Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
LUKE
Up
Chapter 1
Luke Mg1865 1:1  Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin’ ny zavatra izay efa tanteraka tamintsika tokoa,
Luke Mg1865 1:2  araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatramin’ ny voalohany:
Luke Mg1865 1:3  dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin’ ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra,
Luke Mg1865 1:4  mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao.
Luke Mg1865 1:5  Tamin’ ny andron’ i Heroda, mpanjakan’ i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan’ ny antokon’ i Abia; ary ny vadiny dia avy tamin’ ny taranak’ i Arona, Elizabeta no anarany.
Luke Mg1865 1:6  Ary samy marina teo anatrehan’ Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen’ ny Tompo.
Luke Mg1865 1:7  Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady.
Luke Mg1865 1:8  Ary nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan’ Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan’ ny antokony,
Luke Mg1865 1:9  araka ny fanao amin’ ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin’ ny tempolin’ ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra.
Luke Mg1865 1:10  Ary ny vahoaka rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin’ ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra.
Luke Mg1865 1:11  Ary nisy anjelin’ ny Tompo niseho taminy teo ankavanan’ ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra.
Luke Mg1865 1:12  Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra.
Luke Mg1865 1:13  Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany.
Luke Mg1865 1:14  Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin’ ny hahaterahany.
Luke Mg1865 1:15  Fa ho lehibe eo anatrehan’ ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masìna hatrany an-kibon-dreniny aza.
Luke Mg1865 1:16  Ary maro amin’ ny Zanak’ isiraely no hampodiny amin’ i Jehovah Andriamaniny.
Luke Mg1865 1:17  Ary izy handeha eo alohany amin’ ny fanahy sy ny herin’ i Elia mba hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin’ ny fahendren’ ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an’ ny Tempo.
Luke Mg1865 1:18  Ary hoy Zakaria tamin’ ilay anjely: Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny vadiko.
Luke Mg1865 1:19  Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan’ Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany.
Luke Mg1865 1:20  Koa, indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan’ ny andro hisehoan’ izany zavatra izany, ho valin’ ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin’ ny fotoany.
Luke Mg1865 1:21  Ary ny olona dia niandry an’ i Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin’ ny tempoly.
Luke Mg1865 1:22  Kanjo rehefa nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy; ary dia fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao amin’ ny tempoly izy; ary izy nanao baikon’ ny moana taminy, ary dia mbola moana ihany.
Luke Mg1865 1:23  Ary rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy.
Luke Mg1865 1:24  Ary taorian’ izany andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao hoe:
Luke Mg1865 1:25  Izao no nataon’ ny Tompo tamiko tamin’ ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin’ ny olona.
Luke Mg1865 1:26  Ary tamin’ ny fahenim-bolana dia nirahin’ Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta,
Luke Mg1865 1:27  ho any amin’ ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin’ ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin’ ny taranak’ i Davida; ary ny anaran’ ny virijina dia Maria.
Luke Mg1865 1:28  Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao.
Luke Mg1865 1:29  Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’ izany fiarahabana izany.
Luke Mg1865 1:30  Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin’ Andriamanitra ianao.
Luke Mg1865 1:31  Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.
Luke Mg1865 1:32  Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’ i Davida rainy;
Luke Mg1865 1:33  ary hanjaka amin’ ny taranak’ i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.
Luke Mg1865 1:34  Ary hoy Maria tamin’ ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?
Luke Mg1865 1:35  Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masìna ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masìna Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 1:36  Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba.
Luke Mg1865 1:37  Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 1:38  Dia hoy Maria: Inty ny ankizivavin’ ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.
Luke Mg1865 1:39  Ary Maria niainga tamin’ izany andro izany ka nandeha faingana ho any amin’ ny tany havoana, ho ao an-tanàna anankiray any Joda;
Luke Mg1865 1:40  ary niditra tao an-tranon’ i Zakaria izy ka niarahaba an’ i Elizabeta.
Luke Mg1865 1:41  Ary rehefa ren’ i Elizabeta ny fiarahaban’ i Maria, dia nibitaka ny zaza tao an-kibony; ary nofenoina ny Fanahy Masìna Elizabeta,
Luke Mg1865 1:42  dia niantso tamin’ ny feo mahery hoe izy: Voatahy samy vehivavy ianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao.
Luke Mg1865 1:43  Avy aiza no ahatongavan’ izao amiko, no mba vangian’ ny renin’ ny Tompoko aho?
Luke Mg1865 1:44  Fa, indro, raha vao ren’ ny sofiko ny feon’ ny fiarahabanao, dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza ao an-kiboko.
Luke Mg1865 1:45  Ary sambatra ianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain’ ny Tompo taminao.
Luke Mg1865 1:47  Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin’ Andriamanitra, Mpamonjy ahy;
Luke Mg1865 1:48  Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin’ ny ankehitriny dia hataon’ ny taranaka rehetra ho sambatra aho.
Luke Mg1865 1:49  Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masìna ny anarany.
Luke Mg1865 1:50  Ary ny famindram-pony dia amin’ izay matahotra Azy hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
Luke Mg1865 1:51  Nanao asa lehibe tamin’ ny sandriny Izy; Nampihahaka ny mpiavonavona tamin’ ny fiheveran’ ny fony Izy.
Luke Mg1865 1:52  Nampiala ny lehibe tamin’ ny seza fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa.
Luke Mg1865 1:53  Ny noana novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialainy maina.
Luke Mg1865 1:54  Niahy an’ isiraely mpanompony Izy, fa nahatsiaro ny famindram-pony
Luke Mg1865 1:55  (Araka ny voalazany tamin’ ny razantsika), tamin’ i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.
Luke Mg1865 1:56  Ary Maria nitoetra teo amin’ i Elizabeta tokony ho telo volana vao nody tany an-tranony.
Luke Mg1865 1:57  Ary tonga ny andro hahaveloman’ i Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy.
Luke Mg1865 1:58  Ary ny niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa nohalehibiazin’ ny Tompo ny famindram-pony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo.
Luke Mg1865 1:59  Ary tamin’ ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy, ka efa saiky hataony hoe Zakaria araka ny anaran-drainy ny anarany.
Luke Mg1865 1:60  Fa ny reniny namaly ka nanao hoe: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy.
Luke Mg1865 1:61  Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin’ ny havanao izay manana izany anarana izany.
Luke Mg1865 1:62  Ary nanao baikon’ ny moana tamin’ ny rainy iry ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany.
Luke Mg1865 1:63  Ary nangataka fàfana izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra.
Luke Mg1865 1:64  Ary dia nisokatra niaraka tamin’ izay ny vavany, ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera an’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 1:65  Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin’ ny tany havoan’ i Jodia rehetra ny lazan’ izany rehetra izany.
Luke Mg1865 1:66  Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io? Fa ny tanan’ ny Tompo nomba azy.
Luke Mg1865 1:67  Ary dia feno ny Fanahy Masìna Zakaria rainy ka naminany hoe:
Luke Mg1865 1:68  Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,
Luke Mg1865 1:69  Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin’ ny taranak’ i Davida mpanompony Izy
Luke Mg1865 1:70  (Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masìna hatramin’ ny fahagola),
Luke Mg1865 1:71  Dia famonjena antsika amin’ ny fahavalontsika, sy amin’ ny tànan’ izay rehetra mankahala antsika;
Luke Mg1865 1:72  Manefa famindram-po amin’ ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masìna,
Luke Mg1865 1:73  Dia ny fianianana izay nianianany tamin’ i Abrahama razantsika,
Luke Mg1865 1:74  Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin’ ny fahavalontsika isika,
Luke Mg1865 1:75  Amin’ ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin’ ny andro rehetra hiainantsika.
Luke Mg1865 1:76  Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin’ ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan’ ny Tompo ianao hamboatra ny lalany.
Luke Mg1865 1:77  Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin’ ny famelana ny helony,
Luke Mg1865 1:78  Noho ny halehiben’ ny famindram-pon’ Andriamanitsika, izay hiposahan’ ny mazava avy any amin’ ny avo ho antsika.
Luke Mg1865 1:79  Hamirapiratra amin’ izay mipetraka ao amin’ ny maizina sy ao amin’ ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin’ ny lalam-piadanana.
Luke Mg1865 1:80  Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan’ ny andro nisehoany tamin’ ny Isiraely.
Chapter 2
Luke Mg1865 2:1  Ary tamin’ izany andro izany dia nisy didy navoak’ i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran’ ny vahoaka rehetra amin’ ny fanjakany.
Luke Mg1865 2:2  (Izany no fanoratana voalohany natao fony Kyrenio nanapaka tany Syria.)
Luke Mg1865 2:3  Dia samy nankany amin’ ny tanànany avy izy rehetra mba hosoratana.
Luke Mg1865 2:4  Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanànan’ i Davida, iza atao hoe Betlehema (satria avy tamin’ ny taranak’ i Davida sy ny mpianakaviny),
Luke Mg1865 2:5  mba hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka.
Luke Mg1865 2:6  Ary raha nitoetra teo Izy, dia tonga ny andro hahavelomany.
Luke Mg1865 2:7  Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin’ ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.
Luke Mg1865 2:8  Ary nisy mpiandry ondry tamin’ izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin’ ny alina.
Luke Mg1865 2:9  Ary nisy anjelin’ ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy.
Luke Mg1865 2:10  Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ ny olona rehetra;
Luke Mg1865 2:11  fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan’ i Davida, dia Kristy Tompo.
Luke Mg1865 2:12  Ary izao no ho famantarana ho anareo: ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona;
Luke Mg1865 2:13  Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin’ ilay anjely teo ka nidera an’ Andriamanitra nanao hoe:
Luke Mg1865 2:14  Voninahitra any amin’ ny avo Indrindra ho an’ Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ ny tany amin’ ny olona ankasitrahany.
Luke Mg1865 2:15  Ary tamin’ izany rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an-danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin’ ny Tompo antsika.
Luke Mg1865 2:16  Dia nandeha faingana izy ka nahita an’ i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona.
Luke Mg1865 2:17  Ary nony efa nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin’ izany Zaza izany.
Luke Mg1865 2:18  Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin’ izay zavatra nolazain’ ny mpiandry ondry taminy.
Luke Mg1865 2:19  Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony.
Luke Mg1865 2:20  Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza ny nidera an’ Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny ny hitany, araka izay nolazaina taminy.
Luke Mg1865 2:21  Ary rehefa tapitra ny havaloana, ka hoforana ny Zaza, dia nataony hoe Jesosy ny anarany, araka ilay nataon’ ny anjely, fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo Izy.
Luke Mg1865 2:22  Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalàn’ i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an’ ny Tompo
Luke Mg1865 2:23  araka ny voasoratra ao amin’ ny lalàn’ ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masìna ho an’ i Jehovah.
Luke Mg1865 2:24  ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao amin’ ny lalàn’ ny Tompo hoe: domohina roa, na zana-boromailala roa.
Luke Mg1865 2:25  Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masìna dia tao aminy.
Luke Mg1865 2:26  Ary efa nambaran’ ny Fanahy Masìna taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin’ ny Tompo.
Luke Mg1865 2:27  Ary nentin’ ny Fanahy Masìna niditra teo an-kianjan’ ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin’ ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban’ ny lalàna ny amin’ ny zaza,
Luke Mg1865 2:28  dia nitrotro Azy izy ka nidera an’ Andriamanitra nanao hoe:
Luke Mg1865 2:29  Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ ny fiadanana Araka ny teninao;
Luke Mg1865 2:31  Izay namboarinao teo anatrehan’ ny firenena rehetra,
Luke Mg1865 2:32  Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.
Luke Mg1865 2:33  Dia gaga ny ray aman-dreniny noho ny teny nilazana Azy.
Luke Mg1865 2:34  Ary Simeona nitso-drano azy ireo ka nanao tamin’ i Maria, renin’ ny Zaza, hoe: Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin’ ny Isiraely ary ho famantarana holavina
Luke Mg1865 2:35  ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra ― mba haseho ny hevitry ny fo maro.
Luke Mg1865 2:36  Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin’ i Fanoela, avy tamin’ ny firenen’ i Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin’ ny vadiny fito taona taorian’ ny naha-virijina azy,
Luke Mg1865 2:37  ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valo-polo taona; ary tsy niala teo an-kianjan’ ny tempoly izy, fa nanompo tamin’ ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman’ alina.
Luke Mg1865 2:38  Ary nony niditra tamin’ izany ora izany izy, dia nisaotra an’ Andriamanitra ka nilaza Azy tamin’ izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema.
Luke Mg1865 2:39  Ary rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.
Luke Mg1865 2:40  Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan’ Andriamanitra no tao aminy.
Luke Mg1865 2:41  Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin’ ny Paska.
Luke Mg1865 2:42  Ary rehefa roa ambin’ ny folo taona Jesosy, dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin’ ny andro firavoravoana.
Luke Mg1865 2:43  Ary rehefa tapitra izany andro izany, ka nody izy, Jesosy zaza dia mbola nitoetra tany Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany;
Luke Mg1865 2:44  ary satria nataony fa niaraka tamin’ ny niara-dia taminy Izy, dia nandeha lalana indray andro izy vao nitady Azy tamin’ ny havany sy ny olom-pantany.
Luke Mg1865 2:45  Ary nony tsy nahita Azy izy, dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy.
Luke Mg1865 2:46  Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan’ ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy.
Luke Mg1865 2:47  Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany.
Luke Mg1865 2:48  Ary raha nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izay taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!
Luke Mg1865 2:49  Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy ianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ ny Raiko Aho?
Luke Mg1865 2:50  Nefa tsy azon’ ireo ny teny izay nolazainy taminy.
Luke Mg1865 2:51  Ary niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony.
Luke Mg1865 2:52  Ary Jesosy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona.
Chapter 3
Luke Mg1865 3:1  Ary tamin’ ny taona fahadimy ambin’ ny folo nanjakan’ i Tiberia Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena,
Luke Mg1865 3:2  ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe,― dia tonga tamin’ i Jaona, zanak’ i Zakaria, tany an-efitra ny tenin’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 3:3  Ary nankany amin’ ny tany rehetra any amoron’ i Jordana izy nitory ny batisan’ ny fibebahana ho famelan-keloka;
Luke Mg1865 3:4  araka ny voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tenin’ Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’ i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.
Luke Mg1865 3:5  Ny lohasaha rehetra hototofana, Ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, Ary ny meloka hahitsy, Ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina;
Luke Mg1865 3:6  Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 3:7  Dia hoy izy tamin’ ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
Luke Mg1865 3:8  Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an’ i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’ i Abrahama avy amin’ ireto vato ireto.
Luke Mg1865 3:9  Ary, indro, efa mipetraka ao amin’ ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo.
Luke Mg1865 3:10  Ary ny vahoaka nanontany an’ i Jaona hoe: inona ary no hataonay?
Luke Mg1865 3:11  Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an’ ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.
Luke Mg1865 3:12  Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay?
Luke Mg1865 3:13  Ary hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo.
Luke Mg1865 3:14  Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin’ olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin’ ny karamanareo.
Luke Mg1865 3:15  Fa raha mbola niandry ny olona, ka samy nisaina an’ i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia,
Luke Mg1865 3:16  dia namaly Jaona ka nanao tamin’ izy rehetra hoe: Izaho manao batisa anareo amin’ ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masìna sy ny afo;
Luke Mg1865 3:17  eny an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara ny no am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin’ ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin’ ny afo tsy azo vonoina.
Luke Mg1865 3:18  Ary fananarana maro hafa koa no notoriny tamin’ ny olona.
Luke Mg1865 3:19  Fa Heroda mpanapaka, nony nanarin’ i Jaona noho ny amin’ i Herodiasy, vadin-drahalahiny, sy noho ny ratsy rehetra izay nataony,
Luke Mg1865 3:20  dia nanidy an’ i Jaona tao an-tranomaizina ho fanampin’ izany rehetra izany koa.
Luke Mg1865 3:21  Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra;
Luke Mg1865 3:22  ary ny Fanahy Masìna nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.
Luke Mg1865 3:23  Ary tokony ho efa telo-polo taona Jesosy, raha vao nanomboka ny raharahany, ka natao ho zanak’ i Josefa, izay zanak’ i Hely,
Luke Mg1865 3:24  zanak’ i Matata, zanak’ i Levy, zanak’ i Melky, zanak’ i Janay, zanak’ i Josefa,
Luke Mg1865 3:25  zanak’ i Matitia, zanak’ i Amosa, zanak’ i Nahoma, zanak’ i Esly, zanak’ i Nagay,
Luke Mg1865 3:26  zanak’ i Mata, zanak’ i Matatia, zanak’ i Semey, zanak’ i Joseka, zanak’ i Joda,
Luke Mg1865 3:27  zanak’ i Joanana, zanak’ i Resa, zanak’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, zanak’ i Nery,
Luke Mg1865 3:28  zanak’ i Melky, zanak’ i Ady, zanak’ i Kosama, zanak’ i Elmadama, zanak’ i Era,
Luke Mg1865 3:29  zanak’ i Jesosy, zanak’ i Eliezera, zanak’ i Joreima, zanak’ i Matata, zanak’ i Levy,
Luke Mg1865 3:30  zanak’ i Simeona, zanak’ i Joda, zanak’ i Josefa, zanak’ i Jonama, zanak’ i Eliakima,
Luke Mg1865 3:31  zanak’ i Melea, zanak’ i Mena, zanak’ i Matata, zanak’ i Natana, zanak’ i Davida,
Luke Mg1865 3:32  zanak’ i Jese, zanak’ i Obeda, zanak’ i Boaza, zanak’ i Salmona, zanak’ i Nahasona,
Luke Mg1865 3:33  zanak’ i Aminadaba, zanak’ i Arny, zanak’ i Hezrona, zanak’ i Fareza, zanak’ i Joda,
Luke Mg1865 3:34  zanak’ i Jakoba, zanak’ isaka, zanak’ i Abrahama, zanak’ i Tera, zanak’ i Nahora,
Luke Mg1865 3:35  zanak’ i Seroga, zanak’ i Reo, zanak’ i Palega, zanak’ i Ebera, zanak’ i Sela,
Luke Mg1865 3:36  zanak’ i Kenana, zanak’ i Arpaksada, zanak’ i Sema, zanak’ i Noa, zanak’ i Lameka,
Luke Mg1865 3:37  zanak’ i Metosela, zanak’ i Enoka, zanak’ i Jareda, zanak’ i Mahalalila, zanak’ i Kenana,
Luke Mg1865 3:38  zanak’ i Enosa, zanak’ i Seta, zanak’ i Adama, zanak’ Andriamanitra.
Chapter 4
Luke Mg1865 4:1  Ary Jesosy feno ny Fanahy Masìna dia niverina avy tany Jordana, ary nentin’ ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy
Luke Mg1865 4:2  ka nalain’ ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin’ izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy.
Luke Mg1865 4:3  Ary hoy ny devoly taminy: raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo.
Luke Mg1865 4:4  Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman’ ny olona.
Luke Mg1865 4:5  Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin’ izao tontolo izao.
Luke Mg1865 4:6  Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin’ ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy;
Luke Mg1865 4:7  koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany.
Luke Mg1865 4:8  Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.
Luke Mg1865 4:9  Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon’ ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any;
Luke Mg1865 4:10  fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao;
Luke Mg1865 4:11  Ary eny an-tànany no hitondran’ ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin’ ny vato ny tongotrao.
Luke Mg1865 4:12  Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanahy an’ i Jehovah Andriamanitrao.
Luke Mg1865 4:13  Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha.
Luke Mg1865 4:14  Ary Jesosy niverina tamin’ ny herin’ ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin’ ny tany rehetra manodidina ny lazany.
Luke Mg1865 4:15  Ary Izy nampianatra teny amin’ ny synagogan’ ny olona ka nankalazain’ izy rehetra.
Luke Mg1865 4:16  Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin’ ny synagoga tamin’ ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.
Luke Mg1865 4:17  Dia natolotra Azy ny bokin’ Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe:
Luke Mg1865 4:18  Ny Fanahin’ i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin’ ny jamba, Hanafaka izay nampahorina,
Luke Mg1865 4:20  Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin’ ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason’ izay rehetra teo amin’ ny synagoga.
Luke Mg1865 4:21  Ary Jesosy niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.
Luke Mg1865 4:22  Ary izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny tenin’ ny fahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy: Tsy Zanak’ i Josefa va Ity?
Luke Mg1865 4:23  Ary hoy kosa Jesosy taminy: Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: Mpanao fanafody, sitrano ny tenanao: izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin’ ny taninao koa.
Luke Mg1865 4:24  Ary hoy koa Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin’ ny taniny.
Luke Mg1865 4:25  Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin’ ny Isiraely tamin’ ny andron’ i Elia, raha nihantona ny andro telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin’ ny tany rehetra;
Luke Mg1865 4:26  nefa tsy mba nirahina ho any amin’ ny anankiray tamin’ ireo Elia, fa ho any Zarefata any amin’ ny tany Sidona ihany, dia ho any amin’ izay vehivavy mpitondratena.
Luke Mg1865 4:27  Ary maro no boka teo amin’ ny Isiraely tamin’ ny andron’ i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy nodiovina na dia iray akory aza fa Namàna Syriana ihany.
Luke Mg1865 4:28  Dia tezitra loatra izay rehetra teo amin’ ny synagoga, raha nandre izany,
Luke Mg1865 4:29  ka nitsangana izy, dia nandroaka Azy hiala ao an-tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon’ ny havoana niorenan’ ny tanàna, mba hazerany amin’ ny hantsana.
Luke Mg1865 4:30  Nefa Izy namaky teo afovoany, ka dia lasa nandeha.
Luke Mg1865 4:31  Ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin’ ny Sabata.
Luke Mg1865 4:32  Dia talanjona ny olona tamin’ ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny.
Luke Mg1865 4:33  Ary nisy olona tao amin’ ny synagoga, izay nanana ny fanahin’ ny demonia maloto, dia niantso tamin’ ny feo mahery izy
Luke Mg1865 4:34  ka nanao hoe: Indrisy! moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin’ Andriamanitra Hianao.
Luke Mg1865 4:35  Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangìna ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan’ ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy.
Luke Mg1865 4:36  Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin’ ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo.
Luke Mg1865 4:37  Ary niely teny amin’ ny tany manodidina rehetra ny lazany.
Luke Mg1865 4:38  Ary nony nitsangana niala tao amin’ ny synagoga Jesosy, dia niditra tao an-tranon’ i Simona. Ary azon’ ny tazo mafy ny rafozam-bavin’ i Simona; ary izy ireo nangataka taminy hahasitrana azy.
Luke Mg1865 4:39  Dia nitsangana teo akaikiny Izy, ka noteneniny mafy ny tazo, dia niala tamin-dravehivavy izany; ary nitsangana niaraka tamin’ izay izy ka nanompo azy ireo.
Luke Mg1865 4:40  Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin’ ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tanana tamin’ izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy.
Luke Mg1865 4:41  Ary nisy demonia nivoaka tamin’ ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak’ Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.
Luke Mg1865 4:42  Ary nony maraina ny andro, dia niala Jesosy ka nankany an-tany foana; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo aminy ka te-hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy.
Luke Mg1865 4:43  Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra any amin’ ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.
Luke Mg1865 4:44  Ary Izy nitori-teny tao amin’ ny synagoga eran’ i Galilia.
Chapter 5
Luke Mg1865 5:1  Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’ Andriamanitra, dia nijanona teo amoron’ ny Farihin’ i Genesareta Jesosy;
Luke Mg1865 5:2  ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin’ ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony.
Luke Mg1865 5:3  Ary niditra teo amin’ ny sambokely anankiray izay an’ i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin’ ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka.
Luke Mg1865 5:4  Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin’ i Simona: Mandrosoa ho any amin’ ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.
Luke Mg1865 5:5  Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato.
Luke Mg1865 5:6  Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony.
Luke Mg1865 5:7  Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin’ ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika.
Luke Mg1865 5:8  Ary rehefa hitan’ i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin’ ny tongotr’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho.
Luke Mg1865 5:9  Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben’ ny hazandrano izay azony.
Luke Mg1865 5:10  Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak’ i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin’ i Simona. Dia hoy Jesosy tamin’ i Simona: Aza matahotra; hatramin’ izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao.
Luke Mg1865 5:11  Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’ i Jesosy.
Luke Mg1865 5:12  Ary raha tao an-tanàna anankiray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana: ary nony nahita Azy io, dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
Luke Mg1865 5:13  Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Ary ny habokany niala taminy niaraka tamin’ izay.
Luke Mg1865 5:14  Ary Jesosy nandrara azy tsy hilaza amin’ olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin’ ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao araka ny nandidian’ i Mosesy, ho vavolombelona amin’ ireo.
Luke Mg1865 5:15  Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin’ ny aretiny.
Luke Mg1865 5:16  Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany an-efitra ka nivavaka.
Luke Mg1865 5:17  Ary tamin’ ny andro anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin’ ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny herin’ ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany.
Luke Mg1865 5:18  Ary, indro, nisy nitondra lehilahy tamin’ ny fandriana, izay mararin’ ny paralysisa, ka nitady izay hampidirany sy hametrahany azy teo anatrehany.
Luke Mg1865 5:19  Ary satria tsy nahita izay hampidirany azy izy noho ny habetsahan’ ny vahoaka, dia niakatra teo an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy ralehilahy mbamin’ ny fandriany ho eo afovoan’ ny olona, dia teo anatrehan’ i Jesosy.
Luke Mg1865 5:20  Ary raha hitan’ i Jesosy ny finoan’ ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao.
Luke Mg1865 5:21  Fa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo niara-nisaina hoe: Iza moa Ity miteny ratsy Ity? Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany?
Luke Mg1865 5:22  Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo?
Luke Mg1865 5:23  Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?
Luke Mg1865 5:24  Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’ olona manana fahefana etỳ ambonin’ ny tany hamela heloka ― dia hoy Izy tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.
Luke Mg1865 5:25  Ary tamin’ izay dia nitsangana teo anatrehan’ ny olona izy ka nambeta ny fandriany, dia lasa nody sady nankalaza an’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 5:26  Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an’ Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika androany.
Luke Mg1865 5:27  Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
Luke Mg1865 5:28  Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy.
Luke Mg1865 5:29  Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an’ i Jesosy; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy.
Luke Mg1865 5:30  Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin’ ny mpianatr’ i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ ny mpamory hetra sy ny mpanota?
Luke Mg1865 5:31  Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary;
Luke Mg1865 5:32  tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.
Luke Mg1865 5:33  Ary hoy izy ireo taminy: Ny mpianatr’ i Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an’ ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany.
Luke Mg1865 5:34  Ary hoy Jesosy taminy: Mahay mampifady ny havan’ ny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra?
Luke Mg1865 5:35  Fa ho avy ny andro; ary rehefa voaisotra ny mpampakatra hiala aminy, dia amin’ izany andro izany vao hifady izy.
Luke Mg1865 5:36  Ary Izy nanao fanoharana taminy koa nanao hoe: Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta; fa raha izany, dia mahatriatra ny vaovao izy, ary ilay tapa-damba nalaina tamin’ ny vaovao dia tsy hifanaraka amin’ ny tonta.
Luke Mg1865 5:37  Ary tsy misy olona manisy divay vaovao no anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao mahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny hoditra;
Luke Mg1865 5:38  Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao.
Luke Mg1865 5:39  Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no tsara.
Chapter 6
Luke Mg1865 6:1  Ary tamin’ ny Sabata anankiray dia nandeha namaky ny tanimbary Jesosy, ary ny mpianany nanoty ny salohim-bary, ka rehefa nokosokosohiny tamin’ ny tànany, dia nohaniny.
Luke Mg1865 6:2  Fa ny Fariseo sasany nanao hoe: Nahoana ianareo no manao izay tsy mety hatao amin’ ny Sabata?
Luke Mg1865 6:3  Ary Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’ i Davida, raha noana izy mbamin’ izay nanaraka azy,
Luke Mg1865 6:4  fa niditra tao an-tranon’ Andriamanitra izy ka nandray ny mofo aseho ary nihinana sady nanome he an’ izay nanaraka azy koa, nefa mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany?
Luke Mg1865 6:5  Ary hoy Izy taminy: Tompon’ ny Sabata ny Zanak’ olona.
Luke Mg1865 6:6  Ary nony tamin’ ny Sabata hafa koa niditra tao amin’ ny synagoga Jesosy ka nampianatra; ary nisy lehilahy anankiray maty tanana tao.
Luke Mg1865 6:7  Ary ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo nizaha taratra Azy, na hahasitrana amin’ ny Sabata Izy, na tsia, mba hahitany izay hiampangana Azy.
Luke Mg1865 6:8  Fa Jesosy nahalala ny hevitr’ ireo, ka dia niteny tamin-dralehilahy maty tanana hoe: Mitsangàna, ka mijoroa etsy afovoany. Dia nitsangana izy ka nijoro.
Luke Mg1865 6:9  Ary hoy Jesosy tamin’ ireo: Manontany anareo Aho: Moa ny manao soa va no mety hatao amin’ ny Sabata, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahavery aina?
Luke Mg1865 6:10  Ary nijery azy rehetra manodidina Izy, dia nanao tamin-dralehilahy hoe: Ahinjiro ny tananao. Dia nataony izany, ka sitrana ny tànany.
Luke Mg1865 6:11  Dia safotry ny hatezerana izy ireo ka nioko ny amin’ izay hanaovany an’ i Jesosy.
Luke Mg1865 6:12  Ary tamin’ izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin’ Andriamanitra nandritra ny alina Izy.
Luke Mg1865 6:13  Ary nony maraina ny andro, dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin’ ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly,
Luke Mg1865 6:14  dia Simona, izay nataony hoe koa Petera, sy Andrea rahalahiny, sy Jakoba sy Jaona sy Filipo sy Bartelemeo
Luke Mg1865 6:15  sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak’ i Alfeo, sy Simona, izay atao hoe Zelota,
Luke Mg1865 6:16  sy Jodasy, zanak’ i Jakoba, ary Jodasy Iskariota, izay tonga namadika.
Luke Mg1865 6:17  Ary Jesosy niara-nidina tamin’ ireo, dia nijanona teo an-kamarenana Izy sy ny mpianany maro mbamin’ ny vahoaka betsaka avy tany Jodia rehetra sy Jerosalema, ary avy tany amoron-dranomasina any Tyro sy Sidona, izay tonga mba hihaino Azy sy hositranina amin’ ny aretiny;
Luke Mg1865 6:18  ary izay nampahorin’ ny fanahy maloto dia nositranina.
Luke Mg1865 6:19  Ary ny vahoaka rehetra nitady hanendry Azy, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.
Luke Mg1865 6:20  Ary Jesosy dia nanopy ny masony tamin’ ny mpianany ka nanao hoe: Sambatra ianareo malahelo, fa anareo ny fanjakan’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 6:21  Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa hovokisana ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy ianareo.
Luke Mg1865 6:22  Sambatra ianareo, raha halan’ ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ ny Zanak’ olona.
Luke Mg1865 6:23  Mifalia ianareo amin’ izany andro izany, ka mibitaha; fa, indro, lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa izany no nataon’ ny razany tamin’ ny mpaminany.
Luke Mg1865 6:24  Fa lozanareo izay manan-karena kosa! fa efa azonareo izay mahafa-po anareo.
Luke Mg1865 6:25  Lozanareo izay voky ankehitriny! fa mbola ho noana ianareo. Lozanareo izay mihomehy ankehitriny fa mbola be ory sy hitomany ianareo.
Luke Mg1865 6:26  Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona rehetra! fa izany no nataon’ ny razany tamin’ ny mpaminany sandoka.
Luke Mg1865 6:27  Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin’ izay mankahala anareo;
Luke Mg1865 6:28  misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an’ izay manisy ratsy anareo.
Luke Mg1865 6:29  Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray; ary raha misy maka ny lambanao, aza lavinao na dia ny akanjonao aza.
Luke Mg1865 6:30  Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka izany aminy.
Luke Mg1865 6:31  Ary araka izay tianareo hataon’ ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa.
Luke Mg1865 6:32  Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota koa aza mba tia izay tia azy.
Luke Mg1865 6:33  Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany.
Luke Mg1865 6:34  Ary raha mampisambotra izay antenainareo fa mbola hanonitra ianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba mampisambotra ny mpanota, handraisany toraka izany indray.
Luke Mg1865 6:35  Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, fa aza kivy na amin’ inona na amin’ inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo; fa Izy mora fanahy amin’ izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.
Luke Mg1865 6:36  Aoka ho mpamindra fo ianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.
Luke Mg1865 6:37  Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia mba havela ianareo;
Luke Mg1865 6:38  omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.
Luke Mg1865 6:39  Ary Jesosy nanao fanoharana taminy koa hoe: Ny jamba va mahatari-dalana ny jamba? Tsy hianjera any an-kady va izy roa?
Luke Mg1865 6:40  Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra; fa izay rehetra tanteraka dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany.
Luke Mg1865 6:41  Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo izay eo amin’ ny mason’ ny rahalahinao, nefa ny andry izay eo amin’ ny masonao dia tsy mba tsaroanao akory?
Luke Mg1865 6:42  Ary ahoana no ilazanao amin’ ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin’ ny masonao, nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin’ ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ ny masonao, ary amin’ izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ ny maso’ ny rahalahinao.
Luke Mg1865 6:43  Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy mamoa voa tsara.
Luke Mg1865 6:44  Fa samy fantatra amin’ ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy manoty aviavy amin’ ny tsilo, na voaloboka amin’ ny voaroy.
Luke Mg1865 6:45  Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ ny rakitra tsaran’ ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin’ ny haben’ ny ao am-pony no itenenan’ ny vavany.
Luke Mg1865 6:46  Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko?
Luke Mg1865 6:47  Izay rehetra manatona Ahy sy mandre ny teniko ka mankatò azy, dia hasehoko aminareo izay tahaka azy:
Luke Mg1865 6:48  Tahaka ny olona nanao trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin’ ny vatolampy; ary nony tondraka ny rano, dia namely mafy izany trano izany ny riaka, nefa tsy nahahozongozona azy, satria tsara fanorenana izy.
Luke Mg1865 6:49  Fa izay mandre, fa tsy mankatò, dia tahaka ny olona izay nanao trano teo ambonin’ ny tany, fa tsy nanisy fanorenana; dia namely azy mafy ny riaka, ka dia nirodana niaraka tamin’ izay izy; ary loza ny naharavan’ izany trano izany.
Chapter 7
Luke Mg1865 7:1  Ary rehefa vitan’ i Jesosy teo anatrehan’ ny olona izany toriteniny rehetra izany, dia nankany Kapernaomy Izy.
Luke Mg1865 7:2  Ary ny mpanompon’ ny kapiteny anankiray, izay malalany, dia narary efa ho faty.
Luke Mg1865 7:3  Koa raha nahare ny amin’ i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon’ ny Jiosy hankeo aminy hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony.
Luke Mg1865 7:4  Ary rehefa tonga teo amin’ i Jesosy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Miendrika ny hanaovanao izany izy,
Luke Mg1865 7:5  satria tia ny firenentsika izy, sady izy no efa nanao ny synagoga ho antsika.
Luke Mg1865 7:6  Ary Jesosy nandeha niaraka taminy. Ary rehefa efa mby teo akaikin’ ny trano Izy, ilay kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin’ ny tafon-tranoko aho.
Luke Mg1865 7:7  Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.
Luke Mg1865 7:8  Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany, ka manana miaramila izay feheziko; koa hoy izaho amin’ ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin’ ny anankiray koa Avia, dia avy izy, ary amin’ ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy.
Luke Mg1865 7:9  Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin’ ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’ ny Isiraely aza.
Luke Mg1865 7:10  Ary nony tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo, dia hitany fa sitrana ilay mpanompo.
Luke Mg1865 7:11  Ary taoriana kelin’ izany Jesosy dia nankany an-tanana atao hoe Naina; ary naniraka Azy ny mpianany sy ny vahoaka betsaka.
Luke Mg1865 7:12  Ary rehefa mby teo akaikin’ ny vavahadin’ ny tanàna Izy, dia, indro, nisy fatin’ ny lehilahy anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan’ ny reniny, sady mpitondratena ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy.
Luke Mg1865 7:13  Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany.
Luke Mg1865 7:14  Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona, dia nijanona izay nilanja. Ary hoy Jesosy: zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.
Luke Mg1865 7:15  Dia niarina ny maty sady niteny, ary dia natolony tamin-dreniny.
Luke Mg1865 7:16  Ary raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza an’ Andriamanitra hoe: Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny olony.
Luke Mg1865 7:17  Dia niely teny Jodia rehetra sy teny amin’ ny tany manodidina rehetra ny lazan’ i Jesosy ny amin’ izany zavatra izany.
Luke Mg1865 7:18  Ary ny mpianatr’ i Jaona nanambara izany rehetra izany taminy.
Luke Mg1865 7:19  Ary Jaona niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy, dia naniraka azy hankany amin’ ny Tompo hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
Luke Mg1865 7:20  Ary nony tonga tany aminy ireo lehilahy ireo, dia nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa naniraka anay hankatỳ aminao hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
Luke Mg1865 7:21  Ary tamin’ izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin’ ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro.
Luke Mg1865 7:22  Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin’ i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
Luke Mg1865 7:23  Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.
Luke Mg1865 7:24  Ary rehefa lasa ny irak’ i Jaona, dia nilaza an’ i Jaona tamin’ ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an-efitra? Volotara nohozongozonin’ ny rivotra va?
Luke Mg1865 7:25  Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba soa va? Indro, ny mitafy lamba soa sy mihinana zava-py dia ao an-tranon’ ny mpanjaka.
Luke Mg1865 7:26  Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.
Luke Mg1865 7:27  Fa izy ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao.
Luke Mg1865 7:28  Lazaiko aminareo: Amin’ izay nateraky ny vehivavy tsy misy lehibe noho Jaona; nefa ny kely indrindra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra dia lehibe noho izy.
Luke Mg1865 7:29  Ary ny vahoaka rehetra sy ny mpamory hetra raha nandre, dia nanamarina an’ Andriamanitra, satria natao batisa tamin’ ny batisan’ i Jaona izy.
Luke Mg1865 7:30  Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna kosa nandà ny fikasan’ Andriamanitra, satria tsy mba nanatona hataon’ i Jaona batisa izy.
Luke Mg1865 7:31  Tahaka ny inona ary no hanoharako ny olona amin’ ity taranaka ity? tahaka ny inona moa izy?
Luke Mg1865 7:32  Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy nitomany ianareo.
Luke Mg1865 7:33  Fa tonga Jaona Mpanao-batisa tsy nihinan-kanina na nisotro divay, ka hoy ianareo: Manana demonia izy.
Luke Mg1865 7:34  Tonga ny Zanak’ olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ ny mpamory hetra sy ny mpanota.
Luke Mg1865 7:35  Fa ny fahendrena dia hamarinin’ ny zanany rehetra.
Luke Mg1865 7:36  Ary ny Fariseo anankiray nanasa an’ i Jesosy hiara-mihinana aminy; ary dia niditra tao an-tranon’ ilay Fariseo Izy ka nipetraka nihinana.
Luke Mg1865 7:37  Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon’ ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy;
Luke Mg1865 7:38  ary nijanona teo ivohony tanilan’ ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin’ ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin’ ny menaka manitra,
Luke Mg1865 7:39  Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io.
Luke Mg1865 7:40  Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Lazao ary, Mpampianatra ô.
Luke Mg1865 7:41  Nisy roa lahy nananan’ ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo.
Luke Mg1865 7:42  Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin’ ireo no ho tia azy indrindra?
Luke Mg1865 7:43  Simona namaly ka nanao hoe: Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny hevitrao.
Luke Mg1865 7:44  Ary Jesosy nitodika nijery an-dravehivavy ka nanao tamin’ i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin’ ny ranomasony, dia namaoka azy tamin’ ny volon-dohany.
Luke Mg1865 7:45  Tsy mba nanoroka Ahy akory ianao; fa izy, hatr’ izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro.
Luke Mg1865 7:46  Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro.
Luke Mg1865 7:47  Ary amin’ izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin’ ny kely dia kely fitiavana.
Luke Mg1865 7:48  Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao.
Luke Mg1865 7:49  Ary izay niara-nipetraka nihinana teo aminy dia niresaka hoe: Iza moa Ity no mba mamela heloka?
Luke Mg1865 7:50  Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.
Chapter 8
Luke Mg1865 8:1  Ary taoriana kelin’ izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran’ ny fanjakan’ Andriamanitra; ary ny roa ambin’ ny folo lahy nanaraka Azy.
Luke Mg1865 8:2  mbamin’ ny vehivavy sasany, izay nositraniny tamin’ ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia Maria atao hoe Magdalena, izay efa nivoahan’ ny demonia fito,
Luke Mg1865 8:3  sy Johana, vadin’ i Koza, mpitandrina ny fananan’ i Heroda, ary Sosana mbamin’ ny maro hafa koa, izay nanompo azy tamin’ ny fananany.
Luke Mg1865 8:4  Ary nisy vahoaka betsaka niangona, ka nanatona Azy ny olona avy tamin’ ny isan-tanàna, dia nanao fanoharana hoe Izy:
Luke Mg1865 8:5  Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voa; ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana ka voahitsakitsaka, ary dia lanin’ ny voro-manidina.
Luke Mg1865 8:6  Ary ny sasany dia voafafy teny ambonin’ ny vatolampy; ary raha vao naniry izy, dia nalazo; satria tsy nisy mandomando.
Luke Mg1865 8:7  Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tsilo; ary ny tsilo niara-naniry taminy, dia nangeja azy.
Luke Mg1865 8:8  Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tany tsara, dia naniry ka namoa zato heny. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia niantso hoe: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
Luke Mg1865 8:9  Ary ny mpianany nanontany Azy ny amin’ izay hevitr’ izany fanoharana izany.
Luke Mg1865 8:10  Dia hoy Izy: Hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra; fa amin’ ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra.
Luke Mg1865 8:11  Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 8:12  Ireo teny amoron-dalana dia izay mandre, nefa avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena.
Luke Mg1865 8:13  Ireo teny ambonin’ ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin’ ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin’ izay andro isehoan’ ny fakam-panahy dia mihemotra izy.
Luke Mg1865 8:14  Ireo teny amin’ ny tsilo dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan’ ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’ izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa.
Luke Mg1865 8:15  Fa ireo teny amin’ ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin’ ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin’ ny faharetana.
Luke Mg1865 8:16  Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na nametraka azy ao ambanin’ ny farafara; fa ataony eo amin’ ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan’ izay miditra ny mazava.
Luke Mg1865 8:17  Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy ho fantatra sy tsy haseho.
Luke Mg1865 8:18  Koa tandremo ny fihainonareo; fa izay manana dia homena; ary izay tsy manana kosa, na dia izay ataony ho ananany aza dia halaina aminy.
Luke Mg1865 8:19  Ary renin’ i Jesosy sy ny rahalahiny nanatona Azy, fa tsy nahazo nihaona taminy, satria nifanety ny vahoaka.
Luke Mg1865 8:20  Ary nisy nilaza taminy hoe: Ny reninao sy ny rahalahinao mijanona ato ala-trano ta-hahita Anao.
Luke Mg1865 8:21  Fa namaly Izy ka nanao taminy hoe: Ny reniko sy ny rahalahiko dia ireto izay mandre ny tenin’ Andriamanitra ka mankatò azy.
Luke Mg1865 8:22  Ary tamin’ ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan’ ny farihy; dia lasa izy.
Luke Mg1865 8:23  Ary nony nandeha ny sambokely, dia azon’ ny torimaso Jesosy; ary nisy tafio-drivotra nidina tamin’ ny farihy, ka nila ho feno rano ny sambo, ary saiky nahita loza izy ireo.
Luke Mg1865 8:24  Ary nanatona izy, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka tonga tony tsara ny andro.
Luke Mg1865 8:25  Ary hoy Izy taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe: Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!
Luke Mg1865 8:26  Dia nitody tany amin’ ny tanin’ ny Gerasena izay tandrifin’ i Galilia izy.
Luke Mg1865 8:27  Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin’ ny fasana.
Luke Mg1865 8:28  Fa nony nahita an’ i Jesosy izy, dia niantso mafy sady niankohoka teo anatrehany ka niteny tamin’ ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory Hianao, Jesosy, Zanak’ Andriamanitra Avo Indrindra ô? masìna Hianao, aza mampijaly ahy.
Luke Mg1865 8:29  Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin’ ny gadra, na ny tànany, na ny tongony, ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana, ka dia nentin’ ny demonia niriotra nankany an-efitra izy.
Luke Mg1865 8:30  Ary Jesosy nanontany azy ka nanao hoe: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Legiona; fa demonia maro no efa niditra tao anatiny.
Luke Mg1865 8:31  Ary nifona taminy izy mba tsy handidiany azy hankany amin’ ny lavaka tsy hita noanoa.
Luke Mg1865 8:32  Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny an-tendrombohitra, ary ny demonia nifona taminy mba havelany hiditra ao anatiny. Dia nekeny.
Luke Mg1865 8:33  Ary ny demonia, rehefa nivoaka tamin-dralehilahy, dia niditra tao anatin’ ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva tamin’ ny hantsana ho any amin’ ny farihy, ka dia maty tany.
Luke Mg1865 8:34  Ary nony hitan’ ny mpiandry izany natao izany, dia nandositra izy ka nilaza izany tao an-tanàna sy tany an-tsaha.
Luke Mg1865 8:35  Dia nivoaka ny olona mba hizaha izany natao izany; ary tonga tany amin’ i Jesosy izy, dia nahita an-dralehilahy izay efa nivoahan’ ny demonia, fa indro izy nipetraka teo anilan’ ny tongotr’ i Jesosy nitafy lamba sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo.
Luke Mg1865 8:36  Ary izay efa nahita dia nanambara tamin’ ny olona ny namonjena an’ ilay demoniaka.
Luke Mg1865 8:37  Ary ny olona rehetra tany amin’ ny tanin’ ny Gerasena manodidina dia nangataka an’ i Jesosy hiala aminy, satria raiki-tahotra indrindra izy; ary Jesosy niondrana an-tsambokely ka niverina.
Luke Mg1865 8:38  Ary ny lehilahy izay efa nivoahan’ ny demonia dia nangataka mba hitoetra ao aminy; nefa nampodin’ i Jesosy izy ka nataony hoe:
Luke Mg1865 8:39  Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon’ Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran’ ny tanàna izay zavatra lehibe nataon’ i Jesosy taminy.
Luke Mg1865 8:40  Ary nony tafaverina Jesosy, dia nandray Azy tsara ny vahoaka, fa niandry Azy avokoa izy rehetra.
Luke Mg1865 8:41  Ary, indro, dia tonga ny lehilahy atao hoe Jairo, mpanapaka ny synagoga; dia niankohoka tamin’ ny tongotr’ i Jesosy izy ka niangavy taminy hiditra ao an-tranony.
Luke Mg1865 8:42  Fa nanana zanakavavy tokana tokony ho roa ambin’ ny folo taona izy, ary efa ho faty razazavavy. Ary raha nandeha Jesosy, dia nanety lalana Azy ny vahoaka.
Luke Mg1865 8:43  Ary nisy vehivavy anankiray narary roa ambin’ ny folo taona, izay efa nandany ny fananany rehetra tamin’ ny mpanao fanafody, nefa tsy nisy nahasitrana azy akory.
Luke Mg1865 8:44  Dia nankao ivohon’ i Jesosy ravehivavy ka nanendry ny somotraviavin-dambany, ary niaraka tamin’ izay dia nijanona ny aretiny.
Luke Mg1865 8:45  Ary hoy Jesosy: Iza moa no nanendry Ahy? Ary rehefa samy nandà izy rehetra, dia hoy Petera sy ny namany: Tompoko, ny vahoaka betsaka mifanety ka manizina Anao.
Luke Mg1865 8:46  Fa hoy Jesosy: Nisy olona nanendry Ahy; fa fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko.
Luke Mg1865 8:47  Ary rehefa hitan-dravehivavy fa tsy takona Azy izy, dia nangovitra izy ka nankeo aminy sady niankohoka teo anatrehany, dia nanambara teo anatrehan’ ny vahoaka rehetra izay anton’ ny nanendreny Azy sy izay nahasitranany niaraka tamin’ izay.
Luke Mg1865 8:48  Ary hoy Jesosy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara.
Luke Mg1865 8:49  Ary raha mbola niteny Jesosy, dia tonga ny anankiray avy tany amin’ ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Maty ny zanakao-vavy; aza manahirana ny Mpampianatra.
Luke Mg1865 8:50  Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy.
Luke Mg1865 8:51  Ary raha tonga tao an-trano Izy, dia tsy nisy olona navelany hiara-miditra taminy, afa-tsy Petera sy Jaona ary Jakoba mbamin’ ny ray aman-drenin-drazazavavy.
Luke Mg1865 8:52  Ary ny olona rehetra nitomany sy nisaona azy; fa Jesosy nanao hoe: Aza mitomany; fa tsy maty izy, fa matory.
Luke Mg1865 8:53  Dia nihomehy Azy fatratra ny olona satria fantany fa efa maty razazavavy.
Luke Mg1865 8:54  Ary Jesosy dia nandray ny tànany ka niantso hoe: Ry zazavavy, miarena.
Luke Mg1865 8:55  Dia nody indray ny ainy, ka niarina niaraka tamin’ izay izy; ary nasainy nomena hanina izy.
Luke Mg1865 8:56  Ary dia talanjona ny ray aman-dreniny; fa Jesosy nandrara ary tsy hilazalaza amin’ olona ny zavatra efa natao.
Chapter 9
Luke Mg1865 9:1  Ary Jesosy niantso ny roa ambin’ ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina.
Luke Mg1865 9:2  Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan’ Andriamanitra sy hahasitrana ny marary.
Luke Mg1865 9:3  Ary hoy izy taminy: Aza mitondra zavatra ho amin’ ny alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa.
Luke Mg1865 9:4  Ary izay trano hidiranareo, dia ao no itoero, ary avy ao indray no ialao.
Luke Mg1865 9:5  Ary izay tsy mampandroso, anareo, raha miala amin’ izany tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka ho afaka amin’ ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy.
Luke Mg1865 9:6  Dia lasa nandeha izy ireo ka nitety vohitra nitory ny filazantsara sy nahasitrana teny tontolo eny.
Luke Mg1865 9:7  Ary Heroda mpanapaka nandre izay rehetra natao; dia very hevitra izy noho ny filazan’ ny olona; fa hoy ny sasany: Jaona no efa nitsangana tamin’ ny maty;
Luke Mg1865 9:8  ary hoy ny sasany: Elia no efa niseho; fa hoy kosa ny sasany: Ny anankiray amin’ ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.
Luke Mg1865 9:9  Fa hoy Heroda: Raha Jaona, dia izaho no efa nanapaka ny lohany; fa iza indray moa Izao, izay reko fa manao izany zavatra izany? Ary izy nitady hahita Azy.
Luke Mg1865 9:10  Ary rehefa niverina ny Apostoly, dia nanambara tamin’ i Jesosy izay efa nataony. Ary Izy nitondra azy ka nandeha nitokana nankany amin’ ny tanàna atao hoe Betsaida.
Luke Mg1865 9:11  Ary ny vahoaka, nony nahalala, dia nanaraka Azy; ary Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny.
Luke Mg1865 9:12  Ary nony efa ho hariva ny andro, dia nanatona ny roa ambin’ ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Ravao ny vahoaka mba hankanesany eny amin’ ny vohitra manodidina sy any an-tsaha handry sy hitady hanina; fa atỳ an-tany foana isika.
Luke Mg1865 9:13  Fa hoy Izy taminy: Omeonareo hanina izy. Ary hoy ireo: Tsy manana mihoatra noho ny mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy handeha hividy hanina ho an’ ireo olona rehetra ireo.
Luke Mg1865 9:14  Fa tokony ho dimy arivo lahy izy. Ary hoy Izy tamin’ ny mpianany: Asaovy mipetraka an-tokony izy ka tokony ho dimam-polo avy.
Luke Mg1865 9:15  Dia nataony izany, ka nampipetraka azy rehetra izy.
Luke Mg1865 9:16  Ary rehefa noraisin’ i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan’ ny vahoaka.
Luke Mg1865 9:17  Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy roa ambin’ ny folo harona.
Luke Mg1865 9:18  Ary raha nivavaka tao amin’ ny mangingina Jesosy, sady teo aminy ny mpianany, dia nanontany azy Izy ka nanao hoe: Ataon’ ny olona ho iza moa Aho?
Luke Mg1865 9:19  Dia namaly ireo ka nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa; nefa ny sasany kosa manao Anao ho Elia, ary ny sasany indray manao hoe: Ny anankiray amin’ ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.
Luke Mg1865 9:20  Fa hoy Izy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao hoe: Ny Kristin’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 9:21  Ary Izy niteny mafy azy sady nandrara azy mba tsy hilazalaza izany amin’ olona
Luke Mg1865 9:22  ka nanao hoe: Ny Zanak’ olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin’ ny loholona sy ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny mpanora-dalàna sady hovonoiny; ary amin’ ny andro fahatelo dia hatsangana.
Luke Mg1865 9:23  Ary hoy koa Jesosy tamin’ izy rehetra: Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan’ andro ka hanaraka Ahy.
Luke Mg1865 9:24  Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany.
Luke Mg1865 9:25  Fa inona no soa azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy, na matiantoka, izany izy?
Luke Mg1865 9:26  Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’ olona, raha avy amin’ ny voninahiny sy ny an’ ny Rainy ary ny an’ ny anjely masìna.
Luke Mg1865 9:27  Fa lazaiko aminareo tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 9:28  Ary rehefa tokony ho havaloana taorian’ izany teny izany, dia nitondra an’ i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka.
Luke Mg1865 9:29  Ary raha mbola nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady nanelatrelatra.
Luke Mg1865 9:30  Ary, indreo, nisy roa lahy niresaka taminy, dia Mosesy sy Elia,
Luke Mg1865 9:31  izay niseho tamin-boninahitra ka nilaza ny fialany, izay efa hefainy any Jerosalema.
Luke Mg1865 9:32  Ary efa navesatry ny tory ny mason’ i Petera sy ny namany; nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr’ i Jesosy sy izy roa lahy izay teo aminy.
Luke Mg1865 9:33  Ary tamin’ ny nisarahan’ izy roa lahy taminy dia hoy Petera tamin’ i Jesosy: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hanao tranolay telo: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’ i Mosesy, ary ny anankiray ho an’ i Elia; nefa tsy fantany izay nolazainy.
Luke Mg1865 9:34  Ary raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona niseho nanarona azy ireo; ary raha niditra tao anatin’ ny rahona ireo, dia raiki-tahotra ny mpianatra telo lahy.
Luke Mg1865 9:35  Ary nisy feo avy tao amin’ ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy.
Luke Mg1865 9:36  Ary rehefa nitsahatra ny feo, dia Jesosy irery ihany no hita. Ary nangina izy ireo ka tsy nilazalaza tamin’ olona na dia iray akory aza tamin’ izany andro izany ny amin’ izay zavatra efa hitany.
Luke Mg1865 9:37  Ary nony ampitson’ iny, raha nidina avy teo an-tendrombohitra izy ireo, dia nisy vahoaka betsaka nitsena an’ i Jesosy.
Luke Mg1865 9:38  Ary, indro, nisy lehilahy anankiray avy teo amin’ ny vahoaka nitaraina mafy hoe: Mpampianatra ô, masìna Hianao, mamindrà fo amin’ ny zanako! fa zanako-lahy tokana izy.
Luke Mg1865 9:39  Ary, indro, misy fanahy mahazo azy, ka miantsoantso tampoka izy, ary ny fanahy mampifanintontsintona ny tenany sy mampandoa vory azy, ary sarotra ny fialany aminy ka mahatorotorovana azy.
Luke Mg1865 9:40  Ary nangataka tamin’ ny mpianatrao aho mba hamoaka izany, fa tsy afany.
Luke Mg1865 9:41  Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka sady tsy mino no efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo? Ento etỳ ny zanakao.
Luke Mg1865 9:42  Ary raha mbola nanatona izy, dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny demonia. Ary Jesosy niteny mafy ny fanahy maloto ka nahasitrana ny zazalahy; dia natolony tamin-drainy indray izy.
Luke Mg1865 9:43  Dia talanjona izy rehetra noho ny fiandrianan’ Andriamanitra. Ny nilazan’ i Jesosy fanindroany ny hahafatesany sy ny hitsanganany indray. Fa raha talanjona izy rehetra tamin’ izay rehetra nataon’ i Jesosy, dia hoy Izy tamin’ ny mpianany:
Luke Mg1865 9:44  Ampidironareo ao amin’ ny sofinareo izany teny izany; fa ny Zanak’ olona efa hatolotra eo an-tànan’ ny olona.
Luke Mg1865 9:45  Nefa tsy azon’ ny mpianatra io teny io sady nafenina azy izany mba tsy ho fantany; ary natahotra hanontany Azy ny amin’ io teny io izy.
Luke Mg1865 9:46  Dia nisy fisainana niseho tao am-pony ny amin’ izay ho lehibe ao aminy.
Luke Mg1865 9:47  Ary Jesosy nahalala ny fisainan’ ny fony, dia nandray zaza anankiray ka nametraka azy teo anoloany;
Luke Mg1865 9:48  ary hoy Izy tamin’ ireo: Na zovy na zovy no mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra ao aminareo rehetra, dia izy no lehibe.
Luke Mg1865 9:49  Ary Jaona namaly ka nanao hoe: Tompoko, izahay nahita anankiray namoaka demonia tamin’ ny anaranao, ka noraranay izy, satria tsy manaraka antsika.
Luke Mg1865 9:50  Fa hoy Jesosy taminy: Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.
Luke Mg1865 9:51  Ary rehefa ho tonga ny fotoana hampiakarana an’ i Jesosy, dia niatrika hankany Jerosalema Izy.
Luke Mg1865 9:52  Ary nandefa iraka hialoha Azy Izy; dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ ny vohitra anankiray izay an’ ny Samaritana hamboatra ho Azy.
Luke Mg1865 9:53  Fa tsy nandray Azy ny olona, satria nandroso toa ho any Jerosalema Izy.
Luke Mg1865 9:54  Ary raha hitan’ i Jakoba sy Jaona mpianany izany, dia hoy izy: Tompoko, tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy?
Luke Mg1865 9:57  Ary nony nandroso teny an-dalana izy, dia nisy anankiray nanao tamin’ i Jesosy hoe: Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao.
Luke Mg1865 9:58  Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak’ olona tsy mba manana izay hipetrahan’ ny lohany.
Luke Mg1865 9:59  Ary hoy Izy tamin’ ny anankiray koa: Manaraha Ahy. Fa hoy kosa izy: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.
Luke Mg1865 9:60  Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 9:61  Ary hoy ny anankiray koa: Tompoko, hanaraka Anao ihany aho; fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko.
Luke Mg1865 9:62  Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Chapter 10
Luke Mg1865 10:1  Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin’ ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.
Luke Mg1865 10:2  Ary hoy Izy taminy: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’ izany mangataha amin’ ny Tompon’ ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.
Luke Mg1865 10:3  Mandehana; indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak’ ondry eo ampovoan’ ny amboadia.
Luke Mg1865 10:4  Aza mitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy, na kapa; ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana.
Luke Mg1865 10:5  Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin’ ity trano ity.
Luke Mg1865 10:6  Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany, dia hiverina ho aminareo ihany izany.
Luke Mg1865 10:7  Ary mitoera ao amin’ izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay zavatra omeny; fa ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany. Aza mifindrafindra trano.
Luke Mg1865 10:8  Ary izay tanàna iakaranareo, ka mandray anareo ny olona, dia hano izay zavatra aroso eo anoloanareo.
Luke Mg1865 10:9  Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin’ ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 10:10  Fa izay tanàna iakaranareo, ka tsy mandray anareo kosa ny olona, dia mankanesa eo amin’ ny lalambe, ka lazao hoe:
Luke Mg1865 10:11  Ny vovoky ny tanànanareo aza, izay miraikitra amin’ ny tongotray, dia fafànay hiampanga anareo; nefa aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky anareo ny fanjakan’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 10:12  Lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’ i Sodoma amin’ izany andro izany noho ny ho amin’ izany tanàna izany.
Luke Mg1865 10:13  Lozanao, ry Korazina! lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka amin’ ny lavenona.
Luke Mg1865 10:14  Fa ho moramora kokoa ny ho amin’ i Tyro sy Sidona amin’ ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.
Luke Mg1865 10:15  Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Haetry hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ianao.
Luke Mg1865 10:16  Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy.
Luke Mg1865 10:17  Ary ny fito-polo lahy niverina tamin’ ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao.
Luke Mg1865 10:18  Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an’ i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra.
Luke Mg1865 10:19  Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory.
Luke Mg1865 10:20  Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.
Luke Mg1865 10:21  Ary tamin’ izany ora izany dia ravoravo tamin’ ny Fanahy Masìna Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin’ ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin’ ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao.
Luke Mg1865 10:22  Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ ny Zanaka hanehoana Azy.
Luke Mg1865 10:23  Ary nitodika tamin’ ny mpianany Izy, dia nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo.
Luke Mg1865 10:24  Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary naniry nahare izay renareo, fa tsy nahare.
Luke Mg1865 10:25  Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’ i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
Luke Mg1865 10:26  Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy?
Luke Mg1865 10:27  Ary izy namaly ka nanao hoe: Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra; ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Luke Mg1865 10:28  Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany, dia ho velona ianao.
Luke Mg1865 10:29  Fa izy ta-hanamarina ny tenany ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Iza ary no namako?
Luke Mg1865 10:30  Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon’ ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty.
Luke Mg1865 10:31  Ary sendra nisy mpisorona anankiray nidina tamin’ izany lalana izany; ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia nandalo azy.
Luke Mg1865 10:32  Ary toy izany koa ny Levita anankiray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo koa.
Luke Mg1865 10:33  Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin’ ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena.
Luke Mg1865 10:34  Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny tamin’ ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin’ ny tranom-bahiny, dia notsaboiny.
Luke Mg1865 10:35  Ary nony ampitson’ iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon’ ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho.
Luke Mg1865 10:36  Iza moa amin’ izy telo lahy no ataonao ho naman’ ilay azon’ ny jiolahy?
Luke Mg1865 10:37  Ary hoy izy: Ilay niantra azy. Dia hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa.
Luke Mg1865 10:38  Ary raha nandeha izy ireo, dia niditra teo amin’ ny vohitra anankiray Jesosy; ary nisy vehivavy anankiray atao hoe Marta nampiantrano Azy ho ao an-tranony.
Luke Mg1865 10:39  Ary izy nanana rahavavy atao hoe Maria, izay nipetraka teo anilan’ ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny.
Luke Mg1865 10:40  Fa Marta sahirana tamin’ ny fanompoana be; dia avy izy ka nanao hoe: Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan’ ny rahavaviko ahy hanompo irery? koa mba asaovy manampy ahy izy.
Luke Mg1865 10:41  Fa ny Tompo namaly ka nanao taminy hoe: Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina ianao;
Luke Mg1865 10:42  nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.
Chapter 11
Luke Mg1865 11:1  Ary Jesosy nivavaka tao amin’ ny fitoerana iray, ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran’ i Jaona ny mpianany.
Luke Mg1865 11:2  Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo, dia ataovy hoe: Ray ô hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao.
Luke Mg1865 11:3  Omeo anay isan’ andro izay hanina sahaza ho anay.
Luke Mg1865 11:4  Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ ny fakam-panahy.
Luke Mg1865 11:5  Ary hoy Jesosy taminy: Iza moa aminareo no manana sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka hanao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho;
Luke Mg1865 11:6  fa ny sakaizako nandeha tamin’ ny nalehany, dia tonga atsy amiko, ka tsy misy izay hafahako azy;
Luke Mg1865 11:7  ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy; fa efa mihidy ny varavarana izao, ary ny zanako mandry eto am-pandriana eto amiko; tsy afaka hifoha hanome anao aho?
Luke Mg1865 11:8  Hoy Izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratra ka hanome azy izay ilainy.
Luke Mg1865 11:9  Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.
Luke Mg1865 11:10  Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.
Luke Mg1865 11:11  Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan’ ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon’ ny hazandrano?
Luke Mg1865 11:12  ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka?
Luke Mg1865 11:13  Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masìna ho an’ izay mangataka aminy?
Luke Mg1865 11:14  Ary Jesosy namoaka demonia moana. Ary rehefa nivoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ka dia gaga ny vahoaka.
Luke Mg1865 11:15  Fa hoy ny sasany; Belzeboba, lohan’ ny demonia, no amoahany ny demonia.
Luke Mg1865 11:16  Fa ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana taminy avy any an-danitra.
Luke Mg1865 11:17  Fa Izy nahalala ny heviny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary ho rava ny ankohonana izay miady an-trano.
Luke Mg1865 11:18  Ary raha Satana koa aza no miady an-trano, ahoana no haharetan’ ny fanjakany? Fa hoy ianareo: Belzeboba no amoahako ny demonia.
Luke Mg1865 11:19  Fa raha Izaho mamoaka demonia amin’ ny herin’ i Belzeboba, dia amin’ ny herin’ iza kosa no amoahan’ ny zanakareo azy? koa amin’ izany dia ho mpitsara anareo ireo.
Luke Mg1865 11:20  Fa raha ny rantsan-tànan’ Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia tonga aminareo tokoa ny fanjakan’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 11:21  Raha ny mahery mivonona amin’ ny fiadiany no miaro ny tranony, dia tsy haninona ny fananany.
Luke Mg1865 11:22  Fa raha avy kosa izay mahery noho izy ka mandresy azy, dia alainy ny fiadiany rehetra izay nitokiany, ary izay azony ho babo dia zarainy.
Luke Mg1865 11:23  Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
Luke Mg1865 11:24  Raha mivoaka amin’ ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.
Luke Mg1865 11:25  Ary nony tonga izy, dia hitany fa voafafa sy voavoatra ny trano.
Luke Mg1865 11:26  Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran’ izany olona izany dia ratsy noho ny voalohany.
Luke Mg1865 11:27  Ary raha nilaza izany Jesosy, dia nisy vehivavy anankiray teo amin’ ny vahoaka niantso ka nanao taminy hoe: Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao.
Luke Mg1865 11:28  Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin’ Andriamanitra ka mitandrina izany.
Luke Mg1865 11:29  Ary raha mbola niangona ny vahoaka betsaka, dia nilaza hoe Izy: Ity taranaka ity dia taranaka ratsy. Mitady famantarana izy; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’ i Jona;
Luke Mg1865 11:30  Fa tahaka an’ i Jona izay famantarana tamin’ ny Ninivita, dia ho toy izany koa ny Zanak’ olona amin’ ity taranaka ity.
Luke Mg1865 11:31  Ny mpanjakavavy avy tany atsimo dia hiara-mitsangana amin’ ny lehilahy amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin’ ny faran’ ny tany izy hihaino ny fahendren’ i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.
Luke Mg1865 11:32  Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy, fa izy nibebaka tamin’ ny nitorian’ i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.
Luke Mg1865 11:33  Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin’ ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan’ izay miditra ny mazava.
Luke Mg1865 11:34  Ny masonao no jiron’ ny tena; koa raha tsara ny masonao, dia mazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy izy, dia maizina koa ny tenanao.
Luke Mg1865 11:35  Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao.
Luke Mg1865 11:36  Ary amin’ izany, raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao.
Luke Mg1865 11:37  Ary raha mbola niteny Jesosy, dia nisy Fariseo nampiantrano Azy hisakafo ao aminy; dia niditra Izy ka nipetraka nihinana.
Luke Mg1865 11:38  Fa gaga ilay Fariseo, raha nahita fa tsy nisasa Izy vao nihinana.
Luke Mg1865 11:39  Fa hoy ny Tompo taminy: Ankehitriny ianareo Fariseo dia manadio ny vohon’ ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo kosa dia feno rombaka sy faharatsiana.
Luke Mg1865 11:40  Ry adala! Tsy izay nanao ny vohony va no nanao ny atiny koa?
Luke Mg1865 11:41  Fa ny zavatra eo anatiny no aoka homenareo ho fiantrana, dia, indro, madio ho anareo ny zavatra rehetra.
Luke Mg1865 11:42  Fa lozanareo, Fariseo! fa mandoa ny fahafolon’ ny solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra ianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an’ Andriamanitra; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.
Luke Mg1865 11:43  Lozanareo, Fariseo! fa tia ny fipetrahana aloha ao amin’ ny synagoga sy ny fiarahabana any an-tsena ianareo.
Luke Mg1865 11:44  Lozanareo, fa ianareo dia tahaka ny fasana tsy hita, ka tsy fantatry ny olona izay manitsaka azy.
Luke Mg1865 11:45  Ary ny anankiray tamin’ ny mpahay lalàna namaly ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, raha miteny izany Hianao, dia manala baraka anay koa.
Luke Mg1865 11:46  Fa hoy Jesosy: Lozanareo, mpahay lalàna koa! fa mampitondra ny olona entana sarotra entina ianareo, nefa tsy manendry izany entana izany akory ianareo, na dia amin’ ny rantsan-tananareo iray aza.
Luke Mg1865 11:47  Lozanareo! fa manao ny rarivatom-pasan’ ny mpaminany ianareo, nefa ny razanareo ihany no namono azy.
Luke Mg1865 11:48  Dia vavolombelona ianareo ka manaiky ny asan’ ny razanareo; fa izy no namono azy, ary ianareo kosa manao ny rarivatom-pasany.
Luke Mg1865 11:49  Koa izany no nanambaran’ ny fahendren’ Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy apostoly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny, ary ny sasany henjehiny,
Luke Mg1865 11:50  mba hadinina amin’ ity taranaka ity ny ran’ ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin’ ny nanorenana izao tontolo izao,
Luke Mg1865 11:51  dia hatramin’ ny ran’ i Abela ka hatramin’ ny ran’ i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan’ ny alitara sy ny tempoly. Eny, lazaiko aminareo marina tokoa fa hadinina amin’ ity taranaka ity izany.
Luke Mg1865 11:52  Lozanareo, mpahay lalàna! satria nalainareo ny fanalahidin’ ny fahalalana; ianareo tsy niditra, ary izay te-hiditra dia nosakananareo.
Luke Mg1865 11:53  Ary raha niala teo Izy, dia noteren’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo fatratra sady nadinadininy zavatra maro.
Luke Mg1865 11:54  Dia nihendry Azy izy ireo hamandrihany Azy tamin’ ny teny naloaky ny vavany.
Chapter 12
Luke Mg1865 12:1  Ary tamin’ izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin’ ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema ianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.
Luke Mg1865 12:2  Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
Luke Mg1865 12:3  Koa na inona na inona teneninareo ao amin’ ny maizina dia ho re eo amin’ ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin’ ny efi-trano dia hotorina eo amin’ ny tampon-trano.
Luke Mg1865 12:4  Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.
Luke Mg1865 12:5  Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin’ ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy.
Luke Mg1865 12:6  Tsy eranambatry va no vidin’ ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’ Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.
Luke Mg1865 12:7  Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
Luke Mg1865 12:8  Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia heken’ ny Zanak’ olona kosa izy eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra;
Luke Mg1865 12:9  Fa izay mandà Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 12:10  Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak’ olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masìna dia tsy mba hahazo famelan-keloka.
Luke Mg1865 12:11  Ary raha mitondra anareo ho ao amin’ ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo;
Luke Mg1865 12:12  fa ny Fanahy Masìna no hampianatra anareo amin’ izany ora izany izay mety holazainareo.
Luke Mg1865 12:13  Ary nisy anankiray teo amin’ ny vahoaka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.
Luke Mg1865 12:14  Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?
Luke Mg1865 12:15  Ary hoy Izy tamin’ ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon’ ny fieremana ianareo; fa ny ain’ ny olona tsy miankina amin’ ny habetsahan’ ny zavatra ananany.
Luke Mg1865 12:16  Dia nanao fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny tanin’ ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be.
Luke Mg1865 12:17  Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho?
Luke Mg1865 12:18  Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.
Luke Mg1865 12:19  Dia hilaza amin’ ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.
Luke Mg1865 12:20  Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’ iza izay zavatra noharinao?
Luke Mg1865 12:21  Toy izany izay mihary harena ho an’ ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 12:22  Ary hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin’ ny tenanaren, izay hotafinareo.
Luke Mg1865 12:23  Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.
Luke Mg1865 12:24  Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?
Luke Mg1865 12:25  Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany, na dia kely monja aza?
Luke Mg1865 12:26  Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin’ ny sisa?
Luke Mg1865 12:27  Hevero ny fanirin’ ny voninkazo; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia Solomona teo amin’ ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ ireny.
Luke Mg1865 12:28  Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin’ Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana?
Luke Mg1865 12:29  Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahana.
Luke Mg1865 12:30  Fa ny jentilisa amin’ izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany.
Luke Mg1865 12:31  Kanefa katsaho ny fanjakany; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.
Luke Mg1865 12:32  Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
Luke Mg1865 12:33  Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon’ ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba.
Luke Mg1865 12:34  Fa izay itoeran’ ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo.
Luke Mg1865 12:35  Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo;
Luke Mg1865 12:36  ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin’ ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin’ izay.
Luke Mg1865 12:37  Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy.
Luke Mg1865 12:38  Ary na avy amin’ ny fiambenana faharoa amin’ ny alina izy, na avy amin’ ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.
Luke Mg1865 12:39  Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian’ ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.
Luke Mg1865 12:40  Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak’ olona amin’ izay ora tsy ampoizinareo.
Luke Mg1865 12:41  Ary hoy Petera: Tompoko, izahay va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ny olona rehetra?
Luke Mg1865 12:42  Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandri-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren’ ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin’ ny fotoana?
Luke Mg1865 12:43  Sambatra ny mpanompo Izay ho hitan’ ny tompony fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy.
Luke Mg1865 12:44  Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.
Luke Mg1865 12:45  Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,
Luke Mg1865 12:46  dia ho avy ny tompon’ izany mpanompo izany amin’ ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin’ ny tsy mahatoky.
Luke Mg1865 12:47  Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon’ ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be.
Luke Mg1865 12:48  Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.
Luke Mg1865 12:49  Tonga hanipy afo etỳ ambonin’ ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan’ izany sahady?
Luke Mg1865 12:50  Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany!
Luke Mg1865 12:51  Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana.
Luke Mg1865 12:52  Fa hatramin’ izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo.
Luke Mg1865 12:53  Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zananilahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zananivavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy.
Luke Mg1865 12:54  Ary hoy Jesosy tamin’ ny vahoaka: Raha mahita rahona miposaka any andrefana ianareo, miaraka amin’ izay dia hoy ianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany.
Luke Mg1865 12:55  Ary raha avy any atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: Hafana ny andro; dia tonga izany.
Luke Mg1865 12:56  Hianareo mpihatsaravelatsihy, ny tarehin’ ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao?
Luke Mg1865 12:57  Nahoana ianareo no tsy mahalala mitsara araka ny marina?
Luke Mg1865 12:58  Fa raha miara-mandeha amin’ ny manana ady aminao ianao hanatrika ny mpanapaka, raha mbola any an-dalana dia mazotoa manao izay hahafahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin’ ny mpitsara izy, ary ny mpitsara hanolotra anao amin’ ny mpamatotra, ary ny mpamatotra hanao anao ao an-tranomaizina.
Luke Mg1865 12:59  Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
Chapter 13
Luke Mg1865 13:1  Ary tamin’ izany andro izany nisy ny sasany teo izay nanambara tamin’ i Jesosy ny nanjo ny Galiliana, izay naharoharon’ i Pilato tamin’ ny fanatiny ny ràny.
Luke Mg1865 13:2  Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra, satria nozoin’ izany zavatra izany izy?
Luke Mg1865 13:3  Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.
Luke Mg1865 13:4  Ary ireny valo ambin’ ny folo ireny, izay nianjeran’ ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?
Luke Mg1865 13:5  Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.
Luke Mg1865 13:6  Ary nanao ity fanoharana ity Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo an-tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy, fa tsy nahita.
Luke Mg1865 13:7  Ka dia hoy izy tamin’ ny mpamboatra ny tanim-boaloboka; Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin’ ity aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany?
Luke Mg1865 13:8  Fa ny mpamboatra namaly ka nanao taminy hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin’ ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika;
Luke Mg1865 13:9  angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy izany, dia hokapainao ihany.
Luke Mg1865 13:10  Ary nampianatra tao amin’ ny synagoga anankiray Jesosy tamin’ ny Sabata.
Luke Mg1865 13:11  Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin’ ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory.
Luke Mg1865 13:12  Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin’ ny rofinao ianao.
Luke Mg1865 13:13  Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin’ izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 13:14  Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin’ ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin’ ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin’ izany, fa tsy amin’ ny andro Sabata.
Luke Mg1865 13:15  Fa namaly azy ny Tompo ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin’ ny fihinanam-bilona amin’ ny Sabata va ianareo ka mitondra azy hisotro rano?
Luke Mg1865 13:16  Koa ity vehivavy zanak’ i Abrahama ity, izay efa nafatotr’ i Satana izao valo ambin’ ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin’ izany fatorana izany amin’ ny andro Sabata va?
Luke Mg1865 13:17  Ary raha nilaza izany Izy, dia nangaihay izay rehetra nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.
Luke Mg1865 13:18  Dia hoy Jesosy: Tahaka ny inona ny fanjakan’ Andriamanitra? ary inona no hanoharako azy?
Luke Mg1865 13:19  Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain’ olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga haro; ary ny voro-manidina nitoetra tao amin’ ny rantsany.
Luke Mg1865 13:20  Ary hoy koa Jesosy: Inona no hanoharako ny fanjakan’ Andriamanitra?
Luke Mg1865 13:21  Tahaka ny masirasira izy, izay nalain’ ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ ny koba intelon’ ny famarana, mandra-pahazon’ ny masirasira azy rehetra.
Luke Mg1865 13:22  Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra nampianatra sady nandroso hankany Jerosalema.
Luke Mg1865 13:23  Dia hoy ny anankiray taminy; Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin’ ny olona:
Luke Mg1865 13:24  Miseseha hiditra amin’ ny varavarana etỳ ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.
Luke Mg1865 13:25  Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary ianareo mijanona eo ala-trano mandondòna ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo;
Luke Mg1865 13:26  ary amin’ izay ianareo dia hanao hoe: Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny an-dalambenay Hianao.
Luke Mg1865 13:27  Fa Izy hiteny hoe: Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; mialà amiko, ianareo rehetra mpanao meloka.
Luke Mg1865 13:28  Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify, raha mahita an’ i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra ianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany.
Luke Mg1865 13:29  Ary ho tonga avy any atsinanana sy avy any andrefana ary avy any avaratra sy avy any atsimo ireny ka hipetraka hihinana eo amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 13:30  Ary, indro, misy ny aoriana ho aloha, ary misy ny aloha ho aoriana.
Luke Mg1865 13:31  Tamin’ izany ora izany indrindra dia nisy Fariseo sasany nankeo amin’ i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mandehana Hianao, ka mialà eto; fa ta-hamono Anao Heroda.
Luke Mg1865 13:32  Fa hoy Izy taminy: Mandehana, lazao amin’ izany amboahaolo izany hoe: Indro, mamoaka demonia sy mahasitrana Aho anio sy ampitso, ary raha afaka ampitso dia hotanterahina ny amiko.
Luke Mg1865 13:33  Kanefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso sy raha afaka ampitso; fa ny mpaminany tsy azo vonoina, raha tsy any Jerosalema.
Luke Mg1865 13:34  Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanomban’ ny akoho ny zanany ao ambanin’ ny elany, fa tsy nety ianareo!
Luke Mg1865 13:35  Indro, avela ho anareo ny tranonareo! ary lazaiko aminareo: Tsy hahita Ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah.
Chapter 14
Luke Mg1865 14:1  Ary raha niditra mba hihinana tao an-tranon’ ny loholona anankiray amin’ ny Fariseo Izy tamin’ ny Sabata, dia nizaha taratra Azy ireo.
Luke Mg1865 14:2  Ary, indro, nisy olona manirano anankiray teo anatrehany.
Luke Mg1865 14:3  Ary Jesosy namaly ka nanao tamin’ ny mpahay lalàna sy ny Fariseo hoe: Mety va ny mahasitrana amin’ ny Sabata, sa tsia?
Luke Mg1865 14:4  Fa tsy niteny ireo. Ary Izy nanendry ilay marary, dia nahasitrana azy ka nandefa azy handeha.
Luke Mg1865 14:5  Ary Izy nanao tamin’ ireo hoe: Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy miaraka amin’ izay na dia amin’ ny andro Sabata aza?
Luke Mg1865 14:6  Ary tsy nahavaly ny amin’ izany zavatra izany izy.
Luke Mg1865 14:7  Ary Jesosy nanao fanoharana tamin’ izay nasaina, raha nahita azy mifidy ny fitoerana aloha, ka nanao taminy hoe:
Luke Mg1865 14:8  Raha misy maka anao ho any amin’ ny fampakaram-bady, aza mipetraka eo amin’ ny fitoerana aloha, fandrao hisy olona nalaina izay mihaja kokoa noho ianao,
Luke Mg1865 14:9  ary ho avy izay nanasa anao sy izy ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io: dia ho menatra ianao ka hifindra ho any amin’ ny fitoerana aoriana indrindra.
Luke Mg1865 14:10  Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha eo amin’ ny fitoerana aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao, dia mahazo manao aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason’ izay rehetra miara-mipetraka mihinana aminao ianao.
Luke Mg1865 14:11  Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
Luke Mg1865 14:12  Ary hoy Jesosy tamin’ ilay nanasa Azy kosa: Raha manasa olona amin’ ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva ianao, dia aza ny sakaizanao, na ny rahalahinao, na ny havanao, na ny namanao manan-karena, no asainao, fandrao hanasa anao kosa ireo, ka dia ho voavaliny ianao.
Luke Mg1865 14:13  Fa raha manao fanasana ianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba;
Luke Mg1865 14:14  dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa ianao amin’ ny fitsanganan’ ny marina.
Luke Mg1865 14:15  Ary ny anankiray tamin’ izay niara-nipetraka nihinana taminy dia nandre izany ka nanao taminy hoe: Sambatra izay hihinan-kanina ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 14:16  Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro.
Luke Mg1865 14:17  Ary naniraka ny mpanompony izy tamin’ ny fotoana fisakafoana hilaza amin’ izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana.
Luke Mg1865 14:18  Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialàna. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.
Luke Mg1865 14:19  Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.
Luke Mg1865 14:20  Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin’ izany tsy afaka mankany.
Luke Mg1865 14:21  Ary nony tonga ilay mpanompo, dia nambarany tamin’ ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin’ ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin’ ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.
Luke Mg1865 14:22  Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa natao izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny trano.
Luke Mg1865 14:23  Ary hoy ny tompo tamin’ ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin’ ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko.
Luke Mg1865 14:24  Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza.
Luke Mg1865 14:25  Ary nisy vahoaka betsaka niaraka tamin’ i Jesosy, dia nitodika Izy ka nanao taminy hoe:
Luke Mg1865 14:26  Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
Luke Mg1865 14:27  Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
Luke Mg1865 14:28  Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?
Luke Mg1865 14:29  fandrao, rehefa nanao ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahita
Luke Mg1865 14:30  ka hanao hoe: Io olona io dia nanomboka nanao trano, fa tsy nahavita.
Luke Mg1865 14:31  Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin’ ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin’ ny iray alina izy, na tsia?
Luke Mg1865 14:32  Fa raha tsy izany, raha mbola lavitra ny mpanjaka anankiray, dia hampitondra teny izy ka hangataka fihavanana.
Luke Mg1865 14:33  Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro.
Luke Mg1865 14:34  Koa tsara ny sira; fa raha ny sira aza no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy?
Luke Mg1865 14:35  Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian’ ny olona. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
Chapter 15
Luke Mg1865 15:1  Ary ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota nanatona hihaino an’ i Jesosy.
Luke Mg1865 15:2  Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy.
Luke Mg1865 15:4  Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?
Luke Mg1865 15:5  ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy;
Luke Mg1865 15:6  ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very.
Luke Mg1865 15:7  Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin’ ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.
Luke Mg1865 15:8  Ary iza moa no vehivavy manana farantsakely folo, ka very ny anankiray, no tsy mampirehitra jiro ka mifafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy?
Luke Mg1865 15:9  Ary raha hitany iny, dia mamory ny vehivavy sakaizany sy ny namany izy ka manao hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ny farantsakely izay very.
Luke Mg1865 15:10  Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra ny amin’ ny mpanota iray izay mibebaka.
Luke Mg1865 15:11  Ary hoy Jesosy: Nisy lehilahy anankiray nanana zanaka mirahalahy.
Luke Mg1865 15:12  Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: Raiko, omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin’ izy mirahalahy ny fananany.
Luke Mg1865 15:13  Ary nony afaka kelikely, dia nangonin’ ilay zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin’ ny fiveloman-dratsy tany.
Luke Mg1865 15:14  Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin’ izany tany izany, ka nahantra izy.
Luke Mg1865 15:15  Dia nandeha izy ka niankina tamin’ ny tompon-tany anankiray tamin’ izany tany izany, ary dia nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa.
Luke Mg1865 15:16  Ary satriny hameno ny kibony tamin’ ny voan-kazo fihinan’ ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy.
Luke Mg1865 15:17  Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy maro ny olona karamain’ ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto!
Luke Mg1865 15:18  Hiainga aho, dia hody any amin’ ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ ny lanitra sy teo anatrehanao aho
Luke Mg1865 15:19  ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin’ ny olona karamainao aho.
Luke Mg1865 15:20  Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.
Luke Mg1865 15:21  Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony.
Luke Mg1865 15:22  Fa rainy kosa nanao tamin’ ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony;
Luke Mg1865 15:23  ary ento ny zanak’ omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly;
Luke Mg1865 15:24  fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy.
Luke Mg1865 15:25  Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy.
Luke Mg1865 15:26  Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton’ izany zavatra izany.
Luke Mg1865 15:27  Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak’ omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy.
Luke Mg1865 15:28  Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy.
Luke Mg1865 15:29  Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak’ osy aza mba hifaliako amin’ ny sakaizako;
Luke Mg1865 15:30  fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin’ ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak’ omby nafahy ianao.
Luke Mg1865 15:31  Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako.
Luke Mg1865 15:32  Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.
Chapter 16
Luke Mg1865 16:1  Ary hoy koa Jesosy tamin’ ny mpianatra: Nisy olona manan-karena anankiray nanana mpitandrina ny fananany; ary ilehiny dia nampangain’ olona taminy fa mandany ny fananany.
Luke Mg1865 16:2  Ary nampaka azy izy ka nanao taminy hoe: Ahoana izao fandrenesako anao izao? Mamoaha ny amin’ ny fitandremanao ny fananako; fa tsy mahazo mitandrina ny fananako intsony ianao.
Luke Mg1865 16:3  Ary ilay mpitandrina ny fananana nanao anakampo hoe: Inona ange no hataoko, fa esorin’ ny tompoko amin’ ny fitandremana ny fananany aho? Ny miasa tany tsy tratry ny aiko; ny mangataka mahamenatra ahy.
Luke Mg1865 16:4  Fantatro izay hataoko, mba hisy handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaisotra amin’ ny fitandremana ny fananana aho.
Luke Mg1865 16:5  Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin’ ny tompony izy hankao aminy ka nanao tamin’ ny voalohany hoe: Hoatrinona no trosan’ ny tompoko aminao?
Luke Mg1865 16:6  Ary hoy io: Diloilo injaton’ ny famarana. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ary mipetraha faingana, ka dimam-polo no soraty.
Luke Mg1865 16:7  Dia hoy izy tamin’ ny anankiray koa: Hoatrinona kosa no trosa aminao? Ary hoy izy: Vary injaton’ ny famarana. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao ka valo-polo no soraty.
Luke Mg1865 16:8  Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak’ izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin’ ny karazany noho ny zanaky ny mazava.
Luke Mg1865 16:9  Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin’ ireo ho any amin’ ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany.
Luke Mg1865 16:10  Ary izay mahatoky amin’ ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ ny be; ary izay tsy marina amin’ ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ ny be.
Luke Mg1865 16:11  Koa raha tsy mahatoky amin’ ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo ny amin’ ny tena harena?
Luke Mg1865 16:12  Ary raha tsy mahatoky amin’ izay an’ olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo?
Luke Mg1865 16:13  Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’ Andriamanitra sy mamôna ianareo.
Luke Mg1865 16:14  Ary ny Fariseo, izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izay, dia naneso an’ i Jesosy.
Luke Mg1865 16:15  Ary hoy Jesosy taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan’ ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin’ ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 16:16  Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin’ i Jaona; ary hatramin’ izany no efa nitoriana ny filazantsaran’ ny fanjakan’ Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo.
Luke Mg1865 16:17  Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan’ ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan’ ny tendron-tsoratra iray monja aza amin’ ny lalàna.
Luke Mg1865 16:18  Izay rehetra misao-bady ka mampakatra ny hafa dia mijangajanga; ary izay mampakatra vehivavy voasaotra dia mijangajanga koa.
Luke Mg1865 16:19  Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan’ andro tamin’ ny fahafinaretana.
Luke Mg1865 16:20  Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan’ ny vavahadiny;
Luke Mg1865 16:21  ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin’ ny latabatr’ ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy ka nilelaka ny feriny.
Luke Mg1865 16:22  Ary maty ilay malahelo, dia nentin’ ny anjely ho any an-tratran’ i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina;
Luke Mg1865 16:23  ary raha nijaly tao amin’ ny fiainan-tsi-hita izy ka niandrandra, dia nahita an’ i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.
Luke Mg1865 16:24  Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron’ ny rantsan-tanany amin’ ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin’ ity lelafo ity.
Luke Mg1865 16:25  Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin’ ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay atỳ, ary ianao kosa no fadiranovana.
Luke Mg1865 16:26  Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala etỳ, ary ny ho afa-mita hanketỳ aminay izay eny.
Luke Mg1865 16:27  Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin’ ny tranon’ ny raiko
Luke Mg1865 16:28  (fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tongay amin’ ity fijaliana ity koa izy.
Luke Mg1865 16:29  Fa hoy Abrahama taminy: Manana an’ i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy.
Luke Mg1865 16:30  Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin’ ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy.
Luke Mg1865 16:31  Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an’ i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin’ ny maty aza.
Chapter 17
Luke Mg1865 17:1  Ary hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan’ izay olona mahatonga izany!
Luke Mg1865 17:2  Aleo anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hahatafintohina na dia ny anankiray amin’ ireo madinika ireo aza.
Luke Mg1865 17:3  Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony.
Luke Mg1865 17:4  Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.
Luke Mg1865 17:5  Ary hoy ny Apostoly tamin’ ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay.
Luke Mg1865 17:6  Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin’ io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin’ ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.
Luke Mg1865 17:7  Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany, na miandry ondry, ka raha tonga avy tany an-tsaha ilay mpanompo, dia hanao aminy hoe: Avia faingana, ka mipetraha hihinana?
Luke Mg1865 17:8  Fa tsy hilaza aminy kosa hoe va izy: Manamboara izay hisakafoako, ary misikìna, ka manompoa ahy ambara-pihinako sy hisotroako; fa rehefa vita izany, dia vao mahazo mihinana sy misotro ianao?
Luke Mg1865 17:9  Moa misaotra izany mpanompo izany va izy, satria nataony izay nandidiany?
Luke Mg1865 17:10  Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo ny mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.
Luke Mg1865 17:11  Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an’ i Samaria sy Galilia.
Luke Mg1865 17:12  Ary raha niditra tao amin’ ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny.
Luke Mg1865 17:13  Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay.
Luke Mg1865 17:14  Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin’ ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana.
Luke Mg1865 17:15  Ary ny anankiray tamin’ ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’ Andriamanitra tamin’ ny feo mahery
Luke Mg1865 17:16  sady niankohoka tamin’ ny tongotr’ i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny.
Luke Mg1865 17:17  Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy?
Luke Mg1865 17:18  Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an’ Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?
Luke Mg1865 17:19  Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
Luke Mg1865 17:20  Ary Jesosy, nony nanontanian’ ny Fariseo izay andro hihavian’ ny fanjakan’ Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 17:21  Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, etỳ! na erỳ! fa, indro, ny fanjakan’ Andriamanitra dia ao anatinareo.
Luke Mg1865 17:22  Ary hoy Izy tamin’ ny mpianatra: Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin’ ny andron’ ny Zanak’ olona, nefa tsy hahita ianareo.
Luke Mg1865 17:23  Ary ny olona hilaza aminareo hoe: Indro, erỳ! na: Indro, etỳ! nefa aza mandeha ianareo, na manaraka azy.
Luke Mg1865 17:24  Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin’ ny faravodilanitra ka mahazava hatramin’ ny farany koa, dia ho toy izany ny Zanak’ olona amin’ ny androny,
Luke Mg1865 17:25  Fa tsy maintsy mijaly mafy Izy aloha ka holavin’ ity taranaka ity.
Luke Mg1865 17:26  Ary tahaka ny tamin’ ny andron’ i Noa, dia hisy toy izany koa amin’ ny andron’ ny Zanak’ olona:
Luke Mg1865 17:27  nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin’ ny andro izay nidiran’ i Noa tao amin’ ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra.
Luke Mg1865 17:28  Ary tahaka ny tamin’ ny andron’ i Lota koa: nihinana izy, nisotro izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy;
Luke Mg1865 17:29  fa tamin’ ny andro izay nivoahan’ i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra.
Luke Mg1865 17:30  Dia ho tahaka izany koa amin’ ny andro hisehoan’ ny Zanak’ olona.
Luke Mg1865 17:31  Amin’ izany andro izany izay eo an-tampon-trano, ary ny entany ao an-trano, dia aoka tsy hidina haka izany; ary toy izany koa izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina amin’ izay efa nilaozany izy.
Luke Mg1865 17:33  Na zovy na zovy mitady hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na zovy na zovy no hahavery ny ainy dia hahazo izany.
Luke Mg1865 17:34  Lazaiko aminareo fa amin’ izany alina izany hisy roa lahy miray fandriana; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
Luke Mg1865 17:35  Hisy roa vavy miara-mitoto vary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
Luke Mg1865 17:37  Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza, Tompoko? Ary hoy Izy taminy: Izay itoeran’ ny faty, dia any koa no hiangonan’ ny voromahery.
Chapter 18
Luke Mg1865 18:1  Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka,
Luke Mg1865 18:2  dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra an’ Andriamanitra, na mena-maso olona.
Luke Mg1865 18:3  Ary nisy mpitondratena tao amin’ izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin’ ilay manana ady amiko.
Luke Mg1865 18:4  Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an’ Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona,
Luke Mg1865 18:5  mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy.
Luke Mg1865 18:6  Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain’ ilay mpitsara tsy marina.
Luke Mg1865 18:7  Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman’ alina, ary moa hitaredretra va Izy?
Luke Mg1865 18:8  Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak’ olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ ny tany va Izy?
Luke Mg1865 18:9  Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin’ ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa;
Luke Mg1865 18:10  Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan’ ny tempoly hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.
Luke Mg1865 18:11  Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
Luke Mg1865 18:12  Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin’ izay azoko rehetra aho.
Luke Mg1865 18:13  Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.
Luke Mg1865 18:14  Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.
Luke Mg1865 18:15  Ary nisy nitondra zazakely koa ho eo amin’ i Jesosy mba hotendreny; fa raha vao nahita izany ny mpianatra, dia nandrara azy.
Luke Mg1865 18:16  Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 18:17  Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no ny handray ny fanjakan’ Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
Luke Mg1865 18:18  Ary nisy mpanapaka anankiray nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
Luke Mg1865 18:19  Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
Luke Mg1865 18:20  Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, Aza mamono olona, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao.
Luke Mg1865 18:21  Ary hoy kosa izy: Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
Luke Mg1865 18:22  Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an’ ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.
Luke Mg1865 18:23  Ary rehefa nandre izany ralehilahy, dia nalahelo loatra; fa nanan-karena dia nanan-karena izy.
Luke Mg1865 18:24  Ary Jesosy, raha nijery azy, dia nanao hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
Luke Mg1865 18:25  Fa ho moramora kokoa ny hidiran’ ny rameva amin’ ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
Luke Mg1865 18:26  Ary izay nandre dia nanao hoe: Iza indray moa no azo hovonjena?
Luke Mg1865 18:27  Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain’ ny olona dia hain’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 18:28  Dia hoy Petera: Indro, izahay efa nahafoy izay nety ho anay ka nanaraka Anao.
Luke Mg1865 18:29  Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray, na reny, na zanaka, noho ny fanjakan’ Andriamanitra,
Luke Mg1865 18:30  izay tsy handray be lavitra amin’ izao andro ankehitriny izao, ary amin’ ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
Luke Mg1865 18:31  Ary Jesosy naka ny roa ambin’ ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika, dia ho tanteraka ny zavatra rehetra izay voasoratry ny mpaminany ny amin’ ny Zanak’ olona.
Luke Mg1865 18:32  Fa hatolotra ho amin’ ny jentilisa Izy, dia hataony fihomehezana sy hisetrasetrany sy hororany
Luke Mg1865 18:33  ary hokapohiny sy hovonoiny, ary amin’ ny andro fahatelo dia hitsangana Izy.
Luke Mg1865 18:34  Nefa tsy nisy azony akory izany teny izany, fa nafenina taminy izy ka dia tsy fantany izay nolazainy.
Luke Mg1865 18:35  Ary raha Jesosy nanakaiky an’ i Jeriko, dia indro jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
Luke Mg1865 18:36  Ary raha nandre ny vahoaka mandalo izy, dia nanontany hoe: Inona izany?
Luke Mg1865 18:37  Ary hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo.
Luke Mg1865 18:38  Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko.
Luke Mg1865 18:39  Ary izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko.
Luke Mg1865 18:40  Ary Jesosy nijanona, dia nasainy ho entina eo aminy ralehilahy; ary rehefa mby akaiky izy, dia nanontany azy Jesosy
Luke Mg1865 18:41  ka nanao hoe: Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hampahiratina ny masoko.
Luke Mg1865 18:42  Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
Luke Mg1865 18:43  Ary niaraka tamin’ izay dia nahiratra ny masony, ka nanaraka an’ i Jesosy izy sady nankalaza an’ Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita, dia nidera an’ Andriamanitra.
Chapter 19
Luke Mg1865 19:1  Ary Jesosy niditra ka nandeha namaky an’ i Jeriko.
Luke Mg1865 19:2  Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Zakaiosy, izay lehiben’ ny mpamory hetra sady nanan-karena.
Luke Mg1865 19:3  Ary nitady hahita izay Jesosy izy, kanefa ny afaka noho ny habetsahan’ ny olona nifanety, satria fohy izy.
Luke Mg1865 19:4  Dia nihazakazaka nialoha izy ka nananika aviavy hizaha an’ i Jesosy; fa efa handalo tamin’ izany lalana izany Izy.
Luke Mg1865 19:5  Ary rehefa tonga teo Jesosy, dia niandrandra ka nanao taminy hoe: Ry Zakaiosy, midìna faingana; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio.
Luke Mg1865 19:6  Dia nidina faingana izy ka nampiantrano Azy sady faly.
Luke Mg1865 19:7  Ary raha nahita izany izy rehetra, dia nimonomonona ka nanao hoe: Lasa nandeha hiantrano amin’ izay lehilahy mpanota Izy.
Luke Mg1865 19:8  Fa Zakaiosy kosa nitsangana ka nanao tamin’ ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an’ ny malahelo; ary raha misy zavatr’ olona nalaiko tamin’ ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany.
Luke Mg1865 19:9  Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin’ ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak’ i Abrahama koa.
Luke Mg1865 19:10  Fa efa tonga ny Zanak’ olona hitady sy hamonjy ny very.
Luke Mg1865 19:11  Ary raha mbola nihaino izany ny olona, dia nandroso niteny ihany Jesosy ka nanao fanoharana, satria efa akaiky an’ i Jerosalema Izy, ka nataon’ ny olona fa hiseho faingana ny fanjakan’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 19:12  Dia hoy Izy: Nisy andriandahy anankiray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina.
Luke Mg1865 19:13  Dia niantso folo lahy tamin’ ny mpanompony izy ary nanome azy farantsa folo ka nanao taminy hoe: Mandrantoa mandra-pihaviko.
Luke Mg1865 19:14  Fa ny vahoakany nankahala azy, dia nampitondra reny nanaraka azy nanao hoe: Tsy manaiky hanjakan’ iny lehilahy iny izahay.
Luke Mg1865 19:15  Ary nony tafaverina izy, rehefa nandray fahefana hanjaka, dia nasainy nantsoina hankeo aminy izany mpanompo nomeny ny vola izany mba hahitany izay azony tamin’ ny fandrantoana.
Luke Mg1865 19:16  Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa nahazoana tombony farantsa folo.
Luke Mg1865 19:17  Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin’ ny kely indrindra ianao, dia manapaha tanàna folo.
Luke Mg1865 19:18  Dia tonga ny anankiray koa ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa tonga farantsa dimy.
Luke Mg1865 19:19  Ary hoy koa izy tamin’ io: Manapaha tanàna dimy koa ianao.
Luke Mg1865 19:20  Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: Tompoko, indry ny farantsanao, izay notehiriziko voafono amin’ ny mosara.
Luke Mg1865 19:21  Fa natahotra anao aho, satria olona mila voatsiary ianao ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao.
Luke Mg1865 19:22  Ary hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko;
Luke Mg1865 19:23  koa nahoana no tsy napetrakao tamin’ ny mpanana vola ny volako, ka rehefa tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany?
Luke Mg1865 19:24  Ary hoy izy tamin’ izay nitsangana teo anilany: Alao ny farantsa eny aminy, ka omeo ilay manana farantsa folo
Luke Mg1865 19:25  (Fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana farantsa folo izy.)
Luke Mg1865 19:26  Lazaiko aminareo: Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin’ izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
Luke Mg1865 19:27  Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento atỳ, ka vonoy eto anatrehako.
Luke Mg1865 19:28  Ary rehefa niteny izany Izy, dia nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema.
Luke Mg1865 19:29  Ary raha nanakaiky an’ i Betifaga sy Betania teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva Izy, dia naniraka roa lahy tamin’ ny mpianatra
Luke Mg1865 19:30  ka nanao hoe: Mankanesa amin’ iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, dia hisy zana-boriky mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola nitaingenan’ olona; vahao izy, ka ento erỳ.
Luke Mg1865 19:31  Ary raha misy manontany anareo hoe: Nahoana no vahanareo io? dia izao no holazainareo: Misy raharaha analan’ ny Tompo azy.
Luke Mg1865 19:32  Ary nony nandeha ireo nirahina, dia nahita araka izay nolazainy taminy.
Luke Mg1865 19:33  Ary raha namaha ny zana-boriky izy, dia hoy ny tompony taminy: Nahoana no vahanareo ny zana-boriky?
Luke Mg1865 19:34  Ary hoy izy: Misy raharaha analan’ ny Tompo azy.
Luke Mg1865 19:35  Dia nitondra azy ho any amin’ i Jesosy izy ary nametraka ny lambany teo ambonin’ ny zana-boriky, ka nampitaingeniny azy Jesosy.
Luke Mg1865 19:36  Ary raha nandeha Jesosy, dia namelatra ny lambany teny an-dalana izy lreo.
Luke Mg1865 19:37  Ary rehefa nanakaiky Izy ka tonga teo am-pidinana amin’ ny tendrombohitra Oliva, dia nifaly avokoa ny mpianatra maro be ka nidera an’ Andriamanitra tamin’ ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra izay efa hitany
Luke Mg1865 19:38  ka nanao hoe: Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah. Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin’ ny avo indrindra.
Luke Mg1865 19:39  Fa ny Fariseo sasany, izay teo amin’ ny vahoaka, nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao.
Luke Mg1865 19:40  Fa Izy namaly ka nanao hoe: Lazaiko aminareo fa raha mangìna ireo, dia ny vato no hiantsoantso.
Luke Mg1865 19:41  Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy
Luke Mg1865 19:42  ka nanao hoe: Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin’ ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! ― fa ankehitriny miafina amin’ ny masonao izany.
Luke Mg1865 19:43  Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan’ ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina
Luke Mg1865 19:44  ary hamongotra anao hatramin’ ny tany mbamin’ ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin’ ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.
Luke Mg1865 19:45  Ary niditra teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia nandroaka izay nivarotra
Luke Mg1865 19:46  ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko dia trano fivavahana; fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren’ ny jiolahy.
Luke Mg1865 19:47  Ary nampianatra isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly Izy. Fa ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady hahafaty Azy;
Luke Mg1865 19:48  nefa tsy hitany izay hataony, satria ny vahoaka rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy.
Chapter 20
Luke Mg1865 20:1  Ary tamin’ ny andro anankiray, raha nampianatra ny olona teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nitory ny filazantsara, dia nanatona ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona
Luke Mg1865 20:2  ka niteny taminy hoe: Lazao aminay: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? ary iza no nanome Anao izany fahefana izany?
Luke Mg1865 20:3  Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa mba hanontany anareo zavatra iray loha, ka lazao amiko:
Luke Mg1865 20:4  Ny batisan’ i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ ny olona?
Luke Mg1865 20:5  Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo?
Luke Mg1865 20:6  Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria inoany ho mpaminany Jaona.
Luke Mg1865 20:8  Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
Luke Mg1865 20:9  Dia nilaza izao fanoharana izao tamin’ ny olona Izy ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka, ka nahofany tamin’ olona mpiasa tany izany, dia nandeha nitoetra ela tany an-tany hafa izy.
Luke Mg1865 20:10  Ary tamin’ ny fotoana dia naniraka mpanompo hankany amin’ ny mpiasa tany izy mba handray amin’ ny vokatry ny tanim-boaloboka; fa ny mpiasa tany nikapoka azy ka nampandeha azy maina.
Luke Mg1865 20:11  Dia naniraka mpanompo anankiray koa izy; ary nokapohiny mafy koa iny sady nalany baraka ka nampandehaniny maina.
Luke Mg1865 20:12  Dia naniraka anankiray koa izy; ary iny koa dia nataony naratra ka noroahiny.
Luke Mg1865 20:13  Dia hoy ny tompon’ ny tanim-boaloboka: Inona re no hataoko? Haniraka ny zanako malalako aho; angamba hanaja azy izy.
Luke Mg1865 20:14  Fa raha nahita iny ny mpiasa tany, dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika io, mba ho antsika ny lova.
Luke Mg1865 20:15  Dia namoaka azy tany ivelan’ ny tanim-boaloboka izy ka namono azy. Hataon’ ny tompon’ ny tanim-boaloboka ahoana moa izy amin’ izany?
Luke Mg1865 20:16  Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo, dia hoy izy: Sanatria izany!
Luke Mg1865 20:17  Ary Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Ahoana moa izao voasoratra izao: Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro?.
Luke Mg1865 20:18  Izay rehetra potraka amin’ izany vato izany dia ho torotoro; fa na iza na iza no ianjerany dia ho mongomongo.
Luke Mg1865 20:19  Ary tamin’ izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanora-dalàna sy ny lohan’ ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy, satria fantany fa izy no nolazainy tamin’ izany fanoharana izany.
Luke Mg1865 20:20  Ary nizaha taratra an’ i Jesosy izy ka naniraka mpitsikilo, izay nody ho marina, mba hamandrika Azy amin’ ny teniny, hanolorany Azy ho amin’ ny hery sy ny fahefan’ ny governora.
Luke Mg1865 20:21  Ary ireo nanontany Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa miteny sy mampianatra marina Hianao ka tsy mizaha tavan’ olona, fa mampianatra marina ny lalan’ Andriamanitra:
Luke Mg1865 20:22  Mety va raha mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara izahay, sa tsia?
Luke Mg1865 20:23  Fa Jesosy nahafantatra ny fihendreny ka nanao taminy hoe:
Luke Mg1865 20:24  Mampisehoa denaria amiko. An’ iza moa io sary sy soratra eo aminy io? Hoy ireo: An’ i Kaisara.
Luke Mg1865 20:25  Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’ i Kaisara ary izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 20:26  Ary tsy sahiny nitanana Azy teo anatrehan’ ny olona izany teny izany sady gaga izy noho ny famaliny ka nangina.
Luke Mg1865 20:27  Ary ny sasany tamin’ ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ ny maty, dia nanatona ka nanontany Azy hoe:
Luke Mg1865 20:28  Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin’ ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
Luke Mg1865 20:29  Koa nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.
Luke Mg1865 20:31  sy ny fahatelo koa nampakatra azy; ary tahaka izany avokoa no nataon’ izy fito mirahalahy; nefa maty momba avokoa izy.
Luke Mg1865 20:33  Koa amin’ ny fitsanganan’ ny maty ho vadin’ iza moa ravehivavy? fa samy efa nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.
Luke Mg1865 20:34  Ary Jesosy nanao taminy hoe: Ny zanak’ izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina;
Luke Mg1865 20:35  fa izay atao miendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin’ ny maty kosa dia tsy raha mampaka-bady, na avoaka hampakarina;
Luke Mg1865 20:36  ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin’ ny anjely sady zanak’ Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin’ ny maty.
Luke Mg1865 20:37  Ary Mosesy aza nanambara teo amin’ ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an’ i Jehovah hoe Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba.
Luke Mg1865 20:38  Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an’ ny velona; fa velona ho an’ Andriamanitra avokoa izy rehetra.
Luke Mg1865 20:39  Ary ny mpanora-dalàna sasany namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, marina izay nolazainao.
Luke Mg1865 20:41  Ary hoy Jesosy taminy: Ahoana no lazaina fa Kristy no Zanak’ i Davida?
Luke Mg1865 20:42  Fa Davida ihany no milaza eo amin’ ny bokin’ ny Salamo hoe: Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
Luke Mg1865 20:43  Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran’ ny tongotrao.
Luke Mg1865 20:44  Davida amin’ izany manao Azy hoe Tompo; koa ahoana no maha-zanany Azy?
Luke Mg1865 20:45  Ary hoy Jesosy tamin’ ny mpianany teo anatrehan’ ny olona rehetra:
Luke Mg1865 20:46  Mitandrema ny amin’ ny mpanora-dalàna, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te-hoharabain’ ny olona eny an-tsena, sady tia ny fipetrehana aloha eo amin’ ny synagoga sy ny fitoerana aloha eo amin’ ny fanasana,
Luke Mg1865 20:47  ary mandany ny tranon’ ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
Chapter 21
Luke Mg1865 21:1  Ary Jesosy nanopy ny masony nahita ny mpanankarena mandatsa-drakitra tao amin’ ny fandatsahan-drakitra;
Luke Mg1865 21:2  ary nahita mpitondratena malahelo anankiray koa mandatsaka farantsakely roa teo Izy.
Luke Mg1865 21:3  Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra.
Luke Mg1865 21:4  Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ ny haben’ ny fananany no nandatsahany tao amin’ ny rakitra; fa izy kosa tamin’ ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.
Luke Mg1865 21:5  Ary nisy nilaza ny tempoly, fa voaravaka vato tsara sy fanatitra izy; fa hoy Jesosy:
Luke Mg1865 21:6  Ny amin’ ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
Luke Mg1865 21:7  Ary izy ireo nanontany Azy hoe: Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany?
Luke Mg1865 21:8  Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin’ ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy.
Luke Mg1865 21:9  Ary raha handre ady sy tabataba ianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin’ izay ny farany.
Luke Mg1865 21:10  Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.
Luke Mg1865 21:11  Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin’ ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.
Luke Mg1865 21:12  Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin’ ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako.
Luke Mg1865 21:14  Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo;
Luke Mg1865 21:15  fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon’ ny fahavalonareo rehetra valiana na resena.
Luke Mg1865 21:16  Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny.
Luke Mg1865 21:17  Ary ho halan’ ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.
Luke Mg1865 21:18  Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin’ ny lohanareo aza.
Luke Mg1865 21:19  Amin’ ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.
Luke Mg1865 21:20  Ary raha mahita an’ i Jerosalema voahodidin’ ny miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy.
Luke Mg1865 21:21  Ary izay any Jodia amin’ izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.
Luke Mg1865 21:22  Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.
Luke Mg1865 21:23  Fa lozan’ ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’ izany andro izany! satria hisy fahoriana lehibe eo amin’ ny tany ary fahatezerana amin’ ity firenena ity.
Luke Mg1865 21:24  Dia ho ringana amin’ ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon’ ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin’ ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron’ ny jentilisa.
Luke Mg1865 21:25  Ary hisy famantarana eo amin’ ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ ny tany dia hisy fahorian’ ny firenena amin’ ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ ny ranomasina sy ny fanonjany,
Luke Mg1865 21:26  ka ho reraka ny fon’ ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ ny tany; fa ny herin’ ny lanitra dia hohozongozonina.
Luke Mg1865 21:27  Ary amin’ izany andro izany dia hahita ny Zanak’ olona avy eo amin’ ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.
Luke Mg1865 21:28  Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.
Luke Mg1865 21:29  Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra.
Luke Mg1865 21:30  Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona.
Luke Mg1865 21:31  Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 21:32  Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’ izany rehetra izany.
Luke Mg1865 21:33  Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
Luke Mg1865 21:34  Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’ izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.
Luke Mg1865 21:35  Fa hihatra amin’ izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ ny tany rehetra izany.
Luke Mg1865 21:36  Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ ny Zanak’ olona.
Luke Mg1865 21:37  Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva.
Luke Mg1865 21:38  Ary ny vahoaka rehetra nankeo aminy maraina koa teo an-kianjan’ ny tempoly hihaino Azy.
Chapter 22
Luke Mg1865 22:1  Ary efa mby akaiky ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay andro atao hoe Paska.
Luke Mg1865 22:2  Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nitady izay hamonoany an’ i Jesosy; nefa natahotra ny olona izy.
Luke Mg1865 22:3  Fa Satana niditra tao anatin’ i Jodasy, ilay atao hoe Iskariota, anankiray tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy;
Luke Mg1865 22:4  dia nankao amin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny lehiben’ ny mpiambina izy ka niresaka taminy ny amin’ izay hamadihany an’ i Jesosy amin’ ireo.
Luke Mg1865 22:6  Ary nanaiky izy ka nitady izay andro hahazoany hamadika Azy amin’ ireo amin’ ny tsy misy olona.
Luke Mg1865 22:7  Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska.
Luke Mg1865 22:8  Ary Jesosy naniraka an’ i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika.
Luke Mg1865 22:9  Ary hoy ireo taminy: Aiza no tianao hanamboaranay azy?
Luke Mg1865 22:10  Dia hoy Izy taminy: Indro, raha miditra ao an-tanàna ianareo, dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; manaraha azy ao amin’ ny trano izay hidirany.
Luke Mg1865 22:11  Dia lazao amin’ ny tompon-trano hoe: Izao no lazain’ ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin’ ny mpianatro?
Luke Mg1865 22:12  Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana, izay efa nasiana fipetrahana; any no amboary.
Luke Mg1865 22:13  Dia nandeha izy ka nahita araka izay efa nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.
Luke Mg1865 22:14  Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ ny Apostoly.
Luke Mg1865 22:15  Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.
Luke Mg1865 22:16  Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak’ izany ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 22:17  Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo;
Luke Mg1865 22:18  fa lazaiko aminareo fa hatramin’ izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 22:19  Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.
Luke Mg1865 22:20  Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ ny rako, izay aidina ho anareo.
Luke Mg1865 22:21  Fa, indro, ny tànan’ izay mamadika Ahy dia eto amiko eto ambonin’ ny latabatra.
Luke Mg1865 22:22  Fa ny Zanak’ olona mandeha tokoa, araka izay nanendrena; nefa lozan’ izay lehilahy hahazoana manolotra Azy!
Luke Mg1865 22:23  Ary ireo nifanontany izay anankiray eo aminy hahefa izany.
Luke Mg1865 22:24  Ary nisy koa fifandirana tao aminy ny amin’ izay anankiray aminy hatao lehibe.
Luke Mg1865 22:25  Ary hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan’ ny jentilisa mampanompo azy ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa.
Luke Mg1865 22:26  Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo.
Luke Mg1865 22:27  Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka mihinana va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo.
Luke Mg1865 22:28  Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ ny fakam-panahy nihatra tamiko;
Luke Mg1865 22:29  koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ ny Raiko ho Ahy,
Luke Mg1865 22:30  mba hihinana sy hisotro eo amin’ ny latabatro amin’ ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’ isiraely roa ambin’ ny folo,
Luke Mg1865 22:31  Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary.
Luke Mg1865 22:32  Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.
Luke Mg1865 22:33  Ary hoy izy taminy: Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho amin’ ny fahafatesana aza.
Luke Mg1865 22:34  Fa hoy Jesosy: Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.
Luke Mg1865 22:35  Ary hoy koa Izy taminy: Raha nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa ianareo, moa nisy zavatra nahory anareo va? Dia hoy ireo: Tsy nisy.
Luke Mg1865 22:36  Fa hoy Izy taminy: Fa amin’ izao kosa, izay manana kitapom-bola dia aoka hitondra azy; ary toy izany koa ny kitapom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra kosa, dia aoka hivarotra ny lambany izy ka hividy.
Luke Mg1865 22:37  Fa lazaiko aminareo: Tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao hoe: Ary Izy natao ho isan’ ny mpanota; fa efa ho tanteraka ny amiko.
Luke Mg1865 22:38  Ary hoy ireo: Tompoko, indreto sabatra roa. Dia hoy Jesosy taminy: Aoka izay.
Luke Mg1865 22:39  Ary nivoaka Jesosy, koa araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva Izy, ary ny mpianatra koa nanaraka Azy.
Luke Mg1865 22:40  Ary raha vao tonga tao amin’ izany tany izany, dia hoy Izy taminy: Mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy.
Luke Mg1865 22:41  Ary Izy nihataka taminy tokony ho indray mitora-bato, dia nandohalika ka nivavaka hoe:
Luke Mg1865 22:42  Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
Luke Mg1865 22:43  Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.
Luke Mg1865 22:44  Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin’ ny tany.
Luke Mg1865 22:45  Ary nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin’ ny mpianatra ka nahita azy matorin’ alahelo.
Luke Mg1865 22:46  Dia hoy Izy taminy: Nahoana no dia matory ianareo? Mitsangàna, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy.
Luke Mg1865 22:47  Ary raha mbola niteny Jesosy, indreo, tamy ny vahoaka, ary ilay atao hoe Jodasy, isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy, dia nandeha teo alohany ka nanatona an’ i Jesosy hanoroka Azy.
Luke Mg1865 22:48  Fa hoy Jesosy taminy: Ry Jodasy, fanorohana va no amadihanao ny Zanak’ olona?
Luke Mg1865 22:49  Ary izay teo aminy, raha nahita izay efa hanjo, dia nanao hoe: Tompoko, hamely amin’ ny sabatra va izahay?
Luke Mg1865 22:50  Ary ny anankiray teo aminy dia nikapa ny mpanompon’ ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny ankavanana.
Luke Mg1865 22:51  Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Aoka ihany na dia izao aza. Dia nanendry ny sofiny Izy ka nahasitrana azy.
Luke Mg1865 22:52  Ary hoy Jesosy tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny lehiben’ ny mpiambina ny tempoly ary ny loholona izay tonga hisambotra Azy: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
Luke Mg1865 22:53  Raha teo aminareo isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly Aho, dia tsy naninji-tanana tamiko ianareo; fa izao no fotoanareo sy herin’ ny maizina.
Luke Mg1865 22:54  Ary izy ireo nisambotra an’ i Jesosy, dia nitondra Azy ho ao an-tranon’ ny mpisoronabe. Ary Petera nanaraka teny lavidavitra eny.
Luke Mg1865 22:55  Ary raha namelona afo teo an-kianja ireo ka nipetraka, dia mba nipetraka teo aminy koa Petera.
Luke Mg1865 22:56  Ary ny ankizivavy anankiray, nony nahita azy nipetraka teo anilan’ ny afo, dia nandinika azy ka nanao hoe: Ity koa nomba Azy.
Luke Mg1865 22:57  Fa izy nandà ka nanao hoe: Ravehivavy, tsy fantatro Izy.
Luke Mg1865 22:58  Ary vetivety foana rehefa afaka izany, dia nisy olona hafa koa nahita azy ka nanao hoe: Hianao koa mba naman’ ireny. Fa Petera nanao hoe: Ralehilahy, tsy mba namany aho.
Luke Mg1865 22:59  Ary rehefa afaka tokony ho ora iray, dia nisy anankiray koa nitompo teny ka nanao hoe: Ilehio nomba Azy marina tokoa, fa Galiliana izy.
Luke Mg1865 22:60  Fa hoy Petera: Ralehilahy, tsy fantatro izay lazainao. Ary niaraka tamin’ izay, raha mbola niteny izy, dia nisy akoho naneno.
Luke Mg1865 22:61  Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an’ i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin’ ny Tompo nolazainy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo ianao.
Luke Mg1865 22:62  Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra.
Luke Mg1865 22:63  Ary ny lehilahy izay nitana an’ i Jesosy dia nanao Azy ho fihomehezana sady nikapoka Azy.
Luke Mg1865 22:64  Ary rehefa nanampi-maso Azy izy, dia nanontany Azy hoe: Maminania; iza moa no namely Anao?
Luke Mg1865 22:65  Ary niteny ratsy izy nilaza zavatra maro hafa koa nanaratsiany Azy.
Luke Mg1865 22:66  Ary raha vao nazava ny andro, niangona ny loholona, dia ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ka nitondra an’ i Jesosy ho eo amin’ ny Synedriona, dia nanao hoe:
Luke Mg1865 22:67  Raha Hianao no Kristy, dia lazao aminay. Fa hoy Izy taminy: Na dia hilaza aminareo aza Aho, dia tsy hino ianareo.
Luke Mg1865 22:68  Ary na dia hanontany aza Aho, dia tsy hamaly akory ianareo.
Luke Mg1865 22:69  Fa hatramin’ izao ny Zanak’ olona dia hipetraka eo an-tanana ankavanan’ ny herin’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 22:70  Dia hoy izy rehetra: Zanak’ Andriamanitra va ary Hianao? Ary hoy Izy taminy: Voalazanareo fa Izaho no Izy.
Luke Mg1865 22:71  Ary hoy ireo: Ka inona indray no ilantsika vavolombelona? fa ny tenantsika no efa nandre tamin’ ny vavany.
Chapter 23
Luke Mg1865 23:1  Ary ny olona rehetra nitsangana ka nitondra an’ i Jesosy tany amin’ i Pilato,
Luke Mg1865 23:2  dia niampanga Azy ka nanao hoe: Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an’ i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka.
Luke Mg1865 23:3  Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Voalazanao.
Luke Mg1865 23:4  Dia hoy Pilato tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny vahoaka: Tsy hitako izay helok’ ity Lehilahy ity.
Luke Mg1865 23:5  Fa vao mainka nandentika ireo ka nanao hoe: Nampiodina ny olona Izy sady nampianatra eran’ i Jodia rehetra, nanomboka hatrany Galilia ka hatraty.
Luke Mg1865 23:6  Raha nandre izany Pilato, dia nanontany raha olona avy any Galilia Jesosy.
Luke Mg1865 23:7  Ary rehefa fantany fa avy tamin’ ny tany tapahin’ i Heroda Izy, dia nampanatitra Azy tany amin’ i Heroda izy, fa tany Jerosalema koa Heroda tamin’ izany andro izany.
Luke Mg1865 23:8  Ary faly dia faly Heroda, raha nahita an’ i Jesosy; fa efa naniry ela hahita Azy izy, satria efa nandre ny aminy ary nanantena hahita famantarana hataony.
Luke Mg1865 23:9  Ary izy nanontany Azy teny maro; fa tsy namaly teny azy akory Jesosy.
Luke Mg1865 23:10  Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nijanona teo dia nitompo teny fatratra hiampanga Azy.
Luke Mg1865 23:11  Ary Heroda sy ny miaramilany namingavinga Azy ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiakanjo Azy akanjo tsara ka namerina Azy tany amin’ i Pilato.
Luke Mg1865 23:12  Ary tonga nisakaiza Heroda sy Pilato tamin’ izany andro izany; kanefa nifandrafy izy roa lahy talohan’ izany.
Luke Mg1865 23:13  Ary rehefa nasain’ i Pilato novorina ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka ary ny vahoaka,
Luke Mg1865 23:14  dia hoy izy taminy: Entinareo atỳ amiko ity Lehilahy ity toy ny nampiodina ny vahoaka; ary, indro, efa nanadina Azy teto anatrehanareo aho, nefa tsy hitako izay helok’ ity Lehilahy ity amin’ izay iampanganareo Azy.
Luke Mg1865 23:15  Tsia, na dia Heroda koa aza, fa namerina Azy hoy amintsika izy; ary, indro, tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy;
Luke Mg1865 23:18  Fa izy rehetra niantso mafy indray miredona nanao hoe: Vonoy Io, ka Barabasy no alefaso ho anay!
Luke Mg1865 23:19  Nefa natao tao an-tranomaizina io Barabasy io noho ny fikomiana tao an-tanàna sy ny vonoan-olona.
Luke Mg1865 23:20  Ary satria tian’ i Pilato halefa Jesosy, dia niteny indray izy.
Luke Mg1865 23:21  Fa ny olona niantso kosa ka nanao hoe: Homboy, homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy!
Luke Mg1865 23:22  Fa hoy izy taminy fanintelony: Ka inona ary no ratsy nataony: tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy koa hofaizako Izy, dia halefako.
Luke Mg1865 23:23  Fa niantso tamin’ ny feo mafy ny olona ka nangataka hanomboana an’ i Jesosy amin’ ny hazo fijaliana. Ary nahery ny feon’ ny olona.
Luke Mg1865 23:25  Ary dia nalefany ilay natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy ny vonoan-olona, satria io no nangatahiny; fa Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony.
Luke Mg1865 23:26  Ary raha nitondra an’ i Jesosy izy, dia nitana lehilahy Kyreniana anankiray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra iny ny hazo fijaliana hanaraka an’ i Jesosy.
Luke Mg1865 23:27  Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ary vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy.
Luke Mg1865 23:28  Fa Jesosy nitodika azy ka nanao hoe: Ry zanakavavin’ i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo.
Luke Mg1865 23:29  Fa, indro, ho avy ny andro izay hilazany hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza.
Luke Mg1865 23:30  Dia hilaza amin’ ny tendrombohitra hoe izy: Mianjerà aminay; ary amin’ ny havoana hoe: Saròny izahay.
Luke Mg1865 23:31  Fa raha ataony amin’ ny hazo maitso izany hatao ahoana amin’ ny maina?
Luke Mg1865 23:32  Ary nisy olon-dratsy roa lahy nentina hiaraka hovonoina aminy koa.
Luke Mg1865 23:33  Ary rehefa tonga teo amin’ ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an’ i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany.
Luke Mg1865 23:34  Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany.
Luke Mg1865 23:35  Ary ny olona nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny ny tenany, raha Izy no Kristin’ Andriamanitra, dia Ilay nofidina.
Luke Mg1865 23:36  Ary ny miaramila koa nihomehy Azy, dia nankeo ka nanome Azy vinaingitra,
Luke Mg1865 23:37  sady nanao hoe: Raha Hianao no Mpanjakan’ ny Jiosy, vonjeo ny tenanao.
Luke Mg1865 23:38  Ary nisy soratra teo amboniny nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN’ NY JIOSY.
Luke Mg1865 23:39  Ary ny anankiray tamin’ ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay.
Luke Mg1865 23:40  Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsy mba matahotra an’ Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza?
Luke Mg1865 23:41  Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin’ ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza.
Luke Mg1865 23:42  Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ ny fanjakanao Hianao.
Luke Mg1865 23:43  Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.
Luke Mg1865 23:44  Ary rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahenina, dia maizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin’ ny ora fahasivy izany,
Luke Mg1865 23:45  satria nihamaizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba teo amin’ ny tempoly.
Luke Mg1865 23:46  Ary niantso tamin’ ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.
Luke Mg1865 23:47  Ary ny kapiteny, raha nahita izay zavatra tonga teo, dia nankalaza an’ Andriamanitra ka nanao hoe: Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io.
Luke Mg1865 23:48  Ary ny vahoaka rehetra izay vory teo mba hijery izany, raha nahita ny zavatra tonga teo, dia niverina miteha-tratra.
Luke Mg1865 23:49  Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia dia nijanona teny lavidavitra eny nijery izany zavatra izany.
Luke Mg1865 23:50  Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Josefa, izay isan’ ny Synedriona, dia lehilahy tsara fanahy sady marina.
Luke Mg1865 23:51  Izany lehilahy izany tsy nanaiky ny hevitra sy ny nataon’ ny sasany; avy tany Arimatia, tanànan’ ny Jiosy, izy sady niandry ny fanjakan’ Andriamanitra.
Luke Mg1865 23:52  Izany lehilahy izany dia nankao amin’ i Pilato ka nangataka ny fatin’ i Jesosy.
Luke Mg1865 23:53  Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika, dia naleviny tao amin’ ny fasana nolavahana tamin’ ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona.
Luke Mg1865 23:54  Ary andro fiomanana izany andro izany, ka efa antomotra ny Sabata.
Luke Mg1865 23:55  Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny faty.
Luke Mg1865 23:56  Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin’ ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna.
Chapter 24
Luke Mg1865 24:1  Fa nony maraina koa tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro, dia nankany amin’ ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny.
Luke Mg1865 24:2  Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin’ ny fasana.
Luke Mg1865 24:3  Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin’ i Jesosy Tompo.
Luke Mg1865 24:4  Ary raha mbola very hevitra tamin’ izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra.
Luke Mg1865 24:5  Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin’ ny maty no itadiavanareo ny velona?
Luke Mg1865 24:6  Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe:
Luke Mg1865 24:7  Ny Zanak’ olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanota ka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana ary hitsangana amin’ ny andro fahatelo.
Luke Mg1865 24:9  Ary niverina niala tamin’ ny fasana izy, dia nilaza izany rehetra izany tamin’ ny iraika ambin’ ny folo lahy sy ny namany rehetra.
Luke Mg1865 24:10  Teo Maria Magdalena sy Johana ary Maria, renin’ i Jakoba; ary ny vehivavy sasany izay naman’ ireo koa dia nilaza izany tamin’ ny Apostoly.
Luke Mg1865 24:11  Nefa nataony ho arirarira foana izany teny izany ka tsy ninoany.
Luke Mg1865 24:12  Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin’ ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay tonga teo.
Luke Mg1865 24:13  Ary, indreo, nisy roa lahy tamin’ ireny nandeha tamin’ izany andro izany hankany amin’ ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stadio raha any Jerosalema.
Luke Mg1865 24:14  Dia niresaka ny amin’ izay zavatra rehetra nanjo izy.
Luke Mg1865 24:15  Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy.
Luke Mg1865 24:16  Nefa ny mason’ ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy.
Luke Mg1865 24:17  Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo etỳ am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.
Luke Mg1865 24:18  Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala izay zavatra tonga tao tamin’ izao andro izao?
Luke Mg1865 24:19  Fa hoy Izy taminy: Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin’ i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin’ ny asa sy ny teny teo anatrehan’ Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
Luke Mg1865 24:20  dia ny amin’ ny nanoloran’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin’ ny hazo fijaliana.
Luke Mg1865 24:21  Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatr’ izay nahatongavan’ izany.
Luke Mg1865 24:22  Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay nahahavery hevitra anay, fa tany amin’ ny fasana maraina koa izy,
Luke Mg1865 24:23  ary raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho kosa, izay nilaza fa velona Izy.
Luke Mg1865 24:24  Dia nandeha ny sasany izay nomba anay ka nankany amin’ ny fasana, ary nahita araka izay nolazain’ ny vehivavy; nefa Izy tsy hitany.
Luke Mg1865 24:25  Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain’ ny mpaminany.
Luke Mg1865 24:26  Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin’ ny voninahiny?
Luke Mg1865 24:27  Dia nanomboka hatramin’ i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ ny Soratra Masìna rehetra.
Luke Mg1865 24:28  Ary efa mby teo akaikin’ ny vohitra izay efa halehan’ izy roa lahy izy, ary Jesosy toa nanao handeha lavitra kokoa.
Luke Mg1865 24:29  Fa ireo nanery Azy ka nanao hoe: Mitoera atỳ aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy.
Luke Mg1865 24:30  Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy.
Luke Mg1865 24:31  Dia nahiratra ny mason’ ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany.
Luke Mg1865 24:32  Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masìna tamintsika?
Luke Mg1865 24:33  Dia niainga tamin’ izany ora izany izy roa lahy ka niverina nankany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin’ ny folo lahy mbamin’ izay nomba azy tafangona teo
Luke Mg1865 24:34  sady nilaza hoe: Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin’ i Simona.
Luke Mg1865 24:35  Ary ireo kosa dia nilaza izay efa niseho teny an-dalàna sy ny nahafantarany Azy tamin’ ny namakiana ny mofo.
Luke Mg1865 24:36  Ary raha mbola nilaza izany izy, Jesosy dia nitsangana teo afovoany ka nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
Luke Mg1865 24:37  Dia taitra sady raiki-tahotra izy, satria nataony fa nahita matoatoa izy.
Luke Mg1865 24:38  Nefa hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra ianareo? ary nahoana no miahanahana ny fonareo?
Luke Mg1865 24:39  Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.
Luke Mg1865 24:40  Ary rehefa niteny izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny tongony.
Luke Mg1865 24:41  Ary raha mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona, dia hoy Jesosy taminy: Manan-kanina va ianareo?
Luke Mg1865 24:42  Ary dia nomeny tapaky ny hazandrano voatono Izy.
Luke Mg1865 24:44  Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ ny lalàn’ i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo.
Luke Mg1865 24:45  Dia nanokatra ny sain’ ireo Izy hahalala ny Soratra Masìna.
Luke Mg1865 24:46  Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ ny maty amin’ ny andro fahatelo;
Luke Mg1865 24:47  ary mba hotorina amin’ ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema.
Luke Mg1865 24:49  Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ ny hery avy any amin’ ny avo.
Luke Mg1865 24:50  Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy.
Luke Mg1865 24:51  Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra.
Luke Mg1865 24:52  Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra.
Luke Mg1865 24:53  Ary teo an-kianjan’ ny tempoly isan’ andro izy nankalaza an’ Andriamanitra.