Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
Chapter 1
Isai Mg1865 1:1  Ny fahitan’ Isaia, zanak’ i Amoza, izay hitany ny amin’ ny Joda sy Jerosalema tamin’ ny andron’ i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan’ ny Joda.
Isai Mg1865 1:2  Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo.
Isai Mg1865 1:3  Ny omby mahalala ny tompony, Ary ny boriky ny fihinanam-bilon’ ny tompony; Fa ny Isiraely tsy mahalala, Ny oloko tsy misaina.
Isai Mg1865 1:4  Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an’ i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin’ ny Isiraely. Efa nihodina izy.
Isai Mg1865 1:5  Nahoana no mbola ta-hasiana ihany ianareo noho izao fiodinanareo lalandava izao? Henika aretina avokoa ny loha rehetra, Ary marary ny fo rehetra.
Isai Mg1865 1:6  Hatramin’ ny faladia ka hatramin’ ny loha dia tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin’ ny diloilo izy.
Isai Mg1865 1:7  Ny taninareo dia efa lao; Ny tanànanareo dia voadotra tamin’ ny afo; Ny tany volenareo dia lanin’ ny fahavalo eo imasonareo, ary lao izy toy ny efa noravan’ ny fahavalo.
Isai Mg1865 1:8  Ary Ziona zanakavavy dia nilaozana tahaka ny trano rantsan-kazo ao anaty tanim-boaloboka, Sy tahaka ny fandriana mihantona an’ ny mpiandry voly ao anaty tanimbolim-boantango, Dia tahaka ny tanàna atao fahirano.
Isai Mg1865 1:9  Raha tsy nosisan’ i Jehovah. Tompon’ ny maro, olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka an’ i Sodoma Ary nitovy tamin’ i Gomora.
Isai Mg1865 1:10  Mandrenesa ny tenin’ i Jehovah, ry mpitsaran’ i Sodoma; Mihainoa ny lalàn’ Andriamanitsika, ry vahoakan’ i Gomora.
Isai Mg1865 1:11  Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran’ ny zanak’ omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran’ ny vantotr’ ombilahy sy ny an’ ny zanak’ ondry ary ny an’ ny osilahy.
Isai Mg1865 1:12  Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako?
Isai Mg1865 1:13  Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masìna haroharoam-paharatsiana!
Isai Mg1865 1:14  Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan’ ny fanahiko, Mavesatra amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho.
Isai Mg1865 1:15  Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran’ olona ny tananareo.
Isai Mg1865 1:16  Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo anoloan’ ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahara, fa aza manao ratsy;
Isai Mg1865 1:17  Mianara hanao ny tsara, Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, Omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin’ ny mpitondratena.
Isai Mg1865 1:18  Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon’ ondry fotsy.
Isai Mg1865 1:19  Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin’ ny tany;
Isai Mg1865 1:20  Fa raha mbola mandà sy miodina ihany ianareo, Dia ho lanin’ ny sabatra: Fa ny vavan’ i Jehovah no efa niteny.
Isai Mg1865 1:21  Indrisy! tonga janga ity tanàna mahatoky Izay feno ny rariny taloha Sady nitoeran’ ny fahamarinana, Fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.
Isai Mg1865 1:22  Ny volafotsinao efa tonga tain-drendrika; Ny divainao efa voatsatso rano;
Isai Mg1865 1:23  Ny lehibenao dia mpiodina sady naman’ ny mpangalatra; Samy tia kolikoly sy fatra-nitady tambitam-by avokoa izy rehetra; Ny kamboty tsy mba omeny rariny, Ary ny adin’ ny mpitondratena tsy avelany ho entina eo anatrehany.
Isai Mg1865 1:24  Ka dia hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, Ilay Maherin’ ny Isiraely: E! hiala fo amin’ ny mandrafy Ahy Aho Ary hamaly ny fahavaloko.
Isai Mg1865 1:25  Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho, Ka hodioviko amin’ ny lavenona ianao hahafahan’ ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.
Isai Mg1865 1:26  Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin’ ny voalohany; Ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe: Tanànan’ ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.
Isai Mg1865 1:27  Ziona havotana amin’ ny fitsarana, ary izay efa mibebaka ao dia havotana amin’ ny fahamarinana;
Isai Mg1865 1:28  Ary samy haringana avotoa ny mpiodina sy ny mpanota, Eny, ho lany ritra izay mahafoy an’ i Jehovah.
Isai Mg1865 1:29  Fa hahazo henatra ianareo noho ny amin’ ny hazo terebinta izay nifalianareo, ary hangaihay ianareo noho ny amin’ ny saha izay natokanareo.
Isai Mg1865 1:30  Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina ianareo, Sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.
Isai Mg1865 1:31  Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon’ afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.
Chapter 2
Isai Mg1865 2:1  Ny teny izay hitan’ Isaia, zanak’ i Amoza, ny amin’ ny Joda sy Jerosalema.
Isai Mg1865 2:2  Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.
Isai Mg1865 2:3  Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah, Ho any an-tranon’ Andriamanitr’ i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin’ ny lalany, Ka handehanantsika amin’ ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan’ ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin’ i Jehovah.
Isai Mg1865 2:4  Ary hitsara ny adin’ ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony
Isai Mg1865 2:5  Ry taranak’ i Jakoba, Avia, ary aoka isika handeha amin’ ny fahazavan’ i Jehovah.
Isai Mg1865 2:6  Fa efa nanary ny taranak’ i Jakoba olonao Hianao, Satria feno ny fanao avy any atsinanana izy Ary efa mpanandro tahaka ny Filistina Sady efa be zana-bahiny.
Isai Mg1865 2:7  Ary ny taniny dia feno volafotsy sy volamena. Sady tsy hita lany ny hareny; Ary ny taniny dia feno soavaly, Sady tsy hita isa ny kalesiny;
Isai Mg1865 2:8  Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan’ ny asan’ ny tanany no iankohofany, Dia izay nataon’ ny rantsan-tanany;
Isai Mg1865 2:9  Koa ny zanak’ olombelona hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary aza mamela ny helony Hianao!
Isai Mg1865 2:10  Midìra ao amin’ ny vatolampy, Ary miere ao amin’ ny vovoka Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.
Isai Mg1865 2:11  Ny fiandranandran’ ny mason’ ny zanak’ olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan’ ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’ izany andro izany.
Isai Mg1865 2:12  Fa misy andron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,
Isai Mg1865 2:13  Dia ny sedera rehetra any Libanona, izay avo sady andrandraina, Sy ny hazo ôka rehetra any Basana
Isai Mg1865 2:14  Sy ny tendrombohitra avo rehetra Sy ny havoana andrandraina
Isai Mg1865 2:15  Sy ny tilikambo miringiringy rehetra Sy ny manda mafy rehetra
Isai Mg1865 2:16  Sy ny sambon’ i Tarsisy rehetra Sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra;
Isai Mg1865 2:17  Ary ny fireharehan’ ny zanak’ olombelona hatao mitanondrika, Ary ny fiavonavonan’ ny olona haetry; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’ izany andro izany.
Isai Mg1865 2:19  Ary hiditra ao amin’ ny zohy sy ny lava-bato ny olona Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
Isai Mg1865 2:20  Amin’ izany andro izany dia harian’ ny olona Ho an’ ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany
Isai Mg1865 2:21  Mba hidirany eo amin’ ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
Isai Mg1865 2:22  Mitsahara, fa aza mitoky amin’ ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy?
Chapter 3
Isai Mg1865 3:1  Fa, indro, Jehovah, Tompon’ ny maro, Manaisotra amin’ i Jerosalema sy Joda izay andry sy tohana rehetra: Dia ny mofo sy ny rano rehetra, izay tohan’ aina,
Isai Mg1865 3:2  Ny lehilahy mahery sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona,
Isai Mg1865 3:3  Ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra Ary ny mahay ny fiboeriboeriky ny mpanao ody.
Isai Mg1865 3:4  Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy.
Isai Mg1865 3:5  Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin’ ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin’ ny manan-daza.
Isai Mg1865 3:6  Raha misy olona angatahin’ ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, Ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao,
Isai Mg1865 3:7  Dia namaly izy amin’ izany andro izany hoe: Tsy mety ho dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho.
Isai Mg1865 3:8  Fa tafintohina Jerosalema, Ary potraka Joda, satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra an’ i Jehovah Mba hihaika ny mason’ ny voninahiny.
Isai Mg1865 3:9  Ny fisehon’ ny tarehiny miampanga azy; Ary mampiharihary ny fahotany tahaka an’ i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Lozan’ ny fanahiny! Fa mampidi-doza amin’ ny tenany izy.
Isai Mg1865 3:10  Lazaonareo ny amin’ ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny.
Isai Mg1865 3:11  Lozan’ ny ratsy fanahy! hiharan’ ny ratsy izy, Satria ny valin’ ny nataon’ ny tànany ihany no hanody azy.
Isai Mg1865 3:12  Ny amin’ ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny lalana alehanao.
Isai Mg1865 3:13  Jehovah mitsangana handahatra Ka miatrika hitsara ny firenena.
Isai Mg1865 3:14  Jehovah miampanga ny loholona sy ny lehiben’ ny olony amin’ ny fitsarana hoe: Hianareo no efa nandevona ny tanim-boaloboka; Ary ao an-tranonareo ny fananan’ ny malahelo izay efa nalaina an-keriny.
Isai Mg1865 3:15  Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan’ ny malahelo? Hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Isai Mg1865 3:16  Ary hoy koa Jehovah: Satria miavona ireo zanakavavin’ i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka Sady kasikasy fandeha Ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony,
Isai Mg1865 3:17  Noho izany dia hataon’ ny Tompo feno tako-pery ny tampon-dohan’ ny zanakavavin’ i Ziona, Ary Jehovah hampiseho ny fitanjahany.
Isai Mg1865 3:18  Amin’ izany andro izany dia hesorin’ i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana,
Isai Mg1865 3:19  Na ny kavina voavola, na ny rojo, na ny fisalobonana makarakara,
Isai Mg1865 3:20  Na ny satroka, na ny rojo parapaingo, na ny fehin-kibo misy haingony, Na ny fitoeran-dranomanitra, na ny ody fanaony ravaka,
Isai Mg1865 3:22  Na ny akanjo fihaingoana, na ny kapôty, Na ny saly, na ny poketra,
Isai Mg1865 3:23  Na ny fitaratra fizahana, na ny akanjo somizy anatiny, Na ny satroka fihaingoana, na ny lamba fisaronana;
Isai Mg1865 3:24  Ary ny manitra hosoloana ny maimbo; Ary ny fehin-kibo tsara hosoloana ny mahazaka; Ary ny volo voavoatra tsara hosoloana ny boriana; Ary ny akanjo miebanebana hosoloana ny lamba fisaonana; Ary ny hatsaran-tarehy hosoloana ny tomboka amin’ ny vy mahamay.
Isai Mg1865 3:25  Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery ao aminao ho faty an’ ady;
Isai Mg1865 3:26  Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky,
Chapter 4
Isai Mg1865 4:1  Ary amin’ izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin’ ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso
Isai Mg1865 4:2  Amin’ izany andro izany ny rantsan’ i Jehovah dia ho tonga fahatsaran-tarehy sy voninahitra, Ary ny vokatry ny tany dia ho rehareha sy firavaka ho an’ ny Isiraely sisa afaka;
Isai Mg1865 4:3  Ary izay sisa any Ziona sy izay mbola mitoetra any Jerosalema dia hatao hoe masìna. Dia izay rehetra voasoratra ho isan’ ny velona any Jerosalema.
Isai Mg1865 4:4  Rehefa voasasan’ ny Tompo ho afaka amin’ ny fahalotoany ireo zanakavavin’ i Ziona, Ary rehefa voadion’ ny fanahy fitsarana, sy ny fanahy fandringanana Jerosalema, Ho afaka amin’ ny ran’ olona nalatsany.
Isai Mg1865 4:5  Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro Sy fahazavan’ ny afo midedadeda nony alina Ho eny ambonin’ ny fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona Sy ho eny ambonin’ ny fivoriany rehetra; Ary eny ambonin’ ny voninahitra rehetra dia hisy eloelo
Isai Mg1865 4:6  Ka hisy trano-lay ho fialokalofana amin’ ny hainandro raha antoandro Ary ho fialofana sy fierena amin’ ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.
Chapter 5
Isai Mg1865 5:1  Aoka aho hihira ny amin’ ny Malalako, dia hiran’ ny Malalako ny amin’ ny tanim-boalobony. Ny Malalako nanana tanim-boaloboka tao an-kavoana lonaka;
Isai Mg1865 5:2  Dia nasainy io, ka nesoriny ny vato, Ary novoleny karazam-boaloboka tsara, Sady nanao tilikambo teo afovoany Izy Ary nandavaka famiazam-boaloboka teo; Dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy, Kanjo namoa voalobo-dratsy.
Isai Mg1865 5:3  Koa noho izany, ry mponina any Jerosalema sy ry lehilahy amin’ ny Joda, Masìna ianareo, tsarao Aho sy ny tanim-boaloboko.
Isai Mg1865 5:4  Inona moa no mbola azo natao tamin’ ny tanim-boaloboko, Ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?
Isai Mg1865 5:5  Koa noho izany dia aoka hambarako anareo izay hataoko amin’ ny tanim-boaloboko: Hesoriko ny fefy tsilony, ka dia holevonina izy; Ary harodako ny fefy vatony, ka dia ho voahitsakitsaka izy;
Isai Mg1865 5:6  Ary hataoko simba dia simba izy; Tsy hohetezana ny sakeli-boalobony, ary tsy hohevoina izy, Fa ho rakotry ny hery sy ny tsilo; Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy.
Isai Mg1865 5:7  Fa ny taranak’ i Isiraely no tanim-boalobok’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Ary ny lehilahy amin’ ny Joda no voly tiany; Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-drà; Niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana.
Isai Mg1865 5:8  Lozanareo izay mangorona trano lalandava Sady mampiharo vala ny saha amin’ ny saha, Ambara-paha-tsy hisy hitoeran’ ny sasany intsony, Mba ho tonga mponina manirery eo amin’ ny tany ianareo!
Isai Mg1865 5:9  Izao no ren’ ny sofiko avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Marina tokoa fa ho foana ny trano maro, Eny, na dia izay lehibe sady tsara aza dia tsy hisy mpitoetra.
Isai Mg1865 5:10  Ary bata iray monja no ho vokatry ny tanim-boaloboka folo Zemeda, Ary rehefa iray monja no ho vokatry ny voan-javatra eran’ ny homera.
Isai Mg1865 5:11  Lozan’ izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan’ ny andro ka ampirehetin’ ny divay!
Isai Mg1865 5:12  Ary ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; Fa ny asan’ i Jehovah tsy mba jereny, Ary ny ataon’ ny tanany tsy mba hitany.
Isai Mg1865 5:13  Ary noho izany dia ho lasan-ko babo ny oloko noho ny tsi-fahalalany, Ary ny olona ambony ho mosarena, Ary ny valalabemandry ho main’ ny hetaheta.
Isai Mg1865 5:14  Koa izany no mampitanatana vava ny fiainan-tsi-hita Hanao teli-moka an’ i Jerosalema; Ary any no hivarinan’ ny voninahiny sy ny fihahohahony ary ny tabatabany mbamin’ izay mifalifaly ao aminy;
Isai Mg1865 5:15  Ary ny zanak’ olombelona dia hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary ny mason’ ny miandranandrana dia haidina.
Isai Mg1865 5:16  Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no hisandratra amin’ ny fitsarana, Ary Andriamanitra masìna dia hiseho ho masìna amin’ ny fahamarinana.
Isai Mg1865 5:17  Ary ny zanak’ ondry hikania toy ny eny amin’ ny tany fiandrasana azy ihany; Ary ny tany foana izay nipetrahan’ ny matavy, dia mpirenireny no hiandry ondry ao.
Isai Mg1865 5:18  Lozan’ izay mitari-keloka amin’ ny kofehin’ ny faharatsiana Ary mitarika ota toy ny amin’ ny mahazakan-tsariety,
Isai Mg1865 5:19  Dia izay manao hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany, mba ho hitantsika, Ary aoka izay kasain’ ny Iray Masin’ ny Isiraely ho mby akaiky ka ho tanteraka, mba ho fantatsika!
Isai Mg1865 5:20  Lozan’ izay milaza ny ratsy ho tsara ary na tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mavaza ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!
Isai Mg1865 5:21  Lozan’ izay manao azy ho hendry sy manao azy ho mazava saina!
Isai Mg1865 5:22  Lozan’ izay fatratra nefa amin’ ny fisotroan-divay ihany, sy izay kanto nefa amin’ ny fampiharoharoana toaka ihany!
Isai Mg1865 5:23  Ary izay manamarina ny meloka noho ny kolikoly sy manala ny rariny amin’ ny marina!
Isai Mg1865 5:24  Koa toy ny fandevonan’ ny lelafo ny mololo, ary toy ny fifitsaky ny bozaka midedadeda, dia toy izany no hahalovan’ ny fakany sy hijofoan’ ny voniny hanjary vovoka, satria efa nandà ny lalàn’ i Jehovah, Tompon’ ny maro izy Sy nanamavo ny tenin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely.
Isai Mg1865 5:25  Koa izany no irehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah amin’ ny olony sy aninjirany ny tànany aminy ka amelezany azy; Dia mihorohoro ny tendrombohitra, ary ny fatin’ ny olona dia tonga tahaka ny diky eny an-dalambe. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
Isai Mg1865 5:26  Ary hanangana faneva ho amin’ ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso ny iray avy any am-paran’ ny tany; Ary, indro, ho avy faingana dia faingana ireo;
Isai Mg1865 5:27  Tsy hisy reraka na tafintohina ao aminy; Tsy ho rendrehana na hatory izy: Tsy hiboraka ny fehin-kibony, ary tsy ho tapaka ny fehin-kapany,
Isai Mg1865 5:28  Maranitra ny zana-tsipìkany, Ary voahenjana avokoa ny tsipìkany; Ny kitron-tsoavaliny atao ho tahaka ny afovato; Ary ny kodiany ho tahaka ny tadio;
Isai Mg1865 5:29  Ny fierony dia tahaka ny fieron’ ny liom-bavy, Ary mierona tahaka ny liona tanora izy; Eny, manerona izy ka mandrapaka ny toha, Dia lasany, ka tsy azo alaina intsony.
Isai Mg1865 5:30  Ary hirohondrohona aminy amin’ izany andro izany izy Tahaka ny firohondrohon’ ny ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana; Ary ny fahazavana hohamaizinin’ ny rahona.
Chapter 6
Isai Mg1865 6:1  Tamin’ ny taona nahafatesan’ i Ozia mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianana avo sady manerinerina, ary ny ebaneban’ akanjony nahafeno ny tempoly.
Isai Mg1865 6:2  Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy; ny roa nanaronany ny tavany, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany.
Isai Mg1865 6:3  Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masìna, masìna, masìna Jehovah, Tompon’ ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra.
Isai Mg1865 6:4  Dia nihorohoro ny fanambanin’ ny tokonana noho ny feon’ ireo nanandratra ny feony; ary feno setroka ny trano.
Isai Mg1865 6:5  Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin’ ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, no efa hitan’ ny masoko.
Isai Mg1865 6:6  Dia nanidina nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vain’ afo teny an-tànany, izay nalainy tamin’ ny ny tandra avy teo amin’ ny alitara.
Isai Mg1865 6:7  Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin’ ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao.
Isai Mg1865 6:8  Ary nandre ny feon’ ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho.
Isai Mg1865 6:9  Ary hoy Izy: Mandehana, ka lazao amin’ ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahalala; Ary mijere mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahafantatra.
Isai Mg1865 6:10  Ataovy adala ny fon’ ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony, Dia hibebaka izy ka ho sitrana.
Isai Mg1865 6:11  Ary hoy izaho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan’ ny tanàna, ka tsy hisy mponina, Ary ny trano tsy hisy olona, Ary ny tany ho lao tokoa;
Isai Mg1865 6:12  Ary Jehovah hampandeha lavitra ny olona, Ka ho be ny lao ao amin’ ny tany;
Isai Mg1865 6:13  Ary na dia misy ampahafolony aza sisa, Dia mbola hosimbana ihany koa izany Kanefa kosa tahaka ny hazo terebinta sy ny ôka, Izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa aza, Dia toy izany no mbola hisiana taranaka masìna ho fotony.
Chapter 7
Isai Mg1865 7:1  Ary tamin’ ny andron’ i Ahaza, zanak’ i Jotama, zanak’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda, no niakaran-dRezina, mpanjakan’ i Syria, sy Pelza, zanak’ i Remalia, mpanjakan’ ny Isiraely, hanafika an’ i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy.
Isai Mg1865 7:2  Dia nambara tamin’ ny taranak’ i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin’ ny Efraima. Ary nirondrona ny fony sy ny fon’ ny vahoakany toy ny firondronan’ ny hazo any an’ ala, raha asian’ ny rivotra.
Isai Mg1865 7:3  Ary hoy Jehovah tamin’ Isaia: Mivoaha ianao sy Seara-jasoba zanakao hitsena an’ i Ahaza eo amin’ ny faran’ ny lakan-drano amin’ ny kamory ambony, eo amin’ ny lalambe mankamin’ ny sahan’ ny mpamotsy lamba,
Isai Mg1865 7:4  ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan’ ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak’ i Remalia.
Isai Mg1865 7:5  Satria efa nanao saina hampidi-doza aminao Syria sy Efraima ary ny zanak’ i Remalia ka nanao hoe:
Isai Mg1865 7:6  Andeha isika hananika an’ i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy Ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak’ i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,
Isai Mg1865 7:7  Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, Ary tsy hisy izany;
Isai Mg1865 7:8  Fa ny lohan’ i Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan’ i Damaskosy dia Rezina (Ary ao anatin’ ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony),
Isai Mg1865 7:9  Ary ny lohan’ i Efraima dia Samaria, Ary ny lohan’ i Samaria dia ny zanak’ i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo, Dia tsy ho tafatoetra.
Isai Mg1865 7:10  Ary Jehovah mbola niteny tamin’ i Ahaza ihany ka nanao hoe:
Isai Mg1865 7:11  Mangataha famantarana amin’ i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin’ ny lalina ambany, na ho avy amin’ ny avo ambony.
Isai Mg1865 7:12  Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an’ i Jehovah
Isai Mg1865 7:13  Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak’ i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an’ Andriamanitro koa ianareo?
Isai Mg1865 7:14  Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan’ anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela.
Isai Mg1865 7:15  Rehefa mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izy, Dia rononomandry sy tantely no ho fihinany.
Isai Mg1865 7:16  Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izany zaza izany, Dia ho lao ny tanin’ ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.
Isai Mg1865 7:17  Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin’ ny andro nialan’ i Efraima tamin’ ny Joda (Dia ny mpanjakan’ i Asyria);
Isai Mg1865 7:18  Ary amin’ izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin’ ny faran’ ny onin’ i Egypta, sy ny renitantely, izay any amin’ ny tany Asyria;
Isai Mg1865 7:19  Dia ho avy ireo, ka samy hipetraka amin’ ny lohasaha lao, sy eny an-tsefatsefaky ny harambato, sy eny amin’ ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin’ ny saha fiandrasana rehetra.
Isai Mg1865 7:20  Amin’ izany andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra Amin’ ny hareza nohofana any amoron’ ny Ony (Dia ny mpanjakan’ i Asyria); Ary ny volom-bava hokakasana amin’ iny koa.
Isai Mg1865 7:21  Ary amin’ izany andro izany Dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona;
Isai Mg1865 7:22  Ary noho ny haben’ ny ronono azo avy amin’ ireo dia hihinana rononomandry izy; Fa rononomandry sy tantely no ho fihinan’ ny olona sisa rehetra ao amin’ ny tany.
Isai Mg1865 7:23  Ary amin’ Izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo.
Isai Mg1865 7:24  Zana-tsipìka sy tsipìka no ho entin’ izay miditra ao, satria rakotry ny hery sy ny tsilo ny tany rehetra.
Isai Mg1865 7:25  Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin’ ny angady dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan’ ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman’ osy izany.
Chapter 8
Isai Mg1865 8:1  Ary hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: “Ho an’ i Mahera-salala-hasi-baza.”
Isai Mg1865 8:2  Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria, zanakalahin’ i Jeberekia.
Isai Mg1865 8:3  Ary nankany amin’ ny mpaminanivavy, aho; dia nanan’ anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza.
Isai Mg1865 8:4  Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan’ ny mpanjakan’ i Asyria ny haren’ i Damaskosy sy ny fananan’ i Samaria.
Isai Mg1865 8:5  Ary Jehovah dia mbola niteny tamiko indray hoe:
Isai Mg1865 8:6  Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka Ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak’ i Remalia,
Isai Mg1865 8:7  Dia, indro, hampiakarin’ ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin’ ny Ony (Dia ny mpanjakan’ i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany;
Isai Mg1865 8:8  Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin’ ny Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany Mandra-pahatongany havozona; Ary ny fipasany eny an-daniny roa dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.
Isai Mg1865 8:9  Misafoaha ihany ianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy.
Isai Mg1865 8:10  Makà saina ihany ianareo, nefa mbola hofoanana izany; Milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory; Fa aminay Andriamanitra.
Isai Mg1865 8:11  Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy handeha amin’ ny falehan’ ity firenena ity aho:
Isai Mg1865 8:12  Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain’ ity firenena ity ho tetika fikomiana; Ary aza matahotra izay atahorany na mangovitra ianareo.
Isai Mg1865 8:13  Jehovah, Tompon’ ny maro, no hasino; Ary aoka Izy ihany no hatahoranareo, Ary Izy ihany no hangovitanareo.
Isai Mg1865 8:14  Dia ho fitoerana masìna ho anareo Izy, Fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa Amin’ ny firenena roa amin’ ny Isiraely, sady ho fandrika sy tonta Amin’ ny mponina any Jerosalema.
Isai Mg1865 8:15  Ary maro ao aminy no ho tafintohina sady ho lavo sy ho ringana Ary ho voafandrika sy ho voasambotra.
Isai Mg1865 8:16  Fehezo ny teni-vavolombelona, Ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin’ ny mpianatro.
Isai Mg1865 8:17  Ary hiandry an’ i Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin’ ny taranak’ i Jakoba, Ka hanantena Azy ihany aho.
Isai Mg1865 8:18  Indreto, izaho sy ireo zaza nomen’ i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin’ ny Isiraely Avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.
Isai Mg1865 8:19  Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ ny olona saina? Fa hila saina amin’ ny maty ho an’ ny velona va izy?
Isai Mg1865 8:20  Ho amin’ ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny maraina.
Isai Mg1865 8:21  Dia samy hivezivezy amin’ ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona ny mpanjakany sy Andriamaniny, ary dia hiandrandra;
Isai Mg1865 8:22  Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin’ ny aizim-pito izy.
Isai Mg1865 8:23  Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin’ ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin’ ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin’ i Jordana, Dia Galilia, tanin’ ny jentilisa.
Chapter 9
Isai Mg1865 9:1  Ny olona izay mandeha amin’ ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin’ ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ ny mazava.
Isai Mg1865 9:2  Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin’ ny fararano, ary tahaka ny fifalin’ ny olona, raha mizara babo.
Isai Mg1865 9:3  Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon’ ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin’ ny andro namelezana ny Midiana.
Isai Mg1865 9:4  Fa ny kiraron’ izay mitrevatreva fandeha eo amin’ ny fihorakorahan’ ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin’ ny afo izany.
Isai Mg1865 9:5  Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ ny mandrakizay Andrian’ ny fiadanana.
Isai Mg1865 9:6  Ny handrosoan’ ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ ny rariny sy ny hitsiny hatramin’ izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hahatanteraka izany.
Isai Mg1865 9:7  Ny Tompo mandefa teny ho an’ i Jakoba, ka mihatra amin’ ny Isiraely izany.
Isai Mg1865 9:8  Ary ho fantatr’ izy iray firenena izany, dia Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amin’ ny fiavonavonany sy ny fireharehan’ ny fony manao hoe:
Isai Mg1865 9:9  Biriky no efa nirodana, fa vato voapaika kosa no harafitsika; Aviavy no voakapa, fa sedera kosa no hasolontsika azy.
Isai Mg1865 9:10  Ary Jehovah manandratra ny rafilahin-dRezina hihoatra azy Ary mamporisika ny fahavalony,
Isai Mg1865 9:11  Dia ny Syriana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; Ary misanasana vava mandrapaka ny Isiraely ireo. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tanany.
Isai Mg1865 9:12  Fa ny olona tsy miverina amin’ Izay mamely azy, Eny, Jehovah, Tompon’ ny maro, tsy mba tadiaviny.
Isai Mg1865 9:13  Ka dia nofongoran’ i Jehovah amin’ ny Isiraely indray andro monja Ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia sy ny zozoro
Isai Mg1865 9:14  (Ny loholona sy ny manan-kaja no loha, ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo);
Isai Mg1865 9:15  Fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily azy, Ary izay tarihiny dia voatelina.
Isai Mg1865 9:16  Ary noho izany dia tsy mahafaly an’ i Jehovah ny zatovony, ary ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy dia tsy iantrany; Fa samy mpihatsaravelatsihy sy mpanao ratsy izy, ary ny vava rehetra mamoaka teny fahadalana. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
Isai Mg1865 9:17  Fa ny faharatsiana mandoro tahaka ny afo, Mandevona ny tsilo sy ny hery ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina tahaka ny setroka misavoana.
Isai Mg1865 9:18  Noho ny fahatezeran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia efa maintin’ ny afo ny tany, ary ny olona dia tahaka ny kitay atohoka amin’ ny afo; Tsy misy olona miantra ny rahalahiny
Isai Mg1865 9:19  Ary mandripaka eny ankavanana izy nefa noana ihany; Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra,
Isai Mg1865 9:20  Eny, Manase mihinana an’ i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an’ i Manase, Ary izy roa tonta dia miara-mamely an’ i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
Chapter 10
Isai Mg1865 10:1  Lozan’ izay mamorona fikasana tsy marina sy izay mpanoratra manoratra fampahoriana,
Isai Mg1865 10:2  Hampialany ny mahantra amin’ ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin’ izay ory eo amin’ ny oloko, Handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty!
Isai Mg1865 10:3  Ary ahoana no hataonareo amin’ ny andro famaliana sy amin’ ny fandravana izay avy amin’ ny lavitra? Ho any amin’ iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?
Isai Mg1865 10:4  Tsy misy azony atao afa-tsy ny mihohoka voatsindrin’ ny mpifatotra sy ny lavo voatsindrin’ ny voavono. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
Isai Mg1865 10:5  Endrey! ry Asyria, tsorakazon’ ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!
Isai Mg1865 10:6  Hamely firenena mihatsaravelatsihy no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan’ ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe.
Isai Mg1865 10:7  Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izany no heverin’ ny fony; Fa ny handringana sy ny hamongotra firenena tsy vitsy no ao am-pony.
Isai Mg1865 10:8  Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governorako ireny?
Isai Mg1865 10:9  Tsy tahaka an’ i Karkemisy va Kalno? Tsy tahaka an’ i Arpada va Hamata? Ary tsy tahaka an’ i Damaskosy va Samaria?
Isai Mg1865 10:10  Tahaka ny nahatraran’ ny tanako ny fanjakan’ ny andriamani-tsi-izy, na dia nihoatra noho ny an’ i Jerosalema sy ny an’ i Samaria aza ny sampin’ ireo,
Isai Mg1865 10:11  Dia tsy tahaka ny nataoko tamin’ i Samaria sy ny andriamanini-tsi-izy va no hataoko amin’ i Jerosalema sy ny sampiny koa?
Isai Mg1865 10:12  Kanefa rehefa vitan’ ny Tompo ny asany rehetra ao an-tendrombohitra Ziona sy Jerosalema, dia hovaliany kosa ny vokatry ny fiavonavonan’ ny fon’ ny mpanjakan’ i Asyria sy ny reharehan’ ny fiandranandran’ ny masony;
Isai Mg1865 10:13  Fa izy manao hoe: Tamin’ ny herin’ ny tanako no nanaovako izany, sy tamin’ ny fahendreko, fa mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra ny faritanin’ ny firenena aho sady namabo ny hareny, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka;
Isai Mg1865 10:14  Ary tahaka ny fakàna ny ao amin’ ny akanim-borona no nakan’ ny tanako ny haren’ ny firenena; Ary tahaka ny famory atody nilaozan-dreniny no namoriako ny any amin’ ny tany rehetra, Ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na nikiakiaka.
Isai Mg1865 10:15  Ny famaky va hirehareha amin’ izay mikapa aminy? Ny tsofa va hiavonavona amin’ izay manatsofa aminy? Toy ny tsorakazo, raha manetsika izay manainga azy! Ary toy ny tehina, raha manandratra ny tompony!
Isai Mg1865 10:16  Koa izany no anateran’ ny Tompo, dia ny Tompon’ ny maro, fahahiazana amin’ ny tremalahiny; Ary ao ambanin’ ny voninahiny dia hisy mirehitra toy ny firehitry ny afo.
Isai Mg1865 10:17  Ary ny fahazavan’ ny Isiraely ho tonga afo, ary ny Iray Masiny ho tonga lelafo, ka hodorany ho levona indray andro monja ny tsilony sy ny heriny;
Isai Mg1865 10:18  Ary ny voninahitry ny alany sy ny sahany mahavokatra dia holevoniny, na ny fanahiny, na ny nofony, ka ho tahaka ny fifezak’ izay marary mafy izany.
Isai Mg1865 10:19  Ary ho vitsy ny hazo sisa any an’ alany, ka na dia izay mbola zaza aza hahasoratra azy.
Isai Mg1865 10:20  Ary amin’ izany andro izany ny Isiraely sisa, izay tsy ringana amin’ ny taranak’ i Jakoba, dia tsy hiankina amin’ izay namely azy intsony; Fa Jehovah, Iray Masin’ ny Isiraely, ihany no hiankinany marina tokoa.
Isai Mg1865 10:21  Ary izay sisa amin’ i Jakoba dia hiverina ho amin’ Andriamanitra Mahery.
Isai Mg1865 10:22  Fa na dia tahaka ny fasika any amin’ ny ranomasina aza ny isan’ ny Isiraely olonao, dia izay sisa aminy ihany no hiverina; Voatendry ny fandringanana izay hanafotra ho famaliana marina;
Isai Mg1865 10:23  Fa fahafonganana voatendry no hataon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Ao amin’ ny tany.
Isai Mg1865 10:24  Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ry oloko, izay monina any Ziona, Aza matahotra ny Asyriana, raha mamely anao amin’ ny tsorakazo izy ary manainga ny tehina aminao, tahaka ny fanao tany Egypta;
Isai Mg1865 10:25  Fa rehefa afaka vetivety, dia hitsahatra ny fahavinirana, ary ny fahatezerako dia handringana azy kosa.
Isai Mg1865 10:26  Eny, Jehovah, Tompon’ ny maro, hamely azy amin’ ny kotopia, tahaka ny namelezana ny Midiana teo am-batolampy Oreba; ary ny tsorakazony haingainy eny ambonin’ ny ranomasina ka hatsangany tahaka ny fanao tany Egypta.
Isai Mg1865 10:27  Ary amin’ izany andro izany dia ho afaka eo an-tsorokao ny entany ary ny bao fitondrany ho afaka amin’ ny vozonao, ary ho tapaka ny bao fitondrana noho ny fihatavezany.
Isai Mg1865 10:28  Injao! tonga any Aiata izy, mamaky an’ i Migrona izy ary mametraka ny entany ao Mikmasy,
Isai Mg1865 10:29  Mihoatra ao an-kadilanana izy Ao Geba isika no handry, hoy izy; Mangovitra Rama, mandositra Gibean’ i Saoly;
Isai Mg1865 10:30  Mikiakiaha mafy, ry zanakavavin’ i Galima, Mampandria sofina, ry Laisy. Indrisy, ry Anatota mahantra!
Isai Mg1865 10:31  Lasa mandositra Madmena, ny mponina any Gebima mitondra ny entany mandositra.
Isai Mg1865 10:32  Anio izy mbola mitoetra any Noba, Maninjitra ny tànany manambana ny tendrombohitr’ i Ziona zanakavavy, dia ny havoan’ i Jerosalema.
Isai Mg1865 10:33  Indro, Jehovah, Tompon’ ny maro, manapaka ny rantsany madinika amin’ ny heriny mahatahotra; Ary izay mijoaka lava no voakapa, ary izay avo no aetry;
Isai Mg1865 10:34  Ary kapaina vy ny ala mikirindro, ary Libanona dia alamaky ny iray Mahery.
Chapter 11
Isai Mg1865 11:1  Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin’ ny fototr’ i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin’ ny fakany;
Isai Mg1865 11:2  Ary ny fanahin’ i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin’ ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin’ ny fahalalana sy ny fahatahorana an’ i Jehovah;
Isai Mg1865 11:3  Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’ i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan’ ny masony izy, na hampiaiky araka ny ren’ ny sofiny;
Isai Mg1865 11:4  Fa hotsarainy amin’ ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin’ ny tany; hamely ny tany amin’ ny tsorakazon’ ny vavany Izy, ary ny fofonain’ ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.
Isai Mg1865 11:5  Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony
Isai Mg1865 11:6  Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin’ ny zanak’ ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin’ ny zanak’ osy; Ary ny zanak’ omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.
Isai Mg1865 11:7  Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; Ny zanany hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby;
Isai Mg1865 11:8  Ny zaza minono hilalao amin’ ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin’ ny lavaky ny menarana.
Isai Mg1865 11:9  Ary tsy handratra na hanimba eran’ ny tendrombohitro masìna izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an’ i Jehovah, tahaka ny anaronan’ ny rano ny fanambanin’ ny ranomasina.
Isai Mg1865 11:10  Ary amin’ izany andro izany ny solofon’ i Jese, Izay hitsangana ho fanevan’ ny firenena, dia Izy no hotadiavin’ ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra.
Isai Mg1865 11:11  Ary amin’ izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamata Ary ny avy any amin’ ny moron-dranomasina.
Isai Mg1865 11:12  Dia hanangana faneva ho an’ ny jentilisa Izy ka hamory ny Isiraely izay voaroaka sy hanangona ny Joda izay voaely Avy any amin’ ny vazan-tany efatra.
Isai Mg1865 11:13  Ary hitsahatra ny fialonan’ i Efraima, ary hofongorana ny fandrafiana’ an i Joda: Efraima tsy hialona an’ i Joda, Ary Joda tsy handrafy an’ i Efraima.
Isai Mg1865 11:14  Fa hipaoka ny tanin’ ny Filistina any andrefana ireo sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; amin’ i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tanany, ary ny taranak’ i Amona hanoa azy.
Isai Mg1865 11:15  Ary Jehovah handritra ny sakeli-dranomasina Egyptiana ary haninjitra ny tànany amin’ ny ony ka hamely azy amin’ ny rivony mahamay Ka hampisaraka azy hisampana fito Ary hahatafita ny olona tsy miala kapa.
Isai Mg1865 11:16  Ary hisy lalana voavoatra halehan’ ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an’ ny Isiraely tamin’ ny andro niakarany avy tany amin’ ny tany Egypta.
Chapter 12
Isai Mg1865 12:1  Ary hiteny ianao amin’ izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao.
Isai Mg1865 12:2  Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy.
Isai Mg1865 12:3  Koa amin’ ny fifaliana no hantsakanareo rano amin’ ny loharanom-pamonjena.
Isai Mg1865 12:4  Ary hiteny ianao amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an’ i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany.
Isai Mg1865 12:5  Mankalazà an’ i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; Ary aoka ho fantatra any amin’ ny tany rehetra izany.
Isai Mg1865 12:6  Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona; Fa lehibe ao afovoanao ny Iray Masin’ ny Isiraely.
Chapter 13
Isai Mg1865 13:1  Faminaniana hitan’ Isaia, zanak’ i Amoza, ny amin’ ny loza hanjo an’ i Babylona.
Isai Mg1865 13:2  Manangàna faneva eo an-tampon’ izay tendrombohitra mangadihady ianareo, manandrata feo hiantso azy, hofay tanana izy hiditra amin’ ny vavahadin’ ireo mpanapaka.
Isai Mg1865 13:3  Izaho efa nandidy ny nohamasiniko, eny, efa niantso ny lehilahy maheriko aho, dia ireo mibitaka amim-pireharehana, hahatanteraka ny fahatezerako.
Isai Mg1865 13:4  Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra, tahaka ny an’ ny vahoaka be! Dia ny fitabataban’ ny fanjakan’ ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon’ ny maro, no manomana miaramila hiady,
Isai Mg1865 13:5  Izay avy any amin’ ny tany lavitra, any amin’ ny faravodilanitra, dia Jehovah sy ireo fitaovan’ ny fahatezerany, ho enti-mandrava ny tany rehetra.
Isai Mg1865 13:6  Midradradradrà ianareo, fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ ny Tsitoha no fihaviny.
Isai Mg1865 13:7  Ary noho izany dia hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho kivy ny fon’ ny zanak’ olombelona rehetra;
Isai Mg1865 13:8  Ho toran-kovitra izy; Fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy, ka hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy; samy ho talanjona izy ka hifampijery; Mitarehin-delafo ny tarehiny.
Isai Mg1865 13:9  Indro, avy ny andron’ i Jehovah, dia loza sy fahavinirana ary firehetan’ ny fahatezerana hanafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao.
Isai Mg1865 13:10  Fa ny kintan’ ny lanitra, na dia ireo Telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany; ny masoandro ho maizina amin’ ny iposahany; Ary ny volana tsy hangarangarana.
Isai Mg1865 13:11  Ary hatsingeriko amin’ izao tany rehetra izao ny faharatsiany, sy amin’ ny ratsy fanahy ny helony; Ary hatsahatro ny fireharehan’ ny mpiavonavona, Ary haetriko ny fiavonavonan’ ny mpampahory.
Isai Mg1865 13:12  Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza.
Isai Mg1865 13:13  Ary noho izany dia hampihorohoroiko ny lanitra, ary ny tany hientanentana hiala amin’ ny fitoerany noho ny fahatezeran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, sy noho ny andro firehetan’ ny fahatezerany.
Isai Mg1865 13:14  Ary ho tahaka ny gazela hazaina ny olona, sy ho tahaka ny ondry aman’ osy tsy misy mpamory, ka dia samy ho lasa any amin’ ny fireneny avy izy, eny, samy handositra ho any amin’ ny taniny avy izy.
Isai Mg1865 13:15  Izay rehetra azo dia holefonina, ary izay rehetra tratra dia ho lavon’ ny sabatra.
Isai Mg1865 13:16  Ary ny zanany madinika hotorotoroina eo imasony; Ny tranony hobaboina, ary ny vadiny hosavihina.
Isai Mg1865 13:17  Indro, hamporisihiko hamely azy ny Mediana, izay manao ny volafotsy tsy ho zavatra ary tsy mankamamy ny volamena.
Isai Mg1865 13:18  Ny tsipìkany handripaka ny zatovo, ary izay ateraky ny kibo tsy hamindrany fo, eny, na dia ny zaza aza tsy hiantran’ ny masony.
Isai Mg1865 13:19  Ary Babylona, ravaky ny fanjakana maro Tabiha sy reharehan’ ny Kaldeana, Dia ho rava tahaka ny nandravan’ Andriamanitra an’ i Sodoma sy Gomora;
Isai Mg1865 13:20  Tsy honenana mandrakizay izy ary tsy hitoerana intsony hatramin’ ny taranaka fara mandimby, Tsy hisy Arabo hanorin-day any, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny any;
Isai Mg1865 13:21  Fa ny bibi-dia any an-efitra no hitoetra any, ho feno vorondolo ny tranony, ny ostritsa no hitoetra any, ary ny osilahy no hitsambikimbikina any,
Isai Mg1865 13:22  Ny kary no hifampierena ao an-tranobeny, ary ny amboadia ao amin’ ny lapa nanaranam-po; efa antomotra ny fotoany, ary ny androny tsy hatao ela.
Chapter 14
Isai Mg1865 14:1  Fa Jehovah hamindra fo amin’ i Jakoba, ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin’ ny taniny; ary ny vahiny hikambana aminy, ary ny taranak’ i Jakoba ho namany
Isai Mg1865 14:2  Dia haka azy ny firenena ka hanatitra azy hody; ary ny taranak’ Isiraely hanana azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny ao amin’ ny tanin’ i Jehovah; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy; ary hampanompo izay nampahory azy.
Isai Mg1865 14:3  Ary amin’ ny andro hanomezan’ i Jehovah fitsaharana anao ho afaka amin’ ny fahorianao sy ny fitebitebin’ ny fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao,
Isai Mg1865 14:4  dia hataonao izao oha-teny ny amin’ ny mpanjakan’ i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny, tsy ao intsony ilay tanàna volamena!
Isai Mg1865 14:5  Jehovah efa nanapatapaka ny tehin’ ny ratsy fanahy. Dia ny tehina fanapahan’ ny mpanapaka,
Isai Mg1865 14:6  Izay namely firenena tamin’ ny fahatezerana, tamin’ ny famelezana tsy nanam-pitsaharana, sady nampanompo firenena tamin’ ny fahatezerana, tamin’ ny fanenjehana tsy misy antra.
Isai Mg1865 14:7  Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; Velominy ao ny hoby,
Isai Mg1865 14:8  Eny, ny hazo kypreso sy ny sedera any Libanona hifaly anao hoe: Hatrizay niambohoanao izay dia tsy nisy mpikapa niakatra tatỳ aminay.
Isai Mg1865 14:9  Taitra ny fiainan-tsi-hita any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin’ ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy rehetra tambonin’ ny tany; Aingainy hiala amin’ ny seza fiandrianana ny mpanjakan’ ny firenena rehetra.
Isai Mg1865 14:10  Izy rehetra samy hiteny aminao hoe: Hay! ianao koa mba efa osa tahaka anay! Efa tonga tahaka anay ianao!
Isai Mg1865 14:11  Efa navarina ho etỳ amin’ ny fiainan-tsi-hita ny tabihanao mbamin’ ny feon’ ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao.
Isai Mg1865 14:12  Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik’ andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin’ ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.
Isai Mg1865 14:13  Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin’ ny kintan’ Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho;
Isai Mg1865 14:14  Hiakatra ho any ambonin’ ny havoan’ ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra;
Isai Mg1865 14:15  Kanjo hampidinina hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ho any ampara-vodilavaka ianao.
Isai Mg1865 14:16  Izay mahita anao hibanjina anao sy hihevitra anao hoe: Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana
Isai Mg1865 14:17  Ary nanao izao tontolo izao ho efitra sy nandrava ny tanànany Ary tsy nandefa ny mpifatotra hody?
Isai Mg1865 14:18  Ny mpanjaka rehetra amin’ ny firenena samy mandry amin’ ny voninahitra avokoa, ary samy ao am-pasany avy;
Isai Mg1865 14:19  Fa ianao kosa dia nariana niala lavitra ny fasanao, tahaka ny solofon-kazo ratsy izay ariana, sady voatsindrin’ ny fatin’ ny voavono ianao, dia ireo voatrabaky ny sabatra, ka midìna ho ao amin’ ny vato ao an-davaka, tahaka ny faty hitsakitsahin’ ny tongotra.
Isai Mg1865 14:20  Tsy halevina tahaka ireny ianao, satria efa nanimba ny taninao sady efa namono ny olonao; tsy hotononina mandrakizay ny taranaky ny mpanao ratsy!
Isai Mg1865 14:21  Manamboara famonoana hamelezana ny zanany noho ny heloky ny razany; tsy hitsangana hanana ny tany izy, Na hanorina tanana eran’ izao tontolo izao.
Isai Mg1865 14:22  Fa hitsangana hamely azy aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary hofoanako ny anaran’ i Babylona sy izay sisa ao mbamin’ ny zanany sy ny taranany, hoy Jehovah.
Isai Mg1865 14:23  Ary hataoko fonenan’ ny sokina sy fihandronan’ ny rano izy, ary hofafako kifafa fandringanana izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Isai Mg1865 14:24  Jehovah, Tompon’ ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy,
Isai Mg1865 14:25  Dia ny hanorotoro ny Asyriana ao amin’ ny taniko, ary ny hanitsakitsaka azy eny an-tendrombohitro; ny zioga fitondrany dia hiala amin’ ireo, ary ny entany ho afaka amin’ ny sorony
Isai Mg1865 14:26  Izany no fikasana ny amin’ ny tany rehetra, ary izany no tanana ahinjitra amin’ ny firenena rehetra.
Isai Mg1865 14:27  Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no efa nikasa, ka iza indray no hahafoana izany? Ary ny tànany dia voahinjitra, ka iza no hampihemotra izany?
Isai Mg1865 14:28  Tamin’ ny taona nahafatesan’ i Ahaza mpanjaka no nisy izao faminaniana ny loza hanjo izao:
Isai Mg1865 14:29  Aza mifaly, ry Filistia rehetra, saingy tapaka ny tsorakazo namely anao; fa avy ao an-kibon’ ny bibilava no hihavian’ ny menarana, ary ny aterany ho tonga menaran’ afo manidina.
Isai Mg1865 14:30  Ny faraidina indrindra hihinana, ary ny mahantra handry fahizay; Fa hataoko maty mosary kosa izay tsy ringana aminao, eny, izay sisa aminao ho matiny.
Isai Mg1865 14:31  Midradradradrà, ry vavahady, ary mitaraina, ry tanàna; Aoka ho ketraka avokoa ianao, ry Filistia! Fa misy setroka mitranga avy any avaratra, ary tsy misy miala amin’ ny laharany akory ny miaramilany.
Isai Mg1865 14:32  Ary inona moa no valiny ho entin’ ny iraky ny jentilisa? Izao: Jehovah efa nanorina an’ i Ziona, ary ao no hialofan’ izay olony ory.
Chapter 15
Isai Mg1865 15:1  Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Moaba. Fa tamin’ ny indray alina no nandravana an’ i Ara-moaba, ka fongotra izy; Fa tamin’ ny indray alina no nandravana an’ i Kira-moaba, ka fongotra izy;
Isai Mg1865 15:2  Miakatra ho ao amin’ ny tempoly sy ho ao Dibona ny olona, dia ao amin’ ny fitoerana avo, mba hitomany; any Nebo sy Medeba no idradradradran’ i Moaba; Mibory ny loha rehetra; Voaharatra ny somotra rehetra.
Isai Mg1865 15:3  Eny an-dalambe dia misikìna lamba fisaonana izy; eny an-tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy, eny, mijohy ny ranomasony.
Isai Mg1865 15:4  Ary mitaraina Hesbona sy Elale, ka re hatrany Jahaza ny feony, ary noho izany dia miantso mafy ny miaramilan’ i Moaba, Mangovitra ny fanahiny ao anatiny.
Isai Mg1865 15:5  Ny foko mitaraina noho ny amin’ i Moaba; Ny mandositra avy ao dia tonga hatrany Zoara sy Egleta-selisia; fa miakatra mitomany ao amin’ ny fiakarana Lohita izy sy midradradradra amin’ ny famoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima.
Isai Mg1865 15:6  Fa Nimrima tsara rano dia tonga karankaina; maina ny ahitra, malazo ny zava-maniry, ka tsy misy zava-maitso intsony.
Isai Mg1865 15:7  Ary amin’ izany ny harena be izay nohariny ny entany izay mbola voatahiriny dia entiny ho any am-pitan’ ny lohasahan-driaky ny hazomalahelo.
Isai Mg1865 15:8  Fa ny fitarainany manodidina ny sisin’ i Moaba, re hatrany Eglaima ny fidradradradrany Eny, re hatrany Ber-elima ny fidradradradrany.
Isai Mg1865 15:9  Fa ny ranon’ i Dimona dia feno rà; fa mbola hampiako ny loza manjo an’ i Dimona, dia liona handrapaka izay efa mandositra avy any Moaba, sy handany izay sisa amin’ ny tany.
Chapter 16
Isai Mg1865 16:1  Atero ny zanak’ ondrin’ ny mpanapaka ny tany, dia miala an’ i Sela ka mamaky ny efitra hatramin’ ny tendrombohitr’ i Ziona zanakavavy.
Isai Mg1865 16:2  Ary tahaka ny vorona notairina niala tamin’ ny akaniny ka mirenireny foana, dia ho toy izany ny zanakavavin’ i Moaba ao amin’ ny fitàna any Arnona.
Isai Mg1865 16:3  Manolora saina, manomeza rariny ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin’ ilay andro mitataovovonana iny aza; Afeno izay voaroaka, Ary aza aseho izay mandositra!
Isai Mg1865 16:4  Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka; Ary aoka ho fieren’ i Moaba ianao, mba tsy ho azon’ ny mpandringana izy; Fa tsy misy intsony ny mpampahory, tapitra ny loza, tsy misy amin’ ny tany intsony ny mpanosihosy.
Isai Mg1865 16:5  Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin’ ny famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy amin’ ny fahamarinana ao an-dain’ i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny.
Isai Mg1865 16:6  Efa renay ny fiavonavonan’ i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fihoa-bavany ary ny fibedibediny foana.
Isai Mg1865 16:7  Ary noho izany dia ho indray midradradradra Moaba, eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; Fa hitomany ny ampempam-boalobok’ i Kira-haresa ianareo ka ho ory indrindra.
Isai Mg1865 16:8  Fa malazo avokoa ny sahan’ i Hesbona sy ny voalobok’ i Sibma, norantsanan’ ny andrian’ ny firenena ny sakeliny, tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-efitra izy, ny sampany nandadilady ka tafita ny ranomasina.
Isai Mg1865 16:9  Koa izany no hitomaniako ny voalobok’ i Sibma, toy ny fitomanian’ i Jazera, handena anao amin’ ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale; fa mihatra amin’ ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana.
Isai Mg1865 16:10  Ny hafaliana sy ny haravoravoana efa nesorina tamin’ ny saha mahavokatra, ka tsy hisy hoby na horakoraka ao amin’ ny tanim-boaloboka; Ny mpanosihosy tsy hanosihosy divay intsony ao amin’ ny famiazana; Efa natsahatro ny fihobiana amin’ ny fararano.
Isai Mg1865 16:11  Ary noho izany ny tsinaiko dia mitaraina manao feon-dokanga noho ny amin’ i Moaba, ary ny ato anatiko noho ny amin’ i Kira-haresa.
Isai Mg1865 16:12  Ary rehefa miseho Moaba ka sasatra ao amin’ ny fitoerana avo. Ary mankao amin’ ny fitoerany masìna mba hivavaka, dia tsy hahazo na inona na inona izy.
Isai Mg1865 16:13  Izany no tenin’ i Jehovah nataony fahiny ny amin’ i Moaba.
Isai Mg1865 16:14  Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin’ ny telo taona, tahaka ny taonan’ ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr’ i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany; ary izay sisa dia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro.
Chapter 17
Isai Mg1865 17:1  Indro, Damaskosy, dia rava tsy ho tanàna intsony, eny, tonga korontam-bato izy.
Isai Mg1865 17:2  Efa lao ny tanànan’ i Aroera ka ho an’ ny andian’ ny ondry aman’ osy, handry ao ireo, ka tsy hisy hanaitaitra azy,
Isai Mg1865 17:3  Ary tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy; Ary izay sisa amin’ i Syria dia hitovy voninahitra amin’ ny Zanak’ Isiraely; Hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Isai Mg1865 17:4  Ary amin’ izany andro izany dia hihena ny voninahitr’ i Jakoba, ary hihena ny hataviny.
Isai Mg1865 17:5  Ary ho tahaka ny fanangon’ ny olona ny vary an-tahony amin’ ny fararano izany, ka tangosan’ ny sandriny ny salohim-bary; Eny, ho tahaka ny fanangon’ ny olona salohim-bary eny amin’ ny lohosahan’ ny Refaïta;
Isai Mg1865 17:6  Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy tahaka ny amin’ ny fikapohana ny hazo oliva: Hisy voany roa na telo ao an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy ao amin’ ny rantsan’ ny hazo mahavokatra, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
Isai Mg1865 17:7  Amin’ izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin’ ny Isiraely,
Isai Mg1865 17:8  Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan’ ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon’ ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha, na ny tsangankazo ho an’ ny masoandro.
Isai Mg1865 17:9  Amin’ izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho tahaka ny tany lao any an’ ala na any an-tampon-tendrombohitra Izay nilaozan’ ny olona teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely, ka dia ho foana ny tany.
Isai Mg1865 17:10  Fa nanadino an’ Andriamanitry ny famonjena anao ianao ary tsy nahatsiaro ny vatolampy fiarovana mafy ho anao, ka dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-boaloboka avy amin’ ny firenena hafa no nambolenao teo;
Isai Mg1865 17:11  Tamin’ ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, ary nony maraina dia nampitsimohinao ilay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany ho amin’ ny andro fangirifiriana sy fanaintainana tsy azo sitranina.
Isai Mg1865 17:12  Indrisy ny fihahohahon’ ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny feon’ ny ranomasina! Indrisy ny firohondrohon’ ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon’ ny rano manonja ny firohondrohony!
Isai Mg1865 17:13  Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon’ ny rano be ny firenena; kanefa hotezerana mafy izy, ka dia handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin’ ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin’ ny tadio.
Isai Mg1865 17:14  Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran’ izay mamabo antsika sy tambin’ izay mandroba antsika.
Chapter 18
Isai Mg1865 18:1  Indrisy ny tany be fibiziziokan’ elatra! Izay any an-dafin’ ny onin’ i Etiopia,
Isai Mg1865 18:2  Izay mampandeha iraka eny ambonin’ ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin’ ny rano, ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka faingam-pandeha, ho any amin’ ny firenena lava tsanganana sady mandimandina, any amin’ ny olona mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany, dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, izay vakin’ ny ony maro ny taniny.
Isai Mg1865 18:3  Ry mponina rehetra amin’ izao tontolo izao sy mpitoetra etỳ ambonin’ ny tany! Raha misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy anjomara tsofina, dia mihainoa.
Isai Mg1865 18:4  Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko hangina Aho aloha ka hijery eto amin’ ny fitoerako, raha mbola mipoaka tsara ny hainandro, ary misy zavona amin’ ny hainandro fararano.
Isai Mg1865 18:5  Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, ka efa mby am-boany ny voniny, dia horantsanany amin’ ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny.
Isai Mg1865 18:6  Dia hafoy avokoa izy ho an’ ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an’ ny biby eny ambonin’ ny tany; ary ny vorona mpihaza handany fahavaratra any; Ary ny biby rehetra ambonin’ ny tany handany ririnina any.
Isai Mg1865 18:7  Amin’ izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia firenena lava tsanganana sady mandimandina, ary avy amin’ ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, Izay vakin’ ny ony maro ny taniny ho ao amin’ ny fitoeran’ ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona.
Chapter 19
Isai Mg1865 19:1  Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; Ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany, ary ny fon’ i Egypta dia ketraka ao anatiny.
Isai Mg1865 19:2  Ary hamporisihiko hiady izy samy Egyptiana, ka samy hiady amin’ ny rahalahiny avy sy amin’ ny namany avy izy; Ny tanàna hiady amin’ ny tanàna, ary ny fanjakana amin’ ny fanjakana.
Isai Mg1865 19:3  Ary ho very hevitra ny Egyptiana; Eny, hofoanako ny saina ataony; Ary hila saina amin’ ny andriamani-tsi-izy sy amin’ ny mpibitsibitsika amin’ ny odiny izy sy amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra ary amin’ ny mpanao sikidy.
Isai Mg1865 19:4  Ary Egypta dia hatolotro hogiazana amin’ izay fitondrana mafy, ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Isai Mg1865 19:5  Ny rano amin’ ny ranomasina ho tankina, ary ny ony ho ritra ka ho maina;
Isai Mg1865 19:6  Ho maimbo ny sampantsampan’ ny ony; Ary ny lahin-dranon’ i Egypta hihena ka ho maina; Ny volotara sy ny zozoro halazo;
Isai Mg1865 19:7  Ny tany eny amoron’ i Neily sy ny tanimbary rehetra eny amoron’ i Neily samy ho maina sy hanjary vovoka ka tsy ho eo intsony.
Isai Mg1865 19:8  Dia hitomany ny mpaka hazandrano, ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily, Ary ho reraka ny mpandatsaka harato amin’ ny rano.
Isai Mg1865 19:9  Ho very fanantenana izay mandraotra rongony amin’ ny fihogo sy izay manenona hariry.
Isai Mg1865 19:10  Ny andrin’ ny tany ho torotoro, ary ny mpikarama rehetra halahelo.
Isai Mg1865 19:11  Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; Hevi-poana no avoak’ izay hendry indrindra amin’ ny mpanolotsain’ i Farao; Ahoana no ilazanareo amin’ i Farao hoe: Zanak’ olon-kendry aho sady taranak’ ireo mpanjaka fahagola?
Isai Mg1865 19:12  Aiza ary ireo olon-kendrinao ireo? Aoka hanambara aminao izy, ary aoka ho fantany izay nokasain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, hatao amin’ i Egypta.
Isai Mg1865 19:13  Efa adala ny mpanapaka any Zoana, efa voafitaka ny mpanapaka any Memfisa; Ary efa nampivembena an’ i Egypta ireo fehizoron’ ny fireneny.
Isai Mg1865 19:14  Jehovah efa nampidina fanahy mampandraingiraingy teo Egypta; ka efa nampivembena azy tamin’ ny asany rehetra ireo, dia tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady mandoa.
Isai Mg1865 19:15  Samy tsy hahatontosa ny asany ny Egyptiana, na ny loha na ny rambo, na ny sampan-drofia na ny zozoro.
Isai Mg1865 19:16  Amin’ izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny faninjitr’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ny tànany, izay ahinjiny hamelezany azy.
Isai Mg1865 19:17  Ary ny tanin’ ny Joda dia ho fahatahoran’ i Egypta, ka na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy noho ny fikasan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izay kasainy ny amin’ ny hamelezana azy.
Isai Mg1865 19:18  Amin’ izany andro izany dia hisy tanana dimy amin’ ny tany Egypta samy hiteny ny fitenin’ i Kanana sy hianiana ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; Ny anankiray hatao hoe Ira-haresa.
Isai Mg1865 19:19  Amin’ izany andro izany dia hisy alitara ho an’ i Jehovah eo amin’ ny tany Egypta sy tsangam-bato eo an-tsisiny ho an’ i Jehovah.
Isai Mg1865 19:20  Ary ho famantarana sy vavolombelona ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ao amin’ ny tany Egypta izany; Fa hitaraina amin’ i Jehovah noho ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy.
Isai Mg1865 19:21  Ary Jehovah hanao izay hahafantaran’ ny Egyptiana Azy, ary ny Egyptiana kosa hahalala an’ i Jehovah amin’ izany andro izany; Dia hanompo Azy amin’ ny fanatitra alatsa-drà sy amin’ ny fanatitra hohanina izy ka hivoady amin’ i Jehovah sady hanefa ny voadiny.
Isai Mg1865 19:22  Ary Jehovah hamely ny Egyptiana, eny, fa sady hamely Izy no hanasitrana; Dia hiverina ho any amin’ i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy.
Isai Mg1865 19:23  Amin’ izany andro izany dia hisy lalambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka.
Isai Mg1865 19:24  Amin’ izany andro izany ny Isiraely no ho fahatelony amin’ i Egypta sy Asyria ho fitahiana eo amin’ ny tany;
Isai Mg1865 19:25  Fa hotahin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan’ ny tanako, ary Isiraely lovako.
Chapter 20
Isai Mg1865 20:1  Tamin’ ny taona nankanesan’ i Tartana tany Asdoda, raha nirahin’ i Sargona, mpanjakan’ i Asyria, izy ka namely an’ i Asdoda ary nahafaka azy,
Isai Mg1865 20:2  tamin’ izany andro izany no nampitondran’ i Jehovah teny an’ Isaia, zanak’ i Amoza, hoe: Andeha, borahy ny lamba fisaonana ho afaka amin’ ny valahanao, ary esory ny kiraronao hiala amin’ ny tongotrao. Dia nanao izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy nikiraro.
Isai Mg1865 20:3  Ary hoy Jehovah: Tahaka ny nandehanan’ Isaia mpanompoko telo taona sady tsy nitafy no tsy nikiraro mba ho famantarana sy ho fahagagana ny amin’ i Egypta sy Etiopia,
Isai Mg1865 20:4  dia ho toy izany no hitondran’ ny mpanjakan’ i Asyria ny Egyptiana ho babo sy ny Etiopiana ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr’ i Egypta.
Isai Mg1865 20:5  Ary ho raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely noho ny amin’ i Etiopia fanantenany sy Egypta reharehany.
Isai Mg1865 20:6  Ary amin’ izany andro izany ny mponina etỳ amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin’ ny mpanjakan’ i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika?
Chapter 21
Isai Mg1865 21:1  Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo ny Efitra Ranobe. Tahaka ny firimorimon’ ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin’ ny tany mahatahotra.
Isai Mg1865 21:2  Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.
Isai Mg1865 21:3  Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian’ ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany.
Isai Mg1865 21:4  Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako.
Isai Mg1865 21:5  Velarina ny latabatra, miambina ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona mitsangàna, ianareo lehibe, ka hosory ny ampinga!
Isai Mg1865 21:6  Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka holazainy.
Isai Mg1865 21:7  Dia nahita izy ka indreo mpitaingina manao andiany mandeha tsiroaroa sy boriky andiany ary rameva andiany. Ary nihaino izy, eny, nihaino dia nihaino;
Isai Mg1865 21:8  Dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin’ ny fitazanako nony antoandro, Ary mitoetra eto amin’ ny fiambenako aho mandritra ny alina;
Isai Mg1865 21:9  Koa, indreo, avy ny olona andiany, mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarin’ ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ ny tany.
Isai Mg1865 21:10  Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako ô! Izay efa reko tamin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no nambarako taminareo.
Isai Mg1865 21:11  Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Edoma. Misy miantso ahy any Seïra manao hoe: Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao?
Isai Mg1865 21:12  Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany ianareo, dia manontania ihany; ka avia, miverena.
Isai Mg1865 21:13  Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Arabia. Any an’ ala any Arabia no andrianareo, ry andian’ ny Dedanita.
Isai Mg1865 21:14  Itondrana rano ny mangetaheta; Ny mponina amin’ ny tany Tema mitsena hanina ny mandositra;
Isai Mg1865 21:15  Fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny havesatry ny ady.
Isai Mg1865 21:16  Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Ato anatin’ ny herintaona, tahaka ny taonan’ ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr’ i Kedara;
Isai Mg1865 21:17  Ary ny tsipìka sisa izay; an’ ny lehilahy mahery, taranak’ i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao efa niteny.
Chapter 22
Isai Mg1865 22:1  Faminaniana ny amin’ ny lohasahan’ ny Fahitana. Inona re izato manjo anareo, no dia miakatra eny an-tampon-trano avokoa ianareo,
Isai Mg1865 22:2  Ry ilay be horakoraka, tanàna be tabataba, vohitra miravoravo? Ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra, na maty an’ ady.
Isai Mg1865 22:3  Niara-nandositra ny lehibenao, nafatotra tsy amin-tsipìka izy; Izay rehetra hita tao aminao dia niara-nafatotra, na dia nitady handositra lavitra aza.
Isai Mg1865 22:4  Koa izany no anaovako hoe: Mihodìna tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy
Isai Mg1865 22:5  Fa ao amin’ ny lohasahan’ ny fahitana dia misy andron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, andro fitabatabana sy fanosihosena sy fahaverezan-kevitra, ary fandravana ny manda sy fidradradradrana manako hatrany an-tendrombohitra
Isai Mg1865 22:6  Ary Elama mitondra ny tranon-jana-tsipìka mbamin’ ny kalesy misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly; Ary Kira manaisotra ny fonon’ ampinga
Isai Mg1865 22:7  Izay tsara indrindra amin’ ny lohasahanao dia feno kalesy, ary ny mpitaingin-tsoavaly milahatra eo am-bavahady
Isai Mg1865 22:8  Dia alana ny fisalobonan’ i Joda, ary mijery ny fiadiana ao an-Tranoala ianao amin’ izany andro izany.
Isai Mg1865 22:9  Ary hilanareo fa banga be ihany ny tanànan’ i Davida; Ary mamory ny rano avy amin’ ny kamory ambany ianareo.
Isai Mg1865 22:10  Isainareo ny trano any Jerosalema, ka dia ravanareo ny trano ho enti-manamafy ny manda.
Isai Mg1865 22:11  Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan’ ny manda roa ianareo halenan ny rano avy amin’ ny kamory ela; Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao ianareo, na mahita Izay nikasa azy hatry ny fony ela.
Isai Mg1865 22:12  Ary amin’ izany andro izany Jehovah, Tompon’ ny maro, Hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.
Isai Mg1865 22:13  Kanjo he izato hafaliana sy halavoravoana! Sy famonoana omby sy ondry aman’ osy ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay! Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.
Isai Mg1865 22:14  Dia nambaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Isai Mg1865 22:15  Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Andeha mankao amin’ ilay mpanolo-tsaina io, dia ao amin’ i Sebna, lehiben’ ny ao an-dapa, ka ataovy hoe:
Isai Mg1865 22:16  Manao inona etỳ ianao, ary inonao moa no etỳ, No manao fasana etỳ ianao, dia manao fasana ho anao etỳ amin’ ny hantsana sy mandoaka fonenana ho anao etỳ amin’ ny harambato?
Isai Mg1865 22:17  Indro, Jehovah hanipy mafy anao, eny, hofiazany mafy ianao,
Isai Mg1865 22:18  Dia hovolavolainy toy ny kodiarana ka hahodiadiany ho any amin’ ny tany malalaka; Dia any no hahafaty anao, ary ho any koa ny kalesin’ ny voninahitrao ry ilay henatry ny mpianakavin’ ny tomponao.
Isai Mg1865 22:19  Ary horoahiko hiala amin’ ny fitoeranao ianao sy haongako hiala amin’ ny raharahanao
Isai Mg1865 22:20  Ary amin’ izany andro izany dia hantsoiko kosa Eliakima mpanompoko, zanak’ i Hilkia;
Isai Mg1865 22:21  Ary hampiakanjoiko azy ny akanjonao, sady hosikinako amin’ ny fehin-kibonao izy; Ka dia hatolotro eo an-tànany ny fanapahanao, ary dia ho tonga rain’ ny mponina eto Jerosalema sy ny taranak’ i Joda izy.
Isai Mg1865 22:22  Ary hapetrako eo an-tsorony ny fanala hidin’ ny tranon’ i Davida; Dia hamoha izy, ka tsy hisy handrindrina; Ary handrindrina izy, ka tsy hisy hamoha.
Isai Mg1865 22:23  Ary hatsatoko toy ny fihantonan-javatra eo amin’ ny fitoerana mafy izy ka ho sezam-boninahitra ho an’ ny mpianakavin-drainy.
Isai Mg1865 22:24  Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra, izay zanaka sy tera-drainy rehetra, dia ny fanaka madinita rehetra hatramin’ ny lovia ka hatramin’ ny siny samy hafa rehetra.
Isai Mg1865 22:25  Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, Dia hiala ilay fihantonan-javatra voatsatoka teo amin’ ny fitoerana mafy; Eny, hokapaina izy ka hianjera, dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; Fa Jehovah no efa niteny.
Chapter 23
Isai Mg1865 23:1  Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Tyro. Midradradradrà ianareo, ry sambon’ i Tarsisy ô! Fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy azo idirana intsony ao; Avy tany amin’ ny tany Kitima no nanambarana izany taminy.
Isai Mg1865 23:2  Mangìna, ianareo mponina amoron-tsiraka! Ny mpandranto avy any Sidona, Izay mandeha eny ambonin’ ny ranomasina, no efa nampanan-karena anao.
Isai Mg1865 23:3  Teny amin’ ny rano be ny varin’ i Sihora, dia ny vokatr’ i Neily, ka nampiditra harena ho azy; Ary tonga tsenan’ ny firenena izy.
Isai Mg1865 23:4  Aoka ho menatra ianao, ry Sidona; Fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, efa niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka, tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina.
Isai Mg1865 23:5  Rehefa re tany Egypta izany, Dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an’ i Tyro.
Isai Mg1865 23:6  Mità ho any Tarsisy ianareo; Midradradradrà, ry mponina amoron-tsiraka.
Isai Mg1865 23:7  Izao va no manjo anao, ry ilay niravoravo, izay efa naorina hatry ny fony fahagola sady nentin’ ny tongony hivahiny any lavitra any?
Isai Mg1865 23:8  Iza no nikasa izany hamelezana an’ i Tyro, mpanome satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin’ ny tany ny mpivarony.
Isai Mg1865 23:9  Jehovah, Tompon’ ny maro, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonan’ ny voninahitra rehetra, sy hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin’ ny tany.
Isai Mg1865 23:10  Ry Tarsisy zanakavavy, aoka ianao hanafotra ny taninao tahaka an’ i Neily; Fa tsy misy fifehezana intsony.
Isai Mg1865 23:11  Ny tànan’ i Jehovah nahifiny tambonin’ ny ranomasina; Nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa nandidy ny amin’ i Kanana, mba horavana ny fiarovany mafy.
Isai Mg1865 23:12  Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry virijina afa-baraka, Sidona zanakavavy; Miaingà, mità ho any Kitima; Kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory ianao.
Isai Mg1865 23:13  Indro ny tanin’ ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, fa nataon’ ny Asyriana fonenan’ ny bibi-dia any an-efitra; Manao tilikambo fitiliana izy ka mandrava ny lapan’ ny mpanjaka ao ary mampody azy ho korontam-bato.
Isai Mg1865 23:14  Midradradradrà ianareo, ry sambon’ i Tarsisy ô! Fa rava ny fiarovanareo mafy.
Isai Mg1865 23:15  Ary amin’ izany andro izany dia hohadinoina fito-polo taona Tyro, toy ny andron’ ny mpanjaka iray; Ary rehefa afaka fito-polo taona, Tyro dia hiharan’ ilay tonon-kalon’ ny janga manao hoe:
Isai Mg1865 23:16  “Makà lokanga, ka miveziveze eran’ ny tanàna ianao, ry kala janga hadino; Mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, mba hahatsiarovana anao.”
Isai Mg1865 23:17  Ary rehefa afaka fito-polo taona, Jehovah hamangy an’ i Tyro, ka dia hiverina amin’ ny filan-tangy izy sy hijangajanga amin’ ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao.
Isai Mg1865 23:18  Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an’ i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany; Fa ny varony dia ho an’ izay mitoetra eo anatrehan’ i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika.
Chapter 24
Isai Mg1865 24:1  Indro, Jehovah mahafoana ny tany ka mahalao azy ary mampihohoka azy ka manely izay mponina ao aminy.
Isai Mg1865 24:2  Koa ho sahala ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny tompovavy sy ny mpanompovaviny, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampisambotra sy ny mpisambotra, ny mpampanàna vola sy ny mpanana vola.
Isai Mg1865 24:3  Hatao foana dia foana ny tany, ary hobaboina dia hobaboina tokoa izy, fa Jehovah no efa niteny.
Isai Mg1865 24:4  Misaona sy malazo ny tany; Milofika sy malazo izao tontolo izao; Milofika ny lehibe indrindra amin’ ny olona etỳ an-tany.
Isai Mg1865 24:5  Ary ny tany dia efa voavetavetan’ ny mponina ao aminy, satria nandika ny lalàna sy nanota ny didy izy ary nivadika ny fanekena mandrakizay.
Isai Mg1865 24:6  Ary noho izany dia ozona no mandevona ny tany, ary ny mponina ao dia valiana noho ny helony, sady voadotra ny mponina amin’ ny tany ka dia olona vitsy foana no sisa ao.
Isai Mg1865 24:7  Misaona ny ranom-boaloboka, milofika ny taro-boaloboka, misento avokoa ilay nifaly am-po;
Isai Mg1865 24:8  Mitsahatra ny firavoravoana amin’ ny ampongatapaka, tapitra ny fitabataban’ ny niravoravo; Mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga;
Isai Mg1865 24:9  Tsy mihira eo am-pisotroan-divay intsony izy, mangidy amin’ izay misotro azy ny toaka;
Isai Mg1865 24:10  Rava ny tanana be fikorontanana, mirindrina ny trano rehetra ka tsy azo idiran’ olona;
Isai Mg1865 24:11  Misy fitarainana divay eny an-tsaha, tafalentika toy ny masoandro ny fifaliana rehetra; Voaroaka ny faharavoravoan’ ny tany.
Isai Mg1865 24:12  Fahafoanana ihany no sisa ao an-tanàna, satria rava sady montsamontsana ny vavahady,
Isai Mg1865 24:13  Fa ao amin’ ny tany, ao amin’ ny olona, dia hisy toy ny amin’ ny fikapohana hazo oliva sy ny fitsimpontsimponam-boaloboka, rehefa tapitra ny andro fiotazana azy.
Isai Mg1865 24:14  Ireo dia hanandratra ny feony ka hihoby; Noho ny fahalehibiazan’ i Jehovah dia hiantso mafy eny amin’ ny ranomasina izy hoe:
Isai Mg1865 24:15  Mankalazà an’ i Jehovah any amin’ ny tany atsinanana, dia ny anaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any amin’ ny amoron-dranomasina.
Isai Mg1865 24:16  Hatrany am-paran’ ny tany no nandrenesanay hira hoe: Voninahitra ho an’ ny marina. Fa hoy izaho: Indrisy izato halevonako! Indrisy ity halevonako! Ny mpamitaka dia mamitaka; Eny, ny mpamitaka dia mamitaka fatratra.
Isai Mg1865 24:17  Tahotra sy longoa ary fandrika no mahazo anao, ry mponina amin’ ny tany.
Isai Mg1865 24:18  Ary izay mandositra noho ny fandrenesana ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy ao anatin’ ny lavaka dia ho voan’ ny fandrika; Fa misy varavarana mivoha any amin’ ny avo, ary mihorohoro ny fanorenan’ ny tany.
Isai Mg1865 24:19  Rava dia rava ny tany; Mitresaka dia mitresaka ny tany; Mihorohoro dia mihorohoro ny tany;
Isai Mg1865 24:20  Mivembena dia mivenbena tahaka ny mamo ny tany ka mitsingevaheva toy ny fandriana mihantona; ary mitambesatra aminy ny fahadisoany, dia potraka izy ka tsy ho tafarina intsony.
Isai Mg1865 24:21  Ary amin’ izany andro izany dia any an-danitra no hamalian’ i Jehovah ny antokon’ ny lanitra, ary etỳ an-tany kosa ny mpanjakan’ ny tany.
Isai Mg1865 24:22  Dia hangonina ao an-davaka tahaka ny mpifatotra ireny ka hohidiana ao an-trano-maizina, ary rehefa afaka andro maro, dia hovangiana ihany izy.
Isai Mg1865 24:23  Dia hivoara-mena ny volana, ary hivaloarika ny masoandro, fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no Mpanjaka ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema, ary eo anatrehan’ ny loholony dia misy voninahitra.
Chapter 25
Isai Mg1865 25:1  Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin’ ny ela sady mahatoky no marina indrindra.
Isai Mg1865 25:2  Fa efa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; Ny tanàna mimanda dia rava tokoa; Ny lapan’ ny fahavalo dia nataonao tsy vanon-ko tanàna; Tsy hatsangana intsony mandrakizay iny;
Isai Mg1865 25:3  Ka dia hankalaza Anao ny firenena masiaka, Hatahotra Anao ny tanànan’ ny firenena lozabe.
Isai Mg1865 25:4  Fa fiarovana mafy ho an’ ny reraka Hianao, eny, fiarovana mafy ho an’ ny malahelo amin’ ny fahoriany, fierena amin’ ny ranonoram-baratra, fialokalofana amin’ ny hainandro, fa ny rivotry ny mahery dia tahaka ny ranonorana mifafy mamely ny ampiantany.
Isai Mg1865 25:5  Tahaka ny fandresinao ny hainandro izay mamely ny tany karankaina no andresenao ny fitabataban’ ny firenena hafa; Eny, tahaka ny amin’ ny hainandro resin’ ny aloky ny rahona matevina no andresena ny fanakoran’ ny olon-dozabe.
Isai Mg1865 25:6  Ary Jehovah, Tompon’ ny maro, dia hanao fanasana ho an’ ny firenena rehetra eto amin’ ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin’ ny zavatra matavy, fanasana amin’ ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara.
Isai Mg1865 25:7  Ary hofoanany eto amin’ ity tendrombohitra ity, ny sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny firenena rehetra.
Isai Mg1865 25:8  Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin’ ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.
Isai Mg1865 25:9  Ary holazaina amin’ izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehovah, Izay nandrasan-tsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ ny famonjeny isika.
Isai Mg1865 25:10  Fa hipetraka amin’ ity tendrombohitra ity ny tànan’ i Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao amin’ izay itoerany, dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin’ ny rano ao am-pahitra;
Isai Mg1865 25:11  Ary ireo dia hamelatra ny tanany eo ampovoan’ izany, tahaka ny famelatry ny mpilomano ny tanany raha milomano; Fa Jehovah kosa hampietry ny fiavonavonany, na dia kanto aza ny fahamailamailaky ny tànany.
Isai Mg1865 25:12  Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin’ ny tany, dia hatramin’ ny vovoka.
Chapter 26
Isai Mg1865 26:1  Amin’ izany andro izany dia hohiraina eto amin’ ny tanin’ ny Joda izao fihirana izao: Manana tanàna mafy isika; Famonjena no hotendren’ i Jehovah ho manda sy fiarovana.
Isai Mg1865 26:2  Vohay ny vavahady, mba hidiran’ ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.
Isai Mg1865 26:3  Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin’ ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
Isai Mg1865 26:4  Matokia an’ i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.
Isai Mg1865 26:5  Fa naetriny ny mponina avo toerana; Ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin’ ny tany ka: azerany ho amin’ ny vovoka.
Isai Mg1865 26:6  Hitsahin’ ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian’ ny mahantra.
Isai Mg1865 26:7  Voaravona ny lalan’ ny marina: Eny, aravonao ho marina indrindra ny alehan’ ny marina.
Isai Mg1865 26:8  Koa amin’ ny lalan’ ny fitsaranao, Jehovah ô, no iandrasanay Anao, ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin’ ny fanahinay.
Isai Mg1865 26:9  Amin’ ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’ izao tontolo izao.
Isai Mg1865 26:10  Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; Eny, na dia ao amin’ ny tanin’ ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan’ i Jehovah.
Isai Mg1865 26:11  Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren’ ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin’ ny olonao, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao.
Isai Mg1865 26:12  Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.
Isai Mg1865 26:13  Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.
Isai Mg1865 26:14  Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.
Isai Mg1865 26:15  Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.
Isai Mg1865 26:16  Jehovah ô, nony azom-pahoriana izy, dia nitady Anao; Nony niharan’ ny famaizanao izy, dia nanao vavaka anakampo.
Isai Mg1865 26:17  Tahaka izay bevohoka efa madiva hiteraka ka miolanolana sy mitaraina noho ny faharariany, dia tahaka izany izahay teo imasonao, Jehovah ô,
Isai Mg1865 26:18  Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, Efa tahaka ny nitera-drivotra izahay; Tsy nahavita famonjena ho an’ ny tany izahay, ka tsy niteraka ny mponina amin’ izao tontolo izao.
Isai Mg1865 26:19  Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin’ ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin’ ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon’ ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty.
Isai Mg1865 26:20  Mandehana, ry oloko, midìra ao amin’ ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso monja Mandra-pahalasan’ ny fahatezerana.
Isai Mg1865 26:21  Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin’ ny fitoerany hamaly ny mponina amin’ ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.
Chapter 27
Isai Mg1865 27:1  Amin’ izany andro izany ny sabatr’ i Jehovah, izay mafy sady lehibe no mahery, no ho entiny mamaly ny leviatana, dia ilay menarana mandositra, sy ny leviatana, dia ilay menarana miforoporotra, Ary hovonoiny ilay dragona ao an-dranomasina.
Isai Mg1865 27:2  Amin’ izany andro izany no hihiranareo ny amin’ ny tanim-boaloboka ahazoana divay mahery hoe:
Isai Mg1865 27:3  Izaho Jehovah no mpiaro io; Isaky ny indray mipi-maso no andemako azy, Fandrao misy manimba azy; Na andro na alina dia miaro azy aho.
Isai Mg1865 27:4  Tsy misy fahatezerana ato amiko; Enga anie ka hisy hery sy tsilo eto anatrehako hiadiako. Dia hiroatako ireo ka hodorako avokoa!
Isai Mg1865 27:5  Fa raha tsy izany, dia aoka hifikitra amin’ ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; Eny, aoka hihavana amiko izy.
Isai Mg1865 27:6  Amin’ ny andro ho avy dia hamaka tsara Jakoba; Ary Isiraely hamony sy hitsimoka ka hameno izao tontolo izao amin’ ny fahavokarany.
Isai Mg1865 27:7  Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no moa namelezany azy koa? Ary tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa?
Isai Mg1865 27:8  Tamin’ ny nandroahany azy dia voafetra no niadiany taminy; Nokororohiny tamin’ ny rivony mahery izy tamin’ ny andron’ ny rivotra avy any atsinanana.
Isai Mg1865 27:9  Ka izao no hamelana ny helok’ i Jakoba, Ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia amin’ ny anaovany ny vato rehetra amin’ ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny Aseraha sy ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.
Isai Mg1865 27:10  Fa ho foana ny tanàna mimanda, ka dia ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny efitra: Ao no hihinanan’ ny zanak’ omby, ary ao no handriany sy handaniany ny rantsan-kazony.
Isai Mg1865 27:11  Raha malazo ny rantsany, dia hotapatapahina, ka ho avy ny vehivavy hitaina azy, satria firenena tsy manam-pahalalana izy, dia tsy hiantra azy ny Mpanao azy, ary tsy hamindra fo aminy ny Mpamorona azy.
Isai Mg1865 27:12  Ary amin’ izany andro izany dia hisy fampihintsanana ataon’ i Jehovah hatramin’ ny ony mandriaka ka hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta; Ary ianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak’ Isiraely.
Isai Mg1865 27:13  Ary amin’ izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin’ ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin’ ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan’ i Jehovah ao amin’ ny tendrombohitra masìna any Jerosalema.
Chapter 28
Isai Mg1865 28:1  Lozan’ ny satro-boninahitra, izay reharehan’ ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin’ ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ ny lohasaha lonaky ny fileon-divay.
Isai Mg1865 28:2  Indro, ny Tompo manana izay mahery sady matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; Koa tahaka ny fandriaky ny rano be manafotra no hanjerany azy mafy ho amin’ ny tany.
Isai Mg1865 28:3  Dia hohitsahin’ ny tongotra ny satro-boninahitra, Izay reharehan’ ny mpimamo any Efraima.
Isai Mg1865 28:4  Ary ny voninkazo mihamalazo amin’ ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ ny lohasaha lonaka, dia ho tahaka ny voan’ aviavy mialin-taona, raha tsy mbola tonga ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mijery, ary raha vao raisiny, dia arapany.
Isai Mg1865 28:5  Ary amin’ izany andro izany Jehovah, Tompon’ ny maro, dia ho satro-boninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an’ ny olony sisa,
Isai Mg1865 28:6  Ary ho fanahy fitsarana ho an’ izay mipetraka eo amin’ ny fitsarana, sy ho hery ho an’ izay mampiverina ny ady hatreo am-bavahady.
Isai Mg1865 28:7  Nefa ireo koa dia miraingiraingy azon’ ny divay ary mivembena azon’ ny toaka; Ny mpisorona sy ny mpaminany miraingiraingy azon’ ny toaka; Resin’ ny divay ireo; Mivembena azon’ ny toaka izy; Miraingiraingy amin’ ny fahitana izy ary midoladola eo amin’ ny fitsarana.
Isai Mg1865 28:8  Fa feno loa sy loto ny latabatra rehetra, ka efa tsy misy madio hitoerana.
Isai Mg1865 28:9  Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hampahafantariny fianarana? Zaza vao notazana va? Ny vao nitsaha-nono va?
Isai Mg1865 28:10  Fa didy anampy didy, didy anampy didy; Fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ;
Isai Mg1865 28:11  Eny, amin’ ny molotra miambakambaka sy amin’ ny fiteny baiko no hitenenany amin’ ity firenena ity,
Isai Mg1865 28:12  Izay nilazany hoe: Ity no fitsaharana, ampitsaharo ny reraka, ary ity no famelombelomana; Nefa tsy nety nihaino ireo.
Isai Mg1865 28:13  Ary ny tenin’ i Jehovah dia ho tonga didy anampy didy aminy tokoa, eny, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ, mba hanaovany dia mianotra, ka ho torotoro izy sy hofandrihana ary hosamborina.
Isai Mg1865 28:14  Koa mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo, ry mpaniratsira, izay manapaka ity firenena eto Jerosalema ity.
Isai Mg1865 28:15  Satria ianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin’ ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin’ ny fiainan-tsi-hita ka na dia ho avy aza ny loza manafotra, dia tsy hihatra aminy izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka ho fierena,
Isai Mg1865 28:16  Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy mba ho taitra izay mino.
Isai Mg1865 28:17  Ny fitsarana no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana ho pilao; Hopaohin’ ny havandra ny lainga fiarovana, ary hindaosin’ ny rano ny fierena.
Isai Mg1865 28:18  Hofoanana ny fanekenareo amin’ ny fahafatesana, ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin’ ny fiainan-tsi-hita raha ho avy ny loza manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany ianareo.
Isai Mg1865 28:19  Ary na oviana na oviana no ihaviany, dia hahatratra anareo izany; Fa isa-maraina isa-maraina no hihaviany, na andro na alina; Ary ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fangovitana ihany.
Isai Mg1865 28:20  Fa fohy loatra ny farafara ka tsy azon’ ny olona ilamparana; Ary kely ny firakotra ka tsy maharakotra, raha misy te-hirakotra azy.
Isai Mg1865 28:21  Fa Jehovah hitsangana tahaka ny teo amin’ ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin’ ny lohasahan’ i Gibeona Izy, mba hanaovany ny asany tsy ilay fanaony mandrakariva anefa, ary hahavitany ny ataony tsy ilay vitainy mandrakariva anefa.
Isai Mg1865 28:22  Koa dia aza maniratsira intsony ianareo, fandrao atao mafy ny famatorana anareo; Fa fahafonganana voatendry no efa reko tamin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Hamelezana ny tany rehetra.
Isai Mg1865 28:23  Mihainoa ianareo, ka mandrenesa ny feoko; Mitandrema, ka mandrenesa ny teniko.
Isai Mg1865 28:24  Moa ny mpiasa tany va miasa mba hamafy, na mitombo-doha sy mandravona ny taniny mandrakariva?
Isai Mg1865 28:25  Rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny amin’ izay va ny voan’ ny nigela, ary tsy apariakany va ny komina, ary tsy alahany mitandahatra tsara va ny vary tritika sy ny vary hordea amin’ ny tany voafaritra ho azy Ary ny ampemby kosa eny an-tsisiny?
Isai Mg1865 28:26  Fa Andriamaniny no manoro azy izay mety hataony, Eny, Izy no mampianatra azy.
Isai Mg1865 28:27  Fa tsy ny kodia vy no ivelezana ny nigela, ary tsy ny kodian’ ny sariety no akodiadia amin’ ny komina; Fa ny nigela dia velezina amin’ ny fantàka, ary ny komina amin’ ny tehina.
Isai Mg1865 28:28  Moa mongomongoiny va ny vary hatao mofo? Tsia, fa tsy veleziny na hampandehanany ny kodian’ ny sarietiny sy ny soavaliny lalandava izy; Tsy mongomongoiny tsy akory izy.
Isai Mg1865 28:29  Izany koa dia avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; Fa mahagaga amin’ ny fisainana Izy Ary mahatalanjona amin’ ny fahendrena.
Chapter 29
Isai Mg1865 29:1  Lozan’ i Ariela’, lozan’ i Ariela, Tanàna nitoeran i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingeringerina ny andro firavoravoana;
Isai Mg1865 29:2  Dia hampahory an’ i Ariela Aho, ka hisy fisentoana sy fitarainana ao aminy; Ary ho tonga Ariela tokoa amiko izy.
Isai Mg1865 29:3  Ary hanao fahiranao anao Aho, ka hasiako miaramila hanemitra anao, ary hananganako manda hamelezana anao.
Isai Mg1865 29:4  Dia haetry ianao ka hiteny ao amin’ ny tany, ary ao amin’ ny vovoka no hibitsibitsihanao, eny, ny feonao hivoaka avy amin’ ny tany tahaka ny an’ ny manao azy ho tsindrian-javatra, ary avy ao amin’ ny vovoka no ikiakiahan’ ny teninao.
Isai Mg1865 29:5  Kanefa ny fahavalonao betsaka ho tonga tahaka ny vovoka madinika, ary ny olon-dozabe maro ho tahaka ny akofa indaosina; Eny, ho avy tampoka dia tampoka izany.
Isai Mg1865 29:6  Avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hihavian’ ny famaliana, dia kotrokorana sy horohoron-tany ary rohondrohona mafy, tadio sy tafio-drivotra ary lelafo mandevona.
Isai Mg1865 29:7  Ary ho tahaka ny fahitana eo amin’ ny nofy amin’ ny alina Ireo firenena betsaka rehetra ireo, izay mivory hamely an’ i Ariela, dia izay rehetra mivory hamely azy sy ny mandany ka hampahatahotra azy.
Isai Mg1865 29:8  Ary ho tahaka ny olona noana manonofy, fa, indro, mihinana izy; kanjo nony mahatsiaro, dia noana ihany izy; Na ho tahaka ny olona mangetaheta manonofy, fa, indro, misotro izy; kanjo nony mahatsiaro, indro, ana ihany izy, ary ny fanahiny mbola maniry ihany: Dia ho tahaka izany ireo firenena betsaka rehetra ireo Izay mivory hamely ny tendrombohitra Ziona.
Isai Mg1865 29:9  Mijanona ianareo, ka mitalanjona, Tampeno ny masonareo, koa aoka ho jamba ianareo! Mamo ireo, nefa tsy tamin’ ny divay; Mivembena izy, nefa tsy tamin’ ny toaka.
Isai Mg1865 29:10  Fa Jehovah efa nampidina fanahy mahasondrian-tory ao aminareo, ary efa nakimpiny ny masonareo (dia ny mpaminany izany), ary efa nosaronany ny lohanareo (dia ny mpahita izany).
Isai Mg1865 29:11  Ary ny fahitana ny amin’ izany rehetra izany raha aminareo dia tahaka ny teny amin’ ny taratasy voaisy tombo-kase, izay atolotra olona mahavaky teny ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity; Fa hoy izy: Tsy azoko vakina, fa efa voaisy tombo-kase izy;
Isai Mg1865 29:12  Fa raha atolotra izay tsy mahavaky teny kosa izany ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity, dia hoy izy: Tsy mahavaky teny aho.
Isai Mg1865 29:13  Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin’ ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin’ ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin’ olombelona ampianarina azy ihany,
Isai Mg1865 29:14  Dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin’ ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; Ka ho foana ny fahendrena kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan’ ny mazava sainany.
Isai Mg1865 29:15  Lozan’ izay manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho hitan’ i Jehovah, sady ao amin’ ny maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika?
Isai Mg1865 29:16  Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?
Isai Mg1865 29:17  Tsy vetivety foana va dia hovana ho saha mahavokatra Libanona, Ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala?
Isai Mg1865 29:18  Amin’ izany andro izany dia ho ren’ ny marenina ny tenin’ ny taratasy, ary na dia ao amin’ ny aizina sy ny aizim-pito aza dia hahita ihany ny mason’ ny jamba.
Isai Mg1865 29:19  Ny mpandefitra hitombo hafaliana amin’ i Jehovah; Ary ny malahelo ao amin’ ny olona hifaly amin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely,
Isai Mg1865 29:20  Fa lasa ny olon-dozabe, tsy ao intsony ny mpaniratsira; Ary fongotra izay rehetra miari-torin-tsaina amin’ ny ratsy,
Isai Mg1865 29:21  Dia ireo manameloka olona amin’ ny teny ary mamandrika izay mananatra eo am-bavahady sy mamadika ny marina amin’ ny lainga foana.
Isai Mg1865 29:22  Koa ny amin’ ny taranak’ i Jakoba dia izao no lazain’ i Jehovah, Izay nanavotra an’ i Abrahama: Tsy ho menatra intsony Jakoba, ary tsy hivaloarika intsony ny tavany.
Isai Mg1865 29:23  Fa raha ny zanany mahita ny asan’ ny tanako ao aminy, Dia hanamasina ny anarako izy, eny, hanamasina ny Iray Masin’ i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan’ Andriamanitry ny Isiraely.
Isai Mg1865 29:24  Ary izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahalalana; Ary izay mimonomonona dia mbola hianatra fahendrena.
Chapter 30
Isai Mg1865 30:1  Lozan’ ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah, ary manao fanekena, nefa tsy avy amin’ ny Fanahiko, mba hanampy ota amin’ ny ota,
Isai Mg1865 30:2  Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin’ ny vavako, handositra ho any amin’ ny fiarovana mafin’ i Farao sy hialokaloka ao amin’ ny alokalok’ i Egypta.
Isai Mg1865 30:3  Kanjo ho tonga henatra ho azy ny fiarovana mafin’ i Farao, ary ho fanalam-baraka azy ny fialokalofany ao amin’ ny alokalok’ i Egypta.
Isai Mg1865 30:4  Fa tonga any Zoana ireo lehibeny, ary tonga any Hanesa ny irany.
Isai Mg1865 30:5  Izy rehetra dia samy hahazo henatra noho ny amin’ ny firenena tsy mahasoa azy, dia izay tsy mahavonjy na mahasoa, fa tonga henatra sy latsa kosa.
Isai Mg1865 30:6  Faminaniana ny amin’ ny behemota any amin’ ny tany atsimo. Any amin’ ny tany mampahory sy mahaporiporitra, izay ihavian’ ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny menaran’ afo manidina, no nitondrany ny hareny teny an-damosin’ ny boriky tanora ary ny fananany teo amin’ ny trafon’ ny rameva ho any amin’ ny firenena tsy mahasoa azy.
Isai Mg1865 30:7  Nefa zava-poana sy tsinontsinona ny famonjen’ ny Egyptiana; Koa izany no nanaovako azy hoe: Ilay be rehaka tsy mety manao na inona na inona!
Isai Mg1865 30:8  Mandehana ankehitriny soraty amin’ ny fàfana eo anatrehany izany, ary soraty amin’ ny taratasy mba haharitra amin’ ny andro any aoriana mandrakizay doria izany.
Isai Mg1865 30:9  Fa firenena maditra izy, zaza mandainga, dia zaza izay tsy mety mihaino ny lalàn’ i Jehovah,
Isai Mg1865 30:10  Izay manao amin’ ny mpahita hoe: Aza mahita, ary amin’ ny mpaminany: Aza maminany zavatra marina aminay: Manaova vava malefaka aminay, maminania fitaka,
Isai Mg1865 30:11  Mialà amin’ ny lalana, mivilia amin’ ny aleha; Atsaharo ny Iray Masin’ ny Isiraely tsy ho eo anoloanay intsony.
Isai Mg1865 30:12  Koa izao no lazain’ ny Iray Masin’ ny Isiraely: Satria mandà izany teny izany ianareo ary matoky ny fanaovana an-keriny sy ny fiolakolahana ka miankina amin’ izany,
Isai Mg1865 30:13  Dia ho aminareo ity heloka ity, tahaka izay mivava efa mila hianjera sy izay mibohitra amin’ ny manda avo, ka ho tampoka dia tampoka no haharavany.
Isai Mg1865 30:14  Ary hovakivakina izy tahaka ny fahavakivakin’ ny vilanin’ ny mpanefy tanimanga, raha montsamontsaniny ka tsy itondrany roa; Koa rehefa montsamontsana izy, dia tsy hisy vakiny ho azo atao fangalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano aza.
Isai Mg1865 30:15  Fa izao no lazain’ ny Tompo, dia Jehovah, ny Iray Masin’ ny Isiraely: Amin’ ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin’ ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian’ ny herinareo; Nefa tsy nety ianareo;
Isai Mg1865 30:16  Fa hoy kosa ianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; Koa noho izany dia handositra tokoa ianareo; Ary hoy ianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; Ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo.
Isai Mg1865 30:17  Ny arivo handositra, raha rahonan’ ny anankiray, eny, handositra ianareo, raha rahonan’ ny dimy, Mandra-pahatongan’ ny sisa aminareo ho tahaka ny to-kazo avo any an-tampon’ ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin’ ny havoana.
Isai Mg1865 30:18  Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin’ ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.
Isai Mg1865 30:19  Fa ianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy.
Isai Mg1865 30:20  Ary homen’ ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao;
Isai Mg1865 30:21  Fa na mivily ho amin’ ny ankavanana ianao, na mivily ho amin’ ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano.
Isai Mg1865 30:22  Ary holotoinao ny takela-bolafotsy voapetaka amin’ ny sampinao voasokitra sy ny takela-bolamena voapetaka amin’ ny sampinao an-idina, ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; Mialà amiko! no teny hataonao aminy.
Isai Mg1865 30:23  Ary dia hanome ranonorana ho an’ ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; Ary amin’ izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin’ ny tany malalaka;
Isai Mg1865 30:24  Ny omby sy ny boriky tanora, izay miasa ny tany, dia hihinana vilona voaisy sira, izay voatsikerakera amin’ ny sahiratsy sy ny fikororohana.
Isai Mg1865 30:25  Ary any amin’ ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy ony sy ranovelona amin’ ny andro lehibe famonoana, dia amin’ ny andro hianjeran’ ny tilikambo.
Isai Mg1865 30:26  Ary ny fahazavan’ ny volana dia ho tahaka ny fahazavan’ ny masoandro, ary ny fahazavan’ ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan’ ny hafitoana, Amin’ ny andro hamehezan’ i Jehovah ny fahatorotoroan’ ny olony sy hanasitranany ny fery tamin’ ny namelezana azy.
Isai Mg1865 30:27  Indro, avy any lavitra any ny anaran’ i Jehovah, mirehitra amin’ ny fahatezerany Izy Sady midonaka amin’ ny setroka be; Ny molony dia feno fahatezerana, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona;
Isai Mg1865 30:28  Ary ny fofonainy tahaka ny riaka manafotra havozona, hanasivana ny firenena amin’ ny sivana fandevonana, ary hisy lamboridy mampivily eo amin’ ny valanoranon’ ny olona.
Isai Mg1865 30:29  Ary ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin’ ny alina fitandremana ny andro firavoravoana, ary ny hafalian’ ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha omban’ ny feon-tsodina ho any an-tendrombohitr’ i Jehovah, dia any amin’ ny Vatolampin’ ny Isiraely;
Isai Mg1865 30:30  Ary Jehovah hanandratra ny feon’ ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan’ ny sandriny amin’ ny firehetan’ ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra sy ny orana mifafy ary ny havandra vaventy.
Isai Mg1865 30:31  Fa ny feon’ i Jehovah dia haharaiki-tahotra ny Asyriana; Hasiany amin’ ny tsorakazo ireo.
Isai Mg1865 30:32  Ary na aiza na aiza no amelezan’ ny tsorakazo voatendry, izay amelin’ i Jehovah azy, dia harahina ampongatapaka sy lokanga izany; Ary amin’ ny ady hamelezany mafy no hiadiany aminy.
Isai Mg1865 30:33  Fa efa voavoatra fahataloha Tofeta; Eny, efa nataony vonona ho an’ ny mpanjaka izany; Efa nataony lalina sady malalaka izy; Ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; Ary ny fofonain’ i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy.
Chapter 31
Isai Mg1865 31:1  Lozan’ izay midìna any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin’ ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin’ ny Isiraely, na mitady an’ i Jehovah.
Isai Mg1865 31:2  Nefa Izy koa dia hendry ka mahatonga loza, ary tsy tsoahany ny teniny; Fa mitsangana Izy hamely ny mpianakavin’ ny mpanao ratsy sy izay manampy ny mpanao meloka.
Isai Mg1865 31:3  Fa olona ihany ny Egyptiana fa tsy Andriamanitra; Ary nofo ihany ny soavaliny, fa tsy fanahy. Koa raha ahinjitr’ i Jehovah ny tànany, dia ho tafintohina izay manampy, ary ho potraka izay ampiana, ka samy ho levona avokoa izy roa tonta.
Isai Mg1865 31:4  Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Tahaka ny fieron’ ny liona sy ny liona tanora eo amin’ ny rembiny, ka na dia voangona aza ny mpiandry ondry betsaka hamely azy, Tsy matahotra ny feon’ ireo izy, na mandatsa-dremby noho ny fihorakorahany, dia tahaka izany no hidinan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Hiady ao an-tendrombohitra Ziona sy ny havoany.
Isai Mg1865 31:5  Tahaka ny vorona manomba no hiarovan’ i Jehovah, tompon’ ny maro, an’ i Jerosalema, fa sady hiaro no hamonjy Izy, eny, sady hiantra no hanafaka.
Isai Mg1865 31:6  Koa miverena ho amin’ izay efa niodinanareo fatratra, ry zanak’ Isiraely ô.
Isai Mg1865 31:7  Fa amin’ izany andro izany dia harian’ ny olona rehetra ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany, izay fahotana nataon’ ny tananareo.
Isai Mg1865 31:8  Ary ny Asyriana ho lavon’ ny sabatra izay tsy mba an’ olombelona, eny, sabatra izay tsy mba an’ olombelona no handringanana azy; Dia handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana,
Isai Mg1865 31:9  Ary ny mpanjakany ho lasa noho ny fahatahorana, Ary mpanapaka azy hivadi-po noho ny faneva, hoy Jehovah, Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandoroana ao Jerosalema.
Chapter 32
Isai Mg1865 32:1  Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny rariny.
Isai Mg1865 32:2  Ary hisy lehilahy ho fierena amin’ ny rivotra sy ho fialofana amin’ ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin’ ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ ny tany mahana.
Isai Mg1865 32:3  Ary tsy hikimpy ny mason’ izay mahita, ary ny sofin’ izay mandre dia hihaino.
Isai Mg1865 32:4  Ny fon’ izay maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan’ izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy.
Isai Mg1865 32:5  Ny adala tsy holazaina intsony hoe mitoetr’ andriana, ary ny mpifetsy tsy holazaina hoe mahafoy be.
Isai Mg1865 32:6  Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany, ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsaram-belatsihy sy hitenenany hevi-diso ny amin’ i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan’ ny noana hanina sy izay tsy hahazoan’ ny mangetaheta rano hosotroina.
Isai Mg1865 32:7  Ary ratsy ny hafetsen’ ny mpifetsy; Mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin’ ny teny lainga, na dia miteny manan-drariny aza ny malahelo;
Isai Mg1865 32:8  Fa ny mitoetr’ andriana kosa dia mamoron-tsaina araka izay mahamendrika andriana, ary izay mahamendrika andriana no ifikirany.
Isai Mg1865 32:9  Mitsangàna, ry vehivavy miadana, ka mandrenesa ny feoko; Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko.
Isai Mg1865 32:10  Raha afaka herintaona mahery dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; Fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo
Isai Mg1865 32:11  Mangovita, ry vehivavy miadana, mangorohoroa, ry vehivavy matokitoky foana; Endaho ny akanjonao, ka mitanjaha, ary misikìna lamba fisaonana.
Isai Mg1865 32:12  Miteha-tratra izy, fa malahelo ny saha nahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.
Isai Mg1865 32:13  Ho rakotry ny tsilo sy ny hery ny tanin’ ny oloko, eny, na dia ny ao amin’ ny trano mahafaly rehetra ao an-tanàna ravoravo aza;
Isai Mg1865 32:14  Fa ho foana ny lapan’ ny mpanjaka; Hitsahatra ny fihorikoriky ny tanàna; Ofela sy ny tilikambo fitazanana ho tonga naman’ ny zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen’ ny boriki-dia sy fiandrasana ny andian’ ny ondry aman’ osy,
Isai Mg1865 32:15  Mandra-pandatsaka ny fanahy avy amin’ ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala.
Isai Mg1865 32:16  Ary hitoetra any an-efitra ny rariny, Ary ny fahamarinana honina ao amin’ ny saha mahavokatra.
Isai Mg1865 32:17  Ny asan’ ny fahamarinana ho fiadanana; Ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay;
Isai Mg1865 32:18  Ary ny oloko hitoetra ao amin’ ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po;
Isai Mg1865 32:19  Nefa hilatsaka ny havandra, rehefa aripaka ny ala, ary halamaka dia halamaka ny tanàna.
Isai Mg1865 32:20  Sambatra izay mamafy eny amoron’ ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky.
Chapter 33
Isai Mg1865 33:1  Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao! Ary mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra ny mandrava ianao, dia vao horavana kosa; Ary rehefa mitsahatra ny mamitaka ianao, dia vao hofitahina kosa.
Isai Mg1865 33:2  Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Hianao no antenainay; Aoka ho sandrinay isa-maraina ianao sy ho famonjena anay amin’ ny andro fahoriana.
Isai Mg1865 33:3  Ny feon’ ny fitabatabana no mampandositra ny firenena; Raha misandratra Hianao, dia mipariaka ny jentilisa.
Isai Mg1865 33:4  Ary ireny handevona ny babonareo tahaka ny fandevon’ ny valala, tahaka ny fifanaretsaky ny kalalao no fifanaretsany eo aminy.
Isai Mg1865 33:5  Manerinarina Jehovah, fa mitoetra any amin’ ny avo Izy; Nofenoiny rariny sy fahamarinana Ziona.
Isai Mg1865 33:6  Ary hisy andro tsy manam-piovana ho anao, eny, haren’ ny famonjena sy ny fahendrena ary ny fahalalana; Ny fahatahorana an’ i Jehovah no rakitrao.
Isai Mg1865 33:7  Indreo, ny lehilahy maheriny mitaraina eny ivelany; Ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy.
Isai Mg1865 33:8  Maty ny lalambe; Tsy misy ny mpandeha; Nofoanany ny fanekena; Nalany baraka ny tanàna; Tsy nanaja olona izy.
Isai Mg1865 33:9  Misaona ny tany ka milofika; Menatra Libanona ka malazo; Efa tonga tahaka ny tani-hay Sarôna, Ary manintsana Basana sy Karmela.
Isai Mg1865 33:10  Ankehitriny dia hitsangana Aho, hoy Jehovah; Ankehitriny dia ho any amin’ ny avo Aho; Ankehitriny dia hisandratra Aho.
Isai Mg1865 33:11  Torontoronina bozaka ianareo ka miteraka vodivary; Ny fofonainareo dia tahaka ny afo handevona anareo.
Isai Mg1865 33:12  Ary ny firenena ho tahaka ny fandoroan-tsokay, eny, ho tahaka ny tsilo notombohina izay mirehitra amin’ ny afo izy.
Isai Mg1865 33:13  Mihainoa ny amin’ izay efa nataoko, ianareo izay lavitra, ary aoka hahafantatra ny heriko ianareo izay akaiky.
Isai Mg1865 33:14  Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo ny mpihatsaravela-tsihy. Iza amintsika no hahatoetra amin’ ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin’ ny lelafo mandrakizay?
Isai Mg1865 33:15  Izay mandeha amin’ ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin’ ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadiny mba tsy handrenesany ny amin’ ny fandatsahan-drà sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy;
Isai Mg1865 33:16  Izy no honina ao amin’ ny avo; Ny fitoerana avony dia ny fiarovana any amin’ ny harambato; Izay hohaniny dia homena azy, ary ny rano hosotroiny tsy ho diso.
Isai Mg1865 33:17  Ny masonao hahita ny mpanjaka amin’ ny hatsaran-tarehiny sady hahatsinjo tany malalaka dia malalaka.
Isai Mg1865 33:18  Hotsaroan’ ny fonao ilay nahatahotra: Aiza ny mpanoratra? Aiza ny mpandanja? Aiza ny mpanisa ny tilikambo?
Isai Mg1865 33:19  Ny firenena misetaseta dia tsy ho hitanao intsony, dia ilay olona miboediboedi-piteny ka tsy fantatra, na ny lela mikodedidedy ka tsy azo.
Isai Mg1865 33:20  Tsiniovy Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin’ ny fotoam-pivavahana; Ny masonao hahita an’ i Jerosalema ho fonenana mandry fahizay, dia lay izay tsy hafindra, ny tsimatra aminy tsy hongotana mandrakizay, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny.
Isai Mg1865 33:21  Fa Jehovah dia mahery ho antsika any, tany be ony sy lahin-drano lehibe any, nefa sy halehan’ ny sambo voizina, na hovakin’ ny sambo lehibe.
Isai Mg1865 33:22  Fa Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no mpanome lalàna antsika; Jehovah no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
Isai Mg1865 33:23  Mivaha ny mahazakan-tsambonao; Tsy mahahazona mafy ny fiorenan’ andry izy, na mahavelatra ny lay; Fa amin’ izay kosa dia hozaraina ny zavatra be voababo; Na dia ny mandringa aza dia mba hahazo babo ihany.
Isai Mg1865 33:24  Tsy hisy amin’ ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; Ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.
Chapter 34
Isai Mg1865 34:1  Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.
Isai Mg1865 34:2  Fa Jehovah dia tezitra amin’ ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin’ ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina.
Isai Mg1865 34:3  Ary izay voavono amin’ ireo dia hariana, ka hamofona ny hamaimbon’ ny fatiny, ary ny tendrombohitra hiempo azon’ ny ràny.
Isai Mg1865 34:4  Izay rehetra eny amin’ ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon’ ny ravina mihintsana avy amin’ ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin’ ny aviavy.
Isai Mg1865 34:5  Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin’ ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin’ i Edoma iny sy amin’ ny firenena voatendriko haringana, mba ho fitsarana azy.
Isai Mg1865 34:6  Ny sabatr’ i Jehovah feno rà, eny, mihosi-menaka amin’ ny matavy sy amin’ ny ran’ ny zanak’ ondry sy ny osilahy ary amin’ ny fonomboan’ ny ondrilahy; Fa Jehovah mamono zavatra hatao fanatitra ao Bozra Ary mahafaty be ao amin’ ny tany Edoma.
Isai Mg1865 34:7  Ary ny ombimanga miaraka aripaka aminy mbamin’ ny vantotr’ omby sy ny ombilahy, ka dia vonton-drà ny taniny, ary mihosi-menaka ny vovo-taniny.
Isai Mg1865 34:8  Fa Jehovah manana andro famaliana, dia taona famaliana hiadiana ho an’ i Ziona.
Isai Mg1865 34:9  Ary hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra.
Isai Mg1865 34:10  Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin’ ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay.
Isai Mg1865 34:11  Fa ho zara-tanin’ ny sama sy ny sokina izy, ny vorondolo lehibe sy ny goaika dia hitoetra ao; Ary hohenjaniny eo aminy ny famolaina fikorontanana sy ny pilao fahafoanana.
Isai Mg1865 34:12  Ary ny lehibe dia tsy hisy ao intsony hifidy izay hanjaka, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy.
Isai Mg1865 34:13  Ary ho rakotry ny tsilo ny ao anatin’ ny lapan’ ny mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin’ ny trano fiarovany; Ary ho fonenan’ ny amboadia sy fitoeran’ ny ostritsa izy.
Isai Mg1865 34:14  Ny bibi-dia any an-efitra hihaona amin’ ny kary; ary ny osilahy hiantso ny namany; Ary ilay mandehandeha amin’ ny alina hitoetra any ka hahita fitoerana ho azy.
Isai Mg1865 34:15  Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any ka hanatody sy hifana ary hikotrika ao amin’ ny alokaloka any; Any koa no hiangonan’ ny papango, samy eo amin’ ny namany avy.
Isai Mg1865 34:16  Izahao ao amin’ ny bokin’ i Jehovah, ka vakio; Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza. Tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; Fa ny vavan’ i Jehovah no nandidy izany, ary ny fanahiny ihany no nanangona azy.
Isai Mg1865 34:17  Ary Izy no efa tinendry anjara ho an’ ireo ary ny tànany no efa nizara izany ho an’ ireo tamin’ ny famolaina; Handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin’ ny taranaka fara-mandimby.
Chapter 35
Isai Mg1865 35:1  Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia.
Isai Mg1865 35:2  Mamony be dia be izy, eny, mifaly mihoby izy, ny voninahitr’ i Libanona dia homena azy mbamin’ ny hatsaran-tarehin’ i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr’ i Jehovah izy sy ny famirapiratan’ Andriamanitsika.
Isai Mg1865 35:3  Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.
Isai Mg1865 35:4  Lazao amin’ izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian’ Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.
Isai Mg1865 35:5  Dia hampahiratina ny mason’ ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ ny marenina.
Isai Mg1865 35:6  Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin’ ny tany karankaina.
Isai Mg1865 35:7  Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan’ ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro.
Isai Mg1865 35:8  Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan’ ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy ka izay mandeha amin’ ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza.
Isai Mg1865 35:9  Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran’ ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no handia azy.
Isai Mg1865 35:10  Eny, ny navotan’ i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
Chapter 36
Isai Mg1865 36:1  Ary tamin’ ny taona fahefatra ambin’ ny folo nanjakan’ i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
Isai Mg1865 36:2  Ary ny mpanjakan’ i Asyria naniraka an-dRabsake mbamin’ ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin’ i Hezekia mpanjaka. Dia nitsangana teo anilan’ ny lakan-drano amin’ ny kamory ambony izy, teo an-dalambe mankamin’ ny sahan’ ny mpamotsy lamba.
Isai Mg1865 36:3  Ary Eliakima, zanak’ i Hilkia, izay lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak’ i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia nivoaka ho ao aminy.
Isai Mg1865 36:4  Dia hoy Rabsake tamin’ ireo: Andeha, lazao amin’ i Hezekia hoe: Izao no lazain’ ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’ i Asyria: Inona moa izato itokianao?
Isai Mg1865 36:5  Hoy izaho: Teny foana ny hoe: Manana saina sy hery hiady aho. Fa iza no itokianao, no miodina amiko ianao?
Isai Mg1865 36:6  Indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan’ olona io, dia manindrona ny tànany miboroaka; eny, tahaka izany Farao, mpanjakan’ i Egypta, amin’ izay rehetra matoky azy.
Isai Mg1865 36:7  Fa raha hoy ianao amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman’ alitara izay noravan’ i Hezekia, izay nilaza tamin’ ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan’ ity alitara ity no hiankohofanareo?
Isai Mg1865 36:8  Koa aoka hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan’ i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy.
Isai Mg1865 36:9  Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin’ ny mpanompon’ ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza, nefa matoky an’ i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly?
Isai Mg1865 36:10  Koa moa haitraitro va izao niakarako izao? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe: Miakara ho amin’ izany tany izany, ka ravao izy.
Isai Mg1865 36:11  Dia hoy Eliakima sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana no ataovy amin’ ny mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren’ ny olona eny ambonin’ ny manda.
Isai Mg1865 36:12  Fa hoy Rabsake: Moa ho amin’ ny tomponao sy ianao va no nanirahan’ ny tompoko hilaza izany teny izany, fa tsy ho amin’ ny olona izay mipetraka eny ambonin’ ny manda, hihinanany izay tsy fihinany sy hisotroany izay tsy fisotrony miaraka aminareo?
Isai Mg1865 36:13  Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin’ ny feo mahery tamin’ ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin’ ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’ i Asyria.
Isai Mg1865 36:14  Izao no lazain’ ny mpanjaka: Aza mety hofitahin’ i Hezekia ianareo; fa tsy hahavonjy anareo izy tsy akory.
Isai Mg1865 36:15  Ary aza mety hampahatokin’ i Hezekia an’ i Jehovah ianareo amin’ ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Asyria tsy akory ity tanàna ity.
Isai Mg1865 36:16  Aza mihaino an’ i Hezekia ianareo; fa izao no lazain’ ny mpanjakan’ i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadananareo, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin’ ny lavaka famorian-dranony avy ianareo,
Isai Mg1865 36:17  mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin’ izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka.
Isai Mg1865 36:18  Aza mety homen’ i Hezekia vohony ianareo amin’ ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika. Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena ireo?
Isai Mg1865 36:19  Aiza moa ny andriamanitr’ i Hamata sy Arpada? Ary aiza koa ny andriamanitr’ i Sefarvaima? Nahavonjy an’ i Samaria tamin’ ny tanako va ireo andriamaniny?
Isai Mg1865 36:20  Iza moa amin’ ny andriamanitra rehetra amin’ ireo tany ireo no efa nahavonjy ny taniny tamin’ ny tanako, koa aiza no hahavonjen’ i Jehovah an’ i Jerosalema amin’ ny tanako?
Isai Mg1865 36:21  Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.
Isai Mg1865 36:22  Ary Eliakima, zanak’ i Hilkia, izay lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak’ i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin’ i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
Chapter 37
Isai Mg1865 37:1  Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon’ i Jehovah,
Isai Mg1865 37:2  ary izy naniraka an’ i Eliakima, lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan’ ny mpisorona, samy nitafy lamba fisaonana avokoa, hankany amin’ Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza,
Isai Mg1865 37:3  ary nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.
Isai Mg1865 37:4  Angamba ho ren’ i Jehovah Andriamanitrao ny tenin-dRabsake, izay nirahin’ ny mpanjakan’ i Asyria tompony hihaika an’ Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teny izay efa ren’ i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny fivavakao hamonjy izay mbola sisa.
Isai Mg1865 37:5  Dia nankany amin’ Isaia ny mpanompon’ i Hezekia mpanjaka.
Isai Mg1865 37:6  Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin’ ny tomponareo hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan’ iretsy ankizilahin’ ny mpanjakan’ i Asyria iretsy Ahy.
Isai Mg1865 37:7  Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy, ka hiverina ho any amin’ ny taniny; dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
Isai Mg1865 37:8  Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon’ ny mpanjakan’ i Asyria fahirano tamin’ izay; satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.
Isai Mg1865 37:9  Ary ren’ i Sankeriba ny amin’ i Tiraka, mpanjakan’ i Etiopia, nanao hoe: Avy hiady aminao izy; ary nony nandre izany izy, dia naniraka olona ho any amin’ i Hezekia nanao hoe:
Isai Mg1865 37:10  Izao no holazainareo amin’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda: Aza mety hofitahin’ ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Asyria.
Isai Mg1865 37:11  Indro, ianao efa nandre izay nataon’ ireo mpanjakan’ i Asyria tamin’ ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy?
Isai Mg1865 37:12  Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan’ ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak’ i Edena izay tao Telasara?
Isai Mg1865 37:13  Aiza ny mpanjakan’ i Hamata sy ny mpanjakan’ i Arpada sy ny mpanjakan’ ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?
Isai Mg1865 37:14  Dia noraisin’ i Hezekia tamin’ ny tanan’ ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon’ i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan’ i Jehovah.
Isai Mg1865 37:15  Ary Hezekia nivavaka tamin’ i Jehovah nanao hoe:
Isai Mg1865 37:16  Ry Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Andriamanitry ny Isiraely, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, Hianao dia Hianao ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany; Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
Isai Mg1865 37:17  Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere; ary mihainoa ny teny rehetra izay nampitondrain’ i Sankeriba hihaika an’ Andriamanitra velona.
Isai Mg1865 37:18  Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan’ i Asyria dia efa nandrava ny firenena rehetra sy ny taniny
Isai Mg1865 37:19  ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan’ ny tànan’ olona ihany, dia hazo sy vato, ka dia azony nosimbana.
Isai Mg1865 37:20  Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, vonjeo amin’ ny tànany izahay, mba hahafantaran’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany fa Hianao ry ihany no Jehovah.
Isai Mg1865 37:21  Ary Isaia, zanak’ i Amoza, dia naniraka hankany amin’ i Hezekia nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin’ ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria,
Isai Mg1865 37:22  dia izao no teny nolazain’ i Jehovah ny amin’ i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina; Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
Isai Mg1865 37:23  Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an’ iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony? Hanohitra ny Iray Masin’ ny Isiraely.
Isai Mg1865 37:24  Ny mpanomponao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin’ ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon’ ny tendrombohitra, tao afovoan’ i Libanona; Ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina, dia hiditra any amin’ ny faran’ ny azo iakarana ao aho sy any amin’ ny alany midokadoka,
Isai Mg1865 37:25  Izaho no nihady ka nisotro rano, Ary ny faladiako no handritako ny lahin-drano rehetra any Egypta.
Isai Mg1865 37:26  Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin’ ny andro taloha no nikasako izany? Ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato.
Isai Mg1865 37:27  Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no nangaihay. Efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy, ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin’ ny tampon-trano. Ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
Isai Mg1865 37:28  Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.
Isai Mg1865 37:29  Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin’ ny lalana izay nihavianao ianao.
Isai Mg1865 37:30  Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy amin’ ity taona ity ianareo; ary amin’ ny taona manaraka dia ny kolokolon’ izany, fa amin’ ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
Isai Mg1865 37:31  Ary izay sisa amin’ ny taranak’ i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.
Isai Mg1865 37:32  Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hanao izany.
Isai Mg1865 37:33  Koa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpanjakan’ i Asyria: Tsy ho tafiditra amin’ ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany azy.
Isai Mg1865 37:34  Ny lalana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin’ ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.
Isai Mg1865 37:35  Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin’ ny tenako sy Davida mpanompoko.
Isai Mg1865 37:36  Dia avy Ilay Anjelin’ i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
Isai Mg1865 37:37  Dia niainga Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.
Isai Mg1865 37:38  Ary raha niankohoka tao an-tranon’ i Nisroka andriamaniny izy, dia nokapain’ i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra ho any amin’ ny tany Ararata izy mirahalahy; ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.
Chapter 38
Isai Mg1865 38:1  Ary tamin’ izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia; ary Isaia mpaminany zanak’ i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
Isai Mg1865 38:2  Dia nitodika nankany amin’ ny rindrina Hezekia ka nivavaka tamin’ i Jehovah
Isai Mg1865 38:3  hoe: Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ ny fahamarinana sy tamin’ ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao Dia nitomany mafy dia mafy izy.
Isai Mg1865 38:4  Dia tonga tamin’ Isaia ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Isai Mg1865 38:5  Mandehana, ka lazao amin’ i Hezekia hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy ambin’ ny folo taona ny andronao,
Isai Mg1865 38:6  sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho.
Isai Mg1865 38:7  Ary izao no ho famantarana ho anao avy amin’ i Jehovah, hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy:
Isai Mg1865 38:8  Indro, hampiverina ny aloka hàdiny folo Aho araka ny nampidinan’ ny masoandro azy teo amin’ ny dialin’ i Ahaza. Ka dia niverina hàdiny folo ny masoandro, dia ilay efa nidinany.
Isai Mg1865 38:9  Ny teny nosoratan’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, raha narary izy ka sitrana tamin’ ny aretiny:
Isai Mg1865 38:10  Hoy izaho: Amin’ izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy idirako amin’ ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita; nesorina tamiko ny androko sisa.
Isai Mg1865 38:11  Hoy izaho: Tsy mba hahita an’ i Jehovah intsony aho. Eny, tsy mba hahita an’ i Jehovah ao amin’ ny velona intsony aho; Tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan’ ny mponina any amin’ ny fiainan-tsi-hita.
Isai Mg1865 38:12  Ny fonenako nesorina ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny lain’ ny mpiandry ondry; Ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin’ ny haraka izy; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
Isai Mg1865 38:13  Nampionona ny foko aho mandra-pahamarain’ ny andro; Tahaka ny fanapatapaky ny liona no anapatapahany ny taolako rehetra; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
Isai Mg1865 38:14  Ka dia mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho. Ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Pahina ny masoko noho ny faniriako ho any amin’ ny avo; Jehovah ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Hianao.
Isai Mg1865 38:15  Ahoana no holazaiko? Sady nilaza tamiko Izy no nahatanteraka koa; Handeha mijoretra aho amin’ ny taonako sisa rehetra noho ny fangidian’ ny aiko.
Isai Mg1865 38:16  Tompo ô, izany no iveloman’ ny olona, ary amin’ izany tokoa no iainan’ ny fanahiko, ka dia mahasitrana sy mahavelona ahy Hianao.
Isai Mg1865 38:17  Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ ny lavaka fahalevonana; Fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra.
Isai Mg1865 38:18  Fa ny fiainan-tsi-hita tsy mba mahasaotra Anao, ny fahafatesana tsy mahadera Anao; Fa izay midìna any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao.
Isai Mg1865 38:19  Ny velona dia ny velona ihany no hidera Anao, tahaka izao izaho anio izao; Ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.
Isai Mg1865 38:20  Jehovah efa vonona hamonjy Ahy, Ka dia hitendry ny lokangako ao an-tranon’ i Jehovah izahay Amin’ ny andro rehetra iainanay.
Isai Mg1865 38:21  Ary hoy Isaia: Makà ampempan’ aviavy, ary apetaho amin’ ny vay izany, mba ho sitrana izy.
Isai Mg1865 38:22  Ary hoy Hezekia: Inona no famantarana fa hiakatra ao an-tranon’ i Jehovah aho?
Chapter 39
Isai Mg1865 39:1  Tamin’ izany andro izany no nampitondran’ i Merodaka-baladana, zanak’ i Baladana, mpanjakan’ i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an’ i Hezekia; fa efa reny fa narary izy ka sitrana.
Isai Mg1865 39:2  Ary dia faly Hezekia noho izany ka nampiseho azy ny trano fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin’ izay rehetra tao amin’ ny firaketany; tsy nisy zavatra tsy nasehon’ i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin’ ny fanjakany rehetra.
Isai Mg1865 39:3  Dia nankany amin’ i Hezekia mpanjaka mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain’ ireo olona ireo, ary avy taiza nihaviany hankatỳ aminao? Ary hoy Hezekia: Nankaty amiko avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
Isai Mg1865 39:4  Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato ananonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra an-tranoko dia efa hitany avokoa; tsy nisy zavatra tsy nasehoko azy ny ao amin’ ny firaketako rehetra.
Isai Mg1865 39:5  Ary hoy Isaia tamin’ i Hezekia: Henoy ny tenin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro:
Isai Mg1865 39:6  Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ ny razanao ka voatahiry mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona inona na inona, hoy Jehovah.
Isai Mg1865 39:7  Ary na dia terakao aza dia hisy ho entiny koa, ka ho tandonaka any amin’ ny lapan’ ny mpanjakan’ i Babylona ireo.
Isai Mg1865 39:8  Dia hoy Hezekia tamin’ Isaia: Tsara ny tenin’ i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, hisy fiadanana amin’ ny androko handry fahizay.
Chapter 40
Isai Mg1865 40:1  Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo;
Isai Mg1865 40:2  Mitoria teny soa mahafaly amin’ i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin’ ny tànan’ i Jehovah izy ho valin’ ny fahotana rehetra nataony.
Isai Mg1865 40:3  Injany! misy feon’ ny miantso hoe: Manamboara lalana any an-efitra ho an’ i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an’ Andriamanitsika.
Isai Mg1865 40:4  Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, Aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra; Aoka ny be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka;
Isai Mg1865 40:5  Dia hiseho ny voninahitr’ i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; Fa ny vavan’ i Jehovah no efa niteny.
Isai Mg1865 40:6  Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha;
Isai Mg1865 40:7  Maina ny ahitra, malazo ny voniny, satria tsofin’ ny fofonain’ i Jehovah ireny; Eny, ahitra tokoa ny olona.
Isai Mg1865 40:8  Maina ny ahitra, malazo ny voniny; Fa ny tenin’ Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
Isai Mg1865 40:9  Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin’ ny tanànan’ ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo!
Isai Mg1865 40:10  Indro, Jehovah Tompo ho avy amin’ ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin’ asa homeny dia eo anoloany.
Isai Mg1865 40:11  Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
Isai Mg1865 40:12  Iza no namatra ny rano teo am-pelatanany, ary nanjehy ny lanitra tamin’ ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin’ ny vata, ary nandanja ny tendrombohitra tamin’ ny fandanjana sy ny havoana tamin’ ny mizana?
Isai Mg1865 40:13  Iza no nanome hevitra ny Fanahin’ i Jehovah, ary iza no mpanolo-tsaina nampianatra Azy?
Isai Mg1865 40:14  Iza no nidinihany ka nanome saina Azy sy nanoro Azy ny lalan’ ny fitsarana ary nampianatra fahalalana Azy sy nampahafantatra Azy ny lalan’ ny fahendrena?
Isai Mg1865 40:15  Indro, ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin’ ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka madinika amin’ ny mizana; Indro, ny nosy dia tsintsininy tahaka ny zavatra bitika indrindra.
Isai Mg1865 40:16  Ary Libanona aza tsy ampy hataina, ary ny biby ao tsy ampy ho fanatitra dorana.
Isai Mg1865 40:17  Ny firenena rehetra dia tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, ka ataony ho naman’ ny tsinontsinona sy ny zava-poana izy.
Isai Mg1865 40:18  Koa ampitovinareo amin’ iza moa Andriamanitra? Ary endrik’ inona no ampanahafinareo Azy?
Isai Mg1865 40:19  Ny mpiasa manao sarin-javatra an-idina, ary ny mpanefy volamena mametaka takela-bolamena aminy sy manao tongalika volafotsy an-idina.
Isai Mg1865 40:20  Izay malahelo ka tsy manan-katerina dia mifidy hazo tsy mety ho lò ary mitady mpiasa mahay zavatra mba hamorona sarin-javatra voasokitra izay tsy hihezongozona.
Isai Mg1865 40:21  Tsy fantatrareo va? Tsy efa renareo va? Tsy efa nambara taminareo fony taloha va? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin’ ny fanorenan’ ny tany?
Isai Mg1865 40:22  Izy no mipetraka amin’ ny habakabaka ambonin’ ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;
Isai Mg1865 40:23  Izy no mahatsinontsinona ny mpanapaka sy mahatonga ny mpitsara amin’ ny tany ho tahaka ny zava-poana.
Isai Mg1865 40:24  Vao nambolena vetivety ireo, vao nafafy ireo, vao namaka tao amin’ ny tany ny fotony, dia notsofin’ Andriamanitra ireo, ka dia nalazo, ary nindaosin’ ny tafio-drivotra tahaka ny vodivary izy.
Isai Mg1865 40:25  Koa ampitovinareo amin’ iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masìna.
Isai Mg1865 40:26  Asandrato ny masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ ny anarany avy noho ny haben’ ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.
Isai Mg1865 40:27  Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan’ i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan’ Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?
Isai Mg1865 40:28  Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran’ ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.
Isai Mg1865 40:29  Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.
Isai Mg1865 40:30  Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;
Isai Mg1865 40:31  Fa izay miandry an’ i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Chapter 41
Isai Mg1865 41:1  Mangìna hihaino ahy ianareo, ry nosy, ary aoka handroso hery ny firenena; Aoka hanatona izy, ka dia hiteny; Andeha isika hifanatona eo amin’ ny fitsarana.
Isai Mg1865 41:2  Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban’ ny fahamarinana tamin’ ny diany rehetra, ary nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary voapaoka?
Isai Mg1865 41:3  Mipaoka ireo izy ka mandroso soa aman-tsara any amin’ izay lalana tsy mbola nodiavin’ ny tongony.
Isai Mg1865 41:4  Iza moa no nanao sy nahavita izany, sady miantso ny taranaka maro hatramin’ ny taloha? Izaho Jehovah no voalohany, ary hatramin’ ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.
Isai Mg1865 41:5  Ny nosy nahita ka raiki-tahotra; Toran-kovitra ny vazan-tany dia nanatona izy ka tonga.
Isai Mg1865 41:6  Samy nanampy ny namany avy izy rehetra, ary samy nilaza tamin’ ny rahalahiny avy hoe: Matokia.
Isai Mg1865 41:7  Koa ny mpandrafitra dia nampahery ny mpanefy volamena, ary izay nandama tamin’ ny tantanana nampahery izay nively teo amin’ ny riandriana, ka hoy izy, miantso ny solohoto: Tsara ity, dia nohomboany mafy tamin’ ny hombo izy mba tsy hihozongozona.
Isai Mg1865 41:8  Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak’ i Abrahama sakaizako,
Isai Mg1865 41:9  Hianao izay efa notantanako avy tany amin’ ny faran’ ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako:
Isai Mg1865 41:10  Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin’ ny tanana ankavanan’ ny fahamarinako Aho.
Isai Mg1865 41:11  Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; Eny, ho levona izay miady aminao.
Isai Mg1865 41:12  Hotadiavinao izay mifanditra aminao, fa tsy ho hitanao, ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao.
Isai Mg1865 41:13  Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
Isai Mg1865 41:14  Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo, ry Isiraely olom-bitsy, Izaho no hamonjy anao, hoy Jehovah, Ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no Mpanavotra anao.
Isai Mg1865 41:15  Indro, ataoko kodia vy vaovao misy nify maranitra ianao; Hively ny tendrombohitra ianao ka hanorotoro azy ho vovoka ary hanao ny havoana ho tahaka ny akofa.
Isai Mg1865 41:16  Hikororoka azy ianao, ka hopaohin’ ny rivotra izy, ary ny tafio-drivotra hanely azy; Fa ianao kosa dia hiravoravo amin’ i Jehovah, ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no ho reharehanao.
Isai Mg1865 41:17  Ny ory sy ny malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary ny lelany mainan’ ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho, Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy;
Isai Mg1865 41:18  Hampiboika renirano ao amin’ ny tendrombohitra mangadihady Aho ary loharano ao amin’ ny lohasaha; Hanao ny efitra ho farihy Aho ary ny tany karankaina no loharano miboiboika.
Isai Mg1865 41:19  Hampaniry hazo sedera sy akasia sy rotra ary oliva any an-efitra Aho ary kypreso sy pina sy bokso eny an-tani-hay,
Isai Mg1865 41:20  Mba ho hitany sy ho fantany sy hoheveriny ary ho azony an-tsaina fa ny tànan’ i Jehovah no nanao izany, ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no nahary izany.
Isai Mg1865 41:21  Alaharo eto ny teninareo, hoy Jehovah; Asehoy izay mahamarina ny anareo, hoy ny Mpanjakan’ i Jakoba.
Isai Mg1865 41:22  Aoka hampanatoniny ka hasehony amintsika izay zavatra mbola ho avy; Ambarao izay zavatra taloha, mba hoheverinay ka ho fantatray izay hiafarany, na ilazao izay zavatra ho avy izahay.
Isai Mg1865 41:23  Ambarao anay izay zavatra ho avy rahatrizay, mba ho fantatray fa andriamanitra ianareo; Eny, manaova soa, na manaova ratsy, mba hitaha isika, ka samy hahita.
Isai Mg1865 41:24  Indro, ianareo dia naman’ ny tsinontsinona, ary ny asanareo dia naman’ ny zava-poana; vetaveta izay mifidy anareo.
Isai Mg1865 41:25  Nanaitra ny anankiray avy tany avaratra Aho, ka tonga izy. Dia ny anankiray avy any amin’ ny fiposahan’ ny masoandro, izay hiantso ny anarako, ary hanosihosy ny mpanapaka tahaka ny fanosihosy feta izy, ary tahaka ny mpanefy vilany mihosy tanimanga.
Isai Mg1865 41:26  Iza no nitory izany hatramin’ ny voalohany, mba ho fantatray? Ary hatry ny fony taloha, mba hataonay hoe: Marina? Tsy nisy nanambara, eny, tsy nisy nitory; Ary tsy nisy nandre ny teninareo.
Isai Mg1865 41:27  Izaho no voalohany Izay milaza amin’ i Ziona hoe: Indreo, indreo izy, sady manome mpitondra teny soa mahafaly ho an’ i Jerosalema.
Isai Mg1865 41:28  Dia nijery Aho, kanjo tsy nisy olona, eny, nojereko ireny kanjo tsy nisy mpanolo-tsaina hamaly Ahy, raha manontany azy Aho.
Isai Mg1865 41:29  Indro, zava-poana avokoa izy rehetra; Tsinontsinona ny asany; Rivotra sy zava-poana ny sampiny an-idina.
Chapter 42
Isai Mg1865 42:1  Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an’ ny jentilisa Izy.
Isai Mg1865 42:2  Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana.
Isai Mg1865 42:3  Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy.
Isai Mg1865 42:4  Tsy ho reraka na ho kivy Izy, Mandra-panoriny ny rariny amin’ ny tany, ary ny nosy hiandry ny lalàny.
Isai Mg1865 42:5  Izao no lazain’ i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an’ izay mandeha eo aminy:
Isai Mg1865 42:6  Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin’ ny fahamarinana sy nitantana ny tananao, Ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ ny olona, Ho fanazavana ny jentilisa,
Isai Mg1865 42:7  Hampahiratra ny mason’ ny jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ary izay mipetraka ao amin’ ny maizina hiala ao an-trano famatorana.
Isai Mg1865 42:8  Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ ny sarin-javatra voasokitra.
Isai Mg1865 42:9  Ny amin’ ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho; Ary zava-baovao kosa no toriko izao; Na dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia ambarako aminareo.
Isai Mg1865 42:10  Hianareo izay midìna any amin’ ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia ianareo nosy sy ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an’ i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin’ ny faran’ ny tany.
Isai Mg1865 42:11  Aoka ny efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, dia ny vohitra izay onenan’ i Kedara; Aoka hihoby ny mponina any Sela; Ary aoka hanao feo avo any an-tampon’ ny tendrombohitra izy.
Isai Mg1865 42:12  Aoka hanome voninahitra an’ i Jehovah izy Ary hitory ny fiderana Azy any amin’ ny nosy.
Isai Mg1865 42:13  Jehovah mivoaka tahaka ny lehilahy mahery, tahaka ny fanaon’ ny mpiady no amohazany ny fahatezerany; Miantsoantso Izy, eny, mihiaka mafy; Mampiseho hery haharesy ny fahavalony Izy.
Isai Mg1865 42:14  Efa tsy niteny Aho hatrizay hatrizay, nangina ihany Aho ka nanindry fo; Fa izao Aho dia mitaraina tahaka ny vehivavy raha miteraka, eny, miehakehaka tsy avy miaina.
Isai Mg1865 42:15  Hataoto mariry ny tendrombohitra sy ny havoana, hataoko maina ny ahitra rehetra ao aminy, ary ny ony ho tonga nosy, Ary hataoko tankina ny farihy.
Isai Mg1865 42:16  Hitarika ny jamba amin’ izay lalana tsy fantany Aho; ary amin’ ny lalana tsy fantany no hitondrako azy; Ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; Izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako.
Isai Mg1865 42:17  Hihemotra sady ho menatra tokoa izay matoky ny sarin-javatra voasokitra, dia izay manao amin’ ny sarin-javatra an-idina hoe: Hianareo no andriamanitray.
Isai Mg1865 42:18  Mihainoa ianareo, ry marenina; Ary mijere, ry jamba, mba hahita.
Isai Mg1865 42:19  Iza no jamba, afa-tsy ny mpanompoko? Ary iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Iza no jamba tahaka ny sakaizan’ i Jehovah, ary jamba tahaka ny mpanompony?
Isai Mg1865 42:20  Mahita zavatra maro ianao, nefa tsy mitandrina; Manongilana ny sofiny izy, nefa tsy mihaino.
Isai Mg1865 42:21  Sitrak’ i Jehovah noho ny fahamarinany ny hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy.
Isai Mg1865 42:22  Kanefa ity dia firenena nobaboina sy norobaina; Voafandrika ao an-davaka avokoa izy rehetra ary voàfina ao an-trano-maizina; Voababo izy, ka tsy misy mamonjy; Voasambotra izy, ka tsy misy manao hoe: Ampodio.
Isai Mg1865 42:23  Iza aminareo no hihaino iza-ny? Iza no handre, dia hitandrina izany amin’ ny andro ho avy?
Isai Mg1865 42:24  Iza no nanolotra an’ i Jakoba hosamborina, ary Isiraely ho an’ ny mpamabo? Tsy Jehovah, Izay efa nanotantsika va? Satria tsy nety nandeha tamin’ ny lalany ireo, sady tsy nety nihaino ny lalàny;
Isai Mg1865 42:25  Ka dia nalatsany taminy ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan’ ny ady; Dia nampirehitra azy manodidina izany nefa tsy fantany; Ary nandoro azy, nefa tsy noheverin’ ny fony
Chapter 43
Isai Mg1865 43:1  Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain’ i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.
Isai Mg1865 43:2  Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo;
Isai Mg1865 43:3  Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin’ ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao.
Isai Mg1865 43:4  Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon’ ny ainao.
Isai Mg1865 43:5  Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao;
Isai Mg1865 43:6  Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin’ ny faran’ ny tany,
Isai Mg1865 43:7  Dia izay rehetra antsoina amin’ ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.
Isai Mg1865 43:8  Ento mivoaka ny olona jamba mana-maso sy ny marenina manan-tsofina.
Isai Mg1865 43:9  Aoka hiangona ny firenena rehetra, Ary aoka hivory ny olombelona; Iza aminareo no mahalaza izany? Aoka hambarany amintsika ny fahiny taloha; Aoka ho entiny ny vavolombelony hahamarina azy; Ary aoka hihaino ireo ka hiaiky hoe: Marina izany.
Isai Mg1865 43:10  Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, Mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy.
Isai Mg1865 43:11  Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.
Isai Mg1865 43:12  Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy hafa tao aminareo; Dia ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra.
Isai Mg1865 43:13  Eny, hatramin’ izary andro izany Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin’ ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany?
Isai Mg1865 43:14  Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin’ ny Isiraely: Noho ny aminareo no nanirahako tany Babylona, ary hampidiniko izy rehetra mbamin’ ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin’ ny sambo izay efa nifaliany.
Isai Mg1865 43:15  Izaho no Jehovah, Iray Masinareo, Mpamorona ny Isiraely sady Mpanjakanareo.
Isai Mg1865 43:16  Izao no lazain’ i Jehovah, Izay manao lalana eny amin’ ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin’ ny rano manonja,
Isai Mg1865 43:17  Izay mamoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny miaramila sy ny lehilahy miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony, mitsilopilopy izy, ka dia maty toy ny jiro:
Isai Mg1865 43:19  Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany tsy hahalala izany va ianareo? eny, any an-efitra no hanaovako lalana ary any amin’ ny tany sao no hasiako ony;
Isai Mg1865 43:20  Dia hanome voninahitra Ahy ny bibi-dia sy ny amboadia ary ny ostritsa, satria manisy rano any an-efitra sy ony any amin’ ny tany lao Aho, Hampisotroana ny oloko, dia ilay voafidiko.
Isai Mg1865 43:21  Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy.
Isai Mg1865 43:22  Nefa Izaho tsy mba nantsoinao, ry Jakoba; Fa sasatra amiko ianao, ry Isiraely.
Isai Mg1865 43:23  Tsy nitondranao ny zanak’ ondry fanatitra doranao Aho, na nomenao voninahitra tamin’ ny fanatitrao. Tsy nampahavesatra anao tamin’ ny fanatitra Aho, na nanasatra anao tamin’ ny ditin-kazo mani-pofona.
Isai Mg1865 43:24  Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy ianao, na nahavoky Ahy tamin’ ny saboran’ ny fanatitrao; Fa nampahavesatra Ahy tamin’ ny fahotanao kosa ianao sy nanasatra Ahy tamin’ ny helokao.
Isai Mg1865 43:25  Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao.
Isai Mg1865 43:26  Ampahatsiarovy Aho, ka avia isika hifandahatra; Alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao.
Isai Mg1865 43:27  Ny razambenao voalohany indrindra dia efa nanota, ary ireny mpanalalana aminao efa niodina tamiko,
Isai Mg1865 43:28  Koa izany no nanaovako ny mpanapaka masìna ho tsy masìna, sy nanolorako an’ i Jakoba ho fandringana ary Isiraely ho latsa.
Chapter 44
Isai Mg1865 44:1  Fa ankehitriny dia mihainoa, ry Jakoba, mpanompoko, sy ry Isiraely, izay nofidiko;
Isai Mg1865 44:2  Izao no lazain’ i Jehovah Izay nahary anao sy namorona anao hatrany am-bohoka sady mamonjy anao: Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko, Ary ianao, ry Jesorona, izay nofidiko;
Isai Mg1865 44:3  Fa handatsaka rano amin’ izay mangetaheta Aho, ary riaka ho amin’ izay tany karankaina; Eny, handatsaka ny Fanahiko amin’ ny taranakao Aho, ary ny fitahiako ho amin’ ny terakao;
Isai Mg1865 44:4  Dia haniry eny amin’ ny ahitra tahaka ny hazomalahelo eny anilan’ ny rano mandeha ireny.
Isai Mg1865 44:5  Ny anankiray hilaza hoe: An’ i Jehovah aho: Ary ny anankiray koa hankalaza ny anarana hoe Jakoba; Ary ny anankiray koa indray hanoratra amin’ ny tànany hoe: An’ i Jehovah, Ary ny anarana hoe Isiraely dia hotononiny amim-panajana.
Isai Mg1865 44:6  Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanjakan’ ny Isiraely, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Mpanavotra azy: Izaho no voalohany, ary Izaho no farany: Ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Isai Mg1865 44:7  Ary iza moa no mba mahantso tahaka Ahy (Aoka hanambara sy handahatra izany amiko izy) hatrizay nampitoerako ny firenena fony fahagola? Ary ny zavatra ho avy sy ny mbola ho tonga, dia aoka hambarany koa izany.
Isai Mg1865 44:8  Aza matahotra na mangovitra ianareo; Tsy efa nampandre anareo hatramin’ ny fahiny va Aho ka nanambara taminareo? Eny, ianareo no vavolombeloko; Misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy, tsy hitako izany.
Isai Mg1865 44:9  Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; Ary ny zavatra tiany indrindra dia tsy mahasoa; Ny vavolombelon’ ireny dia tsy mahita na mahalala, mba hahamenatra azy.
Isai Mg1865 44:10  Iza no namorona andriamanitra, na nanao sarin-javatra an-idina izay tsy mahasoa akory?
Isai Mg1865 44:11  Indro, ho menatra ny namany rehetra; Fa ny mpiasa dia olona ihany; Aoka hivory izy rehetra ka handroso; Aoka ho raiki-tahotra sy ho menatra avokoa izy.
Isai Mg1865 44:12  Ny mpanefy manamboatra fiasana; Miasa amin’ ny arina izy ary manamboatra azy amin’ ny tantanana sy miasa azy amin’ ny sandriny matanjaka; Eny, noana izy, ka ketraka ny heriny; Tsy misotro rano izy ka reraka.
Isai Mg1865 44:13  Ny mpandrafitra manenjana ny kofehy sy manamarika azy amin’ ny fitsipihana; Manamboatra azy amin’ ny vankona izy, dia manamarika azy amin’ ny kompà ary mahavita azy ho tahaka ny endrik’ olona, dia tahaka ny hatsaran-tarehin’ ny olona, Mba hampitoerina ao an-trano.
Isai Mg1865 44:14  Tsy maintsy mijinja ny sedera izy ary maka ny hazo ileksa sy ôka Ary mifidy hazo any an’ ala; Mamboly ny hazo orno izy, ka ampanirin’ ny ranonorana izany;
Isai Mg1865 44:15  Ary dia anaovan’ ny olona kitay izany ka analany hamindroany; Eny, ampirehetiny izany mba hanendasany mofo; Anaovany andriamanitra izany, ka dia ivavahany; Eny, anaovany sarin-javatra voasokitra koa izany, ka dia iankohofany.
Isai Mg1865 44:16  Ny sasany dorany amin’ ny afo, eny, ny sasany ahandroany hena; Manatsatsika hena izy, ka dia voky; Eny, mamindro izy ka manao hoe: Aha! mafana aho izany! nahita afo aho lahy!
Isai Mg1865 44:17  Ary ny sisan’ izany dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, Ary miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao.
Isai Mg1865 44:18  Tsy mahalala na mahafantatra ireny; Fa voatampina ny masony ka tsy mahita, Ary ny fony, ka tsy mahalala.
Isai Mg1865 44:19  Tsy misy mieritreritra ao am-pony, na mba manana fahalalana na saina akory hanao hoe: Ny sasany mantsy nodorako tamin’ ny afo; Eny, efa nanendy mofo tamin’ ny vainafony aho: Efa nanatsatsika hena aho ka nihinana; Koa ny sisa va hataoko fahavetavetana, Hiankohofako eo anatrehan’ izay vatan-kazo?
Isai Mg1865 44:20  Homan-davenona izy; Voafitaka ny fony ka nampivily azy, ka dia tsy mahavonjy ny fanahiny izy na mahalaza hoe: Moa tsy lainga va no eto an-tanako ankavanana?
Isai Mg1865 44:21  Tsarovy izany, ry Jakoba, dia ianao, ry Isiraely, fa mpanompoko ianao; Noforoniko ianao ka mpanompoko; Tsy hohadinoiko ianao, ry Isiraely ô,
Isai Mg1865 44:22  Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.
Isai Mg1865 44:23  Mihobia, ry lanitra; Fa Jehovah no nanao izany; Manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana lalina any ambanin’ ny tany; Velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry ala mbamin’ izay hazo rehetra ao; Fa Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba sy mampiseho ny voninahiny eo amin’ Isiraely.
Isai Mg1865 44:24  Izao no lazain’ i Jehovah, izay nanavotra anao sady namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; Ny tenako ihany no mamelatra ny tany;
Isai Mg1865 44:25  Izaho mahafoana ny famantarana lazain’ ny mpibedibedy sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana ary mampihemotra ny olon-kendry ka mampody ny fahalalany ho fahadalana,
Isai Mg1865 44:26  Ary mahatò ny tenin’ ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako, ary manao amin’ i Jerosalema hoe: Honenana ianao, sy amin’ ny tanànan’ ny Joda hoe: Hatsangana ianareo, ka hamboariko izay rava eo,
Isai Mg1865 44:27  Ary milaza amin’ ny rano lalina hoe: Tankina, Fa hataoko tankina ny oninao,
Isai Mg1865 44:28  Ary milaza an’ i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; Ary izy hanao amin’ i Jerosalema hoe: Hatsangana ianao, ary amin’ ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.
Chapter 45
Isai Mg1865 45:1  Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin’ ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehin-kibon’ ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany, ka tsy hirindrina intsony ny vavahady:
Isai Mg1865 45:2  Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy;
Isai Mg1865 45:3  Dia homeko anao ny rakitra ao amin’ ny maizina sy ny harena nafenina ao amin’ ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah Izay miantso anao amin’ ny anaranao, dia Andriamanitry ny Isiraely.
Isai Mg1865 45:4  Noho ny amin’ i Jakoba mpanompoko sy Isiraely voafidiko no niantsoako anao tamin’ ny anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao.
Isai Mg1865 45:5  Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho efa nampisikina anao, kanefa tsy nahafantatra Ahy ianao,
Isai Mg1865 45:6  Mba hahafantarana hatrany amin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatrany amin’ ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa,
Isai Mg1865 45:7  Dia Izaho Izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Jehovah no manao izany rehetra izany.
Isai Mg1865 45:8  Manateteva avy any ambony, ry lanitra, ary aoka ny habakabaka hampilatsaka fahamarinana; Aoka ny tany hisosatra, Ary aoka ho vokatra avy amin’ ireo ny famonjena; Ary aoka hitsimoka miaraka amin’ izay ny fahamarinana. Izaho Jehovah no efa nahatonga izany.
Isai Mg1865 45:9  Lozan’ izay miady amin’ ny namorona azy! Tavim-bilany isan’ ny tavim-bilany amin’ ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin’ ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tanana izy?
Isai Mg1865 45:10  Lozan’ izay miteny amin-drainy hoe: Inona no aterakao? Na amin-dreniny hoe: Inona no aloaky ny kibonao?
Isai Mg1865 45:11  Izao no lazan’ i Jehovah ny Iray Masin’ ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin’ ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan’ ny tanako dia aoka ho adidiko ihany.
Isai Mg1865 45:12  Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny; ny tanako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra ny eny aminy rehetra.
Isai Mg1865 45:13  Izaho no nanaitra azy io tamin’ ny fahamarinana, ary ny lalany rehetra dia haravoko avokoa; izy no hanao ny tanànako, ary ny oloko voababo dia halefany, nefa tsy amim-bola amin-karena, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Isai Mg1865 45:14  Izao no lazain’ i Jehovah; Ny vokatry ny fisasaran’ i Egypta sy ny tombom-barotr’ i Etiopia sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, hafindra ao aminao, ka ho anao izany; ary hanaraka anao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka handady eo anatrehanao, dia hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany.
Isai Mg1865 45:15  Marina tokoa fa Hianao dia Andriamanitra miafina, ry Andriamanitry ny Isiraely sady Mpamonjy ô.
Isai Mg1865 45:16  Ho menatra sy hangaihay izy rehetra; eny, handeha aman-kenatra avokoa ny mpamorona sarin-javatra,
Isai Mg1865 45:17  Fa ny Isiraely kosa ho voavonjin’ i Jehovah Amin’ ny famonjena mandrakizay; tsy ho menatra na hangaihay mandrakizay mandrakizay ianareo.
Isai Mg1865 45:18  Fa izao no lazain’ i Jehovah, Izay nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana): Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.
Isai Mg1865 45:19  Tsy tao amin’ ny mangingina, dia tao amin’ ny fitoera-maizina amin’ ny tany no nitenenako; Izaho tsy niantso ny taranak’ i Jakoba hitady Ahy foana; Izaho Jehovah no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy.
Isai Mg1865 45:20  Mivoria, ka avia, ary miaraha manatona, ianareo jentilisa sisa afaka. Tsy manam-pahalalana izay mitondra ny hazo nataony sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin’ izay andriamanitra tsy mahavonjy.
Isai Mg1865 45:21  Alaharo, ka asehoy mazava; Eny, aoka hiara-misaina izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no efa nilaza izany hatramin’ ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; Eny, tsy misy afa-tsy Izaho.
Isai Mg1865 45:22  Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa.
Isai Mg1865 45:23  Ny tenako no nianianako, nisy teny efa naloaky ny vavako tamin’ ny fahamarinana ka tsy hitsoaka: Izaho no handohalehan’ ny lohalika rehetra, sy hianianan’ ny lela rehetra hoe:
Isai Mg1865 45:24  Ao amin’ i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery, ka izy ihany no hohatonin’ ny olona, ary ho menatra izay rehetra tezitra aminy.
Isai Mg1865 45:25  Ao amin’ i Jehovah no hanamarinana ny taranak’ Isiraely rehetra sy hananany rehareha.
Chapter 46
Isai Mg1865 46:1  Mangozohozo Bela, efa miraika Nebo, ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; Ny zavatra fitondranareo dia asampy ka tonga enta-mavesatra entin’ ireo biby reraka.
Isai Mg1865 46:2  Miraika sy mangozohozo avokoa izy, ka tsy mahavonjy ny entana akory; Fa na dia ny tenany aza dia lasan-ko babo koa.
Isai Mg1865 46:3  Mihainoa Ahy, ry taranak’ i Jakoba sy izay sisa rehetra amin’ ny taranak’ Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka:
Isai Mg1865 46:4  Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka.
Isai Mg1865 46:5  Hampitovinareo amin’ iza moa Aho, sy amin’ iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko?
Isai Mg1865 46:6  Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin’ ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany.
Isai Mg1865 46:7  Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin’ ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin’ ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin’ ny fahoriany.
Isai Mg1865 46:8  Tsarovy izany ka mahereza ianareo eritrereto tsara izany, ry mpiodina.
Isai Mg1865 46:9  Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy,
Isai Mg1865 46:10  Izay manambara ny farany hatramin’ ny voalohany, ary nanambara hatramin’ ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra,
Isai Mg1865 46:11  Izay miantso vorona mpihaza avy any atsinanana, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako; sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy.
Isai Mg1865 46:12  Mihainoa Ahy ianareo madi-po izay lavitra ny fahamarinana:
Isai Mg1865 46:13  Hampanatoniko ny fahamarinako, ka tsy ho lavitra intsony; ary ny famonjeko tsy hitaredretra; fa hametraka famonjena ao Ziona Aho sy ny voninahitro ho an’ ny Isiraely.
Chapter 47
Isai Mg1865 47:1  Mialà, ka mipetraha amin’ ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina! Mipetraha eo amin’ ny tany, fa tsy amin’ ny seza fiandrianana, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao.
Isai Mg1865 47:2  Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny moron-tongotr’ akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony.
Isai Mg1865 47:3  Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona.
Isai Mg1865 47:4  Ny anaran’ ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Iray Masin’ ny Isiraely.
Isai Mg1865 47:5  Mipetraha mangingina, ka midìra ao amin’ ny maizina, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe Tompovavin’ ny fanjakana intsony ianao.
Isai Mg1865 47:6  Tezitra tamin’ ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.
Isai Mg1865 47:7  Ary hoy ianao: Ho tompovavy mandrakizay Aho; ka dia tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao, na nitsapa izay hiafarany.
Isai Mg1865 47:8  Koa mihainoa, ianao izay mihantahanta sady mipetraka tsy manana ahiahy ka manao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; tsy hipetraka ho mpitondratena aho, na hahita fahafoanan’ anaka.
Isai Mg1865 47:9  Kanjo hanjo anao tampoka amin’ ny indray andro monja ireto zavatra roa ireto, dia ny fahafoanan’ anaka sy ny fananoan-tena; Hotanterahina aminao avokoa izany, na dia maro aza ny fankatovanao, ary na dia be dia be aza ny odinao.
Isai Mg1865 47:10  Fa nitoky tamin’ ny faharatsianao ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.
Isai Mg1865 47:11  Kanjo hanjo anao ny fahoriana, nefa tsy ho fantatrao izay fanafany; Ary hahazo anao ny loza, nefa tsy ho hainao ny fanàlany; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana izay tsy ampoizinao.
Isai Mg1865 47:12  Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan’ ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; Angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao.
Isai Mg1865 47:13  Sasatra noho ny hamaroan’ ny fisainanao ianao; aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao.
Isai Mg1865 47:14  Indro, fa ho tahaka ny vodivary ireo; ho main’ ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin’ ny herin’ ny lelafo akory; tsy misy vainafo hamindroana, na afo hitaninana aza.
Isai Mg1865 47:15  Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin’ ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao.
Chapter 48
Isai Mg1865 48:1  Mihainoa, ry taranak’ i Jakoba, dia ianareo izay antsoina amin’ ny anaran’ Isiraely sy avy amin’ ny loharanon’ i Joda, ianareo izay mianiana amin’ ny anaran’ i Jehovah ary mankalaza ny anaran’ Andriamanitry ny Isiraely, kanefa tsy araka ny marina, na araka ny hitsiny;
Isai Mg1865 48:2  Fa milaza ny tenany ho avy amin’ ny tanana masìna izy ka miankina amin’ Andriamanitry ny Isiraely; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
Isai Mg1865 48:3  Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin’ ny fahiny, ary naloaky ny vavako izany sady nambarako; Tampoka no nanaovako izany, ary tonga izany.
Isai Mg1865 48:4  Satria fantatro fa maditra ianao, ka ozaby ny hatokao, ary varahina ny handrinao,
Isai Mg1865 48:5  Dia nambarako taminao hatramin’ ny fahiny izany, eny, fony tsy mbola tonga aza izany, dia efa nambarako taminao rahateo, fandrao hataonao hoe: Ny sampiko no nanao izany, ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra an-idina no nandidy izany.
Isai Mg1865 48:6  Efa renao, ka dia jereo izany rehetra izany, moa ianareo tsy hanambara izany va? Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin’ izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao.
Isai Mg1865 48:7  Vao izao no namoronana azy, fa tsy hatramin’ ny fahiny, ary tsy mbola nandre azy ianao talohan’ ny andro anio, fandrao ianao hanao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany.
Isai Mg1865 48:8  Fa tsy nandre na nahalala ianao; Eny, hatramin’ ny fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao; fa fantatro fa tena mpivadika ianao sady natao hoe mpiodina hatrany an-kibo.
Isai Mg1865 48:9  Noho ny anarako dia ononiko ny fahatezerako, ary mba hiderana ahy dia manindry fo aminao Aho, mba tsy hamongorana anao.
Isai Mg1865 48:10  Indro, nodioviko ianao, nefa tsy toy ny volafotsy; Efa nizaha toetra anao tao amin’ ny memy fahoriana Aho.
Isai Mg1865 48:11  Noho ny tenako, eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany; indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.
Isai Mg1865 48:12  Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy y Isiraely izay nantsoiko: Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany.
Isai Mg1865 48:13  Eny, ny tanako no nanorina ny fanambanin’ ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; Raha antsoiko ireo, dia indray miseho avokoa.
Isai Mg1865 48:14  Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza moa amin’ ireny no mba efa nanambara izany; ilay tian’ i Jehovah no hahefa ny sitrapony amin’ i Babylona ary ny sandriny ho amin’ ny Kaldeana.
Isai Mg1865 48:15  Izaho dia Izaho ihany no miteny sady miantso azy, nitondra azy Aho, ka hambinina ny lalany.
Isai Mg1865 48:16  Manatona Ahy ianareo, ka mihainoa; hatramin’ ny taloha no efa tsy nitenenako tamin’ ny mangingina, hatry ny fony vao nisian’ ireo dia teo Aho, ary ankehitriny Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny.
Isai Mg1865 48:17  Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin’ ny Isiraely: Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ ny lalana tokony halehanao.
Isai Mg1865 48:18  Toy izay anie ianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao,
Isai Mg1865 48:19  Ary ho tahaka ny fasika ny taranakao, ary ny aloaky ny kibonao ho tahaka ny sombim-pasika; Ny anarany tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako.
Isai Mg1865 48:20  Mivoaha hiala any Babylona; miezaha avy any amin’ ny Kaldeana; torio amin’ ny feo mahafaly, ary ambarao, ka aelezo hatrany amin’ ny faran’ ny tany, lazao hoe: Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba mpanompony.
Isai Mg1865 48:21  Ary tsy nangetaheta ireo tamin’ ny nitondrany azy tany an-efitra; Nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ ny vatolampy Izy, Eny, nampitresaka ny vatolampy Izy, ka dia nigororoana ny rano.
Isai Mg1865 48:22  Tsy misy fiadanana ho an’ ny ratsy fanahy, hoy Jehovah.
Chapter 49
Isai Mg1865 49:1  Mihainoa Ahy, ry nosy, ary atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra; Jehovah efa niantso Ahy hatrany am-bohoka; Hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon’ ineny no efa nankalazainy ny anarako.
Isai Mg1865 49:2  Ary nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; tao amin’ ny aloky ny tànany no nanafenany Ahy. Ary nataony zana-tsipìka voalambolambo tsara Aho; teo amin’ ny tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy.
Isai Mg1865 49:3  Ary hoy Izy tamiko: Mpanompoko Hianao, ry Isiraely ô. Izay entiko mampiseho ny voninahitro.
Isai Mg1865 49:4  Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin’ i Jehovah ny rariny tokony ho Ahy, Ary ny valin’ ny asako dia ao amin’ Andriamanitro.
Isai Mg1865 49:5  Ary ankehitriny, hoy Jehovah, Izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao aminy indray sy hamoriana ny Isiraely ho ao aminy, (Fa mahazo voninahitra eo imason’ i Jehovah Aho, Ary Andriamanitro no heriko),
Isai Mg1865 49:6  Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’ i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin’ ny faran’ ny tany.
Isai Mg1865 49:7  Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra ny Isiraely, dia ny Iray Masiny, Amin’ Ilay hamavoin’ ny olona sy halan’ ny firenena ka tonga mpanompon’ ny mpanapaka: Ny mpanjaka hahita ka hitsangana, ary ny mpanapaka koa, ka dia hiankohoka noho ny amin’ i Jehovah, Izay mahatoky dia ny Iray Masin’ ny Isiraely, izay efa nifidy Anao.
Isai Mg1865 49:8  Izao no lazain’ i Jehovah: Tamin’ ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin’ ny andro famonjena no namonjeko Anao; Dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ ny olona, mba hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova izay efa rava
Isai Mg1865 49:9  ka hanao amin’ ny mpifatotra hoe: Mivoaha, Ary amin’ izay ao amin’ ny maizina hoe: Misehoa; hihinana eny an-dalana izy, ary na dia any an-tendrombohitra mangadihady aza dia hisy ahitra ho azy ihany.
Isai Mg1865 49:10  Tsy ho noana na hangetaheta izy, ary tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, ary any amin’ ny loharano miboiboika no hitondrany azy.
Isai Mg1865 49:11  Hataoko lalana ny tendrombohitro rehetra, ary hasandratra ny lalambeko.
Isai Mg1865 49:12  Indreo, tonga avy lavitra ireto; ary, indreo, avy any avaratra sy andrefana ireto, ary avy any amin’ ny tany Sinima ireto.
Isai Mg1865 49:13  Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin’ ny olony mahantra.
Isai Mg1865 49:14  Fa hoy Ziona’ Jehovah efa nahafoy ahy, ary ny Tompoto efa nanadino ahy.
Isai Mg1865 49:15  Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.
Isai Mg1865 49:16  Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao, ary ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva.
Isai Mg1865 49:17  Tamy faingana ny zanakao; Ary izay nanimba sy nandrava anao dia miala aminao.
Isai Mg1865 49:18  Atopazy manodidina ny masonao, ka mijere; ireo rehetra ireo dia mivory ka mankeo aminao; raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Ireo rehetra ireo dia hihaingoanao tokoa tahaka ny firavaka sy hiravahanao tahaka ny fanaon’ ny ampakarina.
Isai Mg1865 49:19  Fa ny taninao rava sy ny fonenanao lao ary ny taninao simba dia tsy ho omby amin’ izany noho ny habetsahan’ ny mponina, ary ho lasa lavitra ireo nihinana anao.
Isai Mg1865 49:20  Ny zanakao izay efa lasa teo dia mbola hilaza eo an-tsofinao hoe: Tsy omby ahy loatra ity tany ity, Mikisaha kely mba hitoerako.
Isai Mg1865 49:21  Dia hanao anakampo ianao hoe: Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa efa maty ny zanako, ary nitsaha-jaza aho. Babo aho sady noroahina, koa iza no namelona ireto? Indro, nilaozana ho irery aho, fa taiza kosa moa ireto?
Isai Mg1865 49:22  Izao no lazain’ i Jehovah Tompo; Indro, hanandratra ny tanako amin’ ny jentilisa Aho ary hanangana ny fanevako amin’ ny firenena; dia hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo, ary ny zanakaovavy ho entiny eny an-tsorony.
Isai Mg1865 49:23  Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao, ary zanakavavin’ andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin’ ny tany eo anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin’ ny tongotrao; Dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah, ka tsy ho menatra izay miandry Ahy.
Isai Mg1865 49:24  Azo alaina eny amin’ ny mahery va ny sambotra? Na ho afaka va ny babo marina?
Isai Mg1865 49:25  Nefa izao no lazain’ i Jehovah: Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon’ ny mpandrombaka; fa Izaho no hiady amin’ izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao.
Isai Mg1865 49:26  Sady hampihinaniko ny nofon’ ny tenany ihany izay mampahory anao, ary ho leon’ ny ran’ ny tenany ihany ireny, toy ny amin’ ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’ i Jakoba no Mpanavotra anao.
Chapter 50
Isai Mg1865 50:1  Izao no lazain’ i Jehovah: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo? Ary iza amin’ izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.
Isai Mg1865 50:2  Nahoana no tsy nisy olona, fony tonga Aho, ary tsy nisy namaly, fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy, ary moa tsy manan-kery ho enti-manafaka va Aho? Indro, amin’ ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anaovako ny ony ho efitra; ary maimbo ny hazandranony noho ny tsi-fisian’ ny rano sady matin-ketaheta.
Isai Mg1865 50:3  Tafiako fahamaintisana ny lanitra, ary lamba fisaonana no ataoko fisaronany.
Isai Mg1865 50:4  Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan’ ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay
Isai Mg1865 50:5  Jehovah Tompo nanokatra ny sofiko, ary Izaho tsy naditra na nihemotra.
Isai Mg1865 50:6  Ny lamosiko natolotro ho amin’ ny mpikapoka, ary ny takolako ho amin’ izay manongobaoka; ny tavako tsy nafeniko tamin’ ny henatra sy ny rora.
Isai Mg1865 50:7  Fa Jehovah Tompo no hamonjy Ahy, ka dia tsy resin-kenatra Aho; Ary efa nohamafisiko ho tahaka ny afovato ny tavako, ka fantatro fa tsy ho menatra Aho.
Isai Mg1865 50:8  Efa akaiky Izay manamarina Ahy: Iza no hiady amiko? Andeha hiara-mitsangana isika; iza no manana ady amiko? Aoka izy ho avy amiko.
Isai Mg1865 50:9  Indro, Jehovah Tompo no hamonjy ahy; koa iza no hanameloka ahy? Indro, izy rehetra ho tonga tahaka ny lamba mangarahara, ho lanin’ ny kalalao izy.
Isai Mg1865 50:10  Iza aminareo no matahotra an’ i Jehovah ka mihaino ny feon’ ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ ny maizina ka tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny anaran’ i Jehovah sy hiankina amin’ Andriamaniny.
Isai Mg1865 50:11  He! ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon’ afo manodidina anareo, mandehana amin’ ny lelafonareo sy amin’ ny zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin’ ny tanako: Handry amin’ ny fahoriana ianareo.
Chapter 51
Isai Mg1865 51:1  Mihanoa Ahy, ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady an’ i Jehovah: Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo.
Isai Mg1865 51:2  Eny, tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko.
Isai Mg1865 51:3  Fa Jehovah mampionona an’ i Ziona; Eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy Ka manao ny efitra ao ho tahaka an’ i Edena. Ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan’ i Jehovah; Hafaliana sy haravoana no hita ao mbamin’ ny fisaorana sy ny feo fiderana.
Isai Mg1865 51:4  Mihainea Ahy, ry vahoakako, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry oloko; fa hisy lalàna hivoaka avy amiko, ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena.
Isai Mg1865 51:5  Akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; izaho no hantenain’ ny nosy, ary ny sandriko no andrasany.
Isai Mg1865 51:6  Andrandrao ho amin’ ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka, ary tany ho tahaky ny lamba mangarahara, ary ny mponina ao dia ho faty tampoka; fa ny famonjena kosa haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako tsy mba ho rava.
Isai Mg1865 51:7  Mihainoa ahy, ianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia ianao, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao; aza matahotra ny latsa ataon’ ny zanak’ olombelona, na manahy noho ny faharatsiany.
Isai Mg1865 51:8  Fa ny kalalao hihinana azy tahaka ny fihinan-damba, ary lolo fotsy hihinana azy tahaka ny fihinam-bolon’ ondry; fa ny fahamarinako haharitra mandrakizay, ary famonjena hihatra amin’ ny taranaka fara-mandimby.
Isai Mg1865 51:9  Mifohaza, mifohaza, ry sandrin’ i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin’ ny andro fahiny! dia tamin’ ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona?
Isai Mg1865 51:10  Tsy Hianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin’ ny lalina indrindra, ka nanao ny ranomasina lalina ho lalana halehan’ ny navotana?
Isai Mg1865 51:11  Eny, ny navotan’ i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
Isai Mg1865 51:12  Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak’ olombelona mety maty sy ny zanak’ olona hatao tahaka ny ahitra
Isai Mg1865 51:13  ka manadino an’ i Jehovah, Mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, sady matahotra lalandava mandritra ny andro ianao noho ny fahatezeran’ ny mpampahory, raha mikendry hamono izy? Fa aiza intsony izay fahatezeran’ ny mpampahory?
Isai Mg1865 51:14  Izay mitanondrika dia ho afaka faingana; Tsy ho faty havarina ao an-davaka izy ary tsy ho diso hanina.
Isai Mg1865 51:15  Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarako.
Isai Mg1865 51:16  Ary nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin’ ny aloky ny tanako no nanaronako anao, hanao ny lanitra sy hanorina ny tany Aho ary hanao an’ i Ziona hoe: Oloko ianao.
Isai Mg1865 51:17  Mifohaza, mifohaza, mitsangana, ry Jerosalema ô, izay efa nisotro ny kapoaky ny fahatezerana avy tamin’ ny tànan’ i Jehovah; eny, ny kapoaka gobilia mampiraikiraiky dia efa nisotroanao, ka notrohinao mbamin’ ny faikany.
Isai Mg1865 51:18  Tsy misy mitondra azy ny zananilahy rehetra izay naterany; ary tsy misy mitantana azy ny zananilahy rehetra izay notezainy.
Isai Mg1865 51:19  Izao zavatra roa Izao no hanjo anao (Iza no hanony ny alahelonao?): Fandravana sy fandringanana ary mosary sy sabatra, koa hataoko ahoana no fampionona anao?
Isai Mg1865 51:20  Ny zanakao-lahy efa reraka, ka miapokapoka eny an-joron-dalambe rehetra eny izy, tahaka ny diera ao anatin’ ny fandrika harato eny, tahaka ny olona rakotry ny fahatezeran’ i Jehovah sy ny teny mafy ataon’ Andriamanitrao.
Isai Mg1865 51:21  Koa mihainoa izao, ianao ry ilay ory sady mamo tsy amin-divay:
Isai Mg1865 51:22  Izao no lazain’ i Jehovah Tomponao, dia Andriamanitrao, Izay mandaha-teny ho an’ ny olony: Indro, esoriko eny an-tananao ny kapoaka mampiraikiraiky, dia ny kapoaka gobilian’ ny fahatezerako; Tsy hisotroanao intsony iny,
Isai Mg1865 51:23  Fa hataoko eo an-tànan’ izay mampahory anao kosa, dia izay efa nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay, ka dia nataonao ho tahaka ny tany ny tenanao sy ho tahaka ny lalambe ho an’ izay mandeha eo.
Chapter 52
Isai Mg1865 52:1  Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masìna; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.
Isai Mg1865 52:2  Ahintsano ny vovoka hiala amin’ ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin’ ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo.
Isai Mg1865 52:3  Fa izao no lazain’ i Jehovah: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo, ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo.
Isai Mg1865 52:4  Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tany Egypta no nidinan’ ny oloko tamin’ ny voalohany mba hivahiny tany; Ary ny Asyriana koa nampahory azy tsy ahoan-tsy ahoana.
Isai Mg1865 52:5  Ary ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako.
Isai Mg1865 52:6  Koa ny oloko dia hahalala ny anarako; Eny, amin’ izany andro izany dia ho fantany fa Izaho no miteny hoe: Inty Aho.
Isai Mg1865 52:7  Akory ny hatsaran’ ny tongotr’ iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’ i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
Isai Mg1865 52:8  Injany ny feon’ ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita mifanatri-maso ny hodian’ i Jehovah ho any Ziona.
Isai Mg1865 52:9  Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; Fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an’ i Jerosalema.
Isai Mg1865 52:10  Jehovah efa nampiseho ny sandriny masìna teo imason’ ny firenena rehetra; ary ny faran’ ny tany rehetra hahita ny famonjen’ Andriamanitsika.
Isai Mg1865 52:11  Mialà, mialà ianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, ianareo izay mitondra ny fanak’ i Jehovah.
Isai Mg1865 52:12  Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo.
Isai Mg1865 52:13  Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra.
Isai Mg1865 52:14  Fa toy ny nigagan’ ny maro Anao (Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin’ olombelona akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak’ olombelona),
Isai Mg1865 52:15  Dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin’ ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy.
Chapter 53
Isai Mg1865 53:1  Iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’ i Jehovah?
Isai Mg1865 53:2  Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy sy tahaka ny solofon-kazo amin’ ny tany karankaina; tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.
Isai Mg1865 53:3  Natao tsinontsinona sy nolavin’ ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, Ary tahaka izay tsy tian’ ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.
Isai Mg1865 53:4  Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian’ Andriamanitra ary nampahorina.
Isai Mg1865 53:5  Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.
Isai Mg1865 53:6  Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’ i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Isai Mg1865 53:7  Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak’ ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy.
Isai Mg1865 53:8  Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin’ ny niara-belona taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin’ ny tanin’ ny velona Izy, ka ny fahadisoan’ ny oloko no nikapohana Azy?
Isai Mg1865 53:9  Ary nokasaina hatao tao amin’ ny olo-meloka ny fasany (Nefa teo amin’ ny mpanankarena Izy, rehefa novonoina), na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.
Isai Mg1865 53:10  Nefa sitrak’ i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon’ i Jehovah dia hambinina eo an-tànany.
Isai Mg1865 53:11  Noho ny fisasaran’ ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po; Ny fahalalana Azy no hanamarinan’ ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok’ ireo.
Isai Mg1865 53:12  Koa dia hanome Azy anjara amin’ ny lehibe Aho, ary hizara babo amin’ ny mahery Izy; Satria naidiny ho amin’ ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan’ ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan’ ny maro sady manao fifonana ho an’ ny mpanota.
Chapter 54
Isai Mg1865 54:1  Mihobia, ry momba, ianao izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy Jehovah.
Isai Mg1865 54:2  Halalaho ny itoeran’ ny lainao, ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao, ka aza avela hisy hiketrona; halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao;
Isai Mg1865 54:3  Fa hitatra any amin’ ny ankavanana sy any amin’ ny ankavia ianao, ary ny taranakao hahazo ny jentilisa, ka dia hasiany mponina ny tanàna lao.
Isai Mg1865 54:4  Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; ary aza mangaihay, fa tsy havela ho afa-baraka ianao; fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao, ary tsy ho tsaroanao intsony ny tondromasonao fony mpitondratena.
Isai Mg1865 54:5  Fa ny Mpanao anao no Vadinao, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany; Ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no Mpanavotra anao, Andriamanitry ny tany rehetra no anarany.
Isai Mg1865 54:6  Fa Jehovah efa nampody anao, izay tahaka ny vady efa nafoy ka ory am-panahy, ary tahaka ny vady efa novadina hatry ny fony mbola tanora, fa efa napetraka, hoy Andriamanitrao.
Isai Mg1865 54:7  Indray mipi-maso monja no nahafoizako anao; fa amin’ ny indrafo lehibe kosa no ampodiako anao.
Isai Mg1865 54:8  Tamin’ ny firehetan’ ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja, fa amin’ ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao.
Isai Mg1865 54:9  Fa amiko izany dia tahaka ilay ranon’ i Noa, ka toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon’ i Noa. Dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao intsony Aho.
Isai Mg1865 54:10  Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-peko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.
Isai Mg1865 54:11  Hianao, ry ory izay afotofoton’ ny tafiodrivotra sady tsy manana fampiononana, indro, Izaho handatsaka ny vatonao amin’ ny antimony sy hanorina ny fanambaninao amin’ ny safira,
Isai Mg1865 54:12  Hataoko robina ny tilikambo madinikao, sy karbonkolo ny vavahadinao, ary vato soa ny faritaninao manodidina.
Isai Mg1865 54:13  Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’ i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ ny zanakao.
Isai Mg1865 54:14  Amin’ ny fahamarinana no hampiorenana anao; aza manahy ny fampahoriana, fa tsy hatahotra ianao, na ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany.
Isai Mg1865 54:15  Na dia misy miara-mioko aza, dia tsy avy amiko izany; ary na iza na iza miara-mioko hamely anao dia ho tonga hiandany aminao kosa.
Isai Mg1865 54:16  Indro, Izaho no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny afo amin’ ny arina ka mahavita fiasana hanaovany ny asany; Ary Izaho koa no nahary ny mpandringana mba handringana.
Isai Mg1865 54:17  Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ ny mpanompon’ i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.
Chapter 55
Isai Mg1865 55:1  He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena.
Isai Mg1865 55:2  Nahoana ianareo no mandany vola amin’ izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin’ izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ ny matavy ny fanahinareo.
Isai Mg1865 55:3  Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an’ i Davida.
Isai Mg1865 55:4  Indro, nataoko vavolombelona ho an’ ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin’ ny firenena.
Isai Mg1865 55:5  Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin’ i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin’ ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao.
Isai Mg1865 55:6  Mitadiava an’ i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.
Isai Mg1865 55:7  Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’ i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’ Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Isai Mg1865 55:8  Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.
Isai Mg1865 55:9  Fa tahaka ny hahavon’ ny lanitra noho ny tany no hahavon’ ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Isai Mg1865 55:10  Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ ny mpamafy sy hanina ho an’ ny mpihinana,
Isai Mg1865 55:11  Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’ izay ampandehanako azy.
Isai Mg1865 55:12  Fa amin’ ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin’ ny fiadanana no hitondrana anareo; ny tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby eo alohanareo, ary ny hazo rehetra any an-tsaha hitehatanana.
Isai Mg1865 55:13  Ny hazo kypreso haniry ho solon’ ny tsilo, ary ny rotra ho solon’ ny sampivato; ary ho anarana ho an’ i Jehovah izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina.
Chapter 56
Isai Mg1865 56:1  Izao no lazain’ i Jehovah: Tandremo ny rariny, ary manaova ny marina, fa efa madiva ho tonga ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.
Isai Mg1865 56:2  Sambatra ny zanak’ olombelona izay manao izany, ary ny zanak’ olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masìna sady miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy akory.
Isai Mg1865 56:3  Ary aoka ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’ i Jehovah tsy hanao hoe: Hesorin’ i Jehovah tsy ho isan’ ny olony tokoa aho; Ary aoka ny ionoka tsy hanao hoe: Indro, hazo maina aho.
Isai Mg1865 56:4  Fa izao no lazain’ i Jehovah: Ny amin’ ny ionoka izay mitandrina ny Sabatako sy mifidy izay sitrako ary mitana ny fanekeko,
Isai Mg1865 56:5  Dia hanaovako fahatsiarovana sy anarana ao an-tranoko sy ao anatin’ ny mandako izy, izay tsara lavitra noho ny an’ ny zanakalahy sy ny zanakavavy; dia anarana mandrakizay izay tsy hesorina no homeko azy.
Isai Mg1865 56:6  Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’ i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran’ i Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masìna sady mitana ny fanekeko
Isai Mg1865 56:7  Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masìna, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin’ ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ ny firenena rehetra.
Isai Mg1865 56:8  Izao no lazain’ i Jehovah Tompo, Izay mamory ny Isiraely voaroaka: Mbola hamory ny sasany koa ho eo aminy Aho, hanampy izay efa voavory eo aminy.
Isai Mg1865 56:9  He, ianareo bibi-dia rehetra! Avia hihinana, ianareo biby rehetra any an’ ala.
Isai Mg1865 56:10  Jamba ny mpitiliny, samy tsy mahalala izy rehetra, amboa moana avokoa, izy rehetra, ka tsy mahavovo, manonofy izy, eny, mandry ka torimaso.
Isai Mg1865 56:11  Lian-kanina ireny amboa ireny; ka tsy mahalala voky, sady mpiandry tsy mahafantatra ireny; samy efa nivily ho amin’ ny lalany avy izy rehetra, samy mankamin’ ny filàny harena avokoa izy rehetra.
Isai Mg1865 56:12  Avia, ianareo, hoy ireny fa haka divay aho, ary aoka hiboboka toaka isika; ary rahampitso dia ho tahaka ny anio ihany, eny, hanoatra lavitra aza
Chapter 57
Isai Mg1865 57:1  Maty ny marina, nefa tsy misy misaina izany, ary alaina ny olona tsara fanahy, nefa tsy misy mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho azon’ ny loza hanjo.
Isai Mg1865 57:2  Miditra amin’ ny fiadanana izy, mandry amin’ ny fandriany avy izy, dia izay rehetra mizotra amin’ ny hitsiny.
Isai Mg1865 57:3  Fa ianareo kosa dia mankanesa etỳ, ry zanaky ny mpanandro, ianareo taranaky ny mpaka vadin’ olona sy ny mpijangajanga.
Isai Mg1865 57:4  Iza no ihomehezanareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy taranaky ny fiodinana va ianareo sady taranaky ny lainga?
Isai Mg1865 57:5  Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo amin’ ny hazo terebinta eny ambanin’ ny hazo maitso rehetra, ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin’ ny tsefatsefaky ny harambato.
Isai Mg1865 57:6  Ao amin’ ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao, eny, ireny ihany no anjaranao; ireny koa no nanidinanao fanatitra aidina sy nanateranao fanatitra hohanina. Hahatsindry fo amin’ izany va Aho?
Isai Mg1865 57:7  Teo an-tampon’ ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandrianao, ka tany no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra.
Isai Mg1865 57:8  Teo ivohon’ ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao, eny, nataonao malalaka ny fandrianao, ary nanao fanekena ny amin’ izay hataon’ ireny ianao; tia ny fandriana aminy ianao ka nizaha toerana ho anao.
Isai Mg1865 57:9  Dia nivezivezy nankany amin’ ny mpanjaka ianao nitondra diloilo, ary nataonao betsaka ny zava-manitrao, sady nampandehanina hatrany lavitra any ny irakao, ka nidina hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ianao.
Isai Mg1865 57:10  Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra ianao, nefa ianao tsy niteny hoe: kivy aho izany! Nahazo aina ny tananao, ka dia tsy nahatsiaro reraka ianao.
Isai Mg1865 57:11  Ary iza no nahinao sy natahoranao, no dia nandainga ianao ka tsy nahatsiaro ahy na nandatsaka am-po? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Ka dia tsy natahotra Ahy ianao.
Isai Mg1865 57:12  Izaho no hanambara ny fahamarinanao ary ny asanao dia tsy hahasoa anao.
Isai Mg1865 57:13  Raha mitaraina ianao, dia aoka ireo maronao no hamonjy anao, nefa hongahan’ ny rivotra avokoa ireo sy ho lasan’ ny tso-drivotra malemilemy aza; Fa izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masìna.
Isai Mg1865 57:14  Ary Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin’ ny alehan’ ny oloko.
Isai Mg1865 57:15  Fa izao no lazain’ ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masìna no anarany: Ao amin’ ny fitoerana avo sy masìna no onenako, ary ao amin’ ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin’ ny manetry tena sy hamelombelona ny fon’ ny torotoro fo;
Isai Mg1865 57:16  Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina izay nataoko.
Isai Mg1865 57:17  Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho, satria tezitra, nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin’ ny lalana tian’ ny fony ihany.
Isai Mg1865 57:18  Efa nahita ny lalany Aho, nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin’ ny malahelo ao aminy,
Isai Mg1865 57:19  Dia Izaho Izay mahary ny vokatry ny molotra: Fiadanana, fiadanana ho an’ izay lavitra sy ho an’ izay akaiky! hoy Jehovah, ka dia hahasitrana azy Aho.
Isai Mg1865 57:20  Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka.
Isai Mg1865 57:21  Tsy misy fiadanana ho an’ ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.
Chapter 58
Isai Mg1865 58:1  Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy, Asandrato ny feonao ho tahaka ny an’ ny anjomara, ka ambarao amin’ ny oloko ny fahadisoany Ary amin’ ny taranak’ i Jakoba ny fahotany;
Isai Mg1865 58:2  Nefa Izaho mbola tadiaviny ihany isan’ andro isan’ andro, ary ny hahalala ny lalako no sitrany. Tahaka ny firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik’ Andriamaniny no fanontaniany amiko ny fitsipiky ny fahamarinana, sy aniriany ny hihavian’ Andriamanitra.
Isai Mg1865 58:3  Nahoana izahay no mifady, hoy izy, nefa tsy hitanao? Ary nahoana izahay no mampahory ny tenanay, nefa tsy ahoanao? Indro fa amin’ ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo ihany no ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia ampahorinareo.
Isai Mg1865 58:4  Indro, ny hiady sy ny hifanditra no anton’ ny ifadianareo ary ny hamely amin’ ny totohondrin’ ny faharatsiana; Izao fifadianareo izao dia tsy andrenesana ny feonareo any amin’ ny avo.
Isai Mg1865 58:5  Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako? Dia andro hampahorian’ ny olona tena? Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandriany, moa izany va no ataonao hoe fifadiana sy andro ankasitrahan’ i Jehovah?
Isai Mg1865 58:6  Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran’ ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra?
Isai Mg1865 58:7  Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin’ ny namanao ianao?
Isai Mg1865 58:8  Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr’ i Jehovah ho vodi-lalanao
Isai Mg1865 58:9  Ary amin’ izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan’ ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy,
Isai Mg1865 58:10  Ary afoinao ho an’ ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin’ ny maizina ny fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana;
Isai Mg1865 58:11  Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin’ ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra.
Isai Mg1865 58:12  Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin’ ny tany.
Isai Mg1865 58:13  Raha miaro ny tongotrao amin’ ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin’ ny androko masìna, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin’ i Jehovah hoe mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin’ ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana,
Isai Mg1865 58:14  Dia hiravoravo amin’ i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin’ ny havoana amin’ ny tany ianao, sy hofahanako amin’ ny lovan’ i Jakoba rainao; Fa ny vavan’ i Jehovah no efa niteny.
Chapter 59
Isai Mg1865 59:1  Indro, ny tànan’ i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare;
Isai Mg1865 59:2  Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’ Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.
Isai Mg1865 59:3  Fa ny tananareo dia voaloto amin’ ny rà, ary ny rantsan-tananareo amin’ ny heloka; ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana.
Isai Mg1865 59:4  Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy; Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana.
Isai Mg1865 59:5  Mikotrika ny atodin’ ny menarana izy ary manenona ny tranon-kala; Izay homana ny atodin’ ireny dia ho faty, fa raha poritra iny, dia menarana no miporitsaka avy ao.
Isai Mg1865 59:6  Ny tranon-kalany tsy azo atao fitafiana, ary ny asany tsy mahatafy azy; ny asany dia asa fampahoriana, ary asan-doza no eo an-tànany.
Isai Mg1865 59:7  Ny tongony miriotra ho amin’ ny ratsy sy mimaona handatsaka rà marina; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin’ ny alehany.
Isai Mg1865 59:8  Ny lalan’ ny fiadanana tsy fantany; ary tsy misy rariny ao amin’ ny alehany; lalana miolakolaka ny lalany, ka na iza na iza mandia izany dia tsy mahita fiadanana.
Isai Mg1865 59:9  Ary noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary ny fahamarinana tsy mahatratra antsika; miandry ny mazava isika, nefa indro ny maizina, ary fahazavana, fa mbola ao amin’ ny aizim-pito ihany no andehanantsika.
Isai Mg1865 59:10  Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin’ ny mitataovovonana tahaka ny amin’ ny maizimaizina isika, ary eo amin’ ny matanjaka dia tahaka ny maty isika.
Isai Mg1865 59:11  Isika rehetra mampierona tahaka ny bera ary mitoloko tokoa tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika, nefa tsy misy, ary ny famonjena, nefa lavitra antsika izany.
Isai Mg1865 59:12  Fa efa betsaka eo anatrehanao ny fiodinanay, ary ny fahotanay miampanga anay; eny, tsaroanay ny fahadisoanay, ary ny helokay dia fantatray,
Isai Mg1865 59:13  Dia ny miodina sy ny mandà an’ i Jehovah, ary ny miala amin’ ny fanarahana an’ Andriamanitray, ny miteny fampahoriana sy fikomiana, ary ny mamorona sy mamoaka teny lainga avy ao am-po.
Isai Mg1865 59:14  Nahemotra ny rariny, ary mijanon-davitra ny hitsiny; fa tafintohina eny an-kalalahana ny fahamarinana, ary ny hitsim-po tsy mahazo miditra.
Isai Mg1865 59:15  Eny, tsy eo ny fahamarinana; ary izay mifady ny ratsy dia hoatra ny manolo-tena hobabom’ ny sasany. Ary hitan’ i Jehovah ny tsi-fisian’ ny rariny, ka nataony fa ratsy izany;
Isai Mg1865 59:16  Eny, hitany fa tsy nisy olona, sady talanjona Izy, satria tsy nisy mpanalalana, ka dia ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.
Isai Mg1865 59:17  Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin’ ny lohany; ary niakanjo ny akanjo famaliana Izy eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.
Isai Mg1865 59:18  Araka ny asa natao no hamaliany, dia fahatezerana mirehitra ho an’ ny fahavalony, famaliana ho an’ ny rafiny; ary ny nosy dia hovaliany tokoa.
Isai Mg1865 59:19  Ary hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny olona ary ny voninahiny hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro; ary ny fihaviny dia ho toy ny rano maria, Ampandehanin’ ny Fanahin’ i Jehovah.
Isai Mg1865 59:20  Dia hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona, Ho amin’ ny Jakoba izay miala amin’ ny fahadisoana, hoy Jehovah.
Isai Mg1865 59:21  Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ ny vavanao, na amin’ ny vavan’ ny taranakao, na amin’ ny vavan’ ny taranaky ny taranakao, hatramin’ izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.
Chapter 60
Isai Mg1865 60:1  Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’ i Jehovah efa miposaka aminao.
Isai Mg1865 60:2  Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’ i Jehovah, ary aminao no isehoan’ ny voninahiny.
Isai Mg1865 60:3  Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin’ ny famirapiratan’ ny fiposahanao.
Isai Mg1865 60:4  Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.
Isai Mg1865 60:5  Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren’ ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan’ ny firenena.
Isai Mg1865 60:6  Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an’ i Jehovah no teny mahafaly hambarany.
Isai Mg1865 60:7  Ny ondry aman’ osy rehetra any kedara dia hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin’ i Nebaiota hanompo anao; hiakatra amin’ ny fankasitrahana ho eo ambonin’ ny alitarako ireo, ary hataoko be voninahitra ny tranon’ ny voninahitro.
Isai Mg1865 60:8  Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin’ ny varavarankeliny?
Isai Mg1865 60:9  Fa Izaho no andrasan’ ny nosy, ary ny sambon’ i Tarsisy ho loha-lalana, Hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin’ ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao sy ho an’ ny Iray Masin’ ny Isiraely, Satria efa nanome voninahitra anao Izy.
Isai Mg1865 60:10  Ary ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin’ ny fahatezerako no namelezako anao. Ary amin’ ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao,
Isai Mg1865 60:11  Ary hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren’ ny firenena sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao.
Isai Mg1865 60:12  Fa ho levona izay firenena sy fanjakana tsy hanompo anao; eny, ireny firenena ireny hofongorana tokoa.
Isai Mg1865 60:13  Ny voninahitr’ i Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny fitoerako masìna, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.
Isai Mg1865 60:14  Ny zanak’ izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao, ary hiankohoka amin’ ny faladianao izay rehetra nanamavo anao; ary izy hanao anao hoe Tanànan’ i Jehovah, Zionan’ ny Iray Masin’ ny Isiraely.
Isai Mg1865 60:15  Ho solon’ ny nahafoizana anao sy ny nankahalana anao ary ny tsy nandehanan’ olona namaky anao, dia hasandratro ho rehareha mandrakizay ianao, eny, ho fifaliana hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
Isai Mg1865 60:16  Ary hinono amin’ ny jentilisa ianao sady hinono amin’ ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’ i Jakoba no Mpanavotra anao.
Isai Mg1865 60:17  Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.
Isai Mg1865 60:18  Ny fampahoriana tsy ho re eo amin’ ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin’ ny fari-taninao; ny mandanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao hataonao hoe Fiderana.
Isai Mg1865 60:19  Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran’ ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao.
Isai Mg1865 60:20  Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao.
Isai Mg1865 60:21  Ary ny olonao rehetra ho marina avokoa; hanana ny tany ho mandrakizay izy, eny, ho voly maitso eo amin’ ny sahako. Asan’ ny tanako ho fampisehoam-boninahitra.
Isai Mg1865 60:22  Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ ny fotoany.
Chapter 61
Isai Mg1865 61:1  Ny Fanahin’ i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ ny mazava,
Isai Mg1865 61:2  Hitory taona ankasitrahan’ i Jehovah sy andro famalian’ Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra,
Isai Mg1865 61:3  Hanolotra ho an’ ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon’ ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon’ ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon’ ny fahamarinana, nambolen’ i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra.
Isai Mg1865 61:4  Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin’ ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin’ ny taranaka lasa ela.
Isai Mg1865 61:5  Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman’ osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanim-boaloboka ho anareo,
Isai Mg1865 61:6  Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron’ i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitsika no hilazana anareo ho lasanareo ny haren’ ny firenena, ary handimby voninahitra azy ianareo.
Isai Mg1865 61:7  Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin’ ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin’ ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy.
Isai Mg1865 61:8  Fa Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin’ ny faharatsiana; homeko ny valin’ asany amin’ ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy.
Isai Mg1865 61:9  Ny taranany ho fantatra any amin’ ny jentilisa ary ny terany any amin’ ny firenena; Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra azy ho taranaka notahin’ i Jehovah.
Isai Mg1865 61:10  Hifaly dia hifaly amin’ i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’ Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.
Isai Mg1865 61:11  Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy tao aminy, dia toy izany no hampisehoan’ i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan’ ny firenena rehetra.
Chapter 62
Isai Mg1865 62:1  Tsy hangina Aho noho ny amin’ i Ziona, Ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin’ i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra.
Isai Mg1865 62:2  Ny firenena hahita ny fahamarinanao, ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena anaram-baovao ianao, Izay hotononin’ ny vavan’ i Jehovah;
Isai Mg1865 62:3  Ka dia ho tonga satro-boninahitra eo an-tànany ianao sy satrok’ andriana eo am-pelatanan’ Andriamanitrao.
Isai Mg1865 62:4  Hianao tsy hatao intsony hoe nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao fa ianao hatao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; Fa sitrak’ i Jehovah ianao, ary ny taninao hampanambadina.
Isai Mg1865 62:5  Fa tahaka ny zatovo mampakatra virijina ho vadiny no hampakaran’ ny mponina aminao anao; ary tahaka ny fifalian’ ny mpampakatra amin’ ny ampakariny no hifalian’ Andriamanitrao aminao.
Isai Mg1865 62:6  Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin’ ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangìna ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an’ i Jehovah, aza mitsahatra;
Isai Mg1865 62:7  Ary aza mamela Azy hitsahatra mandra-panaony an’ i Jerosalema ho mafy orina sy hoderaina amin’ ny tany.
Isai Mg1865 62:8  Jehovah efa nianiana tamin’ ny tànany ankavanana, dia tamin’ ny sandriny mahery, hoe: Tsy homeko hohanin’ ny fahavalonao intsony ny varinao, ary ny hafa firenena tsy hisotro ny ranom-boalobokao izay efa nisasaranao;
Isai Mg1865 62:9  Fa izay nijinja azy no hihinana azy ka hidera an’ i Jehovah; ary izay nioty azy no hisotro azy ao amin’ ny kianjako masìna.
Isai Mg1865 62:10  Mivoaha, mivoaha amin’ ny vavahady, amboary ny lalana halehan’ ny olona; asandrato ho avo ny lalambe; esory ny vato eny aminy; manangàna faneva ho tazan’ ny firenena.
Isai Mg1865 62:11  Indro, Jehovah efa nanambara hatrany amin’ ny faran’ izao tontolo izao nanao hoe: Lazao amin’ i Ziona zanakavavy: Indro, avy ny famonjena anao; Indro; ny valim-pitia hatolony dia ao aminy, ary ny valin’ asa homeny dia eo anoloany.
Isai Mg1865 62:12  Ary Ireny hotononina hoe Firenena masìna, dia olona navotan’ i Jehovah; ary ianao dia hatao hoe Ilay notadiavina, Tanàna tsy foy.
Chapter 63
Isai Mg1865 63:1  Iza moa Ity avy any Edoma, dia avy any Bozra, ka mena mangatrakatraka ny fitafiany, dia Ity Izay mareva-pitafiana sy miandranandrana amin’ ny haben ny heriny? Izaho Izay mitory fahamarinana sady manan-kery hamonjy.
Isai Mg1865 63:2  Nahoana no mena ny fitafianao, ary ny akanjonao no tahaka ny an’ izay manosihosy ny famiazam-boaloboka?
Isai Mg1865 63:3  Nanosihosy ny famiazam-boaloboka irery Aho; fa tsy mba nisy niaraka tamiko ny avy tamin’ ny firenena na dia iray akory aza; nanitsaka ireny tamin’ ny fahatezerako Aho sy nanosihosy azy tamin’ ny fahavinirako, dia nipitipitihan’ ny ràny ny fitafiako, ka voalotoko ny akanjoko rehetra.
Isai Mg1865 63:4  Fa efa ato am-poko ny andro hamaliako, ary tonga ny taonan’ ny voavotro.
Isai Mg1865 63:5  Nitsinjo Aho, nefa tsy nisy hamonjy, ary talaniona Aho, satria tsy nisy hanohana, ka dia ny sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy, ary ny fahavinirako no nanohana Ahy.
Isai Mg1865 63:6  Nanitsaka firenena tamin’ ny fahatezerako Aho sady nampahaleony azy tamin’ ny fahavinirako ary nandatsaka ny ràny tamin’ ny tany.
Isai Mg1865 63:7  Ny famindram-pon’ i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an’ i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben’ ny fahasoavana tamin’ ny taranak’ Isiraely. Izay nomeny azy araka ny fiantrany sy araka ny haben’ ny famindram-pony.
Isai Mg1865 63:8  Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy.
Isai Mg1865 63:9  Tamin’ ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin’ ny tavany no namonjy ireo; ny fitiavany sy ny famindram-pony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin’ ny andro taloha ela rehetra.
Isai Mg1865 63:10  Fa ireo kosa dia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny; dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy.
Isai Mg1865 63:11  Ary ny olony dia nahatsiaro ny andro taloha ela, dia ny tamin’ i Mosesy. Aiza Ilay nitondra azy mbamin’ ny mpiandry ondriny niakatra avy tamin’ ny ranomasina? Aiza Ilay nametraka ny Fanahy Masiny tao aminy,
Isai Mg1865 63:12  Dia Ilay nampandeha ny sandriny be voninahitra teo ankavanan’ i Mosesy ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloany, mba hanaovany anarana mandrakizay ho Azy,
Isai Mg1865 63:13  Dia Ilay nitondra azy nita ny rano lalina, tahaka ny fandehan’ ny soavaly eny an-tany lemaka, ka tsy tafintohina izy?
Isai Mg1865 63:14  Tahaka ny fidinan’ ny biby fiompy ho any an-dohasaha no nanomezan’ ny Fanahin’ i Jehovah fitsaharana ho azy: Tahaka izany no nitondranao ny olonao, Mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao.
Isai Mg1865 63:15  Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere eny amin’ ny fonenan’ ny fahamasinanao sy ny voninahitrao; aiza ny fahasaro-piaronao sy ny asanao lehibe? Ny fandevilevin’ ny kibonao sy ny famindram-ponao dia voasakana tsy ho amiko.
Isai Mg1865 63:16  Kanefa Hianao no Rainay, fa Abrahama tsy mahalala anay, Ary Isiraely tsy mahafantatra anay, Jehovah ô, Hianao no Rainay, ary Mpanavotra anay no anaranao hatrizay hatrizay.
Isai Mg1865 63:17  Jehovah ô, nahoana no nampiala anay tamin’ ny lalanao Hianao ka nampaniasia anay sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao? Miverena noho ny amin’ ny mpanomponao, dia ny firenena lovanao.
Isai Mg1865 63:18  Vetivety foana no nananan’ ny olonao masìna ny tany; ny fahavalonay efa nanitsaka ny fitoeranao masìna.
Isai Mg1865 63:19  Efa tonga hoatra izay tsy notapahinao hatrizay hatrizay izahay sady tsy mba nantsoina tamin’ ny anaranao akory. Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra,
Chapter 64
Isai Mg1865 64:1  Dia tahaka ny fandevon’ ny afony tapa-kazo maina sy ny fampangotraky ny afo ny rano mba hampahafantatra ny fahavalonao ny anaranao ka hangovitra eo anoloanao ny jentilisa.
Isai Mg1865 64:2  Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Hianao, dia nidina, ka nihorohoro teo anoloanao ny tendrombohitra.
Isai Mg1865 64:3  Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola ren’ ny olona, na nohenoiny, Na hitan’ ny masony, Izay Andriamanitra miasa ho an’ ny miandry Azy afa-tsy Hianao.
Isai Mg1865 64:4  Mitsena izay mifaly hanao ny marina Hianao, dia izay mahatsiaro Anao amin’ ny lalanao; indro, Hianao dia tezitra, ary hita fa meloka izahay; Hatramin’ ny ela dia izany no toetray, ka dia hovonjena va?
Isai Mg1865 64:5  Fa samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra; Malazo tahaka ny ravina izahay rehetra, ary ny helokay mipaoka anay tahaka ny rivotra,
Isai Mg1865 64:6  Tsy misy miantso ny anaranao, na mifoha hifikitra aminao; fa efa nanafina ny tavanao taminay Hianao ka nandevona anay noho ny helokay.
Isai Mg1865 64:7  Fa ankehitriny, Jehovah ô, rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary asan’ ny tananao izahay rehetra.
Isai Mg1865 64:8  Aza dia tezitra mafy loatra, Jehovah ô. Ary aza dia mahatsiaro heloka mandrakizay; masìna Hianao, tsinjovy, fa olonao izahay rehetra.
Isai Mg1865 64:9  Tonga efitra ireo tanànanao masìna, Eny, tany lavavolo Ziona, ary efa lao Jerosalema.
Isai Mg1865 64:10  Ny tranonay masìna sady mendrika, Izay nideran’ ny razanay Anao, dia voadotry ny afo, ary rava ny zavatray mahafinaritra rehetra.
Isai Mg1865 64:11  Ary mbola mahatsindry fo amin’ izany zavatra izany ihany va Hianao, Jehovah ô? Hangina va Hianao ka hampahory anay mafy loatra?
Chapter 65
Isai Mg1865 65:1  Notadiavin’ zay tsy naniry Aho sy hitan’ izay tsy nitady; hoy Izaho tamin’ ny firenena izay tsy nantsoina tamin’ ny anarako: Inty Aho! Inty Aho!
Isai Mg1865 65:2  Namelatra ny tanako mandritra ny andro Aho tamin’ ny firenena miodina, izay mandeha amin’ ny lalana tsy tsara araka ny fisainany ihany,
Isai Mg1865 65:3  Dia firenena izay nahatezitra ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza, izay mamono zavatra hatao fanatitra eo amin’ ny tanimboly Ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin’ ny tanimanga,
Isai Mg1865 65:4  Dia izay mipetraka any amin’ ny fasana ary mitoetra mandritra ny alina ao am-pierena, sady mihinana henan-kisoa, ary ny ron’ ny hena fahavetavetana no ao amin’ ny loviany,
Isai Mg1865 65:5  Izay manao hoe: Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masìna, fa tsy ianao, ireny dia setroka ao am-bavoroko, eny, afo mirehitra mandritra ny andro.
Isai Mg1865 65:6  Indro, izao no voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina Aho mandra-pamaliko anareo eny, mandra-pamaliko ho ao an-tratranareo
Isai Mg1865 65:7  Ny helokareo sy ny heloky ny razanareo koa, hoy Jehovah, dia izay olona nandoro ditin-kazo manitra teny an-tendrombohitra ary nihaika Ahy teny amin’ ny havoana; eny, hamatra ny valin’ ny asany ho ao an-tratrany Aho aloha.
Isai Mg1865 65:8  Izao no lazain’ i Jehovah: Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao antsampahony ka ataon’ ny olona hoe: Aza simbana, fa misy fitahiana ao anatiny dia toy izany no hataoko noho ny amin’ ny mpanompoko, ka tsy hanimba azy rehetra Aho.
Isai Mg1865 65:9  Hahatonga taranaka avy amin’ i Jakoba Aho sy mpandova ny tendrombohitro avy amin’ i Joda; Ary ireo voafidiko no handova azy, eny, ny mpanompoko no honina ao.
Isai Mg1865 65:10  Sarona ho tonga fiandrasana ondry ary ny lohasaha akora ho fandrian’ omby, ho an’ ny oloko izay nitady Ahy.
Isai Mg1865 65:11  Fa ny aminareo izay mahafoy an’ i Jehovah sy manadino ny tendrombohitro masìna, sady mamelatra latabatra ho an’ i Gada sy mampidina divay noharoharoan-javatra ho an’ i Meny,
Isai Mg1865 65:12  Dia hotendreko ho voan’ ny sabatra ianareo ka hankohofina hovonoina avokoa, satria niantso Aho, fa tsy namaly ianareo, niteny Aho, fa tsy nihaino ianareo, fa nanao izay ratsy eo imasoko, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.
Isai Mg1865 65:13  Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, ny mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho mosarena; Indro, ny mpanompoko hisotro, fa ianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho menatra;
Isai Mg1865 65:14  Indro, ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po, fa ianareo kosa hitoloko noho ny alahelom-po sy hidradradradra noho ny fahoriam-panahy.
Isai Mg1865 65:15  Ary hamela ny anaranareo ho fiozonana amin’ ireo voafidiko ianareo, ary hahafaty anao Jehovah Tompo; fa ny mpanompony kosa dia homeny anaram-baovao;
Isai Mg1865 65:16  Ka izay miarahaba tena etỳ ambonin’ ny tany dia hanao izany amin’ ny anaran’ Andriamanitry ny Amena; ary izay mianiana etỳ ambonin’ ny tany dia hianiana amin’ Andriamanitry ny Amena, satria efa hadino ny fahoriana taloha, sady voafina izany ka tsy hitan’ ny masoko.
Isai Mg1865 65:17  Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.
Isai Mg1865 65:18  Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an’ i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.
Isai Mg1865 65:19  Dia ho faly amin’ i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin’ ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina.
Isai Mg1865 65:20  Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina.
Isai Mg1865 65:21  Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy.
Isai Mg1865 65:22  Tsy hanao trano hitoeran’ olon-kafa izy, Na hamboly zavatra hohanin’ olon-kafa; Fa ho tahaka ny andron’ ny hazo ny andron’ ny oloko, Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ ny asan’ ny tanany.
Isai Mg1865 65:23  Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; Fa taranak’ izay notahin’ i Jehovah ireo, Ary ny terany ho ao aminy.
Isai Mg1865 65:24  Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; Ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho.
Isai Mg1865 65:25  Ny amboadia sy ny zanak’ ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran’ ny tendrombohitro masìna izy, hoy Jehovah.
Chapter 66
Isai Mg1865 66:1  Izao no lazain’ i Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?
Isai Mg1865 66:2  Fa izao zavatra izao no nataon’ ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.
Isai Mg1865 66:3  Izay mamono omby dia hoatra ny mamono olona; Izay mamono ondry hatao fanatitra dia hoatra ny mamolaka ny vozon’ alika; Izay manatitra fanatitra hohanina dia hoatra ny manatitra ran-kisoa; Izay mandoro ditin-kazo mani-pofona ho fanati-pahatsiarovana dia hoatra ny misaotra ny sampy. Eny, tahaka ny nifidianan’ ireny ny halehany, Sy ny nifalian’ ny fanahiny tamin’ ny fahavetavetany,
Isai Mg1865 66:4  Dia tahaka izany kosa no hifidianako ny fampahoriana azy, Sy handatsahako ny fahatahorany ho aminy, Satria niantso Aho, fa tsy nisy namaly, Niteny Aho, fa tsy nihaino izy; Fa nanao izay ratsy eo imasoko, Ary izay tsy sitrako no nofidiny.
Isai Mg1865 66:5  Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, Hianareo izay mangovitra noho ny teniny! Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo, Ka mandroaka anareo noho ny amin’ ny anarako: Hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, Mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa.
Isai Mg1865 66:6  Injany! horakoraka any an-tanàna, Ary feo ao amin’ ny tempoly, Dia feon’ i Jehovah izay mamaly ny ataon’ ny fahavalony.
Isai Mg1865 66:7  Fony mbola tsy nihetsi-jaza aza izy, dia niteraka; Fony mbola tsy nanaintaina aza izy, dia velon-jazalahy.
Isai Mg1865 66:8  Iza akory no efa nandre zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va, Na firenena azo atao indray miteraka? Fa raha vao narary hiteraka Ziona, dia velon-jaza izy.
Isai Mg1865 66:9  Izaho moa hahatonga ho eo amin’ ny fiterahana ka tsy hampiteraka va? hoy Jehovah; Izaho hampiteraka, nefa hampikombona indray va? hoy Andriamanitrao.
Isai Mg1865 66:10  Miaraha mifaly amin’ i Jerosalema, Ary miravoravoa aminy ianareo rehetra izay tia azy; Aoka hiara-mifaly aminy tokoa Hianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy,
Isai Mg1865 66:11  Mba hinonoanareo sy hivokisanareo amin’ ny nonony mahafaly, Eny, mba higoka ianareo, Ka hiravoravo amin’ ny haben’ ny voninahiny.
Isai Mg1865 66:12  Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy, Ary ny voninahitry ny firenena tahaka ny renirano tondraka, Ka hinono ianareo; Ary hosakalehina ianareo sady hohindrahindraina eo ambony lohalika.
Isai Mg1865 66:13  Tahaka ny olona ampiononin-dreniny No hampiononako anareo; Eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo.
Isai Mg1865 66:14  Dia hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, Ary ny taolanareo ho tsara fitombo tahaka ny ahi-matiso; Ary ny tànan’ i Jehovah dia ataony fantatry ny mpanompony, Fa ho tezitra amin’ ny fahavalony kosa Izy.
Isai Mg1865 66:15  Fa, indro, Jehovah ho avy amin’ ny afo, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, Mba hanao famaliana amin’ ny fahatezerany mirehitra, Sy ny fitenenany mafy amin’ ny lelafo.
Isai Mg1865 66:16  Fa ny afo sy ny sabany no ho entin’ i Jehovah hifandahatra amin’ ny nofo rehetra; Ary ho maro ny voaringan’ i Jehovah.
Isai Mg1865 66:17  Izay manamasìna sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly, Ka manaraka ny iray ao afovoany, Ary mihinana ny henan-kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy; Dia hiaraka ho levona avokoa, hoy Jehovah.
Isai Mg1865 66:18  Fa Izaho dia hamaly ny asany sy ny heviny, Ho avy ny hamoriana ny jentilisa rehetra sy ny samy hafa fiteny; Dia ho avy ireo ka hahita ny voninahitro.
Isai Mg1865 66:19  Ary hasiako famantarana eo aminy, Ary izay afaka mandositra dia hirahiko ho any amin’ ny jentilisa, Dia ho any Tarsisy sy Pola ary Lydia, izay manenjana tsipìka, Ary ho any Tobala sy Javana, Dia ho any amin’ ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako; Na nahita ny voninahitro, Ary hitory ny voninahitro any amin’ ny jentilisa izy.
Isai Mg1865 66:20  Ary hitondra ny rahalahinareo rehetra izy, Avy any amin’ ny jentilisa rehetra ho fanatitra ho an’ i Jehovah, Mitaingin-tsoavaly sy ao anaty kalesy sy filanjana, Ary mitaingina ampondra sy rameva haingam-pandeha ho any Jerosalema tendrombohitro masìna, hoy Jehovah, Dia tahaka ny fitondran’ ny Zanak’ Isiraely ny fanatitra hohanina ao anatin’ ny vilia madio ho any an-tranon’ i Jehovah;
Isai Mg1865 66:21  Ary avy amin’ ireo aza no hakako ho mpisorona sy Levita, hoy Jehovah.
Isai Mg1865 66:22  Fa tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, Dia toy izany ny haharetan’ ny taranakareo sy ny anaranareo.
Isai Mg1865 66:23  Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata; Dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah.
Isai Mg1865 66:24  Ary hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin’ ny olona izay efa niodina tamiko; Fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, Ary hataon’ ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy.