Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
Chapter 1
Job Mg1865 1:1  Nisy lehilahy tany amin’ ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an’ Andriamanitra ka nifady ny ratsy.
Job Mg1865 1:3  Ary ny fananany dia ondry aman’ osy fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo sy borikivavy diman-jato ary mpanompo maro be; ka dia nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra izany lehilahy izany.
Job Mg1865 1:4  Ary fanaon’ ny zananilahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an’ androny avy isan-tranony; dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.
Job Mg1865 1:5  Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina ireny ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan’ izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an’ Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon’ i Joba mandrakariva.
Job Mg1865 1:6  Ary tamin’ ny indray andro nony avy ireo zanak’ Andriamanitra hiseho teo anatrehan’ i Jehovah dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy.
Job Mg1865 1:7  Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an’ i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin’ ny tany aho ka nivezivezy teny.
Job Mg1865 1:8  Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Efa nandinika an’ i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’ Andriamanitra ka mifady ny ratsy.
Job Mg1865 1:9  Ary Satana dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran’ i Joba an’ Andriamanitra?
Job Mg1865 1:10  Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan’ ny tànany ka manenika ny tany ny omby aman’ ondriny.
Job Mg1865 1:11  Fa ahinjiro ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy handà Anao eo imasonao aza izy e!
Job Mg1865 1:12  Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan’ i Jehovah.
Job Mg1865 1:13  Ary tamin’ ny indray andro dia nihinana sy nisotro divay teo an-tranon’ ny zokiny lahimatoa ny zananilahy sy ny zananivavy;
Job Mg1865 1:14  ary nisy iraka tonga tany amin’ i Joba ka nanao hoe: Ny omby niasa, ary ny borikivavy nandrasana teo anilany,
Job Mg1865 1:15  dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
Job Mg1865 1:16  Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon’ Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman’ osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
Job Mg1865 1:17  Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
Job Mg1865 1:18  Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon’ ny zokiny lahimatoa;
Job Mg1865 1:19  ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin’ ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
Job Mg1865 1:20  Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin’ ny tany ka niankohoka
Job Mg1865 1:21  sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon’ ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran’ i Jehovah
Job Mg1865 1:22  Tamin’ izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an’ Andriamanitra.
Chapter 2
Job Mg1865 2:1  Ary tamin’ ny indray andro koa dia avy ireo zanak’ Andriamanitra hiseho teo anatrehan’ i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan’ i Jehovah.
Job Mg1865 2:2  Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Avy taiza ianao? Ary Satana dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin’ ny tany aho ka nivezivezy teny.
Job Mg1865 2:3  Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Efa nandinika an’ i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’ Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao.
Job Mg1865 2:4  Ary Satana dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin’ ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ ny olona dia homeny ho-fefin’ ny ainy.
Job Mg1865 2:5  Fa ahinjiro ange ny tananao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy handà Anao eo Imasonao aza Izy e!
Job Mg1865 2:6  Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.
Job Mg1865 2:7  Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan’ i Jehovah ka namely vay ratsy an’ i Joba hatramin’ ny faladiany ka hatramin’ ny tampon-dohany.
Job Mg1865 2:8  Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona.
Job Mg1865 2:9  Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an’ Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty.
Job Mg1865 2:10  Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin’ ny anankiray amin’ ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’ Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin’ izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ ny molony Joba.
Job Mg1865 2:11  Ary rehefa ren’ ny sakaizan’ i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga avy tany amin’ ny fonenany avy izy dia Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ary nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy.
Job Mg1865 2:12  Ary nanopy ny masony teny lavidavitra eny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin’ ny lanitra hiraraka amin’ ny lohany.
Job Mg1865 2:13  Ary niara-nipetraka teo aminy tamin’ ny tany hafitoan’ andro sy hafitoan’ alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany.
Chapter 3
Job Mg1865 3:1  Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny
Job Mg1865 3:3  Foàna anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina!
Job Mg1865 3:4  Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy;
Job Mg1865 3:5  Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.
Job Mg1865 3:6  Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin’ ny andron’ ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin’ ny isan’ ny volana;
Job Mg1865 3:7  Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby;
Job Mg1865 3:8  Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona;
Job Mg1865 3:9  Aoka ho maizina ny kintan’ ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason’ ny maraina izy,
Job Mg1865 3:10  Satria tsy nanidy ny varavaran’ ny kibon’ ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin’ ny masoko.
Job Mg1865 3:11  Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e?
Job Mg1865 3:12  Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako?
Job Mg1865 3:13  Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra,
Job Mg1865 3:14  Teo amin’ ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin’ ny tany, izay nanao ireny tanàna efa rava,
Job Mg1865 3:15  Na teo amin’ ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;
Job Mg1865 3:16  Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory.
Job Mg1865 3:17  Any no itsaharan’ ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra;
Job Mg1865 3:18  Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon’ ny mpampiasa izy.
Job Mg1865 3:19  Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin’ ny tompony.
Job Mg1865 3:20  Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an’ izay latsaka amin’ ny fangidiana?
Job Mg1865 3:21  Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina:
Job Mg1865 3:22  Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana,
Job Mg1865 3:23  Dia olona izay mandeha ao amin’ ny maizina sady voafefin’ Andriamanitra manodidina.
Job Mg1865 3:24  Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako;
Job Mg1865 3:25  Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy.
Job Mg1865 3:26  Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby.
Chapter 4
Job Mg1865 4:2  Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany?
Job Mg1865 4:3  Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao;
Job Mg1865 4:4  Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao
Job Mg1865 4:5  Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao
Job Mg1865 4:6  Tsy ny fivavahanao va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian’ ny lalanao?
Job Mg1865 4:7  Masìna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana?
Job Mg1865 4:8  Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.
Job Mg1865 4:9  Ny fofonain’ Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain’ ny fahatezerany no mahalevona azy.
Job Mg1865 4:10  Ny feon’ ny olona, eny, ny feon’ ny liona masiaka, ary ny nifin’ ny liona tanora dia ombotana;
Job Mg1865 4:11  Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy.
Job Mg1865 4:12  Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy,
Job Mg1865 4:13  Tamin’ ny eritreritra avy amin’ ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona,
Job Mg1865 4:14  Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany.
Job Mg1865 4:15  Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako.
Job Mg1865 4:16  Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan’ ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe:
Job Mg1865 4:17  Ho marina noho Andriamanitra va ny zanak’ olombelona? Ho madio noho ny Mpanao azy va ny olona?
Job Mg1865 4:18  Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra.
Job Mg1865 4:19  Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin’ ny vovoka no nihaviany, ary mora poritra noho ny kalalao izy;
Job Mg1865 4:20  Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy.
Job Mg1865 4:21  Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.
Chapter 5
Job Mg1865 5:1  Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin’ ireo masìna no hotodihinao?
Job Mg1865 5:2  Fa ny adala dia vonoin’ ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin’ ny fialonana.
Job Mg1865 5:3  Izaho nahita olona adala mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho;
Job Mg1865 5:4  Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy;
Job Mg1865 5:5  Ny vokatry ny taniny dia lanin’ ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fananany
Job Mg1865 5:6  Fa tsy mivoaka avy amin’ ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin’ ny tany ny fahoriana,
Job Mg1865 5:7  Nefa teraka ho amin’ ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin’ ny kilalaon’ afo miakatra
Job Mg1865 5:8  Fa raha toa ahy kosa dia hitady an’ Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko,
Job Mg1865 5:9  Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa,
Job Mg1865 5:10  Dia Izay mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin’ ny tany ary mampandeha rano eny amin’ ny saha,
Job Mg1865 5:11  Ka apetrany amin’ ny avo Izay ambany, ary asandrany ho amin’ ny fahafinaretana ny miory,
Job Mg1865 5:12  Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan’ ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany;
Job Mg1865 5:13  Ny fahafetsen’ ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon’ ny mpiolakolaka dia rava;
Job Mg1865 5:14  Na dia amin’ ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin’ ny maizina ireny ka miraparapa amin’ ny mitataovovonana tahaka ny amin’ ny alina;
Job Mg1865 5:15  Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan’ ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon’ ny tanan’ ny mahery izy.
Job Mg1865 5:16  Dia misy fanantenana ho an’ ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava
Job Mg1865 5:17  Indro, sambatra ny zanak’ olombelona izay anarin’ Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan’ ny Tsitoha;
Job Mg1865 5:18  Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana.
Job Mg1865 5:19  Amin’ ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin’ ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao.
Job Mg1865 5:20  Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin’ ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan’ ny sabatra Izy;
Job Mg1865 5:21  Hampiereny tsy ho voan’ ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana;
Job Mg1865 5:22  Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia;
Job Mg1865 5:23  Fa vita fanekena amin’ ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao;
Job Mg1865 5:24  Ary ho hitanao fa ny fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao;
Job Mg1865 5:25  Ary ho hitanao koa fa maro ny zanakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin’ ny tany;
Job Mg1865 5:26  Haharitra ianao ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary akarina amin’ ny fotoana.
Job Mg1865 5:27  Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara.
Chapter 6
Job Mg1865 6:2  Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin’ ny mizana izy sy ny fahoriako!
Job Mg1865 6:3  Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho.
Job Mg1865 6:4  Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy.
Job Mg1865 6:5  Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin’ ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin’ ny fihinany?
Job Mg1865 6:6  Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin’ atody?
Job Mg1865 6:7  Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko ahy aza.
Job Mg1865 6:8  Enga anie ka ho azoko izay angatahiko, ary homen’ Andriamanitra ahy anie izay iriko!
Job Mg1865 6:9  Ka ho sitrak’ Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tànany ka hahamaito ny aiko,
Job Mg1865 6:10  Dia hahita fiononana amin’ izany aho ka hiravoravo na dia amin’ ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nandà ny tenin’ ny Iray Masìna aho.
Job Mg1865 6:11  Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo aho?
Job Mg1865 6:12  Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko?
Job Mg1865 6:13  Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana?
Job Mg1865 6:14  Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran’ ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.
Job Mg1865 6:15  Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,
Job Mg1865 6:16  Izay mainty azon’ ny ranomandry Sady iafenan’ ny oram-panala;
Job Mg1865 6:17  Fa raha taninin’ ny hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin’ ny fitoerany izy;
Job Mg1865 6:19  Ny antokon’ i Tema mitazana, ny andian’ i Sheba manantena azy;
Job Mg1865 6:20  Very hevitra ireo, satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay.
Job Mg1865 6:21  Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra.
Job Mg1865 6:22  Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin’ ny fanananareo,
Job Mg1865 6:23  Ary vonjeo amin’ ny tanan’ ny fahavalo aho, ka afaho amin’ ny tanan’ ny mpitohatoha?
Job Mg1865 6:24  Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho.
Job Mg1865 6:25  Endrey ny herin’ ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo?
Job Mg1865 6:26  Ny amin’ ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin’ ny rivotra ny tenin’ ny olona mamoy fo.
Job Mg1865 6:27  Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra.
Job Mg1865 6:28  Fa ankehitriny, masìna ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho.
Job Mg1865 6:29  Masìna ianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako.
Chapter 7
Job Mg1865 7:1  Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak’ olombelona etỳ ambonin’ ny tany? Ary tsy tahaka ny andron’ ny mpikarama va ny androny?
Job Mg1865 7:2  Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman’ ny asany,
Job Mg1865 7:3  Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy.
Job Mg1865 7:4  Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan’ ny andro.
Job Mg1865 7:5  Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.
Job Mg1865 7:6  Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.
Job Mg1865 7:7  Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.
Job Mg1865 7:8  Tsy hahita ahy intsony ny mason’ izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.
Job Mg1865 7:9  Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midìna any amin’ ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony;
Job Mg1865 7:10  Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.
Job Mg1865 7:11  Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian’ ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian’ ny aiko.
Job Mg1865 7:12  Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana?
Job Mg1865 7:13  Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.
Job Mg1865 7:14  Dia mampitahotra ahy amin’ ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin’ ny tsindrimandry;
Job Mg1865 7:15  Ka dia aleon’ ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato;
Job Mg1865 7:16  Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.
Job Mg1865 7:17  Inona moa ny zanak’ olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao,
Job Mg1865 7:18  Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso?
Job Mg1865 7:19  Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora?
Job Mg1865 7:20  Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?
Job Mg1865 7:21  Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin’ ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.
Chapter 8
Job Mg1865 8:2  Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?
Job Mg1865 8:3  Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?
Job Mg1865 8:4  Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.
Job Mg1865 8:5  Fa raha ianao kosa mandroso mitady an’ Andriamanitra ka mifona amin’ ny Tsitoha.
Job Mg1865 8:6  Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan’ ny fahamarinanao,
Job Mg1865 8:7  Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.
Job Mg1865 8:8  Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan’ ny razany
Job Mg1865 8:9  (Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin’ ny tany);
Job Mg1865 8:10  Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?
Job Mg1865 8:11  Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin’ ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?
Job Mg1865 8:12  Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan’ ny zava-maitso rehetra.
Job Mg1865 8:13  Toy izany no lalan’ izay rehetra manadino an’ Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan’ ny mpihatsaravelatsihy,
Job Mg1865 8:14  Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.
Job Mg1865 8:15  Miankina amin’ ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.
Job Mg1865 8:16  Mitsimoka tsara tandrifin’ ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin’ ny tanimboliny;
Job Mg1865 8:17  Mifelipelika mifaniditra eo amin’ ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;
Job Mg1865 8:18  Kanjo nony fongorany hiala amin’ ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.
Job Mg1865 8:19  Indro, izany ihany no fifalian’ ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin’ ny vovoka.
Job Mg1865 8:20  Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;
Job Mg1865 8:21  Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao.
Job Mg1865 8:22  Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain’ ny ratsy fanahy.
Chapter 9
Job Mg1865 9:2  Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra?
Job Mg1865 9:3  Raha te-hifandahatra aminy izy, dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin’ ny arivo aza.
Job Mg1865 9:4  Hendry am-po Izy sady matanjaka amin’ ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?
Job Mg1865 9:5  Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin’ ny fahatezerany,
Job Mg1865 9:6  Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin’ ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;
Job Mg1865 9:7  Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;
Job Mg1865 9:8  Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;
Job Mg1865 9:9  Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo,
Job Mg1865 9:10  Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.
Job Mg1865 9:11  Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.
Job Mg1865 9:12  Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?
Job Mg1865 9:13  Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba aza dia mitanondrika eo ambaniny.
Job Mg1865 9:14  Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;
Job Mg1865 9:15  Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin’ Ilay manana ady amiko no hany heriko.
Job Mg1865 9:16  Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.
Job Mg1865 9:17  Fa manorotoro ahy amin’ ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.
Job Mg1865 9:18  Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.
Job Mg1865 9:19  Raha ny amin’ ny herin’ ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin’ ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?
Job Mg1865 9:20  Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.
Job Mg1865 9:21  Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.
Job Mg1865 9:22  Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
Job Mg1865 9:23  Raha misy loza mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.
Job Mg1865 9:24  Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan’ ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan’ ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?
Job Mg1865 9:25  Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.
Job Mg1865 9:26  Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.
Job Mg1865 9:27  Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,
Job Mg1865 9:28  Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
Job Mg1865 9:29  Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?
Job Mg1865 9:30  Na dia mandro amin’ ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin’ ny ranon-davenona,
Job Mg1865 9:31  Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin’ izay Hianao, ka hataon’ ny fitafiako ho zava-betaveta aho.
Job Mg1865 9:32  Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin’ ny fitsarana.
Job Mg1865 9:33  Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta.
Job Mg1865 9:34  Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,
Job Mg1865 9:35  Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.
Chapter 10
Job Mg1865 10:1  Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian’ ny fanahiko
Job Mg1865 10:2  Hanao amin’ Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton’ ny iadianao amiko aho.
Job Mg1865 10:3  Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin’ ny fisainan’ ny ratsy fanahy?
Job Mg1865 10:4  Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin’ ny zanak’ olombelona?
Job Mg1865 10:5  Tahaka ny andron’ ny zanak’ olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan’ ny olombelona ny taonanao,
Job Mg1865 10:6  No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,
Job Mg1865 10:7  Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin’ ny tananao?
Job Mg1865 10:8  Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.
Job Mg1865 10:9  Masìna Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin’ ny vovoka indray Hianao!
Job Mg1865 10:10  Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?
Job Mg1865 10:11  Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin’ ny taolana sy ny ozatra.
Job Mg1865 10:12  Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.
Job Mg1865 10:13  Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:
Job Mg1865 10:14  Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin’ ny heloko.
Job Mg1865 10:15  Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.
Job Mg1865 10:16  Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.
Job Mg1865 10:17  Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy.
Job Mg1865 10:18  Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory.
Job Mg1865 10:19  Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.
Job Mg1865 10:20  Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely,
Job Mg1865 10:21  Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin’ ny tanin’ ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana,
Job Mg1865 10:22  Ho any amin’ ny tany maizim-pito, dia ny an’ ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.
Chapter 11
Job Mg1865 11:2  Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va?
Job Mg1865 11:3  Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra,
Job Mg1865 11:4  Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho.
Job Mg1865 11:5  Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao!
Job Mg1865 11:6  Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian’ Andriamanitra avokoa ny helokao.
Job Mg1865 11:7  Takatry ny sainao va ny fomban’ Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha
Job Mg1865 11:8  Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita! ka inona no fantatrao?
Job Mg1865 11:9  Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina.
Job Mg1865 11:10  Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy?
Job Mg1865 11:11  Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy.
Job Mg1865 11:12  Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona.
Job Mg1865 11:13  Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao,
Job Mg1865 11:14  Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao;
Job Mg1865 11:15  Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra;
Job Mg1865 11:16  Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy.
Job Mg1865 11:17  Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina.
Job Mg1865 11:18  Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin’ ahiahy.
Job Mg1865 11:19  Dia ho tafandry ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao.
Job Mg1865 11:20  Fa ny mason’ ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina ihany no hany sisa azony antenaina.
Chapter 12
Job Mg1865 12:2  Marina ary fa ianareo ihany tokoa olombelona! Ary hiara-maty aminareo ny fahendrena!
Job Mg1865 12:3  Kanefa izaho mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa; Tsy latsaka noho ianareo aho; Fa iza moa no tsy nahalala izay zavatra toy izany?
Job Mg1865 12:4  Tonga fihomehezan’ ny sakaizako aho. Dia izaho izay niantso an’ Andriamanitra ka novaliany; Eny, tonga fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny.
Job Mg1865 12:5  Endrehin-datsa ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, eny, vonona ho amin’ izay ela mangozohozo ny latsa.
Job Mg1865 12:6  Mandry fahizay ny lain’ ny mpitohatoha, Ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra an’ Andriamanitra, dia izay mitondra ny herin’ ny tànany ho andriamaniny
Job Mg1865 12:7  Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy;
Job Mg1865 12:8  Ary makà saina amin’ ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao.
Job Mg1865 12:9  Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tanan’ i Jehovah,
Job Mg1865 12:10  Izay mitana ny ain’ ny zava-manan’ aina rehetra sy ny fofonain’ ny olombelona rehetra?
Job Mg1865 12:11  Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?
Job Mg1865 12:12  Ao amin’ ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana.
Job Mg1865 12:13  Ao amin’ Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery; Izy no manana hevitra sy fahalalana.
Job Mg1865 12:14  Indro, mandrava Izy, ka tsy hatsangana intsony; Manidy ny olona Izy, ka tsy hovohana.
Job Mg1865 12:15  Indro, manampina ny rano Izy, ka dia ritra iny; Ary alefany indray ka mahasimba ny tany.
Job Mg1865 12:16  Izy no manana hery sy tena fahendrena; Samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka.
Job Mg1865 12:17  Alany voninahitra ny mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny fahadalan’ ny mpitsara.
Job Mg1865 12:18  Vahany ny fifehezan’ ny mpanjaka, ka feheziny mahazaka ny valahany.
Job Mg1865 12:19  Alàny voninahitra ny mpisorona, dia entiny, ary ny mafy orina ela dia ravany.
Job Mg1865 12:20  Koroiny ny laha-tenin’ ny mahay, ary ny fahazavan-tsain’ ny anti-panahy dia esoriny.
Job Mg1865 12:21  Mandatsaka fanamavoana amin’ ny andriandahy Izy, ary ketrahiny ny fehin-kibon’ ny matanjaka.
Job Mg1865 12:22  Manala rakotra izay lalina Izy mba tsy ho maizina ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin’ ny mazava.
Job Mg1865 12:23  Mahalehibe ny firenena Izy, nefa mandringana azy koa, mampihahaka ny firenena Izy, nefa mitondra azy hody indray.
Job Mg1865 12:24  Mahavery saina ny loholona amin’ ny tany Izy ary mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
Job Mg1865 12:25  Mitsapatsapa amin’ ny maizina tsy misy mavaza ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy.
Chapter 13
Job Mg1865 13:1  Indro, izany rehetra izany efa hitan’ ny masoko, ary efa ren’ ny sofiko ka fantany.
Job Mg1865 13:2  Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; Tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory.
Job Mg1865 13:3  Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.
Job Mg1865 13:4  Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby ianareo rehetra,
Job Mg1865 13:5  Enga anie ka hangina mihitsy ianareo, dia ho fahendrenareo izany!
Job Mg1865 13:6  Masìna ianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro.
Job Mg1865 13:7  Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina an’ Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo?
Job Mg1865 13:8  Hiangatra ho Azy va ianareo? Handaha-teny ho an’ Andriamanitra va ianareo
Job Mg1865 13:9  Ho tsara aminareo va, raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka zanak’ olombelona va Izy?
Job Mg1865 13:10  Hanameloka anareo mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina ianareo.
Job Mg1865 13:11  Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy aminy?
Job Mg1865 13:12  Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana, ary manda fotaka ihany ny mandanareo.
Job Mg1865 13:13  Mangìna, ka mialà amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.
Job Mg1865 13:14  Nahoana no hitondra ny nofoko amin’ ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho.
Job Mg1865 13:15  Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.
Job Mg1865 13:16  Ary izao no ho famonjena ahy: Ny mpihatsaravelatsihy tsy sahy mankeo anatrehany.
Job Mg1865 13:17  Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren’ ny sofinareo ny filazàko.
Job Mg1865 13:18  Indro, fa efa voatoriko ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho.
Job Mg1865 13:19  Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina.
Job Mg1865 13:20  Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho;
Job Mg1865 13:21  Esory hanalavitra ahy ny tananao, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy fampitahoranao.
Job Mg1865 13:22  Dia miantsoa, fa izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho.
Job Mg1865 13:23  Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho.
Job Mg1865 13:24  Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao?
Job Mg1865 13:25  Moa izay ravin-kazo indaosin’ ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao?
Job Mg1865 13:26  Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako;
Job Mg1865 13:27  Dia mampiditra ny tongotro eo amin’ ny boloky hazo Hianao ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny hodiavin’ ny tongotro dia feranao.
Job Mg1865 13:28  Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra hanin’ ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana lanin’ ny kalalao.
Chapter 14
Job Mg1865 14:1  Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.
Job Mg1865 14:2  Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.
Job Mg1865 14:3  kanefa amin’ izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin’ ny fitsarana!
Job Mg1865 14:4  Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.
Job Mg1865 14:5  Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan’ ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana,
Job Mg1865 14:6  Dia mihodìna tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin’ ny androny toy ny mpikarama.
Job Mg1865 14:7  Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony;
Job Mg1865 14:8  Na dia efa tonga antitra ao amin’ ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin’ ny vovoka ny fotony,
Job Mg1865 14:9  Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.
Job Mg1865 14:10  Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy?
Job Mg1865 14:11  Ny rano miala eo amin’ ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra,
Job Mg1865 14:12  Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian’ ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin’ ny torimasony.
Job Mg1865 14:13  Enga anie ka hanafina ahy any amin’ ny fiainan-tsi-hita Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr’ andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy
Job Mg1865 14:14  Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan’ ny fahafahako.
Job Mg1865 14:15  Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan’ ny tananao Hianao.
Job Mg1865 14:16  Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao?
Job Mg1865 14:17  Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko.
Job Mg1865 14:18  Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin’ ny fitoerany;
Job Mg1865 14:19  Lanin’ ny rano ny vato; ary indaosin’ ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan’ ny zanak’ olombelona.
Job Mg1865 14:20  Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy.
Job Mg1865 14:21  Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany.
Job Mg1865 14:22  Ny mihatra amin’ ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin’ ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny.
Chapter 15
Job Mg1865 15:2  Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin’ ny rivotra avy any atsinanana va,
Job Mg1865 15:3  Ary hamaly amin’ ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara?
Job Mg1865 15:4  Eny, foananao ny fahatahorana an’ Andriamanitra, ary tampenanao ny fivavahana eo anatrehany;
Job Mg1865 15:5  Fa ny helokao no manesika ny vavanao, ary mianatra ny lelan’ ny fetsy ianao.
Job Mg1865 15:6  Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao.
Job Mg1865 15:7  Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan’ ny tendrombohitra va ianao?
Job Mg1865 15:8  Isan’ ny mpihevitra teo amin’ Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena?
Job Mg1865 15:9  Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa?
Job Mg1865 15:10  Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza.
Job Mg1865 15:11  Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin’ Andriamanitra sy ny teny natao aminao amin’ ny fahalemem-panahy?
Job Mg1865 15:12  Nahoana no dia entin’ ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao,
Job Mg1865 15:13  Ka miefonefona amin’ Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao?
Job Mg1865 15:14  Inona ny zanak’ olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?
Job Mg1865 15:15  Indro, ireo anjeliny aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony;
Job Mg1865 15:16  Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano!
Job Mg1865 15:17  Hanambara aminao aho, ka mihainoa ahy fa izay efa hitako no holazaiko,
Job Mg1865 15:18  Dia zavatra notorin’ ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin’ ny razany;
Job Mg1865 15:19  Ireny ihany no nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy.
Job Mg1865 15:20  Ny ratsy fanahy mijalijaly amin’ ny androny rehetra, dia amin’ ny taona rehetra voatendry ho an’ ny lozabe.
Job Mg1865 15:21  Feo mampitahotra no ren’ ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.
Job Mg1865 15:22  Tsy manantena ho afaka amin’ ny maizina izy; Andrasan’ ny sabatra izy.
Job Mg1865 15:23  Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.
Job Mg1865 15:24  Fahoriana sy fahaporitana no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin’ ny ady,
Job Mg1865 15:25  Satria naninjitra ny tanany hanohitra an’ Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.
Job Mg1865 15:26  Mimaona amin’ ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin’ ny foitran’ ampingany matevina,
Job Mg1865 15:27  Satria efa matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany;
Job Mg1865 15:28  Ary monina ao an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran’ olona, izay efa voatendry ho korontam-bato.
Job Mg1865 15:29  Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra ambonin’ ny tany ny fananany.
Job Mg1865 15:30  Tsy ho afaka amin’ ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon’ ny lelafo; ho levon’ ny fofonain’ Andriamanitra izy.
Job Mg1865 15:31  Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy.
Job Mg1865 15:32  Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia manjo azy izany, ary tsy ho maitso ny sampany.
Job Mg1865 15:33  Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny.
Job Mg1865 15:34  Fa tsy ho vanona ny ankohonan’ ny mpihatsaravelatsihy, ary ho lanin’ ny afo ny tranon’ ny mpitoroka.
Job Mg1865 15:35  Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.
Chapter 16
Job Mg1865 16:2  Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra.
Job Mg1865 16:3  Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?
Job Mg1865 16:4  Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;
Job Mg1865 16:5  Mahazo mampahery anareo amin’ ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana ataon’ ny molotro.
Job Mg1865 16:6  Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangìna aza aho, dia tsy misy mihena izany.
Job Mg1865 16:7  Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra.
Job Mg1865 16:8  Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany.
Job Mg1865 16:9  Amin’ ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;
Job Mg1865 16:10  Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy.
Job Mg1865 16:11  Efa voatolotr’ Andriamanitra ho amin’ ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-tànan’ ny mpanota.
Job Mg1865 16:12  Tamin’ ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin’ ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.
Job Mg1865 16:13  Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin’ ny tany.
Job Mg1865 16:14  Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.
Job Mg1865 16:15  Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin’ ny vovoka ny tandroko.
Job Mg1865 16:16  Ny tavako tera-menan’ ny fitomaniana, ary eo amin’ ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;
Job Mg1865 16:17  Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.
Job Mg1865 16:18  Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!
Job Mg1865 16:19  Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin’ ny avo.
Job Mg1865 16:20  Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan’ Andriamanitra kosa aho,
Job Mg1865 16:21  Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak’ olombelona amin’ ny sakaizako.
Job Mg1865 16:22  Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin’ ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho.
Chapter 17
Job Mg1865 17:1  Efa ho ritra ny aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana.
Job Mg1865 17:2  Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho.
Job Mg1865 17:3  Masìna Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy?
Job Mg1865 17:4  Fa ny fon’ ireto dia voahidinao tsy hidiran’ ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy.
Job Mg1865 17:5  Izay manolotra ny sakaizany ho babo, dia ho pahina kosa ny mason’ ny zanany.
Job Mg1865 17:6  Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin’ ny firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako.
Job Mg1865 17:7  Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra.
Job Mg1865 17:8  Ankona noho izany ny olona mahitsy, ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny mpihatsaravela-tsihy.
Job Mg1865 17:9  Fa ny marina mifikitra tsara amin’ ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery.
Job Mg1865 17:10  Avia avokoa indray ary ianareo rehetra tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho.
Job Mg1865 17:11  Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin’ ny foko indrindra;
Job Mg1865 17:12  Ny alina ataon’ ireny ho antoandro, ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina.
Job Mg1865 17:13  Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita fonenako ihany; Ao amin’ ny maizina no hamelarako ny fandriako.
Job Mg1865 17:14  Ny fasana no nantsoiko hoe: Raiko ianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko ianao.
Job Mg1865 17:15  Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no mahita azy?
Job Mg1865 17:16  Midìna any amin’ ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin’ ny vovoka aho.
Chapter 18
Job Mg1865 18:2  Mandra-pahoviana no hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay.
Job Mg1865 18:3  Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo?
Job Mg1865 18:4  Ry ilay mamiravira tena amin’ ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin’ ny fitoerany?
Job Mg1865 18:5  Tsy izany, fa ho faty ny jiron’ ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;
Job Mg1865 18:6  Ny mazava manjary maizina ao amin’ ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty.
Job Mg1865 18:7  Etena ny herin’ ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy.
Job Mg1865 18:8  Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin’ ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin’ ny harato izy;
Job Mg1865 18:9  Azon’ ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon’ ny tadivavarana
Job Mg1865 18:10  Miafina ao amin’ ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.
Job Mg1865 18:11  Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin’ ny alehany rehetra.
Job Mg1865 18:12  Liana azy ny loza, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany;
Job Mg1865 18:13  Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin’ ny lahimatoan’ ny fahafatesana.
Job Mg1865 18:14  Ongotana hiala amin’ ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin’ ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra izy.
Job Mg1865 18:15  Izay tsy taranany no hitoetra ao amin’ ny lainy; Solifara no hafafy amin’ ny fonenany.
Job Mg1865 18:16  Maina ny fakany ao ambany, ary tapaka ny rantsany eo ambony.
Job Mg1865 18:17  Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin’ ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy.
Job Mg1865 18:18  Roahina hiala amin’ ny mazava ho any amin’ ny maizina izy ary enjehina hiala amin’ izao tontolo izao.
Job Mg1865 18:19  Tsy manana fara mandimby eo amin’ ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin’ ny fonenany.
Job Mg1865 18:20  Ny manjo azy dia italanjonan’ ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra.
Job Mg1865 18:21  Izany tokoa no anjaran’ ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an’ Andriamanitra.
Chapter 19
Job Mg1865 19:2  Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin’ ny fiteny?
Job Mg1865 19:3  Efa im-polo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo.
Job Mg1865 19:4  Ary raha diso tokoa aho, dia izaho ihany no andrian’ ny fa hadisoako.
Job Mg1865 19:5  Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra,
Job Mg1865 19:6  Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin’ ny fandrika haratony.
Job Mg1865 19:7  Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.
Job Mg1865 19:8  Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin’ ny lalana alehako.
Job Mg1865 19:9  Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako.
Job Mg1865 19:10  Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako.
Job Mg1865 19:11  Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho.
Job Mg1865 19:12  Miara-mandroso ny antokon’ ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko.
Job Mg1865 19:13  Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.
Job Mg1865 19:14  Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy.
Job Mg1865 19:15  Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho.
Job Mg1865 19:16  Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin’ ny vavako aho.
Job Mg1865 19:17  Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak’ ineny aho.
Job Mg1865 19:18  Eny, ny ankizilahy madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy ireny.
Job Mg1865 19:19  Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.
Job Mg1865 19:20  Ny taolako miraikitra amin’ ny hoditro sy ny nofoko, ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra.
Job Mg1865 19:21  Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô; fa ny tànan’ Andriamanitra efa mikasika ahy.
Job Mg1865 19:22  Nahoana no manenjika ahy tahaka an’ Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin’ ny nofoko?
Job Mg1865 19:23  Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin’ ny boky ireny!
Job Mg1865 19:24  Enga anie ka ho voasoratra amin’ ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin’ ny vatolampy ho mandrakizay izy!
Job Mg1865 19:25  Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ ny vovoka Izy.
Job Mg1865 19:26  Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin’ ny nofoko aho, dia hahita an’ Andriamanitra;
Job Mg1865 19:27  Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko.
Job Mg1865 19:28  Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny ny fototry ny mahameloka azy.
Job Mg1865 19:29  Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.
Chapter 20
Job Mg1865 20:2  Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro, eny, noho ny fihetsiketsiky ny saiko.
Job Mg1865 20:3  Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin’ ny fahalalako.
Job Mg1865 20:4  Tsy fantatrao va fa hatramin’ ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin’ ny tany,
Job Mg1865 20:5  Dia vetivety foana ny firavoravoan’ ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian’ ny mpihatsaravelatsihy?
Job Mg1865 20:6  Fa na dia mipaka amin’ ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin’ ny rahona ny lohany,
Job Mg1865 20:7  Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy?
Job Mg1865 20:8  Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin’ ny alina izy.
Job Mg1865 20:9  Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany.
Job Mg1865 20:10  Ny zanany hitambitamby amin’ ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny.
Job Mg1865 20:11  Ny taolany dia feno ny herin’ ny fahatanorana, Nefa hiara-mandry aminy eo amin’ ny vovoka izany.
Job Mg1865 20:12  Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin’ ny lelany,
Job Mg1865 20:13  Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin’ ny lanilaniny ihany,
Job Mg1865 20:14  Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon’ ny vipera no ao anatiny.
Job Mg1865 20:15  Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran’ Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.
Job Mg1865 20:16  Ny poizin’ ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan’ ny menarana.
Job Mg1865 20:17  Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.
Job Mg1865 20:18  Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany.
Job Mg1865 20:19  Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.
Job Mg1865 20:20  Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin’ ny tiany indrindra izy.
Job Mg1865 20:21  Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany.
Job Mg1865 20:22  Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan’ ny ory no hamely azy.
Job Mg1865 20:23  Halefan’ Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy.
Job Mg1865 20:24  Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina;
Job Mg1865 20:25  Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin’ ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin’ ny aferony; Lasa izy azon’ ny fahatahorana mafy.
Job Mg1865 20:26  Ny aizim-pito no voarakitra ho amin’ ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin’ ny lainy.
Job Mg1865 20:27  Hambaran’ ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy,
Job Mg1865 20:28  Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin’ ny andro fahatezerany.
Job Mg1865 20:29  Izany no anjaran’ ny ratsy fanahy avy amin’ Andriamanitra, sy lova voatendrin’ Andriamanitra ho azy.
Chapter 21
Job Mg1865 21:2  Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy.
Job Mg1865 21:3  Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray ianareo.
Job Mg1865 21:4  Raha ny amiko, moa ny ataon’ ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko?
Job Mg1865 21:5  Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena vava.
Job Mg1865 21:6  Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako:
Job Mg1865 21:7  Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?
Job Mg1865 21:8  Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.
Job Mg1865 21:9  Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon’ Andriamanitra tsy mamely azy.
Job Mg1865 21:10  Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.
Job Mg1865 21:11  Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman’ osy izy, ka mikoriana ny zanany.
Job Mg1865 21:12  Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin’ ny feon-tsodina.
Job Mg1865 21:13  Mandany ny androny amin’ ny fahafinaretana izy; Amin’ ny indray mipi-maso monja no idinany any amin’ ny fiainan-tsi-hita.
Job Mg1865 21:14  Kanefa anie ireo no manao amin’ Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.
Job Mg1865 21:15  Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?
Job Mg1865 21:16  Indro, tsy avy amin’ ny tenany ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan’ ny ratsy fanahy!
Job Mg1865 21:17  Indraindray foana no mba maty ny jiron’ ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran’ Andriamanitra fandrika ireny noho ny fahatezerany,
Job Mg1865 21:18  Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin’ ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin’ ny tafio-drivotra.
Job Mg1865 21:19  Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan’ ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.
Job Mg1865 21:20  Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran’ ny Tsitoha.
Job Mg1865 21:21  Fa mampaninona azy moa ny amin’ ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan’ ny androny?
Job Mg1865 21:22  Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra aza?
Job Mg1865 21:23  Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy;
Job Mg1865 21:24  Feno ronono ny fitoeran-drononony, ary vonton-tsoka ny taolany.
Job Mg1865 21:25  Ary ny anankiray maty amin’ ny fahorian’ ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.
Job Mg1865 21:26  Samy mandry ao amin’ ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany.
Job Mg1865 21:27  Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy;
Job Mg1865 21:28  Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon’ ny mpitohatoha? Ary aiza ny lay fitoeran’ ny ratsy fanahy?
Job Mg1865 21:29  Kanefa tsy mba nanontany tamin’ ny mpandeha amin’ ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga, ambaran’ Ireo hoe:
Job Mg1865 21:30  Amin’ ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin’ ny andro fahatezerana dia enti-miala izy?
Job Mg1865 21:31  Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy?
Job Mg1865 21:32  Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola hitazana ao am-pasana;
Job Mg1865 21:33  Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan’ ny maro tany alohany.
Job Mg1865 21:34  Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!
Chapter 22
Job Mg1865 22:2  Mahasoa an’ Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.
Job Mg1865 22:3  Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?
Job Mg1865 22:4  Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin’ ny fitsarana?
Job Mg1865 22:5  Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?
Job Mg1865 22:6  Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin’ ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon’ ny mahantra.
Job Mg1865 22:7  Tsy nanome rano hosotroin’ ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an’ ny noana.
Job Mg1865 22:8  Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo.
Job Mg1865 22:9  Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin’ ny kamboty.
Job Mg1865 22:10  Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka;
Job Mg1865 22:11  Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao?
Job Mg1865 22:12  Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon’ ny kintana, endrey ny hahavony!
Job Mg1865 22:13  Nefa hoy ianao: Ataon’ Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?
Job Mg1865 22:14  Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin’ ny lanitra Izy.
Job Mg1865 22:15  Moa hizotra amin’ ny lalana izay nalehan’ ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan’ ny olona ratsy fanahy.
Job Mg1865 22:16  Izay nesorina alohan’ ny androny, ka nindaosin’ ny riaka ny fanorenany,
Job Mg1865 22:17  Dia ireo izay manao tamin’ Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon’ ny Tsitoha atao ho anay?
Job Mg1865 22:18  Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan’ ny ratsy fanahy!
Job Mg1865 22:19  Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe:
Job Mg1865 22:20  Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon’ ny afo.
Job Mg1865 22:21  Mifankazara amin’ ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan’ ny soa aminao.
Job Mg1865 22:22  Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin’ ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.
Job Mg1865 22:23  Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.
Job Mg1865 22:24  Ario eny amin’ ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin’ ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;
Job Mg1865 22:25  Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao.
Job Mg1865 22:26  Fa amin’ izany dia hiravoravo amin’ ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin’ Andriamanitra.
Job Mg1865 22:27  Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao.
Job Mg1865 22:28  Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin’ ny lalanao ny mazava.
Job Mg1865 22:29  Raha misy mietry, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.
Job Mg1865 22:30  Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan’ ny tananao no hamonjena azy.
Chapter 23
Job Mg1865 23:2  Mbola atao ho fikomianao ihany ny fitarainako; Ny tanana mamely ahy dia mitambesatra amin’ ny fisentoako.
Job Mg1865 23:3  Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin’ ny fitoerany aza!
Job Mg1865 23:4  Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako;
Job Mg1865 23:5  Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho sy hamantatra izay holazainy amiko.
Job Mg1865 23:6  Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy
Job Mg1865 23:7  Fa amin’ izany dia olona marina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin’ ny Mpitsara ahy.
Job Mg1865 23:8  Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy;
Job Mg1865 23:9  Mianavaratra amin’ izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako.
Job Mg1865 23:10  Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
Job Mg1865 23:11  Ny tongotro nifikitra tamin’ ny lalany; Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho.
Job Mg1865 23:12  Ny didin’ ny molony tsy mba nialako; Ny tenin’ ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako.
Job Mg1865 23:13  Nefa tsy miova saina Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin’ ny fanahiny dia ataony.
Job Mg1865 23:14  Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy;
Job Mg1865 23:15  Roa Izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha misaintsaina izany aho, dia matahotra Azy.
Job Mg1865 23:16  Fa Andriamanitra no mandrerakany foko, ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy;
Job Mg1865 23:17  Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, na ny maizim-pito izay manarona ny tavako.
Chapter 24
Job Mg1865 24:1  Nahoana no tsy misy fotoan’ andro voatendrin’ ny Tsitoha, ary nahoana no tsy hitan’ ny mahalala Azy izany androny Izany?
Job Mg1865 24:2  Misy mamindra fari-tany sy mangalatra omby aman’ ondry sady miandry azy.
Job Mg1865 24:3  Mandroaka ny borikin’ ny kamboty izy, ary maka ny ombin’ ny mpitondratena ho tsatòka.
Job Mg1865 24:4  Manosika ny mahantra hiala amin’ ny lalana izy, ka dia miery azy avokoa ny malahelo amin’ ny tany.
Job Mg1865 24:5  Indro, tahaka ny fivoaky ny boriki-dia any an-efitra no fivoak’ ireny ho amin’ ny asany hiremby; Ny tani-hay no ahazoany hanina ho an’ ny zanany.
Job Mg1865 24:6  Any an-tsaha izy maka vilona sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy.
Job Mg1865 24:7  Mandry mitanjaka amin’ ny alina izy, satria tsy manan-damba, ka dia tsy manana firakotra amin’ ny hatsiaka;
Job Mg1865 24:8  Kotsan’ ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy, ka mitampisaka amin’ ny vatolampy, fa tsy manam-pialofana.
Job Mg1865 24:9  Misarika ny kamboty eo am-pinonoana izy ary maka tsatòka amin’ ny ory.
Job Mg1865 24:10  Mandeha mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy manan-kitafy, ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary.
Job Mg1865 24:11  Manao diloilo eo anatin’ ny tambohon’ ny mpampahory azy izy; Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka izy, nefa mangetaheta ihany.
Job Mg1865 24:12  Mitrona ny lehilahy ao an-tanana, ary mitaraina ny fanahin’ ny voalefona; Nefa tsy ahoan’ Andriamanitra akory ny ratsy atao.
Job Mg1865 24:13  Ireny no mpikomy amin’ ny mazava; Tsy mba mihevitra ny lalany izy, na mitoetra eo amin’ ny alehany.
Job Mg1865 24:14  Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy, ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra.
Job Mg1865 24:15  Ny mason’ ny mpijangajanga miandry ny maizimaizina, ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy ka dia manao very maso izy.
Job Mg1865 24:16  Misy manamy trano nony maizina; Nefa nony antoandro dia miery izy; Tsy mahalala ny mazava izy;
Job Mg1865 24:17  Fa ny aizim-pito no marainan’ ireo rehetra ireo; Satria efa mahazatra azy ny fampahatahoran’ ny aizim-pito izy.
Job Mg1865 24:18  Mitsinkafona paohin’ ny rano izy; Voaozona ny anjarany eo amin’ ny tany; Tsy mivily ho amin’ ny lalana mankeny amin’ ny tanim-boaloboka izy.
Job Mg1865 24:19  Toy ny andevonan’ ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan’ ny fiainan-tsi-hita ny mpanota.
Job Mg1865 24:20  Manadino azy ny vohoka; manjary hanim-py ho an’ ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony; Ary tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy,
Job Mg1865 24:21  Dia ilay nandroba ny momba izay tsy niteraka ary tsy nanisy soa ny mpitondratena.
Job Mg1865 24:22  Kanefa halavain’ Andriamanitra amin’ ny heriny ny andron’ ny olo-mahery; Mitsangana indray ireo, na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza.
Job Mg1865 24:23  Ataony mandry fahizay sy tsara tohana izy, sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany.
Job Mg1865 24:24  Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy ao intsony, dia mihalevona izy ka otazana tahaka ny olona rehetra, ary tangosana tahaka ny salohim-bary.
Job Mg1865 24:25  Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona.
Chapter 25
Job Mg1865 25:2  Fanapahana sy fampahatahorana no ao aminy, manao fihavanana any amin’ ny avo Izy.
Job Mg1865 25:3  Azo isaina va ny miaramilany? Ary fahazavan’ iza no tsy ihoaran’ ny Azy?
Job Mg1865 25:4  Ary aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy?
Job Mg1865 25:5  Indro, ny volana aza tsy mangarangarana, ary ny kintana aza tsy madio eo imasony;
Job Mg1865 25:6  Koa mainka fa ny olombelona, izay kankana, ary ny zanak’ olombelona, izay olitra.
Chapter 26
Job Mg1865 26:2  Endrey! nanohana ny tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka ny sandry malemy!
Job Mg1865 26:3  Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry sy nampahafantatra izay fahendrena betsaka!
Job Mg1865 26:4  Iza no nandaharanao teny? Ary fanahin’ izay no nivoaka avy tao aminao?
Job Mg1865 26:5  Ny matoatoa dia ampanaintainina Any ambanin’ ny rano sy any ambanin’ ny mponina any.
Job Mg1865 26:6  Ny fiainan-tsi-hita miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra.
Job Mg1865 26:7  Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin’ ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin’ ny tsy misy.
Job Mg1865 26:8  Fonosiny amin’ ireo rahony matevina ny rano, nefa ny fanambanin’ ny rahona tsy mety triatra.
Job Mg1865 26:9  Manakona ny seza fiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin’ ny amelarany ny rahony hanarona azy.
Job Mg1865 26:10  Asiany faritra manodidina eny ambonin’ ny rano. Hatramin’ izay ihaonan’ ny mazava sy ny maizina.
Job Mg1865 26:11  Ny andrin’ ny lanitra nihozongozona sady ankona amin’ ny teny mafy ataony.
Job Mg1865 26:12  Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina, ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba;
Job Mg1865 26:13  Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tànany no nitomboka ny menarana mandositra.
Job Mg1865 26:14  Indro, ireny dia vao ny sisintsisin’ ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?
Chapter 27
Job Mg1865 27:1  Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
Job Mg1865 27:2  Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko.
Job Mg1865 27:3  Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin’ Andriamanitra.
Job Mg1865 27:4  Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.
Job Mg1865 27:5  Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan’ ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.
Job Mg1865 27:6  Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin’ ny androko iray monja aza.
Job Mg1865 27:7  Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.
Job Mg1865 27:8  Fa inona no fanantenan’ ny mpihatsaravelatsihy, raha maito ny ainy, ka tsoahan’ Andriamanitra ny fanahiny?
Job Mg1865 27:9  Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy?
Job Mg1865 27:10  Ho azony hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso an’ Andriamanitra mandrakariva va izy?
Job Mg1865 27:11  Hampianatra anareo ny amin’ ny tànan’ Andriamanitra aho, ary tsy hisorona anareo aho ny amin’ ny hevitry ny Tsitoha.
Job Mg1865 27:12  Indreo, ianareo rehetra samy efa nahita izany; Koa nahoana ianareo no manao hevi-poana?
Job Mg1865 27:13  Izao no anjaran’ ny ratsy fanahy avy amin’ Andriamanitra, sy lovan’ ny lozabe raisiny avy amin’ ny Tsitoha:
Job Mg1865 27:14  Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an’ ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina;
Job Mg1865 27:15  Ny ankohonany sisa dia hasitrik’ Ifahafatesana, ary tsy hisaona azy ny mpitondratenany;
Job Mg1865 27:16  Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,
Job Mg1865 27:17  Eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy;
Job Mg1865 27:18  Manao ny tranony tahaka ny an’ ny lolofotsy izy, ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon’ ny mpiandry voly;
Job Mg1865 27:19  Ao avokoa ihany ny hareny, raha vao mandry izy; Nefa nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony ireny.
Job Mg1865 27:20  Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka: Nony alina paohin’ ny tafio-drivotra izy;
Job Mg1865 27:21  Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy ka mipaoka azy hiala amin’ ny fitoerany;
Job Mg1865 27:22  Asian’ Andriamanitra izy ka tsy iantrany, ary mandositra dia mandositra ho afaka amin’ ny tànany izy;
Job Mg1865 27:23  Tehafin’ ny olona tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin’ ny fonenany.
Chapter 28
Job Mg1865 28:1  Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina.
Job Mg1865 28:2  Ny vy dia alaina avy amin’ ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin’ ny vato.
Job Mg1865 28:3  Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin’ ny faran’ ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton’ ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;
Job Mg1865 28:4  Mihady lavaka mihalavitra amin’ izay itoeran’ olona izy ka tsy ampoizin’ ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.
Job Mg1865 28:5  Ny tany no ihavian’ ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo.
Job Mg1865 28:6  Fitoeran’ ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy
Job Mg1865 28:7  Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan’ ny mason’ ny voromahery,
Job Mg1865 28:8  Sady tsy nodiavin’ ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan’ ny liona masiaka.
Job Mg1865 28:9  Maninjitra ny tànany amin’ ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin’ ny fotony;
Job Mg1865 28:10  Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan’ ny masony avokoa.
Job Mg1865 28:11  Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin’ ny mazava.
Job Mg1865 28:12  Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran’ ny fahalalana?
Job Mg1865 28:13  Tsy misy zanak’ olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin’ ny tanin’ ny velona izy.
Job Mg1865 28:14  Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina.
Job Mg1865 28:15  Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;
Job Mg1865 28:16  Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza.
Job Mg1865 28:17  Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.
Job Mg1865 28:18  Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.
Job Mg1865 28:19  Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara
Job Mg1865 28:20  Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran’ ny fahalalana?
Job Mg1865 28:21  Miafina amin’ ny mason’ ny velona rehetra izany ary takona amin’ ny voro-manidina.
Job Mg1865 28:22  Hoy Abadona sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy.
Job Mg1865 28:23  Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany;
Job Mg1865 28:24  Fa Izy no mitsinjo hatramin’ ny faran’ ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin’ ny lanitra rehetra izao,
Job Mg1865 28:25  Ka manendry ny lanjan’ ny rivotra ary mamatra ny rano amin’ ny famarana.
Job Mg1865 28:26  Raha nanao lalana ho an’ ny ranonorana Izy sy lalana halehan’ ny helatry ny kotrokorana,
Job Mg1865 28:27  Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy;
Job Mg1865 28:28  Dia hoy Izy tamin’ ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin’ ny ratsy no fahalalana.
Chapter 29
Job Mg1865 29:1  Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
Job Mg1865 29:2  Enga anie ka ho tahaka ny tamin’ ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin’ ny andro niarovan’ Andriamanitra ahy!
Job Mg1865 29:3  Fony mbola nazava teo ambonin’ ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin’ ny maizina;
Job Mg1865 29:4  Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin’ ny laiko ny fisakaizan’ Andriamanitra;
Job Mg1865 29:5  Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako;
Job Mg1865 29:6  Fony mbola nanasa ny tongotro tamin’ ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;
Job Mg1865 29:7  Raha niainga niakatra ho eo amin’ ny vavahadin’ ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo an-kalalahana,
Job Mg1865 29:8  Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;
Job Mg1865 29:10  Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin’ ny lanilaniny.
Job Mg1865 29:11  Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,
Job Mg1865 29:12  Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
Job Mg1865 29:13  Ny fisaoran’ izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon’ ny mpitondratena nampifaliko.
Job Mg1865 29:14  Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako.
Job Mg1865 29:15  Efa maso ho an’ ny jamba aho ary tongotra ho an’ ny mandringa.
Job Mg1865 29:16  Efa ray ho an’ ny malahelo aho, ary ny adin’ ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.
Job Mg1865 29:17  Namaky ny nifin’ ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany
Job Mg1865 29:18  Dia hoy izaho: Eo amin’ ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.
Job Mg1865 29:19  Ny fakako ho azon’ ny rano, ary ny ando hitoetra amin’ ny sampako mandritra ny alina.
Job Mg1865 29:20  Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako.
Job Mg1865 29:21  Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin’ ny fanolorako saina izy.
Job Mg1865 29:22  Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan’ ny teniko izy.
Job Mg1865 29:23  Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.
Job Mg1865 29:24  Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan’ ny tavako ireo.
Job Mg1865 29:25  Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin’ ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.
Chapter 30
Job Mg1865 30:1  Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak’ ireo izay nolaviko tsy ho isan’ ny amboa miandry ny ondriko akory aza.
Job Mg1865 30:2  Eny, mampaninona ahy ny herin’ ny tànan’ ireo. Izay efa very fahatanjahana?
Job Mg1865 30:3  Manjenjena noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.
Job Mg1865 30:4  Mitsongo anambodihena eo amin’ ny kirihitrala izy, ary ny fakan’ ny anjavidy no fihinany.
Job Mg1865 30:5  Roahina tsy ho eo amin’ ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra.
Job Mg1865 30:6  Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato.
Job Mg1865 30:7  Minananana eny amin’ ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin’ ny amiana.
Job Mg1865 30:8  Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin’ ny tany.
Job Mg1865 30:9  Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho.
Job Mg1865 30:10  Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy.
Job Mg1865 30:11  Fa noketrahin’ Andriamanitra ny kofehiko, ka nampietreny aho; Ka dia mba nesorin’ iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny.
Job Mg1865 30:12  Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko.
Job Mg1865 30:13  Mandrava ny lalako sy manararaotra ny andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy,
Job Mg1865 30:14  Toy ny fiditra eo amin’ ny banga lehibe no fihaviny, ka avy ao amin’ ny voarava no imaonany.
Job Mg1865 30:15  Voatodika hamely ahy ny fampitahorana: Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy
Job Mg1865 30:16  Ary ankehitriny, raraka ato anatiko ny fanahiko. Fenjàn’ ny andro fahoriana aho.
Job Mg1865 30:17  Ny alina mampahalò ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.
Job Mg1865 30:18  Noho ny haben’ ny hery dia tonga tsy antonona ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka izany.
Job Mg1865 30:19  Eny, nanary ahy teo amin’ ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho
Job Mg1865 30:20  Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana.
Job Mg1865 30:21  Efa manjary lozabe amiko Hianao; Ny herin’ ny tananao no andrafianao ahy.
Job Mg1865 30:22  Aingainao ho eny amin’ ny rivotra aho ka alefanao handeha, ary levoninao amin’ ny tafio-drivotra mifofofofo ho tsinontsinona aho.
Job Mg1865 30:23  Fa fantatro fa hampodinao any amin’ ny fahafatesana aho, dia any amin’ ny trano fivorian’ ny olombelona rehetra.
Job Mg1865 30:24  Kanefa tsy manainga ny tànany va ny olona, raha ianjeran’ ny rava? Ary tsy mitaraina va izy, raha tratry ny loza?
Job Mg1865 30:25  Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko?
Job Mg1865 30:26  Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina.
Job Mg1865 30:27  Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana.
Job Mg1865 30:28  Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian’ ny olona.
Job Mg1865 30:29  Rahalahin’ ny amboadia aho Ary naman’ ny ostritsa.
Job Mg1865 30:30  Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana ny taolako.
Job Mg1865 30:31  Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon’ ny mitomany ny sodiko.
Chapter 31
Job Mg1865 31:1  Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy?
Job Mg1865 31:2  Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin’ Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin’ ny Tsitoha any amin’ ny avo?
Job Mg1865 31:3  Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy?
Job Mg1865 31:4  Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra?
Job Mg1865 31:5  Raha tàhiny nandeha tamin’ ny fitaka aho na niezaka tamin’ ny fahafetsena.
Job Mg1865 31:6  (Enga anie ka holanjain’ Andriamanitra eo amin’ ny mizanan’ ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny);
Job Mg1865 31:7  Raha tàhiny nivily niala tamin’ ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin’ ny tanako:
Job Mg1865 31:8  Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko.
Job Mg1865 31:9  Raha tahìny adala tamin’ ny vadin’ olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran’ ny namako aho,
Job Mg1865 31:10  Dia aoka kosa ny vadiko halain’ ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy.
Job Mg1865 31:11  Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain’ ny mpitsara;
Job Mg1865 31:12  Fa afo mandevona hatrany amin’ ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.
Job Mg1865 31:13  Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an’ ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy,
Job Mg1865 31:14  Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?
Job Mg1865 31:15  Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?
Job Mg1865 31:16  Raha tàhiny aho nandà Izay nirin’ ny malahelo ka nahapahina ny mason’ ny mpitondratena,
Job Mg1865 31:17  Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan’ ny kamboty
Job Mg1865 31:18  (Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho);
Job Mg1865 31:19  Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy,
Job Mg1865 31:20  Koa tsy nankasitraka ahy ny tenany, ary tsy nanafàna azy ny volon’ ondriko;
Job Mg1865 31:21  Raha tahìny aho naninjitra ny tanako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany tamiko teo am-bavahady:
Job Mg1865 31:22  Dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin’ ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin’ ny taolam-panaviko.
Job Mg1865 31:23  Fa mampahatahotra ahy ny loza avy amin’ Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany.
Job Mg1865 31:24  Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô;
Job Mg1865 31:25  Raha tàhiny ho nifaly noho ny haben’ ny fananako sy noho ny nahazoan’ ny tanako harena betsaka;
Job Mg1865 31:26  Raha tàhiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin’ ny fangarangarany izy,
Job Mg1865 31:27  Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavako
Job Mg1865 31:28  (Dia heloka hanamelohan’ ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin’ Andriamanitra Izay any ambony aho);
Job Mg1865 31:29  Raha tàhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy
Job Mg1865 31:30  (Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako hangataka ozona hanjo azy);
Job Mg1865 31:31  Raha tàhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin’ ny henany?
Job Mg1865 31:32  Ny vahiny aza tsy nandry teny ala-trano; Fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana;
Job Mg1865 31:33  Raha tàhiny aho mba nanarona ny fahadisoako tahaka an’ i Adama ka nanafina ny heloko tato an-tratrako,
Job Mg1865 31:34  Satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka maro be, ary natahotra aho, fandrao hamavoin’ ny fokon’ olona, ka dia namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana
Job Mg1865 31:35  Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr’ ilay manana ady amiko!
Job Mg1865 31:36  Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary hafehiko amiko ho satro-boninahitra.
Job Mg1865 31:37  Ny isan’ ny diako dia hambarako aminy, ary tahaka ny fanakon’ ny zanak’ andriana no hanatonako Azy.
Job Mg1865 31:38  Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako;
Job Mg1865 31:39  Raha tàhiny aho nihinana ny vokatra, nefa tsy nandoa ny vidiny. Na nanao izay hahafaty ny ain’ ny tompony:
Job Mg1865 31:40  Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin’ i Joba.
Chapter 32
Job Mg1865 32:1  Ary nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy ireo, satria nanamarin-tena Joba.
Job Mg1865 32:2  Ary nirehitra kosa ny fahatezeran’ i Eliho, zanak’ i Barakela, Bozita, avy amin’ ny fokon’ i Rama; eny, tamin’ i Joba no nirehetan’ ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy.
Job Mg1865 32:3  Ary tamin’ ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan’ ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an’ i Joba.
Job Mg1865 32:4  Ary Eliho mbola niandry an-dr’ i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy.
Job Mg1865 32:5  Ary rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany;
Job Mg1865 32:6  ka dia niteny Eliho, zanak’ i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro.
Job Mg1865 32:7  Hoy izaho: Aoka ny fahanterana no hiteny, ary aoka ny hamaroan’ ny taona no hampianatra fahendrena.
Job Mg1865 32:8  Kanefa ny fanahy izay ao anatin’ ny zanak’ olombelona sy ny fofonoin’ ny Tsitoha no mahahendry azy.
Job Mg1865 32:9  Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny;
Job Mg1865 32:10  Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro.
Job Mg1865 32:11  Indro, niandry ny teninareo aho, ary nandinika ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina;
Job Mg1865 32:12  Eny, nihaino dia nihaino anareo aho, fa he! tsy nisy naharesy lahatra an’ i Joba ianareo, na nahavaly ny teniny akory;
Job Mg1865 32:13  Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny fotony: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona.
Job Mg1865 32:14  Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy.
Job Mg1865 32:15  Very hevitra terỳ izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny.
Job Mg1865 32:16  Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony?
Job Mg1865 32:17  Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro;
Job Mg1865 32:18  Fa feno teny ny foko; Manery ahy ny fanahy ato anatiko.
Job Mg1865 32:19  Endrey! ny ato anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misy hiainana, efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy.
Job Mg1865 32:20  Hiteny aho mba hisy hiainako tsara; Hiloa-bava aho ka hamaly.
Job Mg1865 32:21  Aoka tsy hizaha tavan’ olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona.
Job Mg1865 32:22  Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany, dia halain’ ny Mpanao ahy faingana aho.
Chapter 33
Job Mg1865 33:1  Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra.
Job Mg1865 33:2  Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako.
Job Mg1865 33:3  Ny hitsim-poko no hiseho amin’ ny teniko; Ary ny fahalalan’ ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka.
Job Mg1865 33:4  Ny Fanahin’ Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain’ ny Tsitoha no mamelona ahy.
Job Mg1865 33:5  Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara.
Job Mg1865 33:6  Indro, izaho koa mba an’ Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin’ ny tanimanga.
Job Mg1865 33:7  Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao.
Job Mg1865 33:8  Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon’ ny teninao hoe:
Job Mg1865 33:9  Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka;
Job Mg1865 33:10  He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho;
Job Mg1865 33:11  Mampiditra ny tongotro eo amin’ ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra.
Job Mg1865 33:12  He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ ny zanak’ olombelona.
Job Mg1865 33:13  Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ ny ataony?
Job Mg1865 33:14  Kanefa misy fanao iray itenenan’ Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ ny olona izany,
Job Mg1865 33:15  Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin’ ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana,
Job Mg1865 33:16  Dia manokatra ny sofin’ ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,
Job Mg1865 33:17  Mba hampiala ny olona amin’ ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana.
Job Mg1865 33:18  Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan’ ny fiadiana.
Job Mg1865 33:19  Anarina amin’ ny fanaintainana eo am-pandriany koa izy sy amin’ ny fikotrankotran’ ny taolany lalandava;
Job Mg1865 33:20  Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian’ ny fanahiny.
Job Mg1865 33:21  Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo;
Job Mg1865 33:22  Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina.
Job Mg1865 33:23  Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin’ ny arivo, hanoro izay tokony halehan’ ny olona,
Job Mg1865 33:24  Ary hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho,
Job Mg1865 33:25  Dia ho tsara noho ny an’ ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin’ ny andro nahatanorany izy;
Job Mg1865 33:26  Hivavaka amin’ Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin’ ny hafaliana, fa hampodiny amin’ ny zanak’ olombelona ny fahamarinany.
Job Mg1865 33:27  Dia hihira izy hilaza amin’ ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko;
Job Mg1865 33:28  Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin’ ny fahitana ny mazava.
Job Mg1865 33:29  Indro, izany rehetra izany no ataon’ Andriamanitra indroa amin’ ny olona, eny, intelo aza,
Job Mg1865 33:30  Mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka, mba hihazavany amin’ ny fahazavan’ aina.
Job Mg1865 33:31  Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangìna kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny.
Job Mg1865 33:32  Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho;
Job Mg1865 33:33  Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangìna tsara, fa hampianariko fahendrena ianao.
Chapter 34
Job Mg1865 34:2  Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana.
Job Mg1865 34:3  Fa ny sofina no mamantatra teny, Ary ny vava no manandrana hanina.
Job Mg1865 34:4  Koa aoka izay rariny no hodinihintsika, ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika.
Job Mg1865 34:5  Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy nesorin’ Andriamanitra tamiko ny rariny;
Job Mg1865 34:6  Marina ny ahy, nefa ampandaingainy aho; Mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho.
Job Mg1865 34:7  Aiza moa no misy lehilahy tahaka an’ i Joba, izay manaram-po amin’ ny famingavingana toy ny fisotro rano.
Job Mg1865 34:8  Ary tonga naman’ ny mpanao ratsy sady miara-mandeha amin’ ny ratsy fanahy?
Job Mg1865 34:9  Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin’ Andriamanitra.
Job Mg1865 34:10  Koa amin’ izany mihainoa ahy, ianareo manam-panahy: Lavitra an’ Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!
Job Mg1865 34:11  Fa ny nataon’ ny olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany avy Izy.
Job Mg1865 34:12  Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.
Job Mg1865 34:13  Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao?
Job Mg1865 34:14  Raha tàhiny ny tenany ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy,
Job Mg1865 34:15  Dia hiala avokoa ny ain’ ny nofo rehetra, ary hiverina amin’ ny vovoka ny olona.
Job Mg1865 34:16  Raha manam-pahalalana ianao, dia mandrenesa izao, ka mihainoa ny teniko
Job Mg1865 34:17  Moa mahay mifehy va izay tsy tia rariny? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao?
Job Mg1865 34:18  (Mety va ny miteny amin’ ny mpanjaka hoe: Olom-poana ianao! Ary amin’ ny zanak’ andriana: Ry ilay ratsy!),
Job Mg1865 34:19  Dia Ilay tsy mizaha ny tavan’ ny lehibe, ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany, satria samy asan’ ny tànany avokoa izy rehetra.
Job Mg1865 34:20  Maty amin’ ny indray mipi-maso monja amin’ ny mamatonalina ireny; Eny, ringana ny olona ka tsy ao intsony; Ary ny mahery dia lasa tsy esorin-tanana.
Job Mg1865 34:21  Fa ny mason’ Andriamanitra dia mijery ny alehan’ ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy.
Job Mg1865 34:22  Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren’ ny mpanao ratsy.
Job Mg1865 34:23  Fa Andriamanitra tsy mba miandry aloha vao mandinika ny olona Izay tonga hotsaraina eo anatrehany.
Job Mg1865 34:24  Manorotoro ny olona mahery Izy, na dia tsy manadina aza, ka manangana olon-kafa hisolo azy.
Job Mg1865 34:25  Koa hita amin’ izany fa fantany ny asan’ ireo, ka dia mamono azy amin’ ny alina ho torotoro Izy.
Job Mg1865 34:26  Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin’ ny ratsy fanahy ireo eo imason’ ny vahoaka.
Job Mg1865 34:27  Izao no nialan’ ireo tamin’ Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory,
Job Mg1865 34:28  Dia ny mba hahatonga ny fitarainan’ ny malahelo eo anatrehany ka hampandre Azy ny fitarainan’ ny ory.
Job Mg1865 34:29  Mangìna Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin’ ny firenena, na amin’ ny olona tsirairay,
Job Mg1865 34:30  Mba tsy hanjakan’ ny ratsy fanahy, ary tsy ho voafandrika ny vahoaka.
Job Mg1865 34:31  Fa moa mba efa nisy niteny tamin’ Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena aho ka tsy hanao ratsy intsony;
Job Mg1865 34:32  Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony?
Job Mg1865 34:33  Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon’ ny olona, no efa nandà ianao? Fa ianao no mifidy, fa tsy izaho, koa izay fantatrao no ambarao.
Job Mg1865 34:34  Ny olona manam-panahy hilaza amiko, ary ny olon-kendry izay mihaino ahy hanao hoe:
Job Mg1865 34:35  Miteny tsy amim-pahalalana Joba, ary ny teniny tsy amim-pahendrena.
Job Mg1865 34:36  Enga anie ka hizahan-toetra mandrakariva Joba noho ny famaliana ataony araka ny fanaon’ ny ratsy fanahy!
Job Mg1865 34:37  Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro ho enti-miady amin’ Andriamanitra.
Chapter 35
Job Mg1865 35:2  Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe: Ny fahamarinako mihoatra noho ny an’ Andriamanitra?
Job Mg1865 35:3  Fa hoy ianao: Mahasoa ahy manao ahoana moa? Ary inona no soa azoko mihoatra noho ny avy amin’ ny fahotako?
Job Mg1865 35:4  Izaho no hiteny hamaly anao Mbamin’ ny namanao.
Job Mg1865 35:5  Jereo ary ny lanitra ka izahao; Ary tsinjovy iry habakabaka, avo loatra iny ka tsy takatrao.
Job Mg1865 35:6  Raha manota ianao, moa mahefa inona aminy? Ary raha maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany?
Job Mg1865 35:7  Raha marina ianao, dia hahazoany inona moa izany? Na inona no horaisiny avy amin’ ny tananao?
Job Mg1865 35:8  Mihatra amin’ ny olona tahaka anao ihany ny ratsy ataonao; Ary mihatra amin’ ny olombelona ihany ny fahamarinanao.
Job Mg1865 35:9  Noho ny habiazan’ ny fampahoriana no itarainan’ ny olona; Eny, minananana izy noho ny sandrin’ ny mahery,
Job Mg1865 35:10  Nefa tsy misy manao hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin’ ny alina,
Job Mg1865 35:11  Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an’ ny biby ambonin’ ny tany, dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an’ ny voro-manidina?
Job Mg1865 35:12  Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy) noho ny fireharehan’ ny ratsy fanahy.
Job Mg1865 35:13  Ny fitarainam-poana dia tsy mba henoin’ Andriamanitra, ary ny Tsitoha tsy mandinika izany.
Job Mg1865 35:14  Na dia lazainao fa tsy mahita azy aza ianao, efa mby eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao.
Job Mg1865 35:15  Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany, moa dia tsy fantany tsara koa va ny fihaikana?
Job Mg1865 35:16  Mba miloa-bava foana anefa Joba ary manao teny maro tsy amim-pahalalana.
Chapter 36
Job Mg1865 36:1  Ary mbola nandroso niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
Job Mg1865 36:2  Mahareta kely amiko, dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarina an’ Andriamanitra.
Job Mg1865 36:3  Halaiko avy lavitra ny fahalalako, ka hanamarina ny Mpanao ahy aho.
Job Mg1865 36:4  Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; Lehilahy tanteraka amin’ ny fahalalana no eto aminao.
Job Mg1865 36:5  Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga, lehibe amin’ ny herin’ ny fahalalana Izy.
Job Mg1865 36:6  Tsy mitsimbina ny ain’ ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an’ ny ory.
Job Mg1865 36:7  Tsy mampiala ny masony amin’ ny marina Izy; Eo amin’ ny mpanjaka ambonin’ ny seza fiandrianany no am-pitoerany azy ho mandrakizay, ka dia tafasandratra.
Job Mg1865 36:8  Ary raha voafatotra amin’ ny gadra izy sy voafehy amin’ ny tadin’ ny fahoriana.
Job Mg1865 36:9  Dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany, fa efa nanandra-tena izy ireny.
Job Mg1865 36:10  Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin’ ny ratsy.
Job Mg1865 36:11  Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin’ ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin’ ny fahafinaretana
Job Mg1865 36:12  Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan’ ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana.
Job Mg1865 36:13  Fa ny mpihatsaravelatsihy dia mirakitra fahatezerana; Tsy mitaraina izy, na dia afatony aza;
Job Mg1865 36:14  Ka dia maty raha mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy eo amin’ ny olom-betaveta,
Job Mg1865 36:15  Fa ny fahorian’ ny ory kosa no entin’ Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny.
Job Mg1865 36:16  Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin’ ny fahaterena ho amin’ ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin’ ny latabatrao.
Job Mg1865 36:17  Nefa raha fatra-pikikitra amin’ ny adin’ ny ratsy fanahy ianao, dia hihazona anao ny ady sy ny fanamelohana;
Job Mg1865 36:18  Aoka tsy hamporisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana, ary aoka tsy hampivily hevitra anao ny halehiben’ ny avotra.
Job Mg1865 36:19  Moa hahatonga anao ho ao amin’ izay tsy misy fahoriana va ny fitarainanao na izay rehetra tratry ny fahatanjahana?
Job Mg1865 36:20  Aza irinao ny hihavian’ ny alina, izay ampialana ny olona amin’ ny fitoerany.
Job Mg1865 36:21  Tandremo, aza mivily ho amin’ ny ratsy; Fa saingy ozoim-pahoriana ianao, dia mifidy izany.
Job Mg1865 36:22  Indro, Andriamanitra miasa amin’ ny heriny mampiseho ny fisandratany; Iza no mba mpampianatra tahaka Azy?
Job Mg1865 36:23  Iza no efa nandidy Azy ny amin’ izay lalan-kalehany? Ary iza no efa nilaza taminy hoe: Efa nanao ratsy Hianao?
Job Mg1865 36:24  Tsarovy ny hankalaza ny asany, Izay efa nataon’ ny olona an-kira.
Job Mg1865 36:25  Fa faly mahita izany ny olona rehetra; Ary jeren’ ny zanak’ olombelona eny lavitra eny izany.
Job Mg1865 36:26  Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany.
Job Mg1865 36:27  Fa mampisavoana ny rano Izy, dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany,
Job Mg1865 36:28  Izay aidin’ ny rahona ka alatsany amin’ ny olona maro be.
Job Mg1865 36:29  Ary koa, iza moa no mahalala ny amin’ ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?
Job Mg1865 36:30  Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin’ ny ranomasina ho firakofany.
Job Mg1865 36:31  Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka.
Job Mg1865 36:32  Mifono fahazavana ny tànany, ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony;
Job Mg1865 36:33  Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman’ ondry koa aza milaza ny hihaviany.
Chapter 37
Job Mg1865 37:1  Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin’ ny fitoerany.
Job Mg1865 37:2  Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin’ ny vavany.
Job Mg1865 37:3  Mandefa izany ho eny ambanin’ ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra hatramin’ ny faran’ ny tany.
Job Mg1865 37:4  Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon’ ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra.
Job Mg1865 37:5  Mahagaga ny fikotrokotrok’ Andriamanitra amin’ ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.
Job Mg1865 37:6  Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin’ ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy.
Job Mg1865 37:7  Mampiohona ny tanan’ ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;
Job Mg1865 37:8  Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany.
Job Mg1865 37:9  Avy any atsimo ny tadio, ary entin’ ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.
Job Mg1865 37:10  Ny fofonain’ Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka.
Job Mg1865 37:11  Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon’ ny helatra dia ampieleziny;
Job Mg1865 37:12  Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin’ ny tany eran’ izao tontolo izao,
Job Mg1865 37:13  Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an’ ny taniny izany na ho famindram-po kosa.
Job Mg1865 37:14  Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon’ Andriamanitra.
Job Mg1865 37:15  Fantatrao va ny fanamboaran’ Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry ny rahony?
Job Mg1865 37:16  Fantatrao va ny fihevahevan’ ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon’ Ilay tanteraka amin’ ny fahalalana?
Job Mg1865 37:17  Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon’ ny rivotra avy any atsimo,
Job Mg1865 37:18  Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina?
Job Mg1865 37:19  Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina,
Job Mg1865 37:20  Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona tokoa va?
Job Mg1865 37:21  Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin’ ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany.
Job Mg1865 37:22  Avy any avaratra no ihavian’ ny mazava mitarehim-bolamena; Ao amin’ Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.
Job Mg1865 37:23  Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin’ ny hery sy ny fitsarana mbamin’ ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.
Job Mg1865 37:24  Koa izany no atahoran’ ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy.
Chapter 38
Job Mg1865 38:1  Ary teo anatin’ ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an’ i Joba ka nanao hoe:
Job Mg1865 38:2  Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin’ ny teny tsy misy fahalalana?
Job Mg1865 38:3  Misikìna ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:
Job Mg1865 38:4  Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
Job Mg1865 38:5  Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
Job Mg1865 38:6  Teo amin’ inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
Job Mg1865 38:7  Raha niara-nihira ny kintan’ ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’ Andriamanitra?
Job Mg1865 38:8  Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,
Job Mg1865 38:9  Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,
Job Mg1865 38:10  Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana
Job Mg1865 38:11  Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?
Job Mg1865 38:12  Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak’ andro,
Job Mg1865 38:13  Mba horaisiny ny sisin’ ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?
Job Mg1865 38:14  Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra ny tarehiny,
Job Mg1865 38:15  Ary hosakanana ny fahazavan’ ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina.
Job Mg1865 38:16  Moa efa niditra hatrany amin’ ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin’ ny fanambanin’ ny lalina?
Job Mg1865 38:17  Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin’ ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin’ ny aloky ny fahafatesana?
Job Mg1865 38:18  Moa efa voadinikao ny hatrany amin’ ny fahalalahan’ ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.
Job Mg1865 38:19  Aiza ary no lalana ho any amin’ ny fonenan’ ny mazava? Ary aiza no fitoeran’ ny maizina?
Job Mg1865 38:20  Mba hitondranao izany ho amin’ ny faran’ ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony.
Job Mg1865 38:21  Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin’ izay, ary maro ny isan’ ny andronao!
Job Mg1865 38:22  Moa efa niditra tany amin’ ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra,
Job Mg1865 38:23  Izay voatahiriko ho amin’ ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?
Job Mg1865 38:24  Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan’ ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin’ ny tany?
Job Mg1865 38:25  Iza moa no nihady lalan-drano ho an’ ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an’ ny helatry ny kotrokorana,
Job Mg1865 38:26  Handatsaka ranonorana ambonin’ ny tany izay tsy itoeran’ olona, dia any amin’ ny efitra tsy misy mponina,
Job Mg1865 38:27  Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?
Job Mg1865 38:28  Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon’ ando?
Job Mg1865 38:29  Kibon’ iza moa no nihavian’ ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin’ ny lanitra, iza no niteraka azy?
Job Mg1865 38:30  Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin’ ny lalina.
Job Mg1865 38:31  Mahavona ny kofehin’ ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?
Job Mg1865 38:32  Mahavoaka ny Mazarota amin’ ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin’ ny zanany va ianao?
Job Mg1865 38:33  Fantatrao va ny lalàn’ ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan’ ireny ny tany va ianao?
Job Mg1865 38:34  Mahasandratra ny feonao ho amin’ ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka?
Job Mg1865 38:35  Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?
Job Mg1865 38:36  Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana?
Job Mg1865 38:37  Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon’ ny lanitra,
Job Mg1865 38:38  Hitambaran’ ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga?
Job Mg1865 38:39  Mahay mihaza toha ho an’ ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan’ ny liona tanora,
Job Mg1865 38:40  Raha mamitsaka ao amin’ ny fitoerany izy ary manotrika ao amin’ ny kirihitrala?
Job Mg1865 38:41  Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin’ Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?
Chapter 39
Job Mg1865 39:1  Fantatrao va ny fotoana fiterahan’ ny osi-dia any amin’ ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan’ ny dieravavy?
Job Mg1865 39:2  Mahisa ny andro ahatanterahany va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany?
Job Mg1865 39:3  Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany.
Job Mg1865 39:4  Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.
Job Mg1865 39:5  Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran’ ny boriki-dia,
Job Mg1865 39:6  Izay nomeko ny tani’ hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?
Job Mg1865 39:7  Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson’ ny mpampandeha;
Job Mg1865 39:8  Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.
Job Mg1865 39:9  Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin’ ny alina?
Job Mg1865 39:10  Mahafatotra ny ombimanga amin’ ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy?
Job Mg1865 39:11  Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?
Job Mg1865 39:12  Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao?
Job Mg1865 39:13  Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?
Job Mg1865 39:14  Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin’ ny tany izy ka mamela azy ho afanain’ ny vovoka,
Job Mg1865 39:15  Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia.
Job Mg1865 39:16  Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany;
Job Mg1865 39:17  Fa efa nampanadinoin’ Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana.
Job Mg1865 39:18  Raha mikopakopak’ elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
Job Mg1865 39:19  Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony?
Job Mg1865 39:20  Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin’ ny fiefonefony!
Job Mg1865 39:21  Mihehy ao amin’ ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady izy.
Job Mg1865 39:22  Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin’ ny sabatra.
Job Mg1865 39:23  Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy.
Job Mg1865 39:24  Miriotra mafy amin’ ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara.
Job Mg1865 39:25  Na oviana na oviana no anenoan’ ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban’ ny manamboninahitra.
Job Mg1865 39:26  Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo?
Job Mg1865 39:27  Noho ny didinao va no iakaran’ ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?
Job Mg1865 39:28  Eny amin’ ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon’ ny harambato sy ao amin’ ny fiarovana.
Job Mg1865 39:29  Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony.
Job Mg1865 39:30  Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran’ ny faty dia any izy.
Chapter 40
Job Mg1865 40:1  Ary Jehovah mbola namaly an’ i Joba nanao hoe:
Job Mg1865 40:2  Hiady amin’ ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an’ Andriamanitra no hamaly!
Job Mg1865 40:3  Ary Joba dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe:
Job Mg1865 40:4  Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.
Job Mg1865 40:5  Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.
Job Mg1865 40:6  Dia namaly an’ i Joba teo amin’ ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe:
Job Mg1865 40:7  Misikìna tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho:
Job Mg1865 40:8  Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?
Job Mg1865 40:9  Manan-tsandry tahaka ny an’ Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao?
Job Mg1865 40:10  Miravaha fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia famirapiratana sy voninahitra;
Job Mg1865 40:11  Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo.
Job Mg1865 40:12  Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aongàny; Ary apotrahy eo amin’ ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy.
Job Mg1865 40:13  Asitriho ao amin’ ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarony ao amin’ ny fiafenana ny tavany.
Job Mg1865 40:14  Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana.
Job Mg1865 40:15  He! jereo ange ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.
Job Mg1865 40:16  Indro, eo amin’ ny valahany ny heriny, ary eo amin’ ny ozatra amin’ ny kibony ny tanjany.
Job Mg1865 40:17  Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin’ ny feny
Job Mg1865 40:18  Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany.
Job Mg1865 40:19  Voalohany amin’ ny asan’ Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.
Job Mg1865 40:20  Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan’ ny bibi-dia rehetra;
Job Mg1865 40:21  Eo ambanin’ ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka.
Job Mg1865 40:22  Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron’ ny ony no manodidina azy
Job Mg1865 40:23  Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin’ ny vavany aza.
Job Mg1865 40:24  Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon’ ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?
Job Mg1865 40:25  Mahasarika ny mamba amin’ ny farango va ianao, na mahafatotra ny lelany amin’ ny mahazaka?
Job Mg1865 40:26  Mahisy tady zozoro amin’ ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin’ ny fintana?
Job Mg1865 40:27  Hifon-jato amin’ arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao?
Job Mg1865 40:28  Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy?
Job Mg1865 40:29  Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va ianao? Ary hamatotra azy ho an’ ny zazavavy ao aminao va ianao?
Job Mg1865 40:30  Hataon’ ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin’ ny mpandranto?
Job Mg1865 40:31  Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao, na firombaka amin’ ny lohany?
Job Mg1865 40:32  Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.
Chapter 41
Job Mg1865 41:1  Indro, foana ny fihendrena azy; Tsy mahakivy va na dia ny fijery azy aza?
Job Mg1865 41:2  Tsy misy sahy manao vi-very hanaitra azy; Koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako?
Job Mg1865 41:3  Iza no nanome Ahy aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin’ ny lanitra rehetra dia Ahy avokoa.
Job Mg1865 41:4  Tsy mbola hangina Aho ny amin’ ny momba ny tenany sy ny heriny ary ny fahatsaran’ ny endriny.
Job Mg1865 41:5  Iza no mahasonga ny fitafiany anoloany? Na iza no sahy hiditra ao amin’ ny nifiny roa sosona?
Job Mg1865 41:6  Iza no mahasokatra ny varavaran’ ny tavany? Mahatsiravina ny nifiny manodidina!
Job Mg1865 41:7  Reharehany ny faharaoraon’ ny kirany, mihidy avokoa toy ny voapetaka mafy amin’ ny tombo-kase ireo;
Job Mg1865 41:8  Mikirindro ireo, ka tsy azon’ ny rivotra idirana eo anelanelany.
Job Mg1865 41:9  Mifanindry lany ireo sady mifaniditra ka tsy azo sarahina,
Job Mg1865 41:10  Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana, ary ny masony dia tahaka ny hodimason’ ny maraina.
Job Mg1865 41:11  Lelafo no mivoaka avy amin’ ny vavany; Kilalaon’ afo no mipariaka avy aminy.
Job Mg1865 41:12  Ny vavorony dia ivoahan’ ny setroka, tahaka ny avy amin’ ny vilany mangotraka, na amin’ ny fahandroana.
Job Mg1865 41:13  Ny fofonainy mampirehitra arina, ary misy lelafo mivoaka avy amin’ ny vavany.
Job Mg1865 41:14  Ny vozony no itoeran’ ny hery; Ary mibitaka eo alohany ny fampahatahorana.
Job Mg1865 41:15  Mivalombalona ny hotraka amin’ ny tenany; Mafy ireny ka tsy azo endahana.
Job Mg1865 41:16  Mafy tahaka ny vato ny fony; Eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary.
Job Mg1865 41:17  Raha mitsangana izy, dia raiki-tahotra ny mahery; Eny, toran-kovitra ireo ka tsy mahavoa.
Job Mg1865 41:18  Raha misy mamely azy amin’ ny sabatra dia tsy mahalaitra, na amin’ ny lefom-pohy, na ny firombaka, na ny zana-tsipìka.
Job Mg1865 41:19  Ataony toy ny mololo ny vy, ary toy ny hazo momoka ny varahina.
Job Mg1865 41:20  Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka; Ataony ho toy ny vodivary ny vaton’ antsamotady.
Job Mg1865 41:21  Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy; Ihomehezany ny fanetsehana ny lefona.
Job Mg1865 41:22  Ny takibany dia tahaka ny tavim-bilany maranitra; Mamelatra fivelezam-bary maranitra eo amin’ ny fotaka izy.
Job Mg1865 41:23  Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; Manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy.
Job Mg1865 41:24  Mampahazava ny lalany eo aoriany izy. Ataon’ ny olona ho toy ny volo fotsy ny lalina.
Job Mg1865 41:25  Tsy misy tahaka azy eny ambonin’ ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra.
Job Mg1865 41:26  Ny avo rehetra jereny avokoa; Mpanjakan’ ny bibi-dia rehetra izy
Chapter 42
Job Mg1865 42:1  Ary Joba dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe:
Job Mg1865 42:2  Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao.
Job Mg1865 42:3  Iza no mahatakona ny fisainanao amin’ ny tsi-fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko.
Job Mg1865 42:4  Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro.
Job Mg1865 42:5  Fandrenesan’ ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao;
Job Mg1865 42:6  Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin’ ny vovoka sy ny lavenona aho.
Job Mg1865 42:7  Ary rehefa voalazan’ i Jehovah tamin’ i Joba izany teny izany, dia hoy koa Izy tamin’ i Elifaza Temanita: Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako satria tsy mba marina tahaka ny filàzan’ i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
Job Mg1865 42:8  Koa ankehitriny makà vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin’ i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo, fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filàzan’ i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
Job Mg1865 42:9  Dia nandeha Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ka nanao araka izay nandidian’ i Jehovah azy; ary Jehovah dia nankasitraka an’ i Joba.
Job Mg1865 42:10  Ary Jehovah nampody ny fiadanan’ i Joba, raha nivavaka ho an’ ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
Job Mg1865 42:11  Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay efa nahatran’ i Jehovah taminy; ary samy nanome azy vakim-bola iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra.
Job Mg1865 42:12  Ary Jehovah nitahy ny niafaran’ i Joba mihoatra noho ny voalohany ka nanana ondry aman’ osy efatra arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo izy.
Job Mg1865 42:13  Ary nanan-janaka fito lahy sy vavy telo koa izy,
Job Mg1865 42:14  ka ny anaran’ ny zokiny nataony hoe Jemima, ary ny anaran’ ny manarakaraka Kezia, ary ny anaran’ ny faravavy Kerena-hapoka.
Job Mg1865 42:15  Ary tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ny zanakavavin’ i Joba hita tany amin’ ny tany rehetra, ary niara-nomen-drainy lova tamin’ ny anadahiny izy.
Job Mg1865 42:16  Ary mbola velona efa-polo amby zato taona Joba taorian’ izany ka nahita ny zananilahy sy ny zafiny ka hatramin’ ny zafin-dohaliny aza.
Job Mg1865 42:17  Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana.