PSALMS
Up
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66
67
68
69
70
71
72
73
74
75
76
77
78
79
80
81
82
83
84
85
86
87
88
89
90
91
92
93
94
95
96
97
98
99
100
101
102
103
104
105
106
107
108
109
110
111
112
113
114
115
116
117
118
119
120
121
122
123
124
125
126
127
128
129
130
131
132
133
134
135
136
137
138
139
140
141
142
143
144
145
146
147
148
149
150
Chapter 1
Psal | Mg1865 | 1:1 | Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ ny fisainan’ ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin’ ny lalana falehan’ ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin’ ny fipetrahan’ ny mpaniratsira; | |
Psal | Mg1865 | 1:3 | Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ ny rano velona izy, izay mamoa amin’ ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa. | |
Psal | Mg1865 | 1:5 | Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin’ ny fitsarana, na ny mpanota eo amin’ ny fiangonan’ ny marina. | |
Chapter 2
Psal | Mg1865 | 2:2 | Ireo mpanjakan’ ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’ i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe: | |
Psal | Mg1865 | 2:5 | Dia hiteny azy amin’ ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin’ ny fahatezerany hoe: | |
Psal | Mg1865 | 2:7 | “Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany. | |
Psal | Mg1865 | 2:8 | Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran’ ny tany ho fanananao. | |
Psal | Mg1865 | 2:9 | Hotorotoroinao amin’ ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.” | |
Psal | Mg1865 | 2:10 | Ary amin’ izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran’ ny tany. | |
Chapter 3
Psal | Mg1865 | 3:2 | Jehovah ô, akory izato hamaroan’ ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy. | |
Psal | Mg1865 | 3:3 | Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin’ Andriamanitra izy. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 3:4 | Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako. | |
Psal | Mg1865 | 3:5 | Amin’ ny feoko no iantsoako an’ i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masìna no mamaly ahy Izy. | |
Psal | Mg1865 | 3:8 | Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin’ ny ratsy fanahy novakivakinao. | |
Chapter 4
Psal | Mg1865 | 4:2 | Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako. | |
Psal | Mg1865 | 4:3 | Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo? [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 4:4 | Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan’ i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho. | |
Psal | Mg1865 | 4:7 | Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan’ ny tavanao, Jehovah ô. | |
Psal | Mg1865 | 4:8 | Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin’ ny taona nahabetsahan’ ny variny sy ny ranom-boalobony. | |
Chapter 5
Psal | Mg1865 | 5:3 | Henoy ny feon’ ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô; fa Hianao no ivavahako. | |
Psal | Mg1865 | 5:4 | Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho. | |
Psal | Mg1865 | 5:7 | Haringanao ny mpiteny lainga; ny olona mpandatsa-drà sy mpamitaka dia ataon’ i Jehovah ho zava-betaveta. | |
Psal | Mg1865 | 5:8 | Fa izaho kosa noho ny haben’ ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masìna amin’ ny fahatahorana anao aho. | |
Psal | Mg1865 | 5:9 | Jehovah ô, tariho amin’ ny fahamarinanao aho noho ny amin’ ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao. | |
Psal | Mg1865 | 5:10 | Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana; fasana misokatra ny tendany. Mandambolambo ny lelany izy. | |
Psal | Mg1865 | 5:11 | Helohy izy, Andriamanitra ô; Aoka ho lavon’ ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben’ ny fahotany, satria efa niodina taminao. | |
Psal | Mg1865 | 5:12 | Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao. | |
Chapter 6
Psal | Mg1865 | 6:2 | Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy. | |
Psal | Mg1865 | 6:3 | Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah ô, fa mihozohozo ny taolako. | |
Psal | Mg1865 | 6:6 | Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin’ ny fahafatesana, any amin’ ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao? | |
Psal | Mg1865 | 6:7 | Efa sasatry ny misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan’ alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako. | |
Psal | Mg1865 | 6:9 | Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon’ ny fitomaniako. | |
Chapter 7
Psal | Mg1865 | 7:2 | Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin’ izay rehetra manenjika ahy, ka afaho; | |
Psal | Mg1865 | 7:3 | Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon’ ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy. | |
Psal | Mg1865 | 7:5 | Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana | |
Psal | Mg1865 | 7:6 | Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin’ ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin’ ny vovoka. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 7:7 | Jehovah ô, mitsangàna amin’ ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao; | |
Psal | Mg1865 | 7:8 | Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin’ ny avo eo amboniny Hianao, | |
Psal | Mg1865 | 7:9 | Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny. | |
Psal | Mg1865 | 7:10 | Aoka ho tapaka ny ratsy ataon’ ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny voa. | |
Psal | Mg1865 | 7:13 | Raha tsy ibebahana Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy, | |
Psal | Mg1865 | 7:14 | Ary ireo dia kendreny amin’ ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra. | |
Psal | Mg1865 | 7:15 | Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza; | |
Psal | Mg1865 | 7:16 | Mihady lavaka izy ka manalalaka izany, dia latsaka ao anatin’ ny longoa nataony ihany izy; | |
Psal | Mg1865 | 7:17 | Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran’ ny loza nataony. | |
Chapter 8
Psal | Mg1865 | 8:2 | Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ ny tany rehetra! nataonao eny amin’ ny lanitra ny voninahitrao. | |
Psal | Mg1865 | 8:3 | Avy amin’ ny vavan’ ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy. | |
Psal | Mg1865 | 8:4 | Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, | |
Psal | Mg1865 | 8:5 | Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’ olombelona, no amangianao azy? | |
Psal | Mg1865 | 8:6 | Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana. | |
Psal | Mg1865 | 8:7 | Efa nampanjakainao amin’ ny asan’ ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ ny tongony, | |
Psal | Mg1865 | 8:9 | Mbamin’ ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina, izay mandeha amin’ ny lalan-dranomasina. | |
Chapter 9
Psal | Mg1865 | 9:2 | Hidera an’ i Jehovah amin’ ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho. | |
Psal | Mg1865 | 9:4 | Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao. | |
Psal | Mg1865 | 9:5 | Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin’ ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina. | |
Psal | Mg1865 | 9:6 | Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria. | |
Psal | Mg1865 | 9:7 | Ny amin’ ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza. | |
Psal | Mg1865 | 9:9 | Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin’ ny fahitsiana Izy. | |
Psal | Mg1865 | 9:10 | Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an’ ny mahantra, ho fiarovana avo amin’ ny andro fahoriana Izy. | |
Psal | Mg1865 | 9:11 | Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô. | |
Psal | Mg1865 | 9:12 | Mankalazà an’ i Jehovah, Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin’ ny firenena ny asany. | |
Psal | Mg1865 | 9:14 | Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin’ izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin’ ny vavahadin’ ny fahafatesana, | |
Psal | Mg1865 | 9:15 | Mba holazaiko avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin’ i Ziona zanakavavy no hifaliako amin’ ny famonjenao. | |
Psal | Mg1865 | 9:16 | Ny jentilisa efa latsaka tamin’ ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony, | |
Psal | Mg1865 | 9:17 | Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin’ ny asan’ ny tànany Izy. | |
Psal | Mg1865 | 9:18 | Hiverina ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an’ Andriamanitra. | |
Psal | Mg1865 | 9:19 | Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan’ ny mahantra. | |
Psal | Mg1865 | 9:20 | Mitsangàna, Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa. | |
Chapter 10
Psal | Mg1865 | 10:1 | Jehovah ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin’ ny andro fahoriana? | |
Psal | Mg1865 | 10:2 | Noho ny fireharehan’ ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo; azon’ ny fahendrena nataony izy ireny. | |
Psal | Mg1865 | 10:3 | Ny ratsy fanahy mandoka izay irin’ ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an’ i Jehovah. | |
Psal | Mg1865 | 10:4 | Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, “Tsy misy Andriamanitra” no tontalin-keviny. | |
Psal | Mg1865 | 10:5 | Tanteraka mandrakariva ny alehany; any amin’ ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny? | |
Psal | Mg1865 | 10:7 | Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; ao ambanin’ ny lelany dia misy fampahoriana sy faharatsiana. | |
Psal | Mg1865 | 10:8 | Mamitsaka amin’ ny fanotrehana ao an-tanàna izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina; ny masony mikendry ny mahantra. | |
Psal | Mg1865 | 10:9 | Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin’ ny famitsahany izy; manotrika hisambotra ny malahelo izy; fandrihany amin’ ny haratony no fisambony ny malahelo. | |
Psal | Mg1865 | 10:11 | Hoy izy anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay. | |
Psal | Mg1865 | 10:12 | Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory. | |
Psal | Mg1865 | 10:13 | Nahoana no mamingavinga an’ Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao? | |
Psal | Mg1865 | 10:14 | Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian’ ny tananao. Hianao no iononan’ ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty. | |
Psal | Mg1865 | 10:15 | Torotoroy ny sandrin’ ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony. | |
Psal | Mg1865 | 10:16 | Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin’ ny taniny intsony ny jentilisa. | |
Psal | Mg1865 | 10:17 | Efa nohenoinao, Jehovah ô, ny irin’ ny mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny sofinao, | |
Chapter 11
Psal | Mg1865 | 11:1 | Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin’ ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely? | |
Psal | Mg1865 | 11:2 | Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin’ ny kofehy izy, nikendry tao amin’ ny maizina hitifitra ny mahitsy fo. | |
Psal | Mg1865 | 11:4 | Jehovah dia ao amin’ ny tempoliny masìna, ny seza fiandrianan’ i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak’ olombelona. | |
Psal | Mg1865 | 11:5 | Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan’ ny fanahiny. | |
Psal | Mg1865 | 11:6 | Handatsaka fandrika amin’ ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany. | |
Chapter 12
Psal | Mg1865 | 12:2 | Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin’ ny zanak’ olombelona. | |
Psal | Mg1865 | 12:3 | Samy milaza lainga amin’ ny namany amin’ ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany. | |
Psal | Mg1865 | 12:5 | Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray; iza no tomponay? | |
Psal | Mg1865 | 12:6 | Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan’ ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain’ ny sasany. | |
Psal | Mg1865 | 12:7 | Ny tenin’ i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin’ ny memy ka mitsoriaka amin’ ny tany eny, voadio impito. | |
Psal | Mg1865 | 12:8 | Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon’ ity taranaka ity. | |
Chapter 13
Psal | Mg1865 | 13:2 | Jehovah ô, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy ihany? Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko? | |
Psal | Mg1865 | 13:3 | Mandra-pahoviana no mbola hisaintsainako am-panahy, sy hahalahelovako am-po isan’ andro? Mandra-pahoviana no mbola hisandratan’ ny fahavaloko ho amboniko? | |
Psal | Mg1865 | 13:4 | Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro ô; ampahazavao ny mazoto, fandrao renoky ny torimaso fahafatesana aho; | |
Psal | Mg1865 | 13:5 | Fandrao ny fahavaloko hanao hoe: naharesy azy aho, fandrao hifaly ny rafilahiko, raha mangozohozo aho. | |
Chapter 14
Psal | Mg1865 | 14:1 | Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara. | |
Psal | Mg1865 | 14:2 | Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak’ olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’ Andriamanitra. | |
Psal | Mg1865 | 14:3 | Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza. | |
Psal | Mg1865 | 14:4 | Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny? | |
Psal | Mg1865 | 14:5 | Indreo, matahotra dia matahotra izy, satria Andriamanitra no eo amin’ ny taranaka marina. | |
Chapter 15
Psal | Mg1865 | 15:1 | Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin’ ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao masìna? | |
Psal | Mg1865 | 15:2 | Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony; | |
Psal | Mg1865 | 15:3 | Tsy manendrikendrika amin’ ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany, | |
Psal | Mg1865 | 15:4 | Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an’ i Jehovah; tsy mivadika amin’ ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza, | |
Chapter 16
Psal | Mg1865 | 16:2 | Hoy izaho ny amin’ i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao; | |
Psal | Mg1865 | 16:3 | Ary ny amin’ ny olona masìna ambonin’ ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra. | |
Psal | Mg1865 | 16:4 | Ho be ny fahorian’ izay manova an’ Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin’ ny molotro ny anarany. | |
Psal | Mg1865 | 16:6 | Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin’ ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho. | |
Psal | Mg1865 | 16:7 | Hisaotra an’ i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin’ ny alina aza dia mananatra ahy ny foko. | |
Psal | Mg1865 | 16:8 | Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo ankavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho. | |
Psal | Mg1865 | 16:9 | Izany no ifalian’ ny foko sy iravoravoan’ ny fanahiko; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy. | |
Psal | Mg1865 | 16:10 | Fa tsy ho foinao ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin’ ny lavaka Hianao. | |
Chapter 17
Psal | Mg1865 | 17:1 | Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin’ ny fivavako avy amin’ ny molotra tsy misy fitaka. | |
Psal | Mg1865 | 17:3 | Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin’ ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro. | |
Psal | Mg1865 | 17:4 | Ny amin’ ny asan’ ny olona, dia ny tenin’ ny molotrao no nitandremako tsy ho amin’ ny lalan’ ny mpanao an-keriny. | |
Psal | Mg1865 | 17:6 | Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko. | |
Psal | Mg1865 | 17:7 | Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin’ ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon’ ny fahavalo. | |
Psal | Mg1865 | 17:9 | Mba tsy ho azon’ ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy. | |
Psal | Mg1865 | 17:11 | Manodidina anay amin’ ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin’ ny tany izahay; | |
Psal | Mg1865 | 17:12 | Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena. | |
Psal | Mg1865 | 17:13 | Mitsangàna, Jehovah ô, sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin’ ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon’ ny ratsy fanahy; | |
Psal | Mg1865 | 17:14 | Vonjeo amin’ ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon’ ny olon’ izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin’ izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an’ ny zanany madinika. | |
Chapter 18
Psal | Mg1865 | 18:1 |
| |
Psal | Mg1865 | 18:3 | Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy. | |
Psal | Mg1865 | 18:4 | Miantso an’ i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin’ ny fahavaloko. | |
Psal | Mg1865 | 18:5 | Nihodidina tamiko ny famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy. | |
Psal | Mg1865 | 18:6 | Ny famatoran’ ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana. | |
Psal | Mg1865 | 18:7 | Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’ i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny. | |
Psal | Mg1865 | 18:8 | Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin’ ny tendrombohitra nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah. | |
Psal | Mg1865 | 18:9 | Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy. | |
Psal | Mg1865 | 18:10 | Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; ary aizim-pito no teo ambanin’ ny tongony. | |
Psal | Mg1865 | 18:11 | Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina; eny, nanidina faingana tamin’ ny ela-drivotra Izy. | |
Psal | Mg1865 | 18:12 | Efa nanao ny maizina ho fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia rahona ngalingaly rahona matevina. | |
Psal | Mg1865 | 18:13 | Ary teo amin’ ny famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy vainafo. | |
Psal | Mg1865 | 18:14 | Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo. Havandra sy vainafo. | |
Psal | Mg1865 | 18:15 | Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy. | |
Psal | Mg1865 | 18:16 | Dia hita ny mason-drano, ary niseho ny fanambanin’ ny tany noho ny teny mafy nataonao, Jehovah ô, noho ny fifofofofon’ ny fofonain’ ny vavoronao. | |
Psal | Mg1865 | 18:17 | Naninjitra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin’ ny rano be Izy; | |
Psal | Mg1865 | 18:18 | Namonjy ahy tamin’ ny fahavaloko mahery Izy sy tamin’ izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny | |
Psal | Mg1865 | 18:19 | Nisakana ahy tamin’ ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy. | |
Psal | Mg1865 | 18:21 | Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan’ ny tanako no namaliany ahy. | |
Psal | Mg1865 | 18:22 | Fa nitandrina ny lalan’ i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin’ Andriamanitro; | |
Psal | Mg1865 | 18:23 | Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko; | |
Psal | Mg1865 | 18:25 | Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan’ ny tanako teo imasony. | |
Psal | Mg1865 | 18:27 | Ny madio no isehoanao fa madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina. | |
Psal | Mg1865 | 18:29 | Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako. | |
Psal | Mg1865 | 18:30 | Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda. | |
Psal | Mg1865 | 18:31 | Raha ny amin’ Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny tenin’ i Jehovah dia voazaha toetra amin’ ny memy; Jehovah no ampingan’ izay rehetra mialoka aminy. | |
Psal | Mg1865 | 18:32 | Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika? | |
Psal | Mg1865 | 18:34 | Manao ny tongotro ho tahaka ny an’ ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin’ ny fitoerako avo. | |
Psal | Mg1865 | 18:36 | Omenao ahy ny ampingan’ ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy. | |
Psal | Mg1865 | 18:38 | Manenjika ny fahavaloko aho ka mahatratra azy; ary tsy mba miverina aho mandra-pahalàny ritrany. | |
Psal | Mg1865 | 18:40 | Hianao mampisikina ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy. | |
Psal | Mg1865 | 18:43 | Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka entin’ ny rivotra izy; Tahaka ny fanary fotaka eny an-dalambe no fanariko azy. | |
Psal | Mg1865 | 18:44 | Mamonjy ahy amin’ ny fifanoheran’ ny olona Hianao. Sy manandratra ahy ho lohan’ ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy. | |
Psal | Mg1865 | 18:45 | Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy. | |
Psal | Mg1865 | 18:46 | Ny hafa firenena dia mihaketraka, ka miala amin-kovitra avy ao amin’ ny fiarovany mafy. | |
Psal | Mg1865 | 18:47 | Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy, | |
Psal | Mg1865 | 18:49 | Mamonjy ahy amin’ ny fahavaloko Izy; eny, manandratra ahy ho ambonin’ izay mitsangana hanohitra ahy Hianao, ary mamonjy ahy amin’ ny olon-dozabe. | |
Psal | Mg1865 | 18:50 | Koa izany no hiderako Anao eny amin’ ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao. | |
Chapter 19
Psal | Mg1865 | 19:2 | Ny lanitra mitory ny voninahitr’ Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ ny tànany. | |
Psal | Mg1865 | 19:3 | Ny andro samy miteny amin’ ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin’ ny alina mandimby azy. | |
Psal | Mg1865 | 19:5 | Efa nivoaka ho any amin’ ny tany rehetra ny famolainany, ary ny teniny dia mihatra amin’ ny faran’ izao rehetra izao. Trano-lay ho an’ ny masoandro no nataony teo aminy; | |
Psal | Mg1865 | 19:6 | Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin’ ny alehany izy. | |
Psal | Mg1865 | 19:7 | Any amin’ ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin’ ny farany koa, ka tsy misy takona amin’ ny hafanany. | |
Psal | Mg1865 | 19:8 | Tsy misy tsiny ny lalàn’ i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’ i Jehovah, mahahendry ny kely saina. | |
Psal | Mg1865 | 19:9 | Mahitsy ny fandidian’ i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin’ i Jehovah, mampahazava ny maso. | |
Psal | Mg1865 | 19:10 | Madio ny fahatahorana an’ i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’ i Jehovah, eny, mahitsy avokoa. | |
Psal | Mg1865 | 19:11 | Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin’ ny tohotra. | |
Psal | Mg1865 | 19:12 | Ary ny mpanomponao dia hazavain’ ireny; amin’ ny fitandremana azy misy valiny lehibe. | |
Psal | Mg1865 | 19:13 | Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’ izay ota tsy fantatra. | |
Psal | Mg1865 | 19:14 | Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’ izay fahadisoana lehibe. | |
Chapter 20
Psal | Mg1865 | 20:2 | Hihaino anao anie Jehovah amin’ ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin’ ny avo anie ny anaran’ Andriamanitr’ i Jakoba. | |
Psal | Mg1865 | 20:3 | Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ ny fitoerana masìna anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona. | |
Psal | Mg1865 | 20:4 | Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 20:6 | Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary amin’ ny anaran’ Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin’ i Jehovah anie ny angatahinao rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 20:7 | Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin’ ny lanitry ny fahamasinany Izy amin’ ny herin’ ny famonjen’ ny tànany ankavanana. | |
Psal | Mg1865 | 20:8 | Ny sasany mitoky amin’ ny kalesy, ary ny sasany amin’ ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran’ i Jehovah Andriamanitray no hoderainay. | |
Chapter 21
Psal | Mg1865 | 21:2 | Jehovah ô, ny herinao no hifalian’ ny mpanjaka; ary endrey ny haben’ ny hiravoravoany amin’ ny famonjenao! | |
Psal | Mg1865 | 21:3 | Ny nirin’ ny fony dia nomenao azy, ary ny nangatahin’ ny molony tsy mba nolavinao. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 21:4 | Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena. | |
Psal | Mg1865 | 21:5 | Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria. | |
Psal | Mg1865 | 21:7 | Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin’ ny tavanao izy. | |
Psal | Mg1865 | 21:8 | Fa ny mpanjaka matoky an’ i Jehovah, ary noho ny famindram-pon’ ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy. | |
Psal | Mg1865 | 21:9 | Ho azon’ ny tananao ny fahavalonao rehetra; eny, ho azon’ ny tananao ankavanana ny mankahala anao; | |
Psal | Mg1865 | 21:10 | Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy amin’ ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy amin’ ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo. | |
Psal | Mg1865 | 21:11 | Ny zanany haringanao tsy ho eo amin’ ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin’ ny zanak’ olombelona; | |
Chapter 22
Psal | Mg1865 | 22:2 | Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin’ ny fitarainako. | |
Psal | Mg1865 | 22:3 | Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho. | |
Psal | Mg1865 | 22:8 | Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe: | |
Psal | Mg1865 | 22:9 | Ankino amin’ i Jehovah, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy. | |
Psal | Mg1865 | 22:10 | Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin’ ny reniko; | |
Psal | Mg1865 | 22:11 | Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao. | |
Psal | Mg1865 | 22:15 | Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy. | |
Psal | Mg1865 | 22:16 | Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin’ ny lanilaniko; ao amin’ ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy. | |
Psal | Mg1865 | 22:17 | Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan’ ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy | |
Psal | Mg1865 | 22:21 | Vonjeo amin’ ny sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin’ ny herin’ ny amboa. | |
Psal | Mg1865 | 22:22 | Vonjeo amin’ ny vavan’ ny liona aho; ary valio ho afaka amin’ ny tandroky ny ombimanga. | |
Psal | Mg1865 | 22:23 | Hitory ny anaranao amin’ ny rahalahiko aho; eo amin’ ny fiangonana no hideràko Anao. | |
Psal | Mg1865 | 22:24 | Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, miderà Azy; ry taranak’ i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak’ Isiraely rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 22:25 | Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon’ ny fahorian’ ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy. | |
Psal | Mg1865 | 22:26 | Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin’ ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan’ izay matahotra an’ i Jehovah. | |
Psal | Mg1865 | 22:27 | Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an’ i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo. | |
Psal | Mg1865 | 22:28 | Hahatsiaro ka hiverina ho amin’ i Jehovah ny faran’ ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon’ ny firenen-tsamy hafa. | |
Psal | Mg1865 | 22:30 | Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo rehetra ambonin’ ny tany, eo anatrehany no hiondrehan’ izay rehetra efa hidina any amin’ ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy. | |
Chapter 23
Psal | Mg1865 | 23:2 | Mampandry ahy amin’ ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ ny rano fialan-tsasatra Izy. | |
Psal | Mg1865 | 23:3 | Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ ny lalan’ ny fahamarinana noho ny anarany Izy. | |
Psal | Mg1865 | 23:4 | Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy. | |
Psal | Mg1865 | 23:5 | Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno. | |
Chapter 24
Psal | Mg1865 | 24:1 | An’ i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. | |
Psal | Mg1865 | 24:2 | Fa Izy no nanorina azy tambonin’ ny ranomasina. Tambonin’ ny rano no nampitoerany azy. | |
Psal | Mg1865 | 24:3 | Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin’ ny fitoerany masìna? | |
Psal | Mg1865 | 24:4 | Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ ny lainga, na mianiana hamitaka. | |
Psal | Mg1865 | 24:5 | Handray fitahiana avy amin’ i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin’ Andriamanitry ny famonjena azy. | |
Psal | Mg1865 | 24:7 | Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ ny mpanjakan’ ny voninahitra. | |
Psal | Mg1865 | 24:8 | Iza izao Mpanjakan’ ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery. | |
Psal | Mg1865 | 24:9 | Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ ny Mpanjakan’ ny voninahitra. | |
Chapter 25
Psal | Mg1865 | 25:2 | Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian’ ny fahavaloko aho. | |
Psal | Mg1865 | 25:3 | Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra. | |
Psal | Mg1865 | 25:5 | Tariho amin’ ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro. | |
Psal | Mg1865 | 25:7 | Aza ny fahotan’ ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô, | |
Psal | Mg1865 | 25:9 | Mitarika ny mpandefitra amin’ ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany. | |
Psal | Mg1865 | 25:10 | Ny lalan’ i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin’ izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony. | |
Psal | Mg1865 | 25:12 | Iza no lehilahy matahotra an’ i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny. | |
Psal | Mg1865 | 25:14 | Ny fisainan’ i Jehovah asehony amin’ izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy. | |
Psal | Mg1865 | 25:15 | Ny masoko mijery an’ i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin’ ny fandrika harato. | |
Chapter 26
Psal | Mg1865 | 26:1 | Tsarao aho, Jehovah ô, fa mandeha amin’ ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho. | |
Psal | Mg1865 | 26:3 | Fa ny famindram-ponao no eo anoloan’ ny masoko; ary mandeha amin’ ny fahamarinanao aho. | |
Psal | Mg1865 | 26:4 | Tsy mba miara-mipetraka amin’ ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin’ ny olom-petsy. | |
Psal | Mg1865 | 26:5 | Halako ny fiangonan’ ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin’ ny ratsy fanahy aho. | |
Psal | Mg1865 | 26:6 | Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin’ ny alitaranao, Jehovah ô, | |
Psal | Mg1865 | 26:9 | Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin’ ny mpanota, na ny aiko amin’ ny mpandatsa-drà, | |
Chapter 27
Psal | Mg1865 | 27:1 | Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ ny aiko; iza no hangovitako? | |
Psal | Mg1865 | 27:2 | Raha manatona ahy hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy ihany no tafintohina ka lavo. | |
Psal | Mg1865 | 27:3 | Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho. | |
Psal | Mg1865 | 27:4 | Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’ i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’ i Jehovah sy mandinika ny tempoliny. | |
Psal | Mg1865 | 27:5 | Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin’ ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin’ ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy. | |
Psal | Mg1865 | 27:6 | Koa dia hisandratra ambonin’ ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an’ i Jehovah aho. | |
Psal | Mg1865 | 27:8 | Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin’ ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô; | |
Psal | Mg1865 | 27:9 | Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy. | |
Psal | Mg1865 | 27:11 | Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ary tariho amin’ ny lalana marina aho noho ny fahavaloko. | |
Psal | Mg1865 | 27:12 | Aza manolotra ahy ho amin’ ny sitrapon’ ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy. | |
Psal | Mg1865 | 27:13 | Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan’ i Jehovah amin’ ny tanin’ ny velona. | |
Chapter 28
Psal | Mg1865 | 28:1 | Hianao no antsoiko, Jehovah ô, Ry vatolampiko ô, aza manentsin-tadiny amiko; fandrao, raha mangìna amiko Hianao, dia ho tahaka izay midìna any an-davaka aho. | |
Psal | Mg1865 | 28:2 | Mihainoa ny feon’ ny fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin’ ny fitoeranao masìna indrindra aho. | |
Psal | Mg1865 | 28:3 | Aza atao indray manakipaka amin’ ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza fihavanana amin’ ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony. | |
Psal | Mg1865 | 28:4 | Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian’ ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan’ ny tànany, valio izy araka izay iendrehany. | |
Psal | Mg1865 | 28:5 | Fa tsy mihevitra ny asan’ i Jehovah, na ny vitan’ ny tànany, izy, dia horavan’ i Jehovah izy, fa tsy haoriny. | |
Psal | Mg1865 | 28:7 | Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian’ ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy. | |
Chapter 29
Psal | Mg1865 | 29:1 | Manomeza an’ i Jehovah, ry zanak’ Andriamanitra, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an’ i Jehovah. | |
Psal | Mg1865 | 29:2 | Omeo an’ i Jehovah ny voninahitry ny anarany; miankohofa eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fihaingoana masìna. | |
Psal | Mg1865 | 29:3 | Ny feon’ i Jehovah no eny ambonin’ ny rano be; Andriamanitry ny voninahitra no mampikotrokorana; Jehovah no eny ambonin’ ny rano be. | |
Psal | Mg1865 | 29:5 | Ny feon’ i Jehovah manorotoro ny hazo sedera; eny, Jehovah manorotoro ny hazo sedera any Libanona. | |
Psal | Mg1865 | 29:6 | Dia mampitsambikina azy tahaka ny zanak’ omby Izy, Libanona sy Siriona dia tahaka ny zanaky ny ombimanga. | |
Psal | Mg1865 | 29:8 | Ny feon’ i Jehovah mampihorohoro ny efitra; Jehovah mampihorohoro ny efitr’ i Kadesy. | |
Psal | Mg1865 | 29:9 | Ny feon’ i Jehovah mampiteraka ny dieravavy, ary mivofy ny ala be; ary ny ao an-tempoliny samy manao hoe: Voninahitra e! | |
Psal | Mg1865 | 29:10 | Jehovah nipetraka teo ambonin’ ny safo-drano; eny, Jehovah mipetraka ho Mpanjaka mandrakizay. | |
Chapter 30
Psal | Mg1865 | 30:2 | Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian’ ny fahavaloko aho. | |
Psal | Mg1865 | 30:4 | Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin’ ny fiainan-tsi-hita Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan’ izay midìna any an-davaka aho. | |
Psal | Mg1865 | 30:6 | Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana. | |
Psal | Mg1865 | 30:8 | Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho. | |
Psal | Mg1865 | 30:10 | Inona no soa azo amin’ ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany? | |
Psal | Mg1865 | 30:11 | Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao. | |
Psal | Mg1865 | 30:12 | Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana, | |
Chapter 31
Psal | Mg1865 | 31:2 | Jehovah ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin’ ny fahamarinanao aho. | |
Psal | Mg1865 | 31:3 | Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy. | |
Psal | Mg1865 | 31:4 | Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy. | |
Psal | Mg1865 | 31:5 | Hanafaka ahy amin’ ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana mafy ho ahy. | |
Psal | Mg1865 | 31:6 | Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana. | |
Psal | Mg1865 | 31:8 | Hifaly sy ho ravoravo amin’ ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian’ ny fanahiko, | |
Psal | Mg1865 | 31:9 | ary tsy mba nangeja ahy teo an-tànan’ ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin’ ny malalaka Hianao. | |
Psal | Mg1865 | 31:10 | Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho; simban’ alahelo ny masoko sy ny fanahiko ary ny tenako. | |
Psal | Mg1865 | 31:11 | Fa lanin’ alahelo ny aiko, sady lanim-pisentoana ny taonako; Tsy manan-kery aho noho ny heloko, ary efa lany ny taolako. | |
Psal | Mg1865 | 31:12 | Noho ny ataon’ ny fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho, eny, na dia amin’ ny namako aza, sady atahoran’ ny olom-pantatro aho; izay mahita ahy eny ivelany mandositra ahy. | |
Psal | Mg1865 | 31:13 | Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho. | |
Psal | Mg1865 | 31:14 | Fa mandre ny endrikendriky ny maro aho; misy fampangorohoroana manodidina, raha miara-mioko hamely ahy izy, ka miray tetika hahafaty ny aiko. | |
Psal | Mg1865 | 31:16 | Eo an-tananao ny androko; Vonjeo aho tsy ho azon’ ny tanan’ ny fahavaloko sy izay manenjika ahy. | |
Psal | Mg1865 | 31:17 | Ampamirapirato amin’ ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin’ ny famindram-ponao aho. | |
Psal | Mg1865 | 31:18 | Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin’ ny fiainan-tsi-hita. | |
Psal | Mg1865 | 31:19 | Aoka hangina ny molotra mandainga, izay miteny sahisahy hanohitra ny marina, amin’ ny avonavona sy ny fanamavoana. | |
Psal | Mg1865 | 31:20 | Akory re ny haben’ ny zava-tsoanao voarakitrao ho an’ ny matahotra Anao! dia izay nataonao teo anatrehan’ ny zanak’ olombelona ho an’ izay mialoka aminao! | |
Psal | Mg1865 | 31:21 | Hanafina azy ao amin’ ny fiafenana eo anatrehanao Hianao, mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon’ ny olona izy; hampiery azy ao an-tranonao Hianao, mba tsy ho azon’ ny lela mifanditra izy. | |
Psal | Mg1865 | 31:22 | Isaorana anie Jehovah; fa nataony mahagaga ny famindram-pony tamiko tao an-tanàna mimanda. | |
Psal | Mg1865 | 31:23 | Fa hoy izaho tamin’ ny fahatairako; voafongotra tsy ho eo imasonao aho; kanjo nihaino ny feon’ ny fifonako ihany Hianao, raha nitaraina taminao aho. | |
Psal | Mg1865 | 31:24 | Tiava an’ i Jehovah, ry olony masìna rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy. | |
Chapter 32
Psal | Mg1865 | 32:2 | Sambatra ny olona izay tsy isain’ i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny. | |
Psal | Mg1865 | 32:3 | Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra, noho ny fitarainako mandrakariva, | |
Psal | Mg1865 | 32:4 | Fa efa navesatra tamiko andro aman’ alina ny tananao; niova ny fahatanjahako toy ny azon’ ny fahamainana amin’ ny lohataona. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 32:5 | Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin’ i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 32:6 | Izany no aoka hivavahan’ ny tsara tsara fanahy rehetra aminao amin’ izay andro hahitana Anao; eny tokoa, na dia tondraka aza ny rano be, tsy hahatratra azy izany. | |
Psal | Mg1865 | 32:7 | Hianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon’ ny fahoriana Hianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 32:8 | Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho. | |
Psal | Mg1865 | 32:9 | Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra tsy manan-tsaina; vy sy lamboridy no haingo hihazonana azy, fa tsy mety manakaiky anao izy. | |
Psal | Mg1865 | 32:10 | Be ny fanaintainan’ ny ratsy fanahy, fa izay matoky an’ i Jehovah kosa dia ho hodidinin’ ny famindram-po. | |
Chapter 33
Psal | Mg1865 | 33:1 | Mihobia ho an’ i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon’ ny olo-mahitsy ny fiderana. | |
Psal | Mg1865 | 33:6 | Ny tenin’ i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain’ ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 33:7 | Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy. | |
Psal | Mg1865 | 33:8 | Aoka hatahotra an’ i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin’ izao tontolo izao. | |
Psal | Mg1865 | 33:10 | Jehovah mahafoana ny fisainan’ ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy. | |
Psal | Mg1865 | 33:11 | Ny fisainan’ i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby. | |
Psal | Mg1865 | 33:12 | Sambatra ny firenena izay manana an’ i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany. | |
Psal | Mg1865 | 33:16 | Tsy misy mpanjaka voavonjin’ ny hamaroan’ ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin’ ny haben’ ny heriny. | |
Psal | Mg1865 | 33:18 | Indro, ny mason’ i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony, | |
Psal | Mg1865 | 33:19 | mba hanafaka ny fanahiny amin’ ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary. | |
Chapter 34
Psal | Mg1865 | 34:2 | Hisaotra an’ i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. | |
Psal | Mg1865 | 34:4 | Miaraha mankalaza an’ i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika. | |
Psal | Mg1865 | 34:5 | Mitady an’ i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin’ ny tahotro rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 34:7 | Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ ny fahoriany rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 34:10 | Matahora an’ i Jehovah, ianareo olony masìna; fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy. | |
Psal | Mg1865 | 34:11 | Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an’ i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory. | |
Psal | Mg1865 | 34:17 | Ny tavan’ i Jehovah tezitra amin’ ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin’ ny tany ny fahatsiarovana azy. | |
Psal | Mg1865 | 34:18 | Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin’ ny fahoriany rehetra. | |
Chapter 35
Psal | Mg1865 | 35:3 | Ary raiso ny lefona, ka sakano izay manenjika ahy; lazao amin’ ny fanahiko hoe: Famonjena anao Aho. | |
Psal | Mg1865 | 35:4 | Aoka ho menatra sy ho afa-baraka izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy hangaihay izay misaina hanisy ratsy ahy. | |
Psal | Mg1865 | 35:5 | Aoka ho tahaka ny akofa eo alohan’ ny rivotra izy. Ary aoka ny Anjelin’ i Jehovah handroaka azy. | |
Psal | Mg1865 | 35:7 | Fa tsy ahoan-tsy ahoana no nanaovany fandri-totofana hahazoany ahy; tsy ahoan-tsy ahoana no nandavahany hamandrihany ny aiko. | |
Psal | Mg1865 | 35:8 | Aoka ny fandringanana ho tonga tampoka aminy; ary aoka hahazo azy ny fandrika harato nafeniny, ka ho latsaka ao amin’ izany fandringanana izany indrindra izy. | |
Psal | Mg1865 | 35:10 | Ny taolako rehetra hanao hoe: Jehovah ô, iza no tahaka Anao, Izay manafaka ny ory amin’ izay tsy tohany, eny, ny ory sy ny malahelo amin’ izay mamabo azy? | |
Psal | Mg1865 | 35:13 | Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin’ ny ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako. | |
Psal | Mg1865 | 35:14 | Toy ny nisy nanjo ny sakaizako na ny rahalahiko no nandehanako; nitanondrika tamin’ alahelo toy ny fisaona reny aho. | |
Psal | Mg1865 | 35:15 | Nefa nony ho lavo kosa aho, dia faly izy ireo ka niangona; olona faraidina no nitangorona hamely ahy, nefa tsy fantatro; namiravira izy ka tsy mba nitsahatra; | |
Psal | Mg1865 | 35:16 | Naman’ ny olon-dratsy manendrikendrika ho enti-mila sitraka izy ka nihidy vazana tamiko. | |
Psal | Mg1865 | 35:17 | Ry Tompo ô, mandra-pahoviana no hijerenao? Avereno ny fanahiko ho afaka amin’ ny fandringanany, ny hany malalako ho afaka amin’ ny liona tanora. | |
Psal | Mg1865 | 35:18 | Hisaotra Anao eo amin’ ny fiangonana lehibe aho; hidera Anao eo afovoan’ ny olona maro aho. | |
Psal | Mg1865 | 35:19 | Aoka tsy hifalian’ izay mandrafy ahy foana aho; ary aoka tsy hami-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana. | |
Psal | Mg1865 | 35:20 | Fa tsy fihavanana no lazainy; fa mamorom-pitaka izy hamelezany izay mibonaika ambonin’ ny tany. | |
Psal | Mg1865 | 35:21 | Dia mitanatana vava amiko izy ka manao hoe: Hià! sakoa izay! efa hita’ ny masonay. | |
Psal | Mg1865 | 35:23 | Mahatsiarova, ka mifohaza ho amin’ ny fitsaràna ahy, O Andriamanitro sy Tompoko! mifohaza ho amin’ ny adiko. | |
Psal | Mg1865 | 35:24 | Tsarao aho, Jehovah Andriamanitro ô, araka ny fahamarinanao; ary aoka tsy hifalian’ ireo aho. | |
Psal | Mg1865 | 35:25 | Aoka tsy hanao anakampo hoe izy: Hià! faly izahay! aoka tsy hanao hoe izy: efa natelinay izy. | |
Psal | Mg1865 | 35:26 | Aoka ho menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly amin’ ny manjo ahy; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mirehareha amiko. | |
Psal | Mg1865 | 35:27 | Aoka hihoby sy hifaly izay mankasitraka ny fahamarinako; ary aoka izy hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah, Izay mankasitraka ny fiadanan’ ny mpanompony. | |
Chapter 36
Psal | Mg1865 | 36:2 | Ny ota milaza ato am-poko ny amin’ ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra ao aminy. | |
Psal | Mg1865 | 36:4 | Ny tenin’ ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa. | |
Psal | Mg1865 | 36:5 | Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin’ ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory. | |
Psal | Mg1865 | 36:6 | Jehovah ô, mipaka amin’ ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao. | |
Psal | Mg1865 | 36:7 | Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô, | |
Psal | Mg1865 | 36:8 | Endrey ny hatsaran’ ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin’ ny aloky ny elatrao ny zanak’ olombelona. | |
Psal | Mg1865 | 36:11 | Ampahareto amin’ izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin’ ny mahitsy fo. | |
Psal | Mg1865 | 36:12 | Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan’ ny ratsy fanahy. | |
Chapter 37
Psal | Mg1865 | 37:1 | Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka; | |
Psal | Mg1865 | 37:3 | Matokia an’ i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin’ ny tany ianao ka ho faly amin’ ny fahamarinana. | |
Psal | Mg1865 | 37:6 | Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana. | |
Psal | Mg1865 | 37:7 | Miantombena tsara miandry an’ i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin’ izay ambinina amin’ ny lalany dia amin’ izay olona manao sain-dratsy. | |
Psal | Mg1865 | 37:8 | Mitsahara amin’ ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran’ izany. | |
Psal | Mg1865 | 37:9 | Fa ny mpanao ratsy hofongoro-na; Ary izay miandry an’ i Jehovah no handova ny tany. | |
Psal | Mg1865 | 37:10 | Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; Handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy. | |
Psal | Mg1865 | 37:11 | Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ ny haben’ ny fiadanana. | |
Psal | Mg1865 | 37:14 | Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana. | |
Psal | Mg1865 | 37:19 | Tsy mba ho menatra amin’ ny andro fahoriana ireny; ary amin’ ny taona mosarena dia ho voky izy. | |
Psal | Mg1865 | 37:20 | Fa ny ratsy fanahy haringana, ary ny fahavalon’ i Jehovah ho tahaka ny voninahitry ny saha; Ho levona izy, eny, ho levon-ko setroka izy. | |
Psal | Mg1865 | 37:21 | Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra; Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome. | |
Psal | Mg1865 | 37:23 | Avy amin’ i Jehovah no mahalavorary ny dian’ ny olona, ka Izy no mankasitraka ny lalany. | |
Psal | Mg1865 | 37:25 | Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; Fa tsy mbola hitako mangataka hanina. | |
Psal | Mg1865 | 37:28 | Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masìna; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana, | |
Psal | Mg1865 | 37:34 | Miandrasa an’ i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao. | |
Psal | Mg1865 | 37:35 | Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy; | |
Psal | Mg1865 | 37:37 | Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; Fa misy farany ho an’ ny olona tia fihavanana. | |
Psal | Mg1865 | 37:39 | Fa ny famonjena ny marina dia avy amin’ i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin’ ny andro fahoriana Izy. | |
Chapter 38
Psal | Mg1865 | 38:2 | Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy. | |
Psal | Mg1865 | 38:4 | Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako. | |
Psal | Mg1865 | 38:9 | Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon’ ny foko. | |
Psal | Mg1865 | 38:10 | Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra; ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao. | |
Psal | Mg1865 | 38:11 | Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan’ ny masoko aza efa nandao ahy. | |
Psal | Mg1865 | 38:12 | Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny. | |
Psal | Mg1865 | 38:13 | Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana, sy misaim-pitaka mandrakariva. | |
Psal | Mg1865 | 38:14 | Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava; | |
Psal | Mg1865 | 38:17 | Fa hoy izaho: sao dia hifalian’ izy ireo anie aho; ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy. | |
Psal | Mg1865 | 38:20 | Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana; | |
Psal | Mg1865 | 38:21 | Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin’ ny fanarahako ny tsara. | |
Chapter 39
Psal | Mg1865 | 39:2 | Hoy izaho: hitandrina ny lalako aho ka tsy hanota amin’ ny lelako; hasiako fehim-bava ny vavako, raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy. | |
Psal | Mg1865 | 39:3 | Nangina mihitsy aho, namihim-bava ka tsy nilaza na dia ny tsara aza, dia nihetsika mafy ny fanaintainan’ ny aretiko. | |
Psal | Mg1865 | 39:4 | Nafana ny foko tato anatiko; raha nieritreritra aho, dia nisy afo nirehitra, ka niteny tamin’ ny lelako aho. | |
Psal | Mg1865 | 39:5 | Jehovah ô, ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho. | |
Psal | Mg1865 | 39:6 | Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 39:7 | Aloka tokoa no fandehandehan’ ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon’ izany. | |
Psal | Mg1865 | 39:12 | Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao ianao; zava-poana tokoa ny olona rehetra. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 39:13 | Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô, ary mihainoa ny fitarainako; aza mangìna amin’ ny ranomasoko fa vahiny aminao aho sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra. | |
Chapter 40
Psal | Mg1865 | 40:2 | Niandry dia niandry an’ i Jehovah aho; ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako. | |
Psal | Mg1865 | 40:3 | Dia nampakatra ahy avy tao amin’ ny lavaka fandringanana Izy, eny, tamin’ ny fotaka mandrevo; ary nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy. | |
Psal | Mg1865 | 40:4 | Ary nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, dia fideràna an’ Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky an’ i Jehovah. | |
Psal | Mg1865 | 40:5 | Sambatra izay olona manao an’ i Jehovah ho tokiny, ka tsy mivily ho naman’ ny mpiavonavona na ny mpivadika ho amin’ ny lainga. | |
Psal | Mg1865 | 40:6 | Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô. Tsy misy azo ampitahaina aminao Raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina. | |
Psal | Mg1865 | 40:7 | Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba sitrakao ny sofiko nataonao malady ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy mba nilainao; | |
Psal | Mg1865 | 40:9 | Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko. | |
Psal | Mg1865 | 40:10 | Efa nilaza teny mahafaly ny amin’ ny fahamarinana teo amin’ ny fiangonana lehibe aho; indro ny molotro tsy mba nakomboko; Jehovah ô, Hianao no mahalala. | |
Psal | Mg1865 | 40:11 | Ny fahamarinanao tsy mba nafeniko tato am-poko; ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao tamin’ ny fiangonana lehibe aho. | |
Psal | Mg1865 | 40:12 | Hianao, Jehovah ô, aza miaro ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva. | |
Psal | Mg1865 | 40:13 | Fa nanodidina ahy ny fahoriana tsy tambo isaina; nahazo ahy ny heloko, ka tsy mahay mijery aho; maro noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko. | |
Psal | Mg1865 | 40:14 | Aoka ho sitraky ny fonao, Jehovah ô, ny hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy. | |
Psal | Mg1865 | 40:15 | Aoka ho indray menatra sy mangaihay izay mitady hanimba ny aiko; aoka hiamboho sy ho menatra izay mankasitraka ahy ho ory. | |
Psal | Mg1865 | 40:17 | Aoka ho faly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; aoka izay rehetra tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah. | |
Chapter 41
Psal | Mg1865 | 41:2 | Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin’ ny andro fahoriana. | |
Psal | Mg1865 | 41:3 | Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin’ ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin’ ny sitrapon’ ny fahavalony. | |
Psal | Mg1865 | 41:4 | Jehovah hanohana azy eo ambonin’ ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao. | |
Psal | Mg1865 | 41:5 | Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho. | |
Psal | Mg1865 | 41:6 | Ny fahavaloko maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany? | |
Psal | Mg1865 | 41:7 | Ary raha avy mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an’ ny tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza. | |
Psal | Mg1865 | 41:9 | Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony. | |
Psal | Mg1865 | 41:10 | Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy. | |
Psal | Mg1865 | 41:12 | Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran’ ny fahavaloko ahy. | |
Psal | Mg1865 | 41:13 | Ary ny amiko, dia manohana ahy amin’ ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay. | |
Chapter 42
Psal | Mg1865 | 42:2 | Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an’ ony no anirian’ ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô. | |
Psal | Mg1865 | 42:3 | Mangetaheta an’ Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’ Andriamanitra? | |
Psal | Mg1865 | 42:4 | Ny ranomasoko no fiahiko andro aman’ alina, amin’ ny anaovany ahy mandrakariva hoe: Aiza izay Andriamanitrao? | |
Psal | Mg1865 | 42:5 | Izao zavatra izao no hotsarovako, ka haidiko ato anatiko ny fanahiko, dia ny nandrosoako niaraka tamin’ ny maro, sy ny nitarihako azy ho any an-tranon’ Andriamanitra, nanao feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana. | |
Psal | Mg1865 | 42:6 | Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko? Manantenà an’ Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen’ ny tavany. | |
Psal | Mg1865 | 42:7 | Andriamanitro ô, mitanondrika ato anatiko ny fanahiko; Izany no ahatsiarovako Anao eo amin’ ny tanin’ i Jordana sy amin’ ireo Hermona ary amin’ ny tendrombohitra Mizara. | |
Psal | Mg1865 | 42:8 | Ny lalina miantso ny lalina noho ny firohondrohon’ ny riananao; ny onjanao rehetra sy ny alon-dranonao efa nanafotra ahy. | |
Psal | Mg1865 | 42:9 | Jehovah handidy ny famindram-pony nony andro, ary ho amiko nony alina ny fihirana Azy, dia vavaka amin’ Andriamanitry ny aiko. | |
Psal | Mg1865 | 42:10 | Hoy izaho amin’ Andriamanitra Vatolampiko: nahoana no nanadino ahy Hianao? nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian’ ny fahavaloko? | |
Psal | Mg1865 | 42:11 | Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako no fandatsan’ ny fahavaloko ahy, ka hoy izy isan’ andro: Aiza izay Andriamanitrao? | |
Chapter 43
Psal | Mg1865 | 43:1 | Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy famindram-po; Vonjeo aho ho afaka amin’ ny lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka. | |
Psal | Mg1865 | 43:2 | Fa Hianao no Andriamanitry ny heriko; Nahoana no manary ahy Hianao? Nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian’ ny fahavaloko? | |
Psal | Mg1865 | 43:3 | Ampandehano ny fahazavanao sy ny fahamarinanao; aoka hitarika ahy ireo ka hitondra ahy ho any an-tendrombohitrao masìna, dia ho any amin’ ny tabernakelinao. | |
Psal | Mg1865 | 43:4 | Dia hankany amin’ ny alitaran’ Andriamanitra aho, dia any amin’ Andriamanitry ny fifaliako indrindra; ary hidera Anao amin’ ny lokanga aho, ry Andriamanitra ô, dia Andriamanitro. | |
Chapter 44
Psal | Mg1865 | 44:2 | Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin’ ny androny, dia tamin’ ny andro fahiny. | |
Psal | Mg1865 | 44:3 | Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamy hafa, fa izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena maro, fa izy kosa nataonao mahafeno tany. | |
Psal | Mg1865 | 44:4 | Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan’ ny tavanao, satria efa sitrakao izy. | |
Psal | Mg1865 | 44:5 | Hianao dia Hianao no Mpanjakako, Andriamanitra ô; Mandidia famonjena ho an’ i Jakoba. | |
Psal | Mg1865 | 44:6 | Hianao no hanosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no hanitsahanay izay mitsangana hamely anay. | |
Psal | Mg1865 | 44:8 | Fa namonjy anay tamin’ ny fahavalonay Hianao, ary ny nankahala anay dia nataonao menatra. | |
Psal | Mg1865 | 44:9 | Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 44:10 | Fa efa nanary anay ianao ka nampahamenatra anay, ary tsy mba mivoaka miaraka amin’ ny antokon’ ny miaramilanay Hianao. | |
Psal | Mg1865 | 44:11 | Ataonao miamboho ny fahavalonay izahay, koa ny mankahala anay dia nanaram-po namabo. | |
Psal | Mg1865 | 44:12 | Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay, ary aelinao any amin’ ny firenen-tsamy hafa. | |
Psal | Mg1865 | 44:13 | Mivarotra ny olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin’ ny vidiny. | |
Psal | Mg1865 | 44:14 | Ataonao fandatsan’ ny olona miray monina aminay izahay, dia fanakora sy faneson’ izay manodidina anay. | |
Psal | Mg1865 | 44:15 | Ataonao ho ambentinteny amin’ ny firenen-tsamy hafa izahay, dia fihifikifihan-doha amin’ ny olona maro. | |
Psal | Mg1865 | 44:16 | Tsaroako mandrakariva ny fahafaham-boninahitro, ary efa manafotra ahy ny fangaihaizako, | |
Psal | Mg1865 | 44:17 | Noho ny feon’ ny mpanaratsy sy ny mpanamavo, noho ny fahavalo sy ny mpamaly ratsy. | |
Psal | Mg1865 | 44:18 | Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao. | |
Psal | Mg1865 | 44:20 | Nefa Hianao nanorotoro anay teo amin’ ny fitoeran’ ny amboadia sy nanarona anay tamin’ ny aloky ny fahafatesana. | |
Psal | Mg1865 | 44:21 | Raha nanadino ny anaran’ Andriamanitray izahay, na nananty tanana tamin’ ny andriamani-kafa, | |
Psal | Mg1865 | 44:23 | Fa noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay. | |
Psal | Mg1865 | 44:24 | Mifohaza, ry Tompo ô, nahoana no matory Hianao? Mitsangàna, aza manary mandrakizay. | |
Psal | Mg1865 | 44:25 | Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manadino ny fahantranay sy ny fahorianay? | |
Chapter 45
Psal | Mg1865 | 45:2 | Mampiboiboika teny tsara ny foko; miteny aho, ka ny hilaza ny mpanjaka no teny ataoko; fanoratan’ ny faingan-tsoratra ny lelako. | |
Psal | Mg1865 | 45:3 | Tsara tarehy noho ny zanak’ olombelona ianao; fahasoavana no naidina tamin’ ny molotrao; izany no nitahian’ Andriamanitra anao mandrakizay. | |
Psal | Mg1865 | 45:4 | Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao. | |
Psal | Mg1865 | 45:5 | Ary mitangena handroso soa aman-tsara amin’ ny voninahitrao, noho ny teny marina ny fahalemem-panahim-pahamamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tananao ankavanana. | |
Psal | Mg1865 | 45:6 | Ny zana-tsipìkanao dia voaranitra ― Firenena maro no ringana ka hitsakitsahinao ― ka mitsatoka ao am-pon’ ny fahavalon’ ny mpanjaka. | |
Psal | Mg1865 | 45:7 | Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao. | |
Psal | Mg1865 | 45:8 | Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao. | |
Psal | Mg1865 | 45:9 | Miora sy hazo manitra ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin’ ny lapa ivory no mampifaly anao. | |
Psal | Mg1865 | 45:10 | Zanakavavin’ andriamanjaka no isan’ ny malalanao; eo ankavananao no itoeran’ ny vadin’ ny mpanjaka, miravaka volamena avy any Ofira. | |
Psal | Mg1865 | 45:11 | Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao; | |
Psal | Mg1865 | 45:12 | Raha irin’ ny mpanjaka ny hatsaran-tarehinao ― fa izy no tomponao ― dia miankohofa eo anatrehany. | |
Psal | Mg1865 | 45:13 | Ary ny zanakavavin’ i Tyro hitondra fanatitra; eny, ny manan-karena amin’ ny vahoaka hila sitraka aminao. | |
Psal | Mg1865 | 45:14 | Be voninahitra ny zanakavavin’ ny mpanjaka ao anaty trano; tenona misy volamena no fitafiany. | |
Psal | Mg1865 | 45:15 | Mitafy lamba misoratsoratra izy ka entina ho ao amin’ ny mpanjaka: ny zazavavy sakaizany izay manaraka azy dia entina ao aminao. | |
Psal | Mg1865 | 45:16 | Entina amin’ ny fifaliana sy ny firavoravoana ireny; hiditra ao an-dapan’ ny mpanjaka izy. | |
Psal | Mg1865 | 45:17 | Ho solon-drainao ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka eny amin’ ny tany rehetra izy. | |
Chapter 46
Psal | Mg1865 | 46:2 | Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ ny fahoriana Izy. | |
Psal | Mg1865 | 46:3 | Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin’ ny ranomasina aza ny tendrombohitra, | |
Psal | Mg1865 | 46:4 | Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 46:5 | Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan’ Andriamanitra, Fonena-masin’ ny Avo Indrindra. | |
Psal | Mg1865 | 46:6 | Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro. | |
Psal | Mg1865 | 46:7 | Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany. | |
Psal | Mg1865 | 46:8 | Jehovah, Tompon’ ny maro, no momba antsika; Andriamanitr’ i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 46:10 | Mampitsahatra ady hatramin’ ny faran’ ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin’ ny afo. | |
Psal | Mg1865 | 46:11 | Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin’ ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin’ ny tany Aho. | |
Chapter 47
Psal | Mg1865 | 47:3 | Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin’ ny tany rehetra Izy. | |
Psal | Mg1865 | 47:4 | Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika, ary firenen-tsamy hafa ho ambanin’ ny tongotsika. | |
Psal | Mg1865 | 47:5 | Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr’ i Jakoba izay tiany. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 47:6 | Efa niakatra tamin’ ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin’ ny fitsofana ny anjomara. | |
Psal | Mg1865 | 47:7 | Mankalazà an’ Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà. | |
Psal | Mg1865 | 47:9 | Andriamanitra manjaka amin’ ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany masìna. | |
Chapter 48
Psal | Mg1865 | 48:2 | Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan’ Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masìna. | |
Psal | Mg1865 | 48:3 | Avo mahafinaritra, fifalian’ ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin’ ny ilany avaratra, tanànan’ ny Mpanjaka lehibe. | |
Psal | Mg1865 | 48:4 | Andriamanitra ao an-tranon’ andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo. | |
Psal | Mg1865 | 48:9 | Araka izay efa rentsika no hitantsika, tao an-tanànan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, tao an-tanànan’ Andriamanitsika. Andriamanitra mampitoetra azy mandrakizay. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 48:10 | Efa nieritreritra ny famindram-ponao izahay, Andriamanitra ô, tao anatin’ ny tempolinao. | |
Psal | Mg1865 | 48:11 | Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin’ ny faran’ ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana. | |
Psal | Mg1865 | 48:12 | Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin’ Joda, noho ny fitsaranao. | |
Psal | Mg1865 | 48:13 | Manodidina an’ i Ziona ianareo, eny, mandehana manodidina azy; isao ny tilikambony, | |
Psal | Mg1865 | 48:14 | Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon’ andrianany, mba hambaranareo amin’ ny taranaka mandimby. | |
Chapter 49
Psal | Mg1865 | 49:2 | Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin’ izao tontolo izao: | |
Psal | Mg1865 | 49:5 | Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga. | |
Psal | Mg1865 | 49:6 | Nahoana no hatahotra amin’ ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian’ ny mpamingana ahy, | |
Psal | Mg1865 | 49:8 | Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’ Andriamanitra izay avony, | |
Psal | Mg1865 | 49:11 | Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an’ ny hafa. | |
Psal | Mg1865 | 49:12 | Araka ny heviny dia ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka fara mandimby; araka ny anarany no anononany ny taniny. | |
Psal | Mg1865 | 49:13 | Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy. | |
Psal | Mg1865 | 49:14 | Izany no falehan’ ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 49:15 | Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin’ ny fiainan-tsi-hita; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin’ ny fiainan-tsi-hita, ka tsy hisy fonenany. | |
Psal | Mg1865 | 49:16 | Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin’ ny herin’ ny fiainan-tsi-hita, Satria handray ahy Izy. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 49:17 | Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony; | |
Psal | Mg1865 | 49:18 | Fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny. | |
Psal | Mg1865 | 49:19 | Na dia miarahaba tena aza izy, raha mbola velona ― Fa hidera anao ny olona, raha manisy soa ny tenanao ianao ― | |
Chapter 50
Psal | Mg1865 | 50:1 | Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany. | |
Psal | Mg1865 | 50:3 | Avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy. | |
Psal | Mg1865 | 50:7 | Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho; Ry Isiraely ô, fa hanambara aminao Aho; Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao. | |
Psal | Mg1865 | 50:8 | Tsy ny fanatitrao no ananarako anao, ary efa eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao. | |
Psal | Mg1865 | 50:10 | Fa Ahy ny biby rehetra any an’ ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra. | |
Psal | Mg1865 | 50:11 | Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha. | |
Psal | Mg1865 | 50:12 | Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. | |
Psal | Mg1865 | 50:14 | Manatera fanati-pisaorana ho an’ Andriamanitra; ary efao amin’ ny Avo Indrindra ny voadinao; | |
Psal | Mg1865 | 50:15 | Antsoy Aho amin’ ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao. | |
Psal | Mg1865 | 50:16 | Fa amin’ ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao? | |
Psal | Mg1865 | 50:18 | Raha mahita mpangalatra ianao, dia faly hikambana aminy, ary miray anjara amin’ ny mpijangajanga. | |
Psal | Mg1865 | 50:20 | Mipetraka miteny ratsy ny rahalahinao ianao, sady manendrikendrika ny zanakalahin-dreninao. | |
Psal | Mg1865 | 50:21 | Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! Hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao. | |
Psal | Mg1865 | 50:22 | Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay manadino an’ Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho, ka tsy hisy hamonjy. | |
Chapter 51
Psal | Mg1865 | 51:3 | Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ ny fiantranao vonoy ny fahadisoako. | |
Psal | Mg1865 | 51:6 | Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara. | |
Psal | Mg1865 | 51:7 | Indro, tamin’ ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko. | |
Psal | Mg1865 | 51:8 | Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin’ ny miafina no ampahafantarinao ahy. | |
Psal | Mg1865 | 51:9 | Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka. | |
Psal | Mg1865 | 51:10 | Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian’ ny taolana izay voavakivakinao. | |
Psal | Mg1865 | 51:12 | Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. | |
Psal | Mg1865 | 51:13 | Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masìna amiko. | |
Psal | Mg1865 | 51:16 | Vonjeo ho afaka amin’ ny valin-drà aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby ny fahamarinanao ny vavako. | |
Psal | Mg1865 | 51:18 | Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao. | |
Psal | Mg1865 | 51:19 | Ny fanatitra ho an’ Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona. | |
Chapter 52
Psal | Mg1865 | 52:2 | fony tonga Doega Edomita ka nilaza tamin’ i Saoly hoe: Davida dia efa tonga ao an-tranon’ i Ahimeleka. | |
Psal | Mg1865 | 52:3 | Nahoana no mandoka tena amin’ ny haratsiana ianao, ry ilay mahery? Ny famindram-pon’ Andriamanitra maharitra mandrakariva. | |
Psal | Mg1865 | 52:5 | Efa tia ny ratsy noho ny tsara ianao, ary ny lainga noho ny miteny ny marina. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 52:7 | Andriamanitra kosa hanimba anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy, ary hamongotra anao tsy ho eo amin’ ny tanin’ ny velona. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 52:9 | Indro, ny lehilahy izay tsy nanao an’ Andriamanitra ho heriny; fa natoky ny haben’ ny hareny ka nikikitra tamin’ ny faharatsiany. | |
Psal | Mg1865 | 52:10 | Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao an-tranon’ Andriamanitra. Matoky ny famindram-pon’ Andriamanitra mandrakizay doria aho. | |
Chapter 53
Psal | Mg1865 | 53:2 | Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy, tsy misy manao ny tsara. | |
Psal | Mg1865 | 53:3 | Eny an-danitra Andriamanitra miondrika mijery ny zanak’ olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’ Andriamanitra. | |
Psal | Mg1865 | 53:4 | Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza. | |
Psal | Mg1865 | 53:5 | Tsy mahalala va ny mpanao ratsy, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Andriamanitra tsy antsoiny? | |
Psal | Mg1865 | 53:6 | Indreo, matahotra dia matahotra ireny, nefa tsy nisy tokony hatahorany; fa Andriamanitra efa nanely ny taolan’ izay nitoby hamely anao; nampahamenatra azy ianao, satria efa narian’ Andriamanitra izy. | |
Chapter 54
Psal | Mg1865 | 54:3 | Vonjeo amin’ ny anaranao aho, Andriamanitra ô, ary omeo rariny aho araka ny herinao. | |
Psal | Mg1865 | 54:5 | Fa olona hafa firenena no mitsangana hamely ahy, ary olon-dozabe no mitady ny aiko; tsy mihevitra an’ Andriamanitra ho eo anatrehany izy. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 54:7 | Hamaly ny ratsy ataon’ ny mpampahory ahy Izy; aoka ny fahamarinanao no handringananao azy. | |
Psal | Mg1865 | 54:8 | Sitrapoko ihany no hanaterako fanatitra ho Anao; hidera ny anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izy. | |
Chapter 55
Psal | Mg1865 | 55:4 | Noho ny feon’ ny fahavalo sy ny fampahorian’ ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin’ ny fahatezerana no ankahalany ahy. | |
Psal | Mg1865 | 55:7 | Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako; | |
Psal | Mg1865 | 55:9 | Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon’ ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra. | |
Psal | Mg1865 | 55:10 | Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho. | |
Psal | Mg1865 | 55:11 | Hodidininy andro aman’ alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy; | |
Psal | Mg1865 | 55:12 | Ratsy no ao anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin’ ny lalàmbeny. | |
Psal | Mg1865 | 55:13 | Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,― fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho; | |
Psal | Mg1865 | 55:15 | Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin’ ny maro ho ao an-tranon’ Andriamanitra. | |
Psal | Mg1865 | 55:16 | Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. Aoka hidina velona any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy; fa ratsy no ao amin’ ny fonenany, dia ao afovoany. | |
Psal | Mg1865 | 55:18 | Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy, | |
Psal | Mg1865 | 55:19 | Ka hanavotra ny fanahiko ho amin’ ny fiadanana hahafahako amin’ ny adin’ ireny amiko, fa maro no miady amiko. | |
Psal | Mg1865 | 55:20 | Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin’ ny taloha, [Sela.] ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra an’ Andriamanitra. | |
Psal | Mg1865 | 55:21 | Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy. | |
Psal | Mg1865 | 55:22 | Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny. | |
Psal | Mg1865 | 55:23 | Apetraho amin’ i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina. | |
Chapter 56
Psal | Mg1865 | 56:2 | Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy. | |
Psal | Mg1865 | 56:3 | Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko. | |
Psal | Mg1865 | 56:5 | Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny nofo amiko? | |
Psal | Mg1865 | 56:6 | Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany. | |
Psal | Mg1865 | 56:8 | Amin’ izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va? Aripaho amin’ ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô. | |
Psal | Mg1865 | 56:9 | Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin’ ny bokinao va ireny? | |
Psal | Mg1865 | 56:10 | Amin’ izay dia hiamboho ny fahavaloko amin’ ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra. | |
Psal | Mg1865 | 56:12 | Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny olona amiko? | |
Chapter 57
Psal | Mg1865 | 57:2 | Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan’ ny fanahiko; eny, ao amin’ ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan’ ny loza. | |
Psal | Mg1865 | 57:3 | Hitaraina amin’ Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin’ Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy. | |
Psal | Mg1865 | 57:4 | Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy. [Sela.] Eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany. | |
Psal | Mg1865 | 57:5 | Ny fanahiko dia eo afovoan’ ny liona; handry eo amin’ ny masiaka aho, dia eo amin’ ny zanak’ olombelona,― lefona sy zana-tsipìka ny nifiny, ary sabatra maranitra ny lelany. | |
Psal | Mg1865 | 57:6 | Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô! aoka ho ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao. | |
Psal | Mg1865 | 57:7 | Efa namela-pandrika harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 57:8 | Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho. | |
Psal | Mg1865 | 57:10 | Hidera Anao eny amin’ ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin’ ny firenena aho. | |
Psal | Mg1865 | 57:11 | Fa lehibe mihatra amin’ ny lanitra ny famindram-ponao, ary mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao. | |
Chapter 58
Psal | Mg1865 | 58:2 | Moa ny tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina? Mitsara mahitsy va ianareo, ry zanak’ olombelona? | |
Psal | Mg1865 | 58:3 | Tsy izany, fa ny fonareo no amoronanareo ny ratsy; mandanja ny fandozan’ ny tananareo etỳ an-tany ianareo. | |
Psal | Mg1865 | 58:4 | Mivily hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy; mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga. | |
Psal | Mg1865 | 58:5 | Misy poizina tahaka ny an’ ny menarana aminy; eny, tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadiny izy, | |
Psal | Mg1865 | 58:7 | Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny eo am-bavany; omboty ny vazan’ ny liona tanora, Jehovah ô. | |
Psal | Mg1865 | 58:8 | Aoka ho ritra tahaka ny ranotrambo izy; raha atraniny ny zana-tsipìkany, dia aoka ho tapa-doha ireny; | |
Psal | Mg1865 | 58:9 | Aoka ho tahaka ny lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy; Aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro izy. | |
Psal | Mg1865 | 58:10 | Dieny tsy mbola mafanan’ ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin’ ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina. | |
Psal | Mg1865 | 58:11 | Hifaly ny marina, raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin’ ny ran’ ny ratsy fanahy izy; | |
Chapter 59
Psal | Mg1865 | 59:2 | Afaho amin’ ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin’ ny avo aho tsy ho azon’ izay miodina amiko. | |
Psal | Mg1865 | 59:4 | Fa, indro, manotrika hahazo ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô. | |
Psal | Mg1865 | 59:6 | Ary Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny firenen-tsamy hafa; aza mamindra fo amin’ izay mpivadika ratsy fanahy. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 59:7 | Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran’ ny tanàna. | |
Psal | Mg1865 | 59:8 | Indro, mirezadrezatra amin’ ny vavany izy; sabatra no eo amin’ ny molony, fa iza, hono, no handre? | |
Psal | Mg1865 | 59:10 | Koa noho ny herin’ ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy. | |
Psal | Mg1865 | 59:11 | Andriamanitra, Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy; hataon’ Andriamanitra faly mijery ny amin’ ny fahavaloko aho. | |
Psal | Mg1865 | 59:12 | Aza mahafaty azy Hianao, fandrao hanadino izany ny fireneko. Ampirenireneo amin’ ny herinao izy, ka aripaho, ry Tompo ô, Ampinganay. | |
Psal | Mg1865 | 59:13 | Ny fahotan’ ny vavany dia ny tenin’ ny molony; aoka hosamborina amin’ ny fireharehany izy, eny, noho ny ozona sy ny lainga ataony. | |
Psal | Mg1865 | 59:14 | Aringano an-katezerana izy, aringano mba tsy ho ao intsony; ary aoka ho fantany fa Andriamanitra no manapaka eo amin’ ny Jakoba ka hatramin’ ny faran’ ny tany. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 59:15 | Ary miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran’ ny tanàna. | |
Psal | Mg1865 | 59:17 | Fa izaho kosa dia hihira ny herinao, ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Hianao, ary fandosirako amin’ ny andro fahoriana. | |
Chapter 60
Psal | Mg1865 | 60:2 | fony izy nanafika an’ i Mesopotamia sy Arama-zoba tamin’ ny niverenan’ i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby iray alin-dahy teo amin’ ny lohasahan-tsira. | |
Psal | Mg1865 | 60:3 | Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy izahay. | |
Psal | Mg1865 | 60:4 | Efa nampihorohoro ny tany Hianao ka namaky azy; amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy. | |
Psal | Mg1865 | 60:5 | Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky. | |
Psal | Mg1865 | 60:8 | Andriamanitra niteny tamin’ ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an’ i Sekema; ary ny lohasahan’ i Sokota horefesiko; | |
Psal | Mg1865 | 60:10 | Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia. | |
Psal | Mg1865 | 60:12 | Tsy Hianao va, Izay efa nanary anay, Andriamanitra ô. Sady tsy nivoaka niaraka tamin’ ny antokon’ ny miaramilanay, Andriamanitra ô? | |
Chapter 61
Psal | Mg1865 | 61:3 | Any am-paran’ ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin’ ny vatolampy izay avo ka tsy tratro; | |
Psal | Mg1865 | 61:5 | Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin’ ny fanomban’ ny elatrao aho, | |
Psal | Mg1865 | 61:6 | Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan’ izay matahotra ny anaranao. | |
Psal | Mg1865 | 61:8 | Aoka hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy; | |
Chapter 62
Psal | Mg1865 | 62:3 | Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho. | |
Psal | Mg1865 | 62:4 | Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona; | |
Psal | Mg1865 | 62:5 | Misaina hanongana azy hiala amin’ ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin’ ny vavany izy, fa manozona amy ny fony. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 62:7 | Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho. | |
Psal | Mg1865 | 62:8 | Andriamanitra no iankinan’ ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin’ Andriamanitra. | |
Psal | Mg1865 | 62:9 | Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 62:10 | Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin’ ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy. | |
Psal | Mg1865 | 62:11 | Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin’ ny halatra; raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo. | |
Psal | Mg1865 | 62:12 | Indray mandeha no nitenenan’ Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: an’ Andriamanitra ny hery. | |
Chapter 63
Psal | Mg1865 | 63:2 | Andriamanitra ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ ny tany maina sy mangentana tsy misy rano; | |
Psal | Mg1865 | 63:3 | Toy izany no nijereko Anao tao amin’ ny fitoerana masìna, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao. | |
Psal | Mg1865 | 63:5 | Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin’ ny anaranao no hanandratako ny tanako. | |
Psal | Mg1865 | 63:6 | Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan’ ny fanahiko; ary amin’ ny molotra falifaly no hideran’ ny vavako Anao. | |
Psal | Mg1865 | 63:7 | Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin’ ny fiambenan’ alina. | |
Psal | Mg1865 | 63:10 | Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin’ ny tenany; hiditra any ambanin’ ny tany izy; | |
Chapter 64
Psal | Mg1865 | 64:2 | Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin’ ny tahotro ny fahavalo. | |
Psal | Mg1865 | 64:3 | Afeno aho tsy ho azon’ ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy, sy ny fitabataban’ ny mpanao ratsy, | |
Psal | Mg1865 | 64:4 | Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy. | |
Psal | Mg1865 | 64:6 | Hamafiny ny hevi-dratsiny; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany? | |
Psal | Mg1865 | 64:7 | Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin’ ny olombelona, dia ny fony. | |
Psal | Mg1865 | 64:8 | Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan’ ny zana-tsipìka no fahavoazany. | |
Psal | Mg1865 | 64:10 | Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny ataon’ Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany. | |
Chapter 65
Psal | Mg1865 | 65:2 | Ho anao ny fanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady. | |
Psal | Mg1865 | 65:4 | Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay. | |
Psal | Mg1865 | 65:5 | Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin’ ny tranonao izahay dia ny zava-masìna ao amin’ ny tempolinao. | |
Psal | Mg1865 | 65:6 | Zava-mahatahotra no ataonao amin’ ny fahamarinana ho valin’ ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin’ ny faran’ ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny. | |
Psal | Mg1865 | 65:8 | Mampitsahatra ny firohondrohon’ ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban’ ny firenena. | |
Psal | Mg1865 | 65:9 | Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran’ ny tany; ny any amin’ ny fiposahan’ ny maraina sy ny hariva no ampihobinao. | |
Psal | Mg1865 | 65:10 | Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao ― Ny onin’ Andriamanitra dia tondra-drano ― Mamboatra vary ho an’ ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany. | |
Psal | Mg1865 | 65:11 | Mahampoka ny tany voasa Hianao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy ny fitsimohany Hianao. | |
Psal | Mg1865 | 65:13 | Vonton-drano ny fiandrasana ondry any an-efitra, ary misikìna fifaliana ny havoana. | |
Chapter 66
Psal | Mg1865 | 66:3 | Lazao amin’ Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan’ ny herinao no hikoizan’ ny fahavalonao Anao. | |
Psal | Mg1865 | 66:4 | Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 66:5 | Avia, ka jereo ny asan’ Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin’ ny zanak’ olombelona. | |
Psal | Mg1865 | 66:6 | Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin’ Andriamanitra. | |
Psal | Mg1865 | 66:7 | Manjaka mandrakizay amin’ ny heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy hanandra-tena ny maditra. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 66:9 | Izay mampitoetra ny fanahintsika amin’ ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo. | |
Psal | Mg1865 | 66:10 | Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin’ ny memy. | |
Psal | Mg1865 | 66:11 | Efa nampiditra anay tamin’ ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao. | |
Psal | Mg1865 | 66:12 | Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin’ ny fitahiana mahatretrika Hianao. | |
Psal | Mg1865 | 66:15 | Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy mbamin’ ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy osilahy aho. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 66:16 | Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an’ Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an’ ny fanahiko. | |
Chapter 67
Psal | Mg1865 | 67:2 | Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; [Sela.] hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy; | |
Psal | Mg1865 | 67:3 | Mba ho fantatra etỳ ambonin’ ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin’ ny jentilisa rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 67:5 | Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin’ ny tany dia entinao. [Sela.] | |
Chapter 68
Psal | Mg1865 | 68:2 | Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony; ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany. | |
Psal | Mg1865 | 68:3 | Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon’ ny savoka eo anoloan’ ny afo no aoka hahalevonan’ ny ratsy fanahy eo anatrehan’ Andriamanitra. | |
Psal | Mg1865 | 68:5 | Mihirà ho an’ Andriamanitra, mankalazà ny anarany; manamboara lalana ho an’ izay mitaingina mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany. | |
Psal | Mg1865 | 68:6 | Rain’ ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin’ ny fonenany masìna. | |
Psal | Mg1865 | 68:7 | Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena; mamoaka ny mpifatotra ho amin’ ny fanambinana Izy; fa ny maditra hitoetra amin’ ny tany karankaina. | |
Psal | Mg1865 | 68:8 | Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan’ ny olonao Hianao ka namaky ny efitra, [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 68:9 | Dia nihorohoro ny tany, ary nitaitaika ny lanitra, tamin’ ny fanatrehan’ Andriamanitra, na iry Sinay iry aza tamin’ ny fanatrehan’ Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely. | |
Psal | Mg1865 | 68:10 | Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin’ ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia novelombelominao. | |
Psal | Mg1865 | 68:11 | Ny olonao tamàn-toerana teo; mamboatra ho an’ ny ory araka ny fahasoavanao Hianao, Andriamanitra ô. | |
Psal | Mg1865 | 68:13 | Ireo mpanjaka be miaramila dia vaky mandositra; ary ny vehivavy izay mitoetra ao an-trano no mizara ny babo. | |
Psal | Mg1865 | 68:14 | Raha mandry eo amin’ ny vala ianareo, dia ho tahaka ny ela-boromailala miravaka volafotsy, ary ny volony miravaka volamena tsara | |
Psal | Mg1865 | 68:15 | Raha aelin’ ny Tsitoha eo ny mpanjaka maro, dia latsaka ny oram-panala ao Zalmona. | |
Psal | Mg1865 | 68:16 | Tendrombohitr’ Andriamanitra ny tendrombohitr’ i Basana. Tendrombohitra maro tampona ny tendrombohitr’ i Basana. | |
Psal | Mg1865 | 68:17 | Ry tendrombohitra maro tampona, nahoana ianareo no mihendry ny tendrombohitra izay tian’ Andriamanitra hitoerany? eny, hitoetra ao mandrakizay Jehovah. | |
Psal | Mg1865 | 68:18 | Ny kalesin’ Andriamanitra dia roa alina, eny, arivo arivo; ny Tompo no eo aminy; Sinay dia eo amin’ ny itoerana masìna. | |
Psal | Mg1865 | 68:19 | Efa niakatra ho any amin’ ny avo Hianao ka mitondra babo; efa nandray fanomezana teo amin’ ny olombelona Hianao ― eny, teo amin’ ny maditra aza,― mba hitoeran’ i Jehovah Andriamanitra any. | |
Psal | Mg1865 | 68:20 | Isaorana anie ny Tompo Izay mitondra ny entan-tsika isan’ andro isan’ andro, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 68:21 | Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; ary an’ i Jehovah Tompo ny fanafahana amin’ ny fahafatesana. | |
Psal | Mg1865 | 68:22 | Fa Andriamanitra mamely mafy ny lohan’ ny fahavalony, dia ny tampon-doha lava volo an’ izay mandroso amin’ ny fahadisoany. | |
Psal | Mg1865 | 68:23 | Lazain’ ny Tompo hoe: hampody ny any Basana Aho; hampody ny amin’ ny ranomasina lalina Aho, | |
Psal | Mg1865 | 68:24 | Mba hampihosenanao rà ny tongotrao, ary ho anjaran’ ny lelan’ ny amboanao ny fahavalo. | |
Psal | Mg1865 | 68:25 | Efa hita ny fandehananao, Andriamanitra ô, dia ny fandehanan’ Andriamanitro, Mpanjakako, ao amin’ ny fitoerana masìna. | |
Psal | Mg1865 | 68:26 | Mialoha ny mpihira, ary manaraka ny mpitendry valiha, eo afovoan’ ny zatovovavy mively ampongatapaka. | |
Psal | Mg1865 | 68:27 | Misaora an’ Andriamanitra eo amin’ ny fiangonana, eny, misaora ny Tompo, ianareo ary amin’ ny loharanon’ ny Isiraely. | |
Psal | Mg1865 | 68:28 | Indry Benjamina kely, mpanapaka azy, ny antokon’ ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka ny Zebolona sy ny mpanapaka ny Naftaly. | |
Psal | Mg1865 | 68:29 | Andriamanitrao no nampahery anao; Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao. | |
Psal | Mg1865 | 68:30 | Noho ny tempolinao eo an-tampon’ i Jerosalema, no hitondran’ ny mpanjaka maro fanatitra ho Anao. | |
Psal | Mg1865 | 68:31 | Teneno mafy ny biby eny anaty zozoro sy ny fivorian’ ny ombilahy mbamin’ ireo vahoaka zanak’ omby, dia izay miankohoka manatitra anja-bolafotsy aelezo ny olona tia ady | |
Psal | Mg1865 | 68:32 | Ho avy ny tremalahin’ i Egypta; Etiopia halaky hananty tanana amin’ Andriamanitra. | |
Psal | Mg1865 | 68:33 | Ry fanjakana ambonin’ ny tany, mihirà ho an’ Andriamanitra; mankalazà ny Tompo, [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 68:34 | Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery. | |
Psal | Mg1865 | 68:35 | Ekeo ho an’ Andriamanitra ny hery; ambonin’ ny Isiraely ny voninahiny, ary ny heriny any amin’ ny lanitra. | |
Chapter 69
Psal | Mg1865 | 69:3 | Milentika amin’ ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hifaharana; efa miditra amin’ ny rano lalina aho, ka mandifotra ahy ny riaka. | |
Psal | Mg1865 | 69:4 | Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny masoko, raha miandry an’ Andriamanitro aho. | |
Psal | Mg1865 | 69:5 | Maro noho ny volon-dohako ny isan’ izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy. | |
Psal | Mg1865 | 69:6 | Andriamanitra ô, Hianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao. | |
Psal | Mg1865 | 69:7 | Aoka tsy ho menatra noho ny amiko izay miandry Anao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô; aoka tsy ho very hevitra noho ny amiko izay mitady Anao, ry Andriamanitry ny Isiraely ô. | |
Psal | Mg1865 | 69:9 | Efa vahiny amin’ ny rahalahiko aho; eny, efa olon-ko azy amin’ ny zanak’ ineny aho. | |
Psal | Mg1865 | 69:10 | Fa ny firehetako ny amin’ ny tranonao no naharitra aina ahy; ary ny latsa nataon’ izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko. | |
Psal | Mg1865 | 69:13 | Miresaka ahy izay mipetraka eo am-bavahady; ary ataon’ ny mpisotro toaka an-kira aho. | |
Psal | Mg1865 | 69:14 | Fa izaho hivavaka aminao amin’ ny andro fankasitrahana, Jehovah ô, dia aminao, Andriamanitra ô noho ny haben’ ny famindram-ponao; valio aho araka ny hamarinan’ ny famonjenao. | |
Psal | Mg1865 | 69:15 | Afaho amin’ ny fotaka aho, ka aza avela hilentika; vonjeo aho amin’ izay mankahala ahy sy amin’ ny rano lalina. | |
Psal | Mg1865 | 69:16 | Aza avela hanafotra ahy ny rano mandriaka, na hitelina ahy ny lalina; ary aza avela hikatom-bava amiko ny lavaka fantsakana. | |
Psal | Mg1865 | 69:17 | Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny famindram-ponao; todiho aho araka ny haben’ ny fiantranao. | |
Psal | Mg1865 | 69:18 | Ary aza manafina ny tavanao amin’ ny mpanomponao; fa azom-pahoriana aho, koa faingàna hamaly ahy Hianao. | |
Psal | Mg1865 | 69:20 | Hianao no mahalala ny latsa mihatra amiko ary ny fahamenarako sy ny fahafaham-boninahitro; Eo anatrehanao ny mpandrafy ahy rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 69:21 | Ny latsa dia nanorotoro ny foko ka reraka indrindra aho; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony fa tsy nahita. | |
Psal | Mg1865 | 69:22 | Fa zava-mangidy no nomeny ho haniko; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho. | |
Psal | Mg1865 | 69:23 | Aoka ho fandrika ho azy ny latabany eo anoloany; eny, ho tonta ho an’ ny tsy manana ahiahy. | |
Psal | Mg1865 | 69:24 | Aoka ho jamba ny masony mba tsy hahita; ary ampangozohozoy mandrakariva ny valahany. | |
Psal | Mg1865 | 69:25 | Aidino aminy ny fahatezeranao; ary aoka hahatratra azy ny firehetan’ ny fahaviniranao. | |
Psal | Mg1865 | 69:27 | Fa izay nasianao no nenjehiny; Ary ny fahararian’ ny voatsindronao dia lazalazainy. | |
Psal | Mg1865 | 69:29 | Aoka hovonoina tsy ho eo amin’ ny bokin’ ny velona ny anarany, ary aoka tsy hosoratana eo amin’ ny marina. | |
Psal | Mg1865 | 69:30 | Fa izaho dia ory sy mahantra, Andriamanitra ô; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy. | |
Psal | Mg1865 | 69:31 | Hankalaza ny anaran’ Andriamanitra amin’ ny fihirana aho, ary hidera Azy amin’ ny fisaorana. | |
Psal | Mg1865 | 69:32 | Fa ho sitrak’ i Jehovah Izany mihoatra noho ny vantotr’ ombilahy, izay manan-tandroka sady mivaky kitro. | |
Psal | Mg1865 | 69:33 | Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an’ Andriamanitra. | |
Psal | Mg1865 | 69:35 | Aoka hidera Azy ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy. | |
Psal | Mg1865 | 69:36 | Fa Andriamanitra hamonjy an’ i Ziona sady hanangana ny tanànan’ ny Joda; ary hitoetra ao ny olony ka ho tompony; | |
Chapter 70
Psal | Mg1865 | 70:3 | Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin’ ny manjo ahy; | |
Psal | Mg1865 | 70:5 | Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra. | |
Chapter 71
Psal | Mg1865 | 71:3 | Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Hianao, Izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao. | |
Psal | Mg1865 | 71:4 | Andriamanitro ô, afaho amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy aho, dia amin’ ny tanan’ ny mpanao meloka sy ny lozabe. | |
Psal | Mg1865 | 71:5 | Fa Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora. | |
Psal | Mg1865 | 71:6 | Hianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; ianao namoaka ahy avy tany an-kibon-dreniko; ianao no deraiko mandrakariva. | |
Psal | Mg1865 | 71:7 | Tonga toa zava-mahagaga eo imason’ ny maro aho; nefa Hianao no fiarovana mafy ho ahy. | |
Psal | Mg1865 | 71:11 | Ka manao hoe: Andriamanitra efa nahafoy azy; enjeho izy, ka sambory, fa tsy misy hamonjy. | |
Psal | Mg1865 | 71:13 | Aoka ho menatra sy ho levona ny mpanohitra ny fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mitady hanisy ratsy ahy. | |
Psal | Mg1865 | 71:15 | Ny vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro ny isany. | |
Psal | Mg1865 | 71:16 | Ho entiko ny asa lehibe nataon’ i Jehovah Tompo; hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany. | |
Psal | Mg1865 | 71:17 | Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho. | |
Psal | Mg1865 | 71:18 | Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin’ ny taranaka sy ny asanao lehibe amin’ izay rehetra mbola ho avy. | |
Psal | Mg1865 | 71:19 | Ary mihatra amin’ izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô, Izay nanao zava-dehibe: Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao? | |
Psal | Mg1865 | 71:20 | Hianao Izay nampahita ahy fahoriana be sady mafy no hamelona ahy indray, ka hampiakatra ahy indray hiala amin’ ny fitoerana lalina amin’ ny tany. | |
Psal | Mg1865 | 71:22 | Izaho kosa hidera Anao amin’ ny valiha, dia ny fahamarinanao, Andriamanitro; hankalaza Anao amin’ ny lokanga aho, ry Iray Masin’ ny Isiraely ô. | |
Chapter 72
Psal | Mg1865 | 72:1 | Andriamanitra ô, omeo ho an’ ny mpanjaka ny fitsarànao, ary ho an’ ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao. | |
Psal | Mg1865 | 72:2 | Hitsara ny olonao amin’ ny fahamarinana izy. Ary ny malahelolonao amin’ ny fahitsiana. | |
Psal | Mg1865 | 72:3 | Ny tendrombohitra hahavokatra fiadanana ho an’ ny olona, eny, ny havoana koa amin’ ny fahamarinana. | |
Psal | Mg1865 | 72:4 | Hitsara ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory. | |
Psal | Mg1865 | 72:5 | Hatahotra anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro sy ny volana hatramin’ ny taranaka fara mandimby. | |
Psal | Mg1865 | 72:6 | Hidina tahaka ny ranonorana amin’ ny saha voajinja izy, tahaka ny ranonorana mivatravatra amin’ ny tany. | |
Psal | Mg1865 | 72:7 | Ny marina hitrebona amin’ ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony. | |
Psal | Mg1865 | 72:8 | Ary hanjaka hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina izy, ary hatramin’ ny ony ka hatramin’ ny faran’ ny tany. | |
Psal | Mg1865 | 72:9 | Ny mponina any an-efitra handohalika eo anatrehany; ary ny fahavalony hilelaka ny vovoka. | |
Psal | Mg1865 | 72:10 | Ny mpanjakan’ i Tarsisy sy ny nosy handoa hetra; ny mpanjakan’ i Sheba sy Seba hanatitra fanomezana. | |
Psal | Mg1865 | 72:11 | Ary ny mpanjaka rehetra hiankohoka eo anatrehany; ny firenena rehetra hanompo azy. | |
Psal | Mg1865 | 72:14 | Hanavotra ny fanahiny amin’ ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny ràny. | |
Psal | Mg1865 | 72:15 | Dia ho velona ireny ka hanome azy volamena avy any Sheba, ary hanao fifonana ho azy mandrakariva, izy, ary isan’ andro no hisaorany azy. | |
Psal | Mg1865 | 72:16 | Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon’ ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin’ ny tany. | |
Psal | Mg1865 | 72:17 | Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra. | |
Psal | Mg1865 | 72:18 | Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao fahagagana; | |
Psal | Mg1865 | 72:19 | Ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena. | |
Chapter 73
Psal | Mg1865 | 73:5 | Tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy. | |
Psal | Mg1865 | 73:6 | Dia izany no iambozonany rehareha toy ny rojo, sy itafiany fahalozàna tahaka ny lamba. | |
Psal | Mg1865 | 73:11 | Ka hoy izy: Hataon’ Andriamanitra ahoana no fahalala? ary manam-pahalalana va ny Avo Indrindra? | |
Psal | Mg1865 | 73:13 | Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasàko ny tanako tamin’ ny fahamarinana. | |
Psal | Mg1865 | 73:16 | Dia nieritreritra ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany. | |
Psal | Mg1865 | 73:17 | Mandra-piditro tao amin’ ny fitoera-masin’ Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany. | |
Psal | Mg1865 | 73:20 | Tahaka ny anaovan’ ny olona ny nofiny ho tsinontsinona, dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik’ ireny ho tsinontsinona, raha mifoha Hianao. | |
Psal | Mg1865 | 73:23 | Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao. | |
Psal | Mg1865 | 73:24 | Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin’ ny voninahitra aho. | |
Psal | Mg1865 | 73:26 | Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin’ ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra. | |
Psal | Mg1865 | 73:27 | Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao. | |
Chapter 74
Psal | Mg1865 | 74:1 | Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay Hianao, sady manetroka amin’ ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao? | |
Psal | Mg1865 | 74:2 | Tsarovy ny fiangonanao izay efa azonao fahiny, ilay navotanao ho firenena lovanao, dia ny tendrom-bohitra Ziona izay nonenanao. | |
Psal | Mg1865 | 74:3 | Aingao ny tongotrao, ka miakara ho amin’ ny voarava mandrakizay; ny zavatra rehetra tao amin’ ny fitoerana masìna dia simban’ ny fahavalo avokoa. | |
Psal | Mg1865 | 74:4 | Nierona tao anatin’ ny fiangonanao ny mpandrafy anao; nanangana ny sainany ho famantarana izy. | |
Psal | Mg1865 | 74:7 | Efa nandoro ny fitoeranao masìna tamin’ ny afo izy; nolotoiny sy nazerany tamin’ ny tany ny fonenan’ ny anaranao. | |
Psal | Mg1865 | 74:8 | Hoy izy tam-pony: aoka hampahorintsika avokoa izy. Efa nandoro ny tranon’ Andriamanitra eran’ ny tany rehetra izy. | |
Psal | Mg1865 | 74:9 | Tsy hitanay ny famantaranay tsy misy mpaminany intsony ary tsy misy aminay mahalala izay mbola haharetan’ izao. | |
Psal | Mg1865 | 74:10 | Mandra-pahoviana, Andriamanitra ô, no hanaratsian’ ny mpandrafy? Hanamavo ny anaranao mandrakizay va ny fahavalo? | |
Psal | Mg1865 | 74:11 | Nahoana no mampihemotra ny tananao, dia ny tananao ankavanana, Hianao? mampialà azy amin’ ny tratranao, ka mandringàna. | |
Psal | Mg1865 | 74:12 | Fa Andriamanitra no Mpanjakako hatrizay hatrizay; manao famonjena eny amin’ ny tany Izy. | |
Psal | Mg1865 | 74:13 | Nampisaraka ny ranomasina tamin’ ny herinao Hianao; efa namakivaky ny lohan’ ny dragona tao anaty rano Hianao. | |
Psal | Mg1865 | 74:14 | Hianao nanorotoro ny lohan’ ny mamba ka nanome azy hohanin’ izay firenena any an-efitra. | |
Psal | Mg1865 | 74:15 | Hianao namaky ny vatolampy hamoaka loharano sy ony; Hianao nahatankina ny ony tsy mety ritra. | |
Psal | Mg1865 | 74:16 | Anao ny andro, Anao koa ny alina; Hianao namboatra ny fanazavana, indrindra fa ny masoandro. | |
Psal | Mg1865 | 74:17 | Hianao nametra ny faritry ny tany rehetra; ny fahavaratra sy ny ririnina, dia Hianao no nanao azy. | |
Psal | Mg1865 | 74:18 | Tsarovy izao: Manaratsy an’ i Jehovah ny fahavalo, ary ny olona adala manamavo ny anaranao. | |
Psal | Mg1865 | 74:19 | Aza manolotra ny ain’ ny voromailalanao ho an’ ny bibi-dia; ary aza manadino mandrakizay ny ain’ ny olo-mahantranao. | |
Psal | Mg1865 | 74:20 | Hevero ny fanekena; fa feno fonenan’ ny fandozana ny fitoera-maizina amin’ ny tany. | |
Psal | Mg1865 | 74:21 | Aoka tsy hiverina amin-kenatra ny mahantra; aoka ny ory sy ny malahelo hidera ny anaranao. | |
Psal | Mg1865 | 74:22 | Mitsangàna, Andriamanitra ô, efao ny adinao; tsarovy ny fanaratsian’ ny adala Anao isan’ andro. | |
Chapter 75
Psal | Mg1865 | 75:2 | Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona. | |
Psal | Mg1865 | 75:4 | Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 75:5 | Hoy izaho tamin’ ny mpirehareha: aza mirehareha, ary tamin’ ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka; | |
Psal | Mg1865 | 75:6 | Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin’ ny fahamafian-katoka. | |
Psal | Mg1865 | 75:7 | Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana. | |
Psal | Mg1865 | 75:8 | Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa. | |
Psal | Mg1865 | 75:9 | Fa misy kapoaka eo an-tànan’ i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany dia hitroka ny faikany. | |
Chapter 76
Psal | Mg1865 | 76:2 | Andriamanitra dia fantatra eo amin’ ny Joda; malaza eo amin’ ny Isiraely ny anarany; | |
Psal | Mg1865 | 76:4 | Teo no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 76:5 | Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin’ ny tendrombohitra fitohàna. | |
Psal | Mg1865 | 76:6 | Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika ny tànany avokoa ny olo-mahery rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 76:7 | Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr’ i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly. | |
Psal | Mg1865 | 76:8 | Hianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao? | |
Psal | Mg1865 | 76:10 | Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin’ ny tany. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 76:11 | Fa ny fahatezeran’ ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao. | |
Psal | Mg1865 | 76:12 | Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin’ i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an’ Izay mahatahotra. | |
Chapter 77
Psal | Mg1865 | 77:2 | Ny feoko dia mankany amin’ Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin’ Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy. | |
Psal | Mg1865 | 77:3 | Tamin’ ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina. | |
Psal | Mg1865 | 77:4 | Ta-hahatsiaro an’ Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 77:7 | Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin’ ny alina aho; te-hidinidinika amin’ ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe: | |
Psal | Mg1865 | 77:9 | Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny? | |
Psal | Mg1865 | 77:10 | Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny? [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 77:11 | Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan’ ny tanana ankavanan’ ny Avo Indrindra. | |
Psal | Mg1865 | 77:12 | Hampahatsiaro ny asan’ i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha; | |
Psal | Mg1865 | 77:14 | Andriamanitra ô, amin’ ny fitoerana masìna ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an’ Andriamanitra? | |
Psal | Mg1865 | 77:15 | Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin’ ny firenena Hianao. | |
Psal | Mg1865 | 77:17 | Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina. | |
Psal | Mg1865 | 77:18 | Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao. | |
Psal | Mg1865 | 77:19 | Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin’ ny tadio; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany. | |
Psal | Mg1865 | 77:20 | Tany amin’ ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin’ ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao. | |
Chapter 78
Psal | Mg1865 | 78:4 | Dia tsy mba hafenintsika amin’ ny zanany; fa hambarantsika amin’ ny taranaka ho avy ny fiderana an’ i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony. | |
Psal | Mg1865 | 78:5 | Fa nanorina teni-vavolombelona teo amin’ i Jakoba Izy, ary teo amin’ Isiraely no nametrahany lalàna, izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany; | |
Psal | Mg1865 | 78:6 | Mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy ― dia ny zaza mbola hateraka ― ka hitsangana hitory izany amin’ ny zanany kosa, | |
Psal | Mg1865 | 78:7 | Mba hametraka ny fanantenany amin’ Andriamanitra, ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny didiny; | |
Psal | Mg1865 | 78:8 | Mba tsy ho tahaka ny razany, izay taranaka maditra sy miodina, izy, dia taranaka izay tsy nampiomana ny fony, sady tsy marina tamin’ Andriamanitra ny fanahiny. | |
Psal | Mg1865 | 78:9 | Ny zanak’ i Efraima, izay nitondra tsipìka hitifirany, dia niamboho tamin’ ny andro fiadiana. | |
Psal | Mg1865 | 78:10 | Tsy nitandrina ny fanekena amin’ Andriamanitra izy, ary tsy nety nandeha araka ny lalàny; | |
Psal | Mg1865 | 78:12 | Teo anatrehan’ ny razany no nanaovany fahagagana tany amin’ ny tany Egypta, dia tany amin’ ny tany lemak’ i Zoana. | |
Psal | Mg1865 | 78:13 | Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny antontan-javatra. | |
Psal | Mg1865 | 78:15 | Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin’ ny rano lalina. | |
Psal | Mg1865 | 78:16 | Ary nampivoaka rano mandriaka avy tamin’ ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony. | |
Psal | Mg1865 | 78:17 | Kanjo mbola nandroso nanota taminy ihany izy ireo, ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-efitra. | |
Psal | Mg1865 | 78:18 | Dia naka fanahy an’ Andriamanitra tam-pony izy, tamin’ ny nilàny hanina araka ny nahaliana azy. | |
Psal | Mg1865 | 78:19 | Dia niteny nanohitra an’ Andriamanitra izy ka nanao hoe: mahavelatra latabatra atỳ an-efitra va Andriamanitra? | |
Psal | Mg1865 | 78:20 | Indro, namely ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va Izy? Mahatonga hena ho an’ ny olony va Izy? | |
Psal | Mg1865 | 78:21 | Koa nony ren’ i Jehovah izany, dia tezitra Izy; ary nisy afo nirehitra tamin’ i Jakoba, sady nisy fahatezerana namely ny Isiraely, | |
Psal | Mg1865 | 78:23 | Kanefa nandidy ny rahona tany ambony Izy, ary ny varavaran’ ny lanitra no novohàny, | |
Psal | Mg1865 | 78:26 | Nampandeha ny rivotra avy any atsinanana teny amin’ ny lanitra Izy ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo. | |
Psal | Mg1865 | 78:27 | Dia nampilatsahany hena betsaka hoatra ny vovoka izy sy voro-manidina hoatra ny fasiky ny ranomasina, | |
Psal | Mg1865 | 78:31 | Dia nirehitra taminy ny fahatezeran’ Andriamanitra, ka nahafatesany ny tremalahy teo aminy, ary naripany ny zatovolahin’ ny Isiraely. | |
Psal | Mg1865 | 78:32 | Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mbola nanota ihany izy ireo ka tsy nino ny fahagagana nataony. | |
Psal | Mg1865 | 78:33 | Dia nampahalevona ny androny toy ny fofonaina Izy, ary ny taonany tamin’ ny fampitahorana. | |
Psal | Mg1865 | 78:34 | Raha novonoiny izy ireo, dia nitady hahalala an’ Andriamanitra izy, ary niverina nikatsaka Azy. | |
Psal | Mg1865 | 78:35 | Dia nahatsiaro izy fa Andriamanitra no Vatolampiny, ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra azy. | |
Psal | Mg1865 | 78:38 | Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany, | |
Psal | Mg1865 | 78:39 | Fa nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo, dia rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony. | |
Psal | Mg1865 | 78:40 | Impiry akory izy ireo no efa niodina taminy tany an-efitra, ka nampalahelo Azy tany amin’ ny tany foana! | |
Psal | Mg1865 | 78:41 | Naka fanahy an’ Andriamanitra mandrakariva izy, ka nampalahelo ny Iray Masin’ ny Isiraely. | |
Psal | Mg1865 | 78:42 | Tsy mba nahatsiaro ny tànany izy, dia ny andro izay nanavotany azy tamin’ ny fahavalo, | |
Psal | Mg1865 | 78:43 | Izay nanaovany famantarana tany Egypta, sy fahagagana tany an-tany lemak’ i Zoana: | |
Psal | Mg1865 | 78:45 | Nandefa lalitra betsaka hamely azy Izy, ka nandany azy ireny, ary sahona, ka nanimba azy ireny. | |
Psal | Mg1865 | 78:46 | Dia nanome ny vokatry ny taniny ho an’ ny sompanga Izy, ary ny sasany ho an’ ny valala. | |
Psal | Mg1865 | 78:47 | Namono ny voalobony tamin’ ny havandra Izy, ary ny aviaviny tamin’ ny havandra vaventy. | |
Psal | Mg1865 | 78:48 | Dia nanolotra ny biby fiompiny ho an’ ny havandra Izy, ary ny omby aman’ ondriny ho an’ ny varatra. | |
Psal | Mg1865 | 78:49 | Nandatsaka ny fahatezerany mirehitra taminy Izy: eny, fahavinirana sy fahatezerana ary fampahoriana, dia anjely andiany mitondra loza. | |
Psal | Mg1865 | 78:50 | Namboatra lalana ho an’ ny fahatezerany Izy, ary tsy niaro ny fanahin’ ireo tamin’ ny fahafatesana, fa nanolotra ny ainy ho lanin’ ny areti-mandringana; | |
Psal | Mg1865 | 78:51 | Ary namely ny lahimatoa rehetra tany Egypta Izy, dia ny voalohan’ ainy tany an-dain’ i Hama; | |
Psal | Mg1865 | 78:52 | Fa namindra toerana ny olony toy ny ondry Izy, ary nitondra azy tany an-efitra toy ny ondry andiany. | |
Psal | Mg1865 | 78:53 | Nentiny soa aman-tsara izy ireo ka tsy mba natahotra; fa ny fahavalony kosa voasaron’ ny ranomasina. | |
Psal | Mg1865 | 78:54 | Ary nitondra azy ho any amin’ ny tany misy ny fitoerany masìna Izy, dia ny tendrombohitra izay azon’ ny tànany ankavanana. | |
Psal | Mg1865 | 78:55 | Ary nandroaka ny jentilisa teo anoloany Izy, ka nanome ny tanin’ ireny ho lova nozaraina tamin’ ny famolaina, dia nampitoetra ny firenen’ Isiraely tao an-dainy. | |
Psal | Mg1865 | 78:56 | Nefa naka fanahy an’ Andriamanitra Avo Indrindra izy ka niodina taminy, ary ny teni-vavolombelony tsy notandremany. | |
Psal | Mg1865 | 78:57 | Ary nihemotra izy ka nivadika tahaka ny razany. Dia nania tahaka ny tsipìka manjiona. | |
Psal | Mg1865 | 78:58 | Ary nampahatezitra Azy tamin’ ny fitoerana avony izy, sady nahasaro-piaro Azy tamin’ ny sarin-javatra voasokitra. | |
Psal | Mg1865 | 78:60 | Sady nahafoy ny tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny lay izay naoriny teo amin’ ny olona; | |
Psal | Mg1865 | 78:62 | Dia nanolotra ny olony ho an’ ny sabatra Izy; ary tezitra Indrindra tamin’ ny lovany Izy. | |
Psal | Mg1865 | 78:63 | Ny zatovolahiny dia lanin’ ny afo; ary ny zatovovaviny tsy mba nanaovana hiram-panambadiana. | |
Psal | Mg1865 | 78:65 | Dia nifoha ny Tompo tahaka ny anankiray avy natory, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon’ ny divay. | |
Psal | Mg1865 | 78:69 | Dia nanao ny fitoerany masìna ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay. | |
Psal | Mg1865 | 78:71 | Tany amin’ ny fiandrasany ny ondry ampianahana no nakàny azy, mba hiandry an’ i Jakoba olony sy Isiraely lovany; | |
Chapter 79
Psal | Mg1865 | 79:1 | Andriamanitra ô, tonga eto amin’ ny lovanao ny jentilisa, ka nandoto ny tempolinao masìna sady nanao an’ i Jerosalema ho korontam-bato. | |
Psal | Mg1865 | 79:2 | Ny fatin’ ny mpanomponao nomeny hohanin’ ny voro-manidina, ny nofon’ ny olonao masìna ho an’ ny bibidia; | |
Psal | Mg1865 | 79:3 | Ny ràny naidiny manodidina an’ i Jerosalema tahaka ny rano, ary tsy nisy handevina. | |
Psal | Mg1865 | 79:4 | Tonga fandatsan’ ny namanay izahay, sady faneso sy fanakoran’ izay manodidina anay. | |
Psal | Mg1865 | 79:5 | Mandra-pahoviana, Jehovah ô, no hanontolo fo Hianao, ka hirehitra tahaka ny afo ny fahasaro-piaoronao? | |
Psal | Mg1865 | 79:6 | Aidino amin’ ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, sy amin’ ny fanjakana izay tsy miantso ny anaranao; | |
Psal | Mg1865 | 79:8 | Aza tsarovana aminay ny heloky ny razanay; aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantrànao, fa reraka indrindra izahay. | |
Psal | Mg1865 | 79:9 | Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao; ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao. | |
Psal | Mg1865 | 79:10 | Nahoana ny jentilisa no hanao hoe: aiza izay Andriamaniny? aoka ho fantatra amin’ ny jentilisa eo imasonay ny famaliana ny ran’ ny mpanomponao izay nalatsaka. | |
Psal | Mg1865 | 79:11 | Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fisentoan’ ny mpifatotra; araka ny halehiben’ ny sandrinao dia arovy tsy ho faty ny zanaky ny fahafatesana. | |
Psal | Mg1865 | 79:12 | Ary valio impito heny ho ao an-tratran’ ny mifanila fonenana aminay ny fanaratsiana izay nanaratsiany Anao, Tompo ô. | |
Chapter 80
Psal | Mg1865 | 80:2 | Ry Mpiandry ny Isiraely ô, mihainoa, Hianao Izay mitondra an’ i Josefa toy ny ondry; Hianao, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, mamirapiratra. | |
Psal | Mg1865 | 80:3 | Fohazy ny herinao eo anoloan’ i Efraima sy Benjamina ary Manase, ka avia hamonjy anay. | |
Psal | Mg1865 | 80:4 | Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay. | |
Psal | Mg1865 | 80:5 | Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin’ ny fivavaky ny olonao ny fahatezeranao? | |
Psal | Mg1865 | 80:7 | Ataonao ho fifandirana amin’ ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa. | |
Psal | Mg1865 | 80:8 | Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay. | |
Psal | Mg1865 | 80:9 | Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa. | |
Psal | Mg1865 | 80:11 | Nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo. | |
Psal | Mg1865 | 80:12 | Nampisandrahaka ny rantsany hatramin’ ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin’ ny Ony. | |
Psal | Mg1865 | 80:13 | Nahoana no noravànao ny fefiny ka anotazan’ izay rehetra mandalo eny an-dalana izy? | |
Psal | Mg1865 | 80:14 | Ny lambo avy any an’ ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy. | |
Psal | Mg1865 | 80:15 | Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity. | |
Psal | Mg1865 | 80:16 | Arovy izay nambolen’ ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao. | |
Psal | Mg1865 | 80:18 | Aoka ny tananao ho amin’ ny lehilahin’ ny tananao ankavanana, dia amin’ ny zanak’ olombelona izay nampaherezinao ho Anao. | |
Chapter 81
Psal | Mg1865 | 81:2 | Mihobia ho an’ Andriamanitra herintsika; manaova feo fifaliana ho an’ Andriamanitr’ i Jakoba. | |
Psal | Mg1865 | 81:3 | Asandrato ny hira, ka velezo ny ampongatapaka, ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin’ ny valiha. | |
Psal | Mg1865 | 81:4 | Tsofy ny anjomara amin’ ny volana; eny, amin’ ny feno-volana, dia amin’ ny andro firavoravoantsika. | |
Psal | Mg1865 | 81:6 | Notendreny ho vavolombelona eo amin’ i Josefa izany, raha nandeha namely ny tany Egypta Izy; nandre teny tsy fantatro aho. | |
Psal | Mg1865 | 81:8 | Fony azom-pahoriana ianao, dia niantso Ahy, ka namonjy anao Aho; namaly anao tao amin’ ny fiafenan’ ny kotrokorana Aho, ary nizaha toetra anao tao amin’ ny ranon’ i Meriba. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 81:9 | Mihainoa, ry oloko, dia hambarako aminao; enga anie hihaino Ahy ianao, ry Isiraely. | |
Psal | Mg1865 | 81:10 | Aza asiana andriamani-kafa eo aminao; ary aza mivavaka amin’ ny andriamanitry ny firenena hafa. | |
Psal | Mg1865 | 81:11 | Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta; atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko. | |
Psal | Mg1865 | 81:13 | Ka dia navelako hanaraka ny ditry ny fony Izy, handehanany manaraka ny fisainan’ ny tenany. | |
Psal | Mg1865 | 81:16 | Izay mankahala an’ i Jehovah dia hikoy aminy, ka dia haharitra mandrakizay ny andron’ ny oloko; | |
Chapter 82
Psal | Mg1865 | 82:1 | Andriamanitra dia eo amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra; ary eo amin’ ireo andriamanitra no itsarany. | |
Psal | Mg1865 | 82:2 | Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy? [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 82:5 | Tsy mahalala na mahazo an-tsaina ireny; ao amin’ ny maizina no andehanany; mihorohoro ny fanambanin’ ny tany rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 82:7 | Kanjo ho faty tahaka ny olona ihany ianareo, ary samy ho lavo tahaka ny anankiray amin’ ny lehibe. | |
Chapter 83
Psal | Mg1865 | 83:2 | Andriamanitra ô, aza mangìna; aza mihombom-bava Hianao, ary aza mamitsaka, Andriamanitra ô. | |
Psal | Mg1865 | 83:3 | Fa, indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany. | |
Psal | Mg1865 | 83:4 | Ny olonao no iokoany amin’ ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy. | |
Psal | Mg1865 | 83:5 | Hoy izy: Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran’ Isiraely. | |
Psal | Mg1865 | 83:8 | Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin’ ny mponina any Tyro. | |
Psal | Mg1865 | 83:10 | Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an’ i Sisera sy Jabina teo amin’ ny ony Kisona; | |
Psal | Mg1865 | 83:12 | Ataovy tahaka an’ i Oreba sy Zeba ny mpanapaka azy. Eny, ny andrianany rehetra dia ataovy tahaka an’ i Zebaha sy Zaimona, | |
Psal | Mg1865 | 83:14 | Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, dia tahaka ny akofa entin’ ny rivotra, | |
Psal | Mg1865 | 83:16 | Aoka ho toy izany no anafotofotoanao azy amin’ ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin’ ny tafio-drivotrao. | |
Psal | Mg1865 | 83:18 | Aoka ho menatra sy ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy. | |
Chapter 84
Psal | Mg1865 | 84:3 | Manina sady vonton’ alahelo ny kianjan’ i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an’ Andriamanitra velona. | |
Psal | Mg1865 | 84:4 | Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro. | |
Psal | Mg1865 | 84:7 | Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy. | |
Psal | Mg1865 | 84:8 | Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan’ Andriamanitra any Ziona izy rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 84:9 | Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr’ i Jakoba ô. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 84:11 | Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny tranon’ Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain’ ny ratsy fanahy. | |
Psal | Mg1865 | 84:12 | Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’ i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin’ izay mandeha amin’ ny fahitsiana izy. | |
Chapter 85
Psal | Mg1865 | 85:2 | Jehovah ô, efa naneho fitia tamin’ ny taninao Hianao, Efa nampodinao Jakoba avy tamin’ ny fahababoany. | |
Psal | Mg1865 | 85:4 | Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Hianao, Ary niala tamin’ ny fahatezeranao mirehitra. | |
Psal | Mg1865 | 85:5 | Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay. | |
Psal | Mg1865 | 85:6 | Ho tezitra aminay mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao? | |
Psal | Mg1865 | 85:9 | Hihaino izay holazain’ i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin’ ny olony Izy, dia amin’ ny olony masìna; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin’ ny fahadalana ireo. | |
Psal | Mg1865 | 85:10 | Eny tokoa, akaikin’ izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran’ ny voninahitra eo amin’ ny tanintsika. | |
Psal | Mg1865 | 85:11 | Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana. | |
Chapter 86
Psal | Mg1865 | 86:2 | Arovy ny fanahiko, fa masìna aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao. | |
Psal | Mg1865 | 86:4 | Ampifalio ny fanahin’ ny mpanomponao; Fa Hianao, Tompo ô, no ananganako ny fanahiko. | |
Psal | Mg1865 | 86:5 | Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be famindram-po amin’ izay rehetra miantso Anao. | |
Psal | Mg1865 | 86:8 | Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin’ ireo andriamanitra; Ary tsy misy tahaka ny asanao. | |
Psal | Mg1865 | 86:9 | Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao. | |
Psal | Mg1865 | 86:11 | Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô, Dia handeha amin’ ny fahamarinanao aho; Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao. | |
Psal | Mg1865 | 86:12 | Hidera Anao amin’ ny foko rehetra aho, Andriamanitro Tompo ô Hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho. | |
Psal | Mg1865 | 86:13 | Fa lehibe ny famindram-ponao amiko; Ary efa novonjenao ny fanahiko tsy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ambany indrindra. | |
Psal | Mg1865 | 86:14 | Andriamanitra ô, ny mpirehareha mitsangana hanohitra ahy, Ary ny antokon’ ny lozabe mitady ny aiko; Ary tsy mba heveriny fa eo anatrehany Hianao. | |
Psal | Mg1865 | 86:15 | Fa Hianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrà fo sy miantra, Mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana. | |
Psal | Mg1865 | 86:16 | Todiho aho ka amindrao fo; Omeo ny herinao ny mpanomponao, Ary vonjeo ny zanaky ny ankizivavinao. | |
Chapter 87
Psal | Mg1865 | 87:2 | Ny vavahadin’ i Ziona dia tian’ i Jehovah mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an’ i Jakoba. | |
Psal | Mg1865 | 87:4 | Hanonona an-dRahaba sy Babylona Aho ho isan’ izay mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro mbamin’ i Etiopia, Ity no efa teraka teo. | |
Psal | Mg1865 | 87:5 | Ary Ziona hilazana hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra azy. | |
Chapter 88
Psal | Mg1865 | 88:2 | Jehovah ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, Andro aman’ alina no itarainako eo anatrehanao; | |
Psal | Mg1865 | 88:3 | Aoka ny fivavako ho tonga eo anatrehanao; Atongilano amin’ ny fitarainako ny sofinao; | |
Psal | Mg1865 | 88:6 | Efa nafoy ho any amin’ ny maty aho, Tahaka izay voavono, mandry ao am-pasana, Izay tsy tsarovanao intsony, Fa voafongotry ny tananao. | |
Psal | Mg1865 | 88:7 | Efa nametraka ahy any an-davaka ambany indrindra Hianao, Ao amin’ ny maizina, dia ao amin’ ny lalina. | |
Psal | Mg1865 | 88:8 | Ny fahatezeranao manindry ahy mafy, Ary ny alon-dranonao rehetra azeranao amiko. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 88:9 | Efa nampanalavirinao ahy ny olona nahazatra ahy; Efa nataonao fahavetavetana eo imasony aho; Voahidy aho ka tsy afa-mivoaka. | |
Psal | Mg1865 | 88:10 | Ny masoko efa pahina noho ny fahoriana; Jehovah ô, miantso Anao isan’ andro aho, Mamefy tanana aminao aho. | |
Psal | Mg1865 | 88:11 | Haneho fahagagana amin’ ny maty va Hianao? Ny matoatoa va no hitsangana hidera Anao? | |
Psal | Mg1865 | 88:12 | Hotorina any am-pasana va ny famindram-ponao, Ary ny fahamarinanao any amin’ ny fandringanana? | |
Psal | Mg1865 | 88:13 | Ho fantatra ao amin’ ny maizina va ny fahagagana ataonao, Ary ny fahamarinanao ao amin’ ny tany fanadinoana? | |
Psal | Mg1865 | 88:14 | Fa raha izaho, dia Hianao no itarainako, Jehovah ô; Ary ny fivavako tonga eo anatrehanao nony maraina. | |
Psal | Mg1865 | 88:16 | Ory aho ka efa ho faty hatramin’ ny fahazazako; Raha itambesa-ran’ ny fampitahoranao aho, dia very hevitra; | |
Chapter 89
Psal | Mg1865 | 89:2 | Ny famindram-pon’ i Jehovah no hohiraiko mandrakizay; Hatramin’ ny taranaka fara mandimby no hampahafantaran’ ny vavako ny fahamarinanao. | |
Psal | Mg1865 | 89:3 | Fa hoy izaho Hotovonana mandrakizay ny famindram-po; Ny fahamarinanao hampitoerinao any an-danitra. | |
Psal | Mg1865 | 89:4 | “Efa nanao fanekena tamin’ ny voafidiko Aho; Eny, efa nianiana tamin’ i Davida mpanompoko Aho hoe: | |
Psal | Mg1865 | 89:5 | Hampitoetra ny taranakao ho mandrakizay Aho Ka hanangana ny seza fiandriananao hatramin’ ny taranaka fara mandimby.” [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 89:6 | Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin’ ny fiangonan’ ny olo-masìna. | |
Psal | Mg1865 | 89:7 | Fa iza any an-danitra no mitovy amin’ i Jehovah? Ary iza amin’ ny zanak’ ireo andriamanitra no manahaka an’ i Jehovah, | |
Psal | Mg1865 | 89:8 | Dia Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin’ ny fiangonan’ ny olo-masiny Ary hajain’ izay rehetra manodidina Azy? | |
Psal | Mg1865 | 89:9 | Jehovah, Andriamanitry ny maro, ô, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny fahamarinanao. | |
Psal | Mg1865 | 89:10 | Hianao manapaka ny fisavoan’ ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao. | |
Psal | Mg1865 | 89:11 | Hianao nanorotoro an-dRahaba ho tahaka izay voavono; Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao. | |
Psal | Mg1865 | 89:12 | Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy. | |
Psal | Mg1865 | 89:13 | Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian’ i Tabara sy Hermona. | |
Psal | Mg1865 | 89:15 | Rariny sy fitsarana no fanorenan’ ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao. | |
Psal | Mg1865 | 89:16 | Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin’ ny fahazavan’ ny tavanao no handehanany. | |
Psal | Mg1865 | 89:18 | Fa voninahitry ny heriny Hianao; Ary amin’ ny fankasitrahanao no hisandratan’ ny tandrokay. | |
Psal | Mg1865 | 89:19 | Fa an’ i Jehovah ny ampinganay; Ary an’ ny Iray Masin’ ny Isiraely ny mpanjakanay. | |
Psal | Mg1865 | 89:20 | Tamin’ izany ny olonao masìna dia nilazanao tamin’ ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin’ izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy tamin’ ny olona. | |
Psal | Mg1865 | 89:24 | Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan’ ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy. | |
Psal | Mg1865 | 89:25 | Ny fahamarinako sy ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan’ ny tandrony. | |
Psal | Mg1865 | 89:26 | Dia hampitoetra ny tànany amin’ ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin’ ny ony. | |
Psal | Mg1865 | 89:28 | Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin’ ny mpanjakan’ ny tany. | |
Psal | Mg1865 | 89:29 | Hitahiry ny famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy. | |
Psal | Mg1865 | 89:30 | Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan’ ny lanitra. | |
Psal | Mg1865 | 89:36 | Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin’ ny fahamasinako, Tsy handainga amin’ i Davida mihitsy Aho: | |
Psal | Mg1865 | 89:37 | Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako; | |
Psal | Mg1865 | 89:38 | Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 89:40 | Efa nahafoana ny fanekena tamin’ ny mpanomponao Hianao; Efa nataonao ho fahavetavetana ny satro-boninahiny ka narianao teny an-tany. | |
Psal | Mg1865 | 89:42 | Izay rehetra mandalo eny an-dalana dia manimba azy; Efa fandà-tsan’ ny mpiray monina aminy izy. | |
Psal | Mg1865 | 89:43 | Efa nampisandratra ny tanana ankavanan’ ny rafilahiny Hianao Ary efa nampifaly ny fahavalony rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 89:44 | Efa nampihemotra ny lelan’ ny sabany Hianao Ka tsy nampaharitra azy tamin’ ny ady. | |
Psal | Mg1865 | 89:45 | Efa nampitsahatra ny voninahiny Hianao Ka nanongana ny seza fiandrianany ho amin’ ny tany. | |
Psal | Mg1865 | 89:46 | Efa nahafohy ny andron’ ny fahatanorany Hianao Ary efa nanaron-kenatra azy. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 89:47 | Mandra-pahoviana, Jehovah ô? Hiery mandrakizay va Hianao? Mirehitra tahaka ny afo va ny fahatezeranao? | |
Psal | Mg1865 | 89:48 | Tsarovy ny hafohin’ ny androko; Toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak’ olombelona rehetra! | |
Psal | Mg1865 | 89:49 | Iza no olona ho velona tsy hahita fahafatesana, Fa hamonjy ny fanahiny tsy ho azon’ ny tanan’ ny fiainan-tsi-hita? [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 89:50 | Tompo ô, aiza ny famindram-ponao fahiny, Izay nianiananao tamin’ i Davida tamin’ ny fahamarinanao? | |
Psal | Mg1865 | 89:51 | Tompo ô, tsarovy ny latsa manjo ny mpanomponao, Ny tratrako vesaran’ ny firenena rehetra, | |
Psal | Mg1865 | 89:52 | Dia ny nandatsan’ ny fahavalonao, Jehovah ô, Eny, ny nandatsany ny dian’ ny voahosotrao. | |
Chapter 90
Psal | Mg1865 | 90:2 | Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay. | |
Psal | Mg1865 | 90:3 | Mamerina ny olona ho amin’ ny vovoka Hianao Ka manao hoe: Miverena, ry zanak’ olombelona. | |
Psal | Mg1865 | 90:4 | Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon’ ny omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin’ ny alina. | |
Psal | Mg1865 | 90:5 | Manindao azy tahaka ny riaka Hianao torimaso izy; Amin’ ny maraina tahaka ny ahitra mora miova izy. | |
Psal | Mg1865 | 90:6 | Amin’ ny maraina mamony izy, nefa mora miova; Amin’ ny hariva voajinja izy ka maina. | |
Psal | Mg1865 | 90:8 | Ny helokay efa nataonao teo anatrehanao, Ary ny fahotanay miafina teo amin’ ny fahazavan’ ny tavanao. | |
Psal | Mg1865 | 90:9 | Fa ny androanay rehetra efa lasa amin’ ny fahatezeranao; Efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay. | |
Psal | Mg1865 | 90:10 | Fito-polo taona no andron’ ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay. | |
Psal | Mg1865 | 90:11 | Iza no mahafantatra ny herin’ ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao Araka izay tokony ho fahatahorana Anao? | |
Psal | Mg1865 | 90:14 | Vokiso ny famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin’ ny andro rehetra hiainanay. | |
Chapter 91
Psal | Mg1865 | 91:1 | Ny mitoetra ao amin’ ny fierena izay an’ ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin’ ny aloky ny Tsitoha. | |
Psal | Mg1865 | 91:2 | Izaho hilaza an’ i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako. | |
Psal | Mg1865 | 91:4 | Ny volon’ elany no anaronany anao, Ary ao ambanin’ ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany. | |
Psal | Mg1865 | 91:5 | Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro, | |
Psal | Mg1865 | 91:6 | Na ny areti-mandringana mandeha amin’ ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin’ ny mitataovovonana. | |
Psal | Mg1865 | 91:7 | Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany | |
Psal | Mg1865 | 91:9 | Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra, | |
Psal | Mg1865 | 91:11 | Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin’ izay rehetra halehanao. | |
Psal | Mg1865 | 91:12 | Eny an-tànany no hitondran’ ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin’ ny vato ny tongotrao. | |
Psal | Mg1865 | 91:13 | Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao; Ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao. | |
Psal | Mg1865 | 91:14 | Satria Izaho no niraiketan’ ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin’ ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy | |
Psal | Mg1865 | 91:15 | Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho. | |
Chapter 92
Psal | Mg1865 | 92:8 | Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, Ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, Dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay. | |
Psal | Mg1865 | 92:10 | Fa, indreo, ny fahavalonao, Jehovah ô, Fa, indreo, ringana ny fahavalonao; Mihahaka ny mpanao ratsy rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 92:11 | Fa ny tandroko kosa asandratrao ho tahaka ny an’ ny ombimanga; Mihosotra diloilo vaovao aho. | |
Psal | Mg1865 | 92:12 | Ary faly ny masoko mahita ny amin’ ny fahavaloko, Ary finaritra ny sofiko mandre ny amin’ ny ratsy fanahy izay efa mitsangana hamely ahy. | |
Psal | Mg1865 | 92:13 | Ny marina hamololona tahaka ny rofia; Hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy; | |
Psal | Mg1865 | 92:14 | Efa nambolena tao an-tranon’ i Jehovah izy Ka maniry eo an-kianjan’ Andriamanitsika; | |
Chapter 93
Psal | Mg1865 | 93:1 | Jehovah no Mpanjaka mitafy voninahitra Izy; Jehovah mitafy, eny, misikìna hery Izy; Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika. | |
Psal | Mg1865 | 93:2 | Ny seza fiandriananao nampitoerina hatramin’ ny fahagola; Hatrizay hatrizay Hianao. | |
Psal | Mg1865 | 93:3 | Mamandra-peo ny riaka, Jehovah ô, Eny, manandra-peo ny riaka; Mampirohondrohona ny feony ny riaka. | |
Psal | Mg1865 | 93:4 | Mihoatra noho ny rano sady be no mahery, Eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe, Ny voninahitr’ i Jehovah any amin’ ny avo. | |
Chapter 94
Psal | Mg1865 | 94:1 | Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata. | |
Psal | Mg1865 | 94:3 | Mandra-pahoviana re ny ratsy fanahy, Jehovah ô, Mandra-pahoviana re no mbola hifalifaly ny ratsy fanahy? | |
Psal | Mg1865 | 94:8 | Mahalalà ianareo olona ketrina; Ary ianareo adala, rahoviana re no mba ho hendry ianareo? | |
Psal | Mg1865 | 94:10 | Ny Mpampianatra ny jentilisa va tsy hananatra, Dia Izay mampianatra fahalalana ny olona? | |
Psal | Mg1865 | 94:13 | Mba homenao fitsaharana amin’ ny andro fahoriana izy, Mandra-pihady lavaka ho an’ ny ratsy fanahy. | |
Psal | Mg1865 | 94:15 | Fa ny fitsarana hiverina ho amin’ ny fahamarinana, Ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra | |
Psal | Mg1865 | 94:16 | Iza no hitsangana ho ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao meloka? | |
Psal | Mg1865 | 94:17 | Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin’ ny mangingina ny fanahiko. | |
Psal | Mg1865 | 94:18 | Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy. | |
Psal | Mg1865 | 94:20 | Hikambana aminao va ny seza fiandrianan’ ny ratsy, Izay misaina fampahoriana manohitra ny lalàna? | |
Chapter 95
Psal | Mg1865 | 95:1 | Avia, aoka isika hihoby ho an’ i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an’ ny Vatolampy famonjena antsika. | |
Psal | Mg1865 | 95:2 | Aoka hankeo anatrehany amin’ ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin’ ny fihirana isika. | |
Psal | Mg1865 | 95:3 | Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin’ ny andriamanitra rehetra Izy. | |
Psal | Mg1865 | 95:5 | Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin’ ny tànany. | |
Psal | Mg1865 | 95:6 | Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika handohalika eo anatrehan’ i Jehovah, Mpanao antsika; | |
Psal | Mg1865 | 95:7 | Fa Izy no Andriamanitsika; Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe: | |
Psal | Mg1865 | 95:8 | Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin’ ny andro tao Masa fony tany an-efitra, | |
Psal | Mg1865 | 95:9 | Izay nakan’ ny razanareo fanahy Ahy, Sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako. | |
Psal | Mg1865 | 95:10 | Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin’ izany taranaka izany, Ka hoy Izaho: Olona maniasia amin’ ny fony izy Ka tsy mahalala ny lalako; | |
Chapter 96
Psal | Mg1865 | 96:2 | Mihirà ho an’ i Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan’ andro isan’ andro ny famonjeny mahafaly. | |
Psal | Mg1865 | 96:3 | Ambarao any amin’ ny jentilisa ny voninahiny Ary any amin’ ny firenena rehetra ny fahagagana ataony. | |
Psal | Mg1865 | 96:4 | Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin’ ny Andriamanitra rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 96:6 | Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany; Hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin’ ny fitoerany masìna. | |
Psal | Mg1865 | 96:7 | Ry firenena, manomeza an’ i Jehovah, Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an i Jehovah. | |
Psal | Mg1865 | 96:8 | Manomeza an’ i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany. | |
Psal | Mg1865 | 96:9 | Miankohofa eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fihaingoana masìna; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 96:10 | Lazao any amin’ ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; Hitsara ny olona amin’ ny fahamarinana Izy. | |
Psal | Mg1865 | 96:11 | Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany; Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy. | |
Psal | Mg1865 | 96:12 | Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy; Dia hihoby amin’ izay ny hazo rehetra any an’ ala | |
Chapter 97
Psal | Mg1865 | 97:2 | Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan’ ny seza fiandrianany. | |
Psal | Mg1865 | 97:5 | Ny tendrombohitra miempo tahaka ny savoka eo anatrehan’ i Jehovah, Dia eo anatrehan’ ny Tompon’ ny tany rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 97:7 | Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin’ ny andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan’ i Jehovah ianareo andriamanitra rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 97:8 | Ziona mandre ka faly; Ary ravoravo ny zanakavavin’ i Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô. | |
Psal | Mg1865 | 97:9 | Fa Hianao, Jehovah ô, no avo indrindra ambonin’ ny tany rehetra; Efa avo ambonin’ ny andriamanitra rehetra Hianao. | |
Psal | Mg1865 | 97:10 | Hianareo izay tia an’ i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin’ ny olony masìna Izy Ary mamonjy azy amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy. | |
Chapter 98
Psal | Mg1865 | 98:1 | Mihirà fihiram-baovao ho an’ i Jehovah; Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masìna no nahavitany famonjena. | |
Psal | Mg1865 | 98:2 | Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny; Teo imason’ ny jentilisa no nanehoany ny fahamarinany. | |
Psal | Mg1865 | 98:3 | Efa nahatsiaro ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin’ ny taranak’ i Isiraely Izy; Efa nahita ny famonjen’ Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 98:6 | Amin’ ny trompetra sy ny fitsofana ny anjomara, Ka mihobia eo anatrehan’ i Jehovah Mpanjaka. | |
Psal | Mg1865 | 98:7 | Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. | |
Chapter 99
Psal | Mg1865 | 99:1 | Jehovah no Mpanjaka aoka hangovitra ny firenena; Mipetraka amin’ ny kerobima Izy, aoka hihorohoro ny tany. | |
Psal | Mg1865 | 99:4 | Ny herin’ ny mpanjaka dia tia rariny; Ampitoerinao ny fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana no ataonao eo amin’ i Jakoba. | |
Psal | Mg1865 | 99:5 | Manandrata an’ i Jehovah Andriamanitsika ianareo, Ka miankohofa eo amin’ ny fitoeran-tongony; Fa masìna Izy. | |
Psal | Mg1865 | 99:6 | Mosesy sy Arona tamin’ ny mpisorony, Ary Samoela tamin’ izay mpiantso ny anarany, Niantso an’ i Jehovah ireo, ary namaly: azy Izy. | |
Psal | Mg1865 | 99:7 | Niteny taminy tao anatin’ ny andri-rahona Izy; Nitandrina ny teni-vavolombelony izy ireo, Dia ny didy izay efa nomeny azy. | |
Psal | Mg1865 | 99:8 | Jehovah Andriamanitray ô, Hianao no namaly ny nataony; Andriamanitra, Mpamela ny helony, Hianao, Na dia namaly azy noho ny nataony aza. | |
Chapter 100
Psal | Mg1865 | 100:2 | Manompoa an’ i Jehovah amin’ ny fifaliana; Mankanesa eo anatrehany amin’ ny fihobiana. | |
Psal | Mg1865 | 100:3 | Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, Dia olony sy ondry fiandriny. | |
Psal | Mg1865 | 100:4 | Midìra eo amin’ ny vavahadiny amin’ ny fisaorana, Ary eo an-kianjany amin’ ny fiderana; Misaora Azy, mankalazà ny anarany, | |
Chapter 101
Psal | Mg1865 | 101:2 | Hitandrina ny lalana marina aho; Rahoviana no ho tonga atỳ amiko Hianao? Handeha amin’ ny fahitsian’ ny foko ao anatin’ ny tranoko aho. | |
Psal | Mg1865 | 101:3 | Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ ny masoko aho; Halako ny mivadika, Tsy hikambana amiko izany. | |
Psal | Mg1865 | 101:5 | Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po; | |
Psal | Mg1865 | 101:6 | Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin’ ny tany mba hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin’ ny lalana marina no hanompo ahy. | |
Psal | Mg1865 | 101:7 | Tsy mba hitoetra ao anatin’ ny tranoko izay manao fitaka; Tsy mba hijanona eo anoloan’ ny masoko izay milaza lainga. | |
Chapter 102
Psal | Mg1865 | 102:3 | Aza manafina ny tavanao amiko amin’ ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin’ ny andro itarainako dia faingàna hamaly ahy. | |
Psal | Mg1865 | 102:5 | Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza. | |
Psal | Mg1865 | 102:9 | Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana. | |
Psal | Mg1865 | 102:10 | Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko, | |
Psal | Mg1865 | 102:11 | Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray. | |
Psal | Mg1865 | 102:12 | Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho. | |
Psal | Mg1865 | 102:13 | Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby. | |
Psal | Mg1865 | 102:14 | Hianao hitsangana ka hamindra fo amin’ i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana. | |
Psal | Mg1865 | 102:16 | Hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany hatahotra ny voninahitrao; | |
Psal | Mg1865 | 102:19 | Hosoratana ho an’ ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an’ i Jehovah; | |
Psal | Mg1865 | 102:20 | Fa Izy nitazana tany amin’ ny fitoerany masìna any amin’ ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan’ i Jehovah ny tany, | |
Psal | Mg1865 | 102:25 | Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan’ ny androko; Ny taonanao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby. | |
Psal | Mg1865 | 102:27 | Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy; | |
Chapter 103
Psal | Mg1865 | 103:1 | Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masìna. | |
Psal | Mg1865 | 103:4 | Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao, | |
Psal | Mg1865 | 103:5 | Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an’ ny voromahery. | |
Psal | Mg1865 | 103:7 | Efa nampahafantatra an’ i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak’ Isiraely nampahafantariny ny asany. | |
Psal | Mg1865 | 103:10 | Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika. | |
Psal | Mg1865 | 103:11 | Fa tahaka ny hahavon’ ny lanitra ambonin’ ny tany No haben’ ny famindram-pony amin’ izay matahotra Azy. | |
Psal | Mg1865 | 103:12 | Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. | |
Psal | Mg1865 | 103:15 | Tahaka ny ahitra ny andron’ ny zanak’ olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny, | |
Psal | Mg1865 | 103:16 | Satria tsofin’ ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany. | |
Psal | Mg1865 | 103:17 | Fa ny famindram-pon’ i Jehovah dia hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’ izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin’ ny taranaka. | |
Psal | Mg1865 | 103:19 | Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao. | |
Psal | Mg1865 | 103:20 | Misaora an’ i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon’ ny teniny. | |
Psal | Mg1865 | 103:21 | Misaora an’ i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony. | |
Chapter 104
Psal | Mg1865 | 104:1 | Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao, | |
Psal | Mg1865 | 104:3 | Ary mametraka ny rairain-drihan’ ny tranony amin’ ny rano, Sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin’ ny elatry ny rivotra, | |
Psal | Mg1865 | 104:5 | Nanorina ny tany tambonin’ ny fanorenany Izy, Mba tsy hihetseha-ny mandrakizay doria. | |
Psal | Mg1865 | 104:6 | Ny rano lalina no nasaronao azy tahaka ny lamba; Nandifotra ny tendrombohitra aza ireny. | |
Psal | Mg1865 | 104:7 | Noho ny teny mafy nataonao dia nandositra ny tendrombohitra, Noho ny feon’ ny kotrokoranao dia nirifatra izy | |
Psal | Mg1865 | 104:8 | Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha ho any amin’ izay namboarinao hitoerany. | |
Psal | Mg1865 | 104:10 | Mampandeha loharano eny amin’ ny lohasaha Izy; Eny anelanelan’ ny tendrombohitra no alehan’ ireny, | |
Psal | Mg1865 | 104:12 | Eo amboniny no itoeran’ ny voro-manidina; Ary eo amin’ ny ran-tsan-kazo no anenoany. | |
Psal | Mg1865 | 104:13 | Manondra-drano ny tendrombohitra avy amin’ ny tranony ambony Izy; Ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany. | |
Psal | Mg1865 | 104:14 | Mampaniry ahitra ho an’ ny biby fiompy Izy Sy anana hahasoa ny olona. Ary mamoaka hanina avy amin’ ny tany. | |
Psal | Mg1865 | 104:15 | Ary divay izay mampifaly ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary mofo hanohanana ny ain’ ny olona. | |
Psal | Mg1865 | 104:17 | Izay anaovan’ ny voron-kely ny akaniny; Ary ny vano, dia ao amin’ ny kypreso no anaovany ny tranony. | |
Psal | Mg1865 | 104:18 | Ny tendrombohitra avo dia ho an’ ny osi-dia; Ny harambato no fiarovana ho an’ ny hyraka. | |
Psal | Mg1865 | 104:20 | Mahatonga aizina Hianao, dia tonga ny alina, Ka mivezivezy ny biby rehetra any an’ ala; | |
Psal | Mg1865 | 104:23 | Fa ny olona kosa mivoaka ho any amin’ ny taozavany, Sy ny asany mandra-paharivan’ ny andro. | |
Psal | Mg1865 | 104:24 | Endrey ny hamaroan’ ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany. | |
Psal | Mg1865 | 104:25 | Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe. | |
Psal | Mg1865 | 104:28 | Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy; | |
Psal | Mg1865 | 104:29 | Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin’ ny vovoka nanalana azy, | |
Psal | Mg1865 | 104:30 | Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin’ ny tany Hianao. | |
Psal | Mg1865 | 104:31 | Ho mandrakizay anie ny voninahitr’ i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin’ ny asany. | |
Psal | Mg1865 | 104:32 | Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren’ ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka. | |
Psal | Mg1865 | 104:33 | Hihira ho an’ i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an’ Andriamanitro aho, raha mbola miaina. | |
Chapter 105
Psal | Mg1865 | 105:1 | Miderà an’ i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any amin’ ny firenena ny asany. | |
Psal | Mg1865 | 105:3 | Ataovy ho reharehanareo ny anarany masìna; Aoka hifaly ny fon’ izay mitady an’ i Jehovah. | |
Psal | Mg1865 | 105:6 | Ry taranak’ i Abrahama mpanom-pony, Dia ianareo olom-boafidiny, taranak’ i Jakoba. | |
Psal | Mg1865 | 105:8 | Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an’ ny taranaka arivo mandimby, | |
Psal | Mg1865 | 105:10 | Izay naoriny ho lalana ho an’ i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an’ Isiraely, | |
Psal | Mg1865 | 105:11 | Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin’ ny famolaina, | |
Psal | Mg1865 | 105:13 | Ary nifindrafindra tany amin’ ny firenena, Sy nifindrafindra fanjakana ho amin’ ny firenen-kafa, | |
Psal | Mg1865 | 105:14 | Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin’ ireo hoe: | |
Psal | Mg1865 | 105:16 | Dia niantso ny mosary ho amin’ ny tany Izy; Notapahiny avokoa ny mofo rehetra, izay tohan’ aina; | |
Psal | Mg1865 | 105:19 | Mandra-pahatongan’ ny fotoana hahatanterahan’ ny teniny; Nizaha toetra azy ny tenin’ i Jehovah. | |
Psal | Mg1865 | 105:22 | Mba hamatotra ny mpanapaka araka ny sitrapony, Sy hampianatra fahendrena ny loholony. | |
Psal | Mg1865 | 105:24 | Dia nahamaro ny taranaky ny olony ho be indrindra Izy ka nampahery azy noho ny fahavalony. | |
Psal | Mg1865 | 105:27 | Ary izy ireo nanao ny famantarany teo aminy Sy fahagagana tany amin’ ny tanin’ i Hama. | |
Psal | Mg1865 | 105:30 | Nisy sahona betsaka ny taniny, Eny, na dia hatrao an-trano fandrian’ ny mpanjakany aza. | |
Psal | Mg1865 | 105:31 | Niteny Izy, dia tonga ny lalitra betsaka Sy ny moka teny amin’ ny faritaniny rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 105:32 | Nahatonga havandra ho solon’ ny ranonorana Izy Sy afo midedadeda teny amin’ ny taniny. | |
Psal | Mg1865 | 105:33 | Namely ny voalobony sy ny aviaviny Izy Ka nanapatapaka ny hazo teo amin’ ny taniny. | |
Psal | Mg1865 | 105:35 | Dia nihinana ny zava-maitso rehetra teny amin’ ny taniny ireny Ka nandany ny vokatry ny taniny. | |
Psal | Mg1865 | 105:36 | Ary namely ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny taniny Izy, Dia ny voalohan’ ainy rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 105:37 | Ary dia nitondra ny olony nivoaka Izy sady nampahazo azy volafotsy sy volamena; Ary tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza tamin’ ny fireneny. | |
Psal | Mg1865 | 105:40 | Nangataka izy ireo, dia nahatonga papelika Izy, Ary mofon-danitra no namokisany azy. | |
Psal | Mg1865 | 105:41 | Nanokatra ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin’ ny tany maina ho renirano. | |
Psal | Mg1865 | 105:43 | Dia nitondra ny olony nivoaka tamin’ ny fifaliana Izy Ary ny voafidiny tamin’ ny fihobiana; | |
Psal | Mg1865 | 105:44 | Ka dia nanome azy ny tanin’ ny jentilisa Izy; Ary nandova ny vitan’ ny firenena maro ireny, | |
Chapter 106
Psal | Mg1865 | 106:2 | Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon’ i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra? | |
Psal | Mg1865 | 106:4 | Jehovah ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; Vangio amin’ ny famonjenao aho, | |
Psal | Mg1865 | 106:5 | Hahitako ny soa azon’ ny voafidinao, Hifaliako amin’ ny fifalian’ ny firenenao, Hiravoravoako miaraka amin’ ny lovanao. | |
Psal | Mg1865 | 106:7 | Ny razanay tany Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny habetsahan’ ny famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo amoron’ ny Ranomasina Mena | |
Psal | Mg1865 | 106:8 | Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany, Mba hampahafantarany ny asany lehibe. | |
Psal | Mg1865 | 106:9 | Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny efitra Izy, | |
Psal | Mg1865 | 106:10 | Namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalo. | |
Psal | Mg1865 | 106:11 | Dia nosaronan’ ny rano kosa ny rafiny. Ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza. | |
Psal | Mg1865 | 106:14 | Fa fatra-pila izy tany an-efitra, Sady naka fanahy an’ Andriamanitra tany an-tany foana. | |
Psal | Mg1865 | 106:16 | Dia nialona an’ i Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an’ i Arona, olo-masin’ i Jehovah. | |
Psal | Mg1865 | 106:19 | Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan’ ny sarin-javatra an-idina. | |
Psal | Mg1865 | 106:22 | Dia fahagagana tany amin’ ny tanin’ i Hama sy zava-mahatahotra teo amin’ ny Ranomasina Mena. | |
Psal | Mg1865 | 106:23 | Ary nikasa handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin’ ny banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy. | |
Psal | Mg1865 | 106:27 | Ary ny taranany kosa any amin’ ny jentilisa, Ary hampihahakahaka azy any amin’ ny tany maro Izy. | |
Psal | Mg1865 | 106:29 | Dia nampahatezitra an’ i Jehovah tamin’ ny nataony, Ka dia namely azy tampoka ny areti-mandringana. | |
Psal | Mg1865 | 106:30 | Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana. | |
Psal | Mg1865 | 106:31 | Ary nisaina ho fahamarinany izany Hatramin’ ny taranaka fara mandimby mandrakizay. | |
Psal | Mg1865 | 106:32 | Nampahatezitra an’ i Jehovah teo anilan’ ny ranon’ i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an’ i Mosesy noho ny nataon’ ireo; | |
Psal | Mg1865 | 106:38 | Eny, nandatsaka rà marina izy, Dia ny ran’ ny zananilahy sy ny zananivavy, Izay novonoiny ho fanatitra ho an’ ny sampin’ i Kanana; Ka dia nametaveta ny tany tamin’ ny rà izy. | |
Psal | Mg1865 | 106:40 | Dia nirehitra tamin’ ny olony ny fahatezeran’ i Jehovah, Ka nataony ho zava-betaveta ny lovany. | |
Psal | Mg1865 | 106:41 | Dia nanolotra azy teo an-tànan’ ny jentilisa Izy, Ka izay nankahala azy no nanapaka azy. | |
Psal | Mg1865 | 106:43 | Matetika Izy no nahafaka azy; Fa ireo kosa niodina taminy ihany araka ny fisainany Ka nihalevona noho ny helony. | |
Psal | Mg1865 | 106:47 | Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin’ ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masìna Sy hifalianay amin’ ny fiderana Anao. | |
Chapter 107
Psal | Mg1865 | 107:2 | Aoka hanao izany ny navotan’ i Jehovah, Dia izay navotany ho afaka tamin’ ny tanan’ ny fahavalo, | |
Psal | Mg1865 | 107:3 | Sy nangoniny avy tany amin’ ny tany maro, Dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy tany amin’ ny ranomasina. | |
Psal | Mg1865 | 107:4 | Nirenireny tany an-efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, Ary tsy nahita tanàna honenana. | |
Psal | Mg1865 | 107:7 | Dia nitondra azy tamin’ ny lalana mahitsy Izy, Mba hankanesany any amin’ izay tanàna honenana. | |
Psal | Mg1865 | 107:8 | Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona! | |
Psal | Mg1865 | 107:10 | Izay nipetraka tao amin’ ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy vy, | |
Psal | Mg1865 | 107:11 | Satria nandà ny tenin’ Andriamanitra Sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra; | |
Psal | Mg1865 | 107:12 | Dia nampietreny tamin’ ny fahoriana ny fony; Ka potraka izy, nefa tsy nisy hamonjy; | |
Psal | Mg1865 | 107:13 | Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny. | |
Psal | Mg1865 | 107:14 | Nitondra azy nivoaka avy tao amin’ ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, Ary notosany ny fatorany. | |
Psal | Mg1865 | 107:15 | Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona! | |
Psal | Mg1865 | 107:18 | Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra; Ary nanakaiky ny vavahadin’ ny fahafatesana izy. | |
Psal | Mg1865 | 107:19 | Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny. | |
Psal | Mg1865 | 107:20 | Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin’ ny longoa nianjerany. | |
Psal | Mg1865 | 107:21 | Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona! | |
Psal | Mg1865 | 107:23 | Izay midìna any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo Sy manao raharaha any amin’ ny rano lehibe | |
Psal | Mg1865 | 107:26 | Niakatra hatramin’ ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin’ ny lalina; Ny fanahiny levona noho ny fahoriana. | |
Psal | Mg1865 | 107:28 | Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka nampiala azy tamin’ ny fahatereny Izy. | |
Psal | Mg1865 | 107:30 | Dia faly ireo, satria nitsahatra izany; Ary nentiny ho amin’ ny fitodiana niriny izy. | |
Psal | Mg1865 | 107:31 | Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona! | |
Psal | Mg1865 | 107:32 | Ary aoka hanandratra Azy eo amin’ ny fiangonan’ ny olona izy Ka hidera Azy eo amin’ ny fipetrahan’ ny loholona. | |
Psal | Mg1865 | 107:38 | Dia mitahy azy Izy mba hitomboany betsaka, Ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny. | |
Psal | Mg1865 | 107:40 | Mampidina fanamavoana amin’ ny mpanapaka Jehovah Ka mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana; | |
Psal | Mg1865 | 107:41 | Fa manandratra ny malahelo ho afa-pahoriana kosa Izy, Ka mahamaro mianakavy azy toy ny ondry andiany. | |
Psal | Mg1865 | 107:42 | Hahita izany ny marina ka ho faly; Fa hihombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra. | |
Chapter 108
Psal | Mg1865 | 108:4 | Hidera Anao eny amin’ ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin’ ny jentilisa. | |
Psal | Mg1865 | 108:5 | Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin’ ny rahona ny fahamarinanao. | |
Psal | Mg1865 | 108:6 | Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho etỳ ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao. | |
Psal | Mg1865 | 108:8 | Andriamanitra niteny tamin’ ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an’ i Sekema, Ary ny lohasahan’ i Sokota horefesiko; | |
Psal | Mg1865 | 108:10 | Tavindranoko fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin’ i Filistia ho hihobiako. | |
Psal | Mg1865 | 108:12 | Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin’ ny miaramilanay, Andriamanitra ô? | |
Chapter 109
Psal | Mg1865 | 109:2 | Fa nisoka-bava ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka hamely ahy; Niteny ahy tamin’ ny lela mandainga izy. | |
Psal | Mg1865 | 109:6 | Anendreo olona ratsy fanahy hanapaka azy; Ary aoka hisy mpanohitra hitsangana eo an-kavanany. | |
Psal | Mg1865 | 109:7 | Raha hotsaraina izy, dia aoka ho meloka, Ary aoka ny fivavahany ho tonga fahotana. | |
Psal | Mg1865 | 109:10 | Aoka hirenireny mangataka ny zanany, Ary aoka hiremby lavitra ny tranony efa rava izy. | |
Psal | Mg1865 | 109:11 | Aoka ny mpampanàna vola hamandrika izay rehetra ananany; Ary aoka ny olon-kafa hifaoka ny vokatry ny asany. | |
Psal | Mg1865 | 109:13 | Aoka ho fongora ny taranany; Ary aoka hovonoina amin’ ny taranaka mandimby ny anarany. | |
Psal | Mg1865 | 109:14 | Aoka hotsarovan’ i Jehovah ny helo-drainy; Ary aoka tsy hovonoina ny helo-dreniny. | |
Psal | Mg1865 | 109:15 | Aoka ho eo anatrehan’ i Jehovah mandrakariva izany, Ary hofoanany tsy ho eo ambonin’ ny tany anie ny fahatsiarovana azy. | |
Psal | Mg1865 | 109:16 | Satria tsy mba nahatsiaro hamindra fo izy, Fa nanenjika ny ory sy ny malahelo Ary ny reraka am-po mba hahafaty azy; | |
Psal | Mg1865 | 109:17 | Tia ozona izy, ka nanody azy izany; Tsy tia indrafo izy, ka nanalavitra azy izany. | |
Psal | Mg1865 | 109:18 | Nitafy ozona tahaka ny lambany izy, Ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany, Ary tao amin’ ny taolany tahaka ny diloilo; | |
Psal | Mg1865 | 109:19 | Dia aoka ho tahaka ny lamba itafiany izany, Ary ho fisikinana isikinany mandrakariva. | |
Psal | Mg1865 | 109:20 | Izany no famaliana avy amin’ i Jehovah ho an’ ny mpanohitra ahy, Dia izay manendrikendrika ahy. | |
Psal | Mg1865 | 109:21 | Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, miasà ho ahy noho ny anaranao; Vonjeo aho, fa tsara ny famindram-ponao. | |
Psal | Mg1865 | 109:24 | Efa malemy ny lohaliko noho ny fifadian-kanina; Ary efa mihena ny hatavin’ ny nofoko. | |
Psal | Mg1865 | 109:28 | Manozona izy ireo, fa Hianao kosa mitahy; Mitsanga-menatra izy, fa mifaly kosa ny mpanomponao. | |
Psal | Mg1865 | 109:30 | Hidera an’ i Jehovah indrindra amin’ ny vavako aho; Eny, eo amin’ ny olona maro no hiderako Azy. | |
Chapter 110
Psal | Mg1865 | 110:1 | Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao. | |
Psal | Mg1865 | 110:2 | Ny tehin’ ny herinao Havoak’ i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin’ ny fahavalonao Hianao. | |
Psal | Mg1865 | 110:3 | Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ ny andro anafihanao; Amin’ ny fihaingoana masìna, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao. | |
Psal | Mg1865 | 110:4 | Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka. | |
Psal | Mg1865 | 110:5 | Ny Tompo eo an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin’ ny andron’ ny fahatezerany | |
Psal | Mg1865 | 110:6 | Hitsara any amin’ ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; Handripaka loholona any amin’ ny tany malalaka Izy. | |
Chapter 111
Psal | Mg1865 | 111:1 | Haleloia. Hidera an’ i Jehovah amin’ ny foko rehetra aho, Eo amin’ ny fivorian’ ny marina sy ny fiangonan-dehibe. | |
Psal | Mg1865 | 111:4 | Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah. | |
Psal | Mg1865 | 111:6 | Ny herin’ ny asany nasehony tamin’ ny olony. Tamin’ ny nanomezany azy ny lovan’ ny jentilisa. | |
Psal | Mg1865 | 111:7 | Ny asan’ ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra; | |
Psal | Mg1865 | 111:8 | Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin’ ny fahamarinana sy ny fahitsiana. | |
Psal | Mg1865 | 111:9 | Manatitra fanavotana ho an’ ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masìna sy mahatahotra ny anarany. | |
Chapter 112
Psal | Mg1865 | 112:1 | Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an’ i Jehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra. | |
Psal | Mg1865 | 112:4 | Ao amin’ ny maizina no iposahan’ ny mazava ho an’ ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary marina ireny. | |
Psal | Mg1865 | 112:5 | Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy. | |
Psal | Mg1865 | 112:8 | Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin’ ny mpandrafy azy. | |
Psal | Mg1865 | 112:9 | Namafy izy, eny, nanome ho an’ ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony. | |
Chapter 113
Psal | Mg1865 | 113:3 | Hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany No hoderaina anie ny anaran’ i Jehovah. | |
Psal | Mg1865 | 113:7 | Manangana ny malahelo hiala amin’ ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ ny zezika, | |
Chapter 114
Psal | Mg1865 | 114:1 | Fony nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, Dia ny taranak’ i Jakoba avy tany amin’ ny firenena hafa fiteny, | |
Psal | Mg1865 | 114:4 | Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy, Ary ny havoana tahaka ny zanak’ ondry. | |
Psal | Mg1865 | 114:5 | Inona izato mahazo anao, ry ranomasina, no mandositra ianao? Ary ianao, ry Jordana, no miorika ianao? | |
Psal | Mg1865 | 114:6 | Ary ianareo tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy; Ary ianareo havoana, tahaka ny zanak’ ondry? | |
Psal | Mg1865 | 114:7 | Mihorohoroa eo anatrehan’ ny Tompo, ry tany, Dia eo anatrehan’ Andriamanitr’ i Jakoba. | |
Chapter 115
Psal | Mg1865 | 115:1 | Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao. | |
Psal | Mg1865 | 115:7 | Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany. | |
Psal | Mg1865 | 115:11 | Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy. | |
Psal | Mg1865 | 115:12 | Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak’ i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak’ i Arona Izy; | |
Chapter 116
Psal | Mg1865 | 116:2 | Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa. | |
Psal | Mg1865 | 116:3 | Nihodidina tamiko ny famatoran’ ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian’ ny fiainan-tsi-hita; Nahita fahoriana sy alahelo aho. | |
Psal | Mg1865 | 116:4 | Dia niantso ny anaran’ i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko. | |
Psal | Mg1865 | 116:8 | Dia namonjy ny fanahiko tamin’ ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin’ ny ranomaso Ary ny tongotro tamin’ ny fahatafintohinana. | |
Psal | Mg1865 | 116:16 | Indrisy! Jehovah ô, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha ny fatorako Hianao. | |
Chapter 117
Chapter 118
Psal | Mg1865 | 118:5 | Tao an-katerena no niantsoako an’ i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy. | |
Psal | Mg1865 | 118:6 | Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ ny olona atao amiko? | |
Psal | Mg1865 | 118:7 | Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin’ izay mankahala ahy. | |
Psal | Mg1865 | 118:10 | Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa; | |
Psal | Mg1865 | 118:11 | Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa. | |
Psal | Mg1865 | 118:12 | Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa. | |
Psal | Mg1865 | 118:15 | Ao an-dain’ ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery; | |
Psal | Mg1865 | 118:16 | Ny tanana ankavanan’ i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery. | |
Psal | Mg1865 | 118:26 | Hotahina anie izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah; Avy ao an-tranon’ i Jehovah no itsofanay rano anareo. | |
Psal | Mg1865 | 118:27 | Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin’ ny tandroky ny alitara aza. | |
Psal | Mg1865 | 118:28 | Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho. | |
Chapter 119
Psal | Mg1865 | 119:9 | Inona no hiarovan’ ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao. | |
Psal | Mg1865 | 119:10 | Tamin’ ny foko rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin’ ny didinao aho. | |
Psal | Mg1865 | 119:14 | Ny lalan’ ny teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin’ ny harena rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 119:21 | Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin’ ny didinao. | |
Psal | Mg1865 | 119:22 | Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho. | |
Psal | Mg1865 | 119:23 | Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao. | |
Psal | Mg1865 | 119:31 | Mifikitra amin’ ny teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho; | |
Psal | Mg1865 | 119:33 | Jehovah ô, toroy ny lalan’ ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin’ ny farany izany. | |
Psal | Mg1865 | 119:34 | Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin’ ny foko rehetra aho. | |
Psal | Mg1865 | 119:36 | Amporisiho ny foko ho amin’ ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin’ ny fieremana. | |
Psal | Mg1865 | 119:41 | Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao. | |
Psal | Mg1865 | 119:43 | Ary aza dia esorina amin’ ny vavako ny teny marina; Fa miandry ny fitsaranao aho. | |
Psal | Mg1865 | 119:48 | Hasandratro ny tanako ho amin’ ny didinao satria tiako ireny: Hosaintsainiko ny didinao. | |
Psal | Mg1865 | 119:52 | Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin’ ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho. | |
Psal | Mg1865 | 119:53 | Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy Noho ny amin’ ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao. | |
Psal | Mg1865 | 119:61 | Nihodidina tamiko ny famato-ran’ ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho. | |
Psal | Mg1865 | 119:67 | Fony tsy mbola azom-pahoriana aho, dia naniasia; Fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho. | |
Psal | Mg1865 | 119:69 | Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; Amin’ ny foko rehetra no itandremako ny didinao. | |
Psal | Mg1865 | 119:72 | Ny lalàn’ ny vavanao no mahatsara ahy Mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo. | |
Psal | Mg1865 | 119:75 | Fantatro, Jehovah ô, fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy. | |
Psal | Mg1865 | 119:76 | Ny famindram-ponao anie no hampiononana ahy Araka ny teninao tamin’ ny mpanomponao. | |
Psal | Mg1865 | 119:77 | Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako. | |
Psal | Mg1865 | 119:78 | Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; Izaho hisaintsaina ny didinao. | |
Psal | Mg1865 | 119:80 | Aoka ho marina tsara ny foko amin’ ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho. | |
Psal | Mg1865 | 119:82 | Pahina ny masoko miandry ny teninao, Ka hoy izaho: Rahoviana no hampionona ahy Hianao? | |
Psal | Mg1865 | 119:83 | Fa tahaka ny siny hoditra ao amin’ ny setroka aho. Nefa ny didinao tsy mba hadinoiko. | |
Psal | Mg1865 | 119:84 | Hoatrinona no andron’ ny mpanomponao? Rahoviana no hanao fitsarana amin’ izay manenjika ahy Hianao? | |
Psal | Mg1865 | 119:88 | Velomy aho araka ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao aho. | |
Psal | Mg1865 | 119:90 | Hihatra amin’ ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy. | |
Psal | Mg1865 | 119:91 | Hanefa ny fitsaranao no itoerany mandraka androany; Fa mpanomponao ny zavatra rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 119:95 | Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hahafaty ahy; Mandinika ny teni-vavolombelonao aho | |
Psal | Mg1865 | 119:96 | Efa hitako fa manam-pahataperana avokoa ny tanteraka rehetra; Malalaka indrindra ny didinao. | |
Psal | Mg1865 | 119:98 | Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny. | |
Psal | Mg1865 | 119:99 | Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako. | |
Psal | Mg1865 | 119:101 | Efa narovako ny tongotro tsy ho amin’ izay lalàn-dratsy, Mba hitandremako ny teninao. | |
Psal | Mg1865 | 119:103 | Endrey ny hamamin’ ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza! | |
Psal | Mg1865 | 119:104 | Ny didinao no nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 119:108 | Jehovah ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao. | |
Psal | Mg1865 | 119:110 | Ny ratsy fanahy mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin’ ny didinao aho. | |
Psal | Mg1865 | 119:111 | Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian’ ny foko izany. | |
Psal | Mg1865 | 119:116 | Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, Ary aoka tsy ho menatra amin’ ny fanantenako aho. | |
Psal | Mg1865 | 119:118 | Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny laingany. | |
Psal | Mg1865 | 119:119 | Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany; Izany no itiavako ny teni-vavolombelonao. | |
Psal | Mg1865 | 119:121 | Manaraka ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; Aza manolotra ahy ho amin’ ny mpampahory ahy. | |
Psal | Mg1865 | 119:124 | Ataovy amin’ ny mpanomponao araka ny famindram-ponao; Ary ampianaro ahy ny didinao. | |
Psal | Mg1865 | 119:126 | Efa andro tokony hampisehoan’ i Jehovah ny heriny izao; Fa nandika ny lalànao ny olona. | |
Psal | Mg1865 | 119:127 | Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena, Eny, noho ny tena volamena aza. | |
Psal | Mg1865 | 119:128 | Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra; | |
Psal | Mg1865 | 119:130 | Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an’ ny kely saina. | |
Psal | Mg1865 | 119:132 | Todiho aho, ka mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran’ izay tia ny anaranao. | |
Psal | Mg1865 | 119:133 | Ampitoero eo amin’ ny teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana. | |
Psal | Mg1865 | 119:136 | Rano mandriaka no mijononoka amin’ ny masoko Noho ny tsi-fitandreman’ ny olona ny lalànao. | |
Psal | Mg1865 | 119:138 | Efa voadidinao amin’ ny fahamarinana Sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao. | |
Psal | Mg1865 | 119:139 | Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy. | |
Psal | Mg1865 | 119:144 | Ny fahamarinan’ ny teni-vavolombelonao dia mandrakizay; Ampianaro aho, mba ho velona. | |
Psal | Mg1865 | 119:145 | Ny foko rehetra no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, Jehovah ô; Ny didinao no hotandremako; | |
Psal | Mg1865 | 119:147 | Raha mbola tsy nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako. | |
Psal | Mg1865 | 119:149 | Henoy ny feoko araka ny famindram-ponao, Jehovah ô, Velomy aho araka ny fitsipikao. | |
Psal | Mg1865 | 119:152 | Efa fantatro ela tamin’ ny teni-vavolombelonao Fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny. | |
Psal | Mg1865 | 119:157 | Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; Tsy mba niala tamin’ ny teni-vavolombelonao aho. | |
Psal | Mg1865 | 119:158 | Mijery ny mpivadika aho, ka maharikoriko ahy ireny, Dia izay tsy nitandrina ny teninao. | |
Psal | Mg1865 | 119:160 | Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 119:161 | Na dia ny mpanapaka aza dia nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana; Nefa ny teninao no atahoran’ ny foko. | |
Psal | Mg1865 | 119:168 | Mitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao aho; Fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao. | |
Psal | Mg1865 | 119:169 | Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, Jehovah ô; Ampianaro aho araka ny teninao. | |
Psal | Mg1865 | 119:175 | Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao; Ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao. | |
Chapter 120
Psal | Mg1865 | 120:2 | Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin’ ny molotra mandainga, Eny, amin’ ny lela mamitaka | |
Psal | Mg1865 | 120:5 | Lozako, fa mivahiny eto amin’ ny Maseka aho Ary mitoetra ato an-dain’ ny Kedarita! | |
Chapter 121
Psal | Mg1865 | 121:3 | Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. | |
Chapter 122
Psal | Mg1865 | 122:4 | Any no iakaran’ ny firenena, Dia ireo firenen’ i Jehovah (Lalàna amin’ ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran’ i Jehovah. | |
Psal | Mg1865 | 122:5 | Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan’ ny mpianakavin’ i Davida. | |
Chapter 123
Psal | Mg1865 | 123:2 | Indro, toy ny fijerin’ ny ankizilahy Ny tanan’ ny tompolahiny, Ary toy ny fijerin’ ny ankizivavy Ny tanan’ ny tompovaviny, No fijerintsika an’ i Jehovah Andriamanitsika, Mandra-pamindra fony amintsika. | |
Psal | Mg1865 | 123:3 | Mamindrà fo aminay, Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Fa tototry ny fanamavoana loatra izahay; | |
Chapter 124
Psal | Mg1865 | 124:7 | Ny fanahintsika dia efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin’ ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika, ka afaka isika. | |
Chapter 125
Psal | Mg1865 | 125:1 | Izay matoky an’ i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika, fa mitoetra mandrakizay. | |
Psal | Mg1865 | 125:2 | Tahaka ny tendrombohitra manodidina an’ i Jerosalema No anodidinan’ i Jehovah ny olony Hatramin’ izao ka ho mandrakizay | |
Psal | Mg1865 | 125:3 | Fa tsy hitoetra eo amin’ ny anjaran’ ny marina ny tehim-panjakan’ ny ratsy fanahy, Fandrao ny marina haninjitra ny tànany hanendry zava-dratsy. | |
Chapter 126
Psal | Mg1865 | 126:1 | Fony Jehovah nampody an’ i Ziona avy tamin’ ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika. | |
Psal | Mg1865 | 126:2 | Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin’ ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon’ i Jehovah ho an’ ireny. | |
Psal | Mg1865 | 126:4 | Tanteraho, Jehovah ô, ny ham-podiana anay avy amin’ ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan’ ny riaka any amin’ ny tany atsimo. | |
Chapter 127
Psal | Mg1865 | 127:1 | Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, Dia miari-tory foana ny mpiambina. | |
Psal | Mg1865 | 127:2 | Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin’ ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an’ ny malalany, na dia matory aza izy. | |
Chapter 128
Psal | Mg1865 | 128:3 | Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin’ ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak’ oliva Manodidina ny latabatrao. | |
Psal | Mg1865 | 128:5 | Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan’ i Jerosalema anie ianao Amin’ ny andro rehetra hiainanao. | |
Chapter 129
Psal | Mg1865 | 129:1 | Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora, Eny, aoka hataon’ ny Isiraely hoe: | |
Psal | Mg1865 | 129:2 | Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora; Nefa tsy naharesy ahy izy. | |
Psal | Mg1865 | 129:6 | Ka ho tahaka ny ahitra eo an-tampon-trano. Izay malazo, na dia tsy misy manongotra azy aza; | |
Chapter 130
Psal | Mg1865 | 130:5 | Niandry an’ i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako. | |
Psal | Mg1865 | 130:6 | Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina. | |
Psal | Mg1865 | 130:7 | Manantenà an’ i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin’ i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be; | |
Chapter 131
Psal | Mg1865 | 131:1 | Jehovah ô, tsy nirehareha ny foko, ary tsy niandranandrana ny masoko: Ary tsy nisaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, Na izay saro-pantarina tsy takatro. | |
Psal | Mg1865 | 131:2 | Fa nampionona sy nampangina ny fanahiko aho; Tahaka ny zaza efa maoty eo amin-dreniny. Dia tahaka Izany ny fanahiko ato anatiko. | |
Chapter 132
Psal | Mg1865 | 132:5 | Mandra-pahitako fitoerana ho an’ i Jehovah. Dia fonenana ho an’ ny Maherin’ i Jakoba. | |
Psal | Mg1865 | 132:6 | Indro, nandre azy tany Efrata isika; Nahita azy tao amin’ ny saha anaty ala isika. | |
Psal | Mg1865 | 132:7 | Aoka hiditra any amin’ ny fonenany isika Ka hivavaka eo amin’ ny fitoeran-tongony. | |
Psal | Mg1865 | 132:8 | Mitsangàna, Jehovah ô, ho amin’ ny fitsaharanao, Dia Hianao sy ny fiaran’ ny herinao. | |
Psal | Mg1865 | 132:10 | Noho ny amin’ i Davida mpanomponao Dia aza mampiala maina ny tavan’ ny voahosotrao. | |
Psal | Mg1865 | 132:11 | Jehovah efa nianiana tamin’ i Davida, Ary marina izany ka tsy hitsoahany Ny ateraky ny kibonao no hapetrako eo ambonin’ ny seza fiandriananao. | |
Psal | Mg1865 | 132:12 | Raha hotandreman’ ny zanakao ny fanekeko Sy ny teny vavolombeloko izay hampianariko azy, Dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandriananao mandrakizay doria kosa ny zanany. | |
Psal | Mg1865 | 132:14 | Ity, hoy Izy, no fitsaharako mandrakizay doria; Eto no honenako, fa efa niriko ity. | |
Psal | Mg1865 | 132:17 | Ao no hampitsimohako tandroka ho an’ i Davida Sy hanamboarako jiro ho an’ ny voahosotro. | |
Chapter 133
Psal | Mg1865 | 133:2 | Tahaka ny diloilo tsara amin’ ny loha, Izay mitsororoka amin’ ny somotra, dia ny somotr’ i Arona, Izay mitsororoka amin’ ny moron-tongotr’ akanjony; | |
Chapter 134
Psal | Mg1865 | 134:1 | Andeha, misaora an’ i Jehovah, ianareo rehetra mpanompon’ i Jehovah, Izay mitoetra alina ao an-tranon’ i Jehovah. | |
Chapter 135
Psal | Mg1865 | 135:2 | Hianareo izay mpitoetra ao an-tranon’ i Jehovah, Eo anatin’ ny kianjan’ ny tranon’ Andriamanitsika. | |
Psal | Mg1865 | 135:5 | Fa fantatro fa lehibe Jehovah, Ary ambonin’ ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika. | |
Psal | Mg1865 | 135:6 | Manao izay sitrapony rehetra Jehovah, Na any amin’ ny lanitra, na etỳ ambonin’ ny tany, Na any amin’ ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 135:7 | Mampiakatra zavona avy amin’ ny faran’ ny tany Izy; Manao helatra arahin-dranonorana Izy; Mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy, | |
Psal | Mg1865 | 135:9 | Nanatitra famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, Eny, tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra, | |
Psal | Mg1865 | 135:11 | Dia Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, Sy Oga, mpanjakan’ i Basana, Ary ny fanjakan’ i Kanana rehetra; | |
Psal | Mg1865 | 135:13 | Jehovah ô, mandrakizay ny anaranao; Jehovah ô, hihatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fahatsiarovana Anao. | |
Psal | Mg1865 | 135:19 | Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ Isiraely; Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ i Arona; | |
Psal | Mg1865 | 135:20 | Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ i Levy; Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, misaora an’ i Jehovah. | |
Chapter 136
Psal | Mg1865 | 136:9 | Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | |
Psal | Mg1865 | 136:11 | Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | |
Psal | Mg1865 | 136:12 | Tamin’ ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | |
Psal | Mg1865 | 136:14 | Ka nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | |
Psal | Mg1865 | 136:15 | Fa nanary an’ i Farao sy ny miaramilany tao anatin’ ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | |
Psal | Mg1865 | 136:23 | Izay nahatsiaro antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | |
Psal | Mg1865 | 136:24 | Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin’ ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | |
Chapter 137
Psal | Mg1865 | 137:1 | Teo amoron’ ny onin’ i Babylona no nipetrahanay, Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an’ i Ziona. | |
Psal | Mg1865 | 137:3 | Fa teo dia nangataka anay hihira izay namabo anay; Ary izay nampahory anay nangataka anay hanao fifaliana ka nanao hoe: Manaova hiran’ i Ziona eto anatrehanay. | |
Psal | Mg1865 | 137:4 | Nefa ho nataontsika ahoana no fihira ny fihiran’ i Jehovah Tany an-tany nivahiniana? | |
Psal | Mg1865 | 137:5 | Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô, Aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino. | |
Psal | Mg1865 | 137:6 | Raha tsy mahatsiaro anao aho, Aoka ny lelako hiraikitra amin’ ny lanilaniko, Raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin’ ny fifaliako rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 137:7 | Jehovah ô, tsarovy amin’ ny taranak’ i Edoma Ny andron’ i Jerosalema, Dia ireo izay nanao hoe: Ravao, ravao izy Hatramin’ ny fanorenany. | |
Psal | Mg1865 | 137:8 | Ry Babylona zanakavavy izay efa resy, Sambatra izay mamaly anao Araka izay nataonao taminay. | |
Chapter 138
Psal | Mg1865 | 138:1 | Hidera Anao amin’ ny foko rehetra aho; Eo anatrehan’ ireo andriamanitra no hankalazako Anao. | |
Psal | Mg1865 | 138:2 | Hivavaka manandrify ny tempolinao masìna aho Ka hidera ny anaranao noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao; Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin’ ny anaranao rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 138:3 | Tamin’ ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko. | |
Psal | Mg1865 | 138:4 | Jehovah ô, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany, Fa handre ny tenin’ ny vavanao izy. | |
Psal | Mg1865 | 138:6 | Fa na dia avo aza Jehovah dia mijery ny ambany toetra, Ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny. | |
Psal | Mg1865 | 138:7 | Na dia handeha eo amin’ ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Hianao; Haninjitra ny tananao hanohitra ny fahatezeran’ ny fahavaloko Hianao Ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana. | |
Chapter 139
Psal | Mg1865 | 139:2 | Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. | |
Psal | Mg1865 | 139:3 | Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 139:5 | Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Hianao, Ary apetrakao amiko ny tananao. | |
Psal | Mg1865 | 139:8 | Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao. | |
Psal | Mg1865 | 139:9 | Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, Mba hitoetra any am-paran’ ny ranomasina, | |
Psal | Mg1865 | 139:10 | Dia mbola entin’ ny tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin’ ny tananao ankavanana. | |
Psal | Mg1865 | 139:11 | Ary na dia hoy izaho aza: Aoka ny maizina hanarona ahy, Ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina, | |
Psal | Mg1865 | 139:12 | Tsia, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao; Fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, Ka sahala ny mazava sy ny maizina. | |
Psal | Mg1865 | 139:14 | Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. | |
Psal | Mg1865 | 139:15 | Ny tenako tsy niafina taminao, Fony natao tao amin’ ny miafina aho, Ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ ny tany. | |
Psal | Mg1865 | 139:16 | Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; Voasoratra teo amin’ ny bokinao avokoa ny andro voatendry, Fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza. | |
Psal | Mg1865 | 139:17 | Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ ny isany! | |
Psal | Mg1865 | 139:18 | Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy; Raha mifoha aho, dia mbola aminao ihany. | |
Psal | Mg1865 | 139:19 | Haringanao mihitsy ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô, Ary mialà amiko, ianareo mpandatsa-drà. | |
Psal | Mg1865 | 139:20 | Dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah ô, Eny, ny fahavalonao izay manonona Anao foana. | |
Psal | Mg1865 | 139:21 | Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, Sy ho tezitra amin’ izay mitsangana hanohitra Anao? | |
Psal | Mg1865 | 139:23 | Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro; | |
Chapter 140
Psal | Mg1865 | 140:4 | Mandranitra ny lelany tahaka ny bibilava izy, Ny poizin’ ny menarana no ao ambanin’ ny molony. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 140:5 | Jehovah ô, vonjeo amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy aho, Ary arovy amin’ ny olon-dozabe, Izay efa nihevitra handronjina ahy ho potraka. | |
Psal | Mg1865 | 140:6 | Ny mpiavonavona efa nanafina fandrika sy kofehy hamandrihany ahy; Efa namela-pandrika harato teo amoron-dalana izy; Nametraka tadivavarana hahazoany ahy izy. | |
Psal | Mg1865 | 140:7 | Hoy izaho tamin’ i Jehovah Andriamanitro Hianao; Henoy ny feon’ ny fifonako, Jehovah ô! | |
Psal | Mg1865 | 140:8 | Jehovah, Tompo ô, ry Herin’ ny famonjena ahy, Manarona ny lohako amin’ ny andro fiadiana Hianao. | |
Psal | Mg1865 | 140:9 | Jehovah ô, aza manome ny irin’ ny ratsy fanahy; Ary aza avela ho tanteraka ny hevi-dratsiny, fandrao hisandratra izy. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 140:11 | Aoka hisy vain’ afo halatsaka aminy; Aoka hariana any anaty afo izy, na any amin’ ny rano lalina, ka tsy hiarina intsony. | |
Psal | Mg1865 | 140:12 | Tsy hampitoerina amin’ ny tany ny olo-mahay vava; Henjehin-doza ny olon-dozabe ka ho lavo. | |
Psal | Mg1865 | 140:13 | Fantatro fa Jehovah no handahatra ny tenin’ ny mahantra Sady hanome rariny ho an’ ny malahelo. | |
Chapter 141
Psal | Mg1865 | 141:1 | Jehovah ô, mitaraina aminao aho, faingàna hankatỳ amiko; Henoy ny feoko amin’ ny fiantsoako Anao. | |
Psal | Mg1865 | 141:2 | Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako, Ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tanako. | |
Psal | Mg1865 | 141:3 | Jehovah ô, asio fiambenana eo anoloan’ ny vavako; Ambeno ny varavaran’ ny molotro. | |
Psal | Mg1865 | 141:4 | Aza avela hirona ho amin’ ny zava-dratsy ny foko, Hiray raharaha amin’ ny olona mpanao ratsy hanao izay asa tsy mety; Ary aoka tsy hihinana ny zava-piny aho. | |
Psal | Mg1865 | 141:5 | Aoka ny marina hamely ahy amin’ ny fahalemen-panahy ka hananatra ahy, Fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handà izany ny lohako; Fa ny hany heriko dia ny mbola hivavaka ihany noho ny faharatsian’ ireny. | |
Psal | Mg1865 | 141:6 | Havarina amin’ ny hantsam-bato ny mpitsara azy, Dia hankasitraka ny teniko ny olona. | |
Psal | Mg1865 | 141:7 | Toy ny fiasa sy ny fihevo ny tany No nanelezana ny taolanay teo am-bavan’ ny fiainan-tsi-hita. | |
Psal | Mg1865 | 141:8 | Fa Hianao no andrandrain’ ny masoko, Jehovah Tompo ô; Hianao no ialofako, aza mandatsaka ny aiko. | |
Psal | Mg1865 | 141:9 | Arovy aho amin’ ny fandrika amandrihany ahy Sy amin’ ny tadivavaran’ ny mpanao ratsy. | |
Chapter 142
Psal | Mg1865 | 142:4 | Raha reraka ato anatiko ny fanahiko, dia fantatro ny alehako; Eo amin’ ny lalana izorako No nanafenany fandrika hamandrihany ahy. | |
Psal | Mg1865 | 142:5 | Jereo eo ankavanana, ka izahao, Fa tsy misy olona mahalala ahy; Foana avokoa ny fiarovana ahy; Tsy misy miahy ny fanahiko. | |
Psal | Mg1865 | 142:6 | Mitaraina aminao aho, Jehovah ô; Hoy izaho: Hianao no aroko Sy anjarako eo amin’ ny tanin’ ny velona. | |
Psal | Mg1865 | 142:7 | Henoy ny fitarainako, Fa reraka indrindra aho; Vonjeo aho amin’ ny mpanenjika ahy, Fa tsy leoko ireny. | |
Chapter 143
Psal | Mg1865 | 143:1 | Jehovah ô, henoy ny fivavako, ary atongilano amin’ ny fifonako ny sofinao; Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao. | |
Psal | Mg1865 | 143:2 | Ary aza dia mifandahatra amin’ ny mpanomponao eo am-pitsarana; Fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao. | |
Psal | Mg1865 | 143:3 | Fa nanenjika ny fanahiko ny fahavalo; Namely ny aiko ho lavo tamin’ ny tany izy: Nampitoeriny tao amin’ ny maizina aho, toy izay efa maty ela. | |
Psal | Mg1865 | 143:5 | Mahatsiaro ny andro fahiny ho Ary misaina ny asanao rehetra; Ny asan’ ny tananao no eritreretiko. | |
Psal | Mg1865 | 143:6 | Mananty tanana aminao aho; Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao. [Sela.] | |
Psal | Mg1865 | 143:7 | Faingàna hamaly ahy, Jehovah ô, fa reraka ny fanahiko; Aza manafina ny tavanao amiko, Fandrao ho tahaka izay midìna any am-pasana aho. | |
Psal | Mg1865 | 143:8 | Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko. | |
Psal | Mg1865 | 143:10 | Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’ izay tany marina. | |
Psal | Mg1865 | 143:11 | Noho ny anaranao, Jehovah ô, velomy aho; Araka ny fahamarinanao avoahy ny fanahiko ho afaka amin’ ny fahoriana. | |
Chapter 144
Psal | Mg1865 | 144:1 | Isaorana anie Jehovah Vatolampiko, Izay mampianatra ny tanako hamely Sy ny rantsan-tanako hiady, | |
Psal | Mg1865 | 144:2 | Izay Mpiantra sy batery fiarovana ho ahy sady fiarovana avo sy Mpanafaka ahy, Ary ampingako sy fialofako, Izay mahafolaka ny vahoakako hanoa ahy | |
Psal | Mg1865 | 144:3 | Jehovah ô, inona ny olona, no iahianao azy? Ary ny zanak’ olombelona, no iheveranao azy? | |
Psal | Mg1865 | 144:5 | Jehovah ô, aondreho ny lanitrao, ka midìna; Tendreo ny tendrombohitra, dia hidonaka ireny. | |
Psal | Mg1865 | 144:6 | Ampitselatselaro ny helatra, ka ampielezo ireo; Alefao ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireo; | |
Psal | Mg1865 | 144:7 | Ahinjiro avy any ambony ny tananao; Afaho aho, ka vonjeo amin’ ny rano be, Dia amin’ ny tanan’ ny hafa firenena, | |
Psal | Mg1865 | 144:8 | Izay miteny zava-poana amin’ ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka. | |
Psal | Mg1865 | 144:9 | Andriamanitra ô, hihira fihiram-baovao ho Anao aho; Amin’ ny valiha tory folo no hankalazako Anao, | |
Psal | Mg1865 | 144:10 | Izay manome famonjena ho an’ ireo mpanjaka, Sady mamonjy an’ i Davida mpanompony tsy ho voan’ ny sabatra mandratra. | |
Psal | Mg1865 | 144:11 | Afaho aho, ka vonjeo amin’ ny tanan’ ny hafa firenena, Izay miteny zava-poana amin’ ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka; | |
Psal | Mg1865 | 144:12 | Mba ho tahaka ny zava-maniry maroroka ny zanakai-lahy, Ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban’ ny lapan’ andriana ny zanakai-vavy. | |
Psal | Mg1865 | 144:13 | Ho feno ny trano fitehirizanay, ka hisy vokatra betsaka samy hafa karazana; Hiteraka arivoarivo sy alinalina ny ondrinay any an-tsahanay; | |
Psal | Mg1865 | 144:14 | Hahazaka be ny ombinay, Ary tsy hisy ho rava, na ho lasan-ko babo, Sady tsy hisy fitarainana any an-dalambenay. | |
Chapter 145
Psal | Mg1865 | 145:1 | Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria. | |
Psal | Mg1865 | 145:3 | Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany. | |
Psal | Mg1865 | 145:4 | Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin’ izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe. | |
Psal | Mg1865 | 145:5 | Ny lazan’ ny voninahitry ny fiandriananao Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko. | |
Psal | Mg1865 | 145:6 | Ny herin’ ny asanao mahatahotra no hotenenin’ ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko. | |
Psal | Mg1865 | 145:7 | Hanonona ny fahatsiarovana ny haben’ ny fahatsaranao izy Sy hihoby ny fahamarinanao. | |
Psal | Mg1865 | 145:9 | Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin’ ny asany rehetra. | |
Psal | Mg1865 | 145:12 | Mba hampahafantarina ny zanak’ olombelona ny herinao Sy ny haben’ ny voninahitry ny fanjakanao. | |
Psal | Mg1865 | 145:13 | Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, Ary hitatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao. | |
Psal | Mg1865 | 145:14 | Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika. | |
Psal | Mg1865 | 145:15 | Ny mason’ izao rehetra izao miandrandra Anao, Ary Hianao manome azy ny haniny amin’ ny fotoany. | |
Psal | Mg1865 | 145:18 | Jehovah dia eo akaikin’ izay rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa. | |
Psal | Mg1865 | 145:19 | Hanefa ny irin’ izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy. | |
Chapter 146
Psal | Mg1865 | 146:2 | Hidera an’ i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; Eny, hankalaza an’ Andriamanitra aho, raha mbola velona koa. | |
Psal | Mg1865 | 146:4 | Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ ny taniny izy; Ary amin’ izay indrindra no hahafoanan’ ny fikasany. | |
Psal | Mg1865 | 146:5 | Sambatra izay manana an’ Andriamanitr’ i Jakoba ho Mpanampy azy Sady manantena an’ i Jehovah Andriamaniny, | |
Psal | Mg1865 | 146:6 | Izay nanao ny lanitra sy ny tany, Ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina fahamarinana mandrakizay, | |
Psal | Mg1865 | 146:7 | Izay manome rariny ho an’ ny ampahoriana, Izay manome hanina ho an’ ny noana. Jehovah mamaha ny mpifatotra; | |
Psal | Mg1865 | 146:8 | Jehovah mampahiratra ny jamba Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny marina; | |
Psal | Mg1865 | 146:9 | Jehovah miaro ny vahiny Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, Fa mamadika ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa. | |
Chapter 147
Psal | Mg1865 | 147:1 | Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an’ Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana. | |
Psal | Mg1865 | 147:4 | Milaza ny isan’ ny kintana Izy: Samy tononiny amin’ ny anarany ireny rehetra ireny. | |
Psal | Mg1865 | 147:6 | Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin’ ny tany. | |
Psal | Mg1865 | 147:8 | Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin’ ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra, | |
Psal | Mg1865 | 147:10 | Tsy ny herin’ ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany. | |
Psal | Mg1865 | 147:15 | Mampandeha ny didiny ho amin’ ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny. | |
Psal | Mg1865 | 147:16 | Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy. | |
Psal | Mg1865 | 147:17 | Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany? | |
Psal | Mg1865 | 147:18 | Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano. | |
Psal | Mg1865 | 147:19 | Milaza ny teniny amin’ i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin’ Isiraely. | |
Chapter 148
Psal | Mg1865 | 148:7 | Midera an’ i Jehovah etỳ an-tany, Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra, | |
Psal | Mg1865 | 148:8 | Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny, | |
Psal | Mg1865 | 148:9 | Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra, | |
Psal | Mg1865 | 148:10 | Ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra, Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina, | |
Psal | Mg1865 | 148:11 | Ny mpanjaka amin’ ny tany sy ny vahoaka rehetra, Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin’ ny tany, | |
Psal | Mg1865 | 148:13 | Samia midera ny anaran’ i Jehovah avokoa, Fa ny anarany ihany no misandratra; Ambonin’ ny tany sy ny lanitra ny voninahiny. | |
Chapter 149
Psal | Mg1865 | 149:1 | Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an’ i Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin’ ny fiangonan’ ny olona masìna. | |
Psal | Mg1865 | 149:2 | Aoka ny Isiraely hifaly amin’ ny Mpanao azy; Aoka ho finaritra amin’ ny Mpanjakany ny zanak’ i Ziona. | |
Psal | Mg1865 | 149:3 | Aoka hidera ny anarany amin’ ny dihy izy Sy hankalaza Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny lokanga. | |
Psal | Mg1865 | 149:5 | Aoka ny olona masìna hifaly amin’ ny voninahitra; Aoka hihoby tsara eo am-pandriany izy. | |
Psal | Mg1865 | 149:6 | Aoka hisy fanandratana an’ Andriamanitra eo am-bavany Sy sabatra roa lela eny an-tànany, | |
Chapter 150
Psal | Mg1865 | 150:1 | Haleloia. Miderà an’ Andriamanitra eo amin’ ny fitoerany masìna. Miderà Azy eo amin’ ny habakabaky ny heriny. | |
Psal | Mg1865 | 150:3 | Miderà Azy amin’ ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin’ ny valiha sy ny lokanga. | |
Psal | Mg1865 | 150:4 | Miderà Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin’ ny zava-maneno tendrena sy ny sodina. | |