahoriana.
Prov Mg1865 24:17  Aza faly, raha lavo ny fahavalonao, Ary aza ravoravo ny fonao, raha tafintohina izy;
Prov Mg1865 24:18  Fandrao hitan’ i Jehovah izany ka ataony ho ratsy, Ary ampialainy aminy ny fahatezerany.
Prov Mg1865 24:19  Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy;
Prov Mg1865 24:20  Fa tsy hisy fanantenana ho an’ ny ratsy; Eny, ho faty ny jiron’ ny ratsy fanahy.
Prov Mg1865 24:21  Anaka, matahora an’ i Jehovah sy ny mpanjaka; Ary aza mikambana amin’ izay miovaova;
Prov Mg1865 24:22  Fa ho tampoka no hitrangan’ izay hanjo ireny; Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin’ ny androny?
Prov Mg1865 24:23  Izao koa no tenin’ ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan’ olona amin’ ny fitsarana.
Prov Mg1865 24:24  Izay manao amin’ ny meloka hoe: Marina ianao, Dia hozonin’ ny olona sady ho halan’ ny firenena;
Prov Mg1865 24:25  Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara.
Prov Mg1865 24:26  Izay mahavoa tsara amin’ ny famaliana dia manoroka ny molotra.
Prov Mg1865 24:27  Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao.
Prov Mg1865 24:28  Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao; Moa hamitaka amin’ ny molotrao va ianao?
Prov Mg1865 24:29  Aza manao hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, Hovaliako ny olona araka izay nataony.
Prov Mg1865 24:30  Nandalo ny sahan’ ny kamo Sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho;
Prov Mg1865 24:31  Ary, indro, feno sampivato izy Sady voasaron’ ny amiana, Ary nirodana ny ampiantany vatony.
Prov Mg1865 24:32  Dia nojereko ka noheveriko tsara, Eny, hitako ka nahazoako anatra.
Prov Mg1865 24:33  Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany. Mbola hanohon-tanana kely hatory;
Prov Mg1865 24:34  Dia ho tonga toy ny mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
Chapter 25
Prov Mg1865 25:1  Izao koa no ohabolan’ i Solomona, izay nangonin’ ny olon’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda:
Prov Mg1865 25:2  Voninahitr’ Andriamanitra ny manafin-javatra; Fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra.
Prov Mg1865 25:3  Ny hahavon’ ny lanitra sy ny halalin’ ny tany Ary ny fon’ ny mpanjaka dia samy tsy azo fantarina avokoa.
Prov Mg1865 25:4  Esory ny taim-bolafotsy, Dia hisy fanaka ho an’ ny mpanao an-idina.
Prov Mg1865 25:5  Esory ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan’ ny mpanjaka, Dia hampitoerina amin’ ny fahamarinana ny seza fiandrianany.
Prov Mg1865 25:6  Aza manandra-tena eo anatrehan’ ny mpanjaka, Ary aza mitoetra eo amin’ ny fitoeran’ ny lehibe;
Prov Mg1865 25:7  Fa aleo ianao hantsoina hoe: Miakara atỳ, Toy izay hatambotsotra eo imason’ ny manan-kaja izay hitan’ ny masonao.
Prov Mg1865 25:8  Aza maika handeha hiady, Fandrao tsy ho fantatrao izay hataonao amin’ ny farany, Rehefa omen’ ny namanao henatra ianao.
Prov Mg1865 25:9  Miadia ihany ny adinao amin’ ny namanao, Kanefa aza aseho izay tsy tian’ ny sasany holazaina,
Prov Mg1865 25:10  Fandrao izay mandre hanondro maso anao, Ka tsy ho afaka aminao ny laza ratsy.
Prov Mg1865 25:11  Ny teny atao amin’ ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.
Prov Mg1865 25:12  Kavim-bolamena sy firavaka volamena tsara Ny mpananatra hendry, raha amin’ ny sofina mihaino.
Prov Mg1865 25:13  Toy ny hatsiaky ny oram-panala amin’ ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny iraka mahatoky amin’ izay naniraka azy, Fa mamelombelona ny fon’ ny tompony izy.
Prov Mg1865 25:14  Toy ny rahona sy ny rivotra tsy misy orana Ny olona izay mirehaka amin’ ny fizaram-bava.
Prov Mg1865 25:15  Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitsara, Ary ny vava malefaka mahatapa-taolana.
Prov Mg1865 25:16  Mahita tantely va ianao? Hano izay antonona anao, Fandrao voky loatra ianao ka handoa azy.
Prov Mg1865 25:17  Aza miditra matetika ao an-tranon’ ny namanao, Fandrao tofoka anao izy, ka ho halany ianao.
Prov Mg1865 25:18  Langilangy sy sabatra ary zana-tsipìka maranitra Ny olona izay mitsangana ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namany.
Prov Mg1865 25:19  Toy ny nify nahasimatsimahana sy ny tongotra mangozohozo Ny fahatokiana ny mpamitaka amin’ ny andro fahoriana.
Prov Mg1865 25:20  Toy ny miala lamba amin’ ny hatsiaka, Ary toy ny vinaingitra amin’ ny sirahazo, Dia toy izany ny mikalo amin’ ny malahelo am-po.
Prov Mg1865 25:21  Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; Ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;
Prov Mg1865 25:22  Fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany, Ary Jehovah no hamaly soa anao.
Prov Mg1865 25:23  Ny rivotra avy any avaratra mahatonga ranonorana, Dia toy izany, ny lelan’ ny mpifosa mampahavinitra endrika.
Prov Mg1865 25:24  Aleo mitoetra eo an-joron’ ny tampontrano Toy izay miray trano amin’ ny vehivavy tia ady.
Prov Mg1865 25:25  Rano mangatsiaka amin’ ny fanahy reraka Ny filazana soa avy any an-tany lavitra.
Prov Mg1865 25:26  Loharano voahosihosy sy fantsakana simba Ny marina izay mikoy ny ratsy fanahy,
Prov Mg1865 25:27  Tsy tsara raha mahery homana tantely; Fa ny fitadiavan’ ny olona ny voninahiny dia tsy voninahitra.
Prov Mg1865 25:28  Tanàna rava tsy misy manda Ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.
Chapter 26
Prov Mg1865 26:1  Toy ny oram-panala amin’ ny lohataona, Ary toy ny ranonorana amin’ ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny voninahitra tsy tandrifiny ho an’ ny adala.
Prov Mg1865 26:2  Toy ny vorona mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, Dia toy izany ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra izany.
Prov Mg1865 26:3  Ny karavasy ho amin’ ny soavaly ny lamboridy ho amin’ ny boriky, Ary ny tsorakazo kosa ho amin’ ny lamosin’ ny adala.
Prov Mg1865 26:4  Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, Fandrao mba adala tahaka azy koa ianao.
Prov Mg1865 26:5  Valio ny adala araka ny hadalany, Fandrao dia manao azy ho hendry izy
Prov Mg1865 26:6  Manapaka ny tongony sady misotro loza Izay mampitondra teny ny adala.
Prov Mg1865 26:7  Mikepikepika ny tongotry ny malemy tongotra, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan’ ny adala.
Prov Mg1865 26:8  Toy ny manisy vato eo amin’ ny antsamotady, Dia toy izany ny manome voninahitra ny adala.
Prov Mg1865 26:9  Toy ny tsilo eny an-tànan’ ny olona mamo, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan’ ny adala.
Prov Mg1865 26:10  Ny mpiasa mahay dia mahavita ny zavatra isan-karazany; Fa izay manakarama ny adala dia toy ny manakarama izay sendra mandalo.
Prov Mg1865 26:11  Toy ny amboa miverina amin’ ny loany, Dia toy izany ny adala miverina amin’ ny hadalany.
Prov Mg1865 26:12  Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy.
Prov Mg1865 26:13  Hoy ny malaina: Misy liona any an-dalana, Misy liona atsy an-dalambe.
Prov Mg1865 26:14  Toy ny varavarana mihodìna amin’ ny saviliny, Dia toy izany ny kamo eo amin’ ny fandriany,
Prov Mg1865 26:15  Ny malaina mangarona ny eo an-doviany, Nefa ny hampakatra azy ho amin’ ny vavany dia mahasasatra azy.
Prov Mg1865 26:16  Ny kamo manao ny tenany ho hendry mihoatra noho ny olona fito izay mahavaly tsara.
Prov Mg1865 26:17  Izay mandalo ka mitsaraingona amin’ ny ady tsy azy Dia mandroritra amboa amin’ ny sofiny.
Prov Mg1865 26:18  Toy ny adala izay manely afo sy zana-tsipìka ary fahafatesana,
Prov Mg1865 26:19  Dia toy izany ny olona mamitaka ny namany ka manao hoe: Tsy vosobosotra ihany va no ataoko?
Prov Mg1865 26:20  Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; Ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana.
Prov Mg1865 26:21  Toy ny arina atao amin’ ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin’ ny afo, Dia toy izany, ny olona tia ady mandrehitra fifandirana.
Prov Mg1865 26:22  Ny tenin’ ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
Prov Mg1865 26:23  Tavim-bilany misy ankosotra taim-bolafotsy ny molotra mihatsaravelatsihy sy ny fo ratsy.
Prov Mg1865 26:24  Ny mpandrafy dia mody ho hafa amin’ ny molony Sady manafim-pitaka ao am-pony;
Prov Mg1865 26:25  Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy; Fa fahavetavetana fito no ao am-pony.
Prov Mg1865 26:26  Ny lolompo dia miafina ao amin’ ny fitaka; Nefa ny haratsiany dia haharihary eo am-pahibemaso.
Prov Mg1865 26:27  Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, Ary izay manakodiadia vato no hikodiavany kosa.
Prov Mg1865 26:28  Halan’ ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampidi-doza.
Chapter 27
Prov Mg1865 27:1  Aza mirehareha ny amin’ ny ho ampitso ianao; Fa na dia ny havoaky ny anio aza tsy fantatrao.
Prov Mg1865 27:2  Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao, Eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao.
Prov Mg1865 27:3  Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; Fa ny fahasosoran’ ny adala dia manoatra noho izy roa tonta.
Prov Mg1865 27:4  Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; Fa iza no mahajanona eo anatrehan’ ny fahasaro-piaro?
Prov Mg1865 27:6  Azo itokiana hahasoa ny fery ataon’ ny sakaiza; Fa tena fitaka ny fanorohan’ ny fahavalo.
Prov Mg1865 27:7  Hitsakitsahin’ ny voky na dia ny toho-tantely aza; Fa mamin’ ny noana na dia ny zava-mangidy rehetra aza.
Prov Mg1865 27:8  Toy ny voron-kely miala amin’ ny akaniny ka mirenireny, Dia toy izany ny olona izay mirenireny miala amin’ ny fonenany.
Prov Mg1865 27:9  Ny diloilo sy ny zava-manitra mahafaly ny fo, Ary ny hamamin’ ny sakaiza dia avy amin’ ny ana-panahy ataony.
Prov Mg1865 27:10  Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, Ary aza mankany amin’ ny tranon’ ny rahalahinao amin’ ny andro fahorianao; Fa tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra.
Prov Mg1865 27:11  Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, Mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.
Prov Mg1865 27:12  Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
Prov Mg1865 27:13  Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon’ ny vahiny janga niantohany izy.
Prov Mg1865 27:14  Izay mifoha maraina koa ka misaotra ny sakaizany amin’ ny feo mahery, Dia isaina ho fanozonana izany.
Prov Mg1865 27:15  Tahaka ny fijononoky ny ranonorana be Ny vehivavy tia ady.
Prov Mg1865 27:16  Izay misakana azy dia toy ny misakana ny rivotra, Sady toy ny mamihina diloilo ny tànany ankavanana.
Prov Mg1865 27:17  Ny vy maharanitra ny vy, Toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ ny sakaizany.
Prov Mg1865 27:18  Izay miaro aviavy dia hihinana ny voany; Ary izay miambin-tompo dia homem-boninahitra.
Prov Mg1865 27:19  Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin’ ny tarehy, Dia toy izany no ifanahafan’ ny fon’ ny olona amin’ ny an’ olona.
Prov Mg1865 27:20  Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana tsy mety voky, Dia toy izany no tsy ahamamoan’ ny mason’ ny olona.
Prov Mg1865 27:21  Ny memy ho an’ ny volafotsy, Ny fandrendrehana ho an’ ny volamena, Ary ny toetry ny olona dia tsy maintsy ho araka izay zavatra derainy.
Prov Mg1865 27:22  Na dia miara-totoinao ny fanoto amin’ ny vary eo an-daona aza ny adala, Dia tsy mba hiala aminy tsy akory ny fahadalany.
Prov Mg1865 27:23  Fantaro tsara ny tarehin’ ny ondry aman’ osinao, Ary miahia tsara ny andian’ ny bibinao;
Prov Mg1865 27:24  Fa ny harena tsy ho mandrakizay; Ary moa haharitra ho amin’ ny taranaka rehetra va ny satro-boninahitra?
Prov Mg1865 27:25  Na dia lany aza ny ahitra, ka mitsiry ny solofony, Ary voataona ny zava-maniry any an-tendrombohitra,
Prov Mg1865 27:26  Ny zanak’ ondry dia hahazoanao fitafiana, Ary ny osy hamidinao tany;
Prov Mg1865 27:27  Ary ho ampy hosotroinao ny rononon’ osy Sy ho an’ ny ankohonanao, Ary hisy hiveloman’ ny ankizivavinao.
Chapter 28
Prov Mg1865 28:1  Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.
Prov Mg1865 28:2  Ny fahotan’ ny tany mahamaro mpanapaka; Fa ny fisian’ ny olona manan-tsaina kosa no mampahateza ny fanjakana.
Prov Mg1865 28:3  Ny malahelo izay mampahory ny mahantra Dia toy ny ranonorana izay manindao ka tsy maha-misy hanina.
Prov Mg1865 28:4  Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra amin’ ny fanoherana azy.
Prov Mg1865 28:5  Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; Fa izay mitady an’ i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra.
Prov Mg1865 28:6  Ny malahelo izay mandeha amin’ ny fahitsiany Dia tsara noho ny manan-karena izay mivadika ka mandeha amin’ ny lalana miolikolika.
Prov Mg1865 28:7  Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry; Fa izay misakaiza amin’ ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy.
Prov Mg1865 28:8  Izay mampitombo ny fananany amin’ ny zana-bola sy ny tombony Dia mamory ho an’ izay miantra ny malahelo
Prov Mg1865 28:9  Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
Prov Mg1865 28:10  Izay mampivily ny mahitsy ho amin’ ny lalan-dratsy Dia ho lavo amin’ ny lavaka nataony; Fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa.
Prov Mg1865 28:11  Ny manan-karena manao azy ho hendry; Fa ny malahelo izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy.
Prov Mg1865 28:12  Raha ravoravo ny marina, dia be ny famirapiratana; Fa raha misandratra kosa ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka.
Prov Mg1865 28:13  Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.
Prov Mg1865 28:14  Sambatra izay olona matahotra mandrakariva; Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.
Prov Mg1865 28:15  Liona mierona sy bera miremby Ny mpanapaka ratsy fanahy amin’ ny olona reraka.
Prov Mg1865 28:16  Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory; Izay mankahala ny fieremana no ho ela velona.
Prov Mg1865 28:17  Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drà dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy.
Prov Mg1865 28:18  Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin’ ny lalana miolikolika no ho lavo tampoka.
Prov Mg1865 28:19  Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina Fa izay manaraka ny olom-poana ho voky alahelo kosa.
Prov Mg1865 28:20  Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.
Prov Mg1865 28:21  Tsy mety raha mizaha tavan’ olona; Kanefa na dia amin’ ny sombin-kanina ihany aza dia sahin’ ny olona hanotana.
Prov Mg1865 28:22  Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; Tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo.
Prov Mg1865 28:23  Izay mananatra olona no hahazo fitia be rahatrizay Noho izay mandrobo amin’ ny lelany.
Prov Mg1865 28:24  Izay mandroba ray sy reny Ka manao hoe: Tsy heloka izany, Dia naman’ ny mpanimba.
Prov Mg1865 28:25  Izay mierina manetsika ady; Fa izay matoky an’ i Jehovah dia hohatavezina.
Prov Mg1865 28:26  Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin’ ny fahendrena no ho afa-miala.
Prov Mg1865 28:27  Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be;
Prov Mg1865 28:28  Raha misandratra ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.
Chapter 29
Prov Mg1865 29:1  Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.
Prov Mg1865 29:2  Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy.
Prov Mg1865 29:3  Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; Fa izay misakaiza amin’ ny vehivavy janga dia mandany harena.
Prov Mg1865 29:4  Ny rariny no ampandrian’ ny mpanjaka ny tany; Fa izay mandray tambitamby no mandrava azy kosa.
Prov Mg1865 29:5  Izay olona mandrobo ny namany Dia mamela-pandrika ny tongony.
Prov Mg1865 29:6  Misy fandrika amin’ ny heloky ny olon-dratsy; Fa ny marina mihoby sy mifaly.
Prov Mg1865 29:7  Ny marina mihevitra ny adin’ ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena.
Prov Mg1865 29:8  Ny mpaniratsira mampihotakotaka ny tanàna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana.
Prov Mg1865 29:9  Raha iadian’ ny hendry ny adala, Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsy hisy fitsaharana.
Prov Mg1865 29:10  Ny olona mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy.
Prov Mg1865 29:11  Ny fahatezeran’ ny adala dia avoakany avokoa; Fa ny hendry kosa manindry fo.
Prov Mg1865 29:12  Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra.
Prov Mg1865 29:13  Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory; Jehovah no manazava ny mason’ izy roa tonta.
Prov Mg1865 29:14  Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany.
Prov Mg1865 29:15  Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.
Prov Mg1865 29:16  Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany.
Prov Mg1865 29:17  Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian’ ny fanahinao.
Prov Mg1865 29:18  Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin’ izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra.
Prov Mg1865 29:19  Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny.
Prov Mg1865 29:20  Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy.
Prov Mg1865 29:21  Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany.
Prov Mg1865 29:22  Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.
Prov Mg1865 29:23  Ny fiavonavonan’ ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.
Prov Mg1865 29:24  Izay miray tetika amin’ ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza.
Prov Mg1865 29:25  Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an’ i Jehovah no hovonjena.
Prov Mg1865 29:26  Maro no mila sitraka amin’ ny mpanapaka; Fa avy amin’ i Jehovah ny fitsarana ny olona.
Prov Mg1865 29:27  Ny meloka dia fahavetavetana eo imason’ ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason’ ny ratsy fanahy kosa.
Chapter 30
Prov Mg1865 30:1  Ny teny mavesa-danja nataon’ i Agora, zanak’ i Jake, dia ny teny nataon-dralehilahy tamin’ Itiela, eny, tamin’ Itiela sy Okala:
Prov Mg1865 30:2  Izaho dia biby, fa tsy olona, Ary tsy manan-tsain’ olombelona aho.
Prov Mg1865 30:3  Tsy nianatra fahendrena aho, Na nahazo ny fahalalana ny Iray Masìna.
Prov Mg1865 30:4  Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin’ ny lambany? Iza no nahamisy ny faran’ ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran’ ny zanany? Fa toa fantatrao!
Prov Mg1865 30:5  Ny tenin’ Andriamanitra dia voadio avokoa; Ampinga ho an’ izay mialoka aminy Izy.
Prov Mg1865 30:6  Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny ianao Ka ho hita fa mpandainga.
Prov Mg1865 30:7  Zavatra roa loha no angatahiko aminao; Ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho:
Prov Mg1865 30:8  Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; Aza manome ahy alahelo na harena; Fahano aho amin’ izay anjara-hanina sahaza ho ahy;
Prov Mg1865 30:9  Fandrao, raha voky aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran’ Andriamanitro.
Prov Mg1865 30:10  Aza manendrikendrika ny mpanompo amin’ ny tompony, Fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka.
Prov Mg1865 30:11  Misy taranaka izay manozona ny rainy Sady tsy misaotra ny reniny.
Prov Mg1865 30:12  Misy taranaka manao azy ho madio, Kanjo tsy voasasa ho afaka amin’ ny fahalotoany.
Prov Mg1865 30:13  Misy taranaka, endrey ny fiandrandran’ ny masony Sy ny fisondrotry ny hodi-masony!
Prov Mg1865 30:14  Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny, Ary toy ny antsy ny vazany, Hamongotra ny ory tsy ho amin’ ny tany Sy ny malahelo tsy ho amin’ ny olona.
Prov Mg1865 30:15  Ny dinta manan-janakavavy roa, dia ny hoe: Omeo, Omeo. Misy zavatra telo tsy mety voky, Eny, efatra aza no tsy manao hoe: Aoka izay:
Prov Mg1865 30:16  Ny fiainan-tsi-hita; sy ny kibo momba, Ny tany izay tsy vonton-drano, Ary ny afo koa no tsy mba manao hoe: Aoka izay.
Prov Mg1865 30:17  Ny maso izay miandranandrana amin-dray Sady tsy mety manaja reny Dia hotsaingotsaingohin’ ny goaika eny an-dohasahan-driaka Ary hohanin’ ny zana-boromahery.
Prov Mg1865 30:18  Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro, Eny, efatra aza no tsy fantatro:
Prov Mg1865 30:19  Ny nalehan’ ny voromahery teny amin’ ny habakabaka, Ny nalehan’ ny bibilava teny amin’ ny vatolampy, Ny nalehan’ ny sambo teny amin’ ny ranomasina, Ary ny nalehan’ ny lehilahy tamin’ ny tovovavy.
Prov Mg1865 30:20  Tahaka izany koa no fanaon’ ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.
Prov Mg1865 30:21  Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany, Eny, zavatra efatra aza no tsy zakany;
Prov Mg1865 30:22  Raha ny andevo no tonga mpanjaka, Raha ny adala no voky hanina,
Prov Mg1865 30:23  Raha ny vehivavy lany zara no ampakarina, Ary raha ny ankizivavy no mandova ny tompovaviny.
Prov Mg1865 30:24  Izao zavatra efatra izao dia kely amin’ ny etỳ ambonin’ ny tany, Nefa hendry sady mahay:
Prov Mg1865 30:25  Ny vitsika dia firenena tsy matanjaka, Nefa manangona ny haniny amin’ ny fahavaratra izy;
Prov Mg1865 30:26  Ny biby hyraka dia firenena tsy manan-kery, Nefa manao ny tranony ao amin’ ny harambato izy;
Prov Mg1865 30:27  Ny valala tsy manana mpanjaka, Nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara;
Prov Mg1865 30:28  Ny antsiantsy dia mandady amin’ ny tànany, Nefa tonga ao an-tranon’ ny mpanjaka izy.
Prov Mg1865 30:29  Misy zavatra telo izay tsara famindra, Eny, efatra aza no tsara fandeha;
Prov Mg1865 30:30  Dia ny liona, izay mahery indrindra amin’ ny biby Ka tsy mihemotra na amin’ inona na amin’ inona,
Prov Mg1865 30:31  Ny soavaly voaomana hiady sy ny osilahy Ary ny mpanjaka tsy azo toherina.
Prov Mg1865 30:32  Raha adala ka nanandra-tena ianao, Na efa nisaina hanao ratsy, Dia tampeno ny tananao ny vavanao.
Prov Mg1865 30:33  Ny fanontsankontsanana ny ronono no miteraka rononomandry, Ny fanolanana ny orona no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.
Chapter 31
Prov Mg1865 31:1  Ny tenin’ i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy.
Prov Mg1865 31:2  Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko?
Prov Mg1865 31:3  Aza omena ny vehivavy ny herinao, Na ny fombam-piainanao ho an’ izay manimba mpanjaka.
Prov Mg1865 31:4  Tsy mety amin’ ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin’ ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin’ ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka;
Prov Mg1865 31:5  Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana.
Prov Mg1865 31:6  Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an’ izay malahelo azon’ ny fangidiam-panahy;
Prov Mg1865 31:7  Aoka hisotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony.
Prov Mg1865 31:8  Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan’ ny kamboty ny rariny;
Prov Mg1865 31:9  Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
Prov Mg1865 31:10  Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.
Prov Mg1865 31:11  Matoky azy ny fon’ ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy.
Prov Mg1865 31:12  Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin’ ny andro rehetra iainany.
Prov Mg1865 31:13  Mizaha volon’ ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin’ ny tànany.
Prov Mg1865 31:14  Toy ny sambon’ ny mpandranto izy, Ka avy any amin’ ny lavitra no itondrany ny haniny.
Prov Mg1865 31:15  Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina ho an’ ny ankohonany Sy anjara ho an’ ny ankizivaviny.
Prov Mg1865 31:16  Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanim-boaloboka.
Prov Mg1865 31:17  Misikìna hery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny.
Prov Mg1865 31:18  Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
Prov Mg1865 31:19  Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela.
Prov Mg1865 31:20  Manatsotra ny tànany amin’ ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin’ ny mahantra.
Prov Mg1865 31:21  Tsy manahy ny oram-panala ho amin’ ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon’ ondry mena avokoa.
Prov Mg1865 31:22  Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy.
Prov Mg1865 31:23  Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin’ ny loholona.
Prov Mg1865 31:24  Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin’ ny mpandranto.
Prov Mg1865 31:25  Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany.
Prov Mg1865 31:26  Manokatra ny vavany amin’ ny fahendrena izy; Ary ny lalàn’ ny famindram-po no eo amin’ ny lelany.
Prov Mg1865 31:27  Mitandrina tsara ny ataon’ ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon’ ny fahalainana.
Prov Mg1865 31:28  Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe:
Prov Mg1865 31:29  Maro no zazavavy nanao soa, Fa ianao manoatra noho izy rehetra.
Prov Mg1865 31:30  Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an’ i Jehovah ihany no hoderaina.
Prov Mg1865 31:31  Omeo azy ny avy amin’ ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.